The first Zombie Walk of Madagascar / 31·10·2011

Here are some pictures from the first Zombie Walk of Madagascar. It took place at Antananarivo from Antaninarenina to Gare Soaran. . We see in these pics  that Malagasy know how to play in a calm and total respect of others.

Enjoy!

1* during the preparation

at Discotheque the 6

Their Chief
2* During the Walk

and we finish with this one, a zombie from Global Voices Online - Lingua Malagasy (Candy)

Hiova fitafy ny COCA COLA (kapoaka) manomboka ny 1 Novambra 2011

Raha nandritra ny taona maro dia ny loko mena midorehitra izay nampahalaza azy no nahafantaran’ireo mpanjifa ny COCA COLA, dia nisafidy ny hanova fitafy kosa izy manomboka ny 1 Novambra ho avy izao. Ialàny akanjo menany ary hitafy ny akanjo fotsy indray izy. Izao no nataony dia noho ny fanentanana andraisany anjara ho fiarovana ny ORSA FOTSY (ours blancs) any amin’ny tendrontany izay voasokajy ho biby tandindonim-paharinganana. Hetsika ataony manerana ny firenena maro ao Etazonia sy Kanada izy io, iarahany amin’ny WWF ary nampisalorana ny anarana hoe The Artic Home.

Na dia hialàny aza anefa ny mena midorehitra notinafiny hatrizay, dia mbola hisy kosa izay tavela amin’ny alalan’ireo soratra eo amin’ny vatan’ny kapoaka. Izao hetsika izao no nataon’ity orinasa ity ho famoriam-bola hanampiana ny fikarakarana ny faritra iainan’ireo Orsa ireo araka izay tratra, ka 2 tapitrisa Euro no tanjony amin’izany. Ny 1,4 tapitrisa Euro amin’io dia harotsaka ho an’ny WWF.

Noho n y fiovaon’ny toetrandro dia mihazakazaka loatra mampahatahotra ny fitsonehan’ireo ranomandry any amin’ny tendrontany, raha ny nambaran’i Carter Roberts, lehiben’ny WWF

 

Fa maninona no ny Orsa?

Satria ny Orsa no nentina foana naneho ny fangatsiatsiahan’ity zava-pisotro ity hatrany amin’ny taona 1922, ary nahavita nanome laza tsara ho ezy teny anivon’ny mpanjifa.

Kapoaka 1,4 miliara no hovokarina amin’ity fitafy vaovao ity ho an’ny tsena maerikana sy kanadiana ary hatomboka amidy amin’ny Febroary 2012. Hisy ‘code’ mipetaka amin’ny kapoaka tsirairay, ka ny fandefasan’ny mpanjifa azy ireny amin’ny alalan’ny SMS dia midika ho fandrotsahana 1 dolara ‘symbolique’, ka 600.000 Euro no kendren’ny orinasa ho azo amin’ny alalan’ity fomba iray ity, nefa azon’ny tsirairay any an-toerana atao koa ny manolotra amin’ny alalan’ny tranonkala Arctoichome

Efa nanao hetsika toy izany ity orinasa ity tany Aostralia, ka nampitondraina ny anarana iray isan’ny malaza tany an-toerana antsoina hoe « Contour » ireo kapoaka, saingy voalohany kosa izao no hanovàna ny lokon’akanjon’ny kapoaka COCA COLA ho fanohanana zavatra iray toy izao


« Toy ity ny ho endriky ny COCA COLA manomboka ny 1 Novambra any Etazonia sy Kanada

 

Raha ny eto Madagasikara no asian-teny, dia misy ihany ireo orinasa manao toy itony na dia tsy mbola maro aza, toy ny Eau Vive efa fantatra fa mpanao hetsika toy ity matetika, mba ho fanohanana hetsika samihafa, toy ny resaka famatsiana rano madio, na fampidirana an-tsekoly. Antenaina araka izany fa mba hisy koa ny orinasa tomponandraikitra hanao toy izao eto amintsika, indrindra moa fa ho fiarovana ireo hazo sarobidy izay efa ahian’ireo manampahaizana ho foana afaka 5 taona, raha tsy misy fepetra henjana raisina manoloana ny fanapahana tsy am-piheverana sy ny hetraketrak’ireo mafia momba ity resaka hazo sarobidy ity

Blog Action Day 2011 #BAD11- Momba ny Sakafo

Andron’ny Fitorahana Bilaogy Manerantany androany, ka ho an’ity andiany 2011 ity dia mikasika ny SAKAFO no lohahevitra nofinidy.

Malalaka ny zavatra azon’ny rehetra tantaraina, soratana sy aseho mandritra ity andro ity.

Nofidiako manokana ny hiresaka mikasika vokatra Malagasy iray, voajanahary tanteraka, nefa tsy ambaka amin’izay vokarina amin’ny sehatra indostrian’ny fahasalamana sy ny farmasia  any amin’ny tany lazaina ho mandroso sy efa lasa lavitra any.

Sendra nikarokaroka taty anaty aterineto tany aho indray andro ka tamin’izany fitsidihana pejy maro samihafa izany no nahitako fa hay na ny mpanamory fiaramanidin’ny NASA any Amerika any sy ny European Space Agency aza, dia efa nampiasa azy io nandritra ireo sidina notontosaina, ka raha eto Madagasikara izy miseho amin’ny endrika vovony na koa spaghetti, dia ny an-dry zareo kosa amin’ny endriny pilina. Lafobe tokoa izy io any ampita any, raha ny sandany no asian-teny. Saingy noho izy misy eto amintsika ny mamokatra azy, dia ariny araka izany raha atao takatry ny fahefa-mividin’ny sarambabem-bahoaka ilay izy. Mbola manodidina ny 25.000Fmg na Ariary 5000 eo aloha ny vidin’ny fonosana hatreto.

Fomba fampiasa telo eo amin’ny ankapobeny no azo ampiasàna ity vokatra Malagasy haroso ho anao ity.

  1. Voalohany dia azo atao tohana ara-tsakafo ho an’ireo mila izany izy io. tombony ho an’ireo sahirana ara-pivelomana araka izany
  2. Faharoa dia ampiasaina eo amin’ny sehatry ny fitsaboana maro koa izy io. Ny mpitsabo irerey ihany no afaka manome ny fatra sahaza ny tsirairay arakaraky ny ilain’ny vatany sy mifanaraka amin’ny valin’ny fizahana natao. Tsy mitovy araka izany ny fatra ho an’ireo manaraka fitsaboana ho fampahiazana ny tenany, na ny fatra ho an’ireo tsy ampy otrikaina ka mila tohana, na ihany koa ho an’ireo mpianatra manao ezaka mafy amin’ny lafiny fianarana.
  3. Fahatelo, dia azon’ny rehetra (na iza, na iza, tsy anavahana sokajim-piarahamonina, na saranga misy azy) ny mihinana azy ity isan’andro, saingy mbola averina ihany fa tsy tsara ny manao dokotera tenany, satria raha olona mifady sira ohana ianao, na manana olana amin’izany lafiny izany, dia tsara ihany ny manatona mpitsabo.

Izahay, ary ireo ankizy marobe tohananay miaraka amin’ny fikambanana TETEZANA ONLUS, amin’ny alàlan’ny tetikasa SaD Antananarivo, dia mampiasa azy io ho fanohanana ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana sahirana, mba ho fanampiana azy ireny amin’ny resaka otrikaina sy ho fanamafisana ny hery fiarovana ao anatin’ny tena ho afaka miatrika sy manohitra tsara ny aretina.

Efa liana angamba ianao hoe: « mba inona loatra ary izao vokatra Malagasy tsy manampaharoa izao? Ny Spiruline

Ny Spiruline du Menabe vokarin’ny ECAR SPIRMEN no atolotro ho anao mpamaky. Miara-miasa amin’ny famokarana azy io ny Diosezy ECAR Morondava sy ny CODEGAZ France, saingy ny toerana hamokarana sy anaovana ny zavatra rehetra dia eto Madagasikara.

Ho fankalazana ity andro ity izay napetraky ny FAO rahateo ho andro manerantany ho an’ny sakafo afaka mitsinjara ara-drariny ho an’ny rehetra, sy ho fampisondrotana ny fari-piainan’ny olona, dia indro arosoko ho anao ny soa rehetra hita ao anatin’ny Spiruline

Zavamaniry anaty ranomasina, fantatry ny maro amin’ny hoe algue fihinana ny spiruline. Azon’ny sokajin-taona rehetra hanina ary misy protéine eo amin’ny 60 ka hatramin’ny 65 % eo izay ilaina tokoa amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy hampitombo ny hery fiarovan’ny vatana. Miaro ihany koa amin’ny tsy fahampian-drà, anémie, ny tazo sy ny rarintsaina. Toroina handray azy ihany koa ireo ankizy madinika sy ny vehivavy bevohoka ary ny zokiolona sy ireo mpanao fanatanjahantena.

Azo hanina miaraka amin’ny karazan-tsakafo rehetra (arakaraky ny mety amin’ny tsirairay), na io ranombary, na vary, na paty, na yaourt, na lasaosy, na iny nem fihinanao eny an-dàlana iny aza.

Eo amin’ny fonony dia efa misy torolàlana napetraky ny mpamokatra, ka:

raha resaka fahaosaosana ara-batana, na tsy fahampian-tsakafo niserana dia 1/2 na 1 sotrokely fanaovana dite sy kafe isan’andro dia ampy (2 => 5 g)

Tsy fahampian-tsakafo amin’ny endrika lalindalina kokoa dia hatramin’ny 1 sotro lehibe fihinanana

Aoka anefa tsy handrahoina, na afangaro zavatra mamay be ny spiruline fa manimba ny otrikaina voatahiry ao aminy izany.

Mandritra ny 2 na 3 herinandro tsy tapaka no anaovana an’izay.
Toy izao ny kasinga ao anatiny (anarana amin’ny teny frantsay fa ialàna tsiny amin’ny mpamaky)

protéine végétale …….. manodidina ny 60% amin’ny fonosana iray

lipides………………………. 6

glucides…………………….19

minéraux…………………….8

oligonutriments vitsivitsy.

vitamine A (β-carotene)..100

vitamines B1 à B12 ……….22

vitamine E……………………10

Fer………………………………60

Phosphore……………………800

Calcium……………………..1400

Magnésium………………….200

Chlorophylle…………………790

Acide γ-linoléique…………1000

Dia mirary anao hahazo ny soa avy amin’ity vokatra Malagasy ity. Azo jerena eny amin’ny toeram-pivarotana fanafody sy eny amion’ny ECAR Antanimena ny Spiruline. Nahasoa olona maro tamin’ireo mifanerasera amiko isanandro izy io, ka heloko raha tsy zaraiko aminao

Mandria am-piadanana Steve Jobs

Nodimandry teo amin’ny faha-56 taonany i Steve Jobs, PDG Apple, rehefa nitolona tamin’ny homamiadan’ny Pancreas nandritra ny fotoana maharitra.

Teraka ny taona 1956 izy , ary tsy mba notezain-dray sy reny, fa nomena hatsangan’olon-kafa kosa (Paul sy Clara Jobs ). Rehefa izany dia ireto farany no nanome anarana azy sy nanabe. Tany Mountain View sy Cupertino, toerana misy ny foiben’ny Apple izy no lehibe.

Fantatra amin’ny kiriny sy ny fihenjanany i Steve nandritra ny androm-piainany sy ny tontolon’ny fandraharahana nirotsahany.

Bandy tsotra fitafy, nefa mitaky mandrakariva ny hatsaran’endriky ny zavatra nataony.  Steve Wozniak no niara-niasa taminy nanangana ny Apple tamin’ny taona 1976. Raha vao miresaka iPod, iTunes sy, taty aoriana kely, ny iPhone sy ny iPad, ny Macintosh , NeXT, Pixar izay namidiny tamin’i Disney tamin’ny 2006, ilay sarimihetsika Toy Story »  nivoaka tamin’ny 1995,  dia tsy misaraka amin’ireny  koa ny  anaran’i Steve Jobs. Isan’ny olona nampivoatra tanteraka ny tontolon’ny teknolojia sy ny resaka finday ilay rangahy iny fony fahavelony.

Efa niomana ho amin’ity andro fitsaharany ity ihany izy raha n y teniny nataon’ny nanolona aireo mpianatra maro tamin’ny taona 2005 no dinihana

hoy izy tamin’izany:

« Me rappeler que je serai mort bientôt est l’outil le plus important que j’ai jamais trouvé pour m’aider à faire les choix importants dans ma vie. Car presque tout (toutes les attentes externes, toute la fierté, toute la peur de l’embarras ou de l’échec) disparaît face à la mort, ne laissant que ce qui est réellement important. »

Ny fahatsiarovako fa ho faty tsy ho ela aho no fitaovana manan-danja indrindra manampy ahy hanao safidy goavana eo amin’ny fiainako. Satria saika ny zavatra rehetra mihitsy […] no tsinontsinona manoloana ny fahafatesana, ary tsy mamela afa-tsy izay tena manan-danja

Namela mananontena iray (Laurene Powell) sy zaza telo hary tao anaty tokantrano ara-dalana izy (Reed,  Erin,  Eve), ary zaza iray hafa ivelan’ny trano (Chris-Ann Brennan), zanaka iraisany amin’ilay mpiray sekoly taminy (Lisa ) . Ary indrindra fa ireo mpiasa miisa 49.000 niaraka taminy.

Raha te-handefa fiaraha-miory amin’ireo fianakaviany sy mpiara-miasa dia azonao atao izany amin’ny alalan’ity adiresy mailaka ity

 rememberingsteve@apple.com