Ny Nataon’ny Zandary Ahy Androany

Teny Sabotsy Namehana no nitranga ny tantara.

Handeha hanatrika ny lanonana fankalazana ny faha-1 taonan’ny Asso TETEZANA MADA (ATM) izahay mianaka androany maraina. Rehefa hianika ny fiakarana mankeo amin’ny tsenan’i SabNam, dia indreto fiarabe (camions) 3, midina avy any ambony, raha izahay kosa hiakatra. Nahataitra ahy ny nahita zandary 3 lahy nilanja basy nihazakazaka teny afovoan’ny arabe nanenjika ireto fiarabe 3 ireto, no sady mibaiko azy ireo hijanona. Rehefa nahatratra ny tandrifin’ilay fiara lohalaharana ny voalohany tamin’izy telolahy zandary, dia nijanona ity mpamily. Ary dia nasaina niditra tao amin’ny tobin-dasantsy teo ambany teo daholo ny fiarabe 3. Ampitan’ny BOA Madagascar.

Tsy naharitra ny tena satria moa sady liana te-hahafantatra izay mitranga, no manangona ny vaovao rahateo, ka dia nitodi-doha avy hatrany niverina nanaraka ireo fiarabe sy zandary hatreny amin’ilay tobin-tsolika. Notakiana ny taratasy rehetra tao amin’ilay mpamily voalohany, ary dia nomen’ity farany tsy nisy andraso andraso. […] Mbola nanao tazan-davitra aloha aho, ka nahatsikaritra rehefa elaela fa nisy ramatoa iray koa nijoro niaraka tamin’ireto zandary nony avy eo. Noheveriko ho mpanangona vaovao ihany koa. Nanatona amin’izay aho ary nanontany ampahatsorana ny mety ho olana mitranga: ‘Tsy misy‘, hoy ny iray tamin’ireo zandary, namaly. « Manao fisavàna tsotra fotsiny izahay« . Narahany fanontaniana sy fisavàna ny karatro « Fa izao moa ianao? ». Dia nojereny daholo izay rehetra taty amiko: CIN, Badge-ko avy amin’ny American Press Center, fony mbola tetsy Antanimena. Dia navela niala aho avy eo.

Koa satria tsy afa-po tamin’ny valinteny aho, dia mbola niandriandry ihany teny lavidavitra teny. Tsikaritro avy eo fa mbola voatazona ela ireto fiarabe, ary nisy fotoana naneho ny fikasàny hiresaka tamiko ilay ramatoa tompon’ny entana (HAZO), no sady nilaza sy nanontany hoe « Mbola hitako eo ve ianao rehefa avy eo? » – « Fa ahoana? » hoy aho, « fa ianao moa inona ao anatin’izao zavatra mitranga izao? » – « Izaho no tompon’ireo entana ireo, ary ara-dalàna daholo ny taratasiko, saingy tsy fantatro ny antony hitazonana anay, no sady tsy mety milaza koa ry zareo« . Dia lasa izy satria nokopahan’ny iray tamin’ireo zandary tery ampitan’ny arabe.

Tsy ela taorian’izay dia nentin’ilay zandary tany ambadiky ny iray tamin’ireo fiarabe izy, ka tao anelanelan’ny fiara sy ny tambohon’ny tobin-tsolika tao ry zareo no niresaka. Nanomboka naka sary aho teo. Tsy nisy nahita ahy mihitsy ireo zandary tamin’ny nakako ny sary.

100_9827

Akory ny hagagako fa rehefa injay hamonjy ny zanako ka hanainga hanohy ny dianay ho any amin’ny lanonana iny aho, dia indreto izy telolahy, nanatona ahy, nandrahona, no sady nilaza tamiko fa « Tsy efa nilazana ve ianao teo fa hoe tsy misy na inona na inona. Naka sary ianao teo, Tsy fanao ny maka sary ny zandary sy ny polisy ary ny tafika eo am-panatanterahana ny asany, Aiza ny fakantsary« . Notakiana ny fakantsary hijerena sy hamafàna izay tao anatiny. Natolotro soa amantsara. Tsy nionona tamin’izany ny iray fa mbola sady mibetrobetroka no aviavy fiteny, nefa iretsy roa ambiny kosa, tsoriko fa sady nanaja, no azo nifampiresahana tsara. Ity fahatelo ity no nitaky ny anarako sy ny adiresiko. Fa inona koa moa no tokony hatahorako? Nomeko azy ny adiresy sy ny anarana notakiany. Tsy ampy azy izay fa mbola nanontaniany koa hoe aiza no misy ny foiben’izany American Press Center izany. Ary dia novaliako hoe « Mazava loatra fa any anatin’ny Ambasady no misy azy, Sefo. Eny Andranomena ».

Elaela ihany izahay mianaka no voatazona teo, ary efa ratsiratsy ihany ny saiko tamin’ny fihetsik’ilay zandary faha-3 ity.

Fa ny nahalasa ny saiko dia ny hoe: matoa ireto zandary ireto nahalala fa naka sary azy aho, dia olona hafa no nilaza tamny, izay marihako fa tsy misy afa-tsy ireo mpiasan’ny tobin-tsolika. Midika zavatra ve izany? Asa re? Mahalasa saina ihany anefa an!

Tonga saina tampoka teo ireto zandary ka mbola niverina nanontany ihany: « Sao mbola misy appareil hafa any?- « Eny Sefo, ity mbola misy« , sady natolotro azy, « saingy tsy misy batterie ka inona no ho azoko ampiasàna azy? » – « Fa aiza ny batterie nefa ianao milaza handeha hamonjy lanonana? » – « Ny renin’ny zaza no mitondra ny sac misy ny accessoires sy ny batterie« .

Taorian’ity zava-nitranga ity moa dia nisy olona tafaresaka tamin’ny tena, mponina eny ihany, nijoro vavolombelona amin’ny fihetsika sy ny fanaon’ireto zandary ao an-toerana ireto

Ampitaiko aminareo namana sy mpamaky ity zava-mitranga ity, satria tsy haiko izay mbola ho tohiny.

Zon’olombelona Ny Misakafo

(Lahatsoratra nosoratako manokana ho fandraisana anjara amin’ny BLOG ACTION DAY #BAD13 #HumanRights #Oct16 miresaka Zon’Olombelona izy ity, no sady fandraisako anjara ihany koa amin’izao Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Sakafo izao – amin’ny teny Malagasy satria Malagasy no resahana, ary Malagasy no tiana ho tonga saina hanova, hiova).

Anaty vanim-potoana fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana izay ho filoham-pireneny izao ny eto Madagasikara. Maro ny kandidà, maro araka izany koa ny hevitra sy kobaka am-bava miely: ao ny hanova ny hijery manokana ny fanabeazana ka hanova ny tetiandrom-pampianarana mba hifanaraka amin’izay tena zava-misy iainana eto, ao ny hanao fahagagana hanova ny fiainan’ny tsirairay ao anatin’ny 100 andro.

Ndeha hanaovantsika tsipalotra kely monja ny resa-pifidianana (izay tsy dia nahaliana ahy loatra ny hanoratra mikasika azy hatreto), alohan’ny tena hidirana amin’ny tena tiana hampitaina.

Vola an-tapitrisa, lavitrisa maro no afafy etsy sy eroa, eny fa na dia fantatra izao aza fa tsy ho lany akory ilay mpirotsaka. Asa angaha na inona loatra no tiana hoporofoina amin’izany. Dia samy milaza ho tia tanindrazana sy tia ny Malagasy avokoa izy rehetra mandritra izany fotoana izany. Tena tia tokoa ve?

Tsy ireo mpirotsaka ireo ihany anefa no tokony haneho izay fitiavan-tanindrazana izay, fa ny olom-pirenena tsirairay mihitsy.

Amin’ny fomba ahoana anefa?

Betsaka tao anatin’izay fotoana ela niainana tao anaty krizy izay no nikororosy ny fiainany, ny fiainan’ny ankohonana manontolo mihitsy. Isan’ny zavatra niantraika mafy tamin’ny maro ny fahaverezan’ny asa fivelomana. Rehefa tsy misy intsony, na tsy maharaka ny vola raisina, dia miafara amin’ny famerana ny sakafo hanina raha mbola tiana ny hanana tafo hialofana, saingy rehefa tena tratry ny hazakazaka arahan-tosika, ka sady efa tsy mihinana no mbola dodosan’ny tompon-trano amin’ny resaka hofan-trano tsy voaloa, dia eny amoron-dàlana no iafaràna. Na maty mitsingoana eny an-dàlana noho ny fahatapahan’ny lalàn-drà. Tsy vitsy no lasa adala, na misafidy ny hamono tena mihitsy.

Nitombo ny 4’Mi

Na dia tsy antontan’isa aza no haroso, dia angamba samy nahita sy nahatsapa ny rehetra fa nitombo tsy nisy toy izany ny mpatory an-dalàmbe, diso fantatry ny maro amin’ny hoe 4’Mi. Fitsimponana sy fifantenana izay fako heveriny fa mety mbola hahitany rirany sisa no iveloman’izy ireny. Karohana ao daholo izay karazany mbola azo tsimponina sy hatokotoko hamidy (-raha hisy hividy koa!), fa indrindra indrindra, ny sakafo nariantsika tokantrano afaka misakafo ara-dalàna. Misy amin’ireny sakafo ireny no efa lò, na mifangaro tsotra izao amin’ny maloto (aleo vantanina : tain’alika). Saingy noho ny aina tsy maintsy tazonina mandritra iny andro nanaovana fikarohana sy niandrandràna ilay màna avy amintsika iny, dia ikimpian’ireto 4’Mi ireto izany, ka fantenany ihany, ary entiny ahontsana sy tantavanina eny amin’izay toerana ahitàny rano maimaim-poana, mba hanavahana izay azo harapaka. ‘Dain’, hoy ny fitenintsika rehefa mahita an’izany, misy ny tonga dia manodina ny lohany satria tsy te-hijery. Fa androany kosa aho, miantso anao ka hoy aho hoe: Jereo, saino ary takaro ny tontolo androny. Ampio izy

Ampio izy

Fomba azontsika tsirairay atao hanampiana ireny olona ireny ny fanasokajiantsika ny fako ariana: mba atokàno anaty haronkely plastika ny ambin-tsakafonao tsy hifangaro amin-javatra hafa mety ho poizina hanaisotra ny ain’izy ireny. Mampalahelo ery anie izany mahita an-dry zareo miady an’iny fako kely naterinao iny , rehefa injay tonga ilay ora fanariana azy e. Manoatra noho ny miaro volamena tsy ho lasan’ny mpanendaka. Fihetsika faran’izay kely sy tsotra izay fanasokajiana ny fako izay, ary iriko indrindra raha mba vitanao, vitantsika tsirairay, ka na tsy ho hanim-pitoloha aza, ho an’ireo 4’Mi mifandrombaka hahazo azy, dia efa mba tohan’aina kosa hiatrehany ny anio-ny sy hiandrasany ny ampitsony, dia ilay ampitsony mbola manjavozavo sy ankamantatra.

Asa raha nahatsapa ianareo mpamaky fa na ny mpianakavy aza izao efa sadaikatra ihany raha sendra tratry ny tsy maintsy handalo any an-tokatranon’ny hafa any, ao anaty ora fisakafoanana. Rehefa tsy ianao mantsy no mitsara tena , dia ny mpampiantrano kosa no manao fihetsika ankolaka mandroaka anao mba tsy hizaràna ny iray lovia. Very  ilay foto-pisainana fahiny manao hoe ‘Ny sakafo masaka tsy misy tompony’. Lasa sarotra an-kanina ny maro…Sao lava loatra fa aleo ajanoko eo

Fifidianana

Hiverenako kely ity resaka ity, satria dia ankoatra ny fahaverezan-jo tsy hanana ny sakafo sahaza azy, dia mbola very zo tsy manana toeram-ponenana ara-dalàna, tsy misoratra anaty lisitra ary tsy ho afaka haneho ny safidiny koa ny maro amin’ireny olona mpatory an-dàlana ireny. Tsy manana fiahiana ara-pahasalamana, tsy afaka mampiana-janaka. Betsaka tena betsaka ny zony no very sy voahosihosy.  Dia ahoana izany ry kandidà isany a?

Mba tiako ho fantatra ny tetika hanovàna ny fiainako ao anatin’ny 100 andro, tsy ny ahy mantsy e, fa ny an’ireo mpatory an-dàlana.