6 novambra faha-19 (Nahamay ny Rova Manjakamiadana)

Mba miangavy ny olom-panjakan’ny repoblika mba hijery ny boky tahiry rehetra momba ny tantaran’ity Madagasikara ity. Rehefa tsy mahay sy tsy mahafantantra dia mbola maro ireo « mahatadidy ny ela » no azo anontaniana sy hakàna ny hevitra. Dia mankanesa eny Anosizato eny mba manao fanadihadiana tsotsotra fa ianareo rehetra ireo moa toa mahay sy havanana amin’ny « fitsikilovana » ny misitery miafina rehetra any ambadimbadika any. Anontanio eny Anosizato, fa teny no nisy an’ilay lehilahy iray nahafoy ny ainy tamin’ny fananganana ny rova itoeran’ny mpanjaka teto.

Mbola misy ny taranak’Itrimofoloalina eny dia asaivo hazavain’izy ireo ny tantaran’ny razambeny. Mila sorona sy fanomezan-kasina ny fanorenan-javatra ka dia nanolo-tena io Itrimofoloalina io  mba handatsaka ny ainy noho ny fitiavany ny mpanjaka sy ny fireneny; kanefa ny Mpanjaka dia nanana ny fahendrena ihany koa fa tsy « masiaka » lozan-tany amin’ny tsy antony ka ny sofin’Itrimo ihany no nandalovan’ny meso mba hampiraraka an-tany ny ràny. Dia vita ny sorona. Samy nahavita ny tokony ho azy sy ny adidiny, ary nahazo tso-drano ny taranak’Itrimo rehetra teto amin’ny tany sy ny firenena.

Fa manana ny adidiny ho amin’ny fiarovana izany tantara sy hasina maha-fanjakana ny fanjakana izany ireo mpitonona ho fanjakana raha tena any aminy tokony ny fahefana fa tsy hifandroritana amin’ity resaka  tsy hihinanan-kanina ity. Aoka hianatra ny mpitondra zatra kitapo latsaka fa raha ny lapam-panjakana no misy mihanika sy manafika, misy mandroba, misy mametaveta dia tokony hangina ve ny ambanilanitra ?  Hiray hevitra amin’izay manatontosa an’izany ve ny olompirenena ?

Ony Rambelo

Publicités

Raha Andrian-dray Aho Raha Andrian-dreny….

RAMBELO (Ilay Olondia) MIKÔZY:

Ikelimadity

Raha andrian-dray aho raha andrian-dreny dia iriko raha ho tahaka ny voahangy roa tsara venty ny fanjakana: Raha amidy lafo be, avela endriky ny trano. Fihaingoa-mahafa-kenatra e ! Iderakedrako maneran’ny tany fa manana aho, tsy mandalo ny eritreritra ny hanakalo azy amin’ny an’ny hafa. Hazo tokana an’ony, tsy firy no mandimby satria ny tomponay no ao. Ny havanay no mandrafitra azy…Raha ny takatra no mandoka tena dia nanan-drariny hatramin’ny mpamosavy. Nanjary voaota fady hatramin’ny aro havandra ka ripaka mbamin’ny anatsinahy dimbin’antsy.

Izay ela fandeha dia mahabe ahiahy, ela loatra ka mampieritreritra. Aza ratsy fila hanina, fa hevero ny atao… Satriko tokoa maratra noho ny fiarovako fanjakana, satriko mijaly raha hitondra « fitiavana » ho an’ny taranaka, satriko hangirifiry raha hampitraka ny loha, saingy aleoko maty toy izay hitondra fahoriana tsy ahitam-panafana. Tsy manan-kantenaina toy ny andevo tsy manan-tsikidy itokisana, tsy sahy mijery olona toy ny mpivaro-tena tratran’anadahy, tsy sahy mibetroka toy ny polisy tratra nanao heloka.

08 Okt 2014 – 07:00

FASAN’NY KARANA

FASAN’NY KARANA

« Eny amin’ny fàsan’ny karana » no fiteny rehefa mandray fiarakaretsaka hamonjy ny toby fiantsonan’ny fiara mpitatitra mankany amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara ianao.
Misy fàsana fandorana fatin-na karàna mantsy eo ampita kelin’io toby io.Very anàrana ny toerana, tsy voatonona intsony ny hoe eny Ankadimbahoaka izay anaran’ny toerana. Izay eo ihany, fa izay mety ho fahaverézana hafa no tiako ho resàhana amintsika eto. Nasiana fikojakojàna io toerana io nanomboka ny 04-02-2008 teo. Rehefa fotoam-pahavàratra toy izao mantsy dia milomano anaty fotaka mandrevo ny mpitatitra sy ny mpandeha. Tsy lazàina intsony ny loto sy ny fofona tsy maintsy iarétana eo.
Raha sendra nandàlo teny aho dia nahita fa ny zàvatra nahamàika natao voalohany dia ny nampitovy tàntana ny toerana. Tsy nisy ny fieritrerétana hanàla ny tany izay efa toy ny zezika mihitsy teo amin’ilay toerana hitako ( izay tany amin’ny tàkona tsy tàzako tany no asa! satria tena maharikoriko ny hiditra lalina amin’io faritra io noho ny rano miandrona sy ny fotaka) fa dia nalàmaka fotsiny  tamin’ireny fitaovana goavana be ireny ilay izy.
Vola amina milliards anefa no ho laniana eo. Enga anie mba ho fijerin’ilay maika no nataoko, fa mba ho vita tsara tokoa araka izay andràsan’ny maro ilay izy. Ny zavatra nahalàsa ny saina fotsiny dia ity: ilain’ny tompon’ny io toerana io afaka roa taona
(satria tanin’olon-tsotra izy io). Dia ahoana ny volabe amina milliards lanian’ny fanjakana eo? Sa sanatria hangàina ny tompony rehefa hilàza ny fanjakàna afaka roa taona, toy izay efa nataony rahateo tamin’ny fakany ny tany teny Ampasampito, fa hoe ho fanasoavam-bahoaka dia alain’ny  fitondràna ny tany? Toa sarotra ihany mantsy ny hisàina hoe hampiàsa volabe amin-jàvatra iray efa nampahafantàrin’ny tompony mialoha fa ho ampiasàiny afaka roa taona.

Raha tsy sanatria angaha hoe misy zavatra hafa tian-kosaronana amin’ilay fihetsika.
Aza hitako anie izany!