Rivotra Maloto Manempotra

Lahatsary ho fanombohana

Andro maromaro izay ny eto Antananarivo renivohitra no nahatsapa fa mavesabesatra sy mankarary maso ary maha-te-hatory izany ny rivotra iainana. Tsy mandeha lavitra isika dia efa mahita ny antony mahatonga izany.

Io tolakandro io dia setroka tsy nahitàna ny faravodilanitra no nandrakotra ny lanitra. Raha ny marina dia tsy ny faravodilanitra intsony no tsy tazana, fa metatra maromaro miala ny toerana misy anao dia efa mila tsy ho hita intsony.

Ny sary maromaro hitanao ato dia nalaina tamin’ny ora tsy dia mifanalavitra loatra, saingy ny andro no tsy mitovy. Ny voalohany dia ny Rova tazanina avy eny amin’ny Carlton, tamin’ny 23 Oktobra 2015, nanodidina ny tamin’ny 5 ora hariva latsaka tany ho any. Ny ambiny kosa dia sary nopihana teny Andravoahangy ny 25 Oktobra 2015 tamin’ny 5 ora sy 26 mn.

Ataovy àry ny fampitahàna ny atao hoe rivotra madio, sy ny hoe tontolo iainana maloto, raha eto amin’ny sary voalohany ianareo afaka mahita hatrany amin’ny kilaometatra iray mahery, ary amin’ireo sary manaraka kosa, metatra vitsivitsy aza manahirana.

Rova tazanina avy eny amin'ny Carlton

Tranga tsy teto amintsika ihany no nisy ny toy izao, fa hatrany Malezia sy Indonezia ary Filipina koa (any amin’ny faran’ity lahatsoratra ity misy rohy).

Avy aiza ny olana?

Tsy tongatonga ho azy ny setroka tahaka ireny, fa misy loharano nipoirana: ny tevy ala, ampian’ny doro tanety. Toy ity nampitain’i Mandresy Ralisetra, mpikambana aminà vondrona iray ao amin’ny Facebook ity, izay ahitàna ala mirehitra any amin’ny faritr’i Mangoro, sy ny manodidina ny làlam-pirenena faharoa (#RN2)

Doro ala sy tanety mitondra setroka manempotra

Doro ala sy tanety mitondra setroka manempotra

12180731_943426949063566_281725947_o

Atahorana ny hisian’ny aretina aterany (aretin’andoha, sery, aretin’ny taovam-pisefoana, …)

Tsy vitsy ny olona manontany na manome tsiny noho ny zava-mitranga.

An’iza ny andraikitra?
Raha ny tsirairay no anontaniana, dia ny fanjakana no voatondro voalohany ho tomponandraikitra tsy nahefa ny anjara tandrify azy.

Axel RavonjinirinaAxel Ravonjinirina Tokony manao etat d’urgence ny fanjakana @ zao, mobilisation ny force rehetra mimaitrisé an’io afo io!Isantaona zao ve otrzao ihany!Refa atao ramatahora sy atao sava hao ireo mpandoro tanety dia gadraina tsisy masa manao tsony saingy fanjakana tsisy antenaina fa matory andro tsisy ilana azy sady tsy mahabaiko n’inin!
Nomena Hosea Nomena Hosea Mapalaelo inona netaonle mpitondra? Ts maasalama mitsy zao reto a

Fomba fijery izay toa midika fandosirana andraikitra ihany koa avy amin’ny tsirairay anefa, raha ny voalazan’ity fanehoankevitra iray ity no jerena:

Rado Andrianina RabemanantsoaRado Andrianina Rabemanantsoa Ny fisainan’ireo mpandoro tanety mampalahelo, fa ny tsy fandraisan’Andraikitry ny fanjakana koa vao maika mahakivy tanteraka!

Asa aloha izay ho fepetra ho raisina manoloana izao zavatra mitranga izao. Fa raha ireo firenena tany Azia no asiantsika resaka, dia nandraisana fepetra mihitsy ny tsy hivoahana ny trano mandra-pisavan’ny zavon-tsetroka nandoto ny rivotra niainana tany aminy. Satria zava-dehibe voalohany indrindra ny fahasalamana.

Fanontanian’ireo olom-pirenena ny hoe :

Mianjaika NiniMianjaika Nini Fa mba misy vé izany minisitry ny tontolo iainana izany eto Mkara eto sa tsia?
Angamba kosa tsy ho avelantsika ho an’ny fanjakana irery ny andraikitra momba izany, fa samy tokony handray ny anjara tandrify azy ny rehetra. Olona any anaty fiarahamonina misy antsika any ihany no manao ireny asa maloto ireny – noho ny hasomparana, na noho ny tsy fahalalàna ihany koa. Azontsika atao ny mifanentana araka izany, mba hisian’ny fiovàn’ny toetsaina.
 Sylvia RanaivojaonaSylvia Ranaivojaona Mila olona mahatsapa tena ry namana Malagasy Te Hilamina eto an ! ar mahalala ny tokon ataony d mahay mandray andraikitra tandrify az !!!

Ka rehefa tsy mety anarina, dia ampiharina aminy ny lalàna misy, mba tsy ho ny olon-tsotra no hitondra sy hampihatra ny fitsaràna heveriny fa sahaza

Ho lava ity resaka ity, saingy efa hisasaka ihany ny alina, ka aleo amin’ny manaraka tohizana. Ndeha ny sary amin’izay no ampitenenina.

DSC_0594_2 DSC_0595 DSC_0596 DSC_0597 DSC_0598 DSC_0599 DSC_0600 DSC_0603 DSC_0604 DSC_0605 DSC_0606 DSC_0607 DSC_0608 DSC_0609 DSC_0610 DSC_0612

lahatsoratra mifandraika aminy:

Shina: ny haloton’ny rivotra ifohana any Pékin, sariitatra sy sivana

Sary Maneho Ny Dona Ratsy Ateraky Ny Zavon-tsetroka Ao Azia Atsimo Atsinanana

Tonga ao Azia atsimo-atsinanana noho ny doro ala mamaivay ao Indonezia indray ny zavon-tsetroka

Publicités

Fandalinako Ny Fifidianana 31 Jolay 2015 #mdg2015 #communales #tnrRV

Tsy ho asiako sasinteny betsaka ity fa ny resaka ato anatiny aza efa ho lava rahateo. Vita iny fifidianana fa inona no azoko lazaina momba azy iny?

DSC_0262

FIDONGIANA
DSC_0257Antony maro no manosika ny olona tsy handray anjara. Na inona anefa na inona no antony tsy nandehanan’ny maro nandatsaka vatom-pifidianana, dia hafatra sahady izany ho an’ireo mpirotsaka hoe misy zavatra tsy lanin’ny vavonin’ny ‘maro’ ao. Araka izany dia tsy afaka ny hiteny koa izay lany fa hoe lanin’ny maro an’isa amin’ny vahoaka. Ekena fa lanin’ny maroan’isa tamin’izay tonga nandatsa-bato, fa tokony ho fantatra ihany koa hoe firy isan-jaton’ilay vahoaka maro an’isa no tonga nandatsaka ny safidiny. Sarotra araka izany ny hihevitra fa ho mamim-bahoaka daholo izay fanapahana hivoaka avy amin’ilay olom-boafidy, na dia natao tao anatin’ny faritry ny ara-dalàna aza. Mety hiteny ianao mpamaky hoe “diso ary tsy manan-jo haneho hevitra ireo rehetra tsy tonga tany”. Efa mariky ny fanehoankevitra ho an’ny mpikarakara fifidianana ny tsy nahatongavany, ary fanehoankevitra koa ho an’ireo mpirotsaka- raha ho hain’izy ireo ny maka lesona avy amin’izany, mazava loatra-

Fohy loatra ny fotoana napetraka hamantarana ny mpirotsaka tsirairay, ka tsy te-hihinana am-bolony ny olona. Naleony lavitra tsy nifidy toy izay hihinan-kena tsy fantatra. Tsy ao anatin’io ireo efa nifikitra sy mifikitra amin’izay efa nandrian’ny fony an-taona maro. Tsy dia naharesy lahatra ny olona loatra ny hoe handeha hamonjy birao ka hanao vato fotsy, sao hono mantsy, hisy lalàna miova eny am-pandehanana (toy izay hita tato ho ato) ka sanatria ny vato fotsy alefa hanampy izay nànana ny maro an’isa.

Ho an’ny hafa indray dia ny fieritreretany fa hanao ny fomba rehetra ny tompom-pahefana hampandresena ny azy, ary ho azy ireo dia toy ny efa fantatra mialoha ny ho vokatry ny fifidianana, antony tsy nandehanany nandatsa-bato. Fandaniam-potoana fotsiny, hono, izany. Tsy anomezan-tsiny azy ireny izany, raha ny hita tamin’izay fomba fanao teto amin’ny firenena hatrizay tokoa.

ANDRO ZOMA

Na dia nambara tamin’ny didim-panjakana aza fa andro tsy fiasàna fa andraisana karama ny Zoma 31/07/2015, nanaovana iny fifidianana iny, dia marobe ireo mpiasa amin’ny Zones Franches, Sinoa, sns… no NOTERENA HIASA. Very zo, araka izany, ireny Malagasy toa ahy sy ianao ireny. Tiako ho fantatra ny andraikitra horaisin’ny fitondràna foibe manoloana izany (ataovy fantatry ny rehetra izay fepetra raisinareo, ampahafantatro amin’ny haino aman-jery rehetra mihitsy), satria tsy voalohany izao no nisy fanimbazimbàna sy faniratsiràna didim-panjakana tahaka izany nataon’ireo vahiny miseho azy ho mifehy ny toekarena eto Madagasikara ireo.

OLAN’NY LISITRA

DSC_0269Ny 15 Aprily 2015 no farany nandalo hatao fanintsiana ilay lisi-pifidianana. Ary herinandro nialohan’ny fifidianana indray ny ankamaroany vao voaray teny amin’ny fokontany samihafa. Nisy aza andro vitsy mihitsy. Araka izany dia sarotra ho an’izay tsy tao anaty lisitra ny hahita hoe voaverina soa aman-tsara tao anaty lisitra ny anarany izay efa nitondràny fanitsana tamin’io Aprily io.
Nisy dia nisy tokoa ny nanao fanitsiana, saingy rehefa tonga ny androm-pifidianana, dia nitonantonana teny amin’ny birao fotsiny niaraka tamin’ity karapanondro sy kara-pifidianana teny an-tànany, fa hay voaendaka tao anaty lisitra indray ny anarany. Ary ny nahagaga ny sasany aza dia ny fianakaviany efa maty sy tsy tao anaty lisitra intsony tamin’ny 2013 no mbola nisoratra tao indray. Tsy lazaina intsony ireo ‘maro an-davaka’ nefa zara raha nisy iray na roa tafiditra tanaty lisitra. Ny an’ny hafa indray, rangahy vadiny efa maty am-bolana marobe no ao anaty lisitra fa i ramatoa mbola velona mirijarja soa aman-tsara, very zo.
Asa na mba noheverin’ireo nisahana iny lisitra iny ny fahasahiranan’ny olona nàka fahazoan-dàlana hanamarina ny anarany tany amin’ny fokontany – ho an’izay afaka nanao izany – sy ny tsy fahazotoan’ny olona hivezivezy lava handany fotoana hanamarina fanindroa, fanintelo sns… ny lisitra, izay raha ny tena marina dia tokony ho efa asa tsy azon’ny fokontany ialàna no sady tsy tokony hisy diso rahateo.
Teto anefa dia tsy an’ny fokontany ny hadisoana satria tsy olony no nanao ny fanisàna sy ny fanaovana ilay lisitra hatramin’ny farany. Olon’ny CENI-T no nanatateraka izany, ary dia betsaka tokoa no very zo. Na ny seketeran’ny fokontaninay aza, tao anaty lisitra tamin’ny voalohany, fa nony tonga ny fifidianana, tsy tao intsony ny anarany. Nihanahana fotsiny teo ambony dabilio ilay ramatoa, izay sady tokony ho mpifidy manana zo, no mpiandraikitra ny fanamarinana ny anaran’ireo olom-pirenena tonga hifidy nilahatra teo anoloany.
Fampielezampeo iray no nandrenesako ity (tsy tsaroako intsony hoe iza, fa raha misy afaka manamarina dia isaorana indrindra): Rehefa ampitahaina ny tomban’isan’ny mpifidy faran’ny volana oktobra 2013, tomban’isa azo avy tamin’ny projection-n’ny isan’ny mponina Instat -…, araka ny tomban’isa nomen’ny Ceni Madagascar, dia hita fa misy mpifidy tombanana hoe eo amin’ny 1 233 510 eo ho eo tsy tafiditra ao anaty lisi-pifidianana (tiako raha misy afaka manamarina ny vainm-potoana lazaina sy ny tarehimarika ao anatin’io zava-boasoratra io). Mampalahelo.

TSY MATOKY :

Mariky ny tsy hafalian'ireo nahazo kara-pifidianana saingy tsy hita tao anaty lisitra tamin'ny ora farany

Mariky ny tsy hafalian’ireo nahazo kara-pifidianana saingy tsy hita tao anaty lisitra tamin’ny ora farany

Tsy omen’ny olona fitokisana loatra intsony ny voka-pifidianana avoakan’ny andrim-panjakana natao hisahana izany. Raha vao resaka fifidianana mihitsy no resahana. Leo ampiesonina amin’ny resaka fampisehoana sy fizaràna zavatra izy, nefa rehefa mandeha ny taona mifandimby, tsy mahita fampanantenana tanteraka antsakany sy an-davany. Nilaza ny hahavita betsaka sy tsara kokoa noho ny teo aloha, nefa aotra no vokatra hita nony tonga eo amin’ny toerana. Sanatria toy ilay ‘mamo nanome toky’, ka nony nisava ny hamamoana, dia toy ny tsy niteny na inona na inona ilay nitokiana. Angamba ve efa manomboka mifoha ny mponina eto Antananarivo? Mety ho diso izay fihevitro izay, satria matoa mbola manao ireny fomba ireny ireo mpifaninana tamin’ity fifidianana Ben’ny Tanàna ity, dia fantatr’izy ireo fa mety mbola hisy hirika hampandaitra azy io. Diso anefa ny kajy ho an’ny sasany.
Any andro, any taona, rehefa tena mifoha tokoa, ka tena tonga saina amin’ny atao hoe politika sy afaka mamakafaka lalina ny vahoaka – tsy Antananarivo ihany, fa Madagasikara manontolo –  dia izay vao hisy fiovàna azo andrandraina ho antsika rehetra.

Vahaolana azo raisina angamba : terena ny olona handatsa-bato amin’ny manaraka. Apetraka ny sazy (ara-pitantanana) ho an’ireo izay tsy afaka manamarina ny antony tsy nandehanany nandatsa-bato (miainga eny amin’ny fkt no ampiharana an’izay) satria toa lasa heverin’ny olona ho zavatra tsy dia misy lanjany ity resa-pifidianana ity.
Rehefa jerena amin’ny ankapobeny ireo birao vitsy mba noteteziko tamin’iny andro iny, dia zara raha nahatratra ny 30% ireo olona tonga nanatanteraka ny adidiny isaky ny biraom-pifidianana (Ankadifotsy I- Ankadifotsy II- Behoririka – Andravoahangy I).

VOKA-PIFIDIANANA

DSC_0334Raha tsy misy ‘miracle’ sy zavatra hafa tsy takatry ny saina, dia tsy hiova intsny ny voka-pifidianana ho an’Antananarivo RV. Lany ary tolorana arahaba ny mpirotsaka Lalao RAVALOMANANA.
Tsy aritro anefa ny tsy hiteny ity ahiahiko ity: toa tandindon’ny tantara tamin’ny 1991-1996 nanjo ny AREMA ity fifidianana Ben’ny Tanàna, 31 Jolay 2015, ity. Tamin’izany fotoana rehefa nahilika RATSIRAKA, ka nomena ny hafa ny fitondràna ny firenena, dia nomena vintana fanindroany hanitsiany ny diany izy. Efa fomban’Antananarivo foana koa moa ity mikisaka manakaiky izay henjehina ity. Saingy haintsika ny tohin’ny tantara, fa taona vitsy taty aoriana, naloan’ny vahoaka indray ingahy RATSIRAKA. Ny tiako hahatongavana dia hoe: nisy fotoana nitondra fanjakana ny fianakaviana RAVALOMANANA, nisy ny nety, ary nisy ny tsy nety. Matetika dia ny tsy nety no mibahana indrindra amin’ny fisainana sy fijerin’ny olona ka mahatonga ny fanonganana sns… Fa izay nety dia voasarona àny. Fiainana iainantsika isanandro izany, ary iarahan’ny rehetra mahalala. Amiko dia lany noho ny ‘anarana’ sy ny ‘antoko’ nisalorany izy. Tsy misy maharatsy izany. Saingy raha sanatria ka mibolilalila fitondra eo izy, dia hisy fiantraikany ho an’i Marc RAVALOMANANA amin’ny 2018 izany. Mila mandray lesona avy amin’ny valim-pifidianana rehetra ho voaray manerana an’i Madagasikara araka izany. Tsy ho azy irery anefa io mila maka lesona io, fa hatramin’ny HVM izay noverezin’ny hafa lavitra mihitsy tamin’ny ankapobeny – na dia nisy aza toerana sasany nandreseny –

FIARAHA_MIASA

Katsaho izay ho fiaraha-miasa matotra, na io miaraka amin’ny mpitondra foibe, na ireo izay tsy mitovy hevitra nifaninana tamin’ny tena, ka tsy ho fialantsiny aroso ho an’ny vahoaka indray ny hoe ‘gafy ataon’ny fitondrana, fingampingana nataon’ny mpanohitra’ no tsy nahatanterahana ny tetikasa hanatsarana an’Iarivo. Izaho manokana mantsy aloha, talohan’ny fifidianana teo , dia tsy mbola nandre amin’ny antsipirihany izay tetikasan’ilay mpirotsaka lany ho Ben’ny Tanàna.
Hatrany am-boalohany dia zavatra efa notakiako tamin’ireo mpirotsaka ny hoe ‘iza no sahy hilaza fa hanàla ny mpivarotra amoron-dàlana (enta-madinika sy fiara) sy hanadio ny tanàna amin’ity resaka fako ity…Santionany ihany tamin’izay zavatra notakiako ireo. Ity resaka fako ity, mety ho mora ihany ny hamaha ny olana, fa ilay fanesorana ny mpivarotra amoron-dàlana no tena mba ho arahako akaiky ny fanatanterahana azy, satria dia sady manimba endrika ny tanàna no manelingelina ny mpiaramonina, amin’ny faritra rehetra misy azy ireny. Tsy hafa amin’izay koa ny resaka fiantsonan’ny fiara.
Hiaraka hiasa izany izao na ny lohalaharana na ny mpifaninana taminy. Aoka ny mpandresy tsy hihanjona ka hanambòny tena sy hilanja loha fa hoe azy izao ny tanàna, ka tsy mila mandray ny hevitry ny hafa, ary aoka koa ny resy mba hahay ‘hipetraka’ ary haneho fahavononana hiaraka hanatsara ny fiainam-bahoaka ao anaty hitsim-po madio. Avelao any izay fifanaratsiana teny an-kianjan’ady teny, fa ady hafa izao no mila iarahanareo roa tonta miatrika. Ny iray hitoetra ho ray aman-dreny lehibe, ny ankilany haka ny toeran’ny zanaka hendry, ka tsy hanara-poana koa anefa, no sady koa tsy hanao bontolo amin’ny fomba fanitsiana tokony hatao. Ny kiana dia kiana tokony ho fanatsaràna, ary ny kianina tokony hahay mijery sy mandray izay kiana hita fa mety sy mitombina. Tsy hitondra antsika ho aiza ny fifanolanana sy fifanenjehana lava eto. Ary aoka tsy hisy ny fitondràna mitanila araka izay ho hitantsika sy hohenoina etsy ambany. Ampitovio ny fitondra ireo boriborintany rehetra, na nahazoana vato betsaka, na tsia, satria ho azy ireny no nahalany anao, fa tsy ho an’olom-bitsy nifidy anao ihany. Sao dia ho sary hafa no ho hitan’ny vahoaka rehefa amperinasa ianareo: sanatria tsy hisento ny vahoaka hoe ‘hay toerana fotsiny no notadiavin’ireto!’. Ampiharo mandrakariva ny mangarahara amin’ny endri-pitantanana rehetra.
Raha ilainareo roa tonta hiaraka ao aza ny mampiasa jadona (iraisana) mba ho entina manarina ny gaboraraka eto amin’ny tanàna, dia ampiharo rehefa hita fa hahasoa ny vahoaka. Katsaho izay fomba hampiraisanareo ny vahoaka nanaraka tao an-damosinareo, fa raha mbola ianareo lohany no matsatso sy variana hifampihantsy lava eo, dia tsy ho gaga isika raha hifampihantsy sy hifanompa lava koa no hataon’ny mponin’Antananarivo. Atsaharo ny fizahozahana sy ny fidedahana ho ‘favori’ na manam-pahaizana. Sy hampandroso antsika izany. Fa ny maha-favori ny andaniny + ny maha-manampahaizana ny ankilany no ento hampandroso.

AHIAHY TSY IHAVANANA

Ahiahin’ny sasany amin’ireo tsy mpomba ny Ben’ny Tanàna vao lany – mbola tsy ofisialy hatreto – ny hoe ‘sao lahy ka rehefa tonga eo amin’ny fitantanana, dia ny hanonitra ny fahavoazana nanjo ny orinasam-pianakaviana no ho hazakazaka voalohany hatao!’ Manantena anefa aho fa ho olon-kendry izany hitantana tanàna izany, ka tsy sanatria hanatanteraka tokoa ny teny nolazainy nandritry ny alin’ny nahafantarany tamin’ny fomba tsy ofisialy fa azony ny fandresena. Ilay mibolisatra kely tahaka ireny mantsy, mety kely tokoa amin’ny hafa, fa zava-dehibe tokoa ho an’ny hafa mandinika akaiky ny raharaha.

FANAMBARANA TAORIAN’NY FANDRESENA

Maro ireo milaza hoe vaovao tsy marina hono ilay fanehoan-kevitra nataon’ny ben’ny tanana vaovao omaly. Averiko eto ilay Declaration an’i Ben’ny Tanana Lalao Ravalomanana, araka izay nilazany azy. » ……………arakakaraky ny pourcentage azoko eny amin’ny arrondissement no hanaovako ny asa……………….. »

by Noaheninkaja Vonin’Aina Herimonina Rakotomanantsoa on samedi 1 août 2015 – Facebook

AN’IZA NY TSINY

Ny lisitra ary ve izany no homena tsiny, sa ny safidy tsy handeha hifidy ka nahatonga ny taham-pandraisana anjara ho ambany be ? Betsaka no nanakiana mivantana sy tsy niolankolaka ny CENI-T tamin’ireo tsy fahatomombanana maro tsikaritra nandritra iny androm-pifidianana iny.
Ny fokontany no tokony nampiandraiketina ny fanisàna sy fandrafetana ny lisi-pifidianana (dingana voalohany), vao miditra aty aoriana ny anjaran’ny CENI-T araka izay tandrify azy rehefa avy natao ny fanamarinana rehetra. Ahoana moa no mba aneken’ny saina ny hoe ‘nahazo kara-pifidianana ianao’ dia nony tonga hifidy dia hoe ‘tsy ato anaty lisitra ny anaranao Madama’
Tsiny hafa koa ny tsy fisian’ny vata fandraisampeo tany anaty birao sasany, ka tsy nahenoan’izy ireo ny toromarika. Noho izany dia isan’ny fanapahana iray niteraka olana be ny fampitàna avy amin’ny CENI-T izay miovaova eny am-panidinana eny, toy ny hoe azo ampidirina atao ‘AJOUT’ ny anaran’ny tsy ao anaty lisitra (ary dia nisy nanatanteraka tokoa), nefa aty aoriana indray dia nofoanana. Dia ahoana? Maty ve izany ilay lisitra sy ny birao nisian’izay? Toa kilalaon-jaza izy ity an!

HO AN’NY TSIRAIRAY

Aza adino fa ny Ben’ny Tanàna dia Ben’ny Tanàna ihany. Manana izay programany izy, fa ianao vahoaka tsy mandady harona io, raiso koa ny anjara tandrify anao. Marina fa tsy hampiditra vola any am-paosinao ny olona lany eo, fa ny hàka aza no hataony (tsy fanenjehana io fa sao any indray no haneho hevitra ny fanatika an). Ilainy ianao handoa ara-dalàna ny hetra mba hanatanterahana ny asa, dia aloavy raha fantatrao fa izay no izy. Misy foto-drafitrasa efa mipetraka eny rehetra eny, tsarovy fa io hetra lazaiko io no nanaovana azy ireny. Izany hoe vola tany ampaosinao ihany. Tompony ianao araka izany, ka fadio manomboka izao ny toetsaina tia manimba izay mba tsara vitan’ny teo aloha. Ny mampitombo izany amin’ny alàlan’ny tsara avy amin’ny tsirairay no ilofosy. Iza no hizaka ny fahavoazana aterany? Isika tsirairay ihany. Indrindra fa ny taranaka ho avy

HADALANA HITA SY RE

Re avy any Ambohimanga –Fokontany Soavinimerina fa nisy kandidà mandeha amin’ny anaran’ny tenany nitondra olona tsy anaty lisitra mba hifidy, saiky hanararaotra ilay hoe afaka manao ‘Ajout’ voalaza tery ambony

VAZIVAZY SISA

Rehefa tsy tao anaty lisitra ny olona sasany dia naleony sisa nanara-maso ny zava-nitranga,  no sady nivazivazy ihany hoe: aleo miandriandry kely fa sao mba tafiditra anaty 2ème liste après délibération e!
Hoy indray ny sasany nanao vava tsy ambina hoe: Dia vitao ao ny anareo fa na ho inona na ho inona koa anie, tsangan’olona ny anareo no fidiana fa tsy tsangan’asa e

FEHINY

Raha 30% toy io hitako io no tena taham-pahavitrihana ho avoakan’ny CENI-T tamin’iny fifidianana iny, aoka tsy hihevitra ho lanim-bahoaka izay lany. Fa fotsiny lanin’ny maro an’isa tonga nifidy. Misy maha-samihafa azy izany satria ny ‘mpibodo fifidianana’ no betsaka tsy nandeha nifidy, ary efa manana ny mpifidy raiki-po aminy tsy miova ny TIM, izay mazava loatra fa tsy hamela irery ny mpirotsaka tohanany.
Tokony hahatsapa ny CENI-T fa kitoatoa sy tsy tombombana iny fifidianana iny.
Ho anareo HVM: afaka hakànareo lesona ny zavatra niseho rehetra sy ny vokatra nanerana ny Nosy. Manana notoriété ve sa tsia ? sns… Ohatra fotsiny ny tao Sabotsy Namehana sy SAMBAVA
Ny MAPAR, mety hihevitra ianareo fa duel entre TIM sy MAPAR no tena niseho, tsy olana izany, ary toa marina,  saingy raha mbola te-haka ny fon’ny olona, ovay ny famindra.
Ho anareo tsy tao anaty lisitra teo. Aza adino ny manamarina akaiky ny momba anareo any amin’ny fokontany manomboka izao, fa tsy rehefa tonga indray ny amin’ny manaraka vao hikamenona eto isika mianakavy
Ho anareo zatra tambatambazana amin’ny fety sy vola tsy mahavita firy andro akory, mandiniha amin’ny manaraka, fa ny vola tsy hangidy rahoviana.

DSC_0331Fanehoankevitra mifandraika amin’ny lahatsoratra: ato ny an’ny WYLD sy ny Liberty32

Fifidianana #mdg2015 #maire #communales #tnrRV

Androm-pifidianana androany 31/07/2015. Tamin’ny 5: 45mn aho no efa teny an-toerana raha amin’ny 6 ora maraina no voatondro hivoha ny birao fandatsaham-bato. Talohan’izany kosa anefa dia efa samy hita teny an-toerana ireo mpiandrakitra teto amin’ny fokontany misy ahy. Tanaty fahavononana tanteraka. Ny solontenan’ireo mpirotsaka indray aza no teo tara fotoana, satria dia iray ihany no tonga tamin’ny fotoana ara-dalàna.

Raha ny tetsy amin’ny EPP Ankadifotsy I misy anay dia biraom-pifidianana mifanao ambony ambany no ao. Navitrika kokoa ireo mpifidy tao ambany raha oharina amin’ireo tokony handrotsaka tao ambony rihana.
Rehefa tonga ny ora voatondro, dia naseho ho hitanay mpifidy efa nanatrika teo, sy ny solontenan’ny mpirotsaka ireo fitaovam-pifidianana, izay samy tsy mbola nisy nesorina tao anatin’ny fonosany avy. Toy izany koa ny boky misy ireo takelaka hifidianana sy ny vata mangarahara izay natongilana mihitsy hahitàna fa tsy misy na inona na inona tao anatiny. Avy eo nakatona teoimason’ny rehetra izany ny vata. Nizotra tanaty filaminana izany rehetra izany tamin’ity maraina ity.
Foibem-pifidianana 4 no noteteziko androany maraina (Ankadifotsy I, Ankadifotsy II, Behoririka akaikin’ny Galana, EPP Andravoahangy I). Be olona nazoto nifoha maraina kokoa ny tao Ankadifotsy II sy Andravoahangy I. Samy tsy nahitàko olana aloha hatreto.

Mangingina koa ny eny an-dàlana no sady malalaka ny arabe. Irariana mba hitohy izay filaminana izay mandritra ity anio ity.

Entanina koa anefa isika rehetra mba hanaraka akaiky izay zava-miseho eny amin’ny misy antsika tsrairay avy eny, mba hialàna amin’ny fisian’ny hosoka, na faneriterena ny olona amin’ny safidiny. Ampahafantaro ny be sy ny maro fa azy ny safidiny, ary malalaka izy haneho izany. Aoka tsy hivarotra ny hoavinao sy ny taranakao amin’ny vola tsy mahavita andro iray akory, nefa avy eo hitondràna ny mafy mandritry ny taona maro.
Tandremo koa fa tsy azon’ny mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana atao velivelyny misava ny mpifidy. Manao fanamarihana no ataony raha misy mampiahiahy (avy amin’ny CENI-T)

Filohan'ny birao manamarina ny karatry ny delege

Filohan’ny birao manamarina ny karatry ny delege

ireo fitaovana mbola tsara fono

ireo fitaovana mbola tsara fono

ilay biletà amin'ny endriny carnet eo amin'ny souche no misy laharana, fa ilay takelaka kosa no tsy misy laharana ahafantarana azy. Tsiny goavana io amiko

ilay biletà amin’ny endriny carnet
eo amin’ny souche no misy laharana, fa ilay takelaka kosa no tsy misy laharana ahafantarana azy. Tsiny goavana io amiko

ilay bokikely misy ny toromariky ny CENI-T

ilay bokikely misy ny toromariky ny CENI-T

olona milahatra vao maraina be mba hanefa ny adidiny (Ankadifotsy I)

olona milahatra vao maraina be mba hanefa ny adidiny (Ankadifotsy I)

DSC_0227

filohan'ny biraom-pifidianana mampiseho amin'ireo mpifidy fa vata tsy misy na inona na inona no nampiasaina (Ankadifotsy I - Birao 2 ambony rihana)

filohan’ny biraom-pifidianana mampiseho amin’ireo mpifidy fa vata tsy misy na inona na inona no nampiasaina (Ankadifotsy I – Birao 2 ambony rihana)

fanakatonana ny vata fandatsaham-bato

fanakatonana ny vata fandatsaham-bato

fanakatonana ny vata fandatsaham-bato

fanakatonana ny vata fandatsaham-bato

Ny mpifidy voalohany tao amin'ny birao fandatsaham-bato

Ny mpifidy voalohany tao amin’ny birao fandatsaham-bato

Mpifidy ao Ankadifotsy II, akaikin'ny ISCAM

Mpifidy ao Ankadifotsy II, akaikin’ny ISCAM

Mpifidy EPP Andravoahangy I

Mpifidy EPP Andravoahangy I

Fanamarihana:

Tsimbazaza: 8:32 tonga handatsabato ao amin’ny CEG Tsimbazaza, Birao faha-2 Salle Normandie Atoa Hery Rajaonarimampianina
Tsy dia nandre fampielezampeo tany anaty biraom-pifidiannaa aho androany. Asa rehefa avy eo angamba!
Bezaha: Nifamadika ny vatam-pifidianana dia tara 45 mn ny fandatsaham-bato tany (loharano: RNM)
Manakara : tara ny lisitra avy amin’ny CENI-T ka tamin’ny 8:20 mn vao nanomboka ny fifidianana tao amin’ny kaominina ambony vohitra

Trano May Etsy, Trano May Eroa

Raha misy lohateny iray fahita tamin’ny gazety tato ho ato dia isan’ireny ny fahamaizana miseho lany etsy sy eroa.

DSC_00051Io hariva io dia toeram-ponenana maro no may sy levon’ny afo tetsy Antsahakely Besarety.
Tokony ho 20mn taorian’izay indray dia tranombarotra iray lehibe tetsy Ambatomitsangana Andravoahangy, mpivarotra ireny kojakoja ilaina amin’ny asa fanorenana sy ny fanamboarana ny atitrano ireny, no nirehitra. Loko sy akora simika, ary nahitàna zavatra vita tamin’ny plastika avokoa no hita tao. Izany hoe mora mirehitra. Araka ny voalazan’ny nanatri-nmaso ihany koa, dia nisy fipoahana avy ao anatin’ity trano ity taoriana kelin’ny nahitan’izy ireo ny afo sy ny setroka.

Azo ambara ho tsy nisy azo raisina ny entana tao anatin’ity tranombarotra ity, satria izay kely voasaringotra navoaka taorian’ny nifehezan’ny mpamono afo ny teo-draharaha, dia izay sisa tsy levon’ny afo, ary tafiditra anaty sokajin’ny brokatera.

DSC_00211

Soa aza fa tsy nahazo ireo tahirin’entana ahitàna valonan-damba marobe sy ireny simili-cuir ireny, izay tao amin’ny rihana voalohany. Raha sanatria nahazo ny rihana voalohany ny afo, dia tsy ho hita noanoa ny faharavana mety ho natrehana, ary tsy ho azo nialàna ny fahamaizana hatrany amin’ny ACEP.

ny fotoana nitadiavana izay fomba hamahàna ny misy ireo tahirinà valonan

ny fotoana nitadiavana izay fomba hamahàna ny misy ireo tahirinà valonan

Eto dia deraina manokana ny fahafoizan-tenan’ireo mpamono afo, nitolona nanao izay hifehezana izany, ary nisy mihitsy aza iray tamin’izy ireo torana teo amperinasa noho ny setroka.

nifamonjen'ireo namany ilay zalahy ity fa sempotra nitambotsitra

nifamonjen’ireo namany ilay zalahy ity fa sempotra nitambotsitra

Voatery mandady moa izy ireo mitady izay fototra niavian’ny afo, no sady mitifitra rano ihany.

natevina be ny setroka ka voatery nandady nizaha izay niaingàn'ilay firehetana

natevina be ny setroka ka voatery nandady nizaha izay niaingàn’ilay firehetana

Tombony ho an’ity tranobe ity ka tsy nihitaran’ny afo ho amin’ireo rihana rehetra sy ny efitra marobe taminy, ny fisian’ny toerana fanovozan-drano tsy lavitra teo, sy ny tsy fitohanan’ny fifamoivoizana, ka nahafahan’ny mpanono afo niasa haingana sy tamin-kalalahana tanteraka. Nampian’ire mpitandro filaminana. ihany koa.

Ndeha ary ny sary no avelantsika hiteny amin’izay e!

DSC_00141

DSC_00301

DSC_00331

DSC_00041

Raharaha hafa indray moa ny resaka andiam-balàla matory ao Ivato izao alina izao. Entanina ny olona tsy hihinana azy ireny rahampitso fa efa asiana fanafody izao alina izao

COSFA – RUGBY nisetrasetra teo Andravoahangy

Zavatra natrehin’ny maso ity tanisaina ity.

Niampita tamin’ny faritra tsy tokony hiampitàna eo amin’ilay boribory manoloana ny paositra Andravoahangy io ireto 3 lahy avy amin’ny COSFA, anaty fanamiana maha mpanao RUGBY azy mihitsy zalahy amin’io, survet fotsy ambony ambany. Nisy moto nihodina tamin’io fihodinana io, ary somary nanakaiky azy ireo. Ry zareo amin’io eny afovoan-dàlana. Tonga dia nokapohan’ilay teo amin’ny sisiny mafy ny ‘retrovisuer’ havia tamin’ilay moto ka niodina tsy tamin’ny toerany intsony. Tsy naharitra ilay nitondra ity farany, ka niverina nangataka fanazavana. Inona ho ianao no valintenin’ilay nanao ny tsy nety?

Fa tsy hitanao angaha fa miampita izahay, ary tsy misy fiampitàna eto

Namaly izany ilay mpitondra moto no sady niteny hoe

tsy azoko mihitsy ny antony tokony hanimbanao zavatra, nefa ianao sady efa any anaty arabe, no any amin’ny faritra tsy tokony hiampitàna

Nampian’ilay mpitondra moto tamin’ny hoe

raha tena nihevitra ny handona anao aho, tsy hanana ny rariny mihitsy ianao satria tany anaty faritra tsy izy mihitsy. Ary azoko toriana naie ianao raha izay no tiako e. Dia any amin’ny fitsarana sy ny assurance ianao no miresaka

Fa vao mainka toa nanome hery ireto mpisotasotan’ny COSFA izany, ka mbola nopehany indray ny retrovisuer havanan’ilay moto, ary dia tapaka tarangana.

Nisy manamboninahitra ambony avy amin’ny tafika nanao double tamin’ny moto , mbola nandeha nanivaka tamin’io làlana io ihany koa fa tsy nanaraka ny fiolahana, sady tsy nanao aroloha , nahita tsara ny fifanazavana teo, ary nijanona nanontany ny fandehan-javatra. Tsy nisy nataon’ity manamboninahitra ity afa-tsy ny nanala ny azy, ary tsy nasiany resaka ny momba ilay zavatr’olona simba

Tsy dia mahagaga loatra raha tsy misy vidiny eny anivon’ny fiarahamonina ny miaramila, eny fa indraindray aza, dia eny anivon’ny fianakavian’izy ireny nihitsy ry zareo no tsy misy hajany. Ry zareo izay eritreretina ho tandroka antoky ny fandriam-pahalemana sy tokin’ny vahoaka. Nefa toa mivadika ho tandroka hanoto sy  horohoro ho an’ny maro kosa.

COSFA RUGBY, mba sampana fanatanjahantena tokoa va re, ary mianatra izany toe-tsaina mpanao fanatanjahantena izany, sa fanofanana inona no raisina ao anatiny ao? Mampanontany tena rana ny zavatra hitako androany

Adinoko fa nisy polisy mandamina fifamoivoizana eo amin’io faritra io, fa tsy nihetsi-bolomaso akory.

Ary mba manao ahoana tokoa moa ny amin’ny anjara andraikitry ny mpitantana ny tanàna sy ny resaka fifamoivoizana amin’ny fametrahana ireny faritra natao ho fiampitàna ireny e?

Fiara nisy nandoro, Haintrano tsy nahy…

Tokony ho tamin’ny 6 ora hariva tany ho any ny andron’ny 16 Novambra 2010 dia hatairana ny an’ny rehetra raha  nahta fiara mpitatitra lasibatry ny afo (taxibe 139) tetsy Ambatomitsangana ambony, akaikin’ny tohotohobato midina mankao amin’ny toeram-pianarana « La colombe »

Raha ny filazan’ny mpanampy ny mpamily dia toa hetraketraky ny olona iray niala avy tao anaty fiara sy nanao izay hialàna haingana ny toerana no antony, satria tsy ela taorian’izay dia nirehitra ny fiara. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy. Simba tanteraka tsy nisy azo natao ahoana kosa anefa ny fiara. Tonga teny an-toerana ny mpamono afo sy ny mpitandro filaminana nifehy ny olona sy nanao ny asany.

Fa raha mbola teo an-toerana naka sary sy nanangona vaovao ny tena no nisy olona sendra nandalo no sady miresaka amin’ny finday reko tampoka miteny mora manao hoe

« izaho izao vao avy nandalo tery ambony tetezana fa misy zavatra midonaka be ao akaikin’ny Look’s ao, nefa eto koa aty ato misy minibus mirehitra »

Tsy naharitra aho fa tonga dia nisakana ilay olona no sady nanontany azy tsara hoe :

« aiza hoe ramose no misy inona koa? »

Ary dia natorony ahy ny toerana.

Marihana fa tafaraka tamiko teny ankianja i Andrydago , Ariniaina, ary Candy tamin’io fotoana io ary nifampizarana haingana ny vaovao. Tonga dia nitodi-doha nidina namonjy ny tao amin’i Look’s daholo indray ny liam-baovao rehetra.

Afobe mijoalajoala nandevona ireo trano hazo tao ambadik’ilay toeram-pivarotana Moto eo akaikin’ny OTIV no niandry ny rehetra tao. Tokantrano valo eo raha kely no rava fanànana. Isan’izay lanin’ny afo sy tsy nisy azo natao ny foiben’ny AKFM etsy Andravaohangy ambony, satria dia tafakisaka hatrany ny afo, raha taty ambany no niainga.

Kila hotohoto ny foibe AKFM

Ankizivavy kely iray nitomany teo akaikiko teo no nanontaniako ny amin’ny antony nahatonga ny afo (ao anatin’ny tanàna mirehitra izahay amin’io) . Sady mitomany izy no nitantara ny tahony ny mpampianatra azy fa hoe bedin’ilay mpampianatra azy hono izao izy fa tavela ao daholo ny fitaovany rehetra, may ao koa ny sora-piankohonany, sns … Rehefa nampanginina sy nilazàna izy fa tsy misy bedy izany fa hita sy zakain’ny maro ny fahamaizana mitranga, dia nanomboka nitantara ny niandohan’ny afo.

« Nisy nanao zavatra tao afovoany tao, tsy haiko na nandoro taratasin-kabone, na avy amin’ilay fatapera, fa niparitaka ilay afo. Avy ao amin’ilay mpivarotra pate jaune » – Cathy

Ankizy iray hafa no nitantara fa nahita koa ny fiparitahan’ny afo saingy efa nahazo vahana vao tsinjony

« Saika hamono ilay afo ihany aho fa tsy navelan’i Zeze. Avelao fa tsy matin’ialahy intsony io hoy izy. Dia nandositra nanavotra aina sisa no nataonay »

Fa ny tena nanahirana ahy tamin’ity haintrano ity dia satria misy fianakaviana sahirana, anisan’ireo karakarainay mivady miaraka amin’ireo mpifanohana aminay (TetezanaOnlus) tao. Ny fianakavian’i Njaka kely. Tsy mbola tao an-tokantraony izy ireo tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. May tao daholo ny fitaovana nomena ny ankizy mba handratoana fianarana, ny fitafy, ny fanaka kely mba azy ireo. Ny teny an-kodiny sisa no tavela sy hany fananany.

sary nalaina ny ampitson'ny loza. Teto no nisy ny tranon'i Njaka kely ny ny ankohonany

Ary na teo aza izay nanahirana izay dia ity no tena nampahonena sy tsy nampandry ny saiko mandra-pahitako ny marina. Tsy niala teny an-toerana mihitsy aho raha tsy afa-nenina sy nahita vokatra: misy mpiambina io foiben’ny AKFM io, Ra-dadafara no fahalalan’ny maro azy, manana zafikely 7 taona miara-monina aminy izy. Rehefa nahita ny afo io zazalahy kely io dia nihanika andrin-jiro nijery an’izany no sady nangataka tamin-dRa-dadafara hoe

 » Misy afo ato ry dadabe fa omeo rano aho hamonoako azy »

Taitra tamin’izany ny lehibe ka nijery, ary rehefa nahita fa tsy nisy azo atao intsony dia ny niteny an’ity zaza mba hidina sy hiala haingana ny toerana. Ary dia teo no farany nahitan’i Ra-dadafara an’i Babainina kely (Mika no tena anarany)  Samy nikorapaka namonjy aina ka rehefa tany ivelany vao nahatsiaro ilay rangahibe fa tsy hitany intsony ilay zaza. Namoy fo sy efa saiky hanaotao foana ny anao lahy, ary niteny fa raha tsy hitany ilay zaza dia hanapitra ny androny koa izy. Notonena izy ary nilazako fa any ampitan’ny arabe any anie ka mbola feno ankizy sy olona marobe e. Any Mika fa aza tonga dia manary toky (izaho anefa amin’io tsy mbola nahafantatra mihitsy na maty na velona ilay zaza).

Tsy nety nino izy ary nandeha nitety ny sisin-dàlana rehetra nikaroka an’i Mika. Izay rehetra nanontaniany anefa dia samy tsy nisy nahita. Tsy nijanona teo koa aho fa lasa nanao ny fikarohako manokana. Ny zavatra vao mainka nampivarahontsana ahy indrindra dia ny nahenoako tamin’olona roa samihafa, tamin’ny toerana roa samihafa, fa hitan’izy ireo i Mika niverina niditra tany anatin’ilay trano niantso ny raibeny, ary izy nikiakiaka niantso « Dada » no farany henon’ireto olona ireto, izay tsy hafa fa olona mipetraka eo amin’ny manodidina ihany sy nanampy tamin’ny asa famonoana afo mandra-pahatongan’ny mpamono afo.

Manao izay tratry ny aina aloha mandra-paha...

Tapitra noteteziko sy nanonntaniako avokoa ny siisn-dàlana rehetra feno ireo olona nivorivory, na avy aty amin’ny Look’s aty ambany, na avy ary Andravoahangy ambony amin’iny vavahadin’ny AKFM iny, fa tsy nisy nahita an’i Mika intsony. Efa nanomboka ho kivy aho. Raha tamin’ny 6 ora sy 30 mn tany ho any mantsy ny afo no nanomboka, dia efa amin’ny 8 ora sy sasany kosa io fotoana nanombohako nivalaketraka io.
Nisy ankizilahikely nahalala ny fikarohako an’i Mika ka nanatona ary niteny fa lasa any amin’ny fianakaviany eo akaiky eo ihany i Mika fa tsy tavela ao anaty afo akory. Nentiny nijery maso azy aho ary dia indro tokoa i Mika miaraka amin’olona vitsivitsy, eo ambony tamboho iray,  mitazana ny tanànany fahiny lanin’ny afo.

Hafaliana tsy nisy toy izany ny an’ilay rangahy efa teo amoron’ny famoizam-po raha nandre fa any i Mika, ary saika nanaotao foana izy hanapitra ny androny koa tamin’ity androany ity. Niandry fotsiny ny fiafaran’ny famonoana ny afo mantsy izy sisa hamantarany na tavela tao i Babainina na tsia, ka aorian’izay no saika handraisany fanapahan-kevitra saika namoa-doza.

Fa ny tany hono tsy ilaozan’adala. Mba nisy ihany ny fianakaviana afaka namoaka izay azo navoaka mba tsy ho levon’ny afo. Fa ny tsy valahara kosa mahita làlana foana hanimbinana ny kely sisa mba avotra. Ary raha mba izy ireny indray re no voa aoriana kely ao e? Amin’izay mety ho tsapany ny nahazo ny hafa tamin’io fotoana io.

Nilazana moa ny ankohonan’i Njaka kely fa raha tsy mahita haleha izy io alina io dia afaka mankany an-trano aloha miandry n y andro mazava mba hitadiavana vaha olana hafa indray, saingy toa hoe mbola tsy misy mahazo miala ry zareo fa miandry ny fanadihadiana ataon’ny polisy ho vita vao mahazo mandeha daholo

Fanampim-baovao : Hagagàna tanteraka ny ahy nony tonga taty an-trano fa nivadika ho toy ny resaka doro trano politika natao tamin’ny foiben’ny AKFM ny fanazavana nataon’ireo mpanao gazetin’ity  Fahitalavitra tsy miankina iray ity TV Plus, izay marihako fa efa antsasak’adiny mahery taty aorian’ny nitrangan’ny loza vao tonga teny an-toerana. Izahay kosa minitra vitsy monja taorian’ny niaingan’ny afo no efa teny

17 novambra 2010: Ity indray dia resaka nataon’ingahy JAOZANDRY, sekretera janeralin’ny antoko avy amin’ny AKFM nilaza fa hoe heloka bevava no nandoroana ny biraon-dry zareo fa satria tokony hivory tao ry zareo androany amin’ny 9 ora maraina. Mba nanao fanadihadiana teny an-toerana ve io olona io ? Taty ambony amin’ny tohatra mankao amin’ny tananan’ny AKFM ihany no hitan-drangahy io, fa mbola averiko indray ny hoe tary amin’ireo trano hazo ambany , ambadiky ny mpivarotra MOTO sy tsy lavitra amin’ilay elakelantrano eo amin’ny OTIV no niainga ny afo. Fa tsy mety ve raha tsy anaovana récupération politika toy izany ny  tranga toy ireny e? Raha mba afaka nivadika taty ambany angamba rangahy io dia tsy ho niteniteny foana tahaka izay.

sary nalaina ny ampitson'ny loza Toy izao sisa ny foibe AKFM

Sakoroka androany 10 Novambra 2010

Dia raikitra indray ny sakoroka androany 10 Novambra 2010, taorian’ny nandraràn’ny prefektioran’ny polisy tsy hampiasan’ny Ankolafy Telo avy etsy amin’ny MAGRO ny kianja MALACAM Antanimena. Raha ny filazan’ny nanatri-maso ny fiandohany dia tany amin’ny 12 ora antoandro tany no nanomboka ny fangalam-piery.

Nisavoritaka tsy nisy hoatr’izany ny fifamoivoizana teto Antananarivo renivohitra, ka samy nitady làlana izay azony hanavotana ny ainy ny rehetra, na olona io na mpamily fiara. Nanery ireo mpamily fiara hianika an’Ambatonakanga sy Antaninarenina ny zava-misy.

Niova làlana nankany Amparibe sy Mahamasina ny taxibe

Fa izay tiana ho tsindriana fotsiny dia ity fanimbàna zavatr’olona sy famotehana ny fananan’ny hafa atao rehefa isak’izay misy fihetsiketsehana ity. Fiara roa (lazaina ho ana teratany karana avokoa) no nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana androany.

Fiara nodorana teo anoloan'ny Kolejy Saint François Xavier Annexe (Notre Dame teo aloha) - Antanimena ambany - Karana iray no tao anatiny

Ny iray tetsy Antanimena ambany, nanoloana ny Kolejy Notre Dame, raha teo amin’ny sampanana akaikin’ny foibe ara-tsaina Arabo Libiana teo aloha kosa ny faharoa

Teo amin'ny sampanana manoloana ny foibe ara-tsaina Arabo Libiana taloha - Fiara avy nàka zanaka karàna avy nianatra

Feo heno tety ihany koa moa ny hoe

Mila mandoro fiara isika, atao hitan-dry XXXXreo

Natosiky ny mpitandro filaminana tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso aloha ireo mpanimba zavatra,

nalefa ny baomba mandatsa-dranomaso mba hanosehana ny olona

Vonoina sao hitera-doza, eny fa na dia ho an'ny fahasalamana fotsiny aza

ary rehefa avy eo dia nisy mpiasan’ilay tobin-tsolika nitondra famonoana afo mba hamonoana ny afo sisa tsy maty famin’ilay fiara nodoran’ireo mpanimba zavatra.

Tsy nijanona tamin’ireo ny fandoroana fa hatramin’ireny trano hazo kely napetraka ho fanatanterahana asa teny anivon’ny zaridainan’Antanimena ireny koa aza dia lasibatry ny afo.

Ilay tranohazo teo an-jaridaina afovoany Antanimena

Ny aza sendra ny mifanena tsy nahy tamin-dry zareo aloha fa dia mety hanidina ny « pare-brise » e!  – 4L taxi sy Jeep Cherokee ana teratany vahiny no niharan’ny setrasetra sy ny fanimbàna teny Antanimena nandritra ity andron’ny 10 Novambra 2010 ity.

Raha ny filazan’ny sasany tamin’ireo namana tafaraka teny mantsy dia nisy izany lehilahy vaventy iray izany rehefa nivoaka avy tao amin’ny MAGRO, dia efa feno rà ny tànany. Tsy fantatra hoe naninona, ary ràn’inona, na ràn’iza. Rehefa tonga tety an-dalam-be, hono, io ranamana io dia tsy nanao afa-tsy ny nila vaniny tamin’ny fiara sendra azy, ary isan’ny namaky ny fitaratry ny fiara iray teny amin’ny manodidina ny toerana nifamorian’izy ireo. Teo Andravoahangy ambony tsy lavitra ny tetezana no nisy iray tratran’ny toy izany, ankoatry ny sasany teny amin’ny manodidina ny MAGRO sy Antanimena. Tsara ihany araka izany ho an’ny mpamily fiara ny mba mihaino vaovao fa tsy ho faly rotsorotsian’ny hira fotsiny eny an-dàlana eny, ka tafalatsaka anaty kizo vao taitra. Maro amin’ny mpamily mantsy (indrindra fa ny taxibe, toy ity 183 ity) no tsy tia mihaino resadresaka amin’ny fampielezam-peo, fa raha vao izay no mitranga dia kinga ery iny tànana iny mamadika onjam-peo mitady hira. Hay vidiana lafo ihany ny hirahira fa dia mampatory saina tokoa an!

Mba henoy amin'ny sisa ny fampielezam-peo fa aza dia sondriana amin'ny hira fotsiny e!

Zavatra tsinjo tetsy Behoririka akaikin’ny « Look’s » ny fahasahiana diso tafahoatra nananan’ny sasany tamin’reo mpanao fihetsiketsehana, satria dia voalazan’ny mpitandro filaminana iray nanao fanamiana sivily miara-mitankosona amin’ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanangom-baovao, fa nisy lehilahy iray nitondra fitaovam-piadiana tao anatin’ireto farany. Efa naparitaka moa ny mombamomaba an-dranamana, ny fitafiany manomboka any an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany, saingy tafaporitsaka ny anao lahy

segondra vitsy taorian'ny nadalovan'ireto mpandalo ireto dia nisy vato natota sy kesika natsipy avy tany ambony tetezana. Saiky loza

Feo re teny an-toerana ihany koa no nahalalàna fa hiandry ny andro maizina ireto mpanao hetsika ireto (na mety ho ny mpanararaotra) mba hamerenana eto Antananarivo ny zava-nitrana tamin’ny 26 Janoary 2009. Ary mety ho ny OPK no ho itarihana azy. Feo re teny antsefantsefam-bohitra teny daholo izany ampitaintsika eto izany.

Raha izany no nitranga androany, mba hanao ahoana re ny fihantsiana nataon’i Monja Roindefo ny amin’ny tsy maintsy hihaonany amin’ny vahoakan’Antananarivo amin’ny Sabotsy 23 Novambra 2010 e?

Dia izao tokoa ve ilay hoe tsy avela hisy fitsapan-kevi-bahoaka izany eto na ho inona na ho inona?

Sadasada manan-tsoratra ihany tokoa aloha ilay ho fitsapana hevitra e! Ary ny mahavalalanina ny maro dia ny filazana zava-bita etsy sy eroa, na fampanantenana zavatra hatao mandritra ireny fitsidihana ofisialy ataon’ny mpikambana ao amin’ny HAT isaky ny faritra ireny – ankoatry ny hoe fanazavàna ny votoatin’ilay volavolan-dalampanorenana. Ny zavatra toy izany mantsy no efa nanakianana ny teo aloha, ary tsy lanin’ny vavonin’ny vahoaka, nefa dia mbola TIM (ny Teo Ihany no Miverina) hoy ny maro.  » Am-bava homana, am-po mierotra  » hoy ny ohabolan’ny Ntaolo.

Rehefa tsy milatsa-dranomaso noho ny baomba, dia tsy mifankahita noho ny setroka doro fiara

Mainty noho ny setroka doro fiara ny lanitr’Antananarivo androany hariva, ary mbola nanakoako teny Behoririka sy Andravoahangy ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso hatramin’ny 7 ora sy sasany hariva  tany ho any.

Tsy tsara ho an'ny marary tratra ny nandalo teto

Sempotry ny setrok ireo trano teto amin'ny manodidina. Tsy lavitra tobin-tsolika SHELL koa ilay firehetana

Raha tsy niova ny zavatra hita talohan’ny ora nialàna teny an-toerana dia 3 lahy 2 vavy no voasambotra ka isan’izany ireto

ireo 2 lahy efa tafiditra tao anaty fiara

ilay iraikalahy fanintelony nenjehina hatrany anaty tranon'olona

Fanampim-baovao:
Fetison Andrianirina sy Lalatiana Ravololomanana ary Yves Aimé rehefa tonga tao amin’ny MAGRO ka nilaza tamin’ny mpomba azy fa hifampiraharaha amin’ny mpitandro filaminana
dia novalian’ny olona fa  tsy misy an’izany, toa izahay vahoaka foana no arosonareo, nefa avy eo tsy hita ianareo

Tohiny: tsy hita vetivety teo ireto mpitarika ary tsy voafehy intsony ny olony.

Rehefa naparitaka ireo olona avy ao Antanimena dia nizarazara ny làlany ka nisy ny rantsana nankany Analakely ary nikasa handoro ny Lapan’ny Tanana vaovao, izay 38 taona mahery taty aoriana vao nisy nahavita namerina indray. Raha tara kely foana ny mpitandro filaminana dia efa « vita matavy » ilay Lapa satria efa tonga teo an-toerana ny tavoahangy plastika nisy lasantsy.

TV Plus Madagascar: Nisy ny andian’olona, izay nahitana vehivavy, nitarika sy nandrindra ny asa fankorontanana natao teo Behoririka, hoy ny olona iray miasa eo akaikin’ny faritra nitrangan’izany, no sady nandre sy nahita maso ireto andian’olona ireto, saingy noho ny tahony dia tsy sahy naka sary fa nitadidy kosa  ny amin’ireo olona ireo (efa nampitain’ny TV Plus Madagascar tamin’ny vaovaony ny andron’ny 10 Novambra 2010 ny mombamomba ireo olona ireo, niaraka amin’ny fitantaran’ilay vavolombelona)