Ireny Mpamily Ireny….

Resaka fifamoivoizana ny lahatsoratra atolotra anao. Ampahany aminà tononkira iray momba ny mpamily itsy natao lohateny. Voateny ao anatin’izay hira izay ny toetran’ny mpamily eny ambonin’iny fiara entiny iny, ary voalaza manokana amin’izany na tsy mivantana aza ny an’ireo mpampitohy faritra / faritany. Marihana anefa fa tsy ny mpamily rehetra kosa no manana ilay toetra lazain’ny tononkira nakàna io lohateny io. Resaka fampirafesana no malaza ao, saingy ity tantara ho entina aminao ity kosa dia toetra iray hafa mihitsy.

Antaninandro – Ambohijatovo no miseho ny tantara
Mizotra midoladola eo aloha ingahy sy ny fiarany 0919..D, fitaratra matroka daholo ny rehetra ankoatry ny any aloha, ary nijanona kely teo anaty arabe mihitsy rehefa tandrifin’ny Guitare Manako. Manaraka ato aoriana ny scooter iray, sady tsy afaka misongona akory.
Nampaneno anjomara ny scooter, fa tsy noraharahian’ingahy 0919..D
Rehefa afaka tamin’ilay mpivarotra fromage ery amin’ny tohotohobaton’Ambondrona dia nobahanan’ingahy 0919..D indray sady novohainy ny varavaran’ny fiarany hibahana ilay kodiaran-droa tsy ho afaka hisisika amin’ny haviany, dia nitrerona an’ity scooter izy: « Inona no imenomenonan’lah? « .
Namaly tsotra ingahy scooter: « Ianao sady mi-telefaonina eo ampamiliana sy mandeha mora ary mibahan-dàlana eraky ny arabe hatrany ambany any indray ve rangahy ity no hiteny ahy toy izany?- Tsy maintsy mampaneno klaxon aho raha izay no tianao ho fantatra. »
Hany herin’ingahy 0919..D nanakatona ny varavarany no sady nanome làlana. Anjaran’ilay scooter indray avy eo no nitarika moramora ny cortège nanomboka teo Ambondrona hatrany Ambohijatovo. Tsy sahy nanatona akaiky intsony ingahy 0919..D fa nanisy elanelana efa ho 50 m. Nony tonga teny amin’ny sampanana Ambohijatovo, saika nadofotr’ingahy 0919..D tamin’ny taxibe 119 ny fiarany raha nisy kely foana. Antony? Taitaitra tao izy ka saika hanenjika indray sy hibahana ilay scooter, izay efa afaka soa amantsara.
Hatreo ihany no hitako ny tantara, fa iny koa aho no lasa rehefa nahazo làlana.
Ataovy ihany ny manao kely tsy mba mamindro e! Saika nidiran’andro teo ingahy 0919..D sy ny palitao ary ny kiravaty tsy zakan’ny tendany.

Enga anie tsy ho sanatria ho toetra fanaony isanandro ity nataony ity (mihevitra ny tenany ho tompon’ny làlana sy ny lalàna), fa ‘ndeha hataontsika hoe sendra nisy olana nanjo na nitambesatra taminy tamin’io andron’ny 14 Jolay 2014 io. Na koa hoe mety niarahaba ny havany tany lafrantsa tany tratry ny fetin’ny fahaleovantena izy.

#MALOK’ILA (13) PATSA IRAY TSY OMBY VAVA

Sarimihetsika malaza ary saika ezahana vokarina aminà andiany samihafa ny MALOK’ILA. Tsy misy maharatsy an’izay, ary ny hanandratra ny an’ny tena aza no mila ilofosana sy tsara atosika mba ho reharehantsika rehetra.

Indro kely anefa, asa fa indraindray tokoa toa sarotra ny mihazona laza na toerana iray mandritra ny fotoana maharitra. Atahorana ho izay no hitranga raha ity zavatra hita tetsy Ambohijatovo ity no hitohy. Efa fanindroany io fa tsy vao izao. Tsy tadidy na efa navoaka teto ihany ny teo aloha, na ity fanindroany no voalohany hotantaraina.

TSIKY SY TOMANY

Tsotra ny anton’ity lahatsoratra ity. Raha fahafinaretana sy tsikitsiky eo anivon’ny fianakaviana sasany no entin’ny sarimihetsika MALOKILA hatramin’ny nivoahany, dia mba araho daholo ny sary havoaka manaraka eto, satria mety ho ny tsikin’ny sasany, no ho tena MALOK’ILA ara-bakiteny ho an’ny sasany kosa raha sanatria mitranga ny PATSA IRAY TSY OMBY VAVA. Nahoana angaha hoy ianareo?

Eo aminà kihon-dàlana faran’izay tena mampidi-doza no nametrahana ny tranokely fampahafantarana sy famarotana ny vokatra MALOK’ILA an’ny #Scoop Digital. Ny zavatra mahagaga dia misy polisy mpandamina fifamoivoizana eo akaiky eo, fa tsy miraharaha ny eo amin’io faritra io mihitsy. Aleony mijoro ery akaikin’ny tsangambato (an’ny Baiboly angamba izy io) ary dia, na miresaka amin’ny mpamily Taxibe, na mitazana ny any Analakely. Ny tena naka ny sary indray aza no nanaovany tsiky mandreraka. Tamin’ny famarotana ilay andiany teo aloha, teo amin’ity faritra ity ihany, dia nezahana natao ny naka ny hevitr’ilay mpandrindra fifamoivoizana teo tamin’izany fotoana. Ny valinteniny dia hoe:

Aleo eo fa eo no fantany fa mety

ARAKA NY KARAMA RAISINA VE?

Raha izany, tsy fandaniana ny hetra aloanay sy ny volam-bahoaka amin’ny ankapobeny ve ny fanomezana karama an-tapitrisa an-dry zalahy ireny? Tsy ny eo ihany an, fa rehefa mpitandro fiaminana mandrindra fifamoivoizana amin’ny ankapobeny mihitsy. Tsy ahitàna faritra, na iray aza, eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara, ka hoe milamina sy mirindra ny fifamoivoizana amin’ny toerana be mpivezivezy. Mibaby tànana no ataony. Marina fa mba mampihena ny tsy fifanajan’ny mpamily ny fisian-dry zalahy rehefa eo izy, fa hita ho tsy sahaza ny karamany kosa ny vokatra sy ny fihetsika hita eny amperin’asa eny

TSY IZAHO ILAY BANDY

Hiverenana ny horonantsary MALOK’ILA. Asa raha sampana ara-barotra hafa mihitsy no miadidy ity tranolay kely etsy Ambohijatovo ity, na ny mpamokatra no tompon-kevitra tamin’ny fametrahana azy io teo. Fa raha ny fijery azy amin’ny saina tsy miangatra dia fanaovana tsinontsinona ny mpamily sy ny mpandefa an-tongotra ilay izy. Toy ny miteny hoe:

Aleo ho avy izay ho avy, rehefa tsy izahay no voa dia tsy olana.

Izany hoe vain-drahalahy tsy mba maharary raha sanatria misy loza mitranga eo noho ny tsy fifankahitan’ireo avy any Ambohijatovo ambony sy ny avy any Ambondrona, rehefa hifanapa-dàlana.

Lava loatra ny resaka fa ndeha ny sary no hampitenenina

ny trano hazo fivarotam-noky hatry ny ela iretsy ambadik’ilay tranolay manaMALOK’ILA ny làlan’ny daholobe

nalaina avy aty aloha ity fiara ity dia alaintsika avy any aoriana indray avy eo

toy izao ilay 4X4 rehefa alaina avy aty aoriana. Ilay R12 koa jereo tsara fa sahirana vao hahita na misy na tsia ny midina avy any ambony, ny avy any ambony ho sahirana mahita ny avy aty amin’ny haviany

Aiza ve ka ao anaty tournant X tsy ifampitazanana no asiana an’izao, Tena MALOKA TANTERAKA ity fa tsy MALOK’ILA intsony

Ambohijatovo #m1905, vakio hoe Madagasikara 19 May

Ho tohin’ny tantara lavabe nampifanolana ny #FreeFM amin’ny Fitondrana Tetezamita tarihan’Atoa #Rajoelina Andry Nirina, dia nanatanteraka famoriam-bahoaka teny Ambohijatovo i #LalatianaRAKOTONDRAZAFY sy #FidelRAZARAPIERA tamin’ny Sabotsy 19 May 2012 lasa teo (azonao arahana ao amin’ny Twitter amin’ny tenifototra #m1905 ny amin’izany). Nilaza ny hirotsaka hiaraka taminy ny avy amin’ny Ankolafy ZAFY Albert, sy ny sendikan’ny mpanao gazety (niala an-daharana tamin’ny fotoana farany ity sendika ity). Nilaza ny hiandry ireo mpitarika teny an-toerana koa moa ny jeneraly Ravalomanana, saingy mandra-pahatapitry ny fofona lacrymogene dia tsy hita tava teny mihitsy izy.

Teo akaikin’ny tsangambato #MDRM

Raha tamin’ny 9 ora maraina no efa tsinjo fa tsara petraka teny ireo fiara maro an’ny mpitandro filaminana, nanoloana ny vavahadin’ny kianja (-n’ny demaokrasia), tery ampita tsy lavitra teo kosa efa nisy olona vitsivitsy nanomboka nitangorona.

Mihamatevina hatrany ny isan’ny olona

Faritra maromaro nanodidina ny kianja no nametrahana ny mpitandro filaminana (Instat Anosy, Gare Soarano, Tonelina Ambanidia, Station Essence Jovenna Ambohijatovo, Ministeran’ny mponina…),ankoatra ireo mandeha mivezivezy amin’ny fiara mbola raitra sy matanjaka.

Ireo mpitandro filaminana napetraka teny akaikin’ny Station Jovenna Ambohijatovo

Nitombo miandalana ny olona. na dia tsy mbola hita aza ireo mpitarika ny hetsika hatramin’ny tamin’ny mitatao vovonana.

Ny tena nahazendana ahy dia ny nahita Malagasy iray nitondra vazaha efatra mianaka, handeha hilalao ao anaty kianja, hono, ary rehefa nanontaniako teo am-bavahady ilay ranamana Malagasy, dia izaho indray no tratry ny fanontaniana hoe :

Fa misy inona fa tsy arako?

Dia Gaga elah!

Tsy mahay afa-tsy teny Anglisy moa ireto mpivady nitondra an-janany (izy roavavy kely mba nahazo teny frantsay ihany), ka dia voatery ny tena nanazava taminy tamin’ny teny Anglisy ny zava-mitranga sy mety hitranga. Ary aleo nandefa azy ho any Tsimbazaza.

Hiverenantsika ny tena ventin-kanina.

Manomboka feno olona koa ny midina mankany #Analakely

Oayyyy eee! Mpiantsena daholo ve ireto?

Rehefa ela niandrasana teo ny olona maro izay efa nihamarobe tokoa, dia nanomboka tsindrian-daona. Nisy delegasiona voalohany nanatona ny lehiben’ny mpitandro filaminana mba hifampiraharaha. Valiny: tsia, tsy azo idirana ny tanàna fa any an-kafa, na magro manao hetsika

ireo saika hifampiraharaha tamin’ny EMMO

Nanomboka teo koa no efa nisy ny nanandrana nitarika ny olona hisahotaka, saingy tsy nandaitra fa voatosiky ny mpitandro filaminana, sy resy lahatr’ireo delegasiona voalohany, mba hihemotra hiandry ny mpitarika,  alohan’ny hanaovana dingana hafa.

Efa nanomboka feno ny teo anoloan’ny fiakarana ho any Antaninarenina, Ambatonakanga sy ny manodidina ny tsangambato MDRM, ary ny sisiny amin’ny fiandrasana taxibe 119. Toy izany koa ireo lalana miakatra miverina mankany Ambondrona sy ny tohotohobato Tavao, ary ireo havoana sy tranokely misy terasse manodidina lavitra eny

Na terrasse, na tamboho, nitazanana avokoa

Miantrana ny fiara, nefa mitombo koa ny olona

Mandram-piandry ny mpitarika sy izay hiseho ary dia mba afaka niala voly ihany ny mpanatrika taty amin’ny lohalaharana, satria dia nisy an’ilay ramatoa iray sahy nihantsy ireo mpitandro filaminana sy manipy vato tany amin’ny fiara, eny fa hatramin’ny mitsilany eo amin’ny arabe mihitsy aza, mba hanakana ny fiaran’ny EMMO tsy hiroso. Voatery mihitsy moa ireo mpitandro filaminana nibata sy nanipy azy ho eny amin’ny sisin’ny tsangambato.

Andao raha sahy…Oay, diso fa Tifiro raha sahy no nolazainy

Nodradradrain’ity ramatoa ity fa maty noho ny entona mandatsa-dranomaso nalefan’ny mpitandro filaminana ny zanany, koa raha sahy ireto mitana ny basy eny an-tanany, dia aoka koa hitifitra azy. Vitany mihitsy ny nitety tsirairay ireo fiara niantsona teo. « Hiady amin’adala tokoa ve moa » hoy ny sasany. Saingy adala noho ny inona tokoa moa izy? Ary raha isika no teo amin’izay toerana lazainy sy tantarainy izay. Marihana fa somary nandrairay kely ramatoa ka vao mainka koa nampiakatra ny hafanam-pony sy ny fahasahiany izany.

Mivoaha izay mafy e!

« Itsaho raha sahy fa ny zanako aza efa matin-tenisany tamin’ny lacrymogene »

Nolanjaina toy ny entana ary nahilika tery amin’ny sisiny, rehefa nitsilany nibahan-dàlana ny fiara tsy hiainga. Fahasahiana re izany!

Teo ampiandrasana hatrany ny mpitarika dia nisy tovolahy iray ihany koa, nijoro nanatrika ireo mpitandro filaminana, nifatotra scotch ny vavany, ary voafehy nihodidina toy izany ihany koa ny tànany roa, nipetaka tamin’ny vatany.

dia gaga elah!

Ary ny seho hafakely farany, alohan’ny tena nafàna, dia ilay rangahy iray mpampianatra nidradradradra ny alahelony nankeny amin’ireo mpitandro filaminana ihany koa. Hoy izy:

« Efa ho retraité aho »  « 30 ans de service, ary tsy mpikambana amin’izay SEMPAMA any, nefa kosa dia aoka lazaiko an’laisany miaramila sy zandary tsy misy ilana azy ireo, apetraho ny basy dia andao hifandahatra. Misy mpianatro ialahy isany no hitako eto, tao anatin’ny firy taona monja dia mandray in-telo avo heny amin’ny karama raisko, nefa aho ity efa fotoana vitsy sisa dia hitsahatra. Mba misaina, aza dia faly ataon’ny olona fitaovana, ary avenir manao ahoana moa no tadiavin’laisany ho an’ny taranak’laisany ‘reo? »

zaho efa hiato, nefa 1/3 amin’ny raisin’ialahy isany no mba karama rasiko

Tsy diso anjara tamin’izany seho rehetra izany ireo roalahy solontenan’ny SADC eto #Madagascar. Tsy vitan’ny nanatrika ny fampisehoana tetsy ambony izy ireo, fa sady naka sary no nandefa izany sy niresaka nivantana tamin’ny findainy avy. Raha mba niezaka nanokatra ny vavany mba hampiresaka azy moa ireo mpanao gazety sy mpaka sary teny an-toerana, dia tsy nety niteny mihitsy ry zareo fa ny hany naverimberiny dia ny hoe

No comment

ry zalahy SADC izany, sady mizahatany no manao « ady idy »

Toy ireny mpizahatany ireny moa no bikan-dry zalahy amin’izany fotoana izany.

Eto isika dia hiditra amin’ny fotoana nahatongavan’ny ‘sono mobile’. Teo akaikin’ny Agha Khan no nipetraka ny fiara, ary nangatahan’ny olona hakarina any aloha (Ambohijatovo), saingy tsy nihetsika teo kosa mandra-pahatongan’i Fidel Razarapiera.Ny hiakan’ny olona teny an-toerana moa dia niantso ny hoe:

aiza ianareo, sa ho alainay any?

Rehefa tonga teny an-toerana i Fidel (14h 20 teo ho eo) dia nirohotra nitsena azy sy nitondra azy ho eny amin’ny sono mobile ny olona. Rehefa nandray fitenenana nanoloana ny vahoaka ranamana, dia ny nampitony ny olona no nataony satria tsy ho afaka hiditra ao anaty kianja. Tsy nanaiky izany anefa ireo olona marobe fa ny hiditra ihany no tao an-doha. Izay marihana etoana fa nisy antokon’olona efa tsinjo nialoha ihany fa nivonona ny hanao zavatra hafa no tanjony.

Tsy nahatohitra ny antsoantson’ny olona, raha tsorina dia hoe tsy naharesy lahatra sy tsy nahafehy ny olna marobe nihaino azy ranamana, ka nisy tamin’ireo olona tety ambony, nanakaiky ny vavahady College de France Ambohijatovo, no nihetsika nanao dia maika niharo hazakazaka madinika hiakatra ho eny amin’ny faritra manodidina ny mpitandro filaminana.

Ento aho ry tongotro

Vao nahita ireo olona marobe nirohotra niakatra ireo EMMO teo amin’ny vavahady dia sady nampaneno mafy ny anjomaran’ny fiarany, no mba nisy niteny tamin’ny fanamafisam-peo avy ao anatin’ireto 4 x 4 vaovao (nefa dia marihako fa ny 1 metatra miala ny fiara ihany no afaka naheno izany, satria tsy hainy angamba ny mampiasa ilay fitaovana).

Nirefotra amin’izay ny entona mandatsa-dranomaso voalohany nanomboka teto, ary raikitra ny Ento aho ry tongotro

Booom, booom Atsaharo ny hira dia mba mitomania amin’izay

Vetivety dia tsy hita izay nisy an’i Fidel, fa ny sono mobile sy ny mpikirakira azy kosa no tratra tany Ambodifilao tany. Hatramin’ny fotoana anoratana dia mbola voatàna any amin’ny mpitandro filaminana i Rado, teknisiana ao amin’ny FreeFM (toa tokony ho androany 22/05 no niakatra teny amin’ny fampanoavana). Efa nambara ihany koa fa hokarohana sy hosamborina izy mianadahy nanentana ny olona hidina an-dalambe, satria nisy ny fanimban-javatra hoy ny mpitandro filaminana.

teo alohan’ny tsangambato #Ralaimongo

ny fakom-baoritra nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana

Soa fa misy ny miaramila hanala sakana

Ny zavatra iray isan’ny nahatsikaiky dia ny fitangoronan’ny mpaka sary sy ny mpanao gazety nanaoloana ny varavarana fidirana ao amin’ny Hotel Le Glacier. Samy nanontany tena ny rehetra nahita ireo lehibe mpitarika ny EMMO niditra tao fa hoe

ao ve ry Lalatiana sy Fidel, ka hosamborina? Sa inona no mitranga eto?

Tsara ny lany sefo isany a!

Tsy nahitana valiny io raha tsy fotoana ela taty aoriana. Tsy inona ilay izy fa hay niditra hisakafo tao ireo lehibe ireo. (Nefa ny an’ireo mpanatanteraka tery an-kianja dia mofo dipaina sy fromage La Vache Qui Rit, niampy EAU VIVE).

Eo am-piandrasana ny hetsika hitranga rahampitso, famoriam-bahoaka, mbola eo amin’io kianja io ihany, iantsoan’ny Profesora Rajaonarivelo Paul , dia ndeha isika hijery sary mikasika ny #m1905 tamin’ny Sabotsy ao amin’ny Fickr momba izany.

 

Hetsika #12Mai2012

Saika hanao fanazavan-kevitra tamin’ireo mpomba azy teny #Ambohijatovo indray ireo parlemantera roalahy avy amin’ny ankolafy #Ravalomanana. Rehefa avy nanatona ireo mpitandro filaminana nangataka alàlana izy ireo dia tsy nahazo rariny. Rehefa izany dia nilazàna izy ireo hanao izany any amin’ny kianja #MAGRO Behoririka.

Teny an-dàlana anefa dia nizara 3 teo ireto olona nitanjozotra ireto (izay narahan’ny mpitandro filaminana mba tsy hisian’ny korontana, ary dia ireto mpitarika mihitsy aza moa raha ny heno no nangataka izay fiarovana izay). Ny ampahany voalohany nijanona tety akaikin’ny #TAHALA #RARIHASINA, ny faharoa teo amin’ny #13Mai ary ny sisa (fahatelo) dia nanohy ny dia ho any Behoririka.

Nisy ny fifamaliana teo amin’ireo mpitarika roalahy sy iretsy nidongy hijanona tao afovoan-tanàna, ary nivoaka tamin’izany aza ny fitenenana naherihery avy amin’ireo mpanara-dia fa hoe nahatsiaro ho nolalaovin’ireo mpanao politika ry zareo, nolaniana andro. Na dia niezaka ny handresy lahatra azy ireo aza ny mpitarika dia tsy nahita nangirana, fa dia niparitaka ny hetsika.

Ny tetsy amin’ny kianja 13Mai no ndeha hiverenana. Nifampitazana sy nifampiandry teny indray ny EMMO sy ny mpanao fihetsiketsehana. Nitohy hatramin’ny efa maizina moa izany fifampiandrasana izany ary niafara mihitsy tamin’ny fisamborana olona telolahy, taorian’ny nisian’ny fikasana handoro fiara tsy lavitra ny arabe mivily mankany amin’ny Lisea #Rabearivelo iny.

Isan’ny nanamarika ny andro androany hariva ihany koa ny nakan’ny mpitandro filaminana iray ny finday misy fakàna sary teny amin’ny mpanao gazety iray, sy nanitsahany an’izanyary ny nanipazany azy lavitra dia lavitra ilay toerana nitrangan’ny famotehana. Asa raha fantany hoe mpanao gazety ity olona nanaovany herisetra, na noheveriny ho olon-tsotra. Teto dia nahatsiaro ny zavatra nahazo ny namana iray mpaka sary an-gazety niharan’ny fisamborana sy ny daroka rehefa nentina tao amin’ny #Bain-douche tamin’ity herinandro ity ny vitsivitsy nanatrika teo. Fihetsika izay tsy voalohany no sady angamba tsy ho ny farany koa. Mahamenatra satria nony injay nentina tao amin’itsy birao voalaza ilay mpanao gazety, ka fantatry ny tao fa mpanao gazety, dia navoaka toa tsy nisy inona iny, nefa raha ny heno dia hoe efa nasaina nanao sonia an-tery ny fakàna ambavany azy,talohan’ny nahatongavan’ireo mahafantatra azy ho mpanao gazety.

Aleo hatsahatra ny bla bla bla, fa ndeha hijery sary isika e, ny androany hariva.

Sary 1 : Mifampitazana sy mifampiandry

ireo fiara mivezivezy miezaka mamno lolo ny olona mivorivory

dia voatery foana hanimba zavatra ve rehefa hoe maneho hevitra? Fisainana efa tokony hialàna

Voaendaka daholo natao sakana ny sisin-jaridaina teto amin’ity hazo ity sy ny manodidina azy

Ery amin’ny farany somary lavitra amin’ny sary ery dia misy fiara mipetraka. Tsy nisy nanampo fa hisy hanandrana handoro izy io rehefa harivariva manomboka ho maizina

ireo tery ampita niandry izay hiseho

Rehefa nesorina ny sakana teo aloha, dia mbola nisy indray ny famerenana nametraka vaovao rehefa maizimazina iny ny androany

Sezan’ilay fiara saika hisy handoro izy ity. Soa fa mora nesorina sy nosintonina hivoaka tao amin’ilay fiara fa saika loza

Ity kosa ilay fiara tompon-tseza. Nahagaga fa teo akaiky teo ihany ny tompon’izy io saingy tsy nahatsikaritra izay nanipy ny afo tao anatiny

Iray tamin’ireo telo lahy voasambotra, rehefa nifanenjehana sy notadiavina tany anaty trano fisotroana tsy lavitra teo

Hatreo aloha ny androany. Asa raha hanao ahoana ny ampitso. Milaza hanao fanateram-boninkazo ny sasany, hankalaza tsingerintaona voalohany ny hafa, ny hafa indray mbola hanohy ny androany , hono. Vokatry ny fahantràna daholo izany

Ambohijatovo 28 Aprily 2012 (#28042012)

Aty am-piandohana dia isaorako manokana i Carene R. nampindrana ahy ny sary rehetra miasa ato anatin’ity lahatsoratra androany ity. Tsy mba isan’izay afaka nanatrika teny  fa nandalo monja mantsy ny tena noho ny famaliana antso hafa nifanindry.

Izay no ela fa dia hiditra amin’ny votoatiny ary isika e.

Tanteraka tokoa moa izany ny famoriam-bahaka teny Ambohijatovo, nokasain’ireo Parlemantera avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana hanaanterahana tatitra ho an’ny vahoakan’Antananarivo. Ny famoriana olona no tanteraka fa tsy ny fanaovana tatitra akory. Tsy azo notsinontsinoavina ny hamaroan’ny olona tonga teny raha ny hitako tamin’ny fotoana niseranako teny an-toerana. Olona feno fahavononana, ary niandry tanaty fahatoniana tanteraka ny fahatongavan’ireo mpitarika nilaza hanao tatitra. Satria na ireo fiara mpitatitra aza dia mbola afaka nizotra tam-pilaminana tanatin’izany vahoaka izany.

Afaka nizotra milamina nanavatsava ny vahoaka ireo fiara mpitatitra

Ampahany amin'ireo olona marobe tonga teny. Tsy hita eto amin'ny sary kosa ny aty amin'ny manodidina ny Fiangnana Advantista Mandrosoa Ambohijatovo sy ny Camp RM1

Tany am-panatrehana fihaonana hafa tany ny tena no nandre sy nahazo tatitra amin’ny alalan’ny fitaovan-tserasera (twitter sy FB), fa rehefa tonga ny tokony ho tamin’ny roa ora mahery dia nivonona hiakatra an’Ambohijatovo i Mamy Rakotoarivelo. Tsy ela taorian’izay dia nirefotra ny entona mandatsa-dranomaso. Raikitra ny ‘ento aho ry tongotro‘ sy ny ‘Sakano, sakano‘.

Ireo entona nalefa ka niteraka fahasemporana sy faharatrana teny an'ivon'ireo mpanotrona

Nifanjevo nanomboka teo ny filazana isa: nisy ny niteny fa maro no naratra, be ny sempotra, misy ny voasambotra. Raha ny voalazan’ny HJRA dia 3 no olona naratra noraisiny. Tsy haintsika ny tany amin’ny toerana hafa. Ny tao amin’ny Antsiva indray nanambara fa 3 no olona voasambotra. Toa isa hafa noho izany anefa no voalazan’i Mamy Rakotoarivelo raha niverina teny amin’ny kianja MAGRO Behoririka hoy ny olona tafaresaka tamin’ny tena.

Ny tsikaritra teny Ambohijatovo dia efa niantrana teo daholo ireo fiara raitra sy vaovao azon’ny mpitandro filaminana. Toy ny efa mahazatra hatrany rehefa heno fa hisy hetsi-bahoaka. Dia nitsiriritra teo ny maro, ka samy niteny anankampo hoe: Raha mba ireto izao no nentina nisafotnanasy manao ‘la ronde’ isan-kalina an! Fa tsy hatao fandravana hetsika isaky ny mivoaka ny toby, dia angamba mba handry fahalemana ihany ny tanàna1″ Saingy sentosento tsy nijanona ela izany fa nosomparan’ny entona manempotra, ka zary toa nofy ratsy ihany.

Mba mandalova aty amin'ny tanàna fa mijaly zahay amin'ny mpangalatra eeee!

Toa fantatra sahady koa anefa ny mety ho valinteny ho azo raha hangataka an’izay amin’ny tompon’andraikitra ianao: Ny fiara misy, fa ny solika no tsy maharaka. Tsy mahagaga araka izany raha tany Toliary tany nisy  flàna vonjy tamin’ny mpitandro filaminana, tsy nihetsika izy ireo fa hoe tsy misy solika, ka na ny mpila vonjy no maka azy amin’ny fiara, na mividy solika ho azy.

Fa mandeha be koa ankehitriny ny resaka fa hoe sarin’ady no nataon’ingahy Mamy Rakotoarivelo teny Ambohijatovo, fa raha ny sitrapony dia efa nipetrapetraka tany amin’ny toeram-piadanany  tany fotsiny. Toy izao ny ampahany tamin’ny fanehoan-kevitra nivoaka tao amin’ny pejy Facebook, entina zaraina amintsika momba izay, Ary narahana sary mihitsy moa izy io:

Mamy appelle les gens à manifester à Ambohijatovo et lui il est tranquille et détendu au TV+ avec Andry Rajoelina EN PERSONNE.Prenez pas les gens pour des cons les gars

  • Andry Niaina RakotoarisonI don’t see the problem: that it remains with Andry Rajoelina,…, or that he left TV+,…, it doesn’t change anything,…, the moment that Ra8 be silent!

  • Nadia RaonimanalinaMahery Lanto Manandafy< aza mapme oa, amin’ny 1 vao manomboka ny eny Ambohijatovo e, az dia mapirohoroho sain’ny olona kosa e. Ny an’ny TV plus matinée ihany….
  • Samedi 28 avril 2012 :Concernant l’évènement d’aujourd’hui, nous sommes très étonnés de trouver ce genre de photos dans le forum du TIM MADAGASCAR…Nous estimons que tout ceux qui aime le PRM doivent le savoir…charge à vous de porter vos commentaires…

    Sary tao amin'ny Tranonkala TIM

    • Tita Ramanandraibe ontrany nampiakatra ny afoko nge le nataon’i Mamy androany iny e.Vetivety teo de tsita tampoka.
    • Mahery Lanto Manandafy Mamy Rakotoarivelo est un connard, rien d’autre, et il y en a encore qui trouve normal qu’il se la pète avec le PT, AU MEME MOMENT OU IL APPELLE LES GENS A VENIR SE FAURE CASSER LA GUEULE A AMBOHIJATOVO,
      Moi j’appelle ça faire la pute, et rant pis pour ceux qui sont pas contents, rien à cirer
    • Tita Ramanandraibe Zay mintsy!ze vandana de kary!NY TSARA @ TSIKA MANAO 1 SY 1 @ FOZA AMIN’IZAY

Tandremo ihany zalahy fa efa mitady handady anie izany trambon’ny ady an-trano izany e. Nefa izay mihitsy no tadiavin’ny sasany. Iza no hahita tombontsoa amin’izany? Tsy izaho aloha e, ary tsy iriko ho hitan’ny taranaka fara sy dimby akory.

Hijanona eo va re ity resaka ity sa mbola hitohy? Asa fa dia hiaraka hahita isika rehetra.

Ririnina no miandry antsika rehetra, nefa tsy nahasakana ny hetsiky ny mpomba an-dRavalomanana tsy hafana izany omaly.

Masoandro miposaka eo amin’ny fiainany no tadiavin’ny Malagasy tsirairay, koa raha tsy mitodika amin’izany lalan-jotra izany no fomba fitondra, dia tsy atao mahagaga raha mahita vahoaka mitroatra.  Ahoana tokoa moa no hahazakàny hijery isan’andro ny tsindry hazolena atao aminy sy ny taranany? Ny asa tsy misy, ny hanina zara raha misy ahiditra am-bava, ny ankizy tsy mianatra fa toa ireo nantenain-kanirina no mampivandravandra ( mbola apetrako ilay ilay fanontaniako tany aloha tany hoe, Mba ohatrinona ny vola raisin’ny mpiasan’ny Zone Franche no toa mbola tsy maty ihany izy ireny, nefa ireto mpampianatra misosa aminà fiara, tsy mahalala noana, sy mandray karama aminà tarehimarika 7 no mbola hilaza fa tsy ampy ny azy) Dia miseho lany etsy sy eroa ny fitakiana maro samihafa, izay tsy hita homena tsiny, satria ny hafa nangataka, nahazo, ary tsy misy mangataka voan-tehamaina rahateo koa mantsy hono eeeee

Iza no tompon’ny fahefana? Ary iza no tompon’ny vahoaka? Tsy anjarako ny hamaly an’io, saingy tokony hisaina ihany izay mihevitra ny tenany ho tompon’ny fahefana fa ‘indramina anie izy io e’, ary na ho ela na ho haingana, ary na iza na iza no mbola hitondra, dia tsarovy fa tsy maintsy hamerina ny ‘omby volavita’ izay an’ny hafa fa tsy anao akory. Mpiandry omby no toerana misy anao eto fa tsy tompony, koa tandremo ihany lahy ny hetraketraka.

Eo ampiandrasana izay fifidianana (raha hisy amin’ity taona ity) sy ny andro natokana erantany ho an’ny fahalalahan’ny Asa Fanaovan-gazety ( raha halalaka tokoa), dia tsara ny manamarika fa tsy hisy sendika ho sahy hanao fanehoan-kevitra an-dalambe izany amin’ny 01 May. Mba inty aho eto! Efa hafatra mialoha sy mazava be ireny teny Ambohijatovo ireny.

Avela eo iny aloha fa mbola ho tantara mitohy, ka sao tsy hisy hambara any aoriana. Fa mamerina hatrany ny fanampian’ny namana Carene R omaly isika rehetra. Azonao atao koa ny mahita azy ireny ao amin’ny pejiny Facebook. Sary izay tena mazava tsara sy  miteny betsaka noho ny teny an’aliny aza.

Fampidirana sahady: hiresaka ny MIZANA TSINDRIAN’ILA ATAON’NY MPITONDRA ISIKA AMIN’NY LAHATSORATRA MANARAKA, na ilay antsoin’ny teny frantsay hoe 2 poids, 2 mesures.

Apokalipsy / Tsy manara-dalàna, namoa-doza

Saiky faty olona maro no nitranga teo Ambohijatovo androany tolakandro. Fiara iray an’ny vondrom-bavaka APOKALIPSY tarihan’ny Pasitera Mailhol no tompon’antoka voalohany tamin’izany.
Ilay fiara nahavanon-doza
Rehefa nofotorana moa ingahy mpamily dia nilaza fa tsy niasa intsony ny tsindrihisatry ny fiara (frein) nentiny. Rehefa nitranga ny patsa iray tsy omby vava ka nangatahana taminy ny antontan-taratasy dia tsy hay be ihany izay marina fa mbetika toe hoe tsy hita niaraka tamin’ny entana tao anaty fiara, mbetika toa hoe any anaty fiara hafa, mbetika indray toa any an-trano aza. Saingy rehefa ny avy amin’ny mpitandro filaminana misahana ny lozam-pifamoivoizana no tonga, dia fantatra fa niniana nafenina ny taratasy. Nibaradaka ihany mantsy ranamana fa tsy any aminy ny permis fa mbola halaina. Ary rehefa nojerena koa ny antontan-taratasin’ny fiara dia efa lany andro ny fitsirihana fanao amin’ny fiara toy ity karazany nanao loza ity. Marihana fa itony minibus itony ilay fiara.

Antontan-taratasy lany daty toy izao no itondràna fiara ka niteraka ny loza

Fa nanao ahoana moa no fitrangan’ny loza?
Avy ny orana. Tsy maintsy hampiditra akanjo aro orana araka izany ny tena satria moto no entina. Nampakarina teny ambony trottoir ny kodiarandroa, ka rehefa vita ny fampidirana ny akanjo, dia nisosa miadana indray hamonjy ilay fanariam-pako tery ambany tery (raha mivoaka ny Tonelina Ambanidia ka hidina ho any Ambohijatovo iny). Noteren’ilay fomba fiteny hoe ‘Ny olombelona tsy akoho’. Teny ampisosàna miadana teny anefa (eny ambony trottoir hatrany amin’io fotoana io an), dia tsinjoko ao anaty retroviseur fa misy fiara, mbola lavitra raha ny fijery azy, any aorinako, ary noheveriko mihitsy aza raha ny habeny tao anaty fitaratra no hakàna sary an-tsaina ny elanelana nisy azy, fa fiara nijanona io tazako io. Teo ampiomanana ny haka sisiny hivalan-drano aho no sendra nitsipalotra tany anaty retroviseur indray ny masoko, ka akory ny hatairako fa efa ny sarin’ny lohaben’ilay fiara no hitako mivandravandra be tao anaty retroviseur. Mbola marihako hatrany fa eny ambony trottoir foana ny resatsika eto an. Efa ny fahafatesana no tao an-tsaiko saingy mbola mba niezaka ny hikisaka hiankavanana ihany. Satria koa nisy mpivady anankiroa tsinjoko tao aoriako tao, izay soa ihany fa tsy tratr’ity loza ity fa raha tsy izany dia maty tsy tra-drano. Nijanona ho faniriana anefa izany hikisaka izany fa tsy tanteraka intsony, satria segondra iray na roa taorian’ny nijereko ny retroviseur dia ny fipoahan’ilay fiara tamin’ny scooter notaingenako sisa no henoko talohan’ny nipitihako niankavanana, sy nahitako ny kodiarana aorian’ilay fiara nanosika ny lohako hikipily sy nanodina ny vatako 180°. Ny scooter koa dia nipitika tany amin’ny 5 metatra niala tamin’ny toerana nilatsahako, ary tokony ho 7 metatra amin’ny toerana nisian’ny fifandonana.
Ankavia, ny firan’ny APOKALIPSY, ery amin’ny havia, ny fiaraben’ny fivondronana, eto aloha kosa ilay scooter nofaohana teny ambony trottoir
Firaben’ny orinasa STAR iry ery aloha indrindra nataony tohana iry. Ao anelanelany ao kosa dia misy fiara madinika 3 hafa nafangarony natao tohana ihany koa.

Taorian'ny nandonany ny scooter dia ity Golf ity indray no nasiany

Tsy ampy hanajanona ny hazakazany ilay Golf fa mbola nampiany fiarakely roa hafa…
Manomboka eto dia alaivo an-tsaina ny hamafin’ny fifandonana. Azo itarafana an’izay ny fanaingan’ilay Peugeot 405 an’ilay 4 x 4 Mitsubishi teo alohany. Ity farany moa dia nifatratra tamin’ilay fiaraben’ny Star teo alohany.

Mianga mihitsy ny vodin'ilay Mitsubishi

Mafy anie izao e!

Saika be no maty
Fiara avy nitondra vondron’olona maromaro ity fiara ity, no izao tra-doza izao. Nisy fiaraben’ny Fivondronana  teo alohako teo . Rehefa avy nahadona ahy ilay fiaran’ny APOKALIPSY dia mba nahavita nisoroka ny fifatràrany tany amin’ilay fiara mpaka fako ihany. Naveriny niditra tany anaty arabe ny fiara, ka ireo nitohana teo amin’ny làlana no nataony tohana hanajanonana ny hazakazaka adàlany.

Ery aloha ny an'ny Star, manaraka azy eo ny 4 x 4 fiaran'ny Ministeran'ny Harena ankibon'ny tany, avy eo ilay Peugeot 405, ary ireto mifanakaiky ireto ny Golf sy ny APOKALIPSY

Fiara dimy  (5) izany no nifanosona sy simba teo, ka vehivavy iray no voatery nentina tany amin’ny hopitaly. Voatery nomena fitsaboana maika sy nozairina ny tarehiny. Mivonto be koa ny handriny havanana. Ny vadin’ny mpamily ilay Golf  io ramatoa io. Ilay mpamily ny fiara 405  koa dia voatery nentina niaraka tamiko tany amin’ny hopitaly mba hotarafina sao misy tsy metimety. Nitarainany ho nisy narary mantsy ny hatony, raha nidona indroa tamin’ny fitaratra, sy nironjona nankany aoriana nandritra ilay dona.
Raha tsy nisoroka ilay fiarabe mpaka fako ny mpamilin’ilay fiaran’ny APOKALIPSY dia be no maty tao anatiny tao. Avo dingana ihany mantsy ilay fiarabe, ka azo antoka avy hatrany ny hahatafasitrika ny ampahany maro amin’ilay fiara any ambaniny any, ary dia ho voatapak’ilay benne daholo ny faritra ambonin’ilay minibus.
Mba nisy madama iray izay no hany nanana fahatongavan-tsainy nihazakazaka nivoaka avy tao anatin’ilay fiaran’ny APOKALIPSY ka nijery izay nanjo ahy, sy nanontany raha misy tokony hatao maika amiko. Fa ny hafa kosa (tamin’ireto olon’ny APOKALIPSY ihany) dia nahavita niteny zavatra tsy ampiheverana sy tsy takatry ny saina.
Nandritra ny fanangonan’ireo mpitandro filaminana ny fanadihadiana nataon-dry zareo, dia tsy fantatr’ireto olona ireto velively hoe efa misy fianakaviako anie nantsoina ho tonga eo amin’io toerana nitrangan’ny loza io. Nisy tamin’ireto olon’ny APOKALIPSY  ireto no nahavita niteny fa hoe Mitady zavatra hono izahay niharan-doza ireto. Tena misy zavatra be tadiavin-dry zareo mihitsy. Rehefa naheno an’izay moa izahay niharan-doza dia tsy naharitra kosa fa niteny. Hoy aho hoe
Azafady kely fa raha ianao no teo amin’ny toerako, saika namoy aina tao anatin’izao loza izao, mety mbola ho izay ve no noteneninao ee?
Fanavaozana vaovao (10 mars 2011) : Nilaza tamiko ny vadiko fa ilay ramatoa nitondra ahy tany amin’ny hopitaly mihitsy kay no niteny voalohany an’ilay hoe Mitady zavatra be mihitsy ilay rangahy io. Saingy nipirina nony nolazain’ny vadiko azy fa henony daholo izay nolazainy teo ary izy no vadiko. Ary tsy hanaiky mihitsy izy raha tsy entina mandalo hopitaly ny vadiny (izaho izay). Dia nihatokatoka nanaiky sisa no nataony, ary nitondra anay mirahalahy tany amin’ny HJRA avy eo. Ary mbola izy io ihany koa ilay nihazakazaka nivoaka avy ao anaty fiaran’ny APOKALIPSY nijery izay nanjo ahy. Tsy nampoiziko.  Hay izany na ilay izy nihazakazaka nivoaka nijery ahy aza dia mety ho fihatsarambelatsihy sy tahotra ny ho tohiny fotsiny.
Ilay rangahy iray isan’ny niharam-boina koa dia niteny hoe
mba tandremo kely ny vava fa tsy fantatrao daholo ireo olona voadonanareo ireo.
Satria dia nisy mpahay lalàna tokoa tafiditra amin’ireto niharam-boina. Raha nandre izany ilay ramatoakely, nampiana lehilahy tanora iray, mbola avy amin’ny tarik’ilay fiara APOKALIPTIKA ihany (tsy haiko na vadiny iny na inony, ialako tsiny fa tsy fantatro) dia toa vao mainka aza nandrisika azy hiteniteny foana, ka hoy izy:
Tsy miraharaha izay zavatra simba any …ary tsy mahalala anay koa angaha? Tsy mahalala ahy koa angaha?
Asa re na mba olona ampy saina sy fanahy no afaka hiteny toy izany, na olona manao ahoana?
Vavolombelona hafa
Nisy ramatoa iray nametraka ny laharan’ny findainy aty aminay niharam-boina mihitsy (nitalahoana mihitsy raha ny marina ny mba hanomezany azy, haintsika ihany fa tsy dia tia voarirodrirotra loatra ny olona eto amin’izao fiainana izao). Io ramatoa io dia nidina avy tany anaty taxibe tany akaikin’ny tonelina tany rehefa hitany fa ho ela ilay fitohanana. Akory anefa ny hagagany fa ilay fiara nisosososo be avy nisongona an-dry zareo tany ambony tany no io namoa-doza aty ambany aty io. Raha ny elanelana voalazan’ilay ramatoa fa misy ny fiara nidinany sy ny toerana nitrangan’ny loza dia misy 120 metatra mahery. Manamarina ny endriky ny fiara hitako tao anatin’ny retroviseur ilay elanelana voalaza etsy ambony io. Satria ny toerana nahitako an’ilay fiara voalohany tao anaty fitaratra dia tokony ho mbola any alohan’ny andrin-jiro 3 miala amin’ny toerana nisy ahy talohan’ny dona. Taxibe maro izahay hoy ilay ramatoa no efa nosongonan’io fiara io tany aloha tany, ary nandeha mafy tokoa izy.
Mahagaga
Fa ny tena nahazendana ahy sy nanontaniako an’ilay mpamily dia ny hoe
mba hainao moa ilay vazivazy ratsin’ny mpampanao fanadinana rehefa maka Fahazoan-dalana hamily fiara r’ingahy? Hoy ry zareo ireny hoe raha misy olona sy alika miampita tampoka eo afovoan’ny arabe, eo anoloanao, ny inona no itsahanao voalohany? Valiny ho an’ny manan-tsaina Frein na tsindrihisatra. Fa tsy misafidy olona na alika. Nefa kosa ny anao dia izaho, naleonao nanintsy taty amiko na ho faty aho na ho velona fa nampalahelo anao ny handona na hanimba fiara na ilay rarivato tetsy amoron-dàlana, na koa handona andrin-jiro iray tamin’ireo 3 nandalovanao.
Namaly moa ranamana fa tsy tao an-tsainy intsony izany rehetra izany fa ny hoe tapaka ny frein no nibahana tao an-tsainy (raha ny marina dia hoe Raha ho faty aho, matesa rahavana, raha ho faty rahavana, matesa ny omby, io no nampiharin’ingahy mpamily ka aleony ny hafa no mihinan’ny…toy izay izy mianakavy sy ny fananany no mifafa ny….Ka dia izahay no nasainy naka ny toeran’ny omby).
Tsy dia mahagaga loatra raha izay fahatapahana frein izay, satria hay ilay fiara ka fiara tokony ho nandalo fitsirihana ary efa lany visite technique tamin’ny 7 Martsa lasa teo.
Fitahiana lehibe
Fa ny zavatra isaorako an’Andriamanitro, dia ny nitahiany ahy. Ratra kely eo amin’ny kihon-tongotro havanana sy amin’ny tànana havanana no azoko, miampy fanaintainana tao amin’ny foto-peko havanana ao, noho ny fianjerana tamin’ny fandakàna ny scooter ho solon’ny fahatra hanipy ny tena ho lavitry ny loza. Tery dia tery anefa ny trottoir ary haingana be ny fitrangan’ny loza ka tsy lasa lavitra ny tena fa vofaoka niaraka tamin’ilay scooter ihany, na dia tsy nanaraka azy tany amin’ny 5 metatra aza. Izay tsy nahita ahy, fa fotoana ela taty aoriana vao nandalo ilay toerana, dia samy niteny daholo fa tena maty angamba ilay mpitondra moto. Saingy talanjona rehefa nilazana fa izaho no teo ambonin’io. Na izaho aza gaga raha niverina nijery ireto sary ireto, hoe ahoana no tsy nahavoa mafy ahy? Nefa raha ny fitefoky ny dona, na tamiko, na tamin’ireo fiara, dia tena mafy dia mafy tokoa. Saingy ny valiny dia tsotra :  » Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha-toy izao ahy « 
Raha ny tolakandro ny loza no nitranga, dia mbola maro tamin’ireo fiara niharan-doza no tsy afaka teo amin’ilay toerana talohan’ny tamin’ny 8 ora alina ary hatramin’izao fotoana anoratana ny lahatsoratra izao aza angamba. Satria nisy mihitsy ny voatery nakàna mecanicien sy carrossier mba handrava sy hanamboatra azy teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza mba hahafahana manetsika ilay fiara.
Efa vita moa ny Constat fa ny hikarakara ny taratasy any amin’ny Assurance rahampitso sy ny any amin’ny BAC any Tsaralalana sisa no hatao.
Raha ny vaovao fantatra teny an-tsefantsefany teny, dia vao tamin’ny Alarobia koa io mpamily io no nanao loza, dia ity androany Alarobia ity indray ny manaraka (resaka mangiana, somary bitsibitsika, nifanaovan’ireo telo lahy avy amin’ny APOKALIPSY nasaina naka kamiao hanaterana ny fatin’ny scooter-nay nody moa no nahenoana an’izay an-dàlana, alohan’ny hiaingan’ity kamiaon’ny APOKALIPSY ity ho any Marovoay indray izao alina izao ihany.
Misaotra an’ireo namana nitondra fankaherezna sy niarahaba ny tena tsy maty fo aman’aina.
Farany
Ity avoaka ho anao eto ity ny lehilahy iray nanindry, tonga dia tsorina hoe nanindry aloka, tsy hoe hanao kolikoly akory no tiana ho lazaina, fa saika hiaro ilay mpamily nanoloana ny fitakiana taratasy nataon’ny polisy, rehefa tratra fa tsy nisy taratasy tany amin’ingahy mpamily. Rangahy io avy eo no naniraka tovolahy iray hafa haka ireo antontan-taratasy tany anatin’izany EXPLORER izany. Napetrak’ilay polisy tamin’ny toerany tsara moa ranamana satria naverina taminy ny fanontaniana natao tamin’ilay mpamily hoe
rehefa hitondra fiara moa ramose dia inona avy no tokony hamarinina mialoha?
Nihenahena tsy nety namaly ranamana ary dia ny nihataka sisa no nataony.

Saika hampianatra ny polisy hanao ny asany angamba ity rangahy apokaliptika ity (ilay miresaka aminà ramatoa)

Fa araka ilay fitenin’ny mpijery baolina hoe : Jereo kely ny tabilao, dia entaniko ianao mba hijery koa ny fitaratr’ity fiara ity. Efa mandeha sahady ny fampielezan-kevitra sy ny fangalarana depart amin’ny fifidianana ho avy. Fitoriana ny lala-mahitsy sy ny fahamarinana, ary fampianarana ny olona hanao ny araka ny lalàna ve hoy ianao? Asa re, fa mampieritreritra ihany….

Alehibeazo io sary io dia ho takatrareo ny tiako ho lazaina. Misoratra eo ny fampielezan-kevitra ankolaka momba ny taona 2013

Savorovoro androany 18 oktobra 2010

Nialoha, nandritra ary taorian’ny fotoam-pitsarana natao teny Anosy androany dia niazo an’Ambohijatovo sy Analakely ary Behoririka ireo andian’olona notarihan’i Fetison Andrianirina, izay tsy nanatrika ny fotoam-pitsarana azy androany. 48 izy ireo no tokony hiatrika fitsarana tamin’ity anio ity. Ho avy indray koa i Chissano ato ho ato. Fifanandrifian-javatra ve? Fiara iray no nitondra niaraka an’i Fetison Andrianirina, Lalatiana Ravololomanana, Zafy Albert tamin’ity androany ity. Saingy noho ny fotoana fohy nomen’ireo mpitandro filaminana hahafahana mampiasa ny kianja Ambohijatovo dia tsy afaka nandray fitenenana Atoa Zafy Albert na dia efa voaomana hanana anjara aza.

 

Ambohijatovo niaraka tamin'i Fetison Andrianirina

 

 

Fa misy inona mahaliana ary ato?

 

 

Fetison Andrianirina mikabary

 

 

Fialàna ny kianjan'Ambohijatovo sy fandalovana an'Analakely

 

 

"Tsy manaiky ho resy" no dika malalak'ilay soratra amin'ny akanjon'ilay ranamana iray io

 

 

sady mandeha no manoratra mampita hafatra

 

 

Mandalo Gara ho any Behoririka

 

 

Fidinana teny Behoririka avy any Soarano

 

 

raha 10mn no nomen'ireto mpitandro filaminana ireto hijanonana tao Ambohijatovo, dia niantso ny olony hiverina eo kosa indray i Fetison Andrianirina rahampitso maraina

 

 

Nisy ny fihoaram-pefy tamin’ity hetsika androany ity, toy ny fikapokapohana fiaran’olona sy taxibe teny amin’izay nolalovana (tsy ny rehetra aloha no nanao an’izay fa vondron’olona vitsy), teo koa ny afnaovana sakana nanodidina an’i Behoririka sy Ankadifotsy. Ireny rehetra ireny dia nitarika ny mpitandro filaminana handrava ny hetsika tao amin’ny Magro Behoririka tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso.

Efa nandefasana fiantsoana ihany koa Andriamatoa Fetison Andrianirina sy Ramatoa Lalatiana Ravololomanana mba hanatona hitondra fanazavana momba ireo fihoaram-pefy ireo rahampitso maraina eny amin’ny zandary Betongolo.

Taxibe 119 – Ambohijatovo

Misy ny tetikasan’ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo ho fanatsarana ny zotra taxibe 119 mba hofitaratry ny zotra hafa. Miandry izay ho tohiny sy fihatraran’ity raharaha iray somary nampisavoritaka ny avy any Ambohitrimanjaka ity ny rehetra.

Fa raha izay fahita isa-maraina etsy Ambohijatovo aloha dia asa raha tetika mahomby ilay tsy fisian’ny polisy mandamina fifamoivoizana tato ho ato na ahoana (efa ela koa moa no nitovy foana na misy na tsy misy polisy eny an-dalambe eny). Isa-maraina tokoa mantsy dia tsy maintsy mibahana ny fifamoivoizana amin’ilay sampanana miakatra mankany Antaninarenina iny ireto zotra taxibe 119 ireto. Ary tsy izy ireo ihany kosa aloha fa manampy trotraka ny ataony koa ireo zotra 147 sy ny hafa avy amin’ny kaoperativa Tselatra.

Ambohijatovo isa-maraina

Rehefa tonga eo amin’ny sampanana hiakatra ho any Antaninanarenina iny ianao isa-maraina dia manontany tena hoe : « sao dia ny mpanampy ny mpamily – receveur – aza no eo amin’ny familina eo ka tsy mahalala ny tokony hataon? » . Farafahakeliny amin’izay tokony hatao mantsy ny mamela ny làlana mba hizoran’ny hafa rehefa hita fa tsy ho afaka hisosa akory ny fiaranao. Fa dia miroso soa amant-tsara mibahana ny hafa ry zalahy ary miandry ny sitra-pony eo ny rehetra. Ny fanalàna olona eny afovoan-dàlana moa manginy fotsiny.

Na ny kaoperativa hafa koa aza manao ny ataony eto Ambohijavtovo

Ny zavatra tokony ho ao an-tsain’ireto mpamily ireto ihany koa dia ny hoe : rehefa voabahana – mitohana – ny fifamoivoizana eo amin’io faritra io dia miantraika hatrany Antsahabe, Ambondrona ary Ambohidahy sy Anosy ny vokany. Saingy ny azy aloha no voalohan-daharana, ary ny azy no tsy azo ampandeferina, ka dia « izay voa manodidina ».

Fanatsaràna an’Antananarivo

Sehatra maitso:

Nikarakara ny zaridaina sy ny sehatra maitso eran’ny tanànan’Antananarivo ny C.U.A.   Araka ny filazan’ireo tompon’andraikitra amin’izay dia noho ny maha-ivon’ny Madagasikara azy fa tsy noho ny fahatongavan’ny faha-50 taonan’ny Fiverenan’ny Fahaleovantena fotsiny.
Isan’ireny ny ao Ampasika. Tsy tokony hisy intsony ny fanentanana ny olona hoe ‘hajao sy arovy ary kolokoloy ny zaridainantsika‘ fa tokony handeha ho azy izany. Fananana iaraha-manana rahateo ireny.
Fanambin’ny C.U.A ny hanome ny sahaza ho azy ny vahoaka, hoy izy ireo, ka izany no antony nanaovana ny hetsika.
Mampalahelo anefa ny mahita ny zavatra nandaniana aina sy fotoana simbain’ny ‘vahoaka’ ihany toy ireny. Tokony hifanabe sy hifampitondra izany ny ‘isika samy isika‘ fa tsy voatery hasiana mpiambina akory ireny zava-bita ireny. Tokony hosarotiny amin’ireny ny tsirairay.
Taorian’ny Ampasika, Mahamasina,Antanimbarinandriana, Senat, Avenue izay natao tao anatin’ny roa volana monja, Masay sy Andohalo no nasiana mpiambina manokana noho izy ireny misy foto-drafitrasa hafa ankoatry ny zaridaina.

Ny andraikitry  ny tsirairay:
Fokontany: nasiana fanentanana fanatsarana teny, ary dia niezaka nanatsara sy nanadio ny FKT, nametraka voninkaza sns

Pompier: manampy amin’ny fanondrahana sy fanadiovana ny tanana.

sampan’asa hafa: mpiara-miombon’antoka « tia an’Antananarivo », ka isan’ireny ny GASTRO PIZZA nikarakara ny Andrefan’Ambohijanahary hatrany Soanierana

mponina manodidina: misy izy ireny no manome tànana sy miaro ary manondraka ireny zaridaina kely napetraka ho haingon’ny tanàna ireny

Misy ‘sites’ maromaro eto Antananarivo raha io resaka ‘sehatra maitso’ io. Isaky ny ‘site’ tsirairay dia misy tomponandraikitra ka ahitana olona fito na valo eo izay mikarakara ny zaridaina. Mpiasan’ny C.U.A sampana sehatra maitso ireo. Ankoatra ireo dia mbola misy zana-tsampana hafa maromaro ao anatiny ao, arakaraka ny fahaizana manokana sy andraikitra takian’ilay asa atao. Mba ho Antananarivo mirindra sy maha-te honina tokoa Antananarivo dia apetraka arakaraky ny toerana ny voninkazo. Misy voninkazo mety amin’ny toerana iray, misy tsy mety eo amin’io toerana io noho ny toe-tany misy eo. Apetraka koa arakaraky ny hoe ‘toerana fitsangatsangana sa tsia,be  mpandalo sa tsia, sns…’

Fepetra noraisina manokana momba ny tsenan’i Mahamasina ny hoe averina hofefena ny zaridaina, entanina koa ny mpivarotra isak’Alakamisy tsy hanao maloto sy hanipy ranon-dolana any anaty zaridaina. Hisy araka izany ny fanaraha-maso mba ho fifanabeazana tsy hiafara amin’ny fanasaziana. Faharoa dia angamba hasiana ora fivohàna sy fikatonana toy ny eny Ambohijatovo ihany koa mba tsy ho baranahiny sy ho simbasimba foana ny eo amin’io sehatra maitso Mahamasina io.

Fanentanana manokana: Vahoaka miasa sy miady amin’ny fiainana ny vahoaka eto Antananarivo. Noho izany tsy fisian’ny fotoana fakana aina noho ny fitadiavana izany, dia mitady fotoana sy toerana  mba hahafahana miala voly kely ny olona. Tsy voatery handeha lavitra ho eny amin’ny By-Pass foana. Fa rehefa tonga ny fety dia mba afaka misitraka ireny aty afovoan-tanana aty ihany. Ny mahagaga anefa dia isaky ny tonga ny fety dia simba ny tanàna sy ny zaridaina rehetra. Miverina manamboatra indray. Toa tsy tsapan-tsika fa soa ho an’ny vahoaka tsirairay, fahafinaretana ho an’ny tsirairay, lova ho an’ny taranaka aoriana no nanaovana ireny rehetra ireny.

Raha Mahamasina monja no resahana dia azon’ny mpiandry marary, mpivarotra, mpiandry taxibe, mpianatra hialana sasatra na hiandrasana fotoana eo rehefa tonga ny fotoana voatondro ho fivohan’ny zaridaina. Aoka ho tandremana ny fahadiovana, hosorohana ny fanimbana. Fanajana ireo niasa nanatsara izany ary fanajanao ny tenanao ihany koa satria misy volanao nirotsaka tao, na mivantana io na ankolaka.

17 janoary 2009 – 17 janoary 2010

Herintaona androany 17 janoary 2010 no nanambaran’i Andry RAJOELINA fa kianjan’ny demaokrasia ny eo Ambohijatovo.

Nataony io hetsika io tamin’izany fotoana rehefa nakaton’ny fanjakana sy voasembatsembana ireo haino amanjery tsy miankina maro, ary voafetra na tsy dia nisy loatra ny fahafahana mahazo sehatra tao amin’ny haino amanjerim-panjakana. Indrindra moa fa noho ny fanakatonana nataon-dRavalomanana ny orinasany VIVA tetsy Ambodivona.
Nolazaina tamin’izany fotoana fa afaka maneho hevitra eo daholo ny rehetra te-hiteny, ary tsy mila fahazoan-dalana avy amin’ny prefet, fa avy amin’ny kaominina no alaina dia  ‘Lasa izao’.
Mipetraka anefa ny fanontaniana amin’izao fotoana izao: Tena mbola kianjan’ny demaokrasia marina ve io kianja io, ary afaka maneho hevitra eo daholo ve ny rehetra? Satria raha ny fijery azy amin’izao fotoana dia tsy misy afaka maneho hevitra eo ny mpanohitra ny fitondrana misy ankehitriny. Asa raha mety ho anton’izany ny fisokafana sy ny fahafahan’ny rehetra maneho hevitra amin’ireo haino amanjery tsy miankina maro misy eto amin’ny Nosy amin’izao androntsika izao.