19 Aogositra (1839 – 2016) vs 13 Mai

Maro ireo Andro Iraisampirenena natokana ho an’ny karazana hetsika samihafa.

Ny 19 Aogositra 1839 no tsaroana rehefa tonga ny fankalazàna ny Andro Manerantany ho an’ny Fakàna Sary.  Io no andro voalohany nilazana tamin’ny fomba ofisialy ny namoronana ny ‘Saripika’ voalohany indrindra.

Naka aingam-panahy sy nanatsara ny asan’i Nicéphore Niepce izay maty tamin’i 1833 i Louis Dageurre. Tamin’ny 19 Aogositra 1839, nasehon’ny solombavambahoaka Frantsay François Arago,  tao amin’ny Akademian’ny Siansa ny daguerréotype, voka-pikarohan’i Louis Dageurre ary io nitarika io fankalazana io taty aoriana, raha tany amin’ny tontolo Arabo fony taonjato faha-10 sy Gresy Antika no efa fantatra ireo fototra ilaina amin’ny resaka famoronana sary

Raha mbola nandalo dingana samihafa ny fivoahan’ny saripika ho hitan’ny masontsika (pihana, avy eo entina sasàna hifindra amin’ny taratasy) tamin’izany fotoana izany, dia efa eo noho eo kosa no azo jerena izay sary nopihan’ny tsirairay tamin’ireo fitaovana raitra (niomerika) fampiasa ankehitriny. Dingana lavitra, nefa nitondra fanavaoana goavana izany.

Tamin’ny taona 2015, tany ampita tany dia nisy hetsika niavaka natokana hankalazana io andro io: rehefa tonga ny tamin’ny  6:39 hariva (18h39, mivaky hoe 1839 rehefa esorinao ny ‘h’). Tamin’io ora io dia nasaina niato tamin’izay nataony ny olona mba handrakitra an-tsary ny manodidina azy. Satria tokoa mantsy natao hitahirizana tantara sy vanimpotoana iray tao anatin’izany tantara izany ny sary.

Ho fankalazako io andro io, na dia tsy tamin’ny 18h39 aza no nakàna ny sary (sarotra ihany mantsy ny haka sary tafika isan-tokony nandrakotra an’Analakely sy ny manodidina azy hatramin’ny alina, ka tsy hampiasa tselatra / flash) , dia indro atolotro anareo ery amin’ny faran’ny lahatsoratra ireo sary vitsivitsy nopihako ny 19 Aogositra 2016 teo amin’ilay toerana manan-tantara amin’ny resaka politika: #13Mai #Analakely #Madagasikara, malaza amin’ny fanaovana hetsipanoherana sy fenehoan’ny vahoaka ny tsy fankasitrahana ireo endrika isehoan’ny fitantanana ny sosialim-bahoaka ataon’ny fitondrana. Sehatra iray ihany koa nosafidian’ny fanjakàna hampisehoana amin’ny vahoaka fa voafehiny amin’ny tànany roa ireo hery rehetra eto amin’ny firenena.

Zavatra iray iriko mba hataon’ny Ministeran’ny Kolontsaina- rehefa tonga ny 19 Aogositra isantaona – ny handrisika ny olona haka sary ny manodidina azy, ary entina hanaovana fampirantiana aminà toerana iray (ha ha ha…hevitro io fa dia tsy maninona na hisy hangalatra indray aza, raha izay no hahatsara zavatra). Fa mba hahafahana manana tahirintsary momba ireo vakoka ihany koa dia angatahako ny hahafahan’ny rehetra maka sary ireny toerana natokana ho vakoka ho an’ny firenena ireny. Fa tsy sanatria rehefa any aoriana misy fahavoazana indray, vao hanao antso avo amin’ny olontsotra hoe « Sao misy manana tahiry » (nefa ny olona raràna tsy ho afaka maka sary akory)

#13Mai #Analakely #AppelManifAFP

DSC_0208_2

DSC_0198_2

Ato ny sary misimisy kokoa

Publicités

Lahatenin’ny Filoham-pirenena – Lapan’Iavoloha, faha 26 jona 2016

Lahatenin’ny Filoham-pirenena – Lapan’Iavoloha, faha 26 jona 2016 nalaina tao amin’ny pejy Facebook « Présidence de la République de Madagascar Talata 28 Jona 2016 »

Fanamarihana: Natao dika/petaka ny lahatsoratra, koa raha misy hadisoana tsipelina, dia tsy avy amin’ny mpiandraikitra ny bilaogy. Navoaka eto ho saintsainin’ny ankehitriny , ho rakitahiry sy ho an’ny taranaka any aoriana ihany koa.

Ry vahoaka malagasy mpiray Tanindrazana,

Misaotra an’Andriamanitra isika tratry ny Asaramanitra, fotoana hifampiarahabantsika noho ny tsingerin-taona faha 56 niverenan’ny fahaleovantena sy ny nijoroan’ny foloalindahy Malagasy. Koa mahafaly anay mivady indray ny mandray anareo eto ankehitrio ary mitafa amin’ny vahoaka Malagasy rehetra, na ny eto an-tanindrazana, na ireo miely patrana maneran-tany. Mitsidika anareo vahoaka tsy an-kanavaka isan-tokantrano izahay ary miarahaba anareo tratry ny Asaramanitra.

Izany fiarahabana izany dia atao toy ny rasa akohon’ny mpianakavy ka ny lehibe manana ny azy, ny tanora tsy very anjara, ary ny kilonga tsy diso tandrify, satria ny rano no miriana hono dia noho ny vato, ny akoho no lehibe dia ny volony, ny andriana no manjaka dia ny vahoaka, ary ny firenena manana vahoaka hendry no miadam-pinaritra.

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana,

Be dia be ny zokintsika, ray aman-drenintsika iza niady mafy, ny sasany aza natao sesitany na namoy ny ainy mihitsy mba hiverenan’ny fiandrianan’i Madagasikara sy ny fahaleovantenany.

Ny fankalazana ny 26 jona izany dia sady fotoam-pifaliana no fotoana ahatsiarovana sy anomezana hasina ireny mahery fon’ny Firenena ireny. Tahaka ny vato namelan-kafatra isika ka ny andraisantsika tsirairay avy ny andraikitsika hampanjary izany Fahaleovantena izany mba hitondra firoboroboana ho an’ny Firenena ary fihatsaram-piainana ho an’ny Malagasy, izany no tanjontsika.

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana,

Tranga telo no tiako isarihana ny saintsika mba amantarana hoe aiza ho aiza isika izao, ary toa inona no azo itarafana ny ho avy.
Ny tranga voalohany dia ny nankatoavan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI ny tetikasa malagasy sy ny ezaka vita hatreto ho fanatsarana ny fitantanam-bola. Averiko tsara fa ny tetikasantsika malagasy no nankatoavina fa tsy hoe an’ny vahiny akory. Mba ankatoavany izany tetikasa izany sy anomezany ny tena fanalahidy eo amin’ny famatsiam-bola isan-karazany, dia nanao fanamby isika no sady nandray fepetra ihany koa, hanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana.

Nataontsika ny ezaka rehetra ary tsy maintsy mbola ho tohizana izany, fa izay vita hatreto aloha dia efa nahafa-po ka ny vokany dia ny nahazoantsika ny antsoina hoe Facilité Elargie de Crédit, na FEC.

Nambarako teo hoe tena fanalahidy io FEC io. Izao no antony : io no manambara amin’ny mpiray antoka hafa rehetra sy ny mpampiasa renivola rehetra maneran-tany fa miverina amin’ny fenitra tokony ho izy ny fitantanana eto Madagasikara ka azon’izy ireo atao amin’izay ny miroso araka izay tandrify azy avy eo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Mety misy alaim-panahy hilaza hoe : tena ela be izany fifampiraharahana izany… Tsarovy tsara fa efa tany amin’ny taona 2008 ny FMI no nampihantona ny fifandraisana tamin’i Madagasikara satria tamin’izany fotoana izany dia efa tsy natokisany intsony ny firenentsika.

Ny lesona tiana hotsoahina dia ny hoe : vetivety dia mety rava izay natsangana, fa ela dia ela ny famerenana azy amin’ny laoniny avy eo. Valo taona aty aoriana isika izao. Mety misy koa ny hanao hoe : ka maninona raha mitady ny vola ilaina any amin’ny hafa ? Azo atao ny mamoha varavarana, fa mila lakile ny varavarana ary izao azontsika izao dia ny lakile hitondra ny varavarana hivoha ho amin’ireo mpamatsy vola maro samihafa, ary indrindra indrindra, ho amin’ireo mpamatsy vola tsy miankina ho avy aty amin’ny firenentsika. Ny miresaka sy manakiana, mora, fa ny manatontosa zavatra kosa, sarotra. Misy mihintsy aza ny nikatsaka izay tsy hahatanterahan’iny fifanarahana iny. Tandremo ny mandrora mitsilany tompoko ô, sao dia mahavoa tena !

Misy itovitovizana amin’iny ihany ny tranga faharoa. Ny itovizany indrindra dia ny halavan’ny fe-potoana nilaina amerenana amin’ny laoniny izay nikoro. Tafavoaka ny sazy henjana antsoina hoe Annexe B ny kompaniam-pitaterana Air Madagascar. Tamin’ny taona 2008, izany hoe valo taona lasa ihany koa, volana febroary, no nolazaina fa misy tsy fanarahana fepetra iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny sidina an’habakabaka efa ho 500 mahery tsy voaharaka tao amin’izany orinasa izany. 2011 dia nilatsaka ny sazy satria tsy voahaja intsony ny fepetra tekinika ahazoan’ny fiaramanidintsika mankany Eropa. 2016 vao vita ny fanarenana, afaka ny sazy. Dimy taona nanaovana ezaka isan’andro vaky, 8 taona raha niainga tamin’ny 2008 nahazoana ny fanankianana voalohany. ka dia refeso amin’izany fa vetivety ny mahavoasazy fa ela ny manarina, koa arahabaina sy isaorana ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany noho izany.
Indray mipi-maso hoy aho dia mety rava izay natsangana ary izay indrindra no ilàna ny fahatsiarovantenan’ny tsirairay eo anoloan’ny fandehan-draharaham-pirenena.

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana,

Isika dia sady manasitrana ny ratran’ny andro lasa no manangana ny ampitso andrandraina ihany koa. Ny tranga fahatelo tao anatin’izay tapa-taona voalohany izay, dia ny fahavitan’ny fotodrafitrasa lehibe izay mifameno amin’ny efa vita tamin’ny taona 2015 tany Atsimo Andrefana, faritanin’i Toliara.

Tsy dia fitia te hitanisa zavabita akory no tiako atao aminareo fa ny vina izay heveriko fa hitondra fampandrosoana mitozo sy mateza ary fihatsaram-piainana miakatra ho an’ny malagasy. Rehefa miteny isika hoe fotodrafitrasa ka vahavahana izany teny izany dia fototra mandrafitra ny asa no heviny. Raha io ao Atsimo Andrefana io no tarafina amin’izay hevitra izay, dia izao no fipetrany :

· Toha-drano lehibe no natao, lakan-drano amina kilometatra, làlana RN9 100 km mahery no namboarina satria tsy nisy nanamboatra tao anatin’ny 45 taona, fotodrafitrasa ho an’ny mpanjono 15 no napetraka, fanofànana ny tantsaha sy ny mpamboly no natao, mitombo ny vokatra, in-droa isan-taona ary efa mahatratra hatramin’ny 6 sy 7 taonina ny azo avy amin’ny hektara anankiray, naorina ny sekoly, misy jiro, misy rano, misy tranon’ny mpampianatra.

· Vao maika mihatsara ny fepetran’ny fiharian-karena rehetra satria vita ny tetezana lava mirefy 224 metatra natao ao Befandriana, hampifandray ny faritra maro samihafa, hanala ny fijaliana izay niharetana an-taonany maro.
Mazava ho azy fa mitondra fihatsaram-piainana ho an’ny mponina amin’iny faritra iny izany rehetra izany, fa ny zava-dehibe tiako lazaina aminao ry Vahoaka Malagasy, dia izao ihany : izany no fotodrafitrasa fototra tiantsika apetraka eto amin’ity firenena ity, ary izany no tiantsika atao manerana an’I Madagasikara.

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana,

Izany fahombiazana azo tsapain-tanana sy ny firosoana amin’ny tsara kokoa izany no mety manahirana ny sain’ny sasany ankehitriny ka asahiany mampiseho habibiana tsy roa aman-tany mihintsy aza amin’ny famonoana Malagasy mpiray Tanindrazana an-kitsirano fotsiny izao, tsy amin’ny antony hafa ankoatra ny fihantsiana fitondrana.

Izany rehetra izany dia tiako isarihana ny saintsika fa manorina Fanjakana tan-dalàna isika ka sanatria tsy hamaly bontana amin-kery ireny mpanao ratsy ireny, fa tianay kosa ny milaza, fa na ho ela na ho aingana, dia tsy maintsy hiatrika ny làlàna sy fitsaràna ireny tsy mataho-tody ireny.

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana,

Mila fotoana ny fanantanterahana ny vina sy ny fotodrafitrasa, araky ny nolazaiko teo. Tsapa tokoa izany ary tsy maintsy miroso amin’izany isika rehetra.

Noho ny fahasahiranana lalina mbola iainan’ny mpiray tanindrazana any Androy, dia any no anaovana fanampiana vonjy voina mivantana sy maika.

Mety mbola hanontany ianareo hoe : ka inona ary izany, Andriamatoa Filoha, no tolotànana ilainao, ilaintsika, tena hatafavoaka antsika ?

Ny voalohany dia ny fitoniana sy ny filaminana. Ny filaminana akory tsy manafoana ny ady hevitra politika. Fa ny filaminana kosa dia mifanohitra amin’ny fambolena korontana sy ny fitanisana fanonganam-panjakana isan’andro vaky izao, na ny fanaovana sorona ny vahoaka efa sahirana, ny fanelezana tsaho hampihorohoroana ny vahoaka : tsy izany ny filaminana ! Mamosavy ny fisainan’ny sarambabem-bahoaka fotsiny izany ary hampihemotra ny te hiara-miasa amin’i Madagasikara.

Ny faharoa, izay takiana amintsika Tompokolahy sy Tompkovavy, dia miankina amin’izay filaminan’ny fiainam-pirenena izay ihany, dia ny fiantsoantsika ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena hifampiraharaha amintsika hanabe voa ny toekarem-pirenena, ilaintsika izany, ilaintsika hampandrosoana ny faritra maro izany, ilaintsika hampandrosoana ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana hamitany ny andraikiny izany, ilaintsika ihany koa ampitomboana ny kitapom-bolam-panjakana izany.

Ny fahatelo, izay tiako ambara aminao amin’ity androany ity, dia ny hoe, mila firaisan-tsaina, mila firaisankina izany. Izany no iantsoako anareo rehetra, iantsoako antsika rehetra hifanohana raha miaka-piakarana, hifampitsinjo raha midim-pidinana, hifampitantana raha mizotra an-tany marina.

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana,

Isan’ny tranga lehibe mifandraika amin’izany fivelarana ara-toekarena tadiavintsika izany ireo fihaonana fara tampony izay hifanesy amin’ity taona ity. Ao ny fihaonan’ny Parlemantan’ny Frankofonia, ao ny COMESA, ary ny Fihaonana an-tampony ho an’ny tany mampiasa ny teny frantsay. Amafisiko foana fa zava-dehibe ho antsika ireo satria fitaovana ho enti-manabe voa ny fiharian-karentsika ny fihaonana an-tampony tahaka ireny. Fotoana ahazoahna miresaka mivantana eto an-toerana amin’ny manam-pahefana ambony avy amina firenen-dehibe maro samihafa. Izany no hitranga eto amin’ny firenentsika, ary hampiroborobo, tsy am-pisalasalana, ny fiharian-karena eto amintsika.
Ka ny fanontaniana izay apetraka dia ny hoe, isika anateran-kira indray ve no hilaza fa tsy mahay ? Tandremo e ! tandremo tompoko ô ! ny manaratsy tena toa omby atsika, fa tahaka an’ilay efa nolaizaiko teo ihany hoe, sao mandrora mitsilany isika.

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana,

Ny zava-dehibe anankiray izay tokony hampieritreritra antsika dia izao : 56 taona aty aorian’ny niverenan’ny Fahaleovantena, mbola betsaka ny fahantrana, mbola betsaka ny fiankinan-dohantsika amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany, aoka haseho ny ambompon’ny Malagasy ary arovy mafy ny fiandrianam-pirenena, ka ity andro ity dia fotoana mba iarahantsika manao velirano amin’izany tanjona izany.
Ny antony iray lehibe izay mahatonga antsika amin’izany toerana misy antsika izany dia tsotra : ny fiainana ara-politika be korontana loatra no nisy teto amintsika. Hevero tsara fa olona 13 no nitondra an’i Madagasikara tanatin’izay 56 taona izay kanefa dia ny 6 tamin’izy ireo ihany no voafidim-bahoaka. Ny sisa azontsika lazaina hoe nitondra tetezamita.

Ny fifandimbiasam-pahefana amin’ny alalan’ny fifidianana ihany no vahaolana hampisy fitoniana eto amin’ny firenena, hampisy fampandrosoana eto amin’ity firenena ity, ary izay ihan y koa no fanajana ambony indrindra ny safidin’ny vahoaka.
Koa, inona no safidintsika ? Isika efa nisafidy ny handroso, ary efa miroso tanteraka eo amin’ny fampandrosoana isika izao.
Miantso anao aho hisian’ny filaminana, mila fotoana ny fananganana fotodrafitrasa fototra, mila vina mahataka-davitra ny Firenentsika tompoko, raha tena tiantsika ny hampandroso azy, ka ho azontsika refesina eo amin’ny fihatsaram-piainana ny fandrosoana. Tandremo fa be ny mamporisika anao hoe, aiza ny vitantsika, na dia efa nandroso aza.

Tsy azo teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza fa ny vary maitso hono tsy azo jinjaina ary ny omby mitsangana tsy azo hohanina.
Ary eto aho dia mitodika manokana aminareo tanora, amin’ny tanora malagasy rehetra : te hilaza aminareo hoe : SAHIA mijoro hanarina ny firenena. Manàna ambo-po miaro ny marina, ny rariny ary ny fihavanana. Mijoroa am-pahamendrehana amin’ny maha Malagasy, Arovy ny sotoavina sy kolotsaina maha-malagasy antsika. Ianareo no aoka hanitsy raha ilaina izany, ary hanatsara koa raha misy ny tokony hohatsaraina. Matoky tanteraka aho fa ny hevitra fananganana no be ao am-ponareo noho ny hevi-pandravana.

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana, Tompokolahy sy tompokovavy

Mirary ny soa sy ny tsara ho anareo, mirary koa raha mirary, mba tsy ho diso ny mahasambatra fa ho tojo ny mananjara ianareo, ary ho ampoky ny soa sy ny tsara hatrany, ka, raha fararano tsy ho vaky lovia, ririnina tsy ho rovi-damba, fahavaratra tsy ho rovi-tsarotro, lohataona tsy ho tapaka zaran’angady, main’efitra tsy ho vaky vilany, voka-katsaka tsy ho banga nify.

Ho fankasitrahana anareo miaramila, zandary ary polisim-pirenena nikarakara ny matso, dia omena fialan-tsasatra 24 ora ianareo.
Eo ihany koa ny fanatonana ny sazy latsaky ny 15 andro na fanagadràna teo anelanelan’ny 01 janoary sy 26 jona 2016.

Ary voaraiko ihany koa ny fangatahan’ny maro mikasika ny kabary izay nataokko tamin’ny volana janoary, koa ekentsika ny hanemotra hatramin’ny faha 31 desambra ny tsy fandoavam-bola amin’ny fanatanterahana famindrana ny tany lova amin’ny samy mpandova.
Izany no fanambintsika Tompkolahy sy Tompkovavy. Androany, amafiso ny fitiavantsika Tanindrazana, izay tsy ampy hoy aho, fa matoky ny tenako fa mandroso isika, ary maro no vonona, maro no manolo-tànana.

Dia samia ho tahian’Andriamanitra tompoko !

VONOY DAHOLO IZAY MANELINGELINA

11 FéVRIER 1975 – 11 février 2016
1975….Indray andro, hono, teny Ambohijatovo ambony teny dia nisy ny famonoana ny filoham-panjakana teto amin’ity tany ity. Bala maromaro no nandady ny vata-tenany tamin’io andro io. Tao anatin’ilay fiara Peugeot 404 miloko mainty (mainty toa azy?) no nitrangan’ny ra mandriaka. Kômandô voafantina sy mpanao vy very ny ainy avy tamin’ilay GMP (Groupe mobile de police) no nanao ny “asa mahafaty” toa an-dry Zimbo, Mara Seth, Laza Petit Jean, Maurice Alphonse, Boto…Vita “natavy “ teo an-tany fiadiana tamin’iny andro iny ihany koa i Zimbo sy Mara Seth. Dia mba nilaza ny “marivo salosana” sy ny mpandika vilana fa toa mitovitovy an’ilay nanjo an’i John F Kennedy tany Amerika tamin’ny 22 novambra 1963 iny “indray andro, hono-n’ny Gasy” iny…

Poa toa izay dia indreo fa niharihary ho hitan’ny rehetra fa nitsangana ny fahefana tetezamitan’ny foko valo ambinifolon’ny Gasy, izay notarihin’ny Jeneraly Andriamahazo. Tsy maintsy ny foko 18 no natambatra tamin’ny fomba mailamailaka satria marefo ny hoza-dohan’ireo “mpamono olona”. Tsy maintsy naseho ho hitan’ny rehetra fa mahay miatsaravelatsihy ao anaty fitondrana iaraha-mitantana ny Gasy erak’ity Nosy ity. Iza no tao ambadiky ny ridao? Iza ireo maivan-doha tsy mahalala izay tany asiana ny tongony? Iza no tsy mahalala fa resaky ny mpandany andro ny fiaraha-mitantana (baikon’ny sehatra any ivelany) tamin’izany ?

Ny 21 martsa 1975 ihany dia efa natao ny haingon-tsehatra rehetra fa mba hikaroka “ireo” izay nahavanon-doza ny Gasy. “Raha Andrian-dray aho, raha Andrian-dreny dia mba avohay ho hitan’ny voamasoko izay rehetra mpiketrika ny zava-doza teto amin’ity tany ity”. Izany angamba no tany anatin’ny tsikalam-pieritreretan’ny Gasy tamin’izany?… Saingy indrisy fa na dia nijoro teo anoloan’ny hazomeloka daholo aza ireo oloben’ity tany ity toa an-dry Tsiranana, Resampa, Rabetafika, Rajaonarison…sy ny maro hafa, dia nitsaha-niketrika ny “fampisehoana” satria nifarana maimaina foana teo izany ny 12 Jona 1975.  30 no noafahana, ny sisam-paty tamin’ireo kômandô no nivantana tany amin’ny fonja fa ilay /ireo tompon’antoka dia nangatsiakiaka hatramin’ity ny anio. Izay rehetra maty ho an’ity tany ity ve dia mbola ho velona ao ampon’ny vahoaka Gasy tokoa? Mbola ilaina ve ny hahatsiahy izany rehetra izany?

Inona izao no tombony azo tamin’ny famonoana ny filoham-panjakana? Efa tsy miady intsony ve ireo Merina nateraky ny mainty enin-dreny sy ireo komohina mihevitra ho ambony razana? Efa nilamina tamin’ny fananganna ny tetezamitan’Andriamahazo ve ny ady nampisaritaka ny anivon-tany sy ny an-tsiraka rehetra? Iza amin’ireo Gasy miaina amin’izao andro izao no mahafantatra fa misy mpamporisika ny fisian’ny fahasamihafan’ny fiaviana, ny finoana, ny fomba sy ny firazanana mba hamotehana ity tanindrazana ity? Iza no tsy hahay fa nasesika hiady isika hatramin’izay kanefa ady tsy misy mpandresy no nataontsika, ary ady nandeha tany amin’ny famotehana fa tsy ho fanorenana?

Mbola misy tokony hovonoina ve eto? Mbola misy fahavalon’ireo mpiatsaravelatsihy sy mpanao ny ampihimamba ny haren’ity firenena ity? Mbola misy mpitondra fivavahana ve eto ka mahita tombony amin’ny fandripahana ny mpanelingelina azy? Mbola misy andian’olona ve eto mitady hanompo ny mpaniraka azy ka tsy maintsy hamono sy handripaka izay tsy mihevitra afa-tsy ny ho an’ny Gasy? Raha misy ireo rehetra ireo dia omen-jo izy rehetra hamono sy handringana ny Gasy, vonoy daholo dia hanjakao izay sisa tsy maty. Aripaho sy potipoteho izany tombotsoan’ny firenena Malagasy izany dia ny “mpaniraka” ihany tompoina. [ato ny tohiny]…
Mpanoratra : Ony RAMBELO

Manjakamiadana: 20 Taona lasa izay

Fanontaniana. Ranomaso latsaka. Fo torotoro. Saina nivalaketraka. Izany rehetra izany no niatrehan’ny rehetra ny alin’ny 06 Novambra 1995, alina nahamay hotohoto ny Rova Manjakamiadana. Isan’ireny olona nahatsiaro ny ngidin’ny famoizana io Lovan’ny tantara io i Ramisarimanana RANAIVO izay ny alin’iny ihany dia efa nahavita nanoratra ny tononkalo, nanehoany ny alahelo miharo hatezerana tao anatiny. Atolotra anao ato anaty lahatsoratra.

 

20 taona lasa izay. Mbola itadiavana vola an-davitrisa maro fanampiny foana ho fanarenana azy

20 taona lasa izay. Mbola itadiavana vola an-davitrisa maro fanampiny foana ho fanarenana azy

 

I Z A ?

(Dian-drangotra nandritra ny afo)

Torovana ny fo, voatraika koa ny saina,

Fa aloka no sisa, hany mba ho tantaraina.

Dia… aiza indray aho zao no mba hirehareha!?

Eny e! ekeko fa mbola be dia be,

Ka nefa kosa anie, jereo anie ery e!!!!

Izy no avo indrindra, ‘lay lova tsy mifindra

Kanefa dia nahetry natao ambany indrindra.

Eny e! diso aho satria, fantatro fa Malagasy ray, Malagasy reny

No zary nahavita ireny rehetra ireny,

Fa mba iza moa izany!? Moa va tsy izaho ihany!?

Ny saiko angamba no efa diso tsy te-hahafantatra ny lasa

Fa hoe hibanjina ny ampitso, ka noheveriko ho angano

Dia nodorako ‘lay trano.

Sa… izaho ve no voakarama vola fa hoe milaza loza

‘lay antitra tsy mety sola, ka dia voatery nodorona!?

Na ndrao kosa ary misy ambadika tokoa

Na ‘reo mpanao politika no tsy mety afa-po!?

Tsia… tsy mino izany raha izaho, sa… ahoana hoy ianao?

Na izaho koa aza anie… io seza io mba nahamaika e!

Ka na izany aza anefa, dia any ve no hiantraika!?

Sao hanendrikendrika aho fa aleo zakaiko samy irery ‘ty hazo fijaliana ho ahy

Zay mafonja sy mahery.

Eh!!!! Indrisy…indrisy…, indro ankehitriny, indro fa tanteraka ilay tsy manan-tsiny

no trotraka sy reraka,

kila, potika, rava, nandavenona ‘lay haingo, dia apetrako ho baraingo :

IZA, IZA, IZA???

Tsia…! Ngidy sy tsy teliko eto an-tany raha izaho tokoa mantsy no dia nahavita izany.

Ny ràn’ilay rahalahiko angamba no niova volotany, na nihofaka ny hodiny

Ka tsy Malagasy intsony fa nivadika avokoa na ny sainy na ny fony,

Eny e! mivadibadika ny lelako, misavoro ny atidohako

Fa raha fantatro tsy avelako, na izaho aza hifoterako.

Sambasamba aho izao no mba sahy nihantsy tena,

Ahy irery anefa izany, fa ho anao, mitonia ry firenena

Fa tsy hahafantarana ny marina, sady… tsy aleo aloha manarina!

Fa ho anao Manjakamiadana, matoria, makà aina tsara aloha

Fa ianao dia mbola hitsangana, mbola hijoro toy ny teo aloha.

Ramisarimanana RANAIVO

06 Novambra 1995

 

lahatsoratra mifandraika amin’ny tantara:

MANJAKAMIADANA: 14 taona lasa

6 novambra faha-19 (Nahamay ny Rova Manjakamiadana)

 

26 Juin, Fetim-panjakana, Fetin’ny Foloalindahy, Fetin’ny Fahaleovantena…Nomena (?)

Notaritarihin’izy ireo teo am-pamoloana IZY…Nafatony mafy teo amin’ny tsatóka. Novelesiny tamin’ny karavasy mafy dia mafy…Manatrika izany ny vadiny sy ny zanany miisa enina…

Nitomany mafy dia mafy ny vadiny ary nifona sy nandohalika…Ireo zanany dia nipitrapitra tsy nahateny tsy naharotsaka akory na dia ranomaso indray mitete aza…

Nangataka ny hamahana ny fatorany IZY alohan’ny nitifirana azy…Dia nitifitra tamin’ny basy marovava ireo maty eritreritra…Maty IZY…kanefa nitraka ny vady aman-janany.
Tsy afa-po ireo “mpanondro molotra” fa dia nodorana sy natao ho lavenona ny tranony…

Ireo nikapoka, ireo nitifitra sy nandoro trano no NANOME ny fahaleovantena…Dia noraisin’ireo “mpanondro molotra” izany…

Soa fa OLONDIA ny taranany…IZY no maty fa tsy ny OLONDIA. Na may aza ny tranony dia nanorina ny taranany… Na nomena aza ny fahaleovantena dia mbola mikaroka izany ny taranany fa tsy hanaiky ny ankositra sy ny sandoka…

mpanoratra: ONY RAMBELO

ARENDRINA SINOA

DSC_0025

Ireo arendrina nahantona ho haingon’ny Araben’ny Fahaleovantena – Analakely

Arendrina sinoa,.. no andeha hovidiany,
Fa iny hono mantsy no maminy sy tiany,
Fa ireny hono… no lamaody sady manja
Hanandratany ny tenany ho olo manan-danja !

Fa naleon'ny fikambanana Association Tetezana Mada kosa nanjifa ny vita Mlagasy ho an'ireoankizy tohanany miaraka amin'ny Tetezanaonlus Itaia

Fa naleon’ny fikambanana Association Tetezana Mada kosa nanjifa ny vita Malagasy ho an’ireo ankizy tohanany miaraka amin’ny Tetezanaonlus Italia

Mba inona ny anao, izay baoritra manify
Raha miohatra ny azy dia kôtiany ho tsy misy
Tsy manintona ny maso, tsy mahasarika mpijery..
Fa efa dilan’ny ela, efa naman’ireo very !

Dia faly i « Kely maso », fa mandeha ny tsenabeny
Mody hatsangany ny saina mba haneho ny fahendreny
Dia ampiany doka kely hoe : « HO AVY IZAO NY FETY ,
IRENY NY ARENDRINA, KA JEREO IZAY METY » !

Ireo voazanaka ara-tsaina,dia nanisa ny isan-jaza,
Hividy ity arendrin’ny andro iray malaza…

Andro iray malaza…nahatapaka ny fonja ???
Sa….andro iray malaza ho an’ny kojakoja ????

Hono hoe : andro iray malaza ho an’ny firenena ,
Satria andro iray malaza ho an’ny fahaleovantena ?

Madagasikara dia arendrina sinoa,
Vitany manjelatra ka tretrika tokoa,
Mahajambena maso ny tara-pahazavany
Kanefa tsy ho ela..dia tsy hita no hiafarany..
KA SAINO MORA IHANY

Tsanta MIKANTO 19 06 15

6 novambra faha-19 (Nahamay ny Rova Manjakamiadana)

Mba miangavy ny olom-panjakan’ny repoblika mba hijery ny boky tahiry rehetra momba ny tantaran’ity Madagasikara ity. Rehefa tsy mahay sy tsy mahafantantra dia mbola maro ireo « mahatadidy ny ela » no azo anontaniana sy hakàna ny hevitra. Dia mankanesa eny Anosizato eny mba manao fanadihadiana tsotsotra fa ianareo rehetra ireo moa toa mahay sy havanana amin’ny « fitsikilovana » ny misitery miafina rehetra any ambadimbadika any. Anontanio eny Anosizato, fa teny no nisy an’ilay lehilahy iray nahafoy ny ainy tamin’ny fananganana ny rova itoeran’ny mpanjaka teto.

Mbola misy ny taranak’Itrimofoloalina eny dia asaivo hazavain’izy ireo ny tantaran’ny razambeny. Mila sorona sy fanomezan-kasina ny fanorenan-javatra ka dia nanolo-tena io Itrimofoloalina io  mba handatsaka ny ainy noho ny fitiavany ny mpanjaka sy ny fireneny; kanefa ny Mpanjaka dia nanana ny fahendrena ihany koa fa tsy « masiaka » lozan-tany amin’ny tsy antony ka ny sofin’Itrimo ihany no nandalovan’ny meso mba hampiraraka an-tany ny ràny. Dia vita ny sorona. Samy nahavita ny tokony ho azy sy ny adidiny, ary nahazo tso-drano ny taranak’Itrimo rehetra teto amin’ny tany sy ny firenena.

Fa manana ny adidiny ho amin’ny fiarovana izany tantara sy hasina maha-fanjakana ny fanjakana izany ireo mpitonona ho fanjakana raha tena any aminy tokony ny fahefana fa tsy hifandroritana amin’ity resaka  tsy hihinanan-kanina ity. Aoka hianatra ny mpitondra zatra kitapo latsaka fa raha ny lapam-panjakana no misy mihanika sy manafika, misy mandroba, misy mametaveta dia tokony hangina ve ny ambanilanitra ?  Hiray hevitra amin’izay manatontosa an’izany ve ny olompirenena ?

Ony Rambelo