OLON-DIA MIDELIRA

11 Andro izay no lasa taorian’ny nandaniana ilay lalànan’ny FAMORETANA (#codecom), ka tsy ahafahan’ny mpanao gazety sy ny olom-pirenena maneho hevitra an-kalalahana intsony -na dia hitondra porofo aza ve ? – Ary andro maromaro koa no lasa taorian’ny nipoahan’ny raharaha #Soamahamanina.

Faritra ao #Imamo ao i Soamahamanina, ary raha vao miresaka Imamo isika dia tsy afaka misaraka amin’izany ny resaka #Tapia.  Tsy ilay famafàna faladihan-kiraro mety ho tonga voalohany ao an-tsainao mpamaky anefa io, fa ilay voankazo kely misy voa telo fihinanao rehefa tonga ny fahavokarany.

Tsy ny maha-voankazo azy ihany no ilàna, na ahafantarana ny Tapia, fa indrindra koa ny fifandraisany amin’ny fahaveloman’ny bibin-dandy. Efa fahagolan-tany ireo hazo  ( alan-tapia ) ireo, ary isan’ny zavatra sarotra ho an’ny olona ny mamelona iray amin’izany. Harena araka izany ny fanànana azy. Tsy vitan’ny harena fotsiny , fa vakoka mihitsy ho an’ny firenena sy ilay faritra misy azy.

Tato ho ato dia niteraka resabe, niafara tamin’ny fifanenjanana sy fifampitolomana tamin’ny #EMMO – karamain’ireo Shinoa mpitrandraka volamena – ity resaka Soamahamanina ity.
Efa tafiditra ho ao anatin’ny fiarovan’ny mponina ny tsy handravàna io alan-tapia ao amin’ny faritra misy azy ireo io ny mpitarika fivavahana isan-tsokajiny, ny solombavambahoaka avy any #Arivonimamo, ankoatry ny hafa tsy ho voatanisa. Midika izany fa manana ny lanjany sy ny toerany tokoa ilay alan-tapia.

Mipetraka ary ny fanontaniana: Tsy nahalàla ny fisian’ilay ala va re ireto olona nomen’ny vahoaka fahefàna hitantanana ny taniny sy ny hareny? Sa nanao bemarenina tsy niraharaha satria hoe efa notolorana fanomezam-pahefana hitantana ny sehatra rehetra ? Adinon’izy ireo ve fa mpindrana izy fa tsy tompony samirery ? Tsy tsaroany koa ve fa mandalo ihany ny fepotoana iasàny eo? Sa noho ny fahafantarany izay fepotoana voafetra izay no nitsirian’ny saina ratsy hanararaotra ny paiso an-kady?

Santionany amin’ireo fanontaniana mety hapetrakao olom-pirenena tsotra amin’ireo solombavanao ireo (na soloòbava hiteny na hihinana). Saingy manahy aho, mety hivaly fanontaniana ho ahy indray mantsy izy ireo. Dia ilay fanontaniana manao hoe ‘MISY MIHAINOOOOOO ?

Zavatra tsikaritra nandritra ity Repoblika Fahaefatra iainantsika ity ny fandraisana fanapahankevitra tsy ieràna, ny fandraisana fanapahankevitra an-katakonana (atao amin’ny alina), ary ny famahàna olana amin’ny alàlan’ny ramatahora. Tsy zava-miafina amin’ny vahoaka rehetra izany zavatra voasoratra izany.

Misy mitokona ve eny Ankatso? Alefaso ny EMMO sy ny Jeneraly mpitarika azy hamoritra sy hanakombona ny vavan’izay Beloha ao.

Misy mihetsiketsika hoe eny Tsimbazaza ? Ataovy amin’ny fomba mahazatra fa tsy hangina aiza ireo rehefa voapetaka kely eo!

Misy miseho azy ho mahery any Soamahamanina? Draiiiisy, mbola mihinana ato anaty felan-tanantsika ny EMMO sy ny mpitàna basy rehetra (azafady fa tsy haiko ny mampiasa ny teny hoe ‘mpitandro filaminana’)
Fihetsehana am-pilaminana no nataon’ny mponina, taorian’izay niseho tany Antsohihy. Nefa na am-pilaminana aza, ary naseho tamin’ny alàlan’ny fametrahana sorabaventy isam-baravarana sy teny an-davarangana, dia tsy tahotra tsy henatra ny zandary nihanika lavarangan’olona hanala ireny sorabaventy ireny, sy nandefa baomba mandatsa-dranomaso hanaparitahana ny mponina naneho ny hasosorany tamin’izay zava-nitranga. Nisy ny olona nosamborina ka nahatonga ny mponina hanapaka ny làlana.

Nitsangana ny Eveka Jean Claude hanohitra hiaraka tamin’ny vahoaka. Niantso ny laika izy hiray hina sy tsy hisara-bazana ihany koa, hiaro ny taniny.

22/06: Mgr Ludovic RABENATOANDRO, nihaona tamin’ny tantsaha teny amin’n BUCAS Antanimena nitny hoe « Adidinay amin’ny maha RAD anay ny manao antso hanaitra ny rehetra momba ny fakàna an-keriny ny tanin’ny tantsaha. Izy ireo no mamelona antsika… esorina amin’ny tantsaha ny taniny…Mandeha antso aminareo mpitondra aho..Manaova ny marina..-Ny vahoaka izao no manao ny tolona fa tsy ny solombavany intsony…Firenena iaraha-manana ity.

23/06, Notanisain’ny Magadate daholo ireo karazana fikambanana am-polony miaro ny tany izay nilaza fa hiara-dia amin’ny mponin’i Soamahamanina ary hanome azy ireo ny tohana rehetra ilainy. Mbola atsangana any Soamahamanina ny OMC élargi mba hiaro ny Shinoa sy ny fanànany niteny hoe : izahay mpikambana amin’ny OMS Elargi eto Miarinarivo dia manao filazana manaraka izao, ny famoriambahoaka rehetra dia tsy maintsy ahazoana alàlana amin’ny fanjakana sy ny tompon’ny toerana (commune)…, tsy ekenay ny fihetsehana tsy nahazoana alàlana … mampitandrina ho an’izay alaim-panahy mikasa hanohintohina ny filaminana..

Misy fetra anefa, hoy ireo anti-panahy, ny zavatra rehetra. Mandra-pahoviana no hihinana eo ambony felan-tanananareo ny mpitàna basy sy ny be galona? Mandra-pahoviana? Ary efa nosaininareo ve fa rehefa mitombo ny kibony, dia mitombo manaraka azy koa ny fikarohana hanina ataony (hatendàny)? Ary rehefa tsy haharaka ny filàny ianareo, efa mba tonga tao an-tsainareo ve ny hoe ‘mety hitodika any aminareo ilay vava basiny’ ?
Aza dia mihevitra ny vahoaka ho dondrona isanandro vaky izao e!

Tantaranà fitohizam-pitondrana no entina hanamarinana ny fanomezana alàlana ny fitrandrahana volamena ataon’ireo Shinoa ao Soamahamanina. Fa inona moa no manakana anareo nampindramina fahefana ireo tsy handà izany rehefa hita fa mety hanohintohina ny fiarahamonina sy ny vakoky ny tany iraisantsika? Sa niraraka ny volabe ka sarotra ny hamerina ny volan’ireo Shinoa, sy hiteny aminy hoe aoka ihany, ka mandehana ianareo mody?  Asakasak’izay nihinana be tao anatin’ity raharaha ity, fa ho tsaroan’ny tantara izy ireo sy ny taranany.

Nilaza ireo solontenan’ny mponina ao an-toerana fa tokantrano telo aman’efatra no nasain’ny fanjakana nijoro, ho entiny milaza fa mankasitraka ny fitrandrahana volamena atao ao amin’ilay toerana ny mponina. Tsy nisalasala moa ilay ramatoa nisolo tena ireo tsy mankasitraka nilaza fa ‘lasalasa tampoka mihitsy ny fiainan’ireo tokantrano telo am’efatra ireo

Nivory ny governemanta tamin’ny alin’ny 19 Jolay 2016 ary nandray fanapahankevitra hampiato ilay fitrandrahana, rehefa hitany fa niha-nahamay ny fanoheran’ny vahoaka. Efa tapak’ireo mpanao gazety talohan’izay kosa anefa fa hidina hijery ny zavamisy any an-toerana izy ireo. Dia tonga tokoa ary ny andron’ny 20 Jolay 2016, ary dia EMMO nirongo fiadiana fitondra miady no nanakana ny làlan’ireo mpanao gazety tsy ho afaka hiditra an’ilay faritra. Ary tsy nisalasala ingahy kolonely nilaza fa ‘rehefa tsy nahazo alàlana ianareo, dia tsy afaka miditra any‘  Alalana izay alaina 24 ora mialoha amin’ireo Shinoa, ary rehefa ireo Shinoa no miteny aminy fa mahazo miditra ny mpanao gazety, dia homeny alàlana hiditra. Tsy vitsy tamintsika nanaraka ny onjampeo ‘miara-manonja’ tamin’ity androany ity no nandre izany vaovao izany.  Fa misy inona afenina ao? Ary Iza ireto mpanao gazety nahazo alàlana mialoha ka tafiditra tao amin’ilay faritra (hanatsaratsara ny filazana hatao manomboka rahampitso)? Ianareo ihany dia mety efa ho afaka hamaly an’izay.

Boda ny loha ry mpamaky ka hitsahatra kely aloha…fa tantara mitohy izy ity

Tsetsatsetsa tsy aritra kely, alohan’ny hifandaozana, no hilazana amintsika mpamaky fa dia efa fehezin’ny Shinoa koa izao ny sehatry ny famokarana arina fandrehitra (charbon de bois) ao an-tokantranonao. Aza atao mahagaga raha niakatra ny vidiny.

Efa fanjakan’i Baroa izao no misy. Ary satria voatonontsika ny anaran’i Baroa, dia indro misy fisaintsaina kely avy amin’ny OLONDIA MIDELIRA

Ny loharano nakàna ny antontan-kevitra : #‎OLONDIA_MIDELIRA‬:

Mitsangàna ry Baroa

Mihevitra isika fa ny “baroa”-ntsika dia azo iainana sy ampiharina amin’ny isam-bohitra. Tsy maintsy manaiky ny herintsika ny isan-tanàna? Tsy maintsy handohalika amintsika ny mpiray donak’afo rehetra?

Ny hery aman-tanjaka no naha-baroa ny baroa teo amin’ny tantarany, ary izany no nireherehany teo amin’ny fanjakany.
Saingy ny baroa dia tsy mila dinika, tsy mila hevitra ifampierana, tsy mila mandefitra. Koa iza no “adala” mifampidinika sy mandady rariny amin’ny hevitra toy izany? Iza no manaiky lembenana amin’ny setrasetran’ny tsy tia ny “rariny”? Na hifandrangotra isaky izay mahatsiaro aza isika mianakavy dia ady hatrany no haterak’izany.

Ny sasany hihevitra ny tenany ho saka tsy mety voky, ny hafa tsy mahandry ny andro hanidinana toy ny akoho ; ary tsy vitsy no manao toton’ondry bory fotsiny, sady tsy mety hamonjy ny vala no mideronina eny an-tsaha fa mataho-baratra.

Lalaovin’ny “tia rombo” ny “Fanahy” ka hainy an-tsipirihiny tao anatin’izay fihetsika nataony rehetra izay, fa « adalam-bola sy matim-boninahitra » isika.

Lahatsoratra hafa ho anao:

Marosada: Namidin’ny fanjakana amin’i Sinoa koa ny tany

Tsy ny any Soamahamanina ihany : lasan’ny Sinoa koa ny tany any Amboasary Gara sy Anjiro…

Soamahamanina : Suspension des activités de l’entreprise Jiuxing Mines S.A.R.L

Protégé : TANDREMO ITY LAHARANA ITY FA MPISOLOKY => 034 37 831 48

Cet article est protégé par un mot de passe. Pour le lire, veuillez saisir votre mot de passe ci-dessous :

Aoka lehiretsy a !

Fa raha misy olona arahan’ny eto amin’ity bilaogy ity sy ankafiziny ny fomba fanoratra teny Malagasy, dia isan’ireny hoy aho i Ony Rambelo.
Ankafizo anie ilay fomba entiny maneho hevitra e

 

Aoka lehiretsy a !

Aza mba manao tsimbadi-boanampotsy, lehiretsy, ka ho azon’olona tambatambazam-bola amin-karena ka hivadika amin’ny marina. Fa ny daka no misy ambadika, ny loka no misy an-koatra, ny akanjo no misy paosy, ny trano no tsara raha misy efitra, ny tambi-toko no atao anankina, ny salaka no atao sisik’ila, ary ny hofak’ondry no soa mitsimbadika ; fa ratsy koa raha ratsy lehiretsy ny mivadika amin’ny marina.

Aza mba manao kitapo miara-peno, lehiretsy, fa ratsy anie ny manao toy ny akondro mifanafin-dravina e. Tsy soa anie ny parasy mitovy volo e ! Tsy tsara anie ny manao talapetraky ny mpiaotra e ! Tsy mendrika anie ny mpanao tsikombakomba e ! Mahasimba anie ny manao tetika iraisana e, indrindra fa ny mandimby entana ny mpangalatra.

Koa tsory lehiretsy fa fitiavan-tena sy kevo-dahasa tsy nisasarana ianareo a ! Lazao mazava fa noho ny haingitraingitra no nakàna ny fananan’olona tsy nila sota sy vaniny. Lazao mazava fa tsy zaka ny entana, tsy mandry ny saina, ary indrindra tsy velona ny vady aman-janaka ka nandrombinanareo ny an’ny hafa.

Aza mihevitra ny hanjehy ny andro ho lava lehiretsy, fa saino ny am-parany. Aoka izay fa ny zava-tsy hay, lehiretsy, tsy azo ibitabitahana a ! Aza mandrangitra ny efa valaka sy ny trotraka fa ny tody, hono, tsy misy fa ny atao no miverina. Ary farany : Na dia tsy manan-tahotra intsony aza ianareo, lehiretsy, dia mba itafio ihany ny henatra a !

Ony RAMBELO – FB 11 Nov 2014 – 05h 17

6 novambra faha-19 (Nahamay ny Rova Manjakamiadana)

Mba miangavy ny olom-panjakan’ny repoblika mba hijery ny boky tahiry rehetra momba ny tantaran’ity Madagasikara ity. Rehefa tsy mahay sy tsy mahafantantra dia mbola maro ireo « mahatadidy ny ela » no azo anontaniana sy hakàna ny hevitra. Dia mankanesa eny Anosizato eny mba manao fanadihadiana tsotsotra fa ianareo rehetra ireo moa toa mahay sy havanana amin’ny « fitsikilovana » ny misitery miafina rehetra any ambadimbadika any. Anontanio eny Anosizato, fa teny no nisy an’ilay lehilahy iray nahafoy ny ainy tamin’ny fananganana ny rova itoeran’ny mpanjaka teto.

Mbola misy ny taranak’Itrimofoloalina eny dia asaivo hazavain’izy ireo ny tantaran’ny razambeny. Mila sorona sy fanomezan-kasina ny fanorenan-javatra ka dia nanolo-tena io Itrimofoloalina io  mba handatsaka ny ainy noho ny fitiavany ny mpanjaka sy ny fireneny; kanefa ny Mpanjaka dia nanana ny fahendrena ihany koa fa tsy « masiaka » lozan-tany amin’ny tsy antony ka ny sofin’Itrimo ihany no nandalovan’ny meso mba hampiraraka an-tany ny ràny. Dia vita ny sorona. Samy nahavita ny tokony ho azy sy ny adidiny, ary nahazo tso-drano ny taranak’Itrimo rehetra teto amin’ny tany sy ny firenena.

Fa manana ny adidiny ho amin’ny fiarovana izany tantara sy hasina maha-fanjakana ny fanjakana izany ireo mpitonona ho fanjakana raha tena any aminy tokony ny fahefana fa tsy hifandroritana amin’ity resaka  tsy hihinanan-kanina ity. Aoka hianatra ny mpitondra zatra kitapo latsaka fa raha ny lapam-panjakana no misy mihanika sy manafika, misy mandroba, misy mametaveta dia tokony hangina ve ny ambanilanitra ?  Hiray hevitra amin’izay manatontosa an’izany ve ny olompirenena ?

Ony Rambelo

FANGATAHANA OFISIALY

Atao amin’atoa Rajaonarimampianina Hery, ny Governemanta Kolo Roger, ny mpikamban’ny Antenimiera (na inona io na inona)

Izaho, RADIFERA RANAIVOSON Maminirina, mpiasa madinika, tera-katsembohana sy izay rehetra mety ho latsaka,
mba hahafahany mandoa ny hetra asain’ny fanjakana aloany (trano, tany, karama),
mba hahafahany mandia sy miriaria amin’io arabe andehanan’ny maro io,
mba hahafahan’ny ankohonany mihinan-kanina ho velona,
mba hahafahany mampiana-janaka sy mividy ny fitafiany,
mba hahafahany mandoa izao karazan-ketra madinidinika alaina an-kolaka amin’ny vahoaka rehetra izao handoavana ny karamanareo isan’ambaratonga

Dia:

mangataka anao Filoa, Praiminisitra, mpikamban’ny Antenimiera (na ambony io na ambany),

Mba:

hanova ny anarana fiantso ireo mpikambana amin’ilay Antenimiera etsy akaikin’ny vala fitehirizana biby Tsimbazaza, ho Mpitsetsitra Vahoaka, ary ny toeram-piasany ho Antenimieran’ny Mpitsetsitra Vahoaka, hifanaraka amin’izany.

Ataoko Atoa Filou sy ianareo rehetra voakasik’izany, fa tsapanareo tsara ny antony anoratako ireo rehetra ireo, ary anantenako valiny mahafa-po avy aminareo tsirairay avy. Inoako fa rehefa voaova ireo zavatra angatahako ireo dia tsy himenomenona intsony izahay vahoaka raha misy fitakiana hataon’ireo Mpitsetsitra Vahoaka ataony aminareo mpitondra ny tany sy ny firenena mba hampitomboana ny tombontsoany manokana fa tsy ny an’ny vahoaka mitapy nifidy azy, sy mba tsy handoavany hetra toy ny vahoaka adala nametraka azy ho eo amin’ny toerany. Hangina ihany koa izahay raha toa koa ka tonga ianareo hanampina ny vavan’izy rehetra mba tsy hiongananareo, satria efa mba hahay mionona izahay fa na ny anarany aza efa novàna amin’iry nangatahako ery ambony.

Raiso Atoa Filoa sy ianareo Mpitsetsitra isany ny hany haja kely sisa atolotro anareo (mandra-panaisotro azy tanteraka)

RADIFERA RANAIVOSON Maminirina

Halatra Hitako Atsy Amin’ny Madagascar Matin Online

Raha nitsangana tamin’ny andro Paka ny Tompo, dia Alatsinainy Paka miavaka tokoa ity androany ity. Miavaka satria nahatsikaritra fitsanganana tamin’ny maty tamin’ny fomba hafahafa aho. Ary rehefa nitsangana tamin’ny maty dia niova anarana fa tsy ilay anarana tany ampiandohana.

Hafahafa koa izany raha fampidirana an! Hoy angamba ianao mamaky izay soratako. Hazavaiko ny tiako hambara:

Tany ampiandohan’ity volana ity dia nisy namana nanoratra lahatsoratra iray tamin’ny teny frantsay, niresahany mpanakanto iray antsoina hoe Jonny Andriamanankoavy. Mipetraka tsara ao anatin’izany lahatsoratra izany ny datin’andro namoahana ny lahatsoratra ( 03 / 04 /2014) sy ny anaran’ny tompon’ny lahatsoratra ( ikalamako tao amin’ny vaovao.org).

Efa dila tapa-bolana aty aoriana anefa dia nitsangana tamin’ny maty ve sanatrian’ny vava, sa niofo ilay lahatsoratra, fa dia hitako mivoaka ao amin’ny tranonkalan’ny Madagascar Matin, amin’ny lohateny mitovy, datin’andro hafa, ary anaran’ny mpanoratra hafa (Tahiana Andrianiaina).

Zendana tanteraka satria ny na ny firafitry ny fehezanteny aza, dia ny an’ilay namana manontolo no mìverina ao, ankoatra ilay nataon’i Tahiana anaty farango sosona manao hoe :

« Depuis quelques années je travaille avec les Ambassades, Consulats et Représentations de Madagascar à l’étranger : à Paris aux journées africaines de l’Unesco ; à Lyon au stand du consulat de Madagascar (Village Consulaire) ; à Bayonne pour représenter les artistes malgaches au Musée Basque avec son excellence Monsieur Razafy-Andriamihaingo ambassadeur de Madagascar en France. Ces manifestations sont très importantes puisque nous y montrons les premières vitrines du pays » affirme t-il

sy ny nanovany kely ny « contemporain » ho « moderne »

Isan’ireo tena faran’izay masika sy sarotiny amin’ny fangalarana asa tahaka izao n y tenako, ary efa nampahafantatra ny tompon’ny asa rahateo, mikasika ity lahatsoratra ity.

Tsy misy idirako ve hoy ianao mamaky? Tsia misy tokoa, namako akaiky no niharany, ary dia adidiko ny mampaneno lakolosy. Farafahakelin amin’izay tkony ho natao ny nametraka ny anaran’ny tompon’ilay asa navoakan’ny Madagascar Matin mba tsy hanondroana azy ho mpangalatra, fa raha nanao izay izy, dia tsy ho toy izao ny resaka. Mety ho ilay namana indray aza angamba no ho faly nankalaza ny anaran’ny Madagascar Matin raha nahita ny asany nivoaka tao.

Am-bava homana, am-po mieritra, tompoko.

Ato ny lahatsoratry ny tena tompony

ary ato koa ilay halatra nataon’ny mpanoratra ao amin’ny Madagascar Matin

Antaninarenina: fanafihana tsy tafita…

Andro antoandro be nanahary. Tsy nisy nanampo na inona na inona. Tampotampoka teo, nirefotra ny basy. Roa no nitsirara tamin’ny tany. Iray azo sambo-belona ary nisy ny tafaporitsaka.


Raha ny filazan’ny GIR nanao ny opération teny an-toerana dia izany Lova kely izany ny iray tamin’ireo lavo. Ary mbola fantarina kosa ny amin’ilay miakanjo mena.


Voalazan’ireo teny an-toerana nanatri-maso ny fiandohan’ny tantara fa namaly sy ‘ni-birda’ ilay miakanjo mena ary niafara tamin’ny tifitra avy amin’ny polisy izany (version N°1 io). Rehefa nojerena ny tao anaty sakaosy dia nahitàna PM sy chargeur feno hipoka ary puce telephone portable iray. Ankoatra an’io dia nisy karazana karatra ihany koa izay tsy hay na karatra momba ny inona na momba ny inona. Feo teny an-toerana ihany koa no nilaza fa raha tena nampiasa ilay basy teny aminy ireto olona ireto (raha nanana fotoana) dia maro no tavela teo Antaninarenina satria mety hanao tifitra variraraka avy amin’ny PM teny aminy ry zareo. Ary dia ‘hihinana’ avokoa hatramin’ny mpandalo sy ireo mpivarotra amoron-dalana.

Voa teo amin’ny masony ilay miakanjo mena, raha teo amin’ny lohaliny sy ny tratrany kosa ilay ‘Lova kely’.

Rehefa nanontaniana moa ireo polisy roa azo nanontaniana teo an-toerana (isan’ny nandray anjara tamin’ny fanakanana ity fanafihana mitam-piadiana ity), dia samy nanana ny filazany. Ny iray nilaza fa ny ‘Rishi-or’ no saiky hotafihana, ary ny iray hafa nilaza fa ny ‘B.O.A’ no saiky hapoakan’ireto andian-olona ireto (version N°2 io).

Tsy mbola voafaritra mazava araka izany izay tena tanjona farany saika halehan’ireto andian’olona nitam-piadiana ireto. Fa ny hita dia teo anoloan’ny Rishi-Or izy roalahy no tapitr’aina. Andrasana araka izany ny filazana ofisialy avy amin’ireo mpitandro filaminana.


Ny tena nahazendana ny rehetra dia ny fahasahian’ireto olona ireto nirotsaka hanao operation eny Antaninarenina, izay tsy lavitra ny toerana misy ny FIS ary feno mpitandro filaminana miaro ny lapa. Fanehoan-kery ve no saika hatao sa zavatra hafa mihitsy? Itony angamba no tonga amin’ny lazaina hoe ‘Mangarom-biby an-davaka’.

Fa ny version N°3 izay azo rehefa nilamina tsara ny tanàna dia ity: Efa hatrany Antsahamanitra tany no mety ho nanarahan’ny GIR azy roalahy ireto, nisy ny nihainohaino teny an-jaridainan’Antaninarenina ka rehefa nahita fa efa fantampatatry ny polisy ny operation kasaina hatao dia niala ny zaridaina ary nifanenjehana, fa rehefa teo anoloan’ny Rishi-Or Antaninarenina vao voasakana. Nasaina nandohalika hoy ilay nitantara ka nosavain’ny iray tamin’ireo polisy taty amin’ny sisin-dalana ny sakaosy. Ny polisy iray kosa nanambana basy avy ary amin’ny arabe. Rehefa nilaza ilay nisava fa basy no tao anatin’ilay sakaosy dia nifandimbiasan’ireto polisy roalahy ireto ny fitifirana azy roalahy, izay marihin’ilay mpitantara fa efa nasaina nandohalika teo amin’ny arabe, teo anelanelan’ireo fiara nijanona teo. Raha ity version N°3 ity izany no jerena dia tsy nisy mihitsy ny resaka fifampitolomana voalazan’ny version N°1.

Mbola samy miandry izay hambaran’ny polisy amin’ny alalan’ny TV sy ny Radio indray e!

Ny nampalahelo tamin’ity raharaha ity dia tsy nisy fanadiovana ny sisin-dalana feno rà fa niandrasana ny oram-be io tolakandro io izany mba hiverenan’ny fahadiovana. Na teo aza anefa ny oram-be dia tsy nisy nitsimpona kosa ireo taim-bala nitifirana azy roalahy fa mbola teo an-toerana foana. Nefa raha ny firesaky ny polisy hatr’izay dia tsy maintsy vidian’ny fianakaviana ny isan’ny bala lany vao azo ny razana. Inona ar no marina amin’io?

Misy mantsy mametraka ahiahy ny amin’ny antony namonoana azy roalahy ireto raha ny mpitazana teny an-toerana.

Vaovao farany: Araka ny voalaza tamin’ny TV Plus io hariva io dia naman’i Dorrick ireto jiolahy voatifitra teny Antaninareinina ireto. Basy PM MAc 49, sy bala roa no teny amin’izy ireo. (nefa raha ny hitan’ny masoko aloha dia toa fenofeno ihany ilay izy)