Fandefasana olona hiasa any #Liban #Saudia Arabia #Koweit

Niniana najanona ho amin’ny teny vahiny ny anaran’ireo firenena natao ery amin’ny lohateny satria tiako koa mba ho hitan’ireo any an-toerana hoe misy mahafantatra ary tsy miafina ny zavatra ataony, na tsy ho fantany aza izay voasoratro eto

Ny tiana hahatongavana amin’ity lahatsoratra ity dia tsotra. Tsy navoaka mba hampivarahontsana fotsiny sanatria izay lahatsary (video) ho hitanao eto, fa kosa mba hahatonga anao hieritreritra fa tsy zava-mora ny hiandry ireo havana sy tapaka, na namana, manapa-kevitra ny handositra ny fahantrana eo amin’ny taniny ka handeha hitady ravin’ahitra any amin’ireo firenena voalaza ery ambony ireo.

Rehefa tsy takaitra mandra-maty no mety ho azonao any, vokatry ny daroka, sy fanondrahana rano mangotraka (santionany fotsiny ireo), dia ny henjana indrindra no farafidy azo eritreretina: ny  fahafatesana.

Fantaro fa ry zareo any ampita, toy ny atsy Indonezia ohatra, dia efa manana foiben-toerana arifomba hanofanana ireo olona heverina fa handeha ho amin’izany lalan-jotra izany. Nefa ny antsika eto Madagasikara va re mba misy an’izay fanofanana miaraka amin’ny fitaovana sy efitrano arifomba izay e?

Na dia eo aza anefa ny fiofanana narahan’ireo vehivavy (mety ho lehilahy koa) indoneziana ireo alohan’ny niaingany ho any Arabia Saodita, na Liban, dia tsy fiarovana amin’ny herisetra mety hanjoa azy ireo ireny rehetra ireny, indrindra fa rehefa sendra n y mpampiasa olon-doza, olon-tsy vanona, tahaka izay hita anatin’ireo lahatsary ireo.

Nisy ireo vahiny nitondra fanehoan-kevitra tamin’izy ity, no nanoratra toy izao:


  •  Teddy Picker The reason is Indonesia is one of some countries which have high corruption rate, it often makes the money for education ‘lost’. Beside education is still expensive for some people. The other matter some Arabian see the worker as their slave. They’re not!
    Dikanteny malalaka nofintinina:.ny olana iray koa dia andevo no fijerin’ireo Arabo sasany ny mpiasany

  • Teddy Picker In addition: From Arabian Prophetic tradition. Having sex without married isn’t allowed except with slave. It’s the reason to ‘attack’ the female workers so it often makes the Arabian wife attack (for real) them. But attack/killing ppl is Haram in Islam.

    Dikanteny malalaka nofintinina: …Voarara ny fanaovana firaisana amim-behivavy tsy vadin’ny tena (Fanamarihana: tsy mpanampy na andevo) afa-tsy amin’ny andevo irery ihany (mpanampy na mpiasa an-trano, izay andevo no fijerin-dry zareo azy). Izany no antony amelezana ireo mpiasa vavy izay matetika dia ny vadin’ilay lehilahy mpampiasa no manao ny habibiana amin’izy ireny….

Nefa moa na misy aza ny toy izany, dia misy foana koa ny mbola mandeha amin-tahotra. Ndeha hataontsika hoe mety tsy mbola nahita ny lahatsary izy ka tsy omen-tsiny. Fa ianao kosa efa nahita, ka zarao ny vaovao.

Tsy tiako ho lava loatra ny resako, fa fanontaniana iray na roa no entiko hamehezana azy:

1* TAORIAN’NY NAMOAHANA IRETO LAHATSARY IRETO, IZA NO MBOLA SAHY HANDEHA HO ANY?

2* TAORIAN’NY NAHITANA IRETO LAHATSARY IRETO, IZA NO MBOLA SAHY HITENY SY HAMPORISIKA NY HAFA HANDEHA HO ANY?

lahatsoratra mifandraika

Publicités

Malagasy iray maty tany Libanona (Liban), nampodiana mangingiana

Ny andron’ny Zoma 23 Septambra 2011 dia samy namoaka momba ny fahafatesana vehivavy Malagasy iray nila ravinahitra tany Liban, na ny gazety l’Express de Madagascar, na ny gazety L’Orient Le jour (mpiseho isan’andro amin’ny teny frantsay ao Liban).

Araka ny Express de Madagascar dia iray volana taty aorian’ny nahafatesany vao nampodiana an-tanindrazana ny vatana mangatsiakan’i Raharisoa Voahangimalala, 30 taona, renin-jaza roa 13 sy 10 taona ary avy ao Ankadindratombo, Antananarivo.

Efa nahavita ny fifanarahan’asa 3 taona nataony teo aloha izy, ary tao anatin’ny iray vaovao vao navaoziny kosa amin’izao izy nindaosin’ny fahafatesana izao. Tany aloha hoy ireo olona akaiky an’i Voahangimalala dia efa nitaraina ho fanina sy manao reradreraka izy, saingy tsy sakana ho azy nanavaozany ny fifanarahana izany. Efa ho iray volana sy tapany talohan’izao nahatongavan’ny razana izao no efa nampandrenesina ny momba ny nahalasanany ny fianakaviany; fahalasanana tsy fantatra mazava ny antony. Fahalasanana izay mbola nameperana ireto fianakaviana ihany koa mba tsy ho be resaka momba ny raharaha, ary nandraisan’ireto farany vola 8.000.000 Ariary (40.000.000 Fmg) ho toy ny « assurance ». (ato ny tohiny)

Fa mba ahoana kosa hoy ity gazety vahiny ity?

L’Orient Le Jour

À La Une
Encore une employée malgache décédée au Liban
23/09/2011

Sary tahiry an’ny AFP

[…..]

La dépouille mortelle d’une femme malgache ayant travaillé au Liban a été rapatrié dans la nuit du 21 septembre vers son pays. Voahangimalala Raharisoa, âgée de 30 ans et mère célibataire de deux filles de 13 et 10 ans, est pourtant décédée depuis un mois et demi.

[…..]

Seule sa famille est venue accueillir son corps à l’aéroport d’Ivato, ce mercredi à 21h45. [….] quelqu’un leur aurait suggéré de ne rien dire sur l’arrivée de la dépouille, rapporte vendredi le quotidien malgache « L’Express de Madagascar ».

[….]. Avec la dépouille, la famille a reçu une somme d’argent (Ar 8 000 000), une partie de son assurance vie. La raison pour laquelle il a fallu un mois et demi pour le corps soit rapatrié n’a pas été précisée.

[…..]

Un calvaire qui dure

Quatre-vingt-six jeunes femmes malgaches maltraitées au Liban, où elles s’étaient expatriées pour travailler comme employées de maison, avaient été rapatriées par leur gouvernement en mars dernier, a rapporté l’AFP.
« La plupart de ces 86 personnes se sont enfuies de chez leur employeur, a expliqué Nadine Ramaroson, ministre malgache de la Population, venue les accueillir à l’aéroport d’Ivato, près de la capitale Antananarivo. [….]

En un an (jusqu’au mois de mars), 17 corps de femmes malgaches décédées sous les coups de leurs employeurs ont été rapatriés du Liban, selon le Syndicat des travailleurs diplômés en travail social (SPDTS), ONG qui assiste à Antananarivo les victimes et leurs familles. En 2010, l’ONG a compté plus de 500 travailleuses rentrées à Madagascar avant la fin de leur contrat. L’Etat malgache recense plus de 6.000 travailleuses expatriées au pays du Cèdre.

Tsy ny Libane rehetra anefa no ratsy saina sy fitondra vahiny raha ity fanamarihana nentin’ny iray amin’ireo mpaneho hevitra ity no dinihana:

Nayla Tahan Attié: C’est une HONTE… Je me permets, étant libanaise, de critiquer mes compatriotes qui maltraitent ces filles…. Les médias se doivent de dévoiler les noms et prénoms des employeurs…. C’est un devoir, en mémoir de Voahangimalalam mais aussi, par respect et par prévision d’autres mauvais traitements à d’autres filles. Je voudrais dénoncer, ici, dans les pages de l’Orient Le Jour, un cas de racisme extrême. Au Jeita Country Club, il y a une fille dont j’ignore la nationalité, qui travaille dans une famille libanaise. Cette famille n’ayant pas la place pour la loger, a construit à la va vite une pièce dans le parking souterrain, où la travailleuse dort, avec le chien. J’ai déjà contacté Caritas… Je ne sais pas s’ils ont agi… Ils sont dans le Bloc C. J’espère que quelqu’un pourra faire quelquechose pour savoir si cette fille est bien, ou maltraitée…. Merci d’avance à toute personne qui pourra me donner des nouvelles

Nayla Tahan Attié: Mahamenatra… Sahiko, amin’ny maha-Libane ahy, ny manakiana ny mpiray fihaviana amiko manao ratsy fitondra an’ireny tovovavy ireny… Tokony hamoaka ny anarana sy fanampin’anaran’ireo mpampiasa ny mpampahalala vaovao rehetra…. Adidy izany, ho fanomezana voninahitra an’i Voahangimalala sady koa, ho fanajàna sy ho fisorohana ny fitondrana tsy mendrika mety mbola hoavy amin’ireo tovovavy hafa. Dradraiko ho fanta-poko, ho fanta-pirenena etoana, eto amin’ny pejin’ny L’Orient Le Jour, ny fisian’ny fanavakavahana tafahoatra. Ao amin’ny Jeita Country Club, misy tovovay iray izay tsy fantatro ny zom-pirenena ananany, miasa ho anà fianakaviana Libane iray. Io fianakaviana io dia tsy manana toerana hametrahana azy, ary nanangana an-kamehana faritra kely ao amin’ny parking ambanin’ny tany, ka ao ilay mpiasa vavy no matory miaraka amin’ny alika. Efa nifandray tamin’ny Caritas aho… Tsy haiko na efa mba nihetsika ry zareo… Ao amin’ny Bloc C no misy an-dry zareo. Antnaiko fa mba hisy olona afaka handray fepetra mba hahafantarana na mety na tsia ny fomba fitondra io tovovay io…… Misaotra mialoha an’izay afaka mba manone fanampim-baovao ho ahy.

Asaiko ianareo mpamaky mba hamaky ireo fanehoan-kevitra maro nataom’ireo rehetra namaky io lahatsoratra ao amin’ny L’Orient Le Jour io (izay mahay sy mahazo ny teny frantsay, mazava loatra)

Rohy mifandraika amin’ity resaka mpila ravinahitra any Libanona ity ao amin’ny

* gazety Madagascar Tribune

* vohikala allafrica.com
* http://www.indian-ocean-times.com/Madagascar-Elle-a-accouche-avant-d-etre-incarceree_a2888.html

Liban / Libanona: Ny Fiainan’ireo Mpiasa An-Trano Mila Ravinahitra Any

Na dia mety tsy ho feno araka izay andraindrain’ny mpamaky amin’ny teny Malagasy aza angamba izay ho voalazan’ny lahatsoratra navoakan’ny

Global Voices Online Malagasy, dia inoako kosa fa hanampy ihany amin’ny fanakàrana ny fepetra iainan’ireo mpiasa an-trano mila ravinahitra any Liban / Libanona.

Isan’ny voaresaka ao anatin’ny lahatsoratra i Madagasikara, ankoatra an’i Filipina , Nepal sns…

Lahatsary avy amin’ny vohikalan’ny Global Voices Online

Efa nisy lahatsoratra navoaka teto momba azy ity ary niteraka fanehoan-kevitra avy amin’ireo mpomba sy mpanohitra ny fandehanana mankany.

Tsy haneho hevitra mikasika ny lahatsoratra ny eto amin’ity bilaogy ity mikasika izay voalaza, fa kosa mampahafantatra fotsiny anareo mpamaky, fa tsy ny teto ihany, na ny ankizy niverina avy ihany izay noheverin’ny sasany fa sendra ny mpampiasavitsivitsy tsy manara-penitra no niresaka mikasika azy io, fa dia ny mpampahalala vaovao iraisam-pirenena mihitsy aza. Ny mpamosavy tokoa mantsy tsy masina an-taniny,hoy ny fahendren’ny Ntaolo Malagasy.

Ampianarina teny vahiny izy ireo any an-toerana, mba hahafahany maneho ny zony. Fikambanan’olona mpiasa an-tsitrapo no mantanteraka izany. Zom-pirenena samihafa ireo mpiasa manaraka ity fampianarana teny vahiny atao any an-toerana ity isaky ny Alahady.

Lahatsary avy amin’ny vohikalan’ny Global Voices Online

Ato ny lahatsoratra mifandraika amin’izany, amin’ny teny Frantsay, Anglisy

Liban-Madagasikara: Iza no mbola te-handeha hiasa any?

Resadresaka nifanaovako mivantana tamina namana iray monina sy mipetraka any an-toerana (Liban – Libanona) efa ho 14 taona izao ampitaiko aminao manaraka izao. Tsotra ny tiana hahatongavana: Be izay ranomainty lanin’ny gazety an-tsoratra izay, tataka ny vavan’ireo mpilaza vaovao nanambara ny zava-misy iainan’ny ankamaroan’ireo Malagasy nisafidy handao tanindrazana noho ny fitadiavana. Misy ny fomba fiteny hoe ‘mandeha mitady asa’, saingy misy koa ny ‘mandeha mitady vola’ ka iza amin’izy ireo no azo anasokajiana ny maro amin’ireo Malagasy nisafidy ny handeha any Liban mba hijery lanitra vaovao?
Sombiny ihany tamin’ireo resaka efa ho ora iray no entina etoana. Araho ary:
27 Febroary 2011 ny andro, amin’ny 10 ora alina latsaka kely
21:55
miarahaba e
manao ahoana ny any Libana any amin’izao?

manaona
ny aty ny fiandrasana zany avion zany no malaza
misy ny ankizy efa te hody

fa anisan’ny hody angaha ianao?

nonnnnnnnnn
6000 malgaches ny eto liban

260 ono no te hande

ok

ka toa oe ho avy tsy ho ela anie e
zay no henonay aty

ka tena miandry ny ankizy
misy ireo gasy any amponja koa mantsy

15 hono
andraso fa hataonay tam tam aty ary ny resaka momba an’io avion io raha izany e
efa nasiako aloha eto amin’ny FB fa ny any amin’ny Twitter no alefako afaka minitra vitsy

merci

dia ahoana ny amin’ireo gasy any amponja ireo? tena nanao hadalana sa tsindry hazolena

tsy misy manao adalana zany aty
fa tsy manana paps ny ankizy dia mitsoka
dia tratry ny polisy

fa iza no tena mitazona ny passport rehefa tonga any e?

zany ny lalana eto e
ny mpampiasa mitazona ny passeport

angaha rehefa tenenina ny polisy hoe nogiazan’ilay patron dia tsy mety manao demarche?

tsy misy droit zany eto e
refa tena mijaly ny ankizy de mitsoka no fanafodiny

gravy kosa izany an

ho faty ao kosa v izy
zany ny aty
kestion de chance
misy ihany ny olona tsara
ohatra ny erantany re!

ary manao ahoana ny fifanohanareo samy Gasy manoloana an’izany?

tsy misy
tsy miray hina ny gasy eto liban
tsy misy association na gasy matotra eto
zay koa ny tena bleme eto
rehefa mijaly ny ankizy any @ contrat de tsy hita mihitsy oe iza no antsoina

mampalahelo izany

ie
mampalaelo
mbola ho ela vao ho resolu ny probleme liban

kivy be aho mieritreritra an’izany

ie

izaho izao nihevitra fa mba efa milamindamina io resaka io taorian’ireny faty nifanesy tonga taty ireny

negatif b e

ka zahay anie ary mahare oe mbola misy gasy miditra ihany ono eto e

ka io no tena mahakivy ahy anie e, na efa be aza ny faty tonga, na be aza no efa niteny tamin’ny TV sy Radio, dia mbola be ihany no te handeha fa manantena ilay teninao hoe misy tsara, misy ratsy dia mi-tenter chance

zay koa aza gaga ko
mitenter chance e

tsy misy maharatsy azy, saingy raha eto akaikin’ny fianakaviana no misedra ny mafy, mbola mba misy antenaina, fa raha any an-tany lavitra any, tena mazana be

justement
fa misy koa aloha ny ankizy tsy motivé  e
tsy fantany inona no alehany aty
misy ny tsy vonona hiasa

hadalana be izany

aty ange tena miasa e
fa ny asa aloha dia misy ra tsy kamo e
mbola azo hiainana eto

ka ny olana dia ny olona sasany mitady vola fa tsy mitady asa, asa raha azonao ny tiako holazaina, tsy te hisahirana

azoko

fa angamba ataony fa tonga ho azy eo ny vola

misy reny eto, zay anie

zay no mahatonga ny ankizy efa ela teto na mody aza dia miverina
satria nahita ny tsirony teto
b d b ny zavatra mila amboarina e, voalohany ny fanazavana ny te hande fa tena miasa aty

ny malaina hisahirana izany no tena betsaka mandeha any raha azoko tsara ka nony tonga any vao torana mahita hoe tsy an-jaza ny

zay mihitsy

misy koa ny mievitra oe any andafy de mitady vady
tsy misy ho vadiana eto e

tena marina io resakao iray io an, be ny vehivavy gasy izao no tsy manan-draharaha afa tsy ny mitady vazaha ho vadiana amin’ny aterineto

marina io
14 ans za no teto liban
zany mantsy
tsy dia microire io vady en ligne io za
hevitrako manokana io

misy izao lasa tany Belgique tany hono fa nony tonga tany dia vadina mpiasa any amina ferme fiompiana avy eo vao manenina

22:20

ka any anie vao mahita e
azo foronina doly anie etoe
ka izany no mahavendrana ny sasany
tsy mandalina fa mijabaka fotsiny

ka manambady vazaha re !

adala be daholo. Mbola ho ela io vao ho voafafa satria raha ny generation miaina izao aloha dia mbola ilay mihevitra ny suprematie vazaha foana, na vazaha mainty io na vazaha fotsy an

lol

heveriny fa ny vazaha dia synonym paradis foana
justement
mentalite gasy io
laozako kely aloha ianao
bonne soiree !

misaotra nampahalala vaovao, manantena ny mbola ho tafaresaka amin manaraka

mandrampanoratra indray e

veloma

Dia toy izay ilay fampitàna vaovao sy zava-misy avy any Liban.  Anjaran’ny tsirairay ny mandalina, hoy aho, ary dia mba miandry ilay fiaramanidina manokana nampanantenaina azy ireo ny rahalahy sy anabavy te-hifankahita tava amin’ireo nilaozany ela teto Madagasikara. Tsy fotoana hifanomezan-tsiny sy handatsana intsony izao ka hitenenana hoe tsy nisy noterena ry zareo handeha ho any Liban, fa fotoana kosa itadiavana ny vahaolana.

Ny FISEMA sy ny raharaham-pirenena

FIRAISAN’NY SENDIKAN’NY MPIASAN’NY MADAGASIKARA

CONFÉDÉRATION GÉNÉRALE DES SYNDICATS DES TRAVAILLEURS DE MADAGASCAR  AFFILIÉE A LA CONFÉDÉRATION SYNDICALE INTERNATIONALE – C.S.I.
Lot III H 8 ISOTRY B.P. 172, Antananarivo- 101

FISEMA ANTANANARIVO
Tél: (261)33 11 874 14

FANAMBARANA

Ny Birao Foibe FI.SE.MA. dia faly miarahaba ny Mpikambany rehetra manerana ny Nosy, ny Mpiasa ary ny Vahoaka Malagasy tsy vakivolo noho ny taona vaovao 2010 ary manao izao fanambarana manaraka izao:

Momba ny raharaham-pirenena<

Herintaona izao no niainan’ny Vahoaka Malagasy tao anaty krizy politika lalina izay niteraka fahasahiranam- be ara-toe-karena sy sosialy. Izany dia azo fehezina amin’ny tsy fandehanan’ny fandraharahana amin’ny ankapobeny ka mampihisatra ny fampandrosoana sy mampitombo ny fahantrana. Santionany amin’izany ny fikatonana orinasa an-jatony maro izay niteraka sy mbola hiteraka fandroahana mpiasa an’alina maro; manginy fotsiny koa ny fahatapahan’ny fiaraha-miasa maro natao hiadiana amin’ny fahantrana.

Tsy lavina fa tena mitady fiovana lalim-paka hitondra azy ho an’ny amin’ny tena fivelarana sy ny fandrosoana marina ny Vahoaka Malagasy noho ny tsy fahombiazana sy ny tandrevaka tamin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana nandritry izay 50 taona nahazoana ny Fahaleovantena ara-politika izay. Tsy takona afenina fa nikoroso fahana sy niha-nahantra hatrany ny  sarambaben’ny Vahoaka Malagasy, na dia teo aza ireo tarehi-marika nohindrahindraina momba ny fiharian-karena, ary ireo mpitondra sy ny mpiray tarika aminy ihany no nitombo harena tamin’izany. Mahatsapa ny vahoaka fa very hasina tanteraka izy ireo ankehitriny eo imason’izao tontolo izao sy ireo Firenena nitovitovy taminy tany aloha satria dia mahatratra 85 isanjaton’ny Malagasy no tsy tafavoaka anatin’ny fahantrana lalina. Tsara ho fantatry ny mpitondra rehetra sy izay mihevitra ny mbola hitondra fa ny tsy fahafalian’ny vahoaka sy ny fahadisoam-panantenany no miteraka ireny fihetsiketsehana an-dalambe ireny ka mampiongana ny Fitondrana.

Ny Mpitondra rehetra nifandimby teto Madagasikara hatramin’ny nahazoana ny Fahaleovantena ara-politika tokoa mantsy dia nampiankin-doha hatrany ny Firenena Malagasy tamin’ireo hery sy firenena vahiny. Ireo anefa tsy nanao afa-tsy ny nitrandraka ireo harena tsy hita pesimpesenina nananan’ny Firenena sy niaro ny tombontsoany teto Madagasikara. Fanohizana sy fikolokoloana ny fanjanahan-tany tamin’ny endriny vaovao (neo-kolonialisma) no nataon’ny mpitondra fa tsy nisy mihitsy ny fikatsahana sy ny fanamafisana ny tena Fahaleovantena marina, izay ny ara-toekarena no tena fototra sy loha-laharana amin’izany. Ohatra azo raisina amin’ireny ny tsy nahafahana sy ny tsy nahavitana nanodina teto an-toerana ireo akora maro tsy tambo isaina toy ny harena an-kibon’ny tany, ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana,…. Tsy nisy ny fananganana orinasa vaventy (indostria) narahina fampitàna fahaiza-manao sy traikefa (transfert de technologie et de compétence) izay fototry famoronana asa, hany fomba handresena ny fahantrana. Ny zone franche moa dia tsy nanome afa-tsy ny asa amin’ny karama varimasaka; tsy araka ny nantenaina azy velively toy ny tany am-boalohany.

Ny Fitondrana misy ankehitriny indray dia mbola hita soritra ihany koa fa manara-davahana fotsiny ny nataon’ny teo aloha ihany: Mbola hita etsy sy eroa ny endrika jadona, ny fangoronan-karena ary ny fanamparam-pahefana manerana ny ministera isan-tokony sy ny sampandraharaha maro manerana ny Nosy. Tandidomin-doza ny Fahalalana Fototra toy ny fanehoan-kevitra sy ny fanaovana fihetsiketsehana,… sy ny Demokrasia, ary tsy misy mangarahara mihitsy ny fitantanana, indrindra ny ara-bola. Ny hita maso ankehitriny aloha dia miaina lavitry ny fahoriam-bahoaka ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Misy mihitsy aza amin’izy ireo no lasa mpanankarem- be tampotampoka teo.

Momba ny tontolon’ny Asa

Ny olana mianjady amin’ireo mpiasa sasantsasany mila ravin’ahitra any ivelany toy ny any Liban, ny filaharam-be hita tamin’ny Grand Salon de l’Emploi, ny raharaha BAHAMAS, ny fitangoronan’ny mpitady asa eny amin’ny vavahadin’ny orinasa afaka haba, ny firoboroboan’ny sehatra tsy manara-penitra, …. dia mampisongadina ny olana goavana tsy mety voavaha eo amin’ny fampananana asa ny tanora Malagasy sy ireo olona tokony hiasa. Tsara ny manamarika  fa 60 isan-jaton’ny olona tokony hiasa be izao no tsy an’asa na zara fa miasa ary mahatratra 400 000  isan-taona ny olona – manam-pahaizana na tsia – tonga taona mitady asa. Any amin’ny sehatra tsy manara-penitra – izay mifehy ny 90 isanjaton’ny fihariana ankapobeny – no hivarinan’izy ireo mazàna satria dia vitsy dia vitsy ny tolotr’asa mahafeno fepetra.

Ireo drafi-panarenana ny toe-karena malagasy, nanomboka tany amin’ny Programme d’Ajustement Structurel (P.A.S.), nandalo tamin’ny Document Cadre de Politique Economique (D.C.P.E.) sy ny Document de Stratégie pour la  Réduction de la Pauvreté (D.S.R.P.) ka hatramin’ny Madagascar Action Plan (M.A.P.), dia tsy nahitam- bokatra firy tamin’ny ady natao ho fampihenana ny fahantrana teto Madagasikara, satria dia tsy natao ho ivon’izany antontan-taratasy rehetra izany velively ny Fampananana asa sy ny fampiroboroboana ny fahaizana asa, izay hany fomba hanamafisana ny fihariana anatiny sy ny fampivelarana ny maha-olona .

Ankehitriny dia vao mainka manampy trotraka ny toe-draharaha ny krizy ara-bola sy ara-toe-karena iraisam-pirenena izay tsy mbola ahitana vahaolana mazava hatramin’izao.

Manoloana ireo rehetra ireo, ny FI.SE.MA. dia :

1) Mampatsiahy fa laharam-pahamehana hatry ny ela ny ADY AMIN’NY FAHANTRANA. Noho izany, Ireo Mpitondra Fanjakana Ambony dia tokony ho modely amin’izany ka hampiseho fitsitsiana marina amin’ny fitantanana ny volam-panjakana sy ny fampiasana ny fitaovam-panjakana rehetra.  Tsara ho fanta-bahoaka ihany koa – toy ny any amin’ny tany demokratika rehetra maneran-tany – ny karama sy ny tombontsoa raisin’ny mpitondra isan’ambaratonga rehetra.

2) Mitaky hatrany ny fanajana an-tsakany sy an-davany ny ZO FOTOTRA ISAM-BATAN’OLONA SY IOMBONANA ARY NY FENITRA DEMOKRATIKA. Tsy tokony hisy fitondra-mitanila eo amin’ny fahafahana maneho hevitra sy ny fanenjehana noho ny fanehoan-kevitra. Tsy azo ekena kosa anefa ny fandranitana ny fampiadiana ny samy Malagasy, na aiza na aiza no ihavian’izany, sy ny fanimbam-pananana, na an’ny Fanjakana izany na an’olon-tsotra.

3) Miombon-kevitra fa ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi- bahoaka dia anisan’ny lalana hamahana ny krizy politika ankehitriny. Tsy azo hatao peta-toko sy kitoatoa anefa izany mba tsy hihomboan’ny olana indray. Mampametra-panontaniana ny maro ny fahazoana antoka marina ny fangaraharana sy ny fahadiovan’ny fifidianana kasaina hatao ato ho ato, noho izy mandeha ila.

4) manamafy fa mila fijerena maika dia maika, tsy misy hatak’andro, ny paik’ady amin’ny Fampananana Asa ny Tanora sy olona tokony hiasa; indrindra ireo izay vao very asa tsy fidiny vokatry ny krizy,  ary ny fiaroavana sy ny fiahiana ara-tsosialy azy ireo.

5) Mihevitra fa tsy ny fikaonan-doham- pirenena momba ny politika fotsiny ihany no tokony hokarakaraina fa eo indrindra ihany koa ny lafiny ara-toe-karena sy sosialy, toy ny natao tamin’ny taona 1971, mba ahafahana manoritra indray teti-pivoarana vaovao miorina amin’ny tena fampandrosoana marina an’I Madagasikara sy ny filan’ny Vahoaka Malagasy.

Hamaranana azy, fanamby goavana ho an’ny rehetra ny fametrahana Fandriampahalemana maharitra eto amin’ny Firenena sy ny ady amin’ny fahantrana amin’ny alalan’ny famoronana asa mahavelona sy manara-penitra,

koa,

ny FI.SE.MA dia manao antso avo amin’ny Olom-pirenena rehetra – indrindra ny mpiasa Malagasy – mba tsy ho voafitaka amin’ny hevi-petsy mety hampisy ady an-trano, ary hitandro mandrakariva ny Firaisankinam- pirenena.

Antananarivo faha-16 JANOARY 2010
AMIN’NY ANARAN’NY BIRAO FI.SE.MA.

NY SEKRETERA JENERALY
José RANDRIANASOLO

NY SEKRETERA JENERALY LEFITRA
Lovasoa FETRA HARINORO MALALATIANA

Libanona: mbola hisy ve ny handeha?

 

Lahatsoratra iray notsongaiko tao anaty Midi-Madagasikara nivoaka tamin’ny aterineto androany 10-11-2009 no entiko etoana, ho fanampin’izay efa re sy fantatry ny maro hatry ny ela, nefa kosa toa odian’ny Agence de placement ialàna bàla foana rehefa miresaka sy manazava ny manjo ireo mpiasa nalefa ‘hanompo’ any Libanona ry zareo. Eny Ambohipo eny no misy ny iray amin’ireo agences de placement mpandefa olona any ireo. Ity lahatsoratra ity

Travail au Liban

Entre l’enfer et la « belle vie », l’incertitude… deux femmes témoignent

dia nosoratan’i Hanitra R. ary tamin’ny teny frantsay. Maro anefa ny olona no tsy dia hahay daholo ny teny frantsay, ka ezahako fintinina amin’ny fomba malalaka ihany amin’ny teny Malagasy ilay izy. Betsaka amin’ireo vehivavy maniry ny handeha any no avy eny amin’ny ‘tanana ambany’ (famaritan’ny maro ny tanàna toa an’Antohomadinika, Isotry sy ny manodidina toa azy io). Mazava be araka izany raha tsy dia mahafehy teny vahiny ny maro aminy, ka dia mitranga izay tsy nampoizina rehefa misy ny olana tokony hifanakalozan-kevitra, nefa ny teny tsy hifankahazo 100%.

Inty ary atolotro anao ny fintina avy amiko:

**************************X***************************

Asa any Libanona

Anelanelan’ny afobe sy ny « fiainan-tsambatra », ny fisalasalàna… mijoro ho vavolombelona izy roavavy

Nanohina ny maro ireo trangam-pahafatesana nahazo ireo mpiasa vavy nalefa tany Liban, ary vao mainka nampametram-panontaniana ny maro ny fahitàna ny vatana mangatsiakan’ny iray tamin’izy ireny tonga farany teo. Nanaitra ny sain’ny tomponandraikitry ny Ministeran’ny asa ihany koa ilay tranga ka niafara tamin’ny fampiatoana ny fandefasana olona hiasa any Liban sy ny fijerena manokana ny tontolon’ny asan’ireo efa any an-toerana. Sarotra tamin’ireo olona niasa tany Liban ny nijoro ho vavolombelona tamin’ny fotoana teo aloha raha nisy roa tamin’izy ireo kosa azon’ny gazety nifampiresahana, saingy tsy nanaiky ny halaina sary.

F.R. 27 taona Fianakaviana mahay ny teny frantsay no niasany ary tsy dia nila loatra ny nahafehy ny teny fampiasa ao an-toeran izy noho izany. Tsy araka izay nanetenainy ny zavatra nihatra taminy satria olona mahery setra (na ny mpampiasa, tsy lahy tsy vavy, na ireo zanany lahy), ary dia mandeha ny daka sy totohondry, hatramin’ny fisintonana volo raha vao misy zavatra kely sy bitika tsy mifanaraka amin’ny eritreritr’ireto mpampiasa. Asaina soloiny ny sandan’ny sakafo sendra diso nahazoazo sira. Tamin’ny fiafaran’ny fifanarahan’asa tao amin’io fianakaviana iray io dia niova mpampiasa izy fa menatra ny hody tsy manana na inona na inona. Nefa niala an’Ankatso dia Ambohidempona, satria ankoatry ny herisetra ataon’ny mpampiasa dia manampy trotraka koa ny havany. Misy amin’ireo havan’ny mpampiasa no mangataka firaisana ara-nofo aminy mihitsy, ka mandrahona ny hitoroka azy main’ny zavatra tsy natao rehefa tsy manaiky. Nolaviny hatramin’ny farany izany, raha ny filazany, ary dia naleony nody an-tanindrazana. Roa taona izy no tany Liban

Namany iray indray kosa no nilaza fa nasaina nanao asa tsy sahaza azy velively, toy ny fitaterana lasakan-tsimenitra ampolony, izay tsy an’ny mpampias azy akory fa an’ny rahalahiny. Nasaina nanadio ny efitrano sy ny fitaratra tany ivelan’ny rihana faharoa izy (nefa tsy misy fiarovana akory) ka rehefa mandà dia iharan’ny daroka. Narary azy ny lamosiny, màngana…mandeha rà ny orona, nefa tsy afaka mamonjy mpitsabo.

Ireo mpiasa vavy sasany izay mba afaka mivoaka tsindraindray dia mifamotoana amina toerana efa mahazatra falehan-dry zareo, mifampizara vaovao, mifampihaino na mandeha mitsidika ny tanana ivelan’i Libanona. Ireo no sendra ny mpampiasa ‘tsara’. Mahazo volana iray isan-taona ho fialan-tsasatra. Saingy sahirana ny sain’izy ireny mieritreritra ny mahazo ireo namany sendra ny mpampiasa ‘ratsy’ nefa tsy afaka manao na inona na inona ho famahana ny olany

Ho an’ireo vehivavy nisafidy ny handeha hiasa any Libanona, dia tsy miankina amin’izy ireo ny ho tojo mpampiasa tsara fanahy, fa dia ankinina tanteraka amin’ny kisendrasendra.

**************************X***************************

Fehiny: Hoy ny ohabolana Malagasy hoe « Vavan-kisoa misy sira io rey olona, ka tokinao hihinana azy »