Liban-Madagasikara: Iza no mbola te-handeha hiasa any?

Resadresaka nifanaovako mivantana tamina namana iray monina sy mipetraka any an-toerana (Liban – Libanona) efa ho 14 taona izao ampitaiko aminao manaraka izao. Tsotra ny tiana hahatongavana: Be izay ranomainty lanin’ny gazety an-tsoratra izay, tataka ny vavan’ireo mpilaza vaovao nanambara ny zava-misy iainan’ny ankamaroan’ireo Malagasy nisafidy handao tanindrazana noho ny fitadiavana. Misy ny fomba fiteny hoe ‘mandeha mitady asa’, saingy misy koa ny ‘mandeha mitady vola’ ka iza amin’izy ireo no azo anasokajiana ny maro amin’ireo Malagasy nisafidy ny handeha any Liban mba hijery lanitra vaovao?
Sombiny ihany tamin’ireo resaka efa ho ora iray no entina etoana. Araho ary:
27 Febroary 2011 ny andro, amin’ny 10 ora alina latsaka kely
21:55
miarahaba e
manao ahoana ny any Libana any amin’izao?

manaona
ny aty ny fiandrasana zany avion zany no malaza
misy ny ankizy efa te hody

fa anisan’ny hody angaha ianao?

nonnnnnnnnn
6000 malgaches ny eto liban

260 ono no te hande

ok

ka toa oe ho avy tsy ho ela anie e
zay no henonay aty

ka tena miandry ny ankizy
misy ireo gasy any amponja koa mantsy

15 hono
andraso fa hataonay tam tam aty ary ny resaka momba an’io avion io raha izany e
efa nasiako aloha eto amin’ny FB fa ny any amin’ny Twitter no alefako afaka minitra vitsy

merci

dia ahoana ny amin’ireo gasy any amponja ireo? tena nanao hadalana sa tsindry hazolena

tsy misy manao adalana zany aty
fa tsy manana paps ny ankizy dia mitsoka
dia tratry ny polisy

fa iza no tena mitazona ny passport rehefa tonga any e?

zany ny lalana eto e
ny mpampiasa mitazona ny passeport

angaha rehefa tenenina ny polisy hoe nogiazan’ilay patron dia tsy mety manao demarche?

tsy misy droit zany eto e
refa tena mijaly ny ankizy de mitsoka no fanafodiny

gravy kosa izany an

ho faty ao kosa v izy
zany ny aty
kestion de chance
misy ihany ny olona tsara
ohatra ny erantany re!

ary manao ahoana ny fifanohanareo samy Gasy manoloana an’izany?

tsy misy
tsy miray hina ny gasy eto liban
tsy misy association na gasy matotra eto
zay koa ny tena bleme eto
rehefa mijaly ny ankizy any @ contrat de tsy hita mihitsy oe iza no antsoina

mampalahelo izany

ie
mampalaelo
mbola ho ela vao ho resolu ny probleme liban

kivy be aho mieritreritra an’izany

ie

izaho izao nihevitra fa mba efa milamindamina io resaka io taorian’ireny faty nifanesy tonga taty ireny

negatif b e

ka zahay anie ary mahare oe mbola misy gasy miditra ihany ono eto e

ka io no tena mahakivy ahy anie e, na efa be aza ny faty tonga, na be aza no efa niteny tamin’ny TV sy Radio, dia mbola be ihany no te handeha fa manantena ilay teninao hoe misy tsara, misy ratsy dia mi-tenter chance

zay koa aza gaga ko
mitenter chance e

tsy misy maharatsy azy, saingy raha eto akaikin’ny fianakaviana no misedra ny mafy, mbola mba misy antenaina, fa raha any an-tany lavitra any, tena mazana be

justement
fa misy koa aloha ny ankizy tsy motivé  e
tsy fantany inona no alehany aty
misy ny tsy vonona hiasa

hadalana be izany

aty ange tena miasa e
fa ny asa aloha dia misy ra tsy kamo e
mbola azo hiainana eto

ka ny olana dia ny olona sasany mitady vola fa tsy mitady asa, asa raha azonao ny tiako holazaina, tsy te hisahirana

azoko

fa angamba ataony fa tonga ho azy eo ny vola

misy reny eto, zay anie

zay no mahatonga ny ankizy efa ela teto na mody aza dia miverina
satria nahita ny tsirony teto
b d b ny zavatra mila amboarina e, voalohany ny fanazavana ny te hande fa tena miasa aty

ny malaina hisahirana izany no tena betsaka mandeha any raha azoko tsara ka nony tonga any vao torana mahita hoe tsy an-jaza ny

zay mihitsy

misy koa ny mievitra oe any andafy de mitady vady
tsy misy ho vadiana eto e

tena marina io resakao iray io an, be ny vehivavy gasy izao no tsy manan-draharaha afa tsy ny mitady vazaha ho vadiana amin’ny aterineto

marina io
14 ans za no teto liban
zany mantsy
tsy dia microire io vady en ligne io za
hevitrako manokana io

misy izao lasa tany Belgique tany hono fa nony tonga tany dia vadina mpiasa any amina ferme fiompiana avy eo vao manenina

22:20

ka any anie vao mahita e
azo foronina doly anie etoe
ka izany no mahavendrana ny sasany
tsy mandalina fa mijabaka fotsiny

ka manambady vazaha re !

adala be daholo. Mbola ho ela io vao ho voafafa satria raha ny generation miaina izao aloha dia mbola ilay mihevitra ny suprematie vazaha foana, na vazaha mainty io na vazaha fotsy an

lol

heveriny fa ny vazaha dia synonym paradis foana
justement
mentalite gasy io
laozako kely aloha ianao
bonne soiree !

misaotra nampahalala vaovao, manantena ny mbola ho tafaresaka amin manaraka

mandrampanoratra indray e

veloma

Dia toy izay ilay fampitàna vaovao sy zava-misy avy any Liban.  Anjaran’ny tsirairay ny mandalina, hoy aho, ary dia mba miandry ilay fiaramanidina manokana nampanantenaina azy ireo ny rahalahy sy anabavy te-hifankahita tava amin’ireo nilaozany ela teto Madagasikara. Tsy fotoana hifanomezan-tsiny sy handatsana intsony izao ka hitenenana hoe tsy nisy noterena ry zareo handeha ho any Liban, fa fotoana kosa itadiavana ny vahaolana.
Publicités

Antananarivo Mibilaogy 25 Febroary 2011

Teny amin’ny Chil Out Ambondrona no nanomboka ny Antananarivo Mibilaogy tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy nahasakana ny rehetra tsy ho avy ny orana nirotsaka.

Iza avy no tonga?

madainitiatives.wordpress.com

gasymail.com

dotmg.net

milakory-fr.hautetfort.com

techmedia.mg

malagasymiray.net

madaonline.net

tattum.canalblog.com

gazetyavylavitra.wordpress.com

bombogass.blogspot.com

stephanie

ary ireo hafa tsy voatonona.

Inona no lahadinika?

Tsy nisy. Ary izay no tena mampiavaka ny Antananarivo Miblaogy. Rehefa tonga eo ny rehetra vao samy mizara ny niainany teo anivon’izany tontolon’ny fitorahana bolongana izany.

Nafana tokoa ny resaka ary nivelatra taminìny sehatra samihafa: fiainana ankapobeny, fhatsiarovana ny lasa, fizarana fahatsapana momba ny hoe aiza ho aiza ny tombontsoa mba nentin’ny fahatongavan’ny ‘haut débit’ ho an’ny mpampiasa aterineto eto Madagasikara, efa tena izay tokoa ve no azo amaritana ny fisosan’ny aterineto eto sa resaka sy fita-bitro no betsaka. Tonga hatrany amin’ny fifanohanana sy fifanampiana ary toro-hevitra amin’ny resaka fahaiza-manao.

Koa satria malalaka be ny fifanakalozan-dresaka dia voaresaka tao koa ny fahalalahan’ny aterineto sy ny vokatra mety ho aterany eo amin’ny sehatry ny firenena, izay matetika rehefa tsinjo ho manohintohina ny mpitondra dia sakanana. Nitranga izany ohatra tany Sina, Libia, Tonizia sns… Marina fa tsy mbola mitranga eto amin’ny tanintsika ny toy izany, saingy tsy misakana ny resaka tsy handeha akory.

Nivotra tao koa ny fampitahàna ireo mpanome tolotra aterineto samihafa eto Madagasikara (Moov, Orange, Blueline,…) Samy manan ny heviny ny tsirairay ny amin’io, ary ary ao kosa ireo tsy manan-tsafidy fa tratry ny  ‘tsy maintsy’ eo amin’ny fomba isafidianana ny mpanome tolotra. Toy ny an’ny dotmg.net izay tsy maintsy mampiasa ny 4G Bleuline noh ny tsy fisian’ny rafitra ‘filaire’ any amin’ny faritra misy azy.

Nivoitra teny anjorony teny koa ny fanafihana nataon’ny sasany ny sehatra fifanakalozan-dresaka izay isan’ny malaza, noforonina Malagasy ary tantanan’ny Malagasy: ny Karajia.org

Nahafinaritra ny rivotra niainana sy ny fifandraisana satria tao anaty tsiky sy hehy no nandaniana ny fotoana rehetra sy ny fifanakalozana.

Voatery tsy maintsy nilaozan moa ny tao amin’ny ChilOut rehefa tonga ny tamin’ny 9 ora alina latsaka kely satria hisy fandihizana hataoa eo amin’ilay toerana. Nanomboka nakatra ny fanamafisam-peo ary tsy nifandrenesana intsony ny tao anaty efitrano. Nihatokatoka nanaiky izay lazaina sisa nysasany na dia tsy azony akory aza izay lazaina aminy.  Mankasitraka eeee!

Nifindra ho any amin’ny La Lionne teny Ankadivato indray ny hetsika nanomboka tamin’ny 9 ora sy sasany tany ho any ary tsy nifandaony rehetra ratsy afaka ora iray mahery taorian’izay

Fisaorana feno ho an’ireo rehetra tonga nandray anjara ary mbola manentana hatrany izay rehetra mahay mitoraka bilaogy ho avy amin’ny fotoanatoy ireny,hizara sy handray, fa mahafinaritra er ny mahita ireo olona mipoitra avy any ambadiky ny tsy hita any, ho eo amin’ny tontolon’ny hita maso.

Loza namoizana aina 6 teny amin’ny RN 2

Fiarabe (camion) iray no nahavanona ny lozam-pifamoivoizana. Maharary aminay fianakaviana ny mamoy havana. Satria isan’ny fianakavianay ireo nafoy. Nafoy noho ny tsy fitandreman’ny hafa, nafoy tao anatin’ny indray mipi-paso, nafoy tsy nisy ala nenina azo natao.

Ny fahoriana ho zaka ihany, hoy ny fiteny. Fa ny tena nahavaky fo sy nahatezitra dia ny naheno fa tonga tao amin’ny fianakaviana tratry ny manjo ny solontenan’ilay mpamily (fa tsy izy tenany), nitondra vola 2.000.000Fmg ho onitra, hono. Tena fanaovana z’inona ny fianakaviana miharitra ny mnafy izany. No sady fanaovana ny fatin’ny havana ho toy ny fatin’alika sanatria.

Raha tsy hiraharaha ireo aina nafoy ilay mpamily, ny tompon’ny fiara, sy izay rehetra manodidina azy, ndeha hataontsika any amin’ny zavatra simba ny fomba fijery. Tsy sanatria matim-bola akory ny fianakaviana raha miteny an’ity: rehefa tsy hijery ny aina ry zareo, moa ve maha onitra ny vidin-javatra simba (ara-materialy) ilay vola 2.000.000Fmg narangarangany? Mbola manana be lavitra noho izay aza ny fianakaviana raha izay no tiany ho fantatra.

Nivoady moa ny zanaky ny maty fa na ho tonga hatraiza ity raharaha ity, na ho tonga hatraiza, dia hitory sy hanaraka hatramin’ny farany an’izay rehetra voasaringotra amin’zany izy ireo.

Raha tsiahivina ny tantara dia avy nanatrika lanonam-pifamofoana tany Ambohimalaza ireto namoy aina ireto, no nijanona naka sasiny teo amina parking an’ny toeram-pivarotana iray mba hiandry ireo sasany mbola taraiky tany aoriany, no nisy fiarabe iray nandeha mafy, niala fiara iray hafa 2CV nijanona amin’ny tsy tokony hijanonany, ka najary natao ankalana ho an’ilay fiarabe, sanatrian’ny vava. Raiamandreny iray, zanany vcay roa miaraka amin’ny vadiny avy, ary ny mpamily no namoy aina, raha mbola miatrika ny mafy any amin’ny toeram-pitsaboana kosa ny sisam-paty.

Tsy vao izao ne efa nahalalàna ny tsy firaharahiana ataon’ireny fiarabe sy Taxi-brousse ireny eny amin’ireo lalam-pirenena mivoaka an’Antananarivo. Toa azy samirery ny làlana. Firifiry moa ireo fiara madinika rehefa sendra mahita ireny fiarabe ireny tonga avy aoriany ao no misafidy ny hikisaka haka sisinyhaingana sy mijanona tanteraka mba hanomezana làalan itony fiaraben’ny fahafatesana itony?

Manantena ny fianakaviana fa tsy ho matimaty foana ary tsy hisy indray koa ny hanelanelana amin’izao zavatra izao. Efa vonona rahateo hitondra ny raharaha hatrany amin’ny farany tratrany izy .

Mandria am-piadanana RATSIFANDRIHAMANANA Ravoniandro Iharisolo

 

 

 

 

IVATO 19 Febroary 2011

Vao maraina dia efa nisy ny nitanjozotra nankeny Ivato, nentanin’ny fanantenana hahita ny filoha teo aloha ho tonga eto Madagasikara. Rakotra vahoaka be tokoa ny teny amin’ny manodidina rehefa niha nanakaiky ny ora voatondro.

Nanamarika ity famoriam-bahoaka androany ity ny tsy nahitàna hoe iza no lohan’ny hetsika. Raha tsy efa tamin’ny 03 ora latsaka tsy nipoitra teny ry Emmanuel Rakotovahiny, Zafy Albert, Manandafy, ‘Satrobory’, Ramisandrazana, sy ny namany. Toy ny hoe efa nahafantatra mialoha fa tsy hisy hotsenaina, fa mba miala sarona fotsiny sisa. Ny fampielezam-peo sasany rahateo efa tamin’ny 10 ora maraina no efa nilaza fa tsy isan’ny olona tafiditra tao anaty fiaramanidina avy any Juhanesbourg ingahy Ravalomanana sy ny fianakaviany, araka ny loharanom-baovao marim-pototra voarainy (saingy tsy nambaran’iretsy mpitarika ny hetsika tamin’ireo vahoaka marobe mihitsy izany).

Tototra olona an’aliny maro tokoa ireo làlana rehetra mitondra mankany amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, satria manomboka hatrany amin’ny HORIZON IVATO ka hatrany amin’ny Sampanana ambony mivoaka avy any an-tseranana raha hihazo ny faritr’i Fitrohafana iny, tsy nisy azo nodiavina. Sahirana tokoa ireo fiara nivoaka avy ao an-tseranana, na ireo izay ho any hitsena vahiny.

Henjana ny fisavana teo am-pidirana: karapanondro, entana, fiara, moto, samy tsy nisy afa-bela. Afaka nifamezivezy malalaka ihany kosa anefa ireo efa fantatra fa ‘Navette’, na fiaran’ny ADEMA, na koa an’ireo Hotely lehibe eto an-drenivohitra.

Zavatra vitsivitsy nahavaka saina no ho tsipihako manokana ato anatin’ity lahatsoratra ity

1* nasaina nankeny an-toerana ny vahoaka, saingy tsy tazana teny ny mpitarika, hatramin’ny naha maizina ny andro (Mamy Rakotoarivelo). Ry Zafy Albert sy Manandafy ary Emmanuel Rakotovahiny aza dia tsy sahy niatrika vahoaka mba nilaza tamin’izy ireo fa tsy ho avy ilay nandrasana ka tokony hiparitaka hody ampilaminana ny rehetra.

Fanavaozam-baovao 20/02 (RnM): Vaovao av amin’ny RnM no nahenoana fa nanao lahateny hampody ny olona i Mamy Rakotoarivelo ny Sabotsy 19/02/2011 nanodidina ny tamin’ny 5 ora hariva tany ho any

2* nafampàna ny fankahalàna mpanao gazety androany teny Ivato. Maromaro no tafara-dia tamiko tany anaty vahoaka tany, nidina ho amin’iny sampanana mankany y amin’ny Croc Farm iny. Nandeha ny rahom-bava sy ny sotasota. Tonga hatramin’ny fangaronana paosy, ary saika niafara hatramin’ny fikasihan-tànana. Niharan’izany ny namana iray avy ao amin’ny MaTV raha tsy nanaovako hevitra am-pitaka mba hisintonana azy hiala teo anivon’ireo olona efa nifanasa vangy sy nihodidina azy. Soa fa mba voarainy ny tanan’ilay vehivavy nangarona ny paosiny, ka tafaverina soa aman-tsara ny portefeuille-ny.

3* asa loatra izay tena antony fa tamin’ireto vahoaka nankahala mpanao gazety androany ireto dia tafiditra tao anaty lisitry ny lasibatr’izy ireo ny TV Plus sy MaTV androany. Somary nahagaga ahy ihany ity farany satria tsy an’iza fa an’ny fianakavian’i Mamy Rakotoarivelo. Inona no antony? Sa noho ity fahitalavitra ity  nolazaina fa namoaka ny hoe tsy tao anaty lisitry ny mpandeha amin’ilay fiaramanidina (vaovao reny tamin’ny RFI) ry Ravalomanana mianakavy sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky? Notondroina fa mpamafy lainga daholo mantsy ireo mpaka sary sy mpanao gazety izay sendra azy ireo, ka sarotsarotra ihany ny nitadiavana làlana hilefana raha sanatria ka nisy ny kalao kalao.

4* tsy nety nifampiresaka tamin’ireo vahoaka tonga teny ireto mpitarika fa nisokosoko mangina niala ny toerana rehefa avy niseho tamin’ny mpanao gazety sy niandry ny fahatongavan’i Maitre Hanitra, mpisolo vava an’ingahy Ravalomanana. Zareo mitaingina ny 4 x 4, fa ireto vahoaka miandry vasoka tsy mahalala na inona na inona kosa handeha tongotra rehefa maizina ny andro. Ingahy Zafy Albert koa tsy nivoaka ny fiara nisy azy mihitsy.

5* tsy nety niresaka avy hatrany tamin’ny mpanao gazety Malagasy i Maitre Hanitra fa rehefa avy nivoaka ny fiara nisy azy dia namantana avy hatrany tao anatin’ny fiara nisy an’ingahy Zafy Albert. Avy eo dia tsy nety niresaka tamin’ireo mpanao gazety Malagasy marobe fa nampitady ilay vehivavy teratany vahiny mpanao gazety niaraka taminy efa hatrany anatin’ilay fiara nitondra azy niditra ny seranana rahateo. Nisy mpanao gazety Malagasy roa ihany anefa tafasisika afaka nahazo resaka nandritra izany.

6* Isan’izay sorena aho nahita ilay fihetsika nanavaka ny mpanao gazety sy mpaka sary Malagasy ary tsy nahatsindry fa niteny hoe:

Fa ho an’iza moa ny hafatra voalohany tokony hampitaina? Tsy ho an’ny Malagasy va re?

Deraina etoana ny firaisan-kinan’ireo mpaka sary sy mpanao gazety nandre io fanavahana io ka niara-nientana nihataka tsy handre akory izay nolazainy sy tsy nihontsona intsony tamin’izay ho tohiny tao.  Miala tsiny anefa ny tena fa nitady lava-boalavo ihany ka tafasisika hatrany anaty fiaran’ingahy Zafy Albert ihany ny tànana sy ny fitaovana, saingy toy ny mibitsibitsika ny fomba firesaka tao ka mila manongilan-tsofina tsara vao mandre izay nifampiresahan-dry zareo tao anaty fiara. Aleo dia tsorina fa be no tsy re tsara e! Rehefa vita izay noresahana tao anaty fiara vao nivoaka i Maitre Hanitra niresaka tamin’ireo ambina mpanao gazety sisa nanodidina azy teo.

7* nisy vazaha lahy iray nanaiky noraisim-peo teo rehefa avy nandeha tamin’ilay zotram-piaramanidina. Nahita ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ilehio ary nandre ny zavatra rehetra nolazain’ity farany tamin’ny mpanao gazety tany Juhanesbourg rehefa tsy afaka nandray ny sidina ho aty Madagasikara.

8* Nidehadehaka ery i Pasitera Edouard niteny tamin’ireo rehetra nanoloana azy fa tsy maintsy tonga amin’ity andro ity ary tsy hamitaka an’ireto vahoaka marobe tonga teo Ivato ireo i Marc Ravalomanana. Ny rehetra manotany azy anefa amin’io efa tapitra mahalala fa tsy tafakatra tao anaty fiaramanidina ny olona andrasan’ny maro. Mba vaovao taiza re no loharano narahany e?. Vita moa izay teny fohy nataony izay dia nasain’ny mpitandro filaminana niala ny toerana izy.

Manomboka eto dia hampakatra tsikelikely ny sary sy foe ho anao ny Gazety_Adaladala koa manaova ‘Refresh’ matetitetika fa arakaraky ny hiakaran’ny lahatsary ao amin’ny Youtube no ipetrahan’ny rohy etoana koa.

Ireo olna eny amin’ny làlana midina mankany amin’ny seranam-piaramanidina:

Eo mabny kelin’ny vavahady fidirana mankany amin’ny seranana:


Resaka niarahana tamin’ingahy Emmanuel Rakotovahiny:

Resaka nifanaovan’ilay mpanao gazety vahiny niaraka tamin’i Maitre Hanitra tamin’ireo olona naneho ny tsy hafaliany:

Mbola resaka tamin’ingahy Emmanuel Rakotovahiny indray:

Pasitera Edouard mbola tsy mety mino fa ho tsara petraka ny rehetra, na dia efa dila ela aza ny ora nomena. Ireo mpitarika tonga talohany anefa efa nitady lalam-poza hijaikojaikoana hody:

Ilay resaka nataon’i Maitre Hanitra tao anaty fiaran’ingahy ZAFY Albert, ary nanilihana ny mpanao gazety Malagasy ka niteraka fahasorenana ho an’ireto farany:

Resaka nifanaovana tamin’ingahy Peter Sullivan, seraseran-dRavalomanana:

Resaka nataon’i Maitre Hanitra rehefa noheveriny fa tonga ny fotoana tokony hanomezana haja ny mpanao gazety  Malagasy sisa nanaiky handray feo azy:

Azonao tsidihana ihany koa ny kaonty Flickr raha sary tsotra fotsiny no hojerena.

Itaosy: Fiarovan-tenan’ny fianakaviamben’ny polisy…mahatsikaiky

Dia ny nihomehy sisa no nataoko teo ampihainoana an’ingahy Minisitra Organes sy ny Olona ambony iray avy ao amin’ny Polisim-pirenena androany, raha nitondra fanazavana mikasika ilay tovolahy mpianatra eny Ankatso ary maty tao amin’ny paositry ny polisy teny Itaosy nandritra ny fihazonana azy.

Raha tsiahivina ny raharaha dia nisy tovolahy nampangaina ho mpangalatra ary tany amin’ny tranom-paty vao hitan’ny fianakaviany. Na dia niezaka mafy nifampiresaka sy nanatona ny paositry ny polisy mba hanatitra akanjo ho anjanany aza ny fianakaviana. Tsy nety namela mihitsy ny fianakaviana hijery maso azy tao nandritra ny fotoana nihazonana azy moa ny tao amin’ilay paositry ny polisy.

Androany ary dia nitondra fanazavana ny avy amin’ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena. Nolazain’izy ireo fa naharay antso mikasika halatra ry zareo,ary misy olona efa nodarohan’ny fokonolona. Dia tonga teny an-toerana ny polisy mba hijery ifotony sy naka ilay tovolahy. Nambaran’ireto ‘mpiaro ny polisy’ (Minisitra sy ny Tale Jeneralin’ny polisy) ireto fa niaiky ity tovolahy ity fa anisan’ny mpikambana ao anatiny’ny bande des 12, hono. Ary nandray anjara tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana samihafa toy ny teny an-tranon’igahy Jaobarison (Media Consulting, ny Jirama, sns…

Ny mahagaga anefa dia ity: rehefa nijery ny razana teny amin’ny hopitaly ny fianakaviany dia nilaza fa tapaka ny hatoky ny zanany.

Raha ny fokonolona tokoa no nidaroka sy nahatapaka ny hatok’ilay tovolahy, mbola ho nisy aina ve izy, ka ho azon’ny polisy natao fanadihadina nakàny izany fiaiken-keloka amin’ny maha ao anaty andian-jiolahy azy izany?

Manaraka izay, ndeha hataontsika hoe velona ilay tovolahy no natao fanadihadiana sy niaiky ny helony, ary nanao sonia ny taratasy rehetra fiaikena nataony, dia azon-doza inona ireto polisy no namono nahafaty sy nanapaka ny hatony? Maninona no tsy navela ho velona izy ho afaka milaza ny tena tantarany sy ny fandehany rehetra eny imason’ny fitsaràna? Mampieritreritra an!  Sa ny maty ihany tokoa no tsy miteny ka dia aleo vonoina toy izay miteny ny tsy filaza eo, sanatrian’ny vava?

Ahiahy tsy ihavanana marobe no mitoetra manodidina ity raharaha iray ity.

Na ny ankizy kely vao mijery horonantsary misy adiady ireny aza dia hahatakatra fa rehefa tsy tiana ho velona ny mpifanandrina amin’ny tena dia ny lohany no aholana mba hanapahana ny hatony. Koa nahoana?  Nahoana?  Nahoana ?

Amiko dia tsy mitombina ary tsy maharesy lahatra velively ny fiarovan-tena naroson’ingahy minisitra sy ilay lehiben’ny polisy. Mba zavatra matomatotra kokoa ambara ny vahoaka fa dia mahamenatra sy manetry anareo ny fomba filaza toy ireny.

Vao avy namaky lahatsoratra mikasika ny zava-mitranga any Bahrain ny tena izao, ary dia matahotra mahita ireo sary mampivarahontsana noho ny fomba barbariana nataon’ny polisy tany an-toerana hamoretana ny mpanao fihetsiketsehana. Dia sanatria ho toe-tsaina barbariana iraisan’ny polisin’ity tany ity ve no misy amin’izao fotoana, na sanatria ve lamaody ny manisa aina nalatsaka nandritra ny fotoam-piasana tamin’ny maha polisy? Rahoviana vao hisy tompon’andraikitra sahy hiteny fa nanao ‘bavure policière’ ny sampana nisy azy? TSY MAMPINO

Bahrain: Tatitra manokana momba ny raharaha

Mafana ny any amin’ireo faritra Arabo any Afovoany Atsinana any tato ho ato. Nisy nilaza fa he rivotra nitsoka avy aty Madagasikara no tonga any. Ny any an-toerana indray mihevitra fa ny tazom-pahafahana nitsoka avy any Tonizia no mamely.

Tsy hady hevitra ny amin’izany sy ndeha hampitovy soatoavina araka ny eritreritry ny sasany nandefa fanamarihana taty amin’ny mpitantana ny bilaogy akory no hataontsika, fa kosa hizara ireo vaovao mafana avy amin’izao tontolo izao.

Koa satria, taorian’i Ejipta, i Barhain indray izao no itodihan’ny mason’ny ankamaroan’ny mpanara-baovao, dia indro misy rohy avy amin’ny namana any an-toerana, omena anao mpitsidika ny bilaogy GAZETY_ADALADALA. Dia ilay ADALADALA manaraka ny zava-misy, na tsy be kozy aza.

Misy somary henjankenjana ihany ny sary, koa iangaviana ny mora tohina mba hihatakataka kely azafady indrindra

Mazotoa http://goo.gl/9o1CX

Amnkoatra izay dia entanina ianao te-hahafantatra bebe kokoa ny zava-misy any an-toerana hitsidika ny tranonkala mpiara-miasa Global Voices Online Malagasy fa be ireo vaovao manerantany voadika ho teny Malagasy ao, na izany momba ny tany Tahrir Square, Manama Barhain, Ejipta, Tonizia sns….

CNEAGR Nanisana: tsy milamina mihitsy

Samy nahatsiaro ireo lahatsoratra navoaka teto amin’ny Gazety_Adaladala mikasika ity toeram-piaofanana iray etsy Nanisana ity angamba ny maro mpanaraka ity bilaogy ity.

Nisy fotoana moa dia voatery nandraisan’ny teto amin’ny bilaogy Gazety_Adaladala fepetra mihitsyka  nampirimana ireny lahatsoratra ireny ho an’olom-bitsy sisa no afaka namaky azy, satria nafàna sy navaivay ny fanenjehana sy fitadiavana ny mpitantana ity bilaogy ity.

Tsara anefa ny manamarika ankehitriny fa nahatonga fitarainana indray ireo mpiasa ao amin’izany toeram-piofanana izany. Tsy miova hoy izy ireo fa mbola mitohy hatrany ary vao mainka aza henjana noho ny tany aloha ny fomba fanao ratsy ampiharin’ny mpitantana. Efa mihevitra ny hanao hetsika ireo mpiasa ao amin’izany toerana izany amin’izao fotoana, andro angamba sisa no andrasana. Saingy mba tsy hahatongavana amin’izany dia miezaka izy ireo ny mitady vahaolana. Tafiditra ho isan’ny vahaolana noheverina ny fanatonana ny Minisitera mpiahy. Tsy mety voaray foana anefa izy ireo, fa misedra valinteny toy ny hoe, mbola eo ampivoriana ny Minisitra, na hafa koa…

«Tsy afenina ho an’olom-bitsy voafantina intsony ity lahatsoratra ity satria sao ny fanafenana ny teo aloha no tsy nampipoaka ny marina, hoy hatrany ireo mpiasa nampita ny hafatra »

Mandinika izay ho tohin’ny hetsika ankehitriny ireto mpiasa ireto, ary miankina amin’ny valin’ny fihaonana ataon’izy ireo (mety ho amin’ity anio ity) ny ho tohin’ny hetsika rehetra.

Araka ny feo heno dia efa misy ankehitriny ny mpiasa atao antsojay sy lasa isan’olona sisa mandra-piandry izay ho mety fandroahana azy ao amin’io toerana io.

Manantena ireo mpiasa ireo fa handray ny andraikitra mifanandrify aminy mikasika ity raharaha CNEAGR ity ny tompon’andraikitra mahefa, izay toa ny Ministeran’ny Rano.

Asa raha ny filazana an’ity indray no mbola hanaovana izay itadiavana ny mpiandraikitra ny bilaogy.

Saika adinoko: tsy afenina ho an’olom-bitsy voafantina ity lahatsoratra ity, satria sao ny fanafenana ny teo aloha no tsy nampipoaka ny marina, hoy hatrany ireo mpiasa nampita ny hafatra