Maputo II:Mikatso ny dinika e!

E

-Miala tsiny betsaka aminareo mpamaky fa raha tsy ny fanamarihana avy amin’i Zokibe Jentilisa momba ny tokony hananako Tweeter dia tsy hitako hoe tapaka ity lahatsoratra ity, koa indro averiko apetraka eto ny tohin’ila « E… » manirery rey ambony ery.

E..fa ela, fony mbola teny amin’ny MAGRO tamin’ny fotoana farany nisian’ny famoriam-bahoaka teo an-toerana, talohan’ny dinika MAPUTO, raha nanao ny fakàna sary toy ny mahazatra ahy aho, ary fony mbola tafaraka tamin’ireo mpomba vitsivitsy an’i Andry Rajoelina koa, no nilazako fa tsy ato anatin’ny 2 volana (niainga tamin’io Maputo I io) no hisian’ny fitsaharana ara-politika eto Madagasikara.

Dia nisy ny nilaza avy eo fa toy ny aiseua de mauvaise augure aho, toy ny olona tsy manam-pitokisana ny lehibe mitantana (nalehibe avy aiza io, na avy aiza an!) .Dia tsotra ny navaliko. Ndao fa samy hahita isika e!

Ny antony dia tsotra, rehefa nandinika sy nandalina tsara ny fandehany hatreto aho, dia izao no mba hitan’ny saina keliko: samy miseho ho babany (bob) avokoa na ny andaniny, na ny ankilany. Samy milaza ho manana vahoaka, samy milaza ho manampahaizana, samy milaza ho mahay mitondra.

Ny zavatra tena iaraha-mahita anefa dia SAMY MAHAY MANENJIKA NY TSY TIANY AVOKOA. Izay tiana tokoa hono mitombo tarehy, ary rehefa tiana hovonoina ny alika, dia lazaina fa romotra. Marina io ho an’ny ankolafy rehetra.

Dia miandry ny tohin’ny tantara teny aho ka hiezaka ny tsy hanoratra sy hamoaka na inona na inona intsony nanomboka tamin’io fotoana nijanonan’i MAGRO io ka hatramin’izao, fa dia samy miandry ny ho aterak’ity MAPUTO ity isika rehetra.

Hatreo ilay lahatsoratra tapaka, ka asa na aiza ho aiza isika izao?

Afo mijoalajoala teo Andravoahangy

Feon-javatra nipoapoaka no nanaitra ny manodidina lavitr’ilay toerana tao anatin’ny torimaso, ka tsy naharaisan’ity vaviantitra iray ny lambany fa dia nandondonany ny varavaran’efitro izao alina izao.

Fa afo mena mivaivay kosa ho an’ireo teny akaikiny.

Tazana hatrany Analamahitsy hoy ny hafa ny hazavana naterany, raha avy eny ambony tetezan’ny Behoririka kosa no nahatsinjovanay azy, tokony ho tamin’ny 10 ora alina mahery tany ho any.

Tazanina avy eny akaikin'ny tetezan'i Behoririka
Tazanina avy eny akaikin’ny tetezan’i Behoririka

100_2121

Adiny roa izay no lasa fa mbola manao izay tratry ny heriny ao ry zareo mpamono afo. Nisy aza moa iray tamin’izy ireo no nianjeran’ny madrier ka torana tsy nahatsiaro tena ary nentina any amin’ny hopitaly.

ilay afo tsy namela mahazo

ilay afo tsy namela mahazo

amperin'asa ireo mpamonjy hain-trano

amperin'asa ireo mpamonjy hain-trano

100_2129

Soa, hoy ireo tompon-tanana teo amin’ny manodidina, fa tsy dia nisy rivotra nisafotofoto loatra tamin’ity alina ity ka tsy nampiitatra be ny fandehan’ny afo. Na izany aza anefa dia an-tapitrisa maro ny fahavoazana. Tsy nisy kosa aloha ny aina nafoy.

100_2126
Novinavinain’ireo tra-doza ho afon-tsigara tavela ny antoandro tany anaty taim-bakona tany no niha nahazo vahana ka nitarika ity afobe ity.

Rehefa nandeha teo moa ny resadresaka nifanaovana dia nilaza ny iray tamin’izy ireo fa efa atao foana ny fandraràna ny tsy hifohana sigara ao anatin’ny faritra fivarotana, na ho an’ny mpiasa, na ho an’ny mpividy. Nefa, hoy ihany ry zareo, dia matetika ny mpividy no tsy faly ary mandao mihitsy ny toeram-pivarotana izay mandràra azy ireo tsy hifoka. Ny patsa iray toy izao anefa no sarotra atelina rehefa tonga tokoa ny tokoa.

Tsy aiza ity toerana niharan’ny hetraketraky ny afo androany alina ity fa ny toerana fivarotan-kazo etsy ambadiky ny fivarotana fripperie TANTELY, eo ampitan’ny Paositra Malagasy, ao ambadiky ny Banky B.O.A

Misaotra an’i Ando nanaiky hofohazina tanaty torimaso sy ho namako nankany nitaritarika ahy sy ny tongotro mikopilapilaka eraky ny lalana.

MAPUTO:Vita sonia

Indro fanehoan-kevitra iray noraisina avy tao amin’ny dinidiniky ny serasera atolotro ho an’ny maro.

[serasera] Arahabaina
Dimanche 9 Août 2009 9h48mn 54s
De: »Randriamparany Thimotee »

À:serasera@serasera.com, serasera@yahoogroupes.fr

Akory aby
Dia arahabaina izany fa vita ny sonia ny Maputo.
Koa ny lalampanorenana vaovao maharitra, lalampifidianana vaovao, fifidianana maro hifanesy, ireo izany no maika sy ilana tanana maro; mba tsy iverimberenan’ reo tranga 1971, 1972, 1991,2002, 2009 ireo intsony.
– Tsy fifanongoam- pahefana (mpitsara, mpanao lalana, mpanatanteraka)
– Lalana mifehy ny mpitondra
-Tsy maty manota ny mpitondra
– Izay tsy tiany dia « affecter in 3 ao anaty taona iray », gadraina, sns… (Tadidio ny PSD, AREMA, TIM, mety ho ny TGV koa ?)
– Lalana mifehy ny mpanohitra, hialana @ ny fanonganana an-dalambe isaky ny 5 – 10 taona.
– Lalana mifehy ny zon’ny malagay tsirairay, ahafahany miaina ara-penitra.

Izay indray fa fo sport aby e.
Thimotee

Fa fanamarihana kely avy amiko indray ity:
Amiko dia fandresen-dRavalomanana iny Maputo iny. Ary manomboka eto dia enga anie mba ho mafy orina tokoa ny resaka fitiavan-tanindrazana sy ny lalàna mifehy ny isan’ambaratonga mba tsy hisy hihevitra fa ‘ohatra azo alain-tahaka i Maputo’ ka ‘rehefa mitondra dia afaka mamono olona, manodinkodim-bola, mangalatra sy manao didiko fe lehibe  aloha, ary avy eo dia mandositra kely ary miandry amnistie dia miverina madio toy ny olona tsy nanao na inona an inona’. Voaray ao anatin’io teniko io daholo izy rehetra nanao sonia tany Maputo (Andry Rajoelina, Ratsiraka, Ravalomanana, Zafy Albert). Ary io ilay tany anaty hafatro iray izay hoe toa lasa resaka MAPUT(o)ahotra izy ity.
Betsaka ny naneho hevitra tamin’ireo onjam-peo samihafa teto Antananarivo androany, ary samy tsy nisy nankasitraka velively ny sonia vita raha ny ankamaroany. Nisy ihany vitsivitsy naneho ny haravoany sy ny atao hoe ‘tolerance’. Fa tsy vitsy koa no nandray azy iny ho famadihan’i Andry Rajoelina ny tolona nataon’ny vahoaka nentina nanala ny jadona (araka izay filazan’ireo mpiantso an-telefaonina).
Dia ho voafafa ao anaty tantara ve ny sary toy itony teny Ambohitsorohitra itony e? (ahitsio ny datin’andro ho 07-02-2009 fa nandingana iray andro ny fitaovana)
SUNP0066
SUNP0126
Toy izao no vaovao re tetsy sy teroa:
Omaly dia nisy fampielezam-peo tsy miankina nametraka ny dinika tany Maputo ho (+) miabo ho an-dRavalomanana
TVM: nilaza ny mpanao gazety misolo tena azy any Maputo fa mbola ao anaty dinika tanteraka ny rehetra ary tsy misy mipika ny resaka…nisy fidirana mivantana nataon’ingahy Voninahitsy Jean Eugene sy Pierr Houlder tao  nilazan’izy ireo fa tsy hisy mihitsy izany amnistie générale ho an-dRavalomanana izany ary tsy azo eritreretina velively.
Matv: niditra mivantana an-telefaonina avy an y Mapuot i Fetison (ankolafy Ravalomanana) nilaza fa (+) ny dinika ary miroso amin’ny amnistie ho an-dRavalomanana ny resaka, ary hiverina tsy ho ela eto Madagasikara izy. Ankoatra an’io koa ilay fidirana mivantana nataon’ilay mpanao gazety iray voalazako amin’ny hafatro teo aloha
Mifanipaka be araka izany ny vaovao omen’ireo loharanom-baovao roa ireo (TVM sy Matv)
RFI (4h maraina) : dia nilaza fa efa hifarana ny krizy any MAdagasikara. Nisy ny fanaovan-tsonia ny ‘accord politique’ teo amin’ireo ankolafy mpandray anjara tany Maputo…neken’ny rehetra ny amnistie ho an-dRAvalomanana, …tsy hisy fanarakarahana ara-pitsarana azy….afaka miverina any MAdagasikara izy amin’izao fotoana izao, fa ny fizarana seza ao anatin’ny rafitra efa mitsangan’ny HAT sisa no atao…Faly ny ankolafy Ravalomanana sy ny mpomba azy…Niteny moa Ravalomanana (tamin’ny teny Frantsay) fa hoe
…noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena dia tsy hiditra ao anatin’ny HAT fa ny ankolafy miaraka aminy kosa dia handray anjara tanteraka…ary miantso ny vahoaka mpanaraka azy izy mba hanohy ny asa fanaony andavanandro….
Andry Rajoelina koa dia nilaza fa :
…manaiky izahay fa nanao fandeferana be dia be (beaucoup de concessions)
RNM: ny solontenany any Maputo dia nilaza fa ‘ankatoavin’ny rehetra ny fijoroan’ny HAT, izay tsy hihoatra ny 15 volana…hisy ny fijerena manokana ny hoe iza avy no ho mpikambana ao anatin’ny governemanta hitsangana eo…tsy mbola mahazo mody Ravalomanana…
TV5Monde: eto kosa ny fijerin’ny vazaha

MAPUTO

Tsy hiverina aty Madagasikara RAVALOMANANA raha tsy milamina ny tany. Fanambarany izy tenany Ravalomanana, hono, io araka ny fanambarana voarakitr’i Liliane Andriambololona anaty horonam-peo ka halefa rehefa tonga aty Madagasikara izy. Marihana fa androany amin’ny 1 ora tolakandro no manomboka ny fanentanana ny olona hitsena ireo « delegasion HAT’ avy any Maputo. Tsy fantatra kosa rahoviana ny filoha teo aloha no hiverina eto satria henjana ihany ilay samy nitàna ny mokon-dohany tany maputo tany araka ity feon-gazety ity.

Mijanona ho filohan’ny HAT mandritry ny 15 volana raha ela indrindra i Andry Rajoelina

Misy ny fizarana seza ho an’ny ankolafy tsirairay ary dia hotaterina eto ihany araka ny filatsahan’ny vaovao ny momba izany

Fa momba ny fampitana vaovao ataon’ingahy ALAIN ANDRIANASOLO dia nanao fanambarana ny talen’ny RNM, Johary Ravaojanahary:

…ny tenako dia tsy nahalala ny nandehanany any…ny 05 aogositra teo vao nahalala aho fa any Maputo izy…naman’ny tsy iraka ofisialy izy…tsy hamoaka ny vaovao ampitainy ny RNM…ny vaovao ofisialy dia avy amin’ny namana Liliane Andriambololona…Manasa tànana ny amin’ny namana Alain ny RNM, ary manokana amin’izany ny talen’ny RNM… horaisina ny andraikitra mifanandrify amin’izany…indrindra fa tsy nahalala ny chef hierarchique…indrindra indrindra fa hoe hiampita ranomasina izany..tsy maintsy tenenina izany amin’ny anaran’ny mangarahara…tsy nisy solontenan’ny RNM nantsoina hankany Maputo…izany no nandraisana ny namana Liliane Andriambololona (TVM)  ho mpampita vaovao ofisialy…

Dimy volana lasa izay no nandosiran-dRavalomanana Marc

Iray volana tokoa izay no nialan-dRAVALOMANANA Marc teo amin’ny fitondrana. Nialany hoy aho, raha ilay taratasin’i Pasteur RASENDRAHASINA Lala no atao teboka fiaingana.

Nahatsiaro izany koa ny namana sasany any anaty tontolon’ny serasera any ka nanoratra toy izao manaraka izao mba ho valin-kafatra ho an’ireo mitonona fa miaro izay lazainy ho ‘ara-dalàna’

Niniako nosoloina XXXX na YYYY  ny anaran’ny mpandefa na ny andefasana, sy izay rehetra anarana sasany  voatonona ao anatiny

Samedi 18 Avril 2009 9h34mn 53s
De: « XXXX »
Ajouter l’expéditeur dans les contacts
À: serasera@serasera.com, serasera@yahoogroupes.fr

Salama daholo e,

Iray volana izay no lasa ka nitsingerina ny volana nandosiran’ingahy Ravalomanana tany amin’-dry zareo maro vady (roapolo mahery mantsy ny vadin’ny mpanjaka Swaziland).

Nisintaka teto @ serasera moa ny tenanay satria tratra ny tanjona voalohany (ny fialàn’ingahy be marenina @ fitondrana izany). Reraka @ fihomehezana mahita an-dry YYYY  (varilala io) sy ny forongony mitomany SEZA eto, ary manonofy antoandro be nanahary amin ‘izany herin’ny SADC izany. Tsy fantatra na olona mba nanao miaramila ihany ireto olona ireto na koa izany hoe « miaramila vatatay » izany t@ fotoan’androny na « Andriana reraka » (araka ny filazan’ny sasany izany), fa tsy mba mieritreritra mihitsy fa faly mamafy lainga, sy ny nofy ratsy izay manakana azy matory @ alina, ka dia mivavaka mba hisian’ny ady an-trano ao Antananarivo (mivadika im-pito angamba ingahy Andrianampoinimerina raha mamaky ny rediredin-dry YYYY) ary mihevitra fa hiverina ho filoha-pirenena ny dadany, ilay mpamboly rongony, mpandroba bois de rose sy mpanodikodina volam-panjakana mitentina (hatramin’izao) 19 miliara.

Zo-n’ny tsirairay ny manonofy e. Tsy hifanomezantsiny izany.

Mbola misimisy ihany koa ny misary tezitra fa hoe « coup d’Etat » ity nataon’ny TGV ity ary manome lesona be fa hoe tsy azo ekena hono izany. Tsotra ihany ny valiny e: Ilaina ny Coup d’Etat raha mpanabotry vahoaka, be marenina, mpamboly sy mpivarotra rongony eran-tany, mpandroba bois de rose, mpamono olona, mpiady an-tsena ny mitondra fanjakàna.
Izay tsy faly amin’izany dia hiagaviana hanao koa raha sahy sy manana ny hery hanao an’izany.
Ity fizirizirian’ ingahy exilé Ravalomanana hiverina eo @ fitondràna ity dia porofo mitohoka amin’ny tenda indray fa ny kibony ihany no mahamay azy fa tsy mandraharaha izay tombotsoam-bahoaka izany io dadan’ny sasany io.
Raha tia tanindrazana marina izy (resaka moa izany fa efa fantatra ny aminy) dia ny hody an-tanindrazana aloha no tokony dinihany, alohan’ny ny hiverina ho filoha.

Eny! tsy azo hodian-tsy hita ny sazy ataon’ireto communauté internationale satria ny tombotsoam-pirenena sy ny vahoaka no tokony tsinjovina hatrany. Eny, mbola tsy tonga lafatra ny fitantanana ny tetezamita. Na izany na tsy izany kosa dia TSY MISY HIVERINA AMIN-DRAVALO tia-tena, tsy miraharaha raha tsy ny hameno ny kibony ihany, eo. Tokony aroso ny fifidiananana raha vao voadio tsara ny fepetra rehetra ahafahana manao fifidianana malalaka.

Mahazendana mihitsy ny mahita an’ireto olona sasan-tsasany misera eto izay hita mibaribary fa very SEZA, Tsy nanam-po mihitsy fa hirodana @ 2009 ity seza taratasy izay niankinana mafy dia mafy; ny any Ivelany moa miady ny hifikitra eo sao dia lasa « saômera » tampoka eo. Hoy Mahaleo izay: « Miodikodina ihany letsy a, ity tanintsika ity ». Ka noho izany: TOKONY HATSAHATRA amin’izay ny NOFINOFY e. Mifohaza amin’izay fa efa iray volana izay ny dadanareo manao film ao afrika ao hihomehezan’ ny pokona mora fotsiny ao ambanidia sy ery ampasampito.

Hoan’izay milaza azy fa « légaliste ». Tokony dinihanareo tsara aloha ny dikan’io teny io alohan’ny hikiakiaka an’io eran’izao tontolo izao nareo satria ataon’izao tontolo izao fihomehezana ny adalanareo: Olona légaliste izany tsy manohana Olona mametra-pialàna, avy eo milaza fa tsy nanao an’izany; mandositra avy eo milaza fa te hiverina ihany; Miziriziry hoe tsy handao vahoaka avy eo mandao ihany; Milaza fa tsy manitsakitsaka lalàna kanefa ny « foto-pisian » ny fitondrany » dia napetraka teo ambony fandikan-dalà na hatramin’ny 2002 ka hatramin’izao; Olona légaliste izany tsy manendry praiministra avy any Swaziland e; Olona legaliste izany tsy mitady hanao ady an-trano e. Olona « legaliste » izany tsy MIANTSO MIARAMILA SADC (Tena fandin-drazana io – Aiza ary Andrianampoinimerin ‘ny Salaôma amin’izany) HAMONO VAHOAKA, HAMETRAKA mpamboly rongony, mpandroba bois de rose, mpanabotry vahoaka, eo @ fitondrana IZAY NILAOZANY?

Mba « sérieux » amin’izay moa e. Hajanony amin’izay ilay revirevy « virtuel ».

Hoy ilay hira izay hoe: « Ô ry loloko ô, Afaka iray volana à, hiverina indray ».

XXXX.

Ho tombontsoan’iza anefa?

Tsy dia niresaka ny ara-politika loatra aho tato ho ato izay, ary tsy afaka nandrakotra an-tsary ny zava-niseho tetsy sy teroa ihany koa, indrindra fa izay nitranga androany, noho ny ara-pahasalamana.

Reko ihany anefa na dia izany aza fa nisy fifanandrinan’ny mpitandro filaminana sy ny mpomba an-dRavalomanana teny akaikin’ny Jesosy Mamonjy Ankorondrano teny androany.

Raha ny fandinihako azy tato ampandriako tato, ampifandraisiko amin’ny vaovao azoko, dia mety ho nisy fifandraisany tamin’ny fampitam-baovao mivantana (an-telefaonina) nataon’ingahy ALAIN RANDRIANASOLO (mpiasan’ny RNM) izay toe ‘hoe any Maputo angaha ilay izy. Eritreritro fotsiny ny hoe mety misy fifandraisany satria ilay rangahy io no nilaza mivantana tamin’ny mponin’i MAGRO, hono, fa hoe nahazo ‘amnistie’ i Ravalomanana ary hody androany ihany aty Madagasikara.

Liliane Andriambololona (mpiasan’ny TVM) anefa avy any Maputo nampita mivantana fa tsy misy mihitsy aloha hatreto olona mahazo vaovao (toy izany koa no ambaran’i Lova Rabary-Rakotondravony) momba ny dinik’ireo chef de file any Maputo, satria mihidy aman-trano izy ireo mitady ny marimaritra iraisana. Samy milaza ny tsy hanao sonia ny ankolafy roatonta (Andry Rajoelina sy Ravalomanana) mifanandrina raha tsy tanteraka izay tadiaviny.

i Andry Rajoelina tsy manaiky velively ny hodian’ingahy Ravalomanana, Ravalomanana tsy manaiky fa tsy maintsy tafiditra aty Madagasikara, ny ankolafy Didier Ratsiraka sy Zafy albert samy tsy misy te-hiditra amin’y pataloha tery.

Koa ‘lainga’ ho tombontsoan’iza ary no nataon’ingahy ALAIN RANDRIANASOLO (RNM) raha tena lainga tokoa.

Hoy ny ankolafy Zafy Albert:

…mieritreritra izahay fa tsy mitondra vahaolana ny fiverenan’ingahy Ravalomanana any Madagasikara izao dieny izao…Ny fiverenany any aza no mety vao miha hahasarotra ny fitadiavana vahaolana…

Onitiana Realy (TVPlus):

Efa mandinika ‘charte’ miaraka amin’ny mpahay lalàna avy amin’ny ankolafy tsirairay ny chef de delegation tsirairay ny amin’ny fizarana seza ao anatin’ny ‘Transition’…Tsy mbola fantatra araka izany raha hisy na tsia ny sonia ho vita androany…(mivantana avy any Maputo).

Ekena fa sarotra ity asa ‘mampita vaovao’ ity. Saingy ny mpanao gazety dia tokony hilaza ny zavatra hitany aloha, vao mitondra ‘commentaires’  avy eo.  Koa loharanom-baovao avy taiza ary no nitrandrahan’ingahy ALAIN RANDRIANASOLO ny vaovao nampitainy ho an’i MAGRO. Satria amiko dia misy lalao politika ao ambadik’izany, ary fanohintohinana ny filaminana anatin’ny firenena. Fa dia somadodoka, hono, ny tao amin’ny MAGRO androany nandray an’izay vaovao izay ary dia efa naseho tao daholo koa,hono,  ny filohan’ireo fikambanana tanora handray andraikitra ny fanomanana ny fitsenana an’i ‘dada’.

Nanao fanambarana mihitsy moa ny talen’ny RNM fa tsy nandefa an’ingahy ALAIN RANDRIANASOLO hamita iraka any Maputo izany, ary ny loharanom-baovao ofisialin-dry zareo dia i Liliane Andriambololona avy amin’ny TVm.

‘Ndeha hataontsika hoe olona manao sangy ratsy no nangalatra ny feon-drangahy iny ka mampisavoritaka ny saim-bahoaka – Enga anie -. Mila mailo ihany anefa ny Malagasy mba tsy ho tratry ny vela-pandriky ny te-hametraka korontana eto amin’ity Madagasikara ity. Fa tena toa lasa raharaha MAPUT(o)ahotra izy ity