Leo an’izao fomba fitondra izao

Hoy i Pety RAKOTONIAINA indray andro izay :

« Manova olona ny seza »

Hasorenena no nandrenesako fa voasambotra ny CT RAZANAKOTO Marcelin. Tsy izay antony tsy fantatro any no tiako ho tsipihana, fa izay tsaroako fotsiny dia izy nangataka ny fialan’Atoa Andry Rajoelina.

Izao izany, raha misy mangataka ny fialan’ny mpitondra dia efa miomàna fa ho voakitikitika ianao. Nefa iza moa no tsy nanao toy izany tamin’ireto olona ireto: RAKOTOARIVELO Mamy, ZAFY Albert sns…

Toa resaka fisandohana ho CT sy intervention, hono ilay izy, nefa ny decret de nomination mbola tsy abrogé, no sady tsy mbola nahazo taratasy filazana fa hoe tsy CT intsony io olona io. Nefa mbola tolorana ny tombontsoa amin’ny solika ihany. Mahagaga an.

Ny zavatra mahagaga ahy koa dia izao, maninona ireo olona marobe miantso anaty radio mangataka ny fialan-dRakoto, Rabe, PM, Minisitra sns, no tsy tadiavina koa ny laharany dia samborina tsirairay.

Raha izao an, tsy dia hahagaga ahy raha sanatria misy ireo mpanao sarisary anaty gazety (caricaturistes) ho samborina koa atsy ho atsy fa hoe nanao sary ratsy endrika an’i Manandafy RAKOTONIRINA, na Andry RAJOELINA, na Mamy RAKOROARIVELO, sns …  izay toy ny rano fisotra any rehetra any. Eto amintsika no asa. FA MANKAIZA ISIKA ITY E ?

Mikiaka aho androany fa endrika JADONA izao miverina izao.

Nangataka fiovàna ny olona, ary dia nanantena an’izany. Isan’ireny ny tena,  tamin’ny fotoan’andro nahatsiarovana hoe toa misy endrika didiko fe lehibe teto amin’ny firenena, saingy raha toy izao no zava-misy dia indramiko ilay fomba fitenin’ny tanora tovovavy hoe « Aleo tsy misy toy izay polisy », rehefa te-haneho hevitra momba ny tsy fitiavany zavatra iray izy ireny.

Raha izao zava-misy amin’izao fotoana izao indray no itarafako ny ampitso, dia sarotra amiko  ny hino fa hisy fifidianana malalaka sy mangarahara tokoa eto amin’ity Tanidrazako ity.

Niala an’Ankatso ianao ry Tanindrazako ka tohitra an’Ambohidempona.

Aza manantena ny hahazo ny vatom-pifidianako aloha eeeee, Ianareo rehetra mouvance 4 ireo. LEO , LEO, LEO

Toa mety tokoa ilay sangisangin’ny olona hoe aleo ry zalahy ireo atsofoka anaty trano iray, dia asaina manao 1 sy 1, dia izay tonga amin’ny famaranana ka mivoaka mpandresy no avela hijanona eo, Ny sasany aza moa miteny mihitsy hoe atsofohy ho ao dia apoaka miaraka ao, Aza hitako anie izany! Ary enga anie tsy hisy. Fa tsy sanatria isika vahoaka efa nataon’ireo sorona hatrizay no hamerina ny fomba ratsy fanaony teo aloha.

Ary mba TONGAVA SAINA KOA ILAY VAHOAKA E, Voninkazo anie no aterina ho anao, dia fao-dranomaso ho an’ny fianakaviana e, fa avy eo ry zalahy ireo hiray latabatra ihany. Dia izay ianao vao ho vaky fo sy hipotsa-maso ve sanatria?  Hitako izany teny Ambohitsorohitra tamin’ny #7fevrier 2012 teo rehefa nandinika ireo mpanao politika rehetra tonga teny aho.

Fankalazana ny #7fevrier (2012)

Toy ny efa nahazatra ny Fitondrana Tetezamita dia nakalazaina ny fahatsiarovany ny 07 febroary tamin’ity taona ity. Marobe ny olona tonga nanotrona (samy manana ny fomba nanotronany moa ny rehetra). Tsinjo teny Amboasarikely nanoloana ny Moneygram sy ny MCB ny fitangoronan’ny olona mifandrombaka ankanjo T-Shirt, sy raha ny feo heno ihany koa dia miandry ny vola « solon-tsakafo » nampanantenaina.

Ankoatry ny fampahatsiahivana ny lasa nataon’ireo mpandray fitenenana, sy ny fandefasana sary (toy ny tany aloha ihany) natao tamin’irony fàfana lehibe irony, dia nisy koa ny fandraisam-pitenenan’ny solontena avy amin’ireo nizaka ny vokatr’iny hetsika, toy ny AV7 #7fevrier2009 iny.

Maro be ny tonga hoy aho, saingy ny tena nampiavaka ity fankalazana iray ity dia ny tsy nahatongavan’ny Praiminisitra Beriziky sy ny Filohan’ny CT Mamy Rakotoarivelo ary ny nandraisana ilay bilaogera mpanoratra malaza avy any Tonizia ( Lina Ben Mhenni ), mafàna fo amin’ny fanoherana ny tsy rariny, tsy mba manaiky lembenana na resin-tahotra amin’izay ataony.

Hita sy tsinjo teny koa ny sasantsasany tamin’ireo mpanao politika zatra ny milomano ao anatin’ity sehatra iray ity. Nisy ireo mpanohitra ny Tetezamita tany aloha, nahazo toerana, mbola miara-mitantana ao, na ireo efa avy tao no niala.

Alohan’ny hampiaianana an-tsary anao mpamaky ny zava-nitranga teny #Ambohitsorohitra tamin’iny fotoana iny, dia tsy aritra ny tsy hitondra fanamarihana hoe, fa maninona moa no tsy maintsy notapahana tsy ho azon’ny rehetra hivezivezena ny mandalo amin’iny Photorama, BMOI, BOA, BFV mankany Ambatonilita iny? Dia mba izay dia làlana mamonjy ny toerana hisy ny mpanotrona sisa no notapahana. Betsaka ny toeram-pivarotana vaventy teny amin’io faritra io no voatohintohina tsy afaka nanao ny asa fitadiavany isanandro noho izay fanakatonan-dàlana izay. Azo natao tsara indray avy eo rehefa hiala ny toerana ny Filohan’ny Tetezamita, ny manapaka vetivety ny làlana mba handehanany.

Vita izay ny fanamarihana, fa ndeha hitety an-tsary mandritra ny fotoana vitsy ny andron’ny #7fevrier2012 teny Ambohitsorohitra isika

Lina Ben Mhenni ilay Toniziana nandray fitenenana ho fandrisihana ny Malagasy tsy hihemotra amin'ny fitakiana ataony

Misy fandraisam-pitenenan’i Lina Ben Mhenni  sy irao nijoro ho vavolombelona ato

Ato ny Vidéo misy ireo teny voalazan’ny sisam-paty sy mizaka  ny vokany

 

Filaharana miandry akanjo "AMPY IZAY" sy solon-tsakafo koa angamba

ny hery fiarovana teny amin'ny manodidina an'Ambohitsorohitra

Aty jerena fa alaina sary aianreo!

Fisavana tamin'ny faritra sasany teny akaikin'ny Lapam-panjakana

Ny akanjo nozaraina tamin'ireo mpanotrona, lasa hatrany Tonizia ho fahatsiarovana

Ferana ny hafainganam-pandeha fa sao dia mandona ireto sezam-boninahitra ireto an! Sao hanjera ny pilipitran'ingahy Andry Rajoelina eo koa...

Ankoatry ny zavatra hafa dia hahazo raozy kely hatao an-tratra koa ireo nasaina

Ilay tsangambato natao ho an'ireo lavo teto amin'ity toerana ity

...ary m,bola nisy nahatahiry T-shirt toy vaovao an, nefa efa tamin'ny fampielezan-kevitra ireny ENY ireny

Ny fomba ratsy tsy adino mihitsy Tsoahana ny efa azo, dia miverina indray maka hafa sitrany ahay mba mahazo fitafiana ny fianakaviana manontolo

izaho no nitarika ny olona tety, fa rehefa ho ratsy ny tantara avoty aho ry tongotro!

OOaayy izany palitao double-face be dia be eeee!

Hatraiza hatraiza dia misy ny mahazo (miady) seza, dia misy ny eny an-jorony

Nisy teny hafahafa nivoaka ny vavan'ilay iray fohifohy io fa tsy azo ambara eto. Bedy eo annnn!

Banga tsy misy mpipetraka ireto seza ireto, nefa iadiana fo aman'aina ny hitazonana azy (PM / CT)

Alehibeazo ny sary dia ho hitanao fa toa hifamely izy raoalhy ireo, soa fa eo ilay ramatoa hanasaraka an

tonga ny tompom-paety

ilay fihetsiky ny mpiambina sy ny karavato mitovy no mahasarika ahy eto

Nomena fitenenana ny vahiny teto

....AMPY IZAY....Samia mandika sy mandray an'izay teny izay araka izay tiany avy

...hametraka voninkazo ....Teto dia noheveriko fa mbola 1 novambra, hay moa ka diso daty aho

...voninkazo sy vato no anjaran'ny maty...fa ny fampisohoana mantsy natao ho an'ny mason'ny velona

Veloma ianareo fa hatreo ihany no anjarako....

....rava ny tsena...ny artista no mbola ao, fa ny mpanotrona efa manomboka miala kosa...

....tsy maintsy mamonjy fodiana daholo na Gasy na vazaha....

Dia mba handeha hatory koa aho fa efa amin’ny 10 ora alina izao…maika hanonofy fifidianana madio sy malalaka. Asa aho raha mba ho lany raha hilatsaka…. AOKA IZAY fa toa manao revin-gadra aho izany.

Fandefasana olona hiasa any #Liban #Saudia Arabia #Koweit

Niniana najanona ho amin’ny teny vahiny ny anaran’ireo firenena natao ery amin’ny lohateny satria tiako koa mba ho hitan’ireo any an-toerana hoe misy mahafantatra ary tsy miafina ny zavatra ataony, na tsy ho fantany aza izay voasoratro eto

Ny tiana hahatongavana amin’ity lahatsoratra ity dia tsotra. Tsy navoaka mba hampivarahontsana fotsiny sanatria izay lahatsary (video) ho hitanao eto, fa kosa mba hahatonga anao hieritreritra fa tsy zava-mora ny hiandry ireo havana sy tapaka, na namana, manapa-kevitra ny handositra ny fahantrana eo amin’ny taniny ka handeha hitady ravin’ahitra any amin’ireo firenena voalaza ery ambony ireo.

Rehefa tsy takaitra mandra-maty no mety ho azonao any, vokatry ny daroka, sy fanondrahana rano mangotraka (santionany fotsiny ireo), dia ny henjana indrindra no farafidy azo eritreretina: ny  fahafatesana.

Fantaro fa ry zareo any ampita, toy ny atsy Indonezia ohatra, dia efa manana foiben-toerana arifomba hanofanana ireo olona heverina fa handeha ho amin’izany lalan-jotra izany. Nefa ny antsika eto Madagasikara va re mba misy an’izay fanofanana miaraka amin’ny fitaovana sy efitrano arifomba izay e?

Na dia eo aza anefa ny fiofanana narahan’ireo vehivavy (mety ho lehilahy koa) indoneziana ireo alohan’ny niaingany ho any Arabia Saodita, na Liban, dia tsy fiarovana amin’ny herisetra mety hanjoa azy ireo ireny rehetra ireny, indrindra fa rehefa sendra n y mpampiasa olon-doza, olon-tsy vanona, tahaka izay hita anatin’ireo lahatsary ireo.

Nisy ireo vahiny nitondra fanehoan-kevitra tamin’izy ity, no nanoratra toy izao:


  •  Teddy Picker The reason is Indonesia is one of some countries which have high corruption rate, it often makes the money for education ‘lost’. Beside education is still expensive for some people. The other matter some Arabian see the worker as their slave. They’re not!
    Dikanteny malalaka nofintinina:.ny olana iray koa dia andevo no fijerin’ireo Arabo sasany ny mpiasany

  • Teddy Picker In addition: From Arabian Prophetic tradition. Having sex without married isn’t allowed except with slave. It’s the reason to ‘attack’ the female workers so it often makes the Arabian wife attack (for real) them. But attack/killing ppl is Haram in Islam.

    Dikanteny malalaka nofintinina: …Voarara ny fanaovana firaisana amim-behivavy tsy vadin’ny tena (Fanamarihana: tsy mpanampy na andevo) afa-tsy amin’ny andevo irery ihany (mpanampy na mpiasa an-trano, izay andevo no fijerin-dry zareo azy). Izany no antony amelezana ireo mpiasa vavy izay matetika dia ny vadin’ilay lehilahy mpampiasa no manao ny habibiana amin’izy ireny….

Nefa moa na misy aza ny toy izany, dia misy foana koa ny mbola mandeha amin-tahotra. Ndeha hataontsika hoe mety tsy mbola nahita ny lahatsary izy ka tsy omen-tsiny. Fa ianao kosa efa nahita, ka zarao ny vaovao.

Tsy tiako ho lava loatra ny resako, fa fanontaniana iray na roa no entiko hamehezana azy:

1* TAORIAN’NY NAMOAHANA IRETO LAHATSARY IRETO, IZA NO MBOLA SAHY HANDEHA HO ANY?

2* TAORIAN’NY NAHITANA IRETO LAHATSARY IRETO, IZA NO MBOLA SAHY HITENY SY HAMPORISIKA NY HAFA HANDEHA HO ANY?

lahatsoratra mifandraika