Madagasikara sy ny Momba Azy

Variana amin’ny fiainana andavanandro ve ? Sa efa lasa entin’ny fahazarana fotsiny sisa isika – izaho anisany – ka tsy misy intsony mahatahiry ireo vakoka sy lovantsofina, na tantara tany aloha? Sa ireo ray aman-dreny mihitsy koa no tsy nampita intsony noho ny rotorotom-piainana sy ny fieritreretana fa efa nilaozan’ny toetrandro ny fomba fampitàna hafatra sy lovantsofina, hono ny fandrosoana mihazakazaka be ka iheveran’ny maro fa ny teknolojia no hahasolo ny boky sy ny vava ary ny sofina?

Betsaka tokoa no tsy tsaroana intsony sy adinodino izy ireny. Nefa raha manao ezaka mikaroka ny any ambany kidoro, anaty vata sarihana, na miresadresaka amin’ireo anti-panahy isika ankehitriny – dieny mbola eo izy ireny – toy izay ataon’i Fanjarivo Rakotonirina (Malagasy monina any Etazonia) amin’izao fotoana izao, dia azo antenaina fa mbola hisy ny masoandro hiposaka ho an’i « Madagasikara sy ny momba azy« .

Rehefa avy nifampiresaka tamin’i Fanjarivo  ny mpitantana ny bilaogy, dia nifanarahan’ny roa tonta fa ho avoaka matetika eto ny sombim-pikarohana nataony avy amin’ireo antontan-kevitra sy rakitahiry maro samihafa tratry ny tànany.

Ho ataontsika toy izao ny fivoahan’izy ireny:  Madagasikara: <laharana> – <lohateny omena ilay fizaràna>
Lasa toy izao rehefa avoaka => Madagasikara : 1 -Ny anaran’ny trondro  / Madagasikara: 2 – Ny tantaran’ny vary…

Ohatra ihany ireo, fa tsy hoe ireo no efa tena vonona. Eo ampiketrehana azy isika izao. Mahareta fa hanana ny soa.

Tsy ho ela

Manjakamiadana: 20 Taona lasa izay

Fanontaniana. Ranomaso latsaka. Fo torotoro. Saina nivalaketraka. Izany rehetra izany no niatrehan’ny rehetra ny alin’ny 06 Novambra 1995, alina nahamay hotohoto ny Rova Manjakamiadana. Isan’ireny olona nahatsiaro ny ngidin’ny famoizana io Lovan’ny tantara io i Ramisarimanana RANAIVO izay ny alin’iny ihany dia efa nahavita nanoratra ny tononkalo, nanehoany ny alahelo miharo hatezerana tao anatiny. Atolotra anao ato anaty lahatsoratra.

 

20 taona lasa izay. Mbola itadiavana vola an-davitrisa maro fanampiny foana ho fanarenana azy

20 taona lasa izay. Mbola itadiavana vola an-davitrisa maro fanampiny foana ho fanarenana azy

 

I Z A ?

(Dian-drangotra nandritra ny afo)

Torovana ny fo, voatraika koa ny saina,

Fa aloka no sisa, hany mba ho tantaraina.

Dia… aiza indray aho zao no mba hirehareha!?

Eny e! ekeko fa mbola be dia be,

Ka nefa kosa anie, jereo anie ery e!!!!

Izy no avo indrindra, ‘lay lova tsy mifindra

Kanefa dia nahetry natao ambany indrindra.

Eny e! diso aho satria, fantatro fa Malagasy ray, Malagasy reny

No zary nahavita ireny rehetra ireny,

Fa mba iza moa izany!? Moa va tsy izaho ihany!?

Ny saiko angamba no efa diso tsy te-hahafantatra ny lasa

Fa hoe hibanjina ny ampitso, ka noheveriko ho angano

Dia nodorako ‘lay trano.

Sa… izaho ve no voakarama vola fa hoe milaza loza

‘lay antitra tsy mety sola, ka dia voatery nodorona!?

Na ndrao kosa ary misy ambadika tokoa

Na ‘reo mpanao politika no tsy mety afa-po!?

Tsia… tsy mino izany raha izaho, sa… ahoana hoy ianao?

Na izaho koa aza anie… io seza io mba nahamaika e!

Ka na izany aza anefa, dia any ve no hiantraika!?

Sao hanendrikendrika aho fa aleo zakaiko samy irery ‘ty hazo fijaliana ho ahy

Zay mafonja sy mahery.

Eh!!!! Indrisy…indrisy…, indro ankehitriny, indro fa tanteraka ilay tsy manan-tsiny

no trotraka sy reraka,

kila, potika, rava, nandavenona ‘lay haingo, dia apetrako ho baraingo :

IZA, IZA, IZA???

Tsia…! Ngidy sy tsy teliko eto an-tany raha izaho tokoa mantsy no dia nahavita izany.

Ny ràn’ilay rahalahiko angamba no niova volotany, na nihofaka ny hodiny

Ka tsy Malagasy intsony fa nivadika avokoa na ny sainy na ny fony,

Eny e! mivadibadika ny lelako, misavoro ny atidohako

Fa raha fantatro tsy avelako, na izaho aza hifoterako.

Sambasamba aho izao no mba sahy nihantsy tena,

Ahy irery anefa izany, fa ho anao, mitonia ry firenena

Fa tsy hahafantarana ny marina, sady… tsy aleo aloha manarina!

Fa ho anao Manjakamiadana, matoria, makà aina tsara aloha

Fa ianao dia mbola hitsangana, mbola hijoro toy ny teo aloha.

Ramisarimanana RANAIVO

06 Novambra 1995

 

lahatsoratra mifandraika amin’ny tantara:

MANJAKAMIADANA: 14 taona lasa

6 novambra faha-19 (Nahamay ny Rova Manjakamiadana)

 

Michel sy ny atelier ZAVA MANENO

Nisy fampisehoana mivelatra nokarakarain’ny Alter.native tao amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano (Gymnase Couvert Ankorondrano). Nifototra tamin’ny resaka momba ny Tontolo iainana izy io. Isan’ireo izay nandray anjara tamin’izany ny Atelier ZAVA MANENO.

100_30941

Saiky zava-maneno vita avy amin’ny Bamboo (ireny volotara be irony) no tena vokarin-dry zareo.

Iray amin’ireo mpamorona ao amin’ity atelier ity i Michel. Izy no namorona ny Ala-maneno, ny Ela-maneno

100_31011

ary ny Tangorona (amponga madinika 14 milahatra ary azon’olona maro iarahana mively). Misy ny ampahantsary (vidéo) niresadresahana taminy, nefa noho ny fikirakirana ara-tekkinika dia mbola tsy afaka ampakarina etoana izany, fa homena antsika amin’ny manaraka raha mety ilay izy.

Mandra-piandry an’izay anefa dia atolotra anareo eto ny sarin’ireo vokatry ny atelier ZAVA MANENO

Isan’ny zavatra manavanana an’i Michel ny fanamboarana amponga avy amin’ny voatavo, na dia eo aza ireo karazan’amponga hafa. Raha ny filazany dia miara-miasa amin’ny tarika toy ny an-dRAJERY sy ny hafa izy. Saingy noho ny fitadiavana dia samy mandeha samy mitady aloha izao, fa rehefa misy ny tokony hifanatonana sy hifanampiana dia mivondrona indray ny mpanakanto. Ka dia velona eo ny kidaombaramita.

100_30971

100_30981

100_30991

100_31001

Nolazain’i Michel fa isan’ny antony nisafidianana ny Bamboo ny fahafahan’izy io manone solofo hainga aorian’ny fanapahana azy. Amin’izay hoy izy tsy dia miantraika loatra amin’ny tontolo nakana azy ny fakàna ny akora hanaovana ilay zava-maneno

100_31021

100_31051