Ny Medalin’ny Filàn’ny Nofo Sy Ny Lalao Olaimpika Atsy Londona (#Londres2012)

Maro amin’ireo efa goaika antitra amin’ny fiatrehana itony lalao avo lenta amin’ny sehatra iraisam-pirenena itony no mijoro vavolombelona fa tsy mifanary tokoa ny resaka filan’ny nofo sy ny lalao olaimpika.
Aza diso hevitra ka mety hieritreritra hoe mety ho mandritra ny lalao olaimpika fanao rehefa andro ririnina ihany no hitrangan’izany. Tsia, fa rehefa mety ho lalao Olaimpika nisy, ary mbola ‘hisy’ koa aza.
Asa na noho io antony io no nahatonga an’i Pierre de Courbertin nandà mafy ny tsy hampandraisana anjara ny vahivavy tamin’ity lalao ity tany am-piandohana. Mety efa ho àrany tamin’izany fotoana fa be no tsy hahafehy fakam-panahy, tsy ny lahy ihany, fa ny vavy indrindra koa.
Tamin’ny 1992 rehefa nikarakara ny lalao tany Barcelone ny tompon’andraikitra, dia nanapa-kevitra ny hametraka fimailo ho isan’ny fitaovana fototra ilain’ireo mpifaninana.
Ahoana tokoa moa? Tovolahy sy tovovavy am’aliny no hifanerasera aminà faritra mihidy mandritra ny andro maro hanatanterahana ny lalao. Tsy maintsy ho teraka ao ny fifankahazoana, ny hala-pitia sy ny handran-tsira isan-karazany. Mba miala amin’ny rò matsatso, mifindra amin’ny be saosy vinaingitra e.
Fantatrao ary ve fa tamin’ny :
lalao Olaimpika 2000  dia nasiana fimailo isaky ny rihana, ary tsy nisy herinandro iray akory dia najifa ireo 70.000 isa napetraka voalohany. Voatery nampiana 20.000 izany, izay mbola tsy ampy niandrasana ny fiafaran’ny lalao rehetra koa aza avy eo.
tany  Athènes izay nahitàna mpandray anjara niisa 10.490 dia fimailo 130.000 no tsy nisy niangana
tamin’ny lalao fanao rehefa ririnina tamin’ny 2002, tany Salt Lake City, dia fimailo 250.000 no lany, ary tsy maintsy nosesehana isaky ny ora 2 ireo milina mpitsinjara izany fa tsy naharaka
Ao amin’ny tranonkalan’ny ESPN no ahitàna ny fanambaran’i Hope Solo, vehivavy mpiandry tsato-kazon’ny ekipan’i Etazonia, baolina kitra vehivavy tamin’ny taona 2008 tao Pekin, ary nahazo medaly volamena fa :
« Betsaka tokoa ny firaisana ara-nofo mandritra ny  JO ».
Amafisin’i Ryan Lochte, mpilomano mitana ny anaram-boninahitra erantany tonga amin’ny fandraisana anjarany fanintelony amin’ny lalao ao Londona ankehitriny :
« Ataoko hoe mety ho eo amin’ny  70 hatramin’ny 75 % amin’ireo mpanao fanatanjahantena amin’ny JO no tafalatsaka amin’izany»…« Rehefa tsy mahafehy tena ianao, dia tena ho zava-mavesatra ny lalao »

Amin’ity fihaonana any Londona 2012 ity dia efa nasian’ireo mpikarakara fimailo daholo eny amin’ny latabatra kely an-dohafandrian’ireo mpandray anjara ka 150.000 no isan’ireo fimailo efa nomanina ary tsy ambanin’izany ny fitaovana fitiliana sao mitondra vohoka ny vehivavy.

Zavatra iray manampy trotraka azy ity koa moa ny fisian’ireo toeram-pilanonana sy fandraisana alikaola mitobaka ao anatin’ny faritra natao handraisana ireo mpandray anjara.
Be ny ho diso fanantenana fa na teo aza ny taona maro niezahana ho tonga amin’ity fihaonambe erantany ity,  noho ny fikatsahana ny medalin’ny firaisana dia tsy hitondra medalin’ny lalao mody an-tanindrazana. Tsy hita omen-tsiny rahateo ry zareo fa olombelona ihany eeee! Mety ho solafaka fa malàma maina ny tany ary misy ny lenalena mety hampibolisatra. Kanefa tandremo ihany zalahy an, somary teritery hono ny fandrianareo ao Londona ao, ka sao hanaotao foana tahaka azy mitsamy tany  Pékin, naleony nankeny ambonin’ny bozaky ny kianja filalaovana. Tsy asiana resaka intsony ny ara-pahasalamàna. Enga anie mba ho hendry ny mpandray anjara avy aty Madagasikara (#Madagascar)

COSFA – RUGBY nisetrasetra teo Andravoahangy

Zavatra natrehin’ny maso ity tanisaina ity.

Niampita tamin’ny faritra tsy tokony hiampitàna eo amin’ilay boribory manoloana ny paositra Andravoahangy io ireto 3 lahy avy amin’ny COSFA, anaty fanamiana maha mpanao RUGBY azy mihitsy zalahy amin’io, survet fotsy ambony ambany. Nisy moto nihodina tamin’io fihodinana io, ary somary nanakaiky azy ireo. Ry zareo amin’io eny afovoan-dàlana. Tonga dia nokapohan’ilay teo amin’ny sisiny mafy ny ‘retrovisuer’ havia tamin’ilay moto ka niodina tsy tamin’ny toerany intsony. Tsy naharitra ilay nitondra ity farany, ka niverina nangataka fanazavana. Inona ho ianao no valintenin’ilay nanao ny tsy nety?

Fa tsy hitanao angaha fa miampita izahay, ary tsy misy fiampitàna eto

Namaly izany ilay mpitondra moto no sady niteny hoe

tsy azoko mihitsy ny antony tokony hanimbanao zavatra, nefa ianao sady efa any anaty arabe, no any amin’ny faritra tsy tokony hiampitàna

Nampian’ilay mpitondra moto tamin’ny hoe

raha tena nihevitra ny handona anao aho, tsy hanana ny rariny mihitsy ianao satria tany anaty faritra tsy izy mihitsy. Ary azoko toriana naie ianao raha izay no tiako e. Dia any amin’ny fitsarana sy ny assurance ianao no miresaka

Fa vao mainka toa nanome hery ireto mpisotasotan’ny COSFA izany, ka mbola nopehany indray ny retrovisuer havanan’ilay moto, ary dia tapaka tarangana.

Nisy manamboninahitra ambony avy amin’ny tafika nanao double tamin’ny moto , mbola nandeha nanivaka tamin’io làlana io ihany koa fa tsy nanaraka ny fiolahana, sady tsy nanao aroloha , nahita tsara ny fifanazavana teo, ary nijanona nanontany ny fandehan-javatra. Tsy nisy nataon’ity manamboninahitra ity afa-tsy ny nanala ny azy, ary tsy nasiany resaka ny momba ilay zavatr’olona simba

Tsy dia mahagaga loatra raha tsy misy vidiny eny anivon’ny fiarahamonina ny miaramila, eny fa indraindray aza, dia eny anivon’ny fianakavian’izy ireny nihitsy ry zareo no tsy misy hajany. Ry zareo izay eritreretina ho tandroka antoky ny fandriam-pahalemana sy tokin’ny vahoaka. Nefa toa mivadika ho tandroka hanoto sy  horohoro ho an’ny maro kosa.

COSFA RUGBY, mba sampana fanatanjahantena tokoa va re, ary mianatra izany toe-tsaina mpanao fanatanjahantena izany, sa fanofanana inona no raisina ao anatiny ao? Mampanontany tena rana ny zavatra hitako androany

Adinoko fa nisy polisy mandamina fifamoivoizana eo amin’io faritra io, fa tsy nihetsi-bolomaso akory.

Ary mba manao ahoana tokoa moa ny amin’ny anjara andraikitry ny mpitantana ny tanàna sy ny resaka fifamoivoizana amin’ny fametrahana ireny faritra natao ho fiampitàna ireny e?

Maty i Joe Smokin Frazier

Tany aminì’ny taona 1975 tany dia ireto no zavatra isan’ny tsy mba adinoko: ny anarana Cassius Clay, Joe Frazier, Dédé Rats (ndao ampio ….mba hanatanteraka fa…)… sy ny boky mena

Tamin’izany taona izany aho no efa nankafy nanaraka ady totohondry sy ireny fanatanjahantena somary mahery setra ireny tamin’ny fahitalavitra. Mainty sy fotsy no tao amin’ny renibeko tamin’izany fotoana. Ary mbola ireny mamnpiasa lampe ireny fa tsy toy ny ankehitriny efa circuit integrés sns….  Tamin’izany no tena mba nahatsiarovako ity anarana iray ity ‘Zo Fraziry’,, tsy mbola hay tamin’izany izay fanoratra azy, fa taty aoriana vao nanitsy tena.

Olo-nalaza tamin’io sehatry ny ady totohondry io, efa tompon-daka olaimpika sy tompon-daka erantany tamin’ny sokajy mavesatra tany amin’ny taona 1970, ary nifanandrina tamin’i Mohameda Ali. Ny Alatsinainy teo  i Joe Frazier, no nodimandry tao Etazonia teo amin’ny faha-67 taonany rehefa avy nararin’ny homamiadan’ny Aty. Avy any Caroline Atsimo izy.

Ny ringa nifanandrinany tamin’i Mohameda Ali no isan’ny nanamarika ny vanim-potoanany sy nampiditra azy ho tao anatin’ny tantaran’ny ady totohondry erantany, tamin’ny 8 martsa 1971, tao amin’ny ringan’i Madisun Square Garden, New York. Feno hipoka ny toerana ary efa niedinedina tao i Mohameda Ali niandry azy mbola nanantena handrombaka fandresena hatrany.

Nifandimbiasan’i ‘Zo Fraziry’ sy Mohamed Ali teny foana ny fehikibo naha-tompondaka. Sady mpivahalalo izy roalahy ireto no mpifanaja ihany koa.

ity ny iray amin’ireo ady nifanandrinay tamin’i Mohammed Ali

Zendana izao tontolo izao tamin’io 8 martsa 1971 io fa samy nanatrika mivantana ny toto afo nahazo an’i Mohamed Ali sy ny nandresen’i ‘Zo Fraziry’ azy tany amin’ny fiverenana an-tsehatra faha-15 rehefa tratry ny totohondry mihodin’ny tànana havian’ity farany ka nitsirara teo ambony sehatra.

Io no andro lehibe indrindra teo amin’ny fiainany, tsy hoe fotsiny noho izy nahazo fandresena fa nahazoany koa ny toerana misy azy teo amin’ny fiarahamonina sy ny fanajàna mendrika azy.

Fandresena 26 no azony nadritra ireo fiakarany ringa ka ny 23 tamin’izany dia tamin’ny alalan’ny fampiatoana ny lalao avokoa, na K.O