Nisy nanafika ny VIVA Ambodivona

Mirongatra indray ny herisetra eto Antananarivo raha ny vaovao tselatra navoakan’ny RNM vao henoko teo no itarafana azy. Nambara tamin’izany fa olona 20 mahery no nanafika ny RADIO VIVA Ambodivona. Nisy ny maty sy ny naratra.

Tsy mbola ananako ny andinindininy fa vao avy any am-piangonana mihitsy aho no naheno ny vaovao. Ampitaina amintsika eto ihany araka ny filatsahan’ny vaovao isan-karazany ny tohiny.

Fanampim-baovao farany:

2 maty (agents de sécurité Pro Guard iray sy SSTIM iray hafa), iray naratra mafy. Nirongo fiadiana mahery vaika ny mpanafika

3h 30 maraina no nitranga ny fanafihana ka  kalachnikov, lance roquette sy basy mahery vaika no nifanandrinany tamin’ny miaramila mpiambina. Nalaina daholo ny portables an’ny mpiambina, rehefa avy nahafty roa tamin’ireto farany ny mpanafika. Ny maty voalohany dia ilay agent de sécurité nanontany azy ireo ny fiaviany sy ny anton-diany. Tonga dia tifitra teo amin’ny lohany sy ny kobony no setrin’ny fanontaniana sy solon’ny valim-panontaniana. Misy ny feon’ny fanazavan’ny mpiambina ny Shoprite sy ny olon-tsotra nanatri-maso ny zava-nitranga teny an-toerana saingy noho ity version WordPress misy ahy ity toa mananihany dia tsy mety miakatra mihitsy ilay izy. Mbola mijery ny fomba hametrahako azy eto ho anareo aho.

Araka ny tatitra nataon’ny Colonel RAVALOMANANA Richard nandeha tao amin’ny TVM androany hariva dia nofenoina sakana (barrages) ny lalana rehetra mitondra mankany amin’ny VIVA iny alina iny (fasika natao tanaty gony). Nisy ny Baomba nentin’olona tanaty fiara – ka nipoaka tamin’ilay nitondra azy ihany- teny Ambohibao. Rehefa nosavaina io dia nahitana plan misy ny sampanana rehetra mitondra mankao amin’ny VIVA Ambodivona tany aminy ary misy ny sarin’ireo sakana rehetra natao teny amin’ny lalana.

Ankoatra ireo dia nisy baomba ihany koa hita tany amin’ny Toby 1er RFI Ivato sy tany amin’ny Gendarmerie Fort Duschesne. Miaramila Caporal no specialiste ananan’ny tafika malagasy manala ireny zava-mipoaka ireny, saingy ity no tena nampivarahontsana ahy nijery ny sary tao amin’ny fahitalavitra androany alina: gants fotsiny no entin’ilay ranamana manala (desamorçage) ireny baomba ireny. Nefa raha any ampita dia iarahan’ny rehetra mahita sy mahalala fa olona telo na roa fara-faharatsiny no miaraka, ary mbola mitondra karazana’ampinga be hiarovana ny tava sy ny tena manontolo koa aza. Raha sanatria tokoa moa izany ka amin’iny fotoana ikirakiran’ilay caporal ny zava-mipoaka iny no misy mi-bip tampoka ilay portable natao ho declencheur, dia mba ahoana ? Sa dia izany tokoa no hoe ‘maty ho an’ny tanindrazana?’

Rehefa natao fanadihadiana ireo tratry ny zava-nipoaka tao anatin’ilay fiara teny Ambohibao dia nanonona anaran’olona ambony teto amin’ny firenena sy nilaza koa fa mpamonjy fivoriana ao amin’ny MAGRO Ankorondrano avokoa.

Nilaza moa ny Colonel RAVALOMANANA Richard fa tena asa fampihorohoroana mikendry resaka ara-politika no kasaina hatao iny alina iny. Ary efa nisy ny trano nosavaina sy efa miroso tsikelikely amin’ny rehetra tokony hataony nhy zandary sy ny tafika manoloana iny azava-nitranga iny.

Raha mampita ity indray ny tenako dia aza raisina ho fankahalana tsotra izao ny ‘zanak’i dada’. Ny zavatra mba manitikitika ny saiko ankoatra nay zavatra niseho androany dia ity: ‘Mba lasa aiza i Ambroise e????’ Ilay mampanantena foana ny teny Ambohijatovo sy Ankorondrano fa efa ho avy i Dada ary efa tsy mitehaka amin’ny tany intsony ny tongony fa efa an-dalana hijery ny zanany izy (efa hatrany Ambohijatovo io tenin’ingahy Ambroise io an! – Sa rehefa hita fa tsy hety intsony ny tantana dia miketriketrika any ho any indray????

Mba ilazana rangahy ny rehetra a! Rehefa misy ny mampiahiahy, toy ny fisian’olona mitangorongorona, na fisian’ny sakana tsy fanta-pihaviana any ananonanona any, mba mifampilaza sy miantso mpiotandro filaminana haingana a! Aoka ho tadidy mandrakariva fa ny olona rehefa manao asa famphorohoroana toy izao dia tsy miraharaha na iza voa ao na iza – eny fa na ny any an-tranony aza no ho latsak’aina tsy nahy amin’izany-  araka izany dia mety ho izaho, na ianao , na ny ao an-tranonao koa no ho voan’izany. Koa tsara ny mifampitsinjo sy mifampilaza amin’ny zavatra ratsy mety hiseho sy ketrehin’ny sasany toy izao

Publicités

Tadidiko ry zalahy e! Tamin’izany andro izany…

Mahatsiaro manokana izay hiran’ny tarika MAhaleo izay aho androany. Fa maninona hoy ianareo? Tsotra ny antony.

‘Tadidiko ry zalahy e! Tamin’izany andro izany e!…mbola niarakaaaa!’

Taloha tokoa dia niaraka nankalaza ny fetim-pirenena (niverenan’ny fahaleovantena) ny vahoaka Malagasy, na inona na inona olana nisy teto amin’ny fireneny. Tsy nataony ho zava-poana izany. Tsy maintsy nankalazainy tamin’ny fomba rehetra azony natao sy takatry ny sainy. Isan’ireny ny fananganan-tsaina isan-tokantrano, indrindra fa ireo manamoraona ny lalam-be iraisana. Tsy nisy mihitsy nanimbazimba izany andro izany ka hiteny hoe ampirimo ny saina fa aza atsangana.

Fa hafa kely kosa tamin’ity indray mitoraka ity. Tonga ny fetim-pirenena Malagasy 2009, dia nisy ny nanentana ny vahoaka hanao ny tsy fanaony hatramin’izay, ka dia niteny ny olona mba tsy hanangana saina. Be ny natahotra hanangana sao tsy mitovy hevitra amin’ny tena ilay olona atsy avaratra, na ilay ao atsimo. Dia nifampiandry ny iray tanàna hoe iza no hanangana ary iza no tsy hanangana. Nisy mihitsy ny nahavatra nanontany ny hevitry ny namany: ‘Ianareo ve hanangana? Izahay aloha toa … toa …’ Dia misalasala eo satria efa manana ilay firehana hoe nanohana an’itsy, na mirona aroa, ka sao mahadikidiky amin’ny mpiara-mitolona sy ny mpiara-dia. Tsy ao an-tsaina intsony ilay tena atao hoe Tanindrazana sy Firenena. Fa dia ny olona na ny vondrona arahana no sisa eken-teny. Mahagaga an! Mahatalanjona! Gasy Tia Tanindrazana ve izany?. Ary nandritra ny fihetsiketsehana ny volana aprily no mankaty dia nisy mihitsy aza moa no aanilanja sainam-pirenena hafa, na nanao azy ireny ho toy ny saron-doha hiarovan-tena amin’ny hain’andro. Raha hatreo ihany dia tsy ahoako loatra.

Fa androany kosa, fetin’ny ‘be kintana’ (amerikana). Raha nivoaka ny trano ka handeha hamonjy fihaonana iarahana amin’ireo namana aman-tsakaiza aho (avy any Andravoahangy ka hatrany Ambohidahy), dia nijery foana teny an-dàlana teny sao mba nisy olona nanangana saina ‘be kintana’. Tsy nahita anefa aho. Diso eritreritra aho. Noheveriko mantsy fa ireo olona nanakana ny Malagasy toa azy tsy hanangana ny sainam-pireneny, sy nisalotra ary nanindrahindra ny sainan’ny ‘be kintana’, dia mba hanangana izany kosa isan-tokantranony rehefa tonga ny 04 jolay toy izao. Indrisy fa diso aho, ary isaorako Andriamanitra fa diso tokoa aho.

Sady izao koa anie e!!!   Tsy ho tafiditra velively ho isan’ireo kintana efa eo amin’iny sainam-pirenen’ny olona iny velively i Madagasikara! Koa raha tsy adala izy kooo!

Eto aza aho dia misaotra manoka ireo teratany vahiny roa vavy tafaraka taminay tao anatin’ny fihaonana androany (Christi sy Claire Ulrich) tamin’ny filazany ny fitiavan y an’i Madagasikara. I Claire dia niaina ny taona efatra voalohany tamin’ny androm-piainany teto Madagasikara, ary i Christi kosa dia Peace Corps teo aloha no lasa kosa manao tetikasa ho fampandrosoana ny any ambany ravinahitra rehetra any.

Dia mba ahoana ianao Malagasy mamaky ahy io??? Raha misy ny zanak’i dada, dia mba meteza koa ho ‘zanak’i Neny Madagasikara’

Koa ahoana tokoa e? Mba ‘Tadidinareo ve ry zalahy e! Tamin’izany andro izany e!…mbola niarakaaaa…niaraka foana…niaraka hatrany…! »

Barcamp andiany faharoa – IVOTEL

Nahafinaritra, nahazoana lesona betsaka, tanaty firahalahiana sy fifankatiavana, ary nahitàna karazan’olona samihafa (teratany vahiny sy Malagasy araka ny laharam-boninahiny avy) sy avy amin’ny faritra maro nanerana an’i Madagasikara.

Izay raha lazaina amin’ny teny fohy sy tsotra ny fifankahitàna tava natao androany tolakandro tao amin’ny IVOTEL Ambohidahy.

Teo ambany fiahian’i Lova Rakotomalala, izay nanokatra ny fotoana,  moa ity andiany faharoa ity, raha i Joan Razafimaharo no nitondra ny andiany voalohany izay natao teo amin’io toerana io ihany.

Santionany tamin’ireo tonga nanome voninahitra ny fotoana ireto tanisaiko manaraka ireto (ary ialako tsiny amin’izay sendra tsy voatonona nefa tao, fa dia ataovy toy ny efa voalaza sahady…):

  • Foko (mpikarakara), ny sampana Foko avy any Fianarantsoa , Antsirabe, Toamasina, Antalaha
  • ny mpanao gazety samihafa,
  • ny minisitra tany aloha (Tsilavina Ralaindimby),
  • mpampianatra ny mpanao gazety avy any Antsirabe,
  • ny Global Voices Online Malagasy (avylavitra-Jentilisa),
  • i Hery Zo izay nanazàva momba ny blaoginy mifototra main’ny resaka Fizahantany sy ny aterineto,
  • ny Radio Ciel Antalah 100_1737 (Chris sy Afik, nisolo tena rahateo koa ny Radio Meva Ankarana – Tetikasa ‘fampielezam-peom-bahoaka’ na Radio Communautaire miara-miasa amin’ny radioactive mba hananan’ireo faritra lavitry ny renivohitra loharanom-baovao sy loharanom-pahalalàna – misy vata fampielezam-peo mandeha amin’ny alalan’ny famahànana azy (ahodina) moa nentin’izy ireo naseho tao mba ho fanosehana izay tetikasa izay, 100_1781
  • Andriakoto Ratozamanana,
  • Barijaona, namana tsy fanadino,

Nifampizara ny zavatra niainàna nandritry ny olana nolalovan’ny firenena nanomboka ny volana Janoary no mankaty ny tsirairay, ankoatra ny fizaràna fomba fijery manokana.

Nivoaka nandritra izany ny tahotra sedrain’ny rehetra (mpitoraka blaogy sy mpanao gazety matihanina) eny ankianja eny rehefa manatanteraka ny asa fanangonam-baovao. Voatanisa ihany koa ny fampitahorana zakaina taorian’ny famoaham-baovao nataon’ireo mpitoraka blaogy sasantsasany.

i Claire Ulrich manokana

100_1768dia namelabelatra maharitra ny momba ny sivana amin’ny fampahalalam-baovao sy ny fitaovan-tserasera maneran-tany, indrindra any amin’ireo tany misy mafampana (indrindra indrindra fa raha vao miresaka fanakianana momba ny fitondrana misy eo an-toerana). Ohatra nentiny tamin’izany i Maraoka, Sina, Iran, Gaza (Palestina sy Israely). Ny sivana amin’ny endriny rehetra (na amin’ny alalan’ny Logiciel io, na amin’ny fandraràna ny mpanao gazety tsy hivoaka ny toerana misy azy mba tsy hahazo vaovao, na amin’ny fanapàhana tsotra izao ny fantsom-pampitàna rehetra mety ho azon’ny mpilaza vaovao ampiasaina)

Nandritra ny famelabeàrana dia nivoitra hatrany ny hoe ‘tompon’andraikitra amin’izay soratany sy avoakany ny tsirairay’. Ny mpitoraka blaogy rahateo moa tsy manana sata manokana mifehy azy.

Momba izay sata izay indrindra dia nilaza ny zoky iray eo amin’ity sehatra ity fa tsy tokony hisy akory izany ‘code de la communication’ izany raha ny fijeriny ny fivoaran’ny fomba fampitana vaovao ankehitriny (aterineto).  Betsaka ny azo ampiasaina -Tweeter, Ushaidi, FriendFeed, SMS, sns…- ary vaovao misy fanavaozana isan-minitra, mba tsy hitenenana hoe isan-tsegondra.

Voaresaka tamin’izany koa ny tokony hifamenoan’ny asan’ny mpitoraka blaogy sy ny mpanao gazety matihanina (zareo ireny rahateo misy mangalatra ny asantsika mpitoka blaogy. hihhihi, Sa tsy marina izany?).

i Thierry Andriamirado kosa niresaka manodidina ny ‘réseau social’ –  izay rehetra mety ho tombontsoa azo sintonina avy aminy –

Nentanin’ireo rehetra nandray fitenenana moa ny mpitoraka blaogy tsy hihemotra amin’ny fampitàna izay hitany sy rèny, nefa koa navoitra ny tokony hitandremana fa tsy ananam-piry ny aina (ne pas jouer l’héroîsme, hoy ny teny nilazàna azy). Voa manokana tamin’io ilay iraikalahy mpilingilingy izay;;;;izaho ihany anefa ilay izy;;;hahaha. Zavatra iray isan’ny niderana manokana ny mpitoraka blaogy ny tsy fanafenam-baovao, raha oharina amin’ny any gazety an-tsoratra izay tsy maintsy mandalo sivan’ny tompony sy manaraka ny antsoina hoe ‘ligne éditoriale’. Io fametrahana arofanina io no isan’ny tsy nanekeko hiara-hiasa tamin’ny fananganana  ‘plateforme’ iray izay. Satria misy ‘ligne éditoriale’ apetraka harahan’ny rehetra hiditra ao anatiny. i Randy, zokibe iray isan’ny mpanoro hevitra, dia niteny hoe mijanonà foana ho tsy miankina fa very ny fahalalahanareo raha miala amin’izay làlana izay.

Fa raha tafaresaka tamin’ny olona iray nanatrika tao ny tena, dia niarahanay nanaiky ny fitotongan’ny toe-tsaina Malagasy ankehitriny. Raha tany aloha tany ny tsy fitovian-kevitra dia nijanona teo amin’ny sehatry ny fifanasàna vangy, dia ankehitriny kosa tonga hatrany amin’ny fifampikasihan-tànana (toy ilay sary nasehon’i Stephane tamin’ny fàfana (écran) nandritra ny anjara fitenenany, ka nahitàna roalahy mpomba ny andaniny sy ny ankilany amin’ny olana mitranga ankehitriny, izay samy efa nihoson-drà avokoa).

Mba manaova toa anay ireto e!

100_1759Ny hevitra tsy mitovy tsy voatery hifanangànana ho fahavalo. Dia maninona izao izahay? Ny olona no mihevitra fa ‘hanao ahoana re raha tafahaona izy roalahy ireo e?’, fa izahay kosa manao hoe ‘latabatra hafa no anaovanay daomy, ary latabatra hafa no iraisanay misakafo’. Mahaiza araka izany manaja ny fanehoan-kevitry ny sasany na tsy mitovy aza ny hevitra, fa halaviro toy ny fasam-paoana ny fifankahalàana sy ny ompa toy ny fahita any amin’ireo tranonkalan-tserasera sasany, izay fantatry ny maro tao ny anarany na tsy notononina mivantana aza. Miala tsiny fa sady manararaotra mifanabe ihany isika.

Mety tsy ho feno araka ny ilàna azy ny fitaterako ny zava-nisy fa dia entaniko kosa ianao mba hitsidika ny blaogin’ireo namana rehetra tonga nandritra io fotoana io.

Ampidiro fotsiny ny teny fototra ‘ivotel’, na ‘barcamp madagascar’, dia tsy maintsy ho hitanao ao daholo ny resaka rehetra manodidina izay androany izay.

Sady mba tongava koa moa amin’ny sisa e!Amin’izay mba mahita ny toy izao sy mifampizara fomba fijery, satria samy manana ny solomaso itarafany ny raharaham-piainana andavanandron’ny tsirairay sy ny firenena isika, ka mila mifampizara:

100_1786