Tena noheveriko fa resak' »HELIK »indray hoe firy km/h ny hafainganam-pandehan’ny fofona

L’image contient peut-être : texte

Yvan Fabius à Ino Maresaka à Tamatave

Rivodoza ELIAKIM : ho avy koa raha ty eh ka
– hamafiso ny tafotraño, asivo fasika
– rantsaño ny kakazo maventy marivo trañonao
– aza mandeha an-dranomasiña eky

– Akory aby ianareo tompoko !

– Indreto ihany izahay tompoko.

– Avy mamangy amin’ny fahoriana tommpoko.

– Misaotra indrindra tompoko.

– Miala tsiny ry izy mianakavy kely raha mijoro eto anatrehanareo harivariva izahay Depiote, fa noho izao fahalasanan’i Nenibe Barakan’ny Mpanao gazety izao dia tonga eto izahay, tsy tonga hipi-kelika toa Solonkelibahoaka, na hanampy trotraka ny fofona efa misy, fa mba hitondra ny teny fampiononana: ny helika nivoahana no anareo tompoko, fa ny henatra iaraha-mitondra, ny fofona iaraha-mizaka. Mahaiza mionona tompoko, dia mahaiza mandro.

– Eny ry izy mianakavy, tsy misy mpampandro aza hono mba mandro ihany, koa mainka misy anareo mijoro manoloana mampirisika. Tanteraka tokoa ilay teny hoe rehefa tonga ny fahoriana, ny fofon-drahalahy no handranitra ny fofon-drahalahy. Isika izao tokoa no toy ny helika havia sy havanana, ka izay tsidiha-mahery fofona; toy ny trano misy afo midonaka ka sarotra atao malahelo, toy ny heli-mamofo-midonaka ka sarotra atao tsy mba tsemboka. Velona ny fifankatiavantsika ao anaty fianakaviam-ben’ny miaina koa misaotra indrindra tompoko.

– Dia aza misoso-keli-mamofona intsony tompoko.

– Misaotra indrindra tompoko.

– Manaraka izany ry izy mianakavy, araka ny fofon-drazana izay lovaintsika taranaka aty aoriana dia indro izahay mitondra ny solon-dranomani-tsy latsaka izay kely voatsirambin’ny tanana; kely dia kely indray midofaka fotsiny fa dia fenoin’ny fofonay izay manolotra koa raiso am-pitiavana tompoko.

– Mbola mamerina ny fisaorana anareo tompoko. Tsy vitan’ny tonga nijoro eto ianareo fa mbola nitondra ny solon-dranomani-tsy latsaka sy ny fofon-kena mitam-pihavanana. Sitraka enti-matory izao ataonareo izao, ho tsarovana rehefa misaika. Misaotra tompoko.

– Satry tompoko hipetrapetraka hiari-tory sy hiari-pofona miaraka aminareo androany alina, kanefa isika rehetra izao dia zarazarain’ny fofona samy manana ny azy. Ao ireo hody vao hitanika rano mafana, ao ireo hamonjy Jirama sao tapaka, ao ireo mbola hatsaka ny rano handroana ramaraina koa mangata-dàlana tompoko. Ny vatanay no mandao anareo fa ny fofonay dia hijanona mandra-maraina hanala fahanginana anareo eto foana.

– Tsy misy tsiny tompoko fa omen-dàlana ianareo. Ny mandeha tsy manitra, ny mijanona tsy maimbo. Ny irariana dia enga anie mba Ploum ploum sy Soir de Paris no hahavory lanina antsika mianakavy sahala amin’izao fa tsy ny helika intsony. Omen-dàlana ianareo tompoko.

Haingotiana Ravelojaona Dia tsy nisy hevitra tapaka zany fa orokorok’helika no betsaka ?
Kala Mainty Kely Kala Mainty Kely Miasa be kosa ny solonorombahoaka eh.