COVID-19, IREO HEVI-DISO SY NY TSARA HO FANTATRA

FANONTANIANA sy VALINY mety mahasoa antsika, avy amin’ny OMS, novokariny mba hanoherana ireo torohay diso nefa mivezivezy momba ny virus Corona. (Natao ho mora takatry ny daholobe ny fandikàna)
Coronavirus (2019-nCoV): torohevitra ho an’ny besinimaro – Atsaharo ny hevi-diso
Afaka mifindra tsara ao anaty toetany mafàna sy mando ny viriosy COVID-19.
Araka ireo angondrakitra eo am-pelatanana, velona ary afaka mifindra any amin’ny FARITRA REHETRA ny viriosy COVID-19, ao anatin’izany ireo faritra mafana sy mando. Na inona na inona toetrandro, raiso hatrany ireo fepetra fiarovana raha toa ianareo mipetraka na mankany amin’ny faritra iray misy tranga COVID-19. Ny fanasanao tànana no fomba tsara indrindra hiarovana ny tenanao amin’ilay aretina. Ny fanasàna tànana dia manafoana ireo viriosy mety hipetaka eo ary manakana ny aretina tsy hifindra amin’ny fikasihana ny maso, ny orona na ny vavanao.
Tsy miaro anao amin’ilay Covid-19 ny fandroana aminà rano mafana.
Tsy manakana anao tsy ho azon’ny COVID-19 ny fandroana aminà rano mafana. Mijanona ho araka ny tokony ho izy ny maripànan’ny vatana, eo anelanelan’ny 36.5 °C sy 37 °C, na inona na inona hafanàn’ny efitra fandroana na rano handroanao. Ankoatr’izany, mety hampidi-doza ny mandro amin’ny rano mamay satria mety handoro aza. Ny fomba tsara indrindra hiarovana ny tenanao amin’ny COVID-19 dia ny manasa matetika ny tananao. Ny fanasàna tànana dia manafoana ireo viriosy mety hipetaka eo ary manakana ny aretina tsy hifindra amin’ny fikasihana ny maso, ny orona na ny vavanao.
Miaro amin’ilay coronavirus vaovao ve ny vaksinin’ny pnemonia?
Tsia. Ny vaksinin’ny pnemonia, toy ny vaksiny ‘antipneumococcique ‘ ary ny vaksiny fanefitry ny Haemophilus influenzae type B (Hib) dia tsy mitondra fiarovana amin’ilay coronavirus vaovao.
Tena vaovao ilay viriosy ka tena ilàna vaksiny ho azy manokana mihitsy. Miasa mikaroka vaksiny manohitra ny 2019-nCoV izao ireo mpikaroka ary ny manohana izany asan-dry zareo izany ny OMS.
Na dia tsy mandaitra amin’ilay 2019-nCoV aza ireo vaksiny ireo, ny vaksiny miady amin’ny aretina taovam-pisefoana kosa dia tsara indrindra sy entanina hataonao mba hiarovana ny fahasalamanao.
Mahomby amin’ny famonoana ny nCoV 2019 ve ireo fitaovana fanamainana tanana ?
Tsia. Tsy mahomby amin’ny famonoana 2019-nCoV ny fitaovana fanamainana tànana. Mba hiarovana ny tenanao amin’ilay coronavirus vaovao dia tokony manasa tànana matetika aminà akora misy alikaola ianao na amin’ny savony sy rano. Rehefa madio ny tananao dia tokony hamaininao tsara amin’ny lamba famaohana na amin’ilay fitaovana fanamainana mandefa rivotra mafàna.
Afaka averiko ampiasaina ve ny sarontava N95 efa niasa?Azoko sasàna ve? Azoko atao atao ve ny mandio azy tsy hisy viriosy amin’ny alàlan’ny fanafody fanadiovana tanana?
Tsia. Ny sarontava rehetra, anisan’izany ny sarontava fampiasana amin’ny resaka fitsaboana na sarontava N95, dia tsy tokony averina ampiasaina indray. Raha efa nifandray akaiky tamina olona voan’ny aretina coronavirus vaovao ianao na mampiseho soritr’aretin’ny taovam-pisefoana, hevero ho toy ny efa voaloto sahady ny faritra anoloana amin’ilay sarontavanao iny. Tsy maintsy esorinao ilay sarontava ary atao izay tsy hikasihana ny faritra anoloana, dia ariana izy araka ny tokony ho izy avy eo. Rehefa avy manaisotra ilay sarontava ianao dia tokony hanasa ny tananao aminà akora misy alikaola na amin’ny savony sy rano.
Afaka mamono ny coronavirus (nCoV) ve ny jiro « ultraviolet (UV) » famonoana otrikaretina?
Tsy tokony ho ampiasaina hamonoana otrikaretina amin’ny tanana na ny faritra hafa amin’ny vatana ny taratry ny jiro UV, satria ny taratra UV dia mety hiteraka erythema (aretin-koditra).
Mba hiarovanao tena amin’ny coronavirus vaovao dia fantaro mandrakariva ireo fepetra rehetra azonao raisina. Raha mila fanazavana fanampiny, jereo ny tranokala OMS
Afaka mamono ny coronavirus (nCoV) ve ny famendrahana (famafàzana) alikaola na klôro amin’ny vatana manontolo?
Tsia. Ny famendrahana alikaola na klôro amin’ny vatana manontolo dia tsy hamono ireo viriosy efa tafiditra ao amin’ny vatanao. Ny famafazana ireo akora ireo dia mety manimba ny akanjo na ny sela amin’ny vatana (oh: maso, vava). Aoka ho fantatrao fa ny alikaola sy ny klôro dia mety raha araraka aminà toerana, nefa tokony ho ampiasaina mifanaraka amin’ireo torolàlana natao ho amin’izany.
Maromaro ny dingana misy sy azonao atao hiarovana ny tenanao amin’ny coronavirus vaovao. Voalohany, sasao matetika ny tananao, mampiasa vokatra misy alikaola – toy ny gel – na ny savony sy ny rano. Mba hahafantarana ireo fepetra hafa fiarovana, topazo maso ireo torohevitra omen’ny OMS
Tsy mitera-doza ve ny fandraisana taratasy na fonosana entana avy any Shina?
Eny, tsy mitera-doza. Ny olona izay mahazo fonosana avy any Shina dia tsy ahiana hiharan’ny coronavirus vaovao. Araka ireo famakafakana teo aloha, fantatsika fa ny coronavirus dia tsy maharitra ela eny ambon’ny zavatra, toy ny taratasy na fonosana entana.
Afaka manampy hisorohana ny fidiran’ilay coronavirus ve ny fanasana ny oronao tsy tapaka amin’ny rano misy sira?
Tsia. Tsy misy porofo hoe ny fanasàna ny orona amin’ny rano misy sira dia miaro ny olona tsy ho voan’ilay coronavirus vaovao.
Misy singa vitsivitsy afaka atao porofo fa ity fomba fanao ity dia afaka manampy ny olona ho sitrana haingana kokoa amin’ny sery na gripa tsotra. Kanefa, ny fanasàna tsy tapaka ny orona dia tsy voaporofo hoe hahafahana misoroka ireo aretim-pisefoana.
Afaka manampy amin’ny fisorohana ny aretina coronavirus vaovao ve ny fihinanana tongolo gasy?
Ny tongolo gasy (lay) dia sakafo mahasalama izay mety manana toetra manohitra mikrôba. Saingy, amin’ity tranga amin’izao fotoana izao ity, tsy misy porofo ahafahana milaza hoe ny tongolo gasy dia miaro ny olona amin’ny coronavirus vaovao.
Moa ve manakana ny coronavirus vaovao tsy hiditra amin’ny vatana ny fampiasàna menaka sesame?
Tsia. Ny menaka sesame tsy mamono ny coronavirus vaovao. Misy ranoka simika mpamono otrikaretina afaka mahafaty ny 2019-nCoV eny ambony zavatra eny. Anisan’izany ny « disinfectants » misy Eau de Javel na klôro, ireo « solvants » misy 75% ethanol, asidra perasetika ary chloroforme.
Tsy dia misy fiatraikany loatra amin’ilay viriosy anefa izy ireny raha toa apetrakao eo amin’ny hoditra na ao ambanin’ny oronao. Mety hampidi-doza mihitsy aza ny mametaka ireo vokatra simika ireo amin’ny hoditrao.
Ireo zokiolona ve no tena asian’ny coronavirus vaovao sa misy tanora mety mora azony koa?
Ny olona rehetra amin’ny taona rehetra dia mety ho voan’ny aretina ny coronavirus (2019-nCoV) avokoa. Ireo zokiolona sy ireo olona efa lazoin’ny aretinna (toy ny fahasemporana ‘ashme’, diabeta, aretim-po) no toa vao mainka miharatsy ny aretiny amin’ity viriosy ity.
Manoro hevitra ny olona rehetra ny OMS mba handray ireo fepetra hiarovan-tena amin’ilay viriosy, toy ny fanarahana antsakany sy andavany ny fepetran’ny fahadiovan’ny tànana sy ny fahadiovana ara-pisefoana.
Mahomby hisorohana sy hitsaboana ilay otrikaretina coronavirus vaovao ve ny antibiotika, sa natao ho an’ny bakteria irery ihany?
Tsia, tsy mahatohitra ilay viriosy ny antibiotika fa natao hanohitra ny bakteria irery ihany.
Ny coronavirus vaovao (2019-nCoV) dia viriosy ary, noho izany, tsy tokony ampiasaina ho fomba fisorohana na fitsaboana azy ny antibiotika.
Kanefa, raha miditra hopitaly noho ny otrikaretina 2019-nCoV ianao, dia mety homena antibiotika satria mety misy ny fifangaroana areti-mifindra ateraky ny bakteria.
Misy fanafody manokana ve hanakanana na hitsaboana ny aretina coronavirus vaovao?
Hatreto aloha, tsy misy fanafody manokana atoro hisorohana na hitsaboana ny aretina ateraky ny coronavirus (2019-nCoV) vaovao.
Na izany aza, ny olona voan’ilay viriosy dia tsy maintsy omena ny fikarakarana sahaza azy mba hanamaivana sy hitsaboana ireo soritr’aretina, ary ireo izay marary mafy dia tsy maintsy hahazo fikarakarana misimisy sy lasa lavidavitra kokoa. Eo an-dalàm-pandinihana izao ireo fitsaboana manokana ary hosedraina amin’ny andrana klinika. Manampy amin’ny fanafainganana ireo ezaka fikarohana sy fitrandrahana atao ny OMS miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka maromaro.

ALERTE…LOZA MITATAO…IKOPA

Taorian’ny haintany sy ny faharitàn’ny rano eny IKOPA, dia misy tsetsatsetsa tsy aritra ity, no sady fanairana sy fiangaviana.

Tena miangavy anareo tomponandraikitra aho. Aza misy manontany ahy hoe  » Iza izany?  » Fa mety ho ianao mamaky io, na mety ho ny manodidina anao, ka ampitao aminy.

Toerana roa tsy mitovy, saingy samy lalovan’ny renirano IKOPA no itondrako anareo an-tSARY, sy ilazako ny ahiahiko, dia ny Barrage JIRAMA eny ambanin’Ambohipo mampiditra ny rano ho ao amin’ny farihy Mandroseza, sy ilay tetezana kely etsy TANJOMBATO. Koa samia mamisavisa.

Ritra tokoa ny rano ary toa zary lasa fahafinaretan’ny olona aza ny mivezivezy tsy amin’ahiahy eny amin’ireo faritra ireo. Lasa kianja filalaovan’ny ankizy koa ny ampahany sasany. Iraisan’ireo faritra roa ireo ny tranga sasany. Nefa misy ihany koa ny mampiavaka manokana ny eny amin’ny Barrage JIRAMA.
 
Hatreto aloha aho tsy mbola nandre fampielezampeo, na nahita tanaty gazety ny fampitandremana toy ity ho ambarako ity, koa dia efaiko ny anjarako.
 
Asa raha fantatrareo mihevitra ny tenany ho tompondandraikitra ireo fa hatramin’ny 7:30 mn ny hariva dia mbola misikotra amalona ao anaty vato ao ny olona. Sahirana tsinona ka dia mitady ny sitrany ahay ho arapaka, na havadika ho vola mba ho vatsin’ankohonana. Tsy olona iray na roa no manao izany, fa andiany mihitsy. Etsy andaniny koa anefa dia feno ireo liana te-hahita, na ‘mpilingilingy’ midina eny amin’ireo toerana ireo.

Voalazanareo fa efa novohàna ny vavarano any Tsiazompaniry hamonjy an’IKOPA. Koa hoy aho:  » Sao lahy mba tokony handray fepetra ianareo, Mba mametraha miaramila any amin’ny lalàn’ny rano any mba hampita tsy tapaka ny toerana efa tratry ny rano , hahafahanareo maminavina ny hafainganany sy ny fotoana tena tokony hahatongavany amin’ireo faritra ireo. Mba asio miaramila ihany koa miandry io barrage io, fa taomin-dry zalahy ahisany toerana ny vato mba hanenjehana ireo amalona ao ambany ao. Mety hiteraka fahavoazana ho an’ny barrage izany any aoriana, na tsy ho anaty fotoana fohy aza.

Ny fakàna amalona eo ihany, fa ny atahorako dia ho tampohin-doza ao ireo olona ireo, ka tsy te-handre amin’ny fampielezampeo aho, na hahita lohateny vaventy anaty gazety hilaza, fa hoe « Nisy olona lasan’ny rano…na maty nifanitsaka teny ambony vato teo ampandosirana ny rano tonga ».. Fa be loatra mantsy ny ankizy kely hitako eny.

ATSIPY NY TADY HO AN-TANDROKY NY OMBY, NY TENY HO AO AMPON’NY MAHALALA , ARY TSY MISY HANANATRA DALA FA NY HENDRY IHANY…Vita ny adidiko
Araho ny sary

dsc_0508 dsc_0512 dsc_0515 dsc_0516 dsc_0519 dsc_0525 dsc_0528 dsc_0530 dsc_0531