NY (TSY) LAHARAM-PAHAMEHANA

Samy manana ny ‘maika‘ ho azy ny rehetra. Samy mametraka laharam-pahamehana araka izany ihany koa. Be ny mampikaikaika. Raha ny valalabemandry no anontaniana izay mampikaikaika azy dia ‘ny vidin-tsakafo, ny vdin-jiro sy rano’ no sady laharam-pahamehany no koa mampikaikaika azy. Miankina amin’izay laharam-pahamehanna sy mampikaikaika ny hafa nefa io azy io. Ohatra fotsiny, ny fitaterana, izay sady manjifa solika no koa mampiasa jiro sy rano. Vokany, manitsy, na mampiakatra tsotra izao ny sarany izy ireny mba hamenoana ny bangany. Afa-manoatra ve nefa ny orinasa mpamokatra sy mpivarotra ( na solika io, na herinaratra sy rano, hatramin’ny mpitatitra koa aza e) ? Satria manana izay laharampahamehany sy mampikaikaika azy koa izy ireny, toy ny hoe ny vidiny avy any an-dafy any mihitsy no mikorontana (saingy tsy dia fahita firy aty Madagasikara ny hoe nidina ny vidin’entana, rehefa nidina ny any am-potony any, ( efa nisy kely ihany , sao misy ho tezitra amiko sy hilaza ahy ho mpandainga eo). Betsaka araka izany no mampikaikaika sy laharampahamehana ho an’ny sokajy tsirairay.

Fa mba manana ny heveriny ho fandaminana izay hamehana izay koa ny Fanjakana foibe. Mivory izao ny Antenimiera roa tonta ( ireo Solombava sy Loholona). Isan’ny laharampahamehana ao ny fandinihana ny tetibola 2009. Ilaina maika io ho azy ireo (tsy mandiso an’izay koa aho).
Manana izay heveriny ho laharampahamehana koa ny FFKM sy ny vondrona miara-dia eo amin’ny resaka pôlitika. Ho azy ireo dia tafiditra amin’izany ny Lalana hifehy ny fifidanana eto Madagasikara.

Nandramako ny nandinika sy nampifanakaiky ireo heverin’ny andaniny sy ny ankilany amin’ny tontolon’ny pôlitika ireo ho laharam-pahamehana (iretsy roa farany etsy ambony ireo), ka izao no fahitako azy:

Tonga dia izay mety ho fijerin’ny Fitondrana sy izay mety ho valin-teny azon’izay mpitaky ny handinihana io Lalàna io no ezahako takarina. Mino aho fa raha amin’izao fotoana izao no hitenenana hoe ‘Diniho ny fanovana ny Lalàna mifehy ny fifidianna eto Madagasikara’, da hoy ny valin-teny hoe

‘Tsy laharam-pahamehana izany, Tsy raharaha maika satria mbola rahoviana vao hisy fifidianana, aleo hilamina dia misesy’.

Dia mitsatoka eo ny amin’iny.

Fa rehefa any andro any taona ka tonga indray ny fotoana fifidiana (na ndeha hataoko hoe efa miha akaiky), dia izao no valin’teny mety ho azo :

‘Ny fikarakarana ny fifidiana izao no maika, fa tsy zavatra kilalao ny fandinihana izany resaka Lalàna izany ka hoe hatao an-kamehana’

Ny tiako hisarihana ny saina izany dia tsotra: te-hanontany antsika tsirairay izay mamaky aho, inona marina no mamaritra ny hoe ‘hamehana’? Sa rehefa metimety amiko ny hanao azy ho hamehana dia lasa hamehana izy, fa rehefa manelingelina ahy dia mivadika tsy hamehna indray?

Samy mampiasa ny teny ‘hamehana’ daholo mantsy na ny ‘an-kamehana’, na ny ‘laharampahamehana’. Anao ny safidy, izaho tsy mandidy.

Publicités

TELOMIOVA,FOKO,EBIT12

Fahombiazana raha ny tapak’andro maraina natrehinay tany. TSY ARAK’IZAY NOERITRERETINA ny vokatra tsinjoko nandritra iny marainan’ny 17 Oktobra 2008 iny, noho ireo familafilàn’ny mpikarakara nandritry ny fifampiraharahàna. Nandritra ireo andro vitsivitsy nifaneraseran’ireo ekipantsika tamin’ireo mpikarakara tokoa mantsy dia nihàran’ny « antsojay isan-karazany » ny  ankizy. Toa noraisina tamin’ny maha-tanora azy ka noeritreretina tsy hahavita zavatra sy tsy matotra ara-poto-kevitra. Raha ny 16 oktobra niainako tao anatin’izay nialoha ny fandraisantsika anjara izay, dia gaga aho. Gaga satria raha tao amin’ny Palais des Sports et de la Culture no voatondro hivoriana, dia tsy nomena tamin’ny fotoana farany ny toerana, hono. Antony naroso ny hoe misy olona hivavaka. Nefa dia nandray ahy ihany ilay ramatoa nitazona birao tao.
Hoy indrindra izy:

* Avy amin’ny inona moa ianao?
– Telomiova, hoy aho
* Miaraka amin’ny Association Foko izany?
– Eny, tompoko
* Mipetrapetraha àry aloha fa vao ianao irery izao no tonga. (efa amin’ny 18h latsaka amin’izany fotoana, ary fantany koa araka izany fa tokony hisy fivoriana) …

Rehefa sasatry ny niandry ela teo aho dia tsy naharitra fa niantso nàmana tamin’ny finday. Izay no nahalalàko fa tsy nomen’ireo ny trano, ka voatery nafindra tany amin’ny AUF Tsimbazaza ny fivoriana. Dia lasa indray nankany aho, rehefa avy niala tsiny tamin’ilay ramatoa. Dia na izy aza gaga.

Rehefa vita ny dinika tany (AUF) dia tapaky ny maro fa handeha hiverina hijery ny any amin’ny Palais momba izany fivoriana niandràsana olona tao izany izahay. Ary dia mbola be olona tokoa tao. Tratra tao koa ny sasantsasany tamin’ireo mpikarakara. (izay nolazaiko tery ambony fa toa namilafila sy nijery ny ekipa ho toy ny tsy haninon-tsy haninona). Efa ho tamin’ny valo ora alina mahery vao mba noraisina hiresaka izahay ary efa tamin’ny valo ora sy sasany tany ho any vao vita ny resaka. Miovaova lava ny fanapahan-kevitry ry zalahy. Nampanantena solosaina efatra ny iray, avy eo indray miova ho roa. Milaza « A » ny iray, dia miva ho « B » indray avy eo. Efa tena saika kivy ireo namana nanomana azy ity, ka ny Alarobia aza dia efa nivoaka ny feo fa hoe aleo hajanona fa toa manao lalaon-jaza izy izany.

Fa izay tena voamariko dia ity: raha resaka fampahalalàna ny momba ny TIC amin’ny ankapobeny sy ny lohahevitra « Branché » no nandrasako, dia toa ny CITIC, na ny SUPREME CENTER izay tranombarotra roa lehibe amin’ny sehatry ny TIC eto Antananarivo no tonga tao an-tsaiko nahita ireo mpampiranty maro namelatra ny entan’izy ireo tsirairay avy mba hamidy. Izany hoe lasa tsena ny tao fa tsy toy izay nahalalàko ny EBIT maro natrehiko hatrany am-boalohany tany. Ialako tsiny ny andro izay tsy hitako, fa ny Zoma hitako aloha io tantaraiko io an!
Zavatra iray no hitako ho nanosika azy ireo hanamaivana ny hetsika novinavinaintsika , dia isika miresaka momba ny Logiciels Libres sy ny manodidina azy (fahitàko manokana io), ka angamba natahorany hanohintohina ny tsenany (Microsoft izay isan’ny mandray anjara amin’ny hetsika sy angamba koa aza ao ambadiky ny hetsika). Tonga niara-nihosona tao daholo mantsy ireo mpifanome tànana hatramin’izay (MTT,AMUL, C3LF, TELOMIOVA, FOKO…) Miala tsiny amin’izay tsy voalaza an!

Ity koa no tena nahatsikaiky tao. Raha nezahan’ny mpikarakara natao any an-jorony sy nafangàro amin’ny toerana misy ny ministera ny hetsika nataontsika (izany hoe nokendrena manokana hosaronana tamin’ny fanentanana momba ny SIDA sy ny SRA, amin’ny alàlan’ireo fanamafisam-peo mitatatàta, satria mantsy tsy nisy efitra nanasàraka ny an’ny ministera sy ny antsika), dia tsy izay no nitranga. Teo am-panombohana, raha mbola nikenonkenona amin’ny fanombohana isika, ny tetsy ankilany kosa efa nahavory olona sy efa nandefa ny sary sy feo momba ny SIDA. Maro ny olona teo, ary dia nitorevaka tamin’ny tany tokoa moa izany. Vantany vao nanomboka anefa ny antsika, dia nifindra nankeny daholo ny mpanotrona. Nanomboka teo dia zara raha nisy mpihaino ny fanentanana natao teo amin’ny toerana natao ho an’ny ministera, mba tsy hilazako hoe tsy nisy afa-tsy ireo mianadahy nandefa sary sy feo. Sady tsy hitako koa izay ifandraisan’ilay resaka nataon’ny ministera tamin’ny hetsika momba ny TIC, sa hoe satria be olona any dia be ny kil ka dia tsy mifàka aho raha izay. Nisy fiantraikany be tokoa teo amin’ny zavatra natao koa aloha ny fitondran-tsika mianakavy ny Tee-shirt maneho ny fikambanana misy e! Sady nanintona no nahafinaritra ery ny nahita ny hamaroantsika. Tonga tao ny avy any amin’ny faritra rehetra manodidina an’Antananarivo sy ny faritany. Fa tsy manana sary aho satria efa tsy misy intsony aloha hatreto ny appareil photo aty. Entaniko noho izany ianareo manana ny sary rehetra tany, mba ametraho rohy ato amiko ato mba hijereko ny tantara e!

ARAHABAINA ISIKA FA NAHAVITA E! Na teo aza ny familafilàna sy ny antsojay nosedraina.

TSY TANTIKO NY TSY HAHITA NY TANY ka na dia narary aza aho dia nikiry biby ihany. Mizaka ny vokany avy eo e! Ary miala tsiny amin’ireo izay nihaino ny feon-kadradraka navoakako fa tena mba te….e!

Misaotra manokana an’i Joan, Stephane, Hery Zo, Manda, Pattie, Diana, Ariel, Jentilisa, ary ianareo marobe tsy fantatro anarana nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka, nifampizara, nifanentàna ary nanao ny zavatra rehetra tamim-pahazotoana sy tamin’ny fitiavana tanteraka

ASSOCIATION « AVYLAVITRA »

Betsaka taminareo no nifanena tamiko, ary nanontany. Maro no nihevitra (ary hatrany anaty Google aza dia nahitako an’izay zavatra izay), fa hoe ny AVYLAVITRA dia ANARANA FIKAMBANANA.
TSIA anefa no valiny, olona tokana, ary miasa manao izay vitany amin’ny alalan’ny tenany sy izay tratry ny heriny izy.
Toa tsara ihany aloha ilay nametrahanareo azy hoe Association e! Nahatsiaro mba niakatra grady aho tamin’iny. hihihi. Nefa tsara ihany ny nanazavana izay zavatra izay mba tsy handiso antsika intsony amin’ny manaraka.
Tsy vitako izaho samy irery ny hanangana izany fikambanana izany, ary rha ny adidy maro efa sahaniko amin’izao fotoana, dia aleoko ihany manamasaka ny fiaraha-miasa matotra efa misy, sy manatevina azy ireny, mba ho any amin’ny tsaratsara kokoa, toy izay hamadika ny Avylavitra ho Association.
Tena tsy mbola any ny tanjoko fa miala tsiny indrindra ry ‘reto a!

Tsy misakana izay fiaraha-miasa azo atao anefa izany§

Samy ho tahiana’Andriamanitra ka ho ela velona amin’ity tany ity e!

BARCAMP MADAGASCAR 2008

Hafaliana lehibe tokoa ho anay taty Madagasikara ny nandray sy nahita an’i Eduardo Avila niara-nanatenateraka ny Barcamp-Madagascar 2008 androany 04 oktobra tao amin’ny IVOTEL Ambohidahy.

Ny nampalahelo kely ahy fotsiny dia ny tsy nananako fakantsary teny amiko mba hitahirizako ny fotoana mamy tahaka ireny. Enga anie mba ho be no hahatahiry sary ka hahazo amin’izy ireny aho!

Betsaka ny mpandray anjara, ary tena notohaina fotsiny ny fanontaniana maro samihafa.

Betsaka toy izany koa ny vela-kevitra nifanolorana, ary tena nitsangana aza ny mpanotrona sasany fa tsy ampy intsony ny seza. (Angamba ny mpikarakara mba haka sehatra malaladalaka kokoa amin’ny manaraka Tsy fanakianana iny fa filazàna vokatry ny fahitako fa tena nahaliana ny olona tokoa ilay hetsika natao androany.)

Tonga tao ny avy amin’ny fikambanana AMUL nanazàva ny momba ny Logiciels libres. Mpandray anjara iray avy amin’ny Fampianarana ambony momba ny informatika avy any Fianarantsoa kosa indray no nanohana izay hitany fa « mahatsara ny LINUX » eo amin’ny resaka ady amin’ny fidirana an-tsokosoko sy ny « virus »; Haja Ramboasalama indray dia nanazava ny amin’ny tokony hisian’ny IXP eto Madagascar mba hahamora ny fifandraisana ary hiantohana ny tsy fahatapahan’izany raha sendra olana ny atidoha-milina any ampita any; ny E-Saina indray, izay mpiara-miasa rahateo amin’ny Telomiova dia namelabelatra ny vokatra vokariny sy ny tranonkalan-tserasera hi-tao; Patricia kosa dia nanolotra ny vokatry ny diany tany Bruxelle nandritry ny fivahiniany tany niaraka tamin’ireo olona maro era-tany sy ny Rising Voices ary ny Foko; Jentilisa dia namelabelatra fohy izay voka-tsoa hitany tamin’ny fiarahana tamin’ny Globalvoicesonline sy ny fandikàna teny ao amin’ny globalvoicecesonline Malagasy; nisy tamin’ireo mpandray anjara ny nanohana ny fisiana sy ny tombony azo amin’ny fampiasana ny Web2.0; Pierre Maury kosa dia nitondra ny vokatry ny asany amin’ny fanontàna anaty tranonkala ny tantaram-pirenena Malagasy tany aloha be tany (azo alaina maimaimpoana ao amin’ny bibliothequemalgache amin’ny endriny .doc na .Pdf izany). Saingy ny indro kely amin’izy ity dia amin’ny teny Frantsay daholo ireo boky. Eto dia manentana aho ny mba handikàna sy hametrahan’ireo rehetra izay afaka manao izany ny dikanteny vita ho anaty tranonkalan-tserasera ihany koa, mba ho hita sy ho tahirin’ny taranaka Malagasy any aoriana;

Ny momba ny fahalalaham-pitenenana kosa no vela-kevitra nataoko nandritra ity Barcamp Madagascar 2008 ity.

Nahafinaritra sy tamim-pirahalahiana ary tao anaty fahaizana mifanàja tanteraka no niatrehana ny fotoana. Mbola misy ireo hanao famelabelarana amin’ny tolakandro saingy noho ny asa miandry dia tamin’ny 2 ora teo ho eo aho no niala tany ary dia fahatsiarovana mamy no nentiko nody.