Voadona ve vao hihilana?

Zavatra iainana andavanandro ary toa efa lasa ‘fenitra’ mihitsy angamba ny resaka tsy firaharahiana sy tsy fanarahana lalàna tato anatin’ny taona vitsivitsy. Omena tsiny matetika ny mpivarotra amoron-dàlana, na ny mpandeha an-tongotra. Tsy voatery ho izay foana kosa anefa no zava-misy raha ity tranga nalaina sary androany ity no hitsarantsika azy.

Maro amin’ny mpandalo sy ny manodidina akaiky an’io fiolahana ery ambonin’ny tobin-tsolika, mampifandray azy amin’ny làlana avy any Soarano, no efa lasa mpitazam-potsiny ny fametrahana fiara ataon’ny olona ao amin’ny hotely lehibe iray niorina vao haingana eo amin’io fiolahana io. Ataon’izy ireo ho toy ny ‘parking’ mihitsy mantsy ny terana malalaka kely eo amin’io fihaonan-dàlana io.

Teny ampiandohana dia tsy takatr’ireto mpiandry varavarana hoe ny fiara 4 x 4 an’ny olona ao aminy , mibahana ny fifamoivoizana, no lasibatry ny fandraketana an-tsary, fa rehefa tonga saina izy ireo , dia lasa nampandre haingana ny tompon’ny fiara, izay hitantsika miampita ny arabe hanitsy ny hadalàny. Hay ka azo napetraka nianika teo amin’ny ankavanan’ny varavaran’ny hotely ihany ilay izy. Koa no tsy natao hatramin’izay fa niandry ny ‘Voadona vao nihilana’ re eeeee!

Ankafizo ny sary… dia tandremo sao tratrako toy izao fa dia alefako eto koa an!

Publicités

Antananarivo #m2506 / 26 Jona (J-1)

Nivoaka kely nijerijery ny zava-misy tmain’ity harivarivan’ny 25 Jona 2012 ity ka izao no tsikaritra:

1* feno olona eny rehetra eny. Midika tokoa va re izany fa fety ny andro. Angamba, saingy ho ahy izay mpandeha amin’ireny arabe irny saika isan’andro vaky (Analakely, Behoririka, Ambondrona, Soarano, sy ny manodidina) dia niampy kely noho ny isan’andro no fahitako azy. Izany hoe niova, saingy tsy dia be loatra

2* Tery kokoa noho ny andavanandro araka izany ny àlna, na ho an’ny mpandeha an-tongotra, na ho an’ny mpamily toa anay. Satria dia zara raha misy faritra mitovy refy amin’ny fiara avelan’ireo mpivarotra mba hizorana.

3* Mbola voaporofo indray androany ny fanamparam-.pahefana ataon’ireo manana ny basy sy ny ‘lalàna’ any aminy.

Dia mbola hisy indray aloha ny tsy ho faly hamaky ny lahatsoratra fanakianana o ity fa dia ‘Akory atao eeee!’ izy no hita teny, ary dia tantarin’ny maso nahita.

Ndeha ny sary amin’izay no hampitenenintsika, ary arahana fanazavana kely manaraka azy tsirairay eny

Ny arabe midina etsy amin’ny farity Behoririka ity hitanao an-tsary ity. Jereo tsara ny faritra izoran’ny fiara.

Ilay arabe teo ihany saingy rhefa lasa izay fiara nandalo teo amin’ny faritra

Tsy hiala lavitra isika fa eo ambony kely eo fotsiny. Azonao jerena eto amin’ny sary ny elanelana misy ny sisin-dàlana amin’ny andaniny roa sy io mpivarotra mitorevaka anaty arabe io, ary iry mitsangana ery aoriana

Fiolahan-dàlana eo ambony eo ihany ity (Behoririka). Hiverenantsika ity faritra ity rehefa somary maizina ny andro

Mbola ilay fiolahana etsy ambony ihany, fa ny tiana haseho dia ny fahasahian’ity ramatoa mivarotra eo anatin’ny arabe, ary iretsy ampita izay mahatonga ny mpandeha an-tongotra hidina koa any anaty arabe

Ireo mpivarotra etsy ampitan’ilay ramatoa eo amin’ny sary etsy ambony, ary tena ao anaty fiolahana tanteraka

10 metatra miala ilay fiolahana tetsy aloha, raha hitodi-toha ho any amin’ny tsena Pochard

Mbola azo lazaina ho misy asany ve itony karazana mpitandro filaminana itony sa ‘espece en voie de disparition’ ? Ny karama anefa natao midangana, ny asa tanterahana tsy mandeha amin’izay andrasana, …Ntsss tsy alehany!

Ireo arendrina miandry mpividy eny an-.tsenan’Analakely

Hitodi-doha hiverina any Behoririka amin’izay indray isika

Mazava loatra fa tahaka ny amin’ny andro mazava, dia mbola mitoetra hatrany koa ny fitohanan’ny fifamoivoizana

Fa teto no tena nisehoan’ny tsy nampoizina. Nisy ity fiara nitondra mpitandro filaminana ity nisosososo avy any amin’izay niaviany tany. Tsy misy laharana izy io. Olona teo amin’ny 4 na 5 teo no tsikaritra tao anatiny. Nododosany daholo ny rehetra teo alohany. Ary raha voadonany aza ilay olona teo akaikin’ny fiolahana voalaza ery ambony, dia azo antoka fa tsy maintsy namoy ny ainy. Rehefa hitany fa nitohana tsy afaka nandeha intsony izy teo amin’ilay fiolahana dia ilay taxibe laharana 4885 TAJ teo alohany no nanalany ny fony.

Tsy tahotra tsy henatra fa raha vantany vao azony natao ny nilahatra tamin’ity taxibe dia ny fandrahonana sy ny vazavaza, ary ny fitakiana taratasy no nataon’ilay iray teo akaikin’ny mpamily. Azy tokoa moa ny fahefana, ary toa nanaiky nilefitra mora foana koa ity mpamily nanoloana ireto TOMPON’NY FAHEFANA ka dia nanome izay notakiany. Vao azony ny taratasy dia iny indray ity fiara fa niezaka ny handodona ireo teo alohany, nefa anie ka tsy afaka ny ho lasa lavitra akory e. Tsy maintsy nanaraka ny dian’ireo teo alohany mandra-pahatonga tery Antanimena ambany. Efa vesaran’ny fanomanana ny rahampitso va re sa inona no mampiasa saina e? Efa lasa ny taratasy vao tonga saina ny mpamily ilay taxibe fa na dia ny anaran’ireto naka ny taratasy, na ny laharan’ilay fiara aza tsy misy fantatra akory.

Eto dia fanontaniana no apetraka AN’IZA NY ANDRAIKITRA amin’ny fisian’ny fitohanana sy ny gaboraraka? Amiko dia tafiditra amin’izany daholo na ingahy Edgard RAZAFINDRAVAHY mitantana an’Antananrivo Renivohitra, ny ny POLISY mandray karama be nefa tsy alehany mameno ny tanàna, na ny mpitondra fanjakana tarihan’ingahy Andry Rajoelina toa faly MIJERY FOTSINY satria matahotra ny ho very seza raha sanatria hanakorantana ireto mpandika lalàna mameno tanàna ireto.

Mirary fety milamina sy anaty fiadanana ho an’ny rehetra amin’izao fahatongavan’ny fahatsiarvana ny 26 Jona izao. Niniako tsy tenina ny hoe #fahaleovantea (#Independance) satra toa mbola be loatra ny marika ahitako fa tsy tena mbola mahaleo tena ny taniko, dia i #Madagasikara  (#Madagascar)

++++++++++++++

Bilaogy miresaka fahaleovantena tsara mba topazanao maso koa ny ato izay ny namana Mamisoa no mitantana azy

Ambohijatovo #m1905, vakio hoe Madagasikara 19 May

Ho tohin’ny tantara lavabe nampifanolana ny #FreeFM amin’ny Fitondrana Tetezamita tarihan’Atoa #Rajoelina Andry Nirina, dia nanatanteraka famoriam-bahoaka teny Ambohijatovo i #LalatianaRAKOTONDRAZAFY sy #FidelRAZARAPIERA tamin’ny Sabotsy 19 May 2012 lasa teo (azonao arahana ao amin’ny Twitter amin’ny tenifototra #m1905 ny amin’izany). Nilaza ny hirotsaka hiaraka taminy ny avy amin’ny Ankolafy ZAFY Albert, sy ny sendikan’ny mpanao gazety (niala an-daharana tamin’ny fotoana farany ity sendika ity). Nilaza ny hiandry ireo mpitarika teny an-toerana koa moa ny jeneraly Ravalomanana, saingy mandra-pahatapitry ny fofona lacrymogene dia tsy hita tava teny mihitsy izy.

Teo akaikin’ny tsangambato #MDRM

Raha tamin’ny 9 ora maraina no efa tsinjo fa tsara petraka teny ireo fiara maro an’ny mpitandro filaminana, nanoloana ny vavahadin’ny kianja (-n’ny demaokrasia), tery ampita tsy lavitra teo kosa efa nisy olona vitsivitsy nanomboka nitangorona.

Mihamatevina hatrany ny isan’ny olona

Faritra maromaro nanodidina ny kianja no nametrahana ny mpitandro filaminana (Instat Anosy, Gare Soarano, Tonelina Ambanidia, Station Essence Jovenna Ambohijatovo, Ministeran’ny mponina…),ankoatra ireo mandeha mivezivezy amin’ny fiara mbola raitra sy matanjaka.

Ireo mpitandro filaminana napetraka teny akaikin’ny Station Jovenna Ambohijatovo

Nitombo miandalana ny olona. na dia tsy mbola hita aza ireo mpitarika ny hetsika hatramin’ny tamin’ny mitatao vovonana.

Ny tena nahazendana ahy dia ny nahita Malagasy iray nitondra vazaha efatra mianaka, handeha hilalao ao anaty kianja, hono, ary rehefa nanontaniako teo am-bavahady ilay ranamana Malagasy, dia izaho indray no tratry ny fanontaniana hoe :

Fa misy inona fa tsy arako?

Dia Gaga elah!

Tsy mahay afa-tsy teny Anglisy moa ireto mpivady nitondra an-janany (izy roavavy kely mba nahazo teny frantsay ihany), ka dia voatery ny tena nanazava taminy tamin’ny teny Anglisy ny zava-mitranga sy mety hitranga. Ary aleo nandefa azy ho any Tsimbazaza.

Hiverenantsika ny tena ventin-kanina.

Manomboka feno olona koa ny midina mankany #Analakely

Oayyyy eee! Mpiantsena daholo ve ireto?

Rehefa ela niandrasana teo ny olona maro izay efa nihamarobe tokoa, dia nanomboka tsindrian-daona. Nisy delegasiona voalohany nanatona ny lehiben’ny mpitandro filaminana mba hifampiraharaha. Valiny: tsia, tsy azo idirana ny tanàna fa any an-kafa, na magro manao hetsika

ireo saika hifampiraharaha tamin’ny EMMO

Nanomboka teo koa no efa nisy ny nanandrana nitarika ny olona hisahotaka, saingy tsy nandaitra fa voatosiky ny mpitandro filaminana, sy resy lahatr’ireo delegasiona voalohany, mba hihemotra hiandry ny mpitarika,  alohan’ny hanaovana dingana hafa.

Efa nanomboka feno ny teo anoloan’ny fiakarana ho any Antaninarenina, Ambatonakanga sy ny manodidina ny tsangambato MDRM, ary ny sisiny amin’ny fiandrasana taxibe 119. Toy izany koa ireo lalana miakatra miverina mankany Ambondrona sy ny tohotohobato Tavao, ary ireo havoana sy tranokely misy terasse manodidina lavitra eny

Na terrasse, na tamboho, nitazanana avokoa

Miantrana ny fiara, nefa mitombo koa ny olona

Mandram-piandry ny mpitarika sy izay hiseho ary dia mba afaka niala voly ihany ny mpanatrika taty amin’ny lohalaharana, satria dia nisy an’ilay ramatoa iray sahy nihantsy ireo mpitandro filaminana sy manipy vato tany amin’ny fiara, eny fa hatramin’ny mitsilany eo amin’ny arabe mihitsy aza, mba hanakana ny fiaran’ny EMMO tsy hiroso. Voatery mihitsy moa ireo mpitandro filaminana nibata sy nanipy azy ho eny amin’ny sisin’ny tsangambato.

Andao raha sahy…Oay, diso fa Tifiro raha sahy no nolazainy

Nodradradrain’ity ramatoa ity fa maty noho ny entona mandatsa-dranomaso nalefan’ny mpitandro filaminana ny zanany, koa raha sahy ireto mitana ny basy eny an-tanany, dia aoka koa hitifitra azy. Vitany mihitsy ny nitety tsirairay ireo fiara niantsona teo. « Hiady amin’adala tokoa ve moa » hoy ny sasany. Saingy adala noho ny inona tokoa moa izy? Ary raha isika no teo amin’izay toerana lazainy sy tantarainy izay. Marihana fa somary nandrairay kely ramatoa ka vao mainka koa nampiakatra ny hafanam-pony sy ny fahasahiany izany.

Mivoaha izay mafy e!

« Itsaho raha sahy fa ny zanako aza efa matin-tenisany tamin’ny lacrymogene »

Nolanjaina toy ny entana ary nahilika tery amin’ny sisiny, rehefa nitsilany nibahan-dàlana ny fiara tsy hiainga. Fahasahiana re izany!

Teo ampiandrasana hatrany ny mpitarika dia nisy tovolahy iray ihany koa, nijoro nanatrika ireo mpitandro filaminana, nifatotra scotch ny vavany, ary voafehy nihodidina toy izany ihany koa ny tànany roa, nipetaka tamin’ny vatany.

dia gaga elah!

Ary ny seho hafakely farany, alohan’ny tena nafàna, dia ilay rangahy iray mpampianatra nidradradradra ny alahelony nankeny amin’ireo mpitandro filaminana ihany koa. Hoy izy:

« Efa ho retraité aho »  « 30 ans de service, ary tsy mpikambana amin’izay SEMPAMA any, nefa kosa dia aoka lazaiko an’laisany miaramila sy zandary tsy misy ilana azy ireo, apetraho ny basy dia andao hifandahatra. Misy mpianatro ialahy isany no hitako eto, tao anatin’ny firy taona monja dia mandray in-telo avo heny amin’ny karama raisko, nefa aho ity efa fotoana vitsy sisa dia hitsahatra. Mba misaina, aza dia faly ataon’ny olona fitaovana, ary avenir manao ahoana moa no tadiavin’laisany ho an’ny taranak’laisany ‘reo? »

zaho efa hiato, nefa 1/3 amin’ny raisin’ialahy isany no mba karama rasiko

Tsy diso anjara tamin’izany seho rehetra izany ireo roalahy solontenan’ny SADC eto #Madagascar. Tsy vitan’ny nanatrika ny fampisehoana tetsy ambony izy ireo, fa sady naka sary no nandefa izany sy niresaka nivantana tamin’ny findainy avy. Raha mba niezaka nanokatra ny vavany mba hampiresaka azy moa ireo mpanao gazety sy mpaka sary teny an-toerana, dia tsy nety niteny mihitsy ry zareo fa ny hany naverimberiny dia ny hoe

No comment

ry zalahy SADC izany, sady mizahatany no manao « ady idy »

Toy ireny mpizahatany ireny moa no bikan-dry zalahy amin’izany fotoana izany.

Eto isika dia hiditra amin’ny fotoana nahatongavan’ny ‘sono mobile’. Teo akaikin’ny Agha Khan no nipetraka ny fiara, ary nangatahan’ny olona hakarina any aloha (Ambohijatovo), saingy tsy nihetsika teo kosa mandra-pahatongan’i Fidel Razarapiera.Ny hiakan’ny olona teny an-toerana moa dia niantso ny hoe:

aiza ianareo, sa ho alainay any?

Rehefa tonga teny an-toerana i Fidel (14h 20 teo ho eo) dia nirohotra nitsena azy sy nitondra azy ho eny amin’ny sono mobile ny olona. Rehefa nandray fitenenana nanoloana ny vahoaka ranamana, dia ny nampitony ny olona no nataony satria tsy ho afaka hiditra ao anaty kianja. Tsy nanaiky izany anefa ireo olona marobe fa ny hiditra ihany no tao an-doha. Izay marihana etoana fa nisy antokon’olona efa tsinjo nialoha ihany fa nivonona ny hanao zavatra hafa no tanjony.

Tsy nahatohitra ny antsoantson’ny olona, raha tsorina dia hoe tsy naharesy lahatra sy tsy nahafehy ny olna marobe nihaino azy ranamana, ka nisy tamin’ireo olona tety ambony, nanakaiky ny vavahady College de France Ambohijatovo, no nihetsika nanao dia maika niharo hazakazaka madinika hiakatra ho eny amin’ny faritra manodidina ny mpitandro filaminana.

Ento aho ry tongotro

Vao nahita ireo olona marobe nirohotra niakatra ireo EMMO teo amin’ny vavahady dia sady nampaneno mafy ny anjomaran’ny fiarany, no mba nisy niteny tamin’ny fanamafisam-peo avy ao anatin’ireto 4 x 4 vaovao (nefa dia marihako fa ny 1 metatra miala ny fiara ihany no afaka naheno izany, satria tsy hainy angamba ny mampiasa ilay fitaovana).

Nirefotra amin’izay ny entona mandatsa-dranomaso voalohany nanomboka teto, ary raikitra ny Ento aho ry tongotro

Booom, booom Atsaharo ny hira dia mba mitomania amin’izay

Vetivety dia tsy hita izay nisy an’i Fidel, fa ny sono mobile sy ny mpikirakira azy kosa no tratra tany Ambodifilao tany. Hatramin’ny fotoana anoratana dia mbola voatàna any amin’ny mpitandro filaminana i Rado, teknisiana ao amin’ny FreeFM (toa tokony ho androany 22/05 no niakatra teny amin’ny fampanoavana). Efa nambara ihany koa fa hokarohana sy hosamborina izy mianadahy nanentana ny olona hidina an-dalambe, satria nisy ny fanimban-javatra hoy ny mpitandro filaminana.

teo alohan’ny tsangambato #Ralaimongo

ny fakom-baoritra nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana

Soa fa misy ny miaramila hanala sakana

Ny zavatra iray isan’ny nahatsikaiky dia ny fitangoronan’ny mpaka sary sy ny mpanao gazety nanaoloana ny varavarana fidirana ao amin’ny Hotel Le Glacier. Samy nanontany tena ny rehetra nahita ireo lehibe mpitarika ny EMMO niditra tao fa hoe

ao ve ry Lalatiana sy Fidel, ka hosamborina? Sa inona no mitranga eto?

Tsara ny lany sefo isany a!

Tsy nahitana valiny io raha tsy fotoana ela taty aoriana. Tsy inona ilay izy fa hay niditra hisakafo tao ireo lehibe ireo. (Nefa ny an’ireo mpanatanteraka tery an-kianja dia mofo dipaina sy fromage La Vache Qui Rit, niampy EAU VIVE).

Eo am-piandrasana ny hetsika hitranga rahampitso, famoriam-bahoaka, mbola eo amin’io kianja io ihany, iantsoan’ny Profesora Rajaonarivelo Paul , dia ndeha isika hijery sary mikasika ny #m1905 tamin’ny Sabotsy ao amin’ny Fickr momba izany.

 

Behoririka : Ahiana hivadika ho fankahalàna vahiny

Tsy zoviana amin’ny maro ny tiana lazaina amin’ny hoe fankahalàna vahiny, na xenophobie.

Feo nampivarahontsana re teny amin’ny manodidina ny gara Soarano sy ny Hotel Tana Plaza io androany hariva tamin’ny 5 ora hariva. Mbola tohin’izay niseho teny amin’ny VENIC Behoririka ihany.

Nisy ny fitaonana ireo gonim-pasika teo akaikin’ny gvavahadin’ny gara ka naparitak’ireto olona marobe ireto teo amin’ny arabe tsy lavitra teo. Efa nisy ny fanozongozonana fiara nandalo midina amin’iny faritra iny tamin’izay fotoana izay. Lehilahy vitsivitsy, 3 na 4 eo no miresaka eo afovoan’ny arabe manandrify ny gara. Hoy ny iray:

Aoka tsy hokitihana ny fananan’ny Malagasy, Fa izay fiaran’ny vahiny mandalo eo, ka miseho ho be monkon-doha, tonga dia haongana dorana eto.

Hatramin’ny fotoana nanoratana dia mbola voafefin’ny mpitandro filaminana ary tsy azo aleha ny faritra manodidina akaiky an’iny Behoririka iny, mba ho fisorohana ny mety ho fanararaotana sy ny mety ho fihoaram-pefy

Ho valin-kafatra noho ity fanaovana tsinontsinona ny mpiasa Malagasy ity dia nifafa ny kihony izay sinoa tratra teny an-dàlana teny. Tsy vao izao tokoa mantsy fa efa hatry ny ela no nahenona ny tsindrio fa lavo sy ny fanaovana habibiana avy amin’ireto kelimaso ireto.

Tsy dia nahagaga loatra ihany koa ilay fahatongavan’ny olona teny amin’ny nanaoloana ny gara Soarano, satria tao no nandositra niaraka tamin’ny fiarany ilay sinoa vendrana. Vendrana satria sady efanitsoaka, no mbola niseho vahoaka tao indray avy eo. Voatery noho izany, nanidy ny Café de la Gare ny tompony mab hisorohana izay sanatria.

Araka ny voalazan’ny vaovao tselatra tao amin’ny Radio Antsiva, dia milaza ity fampielezam-peo ity fa tsy nisy ny maty fa naratra tsaboina eny amin’ny hopitaly no misy.

 

Amin’ny 20h 15 izao eto Madagascar. Ity ny fanavaozam-baovao farany ananako hatreto:

Nanao fanambarana ny Masoivoho Sinoa ny amin’ny tsy maintsy hanolorana ny Fitsarana Malagasy ilay Sinoa nanao hadalàna tetsy Behoririka, ary miantso ireo teratany Sinoa rehetra eto Madagascar mba hahay miara-monina amin’ny Malagasy sy hanaja ny lalàna misy eto. Maniry koa ny Masoivoho Sinoa ny tsy hisian’ny akony ratsy eo amin’ny fifandraisan’ny Sinoa sy ny Malagasy avy amin’ity tranga androany ity.
Voalaza moa izany hatreto fa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ny naratra. Misafotofoto araka izany ity vaovao ity

Behoririka: Sinoa mamono mpiasa Malagasy

Taitra ny rehetra androany nahita ireto Malagasy marobe nangorona ny entany sy niara-nirona nanoloana ny tsy rariny nataonà sinoa iray mpitazona tranombarotra etsy Behoririka.

Araka ny feo re avy eny an-toerana dia nisy mpiasa tao amin’io fivarotana io no notondroin’ilay sinoa ho tompon’antoka amin’ny tsy fahampian’ny isan’ny entana. Niharan’ny heriserta io (toa vehivay raha ny filazan’ny maro). Nisy mpiasa iray hafa (toa lehilahy kosa ity farany) nirotsaka niaro ilay tovovavy Malagasy niharan’ny herisetra.

Voadaka tany amin’ny an-kasarotany ranamana ary lavo tamin’ny tany. Na efa lavo aza anefa dia mbola nohitsakitsahan’ilay sinoa ihany ary tsy namelany raha tsy efa nalemilemin’ny hitsaka sy daka.

Nisy tamin’ireto olona marobe teny an-toerana no nilaza fa toa nipotsaka mihitsy ny tsinain’ilay zalahy Malagasy io (toa hoe voatrobaky ny hety). Samy namoy ny ainy na ny niaro na ny narovana tamin’ity raharaha ity, araka ny vaovao voaray.

Niray feo moa ireto olona marobe ireto tamin’ny hoe tokony ho, na nentin’ilay sinoa tany amin’ny polisy hatao fanadihadiana ilay mpiasa, na nesoriny tamin’ny karama, fa tsy azy akory ny ain’ny Malagasy, na dia azy aza ny vola mikararana.

Hatezerana ny an’ireto mpiara-miasa sy mpivarotra teny an-toerana ka niafara tamin’ny fitakiana ny hanolorana azy ireo an’ilay sinoa.

Tonga hatramin’ny hoe

« Aina solon’ny aina », « Tsy mahavidy aina Malagasy iray ny vola iray sakaosy », « Mivoaha daholo ny Gasy fa may ity anio raha tsy mivoaka eto ilay sinoa ».

Tokony ho tamin’ny 12h 26mn  ny tena no nandalo teo amin’ny toerana.

Minitra maromaro taorian’izay dia nanomboka ny famakiana varavarana nataon’ireo olona marobe nitangorona teo; samy niharan’izany na ny taty amin’ny faritra ambany amin’ilay tranobe na ny tany ambony mizotra ho any Tsiazotafo iny. Efa saika voavaha mihitsy izany talohan’ny nahatongavan’ny EMMO/REG tamin’ny 1 ora tolakandro.

Koa satria tsy nisy làlana hafa nahafahan’ireo Malagasy tavela tao anaty trano hivoaka intsony, dia maro tamin’izy ireny no teny ambony tafon-tranon’olona no nanao izay hanavotana ny ainy.

Ny zavatra tena nahatezitra ireo olona marobe ihany koa dia ny nahita ireo telolahy tao anatin’ilay fefy vy nanidy ny trano sy niaro mafy n y tsy hahatafidiran’ireo olona tao. Izy ireo indray no natsangan’ireo teny ivelany ho fahavalo.

hoy ny avy ety ivelany

« Aza milamina eo anie ioty hahitan’ialahy isany ny anjaran’ialahy isany miaro sinoa ireo eeeee, efa hita izao fa mamono mpiasa Malagasy ny sinoan’ialahy mbola arovan’ialahy ihany »

Izy telo lahy kosa avy any anatiny manondraka ny olona amin’ireny fitaovana famonoana afo, misy vovoka ireny (SICLI). Mazava ho azy fa mandositra noho ny tahotra ireo olona marobe, ary miverina indray rehefa lava ilay vovoka fotsy nafafy teo.

Tamin’ny fotoana niverenana nandalo teny (2 ora tolakandro) dia tsy mbola mivaha ny olana, tsy mbola nisokatra ny làlana, ary tsy mbola niala ireo olona marobe. Atahorana araka izany ny hitàran’ity raharaha ity ho amin’ny zana-tohatra mafampana, satria nisy sinoa tsy naninona tsy naninona, efa niharan’ny herisetra sahady teny amin’iny akaikin’ny Building Soarano ho any amin’ny Petite Vitesse iny raha vao niandoha teo amin’ny 30 na 45 mn teo ity fifanjevoana sy fangalam-piery ity.

Azonao atao ny mijery ny sary ao amin’ny flickr eto

Fanampin-dahatsary ao amin’ny Youtube ireto ambany ireto, mbola samy nalaina teny Behoririka ihany.

Marihina fa ny sary, ny lahatsary ary ny feo dia nalaina mivantana teny avokoa fa tsy nionona tamin’ny honohono fotsiny. Zonao mamaky ny mino, ary fahefanao tanteraka ihany koa ny tsy mino, toy ireo izay nilaza fa tsy nisy izany maty izany. Mitatitra no atao eto, ary miandry ny fanamarinana na fandisoana isika arakaraky ny hirosoan’ny ora sy minitra miasika ity raharaha ity.

*************

Amin’ny 15h 30 izao, aty Antaninarenina ny mpanoratra no mandre feon-javatra mipoaka any lavitra any, toa ireny baomba fandatsahan-dranomaso sy feom-basy ireny

**********

Amin’ny 20h 15 izao eto Madagascar. Ity ny fanavaozam-baovao farany ananako hatreto:

Nanao fanambarana ny Masoivoho Sinoa ny amin’ny tsy maintsy hanolorana ny Fitsarana Malagasy ilay Sinoa nanao hadalàna tetsy Behoririka, ary miantso ireo teratany Sinoa rehetra eto Madagascar mba hahay miara-monina amin’ny Malagasy sy hanaja ny lalàna misy eto. Maniry koa ny Masoivoho Sinoa ny tsy hisian’ny akony ratsy eo amin’ny fifandraisan’ny Sinoa sy ny Malagasy avy amin’ity tranga androany ity.
Voalaza moa izany hatreto fa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ny naratra. Misafotofoto araka izany ity vaovao ity

The first Zombie Walk of Madagascar / 31·10·2011

Here are some pictures from the first Zombie Walk of Madagascar. It took place at Antananarivo from Antaninarenina to Gare Soaran. . We see in these pics  that Malagasy know how to play in a calm and total respect of others.

Enjoy!

1* during the preparation

at Discotheque the 6

Their Chief
2* During the Walk

and we finish with this one, a zombie from Global Voices Online - Lingua Malagasy (Candy)

Manotra indray ny C.U.A ry reto a!

Rehefa misy ny tsy mety ataon’ny zanaka dia voatonona foana ny hoe ‘ mba zanak’iza ary itony? »

Aza gaga araka izany raha tonga dia ny C.U.A no voasoratra ery amin’ny lohateny satria androany maraina dia nisy saonjo iray namarara tamin’ireto zanany .

Tamin’ny herinandro lasa dia nadio ny sisin-dàlan’Antaninarenina (tsy hoe nadio tanteraka anefa fa nisy ihany teny antsefantsefany teny). Voaroaka niala teny mantsy ireo mpivarotra amoron-dàlana. Ary dia nihevitra ny maro fa hoe noho ny fankalazàna ny 07 Febroary no nahatonga an’izany. Nitohy andro vitsy taty aoriana anefa ilay izy. Saingy….Saingy…

Androany maraina raha niverina nandalo teny ny tena (tokony ho tamin’ny 11 ora 15 mn) dia zendana sy ketraka. Tsy handeha mihitsy ity fampiharana lalàna ity raha be saonjo mamarara toy ilay zalahy tratrako androany izay no iainana any anaty biraon’ny C.U.A any. Aza hitako anie izany.

Avy aty amin’ny EDBM nankany amin’ny BOA nandroso sy niverina (an-tongotra) ny diako. Inty lehilahy iray, mpiasan’ny C.U.A, manao ny satroka (kasikety) misy soratra C.U.A amin’ny hidiny, tenisy manga sy fotsy, akanjo bà misy soratra POLICE DES MARCHES ao an-damosina, ary eo amin’ny tanan’akanjo havia misy ny laharana 86.

Vao lavitra dia efa nifampiteny ireto roalahy mpivarotra DC amoron-dalana manakaiky ny BOA

Miala any ary ny an’ialahy. Iny !

Dia tonga ranamana nolazaina etsy ambony. Satria be olona nijery CD teo dia mba nahalala nihataka kely ihany ranamana ka niankina tamin’ny fiara iray tsy lavitra teo. Ireto mpivarotra CD  kosa rehefa avy nifampiresaka mangina taminy dia nihataka nanakalo vola madinika ny iray, no sady nampilaza ilay namany iray mpivarotra vatomamy sy sigara tsy lavitra azy teo…

Tsy niala lavitra aho ary tsy niafina rahateo koa fa nataoko hitan’ilay ranamana tsara fa izy  no arahako maso.

Somary niahotra ihany ranamana na hanohy na tsia, hidina mankaty akaikin’ny Mampiely Baiboly.

Rehefa tonga teo amin’ireo mpivarotra akanjo bà anaty sobika ranamana, teo amin’ilay ramatoa mpivarotra eo akaikin’ny trano fanasàna sary eo, dia efa naha omana ny anjarany ny teo, ary dia ny niankina nandry ny vola sisa no nataony.

Tonga tety amin’ny Mampiely Baiboly ihany nony farany…Dia niankina teo ami’ny fiara nanoloana teo indray ranamana niandry ireo mpivarotra nanodidina teo, satria tsy maintsy mbola nitady madinika indray ny rehetra.

Asa re!  Tsy nandray karama am-bolana maro va re ilay ranamana iny ka ny mpivarotra no avela tsy hanara-dalàna mba hanavotana ny faran’ny volana tsy maintsy boriboriana e? Sa dia efa tandra vadin-koditra ao amin’ny C.U.A ao ny tsy maintsy manotra?

 

Fanavaozam-baovao 17 Febroary 2011 : Nandalo teo Antaninanarenina ny tena io maraina io (17 Feb 2011) ary dia nahita fa madio ny sisin-dàlana. Misy mpiasan’ny fivondronana roa tsinjoko eo. Ny miakanjo ny akanjoba mitondra ny laharana 151 dia mitsatoka eo anelanelan’ny Mampiely baiboly sy ny BFV/SG, ary ny miaknjo ny 110 kosa dia ery akaikin’ny tranoben’ny EDBM. Ireo mpivarotra indray dia milanja ny entany manao fangalam-piery amin’ilay lalana midina mankany Antsahavola iny. Enga anie hitohy ny fandraisana andraikitra tahaka izao, mba tsy hiverenan’iry hadalana natrehi-maso tery ambony iry.

Raha mandà izay voalaza etsy ilay ranamana voatifitra eto io, dia afaka mifandray amiko  ny C.U.A hifanatrehako aminy. Na tsy nitondra fitaovana fandraketana an-tsary aza aho dia tadidiko hatramin’ny endriny, amin’izato izy ranjanana sy mijehanjehana amin’ny ecouteurs tsy miala eny an-tsofina sy ilay laharana 86 (izay inoako fa misy fandraisana an’ireny any amin’ny birao any hoe iza no naka ny akanjo mitondra laharana toy izao , na toy izatsy). Efa nisy toy io koa tsikaritro teny anoloan’ny P.M.U Soarano, raha iny izaho nijoro teo akaikin’ny iray tamin’ireo mpivarotra amoron-dalana ireo.

Ho tonga anie ny tena fampiharana marina ny lalàna, ka mba tsy ho anio hafa no lazaina, rahampitso hafa no atao!