OLON-DIA MIDELIRA

11 Andro izay no lasa taorian’ny nandaniana ilay lalànan’ny FAMORETANA (#codecom), ka tsy ahafahan’ny mpanao gazety sy ny olom-pirenena maneho hevitra an-kalalahana intsony -na dia hitondra porofo aza ve ? – Ary andro maromaro koa no lasa taorian’ny nipoahan’ny raharaha #Soamahamanina.

Faritra ao #Imamo ao i Soamahamanina, ary raha vao miresaka Imamo isika dia tsy afaka misaraka amin’izany ny resaka #Tapia.  Tsy ilay famafàna faladihan-kiraro mety ho tonga voalohany ao an-tsainao mpamaky anefa io, fa ilay voankazo kely misy voa telo fihinanao rehefa tonga ny fahavokarany.

Tsy ny maha-voankazo azy ihany no ilàna, na ahafantarana ny Tapia, fa indrindra koa ny fifandraisany amin’ny fahaveloman’ny bibin-dandy. Efa fahagolan-tany ireo hazo  ( alan-tapia ) ireo, ary isan’ny zavatra sarotra ho an’ny olona ny mamelona iray amin’izany. Harena araka izany ny fanànana azy. Tsy vitan’ny harena fotsiny , fa vakoka mihitsy ho an’ny firenena sy ilay faritra misy azy.

Tato ho ato dia niteraka resabe, niafara tamin’ny fifanenjanana sy fifampitolomana tamin’ny #EMMO – karamain’ireo Shinoa mpitrandraka volamena – ity resaka Soamahamanina ity.
Efa tafiditra ho ao anatin’ny fiarovan’ny mponina ny tsy handravàna io alan-tapia ao amin’ny faritra misy azy ireo io ny mpitarika fivavahana isan-tsokajiny, ny solombavambahoaka avy any #Arivonimamo, ankoatry ny hafa tsy ho voatanisa. Midika izany fa manana ny lanjany sy ny toerany tokoa ilay alan-tapia.

Mipetraka ary ny fanontaniana: Tsy nahalàla ny fisian’ilay ala va re ireto olona nomen’ny vahoaka fahefàna hitantanana ny taniny sy ny hareny? Sa nanao bemarenina tsy niraharaha satria hoe efa notolorana fanomezam-pahefana hitantana ny sehatra rehetra ? Adinon’izy ireo ve fa mpindrana izy fa tsy tompony samirery ? Tsy tsaroany koa ve fa mandalo ihany ny fepotoana iasàny eo? Sa noho ny fahafantarany izay fepotoana voafetra izay no nitsirian’ny saina ratsy hanararaotra ny paiso an-kady?

Santionany amin’ireo fanontaniana mety hapetrakao olom-pirenena tsotra amin’ireo solombavanao ireo (na soloòbava hiteny na hihinana). Saingy manahy aho, mety hivaly fanontaniana ho ahy indray mantsy izy ireo. Dia ilay fanontaniana manao hoe ‘MISY MIHAINOOOOOO ?

Zavatra tsikaritra nandritra ity Repoblika Fahaefatra iainantsika ity ny fandraisana fanapahankevitra tsy ieràna, ny fandraisana fanapahankevitra an-katakonana (atao amin’ny alina), ary ny famahàna olana amin’ny alàlan’ny ramatahora. Tsy zava-miafina amin’ny vahoaka rehetra izany zavatra voasoratra izany.

Misy mitokona ve eny Ankatso? Alefaso ny EMMO sy ny Jeneraly mpitarika azy hamoritra sy hanakombona ny vavan’izay Beloha ao.

Misy mihetsiketsika hoe eny Tsimbazaza ? Ataovy amin’ny fomba mahazatra fa tsy hangina aiza ireo rehefa voapetaka kely eo!

Misy miseho azy ho mahery any Soamahamanina? Draiiiisy, mbola mihinana ato anaty felan-tanantsika ny EMMO sy ny mpitàna basy rehetra (azafady fa tsy haiko ny mampiasa ny teny hoe ‘mpitandro filaminana’)
Fihetsehana am-pilaminana no nataon’ny mponina, taorian’izay niseho tany Antsohihy. Nefa na am-pilaminana aza, ary naseho tamin’ny alàlan’ny fametrahana sorabaventy isam-baravarana sy teny an-davarangana, dia tsy tahotra tsy henatra ny zandary nihanika lavarangan’olona hanala ireny sorabaventy ireny, sy nandefa baomba mandatsa-dranomaso hanaparitahana ny mponina naneho ny hasosorany tamin’izay zava-nitranga. Nisy ny olona nosamborina ka nahatonga ny mponina hanapaka ny làlana.

Nitsangana ny Eveka Jean Claude hanohitra hiaraka tamin’ny vahoaka. Niantso ny laika izy hiray hina sy tsy hisara-bazana ihany koa, hiaro ny taniny.

22/06: Mgr Ludovic RABENATOANDRO, nihaona tamin’ny tantsaha teny amin’n BUCAS Antanimena nitny hoe « Adidinay amin’ny maha RAD anay ny manao antso hanaitra ny rehetra momba ny fakàna an-keriny ny tanin’ny tantsaha. Izy ireo no mamelona antsika… esorina amin’ny tantsaha ny taniny…Mandeha antso aminareo mpitondra aho..Manaova ny marina..-Ny vahoaka izao no manao ny tolona fa tsy ny solombavany intsony…Firenena iaraha-manana ity.

23/06, Notanisain’ny Magadate daholo ireo karazana fikambanana am-polony miaro ny tany izay nilaza fa hiara-dia amin’ny mponin’i Soamahamanina ary hanome azy ireo ny tohana rehetra ilainy. Mbola atsangana any Soamahamanina ny OMC élargi mba hiaro ny Shinoa sy ny fanànany niteny hoe : izahay mpikambana amin’ny OMS Elargi eto Miarinarivo dia manao filazana manaraka izao, ny famoriambahoaka rehetra dia tsy maintsy ahazoana alàlana amin’ny fanjakana sy ny tompon’ny toerana (commune)…, tsy ekenay ny fihetsehana tsy nahazoana alàlana … mampitandrina ho an’izay alaim-panahy mikasa hanohintohina ny filaminana..

Misy fetra anefa, hoy ireo anti-panahy, ny zavatra rehetra. Mandra-pahoviana no hihinana eo ambony felan-tanananareo ny mpitàna basy sy ny be galona? Mandra-pahoviana? Ary efa nosaininareo ve fa rehefa mitombo ny kibony, dia mitombo manaraka azy koa ny fikarohana hanina ataony (hatendàny)? Ary rehefa tsy haharaka ny filàny ianareo, efa mba tonga tao an-tsainareo ve ny hoe ‘mety hitodika any aminareo ilay vava basiny’ ?
Aza dia mihevitra ny vahoaka ho dondrona isanandro vaky izao e!

Tantaranà fitohizam-pitondrana no entina hanamarinana ny fanomezana alàlana ny fitrandrahana volamena ataon’ireo Shinoa ao Soamahamanina. Fa inona moa no manakana anareo nampindramina fahefana ireo tsy handà izany rehefa hita fa mety hanohintohina ny fiarahamonina sy ny vakoky ny tany iraisantsika? Sa niraraka ny volabe ka sarotra ny hamerina ny volan’ireo Shinoa, sy hiteny aminy hoe aoka ihany, ka mandehana ianareo mody?  Asakasak’izay nihinana be tao anatin’ity raharaha ity, fa ho tsaroan’ny tantara izy ireo sy ny taranany.

Nilaza ireo solontenan’ny mponina ao an-toerana fa tokantrano telo aman’efatra no nasain’ny fanjakana nijoro, ho entiny milaza fa mankasitraka ny fitrandrahana volamena atao ao amin’ilay toerana ny mponina. Tsy nisalasala moa ilay ramatoa nisolo tena ireo tsy mankasitraka nilaza fa ‘lasalasa tampoka mihitsy ny fiainan’ireo tokantrano telo am’efatra ireo

Nivory ny governemanta tamin’ny alin’ny 19 Jolay 2016 ary nandray fanapahankevitra hampiato ilay fitrandrahana, rehefa hitany fa niha-nahamay ny fanoheran’ny vahoaka. Efa tapak’ireo mpanao gazety talohan’izay kosa anefa fa hidina hijery ny zavamisy any an-toerana izy ireo. Dia tonga tokoa ary ny andron’ny 20 Jolay 2016, ary dia EMMO nirongo fiadiana fitondra miady no nanakana ny làlan’ireo mpanao gazety tsy ho afaka hiditra an’ilay faritra. Ary tsy nisalasala ingahy kolonely nilaza fa ‘rehefa tsy nahazo alàlana ianareo, dia tsy afaka miditra any‘  Alalana izay alaina 24 ora mialoha amin’ireo Shinoa, ary rehefa ireo Shinoa no miteny aminy fa mahazo miditra ny mpanao gazety, dia homeny alàlana hiditra. Tsy vitsy tamintsika nanaraka ny onjampeo ‘miara-manonja’ tamin’ity androany ity no nandre izany vaovao izany.  Fa misy inona afenina ao? Ary Iza ireto mpanao gazety nahazo alàlana mialoha ka tafiditra tao amin’ilay faritra (hanatsaratsara ny filazana hatao manomboka rahampitso)? Ianareo ihany dia mety efa ho afaka hamaly an’izay.

Boda ny loha ry mpamaky ka hitsahatra kely aloha…fa tantara mitohy izy ity

Tsetsatsetsa tsy aritra kely, alohan’ny hifandaozana, no hilazana amintsika mpamaky fa dia efa fehezin’ny Shinoa koa izao ny sehatry ny famokarana arina fandrehitra (charbon de bois) ao an-tokantranonao. Aza atao mahagaga raha niakatra ny vidiny.

Efa fanjakan’i Baroa izao no misy. Ary satria voatonontsika ny anaran’i Baroa, dia indro misy fisaintsaina kely avy amin’ny OLONDIA MIDELIRA

Ny loharano nakàna ny antontan-kevitra : #‎OLONDIA_MIDELIRA‬:

Mitsangàna ry Baroa

Mihevitra isika fa ny “baroa”-ntsika dia azo iainana sy ampiharina amin’ny isam-bohitra. Tsy maintsy manaiky ny herintsika ny isan-tanàna? Tsy maintsy handohalika amintsika ny mpiray donak’afo rehetra?

Ny hery aman-tanjaka no naha-baroa ny baroa teo amin’ny tantarany, ary izany no nireherehany teo amin’ny fanjakany.
Saingy ny baroa dia tsy mila dinika, tsy mila hevitra ifampierana, tsy mila mandefitra. Koa iza no “adala” mifampidinika sy mandady rariny amin’ny hevitra toy izany? Iza no manaiky lembenana amin’ny setrasetran’ny tsy tia ny “rariny”? Na hifandrangotra isaky izay mahatsiaro aza isika mianakavy dia ady hatrany no haterak’izany.

Ny sasany hihevitra ny tenany ho saka tsy mety voky, ny hafa tsy mahandry ny andro hanidinana toy ny akoho ; ary tsy vitsy no manao toton’ondry bory fotsiny, sady tsy mety hamonjy ny vala no mideronina eny an-tsaha fa mataho-baratra.

Lalaovin’ny “tia rombo” ny “Fanahy” ka hainy an-tsipirihiny tao anatin’izay fihetsika nataony rehetra izay, fa « adalam-bola sy matim-boninahitra » isika.

Lahatsoratra hafa ho anao:

Marosada: Namidin’ny fanjakana amin’i Sinoa koa ny tany

Tsy ny any Soamahamanina ihany : lasan’ny Sinoa koa ny tany any Amboasary Gara sy Anjiro…

Soamahamanina : Suspension des activités de l’entreprise Jiuxing Mines S.A.R.L

OLAN’NY MPIANATRA ANKATSO

Atao dika petaka eto ity fanamarihana tany anaty lahatsoratra hafa ity, no sady arahana filazàna fa ny Gazety_Adaladala dia tsy an’ny RADIO ANTSIVA akory, na dia nanoratra mikasika io fampielezampeo io, sy manolotra rohy mankany aza.

Ity ary ilay fanamarihana momba ny fiainan’ny mpianatra eny Ankatso. (Misy mail an’ny tompon’ny lahatsoratra moa miaraka aminy, saingy araka ny fenitra arahana eto, dia nesorina izany)

Hoy ilay nanoratra hoe:

Mba ampitapitao azafady, fa tsy fantatro ny adresse mail an’i Sehatra ho an’ny mpihaino. merci bcp!
Hoan’ny
RADIO ANTSIVA
ANTONY: LOHA-HEVITRA NY ALAROBIA 31 OCT 2012, MAHAKASIKA OLAN’NY MPIANATRA ENY AMIN’NY UNIVERSITE. INDRINDRA NY MOMBA NY BOURSE.

Tompoko,
Miarahaba sy mirary soa ho anareo mpandrindra ny fandaharana “Sehatra ho an’ny mpihaino”
Noho ny antony maro tsy ho voatanisa etoana, dia miala tsiny , raha amin’ny alalan’ity taratasy ity no anehoako ny hevitro.

Nangitakitaka am-pitoerana tokoa aho, raha nandre ireo fandraisan’anjara maro tao amin’ny radio Antsiva io maraina io, satria tsy afaka nandray anjara, nefa maro ny mba tiana hambara mahakasika ilay loha-hevitra.
Ny tena tsampako, dia olona tsy mianatra eny amin’ny Université, tsy manan-janaka mianatra eny, ary “manao vain-drahalahy tsy mba maharary” avokoa ny maro tamin’ireo olona naneho hevitra tao amin’ny radio nareo io maraina io.
Ny tranga tsongaina misy ankehitriny eny amin’ny Université, dia toy izao manaraka izao:
–    Dimy volana nianarana, mbola tsy naharay ny “BOURSES” na ny VATSIM-PIANARANA ny mpianatra.
–    Dimy volana nianarana ihany koa, mbola tsy nahazo ny “EQUIPEMENT”, na ny fampitaovana ny mpianatra.
–    Tsy ny mpianatry ny Université eto Madagascar ihany no tsy nahazo izany Bourse izany, fa na ireo mianatra any  ivelany koa aza, dia efa dimy volana izao no mbola tsy nahazo izany BOURSES izany. Maroc, France, Chine, etsetra.
Mialoha ny ilazàko ny vaha olana avy aty amiko, dia aleo angaha aloha mba asiako fanazavana kely ny momba ilay voambolana roa mahabe resaka masiaka hoe BOURSES sy EQUIPEMENT.
Tsy fanambazana, na karama tsy akory ny bourses, fa vatsy! Vatsim-pianarana azon’ny mpianatra mendrika izany. Zo, na koa “droit acquit” io, rehefa nandalo dingana sy lamina (na procédure) maro izay voahomana ho amin’izany.
Tsy ny mpianatra no namorona na nametraka izany lamina na “procédure” izany, fa ny ministera sy ny Fitantanana eny amin’ny Université. Dia manaja izany ny mpianatra.
Ankehitriny, dimy volana nianarana ny mpianatra, mbola tsy nahazo ny vatsiny ho enti-mianatra dia latsaina indray ve hoe: “Tsy karamaina ianareo mandeha mianatra”? na koa hoe “aleo tonga dia avadika ho “fitaovana” ilay fampitaovana na “EQUIPEMENT”?
Tsy hevitra “taingina” ihany ve izany, Tompoko? Fa mety hitovy ve ny Fitaovana ilain’ny mpianatra Sciences sy medicine sy ny fitaovana mety ilain’ny mpianatra Droit na Gestion na ny Génie Industriel?
Sa, mahafinaritra ny manokatra ady hevitra lavareny, sitrany tsy hivaha ny olana?
Raha ny fampanantenana nataon’ny eo anivon’ny fitantanan’ny Université, tamin’ny Alarobia 24 oktobra, dia ny zoma 26 lasa teo no fotoana nomena ny mpianatra fa hoe hivoahan’ny Bouses sy ny équipement, raha namory ny solontenan’ny mpianatra isan-taranja ny President ny Université.
Tsy notanterahana akory anefa izany!
Izao indray, dia re, tamin’ny filazam-baovao omaly talata, fa araka ny nolazain’ny ministeran’ny Université dia tsy hisy mihitsy ny BOURSES sy ireo EQUIPEMENT 2012. Satria, hono, nahena be dia be ny budget 2012 an’io ministera io. Ary mbola ho dinihana amin’ny budget 2013 ny momba izany Bourses ny Université izany.
Dia an’ny mpianatra ve ny adisoana amin’izany rehetra izany, rehefa mandainga sy tsy manao ny adidiny avokoa ireo rehetra izay tandrify izany?
— Dia ahoana izany ny momba ireto mpianatra efa nianatra dimy volana, tsy naharay ny vatsim-pianarany sy ny équipement-ny ireto? Tsy mitady tambitamby na karama izy ireo, fa ny zony no takiany, Tompoko!
— Fa indrindra, ahoana koa ny momba ireo mpianatra Malagasy “BOURSIERS” any ivelany? Inona izao no iveloman’izy ireo any? Misy misaina izany ve ireo rehetra manambara fa “tsy karamaina ny mpianatra ianatra?”
Tsy manome rariny ireo izay manimba zavatr’olona aho, Tompoko, na dia tsapa ihany aza, fa tsy misy fomba mendrika intsony ahazoana mifampiresaka amin’ny mpitondra sy ireo mpitantana mandainga sy manao be marenina.
Ka manameloka kosa aho ireo TOMPON’ANDRAIKITRA REHETRA hatrany amin’ny fara-tampony (filohan‘ny tetezamita), ka hatraty amin’ny fitantanana ny Université  izay tsy manatanteraka ny adidiny: Dia ny fanomezana ny Bourses sy ny équipements ho an’ny mpianatra izay MANAN-JO ahazo izany!Na ireo mpianatra eto Madagascar, na ireo any ivelany.
Raha toa ka efa nifanarahana hatrany am-boalohany, fa tsy hisy intsony ny fampitaovana sy ny vatsim-pianarana, ka izay mpianatra afaka hihanto-tena ihany no mahazo mankeny amin’ny Université, dia mazava izay!
Fa nahoana no zarina sahady amin’ny fomba feno avona sy fitampitaka dieny mbola mpianatra ny tanora sy zatovo Malagasy? Mendrika ve izany, Tompoko?
Ka ny vaha olana amin’io, dia tsy misy hafatsy ny FAMATSIANA NY MPIANATRA ao anatin’ny fotoana fohy dia fohy ihany,
Ary indrindra koa, dia ny fialàna amin’ity fomba hoe Fanjakàna “Messie” ity! (Mpanao fahagagana sy Mpamonjy) Efa fomba mamohehatra nialàna tamin’ny mpitondra teo aloha io, ka aoka tsy ho averina intsony indray, Tompoko!
Farany, Tompoko!
Miangavy anareo mpanentany sy mpandamina ny fandaharana, raha azo atao, mba hanao fanentanana tsy mirona atsy na eroa, fa mba ho mpandravon-kevitra ihany.
“Modérateur” ianareo, fa tsy avy aminareo indray no ahitàna hevitra tsy ahità-mitsinjo toy ny  hoe “aza omena vola ny mpianatra, fa aleo fitaovana no omena azy”, sy ny hoe “aleo akatona mihitsy aloha ny Université” Ho  moramora ve ny ho FIHATRAIKAN’IZANY HEVITRA asosokareo izany , Tompoko? Miala tsiny.
Dia mametraka ny veloma, ho mandra-pihaino anareo, Tompoko!

 

Tsy nampiana tsy nanalàna izay voasoratra etsy ambony, fa hafatra niangaviany hampitaina, ary noheverina koa fa mety ho zavatra azo isaintsainana ka dia nampitaina ho antsika rehetra ihany

Lyçée JULES FERRY / Ny tontolon’ny fanabeazam-pirenena

Ny resaka taterina manaraka eto dia nifanaovako tamin’ireo tompon’andraikitra mpanabe ny taranaka Malagasy. Anjaranao mamaky no mitsara na araka ny tokony ho izy izay fanatanterahana andraikitra izay sa tsia.

Hatramin’ny nanombohan’ny taom-pianarana dia tsy nitsahatra ny nanontany ny zanako
mikasika ny fandehan’ny fianarany aho. Raha efa tany amin’ny Volana Septambra na Oktobra 2011 tany ho any no nanomboka ny taom-pianarana, dia isan’ny kilasy tsy mbola manana mpampianatra teny Anglisy ny kilasy misy an-janako ao amin’ny Seconde 10, Lyçée JULES FERRY Faravohitra.

Tsy nipetra-potsiny ny tena satria sady maharary no mahamenatra ilay zava-miseho. Tsy sanatria noho ny zanaky ny tena ao anatin’ilay kilasy ihany, fa indrindra indrindra, noho ireo ankizy marobe iray kilasy aminy, sy izay kilasy hafa mety mbola ho mizaka izay tsy fisianà mpampianatra izay koa.

Raha ny an’ny tena manokana mantsy, dia tsy ireharehana fa zavatra lalaoviny isan’andro ny teny Anglisy, izany hoe tsy tokony ho olana aminy velively. Izy rahateo mandika teny avy amin’ny teny Anglisy ho amin’ny teny Malagasy ho anà tranonkala goavana iray ety anivon’ny aterineto.

Nandritra izay fotoana rehetra izay ihany koa anefa dia tsy nitsahatra nifampiresaka tamin’ny alalan’ny antso tamin’ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ity Lyçée ity ny tena. Tamin’ireny fifanakalozana ireny no nilazany fa, na izy efa tany amin’ny Ministera ary efa kely sisa dia hivaha ny olana, na izy efa nandray dinidinika mpampianatra dimy fa tsy nisy hita ny nalehan’ireo, ary ny farany aza dia hoe efa misy ‘décision’ manendry mpampianatra ao aminy, nalefan’ny Ministera, fa ilay mpampianatra no tsy mbola nipoitra hatramin’izao. Volana Martsa 2012 isika izao.

Isak’izay avy mifampiresaka aminy ny tena dia mba miandry mandritra ny fotoana azo lazaina ho tsy lava, nefa koa tsy fohy, miandry vokatra. Dia miverina mampahatsiahy avy eo. Tsy teraka anefa Ambatobevohoka, ary dia nisasaka ihany ny taom-pianarana.

Tsy vitan’ny nifampiresaka fotsiny no natao, fa mba nandroso soso-kevitra koa. Isan’izany ny nandrosoan’ny tena ny amin’ny hoe

‘Maninona moa raha ny mpampianatra efa ao an-toerana no mba alamina aloha (système de rotation) , mandra-piandry izay ho vahaolana aroson’ny Ministera?’

na koa ny hoe

‘Maninona raha mba tapahana kely aloha ny an’ireo kilasy efa nahavita nanaraka fampianarana hatrany am-piandohan’ny taona, ka mba asaina manenjika sy manavotra ny tsy ampy amin’ireo kilasy tsy mbola nanana izany mihitsy kosa ireo mpampianatra eo amin’ny Lyçée ?’

Tsy mbola nivaha hatrany ny olana.

Ny tsihy anefa, hono, no fola-mandefitra, nefa koa rehefa tsy miteny sy tsy mihetsika dia toy ny vatolampy be, ka anaovan’ny vorona maloto. Tsy sanatria anefa vatolampy, na ireo ankizy tsy afa-manoatra ao amin’io toeram-pianarana io, na izahay ray sy reny mampiana-janaka ao, ka nanapa-kevitra hitondra ny fifanakalozan-dresaka ho amin’ny sehatra avoavo kokoa.

Nilaza tamin’ny tompon’andraikitra ary ny tenako fa mieritreritra ny hitondra mpanao gazety miaraka amiko, hifanatri-tava aminy, ary nangataka azy mba hanome fotoana hahafahana mitafatafa. Dia nanaiky izy tamin’ny voalohany, saingy minitra iray monja taorian’izay dia nilaza indray izy fa tsy afaka hanatanteraka ilay tafatafa, satria mbola manana ny lehibeny, ka mila miresaka any aloha, sady nanondro ny andron’ny 29 Febroary ho andro hanomezany ny valinteny. Tsy niandry ny andro 29 Febroary ho tapitra ny tena vao hiandry valiny, fa vao maraina dia nandefasana hafatra fohy izy ho fampahatsiahivana, ary dia namaly tokoa, izay isaorana azy manokana etoana, ka tao anatin’izay no nilazany fa miandry ahy ny solotenam-panjakana, eny amin’ny AGENAT, varavarana faha-33 (nosoratany tao anatin’ilay hafatra ny anaran’ny tompon’andraikitry ny Ministera nolazainy fa miandry ahy). Ary dia nivantana tany avy hatrany ny tena. Sady amin’ny maha-ray mampiana-janaka, no amin’ny maha-olona liam-baovao ihany koa no nandehanana namonjy ilay fotoana nomena.

Toy izao ary ny vokatry ny dinika tany :

Mr. L: Ilay problème-nao ve problème noho ny tsy fahampian’ny prof d’Anglais ao amin’ny Lyçée JULES FERRY, sa tsy fisian’ny prof d’Anglais ho an’ny kilasy Seconde 10 misy ny zanakao?
Izaho (RR) : tsy problème ho an’ny zanako fotsiny […] fa ny problème-ko dia lasa victime ao anatin’ilay tsy fahampiana mpampianatra ny ankizy rehetra iray kilasy ao amin’ny Seconde 10 , ankoatr’izay kilasy hafa tsy fantatro, nefa ny taoam-pianarana ity efa misasaka […] tsy ny ho an-janako irery no eritreretiko, fa raha ny ho an-janako dia vitako izay […] fa ilay ankizy be dia be miaraka aminy, manakory? Ny fotoana mandeha ihany, ny ankizy miahiahy daholo […] manahirana, tsy fantatro, fa ohatry ny biby fampitahorana ho an’ny ray aman-dreny ve ny miditra birao sa ahoana? […]

Mr L: Marina aloha izany e! […]– ianao anie na mitondra mpanao gazety aza tsy mampaninona ahy mihitsy e, satria ny antony dia misy communication tsy mandeha […] lasa miteraka fiahiahiana, miteraka zavatra hafa, ka ny fipetrany dia izaho no miandraikitra ny personnel any amin’ny Lisea..fantatro tsara izany ny problème mahazo ny Lyçée.

Ny ataontsika hoe règle Generale mihitsy amin’ny Lyçée, amin’ny ankapobeny ny Lyçée eto Madagasikara dia tsy ampy mpampianatra[…} indrindra indrindra moa fa nanomboka tamin’ny herintaona na roa taona lasa izay, dia nisy fiovan-drafitra somary nahery vaika ihany teto tamin’ny nanokafana ireny, ny filaza azy moa, Lyçées communautaires,[…] be dia be …nitsangana ara-panjakana, ka ny adidinay eto rehefa misokatra ara-panjakana ilay sekoly, ny adidinay eto amin’ny DRH dia ny manisy mpampianatra any amin’ireny sekoly ireny, mi-repartir ny mpampianatra […]

Fomba roa no fandefasanay ny mpampianatra any amin’ireny sekoly ireny: na ny mpampianatra efa misy ao no ataonay izay hisian’ny repartition, na rehefa misokatra ny recrutement, dia jerenay manokana [prioritaires] ireny vaovao vao nisokatra ireny. Ka marihako tsara eto, fa ireny lyçée ireny dia prioritaire, ary ny zavatra mitranga rehefa avy eo, rehefa misy ny recrutement, matetika izany ny lyçée ety an-drenivohitra ety, tsy ny ety ihany fa na ny any amin’ny chef lieu de faritany aza, tsy dia mihetsika firy loatra izahay fa mameno an’ireny [Lyçée vao naorina]. Ny antony dia zavatra tsotra fotsiny , ilay poste budgetaire izay zarain’ny Finance aty amin’ny Ministera tsirairay avy dia vitsy kely, tena kely par rapport amin’ny besoins izay exprimés-n’ireny lyçées ireny.

Noho izany, amin’ny fipetrak’izay zavatra izay, na izahay izao koa aza, entre le marteau et l’enclume, ny antony itenenako an’izay dia zavatra tsotra fotsiny, matoa misy Lyçée misokatra matetika, misokatra ara-panjakana an, dia tadidio tsara, matetika an, ary presque régle générale ihany ilay izy, dia voalohany indrindra misy olona lehibe izay ao ambadika ao. Ny tiako hotenenina amin’ilay hoe olona lehibe an, dia ‘un homme politique’, na izy izany CST, na izy président an’izao na izao, mihevitra hoe ity tanindrazako ity an, sy ny rehetra rehetra an, hanokatra lyçée eto aho, na dia tsy mitombina aza ilay izy du point de vue technique – satria ny fanokafana lyçée taloha dia mbola nisy etudes be dia be mihitsy natao, ohatra hoe, aiza ny lyçée faran’ny akaiky indrindra, firy ny isan’ny CEG manodidina, firy ny isan’ny EPP manodidina, ahoana ny taux d’achevement an’ireo any amin’ny classe de 3ème sy ny rehetra rehetra any, afaka ve ireo hahavatsy an’ilay lyçée izay eritreretina hosokafana? – Raha misokatra aza iny lyçée iny, mbola misy espace de 2 à 3 ans hanaraha-maso hoe mahavatsy tsara an’ilay école, izay vao tena misokatra ara-dalàna sy amin’ny fomba ofisialy .

Izany hoe fanokafana lyçée izany dia zavatra tsy moramora, fa tato ho ato ny fanokafana lyçée lasa politika, tsy afeniko mihitsy izany. Ka raha eto misy lyçée an, tsy lavitra eto, ny zanako tsy dia tiako halefa atsy […] aleo eto no asiana lyçée. […]

Herintaona na roa taona lasa izany izay, naniry ohatry ny anana ny fananganana lyçées teto Madagasikara. Tsy afeniko anao fa misy statistique eto an, entre 166 tany [….] miakatra ho 270. Tao anatinà 2 taona fotsiny izany. Nefa ny fanokafana lyçée izany taloha mbola mandalo études be dia be. Ny lyçée anankiray tsy misokatra raha tsy efa nandalo tests maromaro. Anatin’ny herintaona tsy nahavita izany manokatra lyuçée izany, tamin’izany fotoana.  Ka eo anatrehan’izay zavatra izay, ny poste budgetaire izay hanaovana recrutement an’ny lyçée dia tsy nitombo fa azoko tenenina hoe nihena aza.

Raha ny fomba fijeriko eto…fomba fijery nationale…dia afaka miteny aminao aho, afaka miteny amin’ny mpanao gazety aho, afaka miteny na amin’iza na amin’iza aho, fa mahazo tombony be ireto lyçées eto Antananarivo eto ireto. Par rapport aminà lyçées any ambadika rehetra any. |…]

Inona no solution ? izahay eto amin’ny DRH dia mi-adopter solution ihany: 1* ny CAN Commision Nationale d’Affectation [tsy misahana ny affectation anaty region iray, izay anjaran’ny DREN no manao azy] no miandraikitra ny affectation avy aminà region iray mankaminà region iray hafa. Eo amin’ny affectation, misy ny affectation naturelle, ny zavatra naturelle dia ny mpampianatra mamonjy tanan-dehibe. Ary tsy afeniko anao fa tamin’ny CNA rehetra natao hatrizay, dia Antananarivo nahazo be dia be mihitsy: na rapprochement des ménages io, na resaka marary io, na zavatra hafa. Ny ataonay ao amin’ny CAN dia ny manangona ny hoe iza avy no mpampianatra niditra teto amin’ny faritra Analamanga, dia manome izany any amin’ny DREN Analamanga, dia anjarany no manao ny repartition an’ireny mpampianatra ireny aminà lyçée eto Analamanga. Dia sahiko eto ny miteny aminao fa raha repartition equitable no atao […] dia tsy hahazo firy raha ny lyçée eto an-drenivohitra eto. Satria raha ny vao nisokatra ho an’ny region Analamanga fotsiny, ohatra, dia eo amin’ny 17 eo….tato anatin’ny roa taona izay….ary ny adidy sy andraikitry ny eto amin’ny DRH dia ny mamatsy personnel an’ireo…raha raisiko ho ohatra izao ny lyçée Mahazaza dia ny Proviseur sy Personnel administrative iray no ao, fa ny manodidina an’io dia mpampianatra FRAM daholo, izany hoa tsy mbola nahatafavoaka izahay na mpampianatra iray akory aza avy aty amin’ny Ministera hoe handeha hampianatra any. Io personnel ao io dia lazaiko aminao fa personnel avy any aminà CEG io […] du point de vue nationale, dia catastrophique no azo ilazana ny situation misy eto amintsika.

Ny tokony natao izany, rehefa tsy nitombo ny poste budgetaire, dia tokony natsahatra teo aloha ny fanokafana lyçées vaovao, kanefa tsy azo natao izay, satria izay dia point de vue an’ny teknisiana, fa tsy izay ny point de vue an’ny politisiana.

Fa ny politisiana tsy maintsy manokatra an’ireo rehetra ireo hahafahana mirehareha any amin’ny gazety hoe : tamin’izahay nandalo teo, nahavita nanokatra lyçées izahay, 200. Ary izany mihitsy no nireharehana tamin’ilay Minisitra teo aloha. Ny olona nandalo teto nandritra ny firy repoblika tsy nahavita nanokatra lyçées afa-tsy 2 isan-taona. Nefa tao anatin’ny 2 taona nandalovanay, 200 no voasokatray[…]

ny vokatr’izay manao ahoana ? […] En terme de recrutement dia any amin’ny faran’ny volana Martsa any no misy an’ny lyçée […]

RR: […] tsy azo atao ve ny mandamina ny efa ao an-toerana?

Valiny Mr. L: tsy azonay idirana, fa affaire interne an’ny lyçée sy ny FRAM izany

Mr. L :Misy FRAM ve ao amin’ny lyçée Jules Ferry? […] ifandrimbonana ny fanabeazana…itony lyçées vaovao itony matoa mihodina dia mandray andraikitra ny FRAM, ary dia mendrika ny ho ampiana ilay sekoly satria misy fandraisana andraikitry ny FRAM… Mijery ny fanjakana hoe inona no dingana efa nataon’ny ray aman-dreny…izay izao no pratique efa ataon’ny lyçées rehetra any…misy ny FRAM tonga eto aminay mangataka mpampianatra hokaramain’ny FRAM,…ireny no mendrika ny ho ampiana….

RR: dingana iray hataoko ny hifampiresaka amin’ny lehiben’ny FRAM….anjaran’ny fanjakana ny mameno mpampianatra, koa no ahoana no FRAM no handoa an’izany…sao hihevitra ny fanjakana avy eo fa hoe efa nahavita ny FRAM, ka dia hialangalana sy hiandry foana ny FRAM sisa ny fanjakana aty aoriana…

Mr. L: …rehefa tonga ny recrutement dia prioritaire ireo mpampianatra nokaramain’ny FRAM. Rehefa tafiditra ho mpiasam-panjakana ireny olona ireny dia mba libéré ny FRAM rehefa avy eo, ary afaka manao zavatra hafa…faran’izay mampalahelo ahy aza ny hoe vita ny recrutement, nefa misy mpampianatra FRAM tsy voaray…raha point de vue national dia misy ny marary lavitra kokoa. Misy mbola azo tsaboina ihany sy ny sisa….

Tamin’ireny fanokafana lyçées be dia be ireny dia nisy ny nety ary nisy ny tsy nety. Ohatra amin’ny nety izao ny lyçée ao Tanambe, tonga dia 800 ny mpianatra.

Ireo rehetra ireo no voalazan’ny teo anivon’ny AGENAT. Saingy hafa noho izay kosa ny fomba fijery sy filazan’Andriamatoa RABETAHIANA Pascal, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena , izay tao anaty fandaharana RADIO FANABEAZANA mandeha isa-maraina ao amin’ny RNM, nilaza fa mbola olana goavana ho an’ny fanjakana ny mpampianatra FRAM, ary mbola ho elalela ny hoavin’ireo mpampianatra FRAM.

Eto ampamaranana dia tsy aritra ny tsy hiteny hoe, mba hafa raha samy hafa ny tontolon’ny fanabeazana eritreretin’ny manampahaizana hatolotra ny taranaka Malagasy. Manao ny ataony ireo heverina ho sangany eny Ankatso dia mikatso ny mpianatra. Lazaina fa tsy ampy ny vola raisiny. Dia manontany tena ny maro hoe:

Ary mba fomba ahoana ary izany no maha-velona ireny mpampianatra amin’ny Fanabeazana Fototra ireny,? Sa mangalatra dia mivarotra halatra avy eo mba hamelomana ny tokantrano? Mba manao ahoana no fihazonana aina ampiharin’ireny mpiasa amin’ny orinasa madinika ireny, izay mazava loatra fa tsy afaka ny hampianatra zanaka any amin’ny sekoly tsy miankina?

Mba faly ery ny sasany fa hendry ny taranany ka nilofo sy tafita, afaka Bacc, ary hiakatra an’izany Anjerimanontolo izany. Aleoko mampiasa ny teny hoe Anjerimanontolo, toy izay hampiasa ny teny hoe Ambohits(imis)aina. Kanjo dia ni(an)katso tao ity taranaka mba noheverina ho rehareha. Ireto ankizy koa moa nanaiky hiditra anaty lalao maloton’ny politika ka dia lalaovin’ny sasany ho amin’ny tombontsoan-dry zareo manokana. Rahoviana vao ho VALALABE MIFOHA?

Itaosy: Fiarovan-tenan’ny fianakaviamben’ny polisy…mahatsikaiky

Dia ny nihomehy sisa no nataoko teo ampihainoana an’ingahy Minisitra Organes sy ny Olona ambony iray avy ao amin’ny Polisim-pirenena androany, raha nitondra fanazavana mikasika ilay tovolahy mpianatra eny Ankatso ary maty tao amin’ny paositry ny polisy teny Itaosy nandritra ny fihazonana azy.

Raha tsiahivina ny raharaha dia nisy tovolahy nampangaina ho mpangalatra ary tany amin’ny tranom-paty vao hitan’ny fianakaviany. Na dia niezaka mafy nifampiresaka sy nanatona ny paositry ny polisy mba hanatitra akanjo ho anjanany aza ny fianakaviana. Tsy nety namela mihitsy ny fianakaviana hijery maso azy tao nandritra ny fotoana nihazonana azy moa ny tao amin’ilay paositry ny polisy.

Androany ary dia nitondra fanazavana ny avy amin’ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena. Nolazain’izy ireo fa naharay antso mikasika halatra ry zareo,ary misy olona efa nodarohan’ny fokonolona. Dia tonga teny an-toerana ny polisy mba hijery ifotony sy naka ilay tovolahy. Nambaran’ireto ‘mpiaro ny polisy’ (Minisitra sy ny Tale Jeneralin’ny polisy) ireto fa niaiky ity tovolahy ity fa anisan’ny mpikambana ao anatiny’ny bande des 12, hono. Ary nandray anjara tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana samihafa toy ny teny an-tranon’igahy Jaobarison (Media Consulting, ny Jirama, sns…

Ny mahagaga anefa dia ity: rehefa nijery ny razana teny amin’ny hopitaly ny fianakaviany dia nilaza fa tapaka ny hatoky ny zanany.

Raha ny fokonolona tokoa no nidaroka sy nahatapaka ny hatok’ilay tovolahy, mbola ho nisy aina ve izy, ka ho azon’ny polisy natao fanadihadina nakàny izany fiaiken-keloka amin’ny maha ao anaty andian-jiolahy azy izany?

Manaraka izay, ndeha hataontsika hoe velona ilay tovolahy no natao fanadihadiana sy niaiky ny helony, ary nanao sonia ny taratasy rehetra fiaikena nataony, dia azon-doza inona ireto polisy no namono nahafaty sy nanapaka ny hatony? Maninona no tsy navela ho velona izy ho afaka milaza ny tena tantarany sy ny fandehany rehetra eny imason’ny fitsaràna? Mampieritreritra an!  Sa ny maty ihany tokoa no tsy miteny ka dia aleo vonoina toy izay miteny ny tsy filaza eo, sanatrian’ny vava?

Ahiahy tsy ihavanana marobe no mitoetra manodidina ity raharaha iray ity.

Na ny ankizy kely vao mijery horonantsary misy adiady ireny aza dia hahatakatra fa rehefa tsy tiana ho velona ny mpifanandrina amin’ny tena dia ny lohany no aholana mba hanapahana ny hatony. Koa nahoana?  Nahoana?  Nahoana ?

Amiko dia tsy mitombina ary tsy maharesy lahatra velively ny fiarovan-tena naroson’ingahy minisitra sy ilay lehiben’ny polisy. Mba zavatra matomatotra kokoa ambara ny vahoaka fa dia mahamenatra sy manetry anareo ny fomba filaza toy ireny.

Vao avy namaky lahatsoratra mikasika ny zava-mitranga any Bahrain ny tena izao, ary dia matahotra mahita ireo sary mampivarahontsana noho ny fomba barbariana nataon’ny polisy tany an-toerana hamoretana ny mpanao fihetsiketsehana. Dia sanatria ho toe-tsaina barbariana iraisan’ny polisin’ity tany ity ve no misy amin’izao fotoana, na sanatria ve lamaody ny manisa aina nalatsaka nandritra ny fotoam-piasana tamin’ny maha polisy? Rahoviana vao hisy tompon’andraikitra sahy hiteny fa nanao ‘bavure policière’ ny sampana nisy azy? TSY MAMPINO

Noho ny zava-misy eny IVATO

Noho ny zava-misy eny IVATO izay nanaovan’ny Minisitry ny Fiaraovana antso mba handaozan’ny sivily ny toby BANI (nilaza moa izy fa tsy noho ny eritreritry ny maro hoe hisy fanafihana, fa antony ara-miaramila fotsiny), dia maro no niahiahy.

Nisy ny nametraka sakana teny Talatamaty sy Ambohibao. Nisy fipoahana re teny Talatamaty, izay tsy misy afaka nanome fanamarihana hoe inona no nipoaka, ary iza no nanapoaka. Voalazan’ireo nantsoina tamin’ny finday ihany koa fa toa nisy fipoahana tsy fantatra avy tao amin’ny toby.

Izay rehetra nantsoina dia samy nampiasa ny teny « sakoroka » avokoa ho entina milaza ny zava-misy eny Ivato eny. Miitatra lavitra hatrany Ankadindravola sy Fitrohafana any izany tranga izany fa tsy mijanona fotsiny ho ny faritra akaikin’ny toby.

Mifandray amin’io resaka sakoroka io dia nandray fepetra ny ankamaroan’ny toeram-pianarana teny an-toerana ka nandrava aloah’ny fotoana ny mpianany mba hahafahan’iretsy farany mamonjy toeram-podiana.

Tsy ny tany Ivato ihany anefa no nampodiana ny mpianatra fa hatrany amin’ny Lisea Jules Ferry Faravohitra koa dia noravana mialohan’ny fotoana ny fanmpianarana ary nampodiana ny ankizy. Rehefa nanontaniana ireo mpianatra dia nilaza fa noho ny fifampitifiran’ny miaramila any Ivato hono no antony voalazan’ireo tao amin’ny sekoly fa fototry ny firavana mialoha.

Nanao toy izany koa ireo sekoly sasany teto Antananarivo Renivohitra, toy ny La Poussinière etsy Andravoahangy Andrefana.

Toa ny mpianatra hatrany no lasibatra rehefa misy ny toy izao. Manao ny ataony ny eny Ankatso, ka mampiditra ny mpianatra « tsy misaina » ho fitaovana entina hanatrarana ny tanjona tian’ireo mpampianatra SECES sy ireo mpandraharaha ho tratrarina. Iza anefa no ho tratry ny taona fotsy, sy ho very taona? Tsy ireo olona efa voky andro sy voky vola ireo mihitsy, fa ireo mpianatra nanaiky holalaovina sy ho rebirebena. Ny ray reny any lavitra any lany fatotra amam-pondrana mandefa azy hianatra, nefa inona no atao rehefa tonga eny Ankatso? Tsy  ny zanaky ny Malagasy rehetra no hahatakatra Anjerimanontolo tsy miankina, nefa tsy ny zanaky ny Malagasy rehetra koa no ho tsara vintana ho afaka hiakatra an’Ankatso sy « hokaramaina hianatra ». Nefa dia izao no atao.

Ho an’ireo mpampianatra indray dia mba lasa ihany ny saina manao hoe: tena mihevitra tokoa ny lanjan’ny fampianarana ve ireny olona ireny? Raha n y vola takian-dry zareo mantsy dia an-tapitrisa maro. Lazaina fa tambin-karama amin’ny maha mpampianatra mpikaroka azy no takiany, sns… Ary raha mba mitaky aho eto hoe mba apetraho ato anatin’ny faritra tokony hametrahana fanamarihana amin’ity lahatsoratra ity hoe ny voka-pikarohana vitan’ny tsirairay taminareo, sy ny tohiny avy eo mba ho fantatry ny Malagasy rehetra, iza aminareo no ho sahy hanao an’izay? Tena mba miandry aho fa maharary ahy loatra ny mahita ireo mpianatra lalaovinareo ireo. Mbola ireo mpianatra ireo aza no ampanaovinareo fikarohana, ka tsarainareo avy eo. Ary ireny voka-pikaraohana vitan’ny mpaianatra ireny avy eo nankaiza? Lasa tahiry eny Tsimbazaza any amin’ny biraon’ny Ministera sy ny Foibe isan-karazany any fotsiny ve? Sanatriaviko anie izany!

Rehefa manao fikarohana tokoa mantsy dia tokony hanana tanjona itodiana. Izany hoe miandry vokatra. Ka tratra ve izay tanjona izay, sa ny volam-bahoaka fotsiny no lany sy takiana hitombo lava izao? Mba mieritrereta ihany e!

Raha misy tena fototra niaingan’ny fanabeazana, ary isan’ny nobeazina avy any ianareo, dia ny mpampianatra eny amin’ny Fanabeazana Fototra (E.P.P)  no manana ny toerany indrindra. Ireny no namokatra sy nikaroka ny fomba hampanoratana, hampamakiana teny ny zana-bahoaka tsirairay. Nitay ny vokatry ny ron-dohan’izy ireny fotsiny ianareo avy eo. Nefa mba be « taim-bava sy fitakiana » toy izao ataonareo izao ve ry zareo? Tsy miteny aho hoe hendry izy ireny, ary tsy midika koa izany fa miforitra izy ireny. Saingy angamba tsapany fa tsy fotoanany izao. Anaty rafitra mitsingilahila ve ianao no mitady hilingilingy hanao fampisehoana miaraka amin’ny « tongotra tahon-kifafa » toy ny fanao fony ankizy? Mazava ho azy fa na tokoa tafita ianao (raha tsara vintana), na voan’ny nataonao (mitaty ny henatra sy vavam-bahoaka). Nefa tsy heloka tokoa hono ny manandrana, satria izay « sahy maty ihany no mifono lambamena »

Fanampim-baovao faramparany: Tsy namokatra ny fifampiresahana nandritra ny 2 ora natao teny Ivato Ndrianarijaona / BANI, vokatr’izany dia miely ny feo fa mety hoesorin’i Camille Vital tsy ho Chef d’Etat-Major intsony rangahy io. Misy koa anefa ny fampiantsoana mpanao gazety hataon’i Gal Ndrianarijaona André ato ho ato, ka ho hita eo izay zavatra hiseho

Vatsim-pianarana / Bourse d’études PBack Madagascar

Sao mety hahasoa anareo vao avy nahazo ny diplaoma Bacc farany teo sy ireo izay efa zokiny teo aloha ity.

Nihaino ny fandaharana FIVOY (16 Oktobra 2010) tao amin’ny RNM androany maraina aho ka nandre fa misy an’izany ONG P-Back Madagascar izany afaka manome vatsim-pianarana ho anareo. Tsy ijerena sarangam-piainana io. Na avy amin’ny fianakaviana sahirana ianao, na avy amin’ny manan-katao, dia afaka mifaninana amin’izany avokoa.

Marihana fa vatsim-pianarana (bourse) ho fanohanana ny fianarana ataonao eto an-tanindrazana ihany io, ary afaka misafidy amin’ireo toeram-pianarana ambony andrian’ny fonao ianao raha voafantina ( Ankatso, INSCAE, ISCAM, sns…) Ny hany andrasana aminao izany dia ny fahavononana hifaninana sy hiezaka ary hilofo amin’izay atao.

Nametraka tanjona telo moa ry zareo, araka ny teny nentin’ilay nanazava tao amin’ny onjam-peo, dia ny:

1 * tanora hanana toe-tsaina mifaninana
2 * « patriotisme » sy fihavanana
3 * fifanampiana tsy anavahana na manan-katao na tsia

Ho an’ity taom-pianarana 2010-2011 ity dia toy izao ny andinindininy:

Tanora manana ny maripahaizana bacc, na efa 1ère année, na 2ème année amin’ny sampam-pianarana misy azy.

Fifantenana voalohany ny  29 Novambra 2010 ka 100 amin’ireo nifaninana no raisina

Ny 14, 15, 16, 17 Desambra 2010 dia omena fampiofanana mialoha, izay raha aloa vola dia mitentina Ar 200.000, io andiany voalohany io, nefa atolony maimaimpoana)

Hisy avy eo ny sivana faharoa amin’ny  21 Desambra 2010 ka ny zavatra nampiofanana tetsy ambony no hanadinana

Amin’ny sivana fahatelo farany dia adina am-bava no hatao ka azo atao izany na amin’ny teny Malagasy, na  Frantsay, na Anglisy.

Eo amin’ny mpianatra 30 eo no mivoaka ho mpandresy amin’ny faran’ny sivana atao. Kely ihany, nefa zara aza mba misy ny mandray andraikitra toy izany ho fanampiana ny mpianatra Malagasy rehefa tsy hahazo ny vatsimpianarana ho any ivelany daholo ihany.

Raha ny andiany teo aloha dia noferana ho latsaky ny 21 taona no mahazo mifaninana. Ary nisy, tamin’izany fotoana, ny sarany aloha mialoha ny fifanintsanana (AR 25000). Ny amin’ity taona ity no tsy fantatro izay fandehany.

Raha mbola ny taloha ihany no resahana dia tonga hatrany amin’ny fahazoana ny licence amin’ny sampana nofinidiny  ny vatsim-pianarana ho an’ireo 5  voalohany mendrika, hatreo amin’ny DTS ho an’ireo faha 6 sy faha 7, ary mandeha ambaratonga toy izay hatrany.

Na dia eto Antananarivo aza no hatao ny fifanintsanana dia afaka kosa hifaninana amin’izany daholo na avy aiza na avy aiza eto Madagasikara.

Tao amin’ny fampielezam-peo moa dia tsy nanome ny adiresy misy azy ilay mpanazava, saingy raha tsy niova dia eny ONG P-Back / Tsiadana- arrêt Akondro no misy azy io.

Dia mahità ny soa daholo ary ry mpianatra Malagasy malala isany.

Fort Duchesne 20mai2010

Marihana eto ampiandohana fa azonao atao ny mijery ny sary ao amin’ny flickr (avylavitra)

Talohan’ny fifandonana dia ny mpihoko nanohana an’i Lieutnant Colonel Andrianjafy Raymond no tompon’ny faritra ambony rehetra.

Teny ihany koa ireo olona tonga nanohana ny antson’ny mpitondra fivavahana. Nisy ny sakana natao nanerana ireo lalana mankany amin’ny toby. Efa vonona tao anatin’ny faritra misy ny fasan’ny maherifon’ny firenena ireo seza sy trano lay hanaovan’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana fotoana.

Nidina avy any anaty toby tany ny Gl ZAFERA ka naneho ny tsy hafaliany amin’izao fihetsika ataon’ny ampahany avy ao amin’ny F.I.G.N izao; nakorontany daholo ireo seza efa voaomana teo no sady nolazainy fa fanonganam-panjakana izao ataon’ireto olona ireto izao. Rehefa vitany izany dia niverina nankany an-toby izy ary tsy niala tao hatramin’ny farany amin’ny maha-tompon’andraikitra voalohany azy ao amin’ity toby ity. Araka ny fantatra taty aoriana dia tsy nitsahatra ny nandresy lahatra iretsy mpihoko ny Gl ZAFERA mba hiverina amin’ny fanapahan-kevitra ka hitolo-batana.

Tokony ho tamin’ny 10:15 dia nanokatra ny ‘tantara’ teny amin’ny mankeny amin’ny fasan’ny maherifo (Mausolé) ny F.I.S

Rehefa nahita izany ireo tao an-toby dia nanomboka ny poa-basy voalohany. Naharitra tany amin’ny 20 mn na antsasakadiny mahery tany izany. Rehefa nahita ireo avy amin’ny EMMO/REG fa sarotra ny raharaha raha hidina tokoa ireto avy any ambony, dia nanomboka namaly tifitra sy niezaka ny niakatra nankany amin’ny toby.

Hatrany amin’ny manodidina ny tamin’ny 11 ora na mahery tany ho any ny fifanakalozana tamin’ny tifitra.

10:30.Nandefa ny mpianatra tany aminy nody ireo sekoly teny amin’ny manodidina. Hatrany amin’ny Anjerimanontolo (Ankatso) dia najanona daholo ny fampianarana. Ireo mpianatra, zanaky ny tao amin’ny toby ka saiky handeha hody, dia nasaina namonjy avy hatrany ny teny amin’ny Toby Ratsimandrava mba ho fitandroana ny ain’izy ireny. Ny fianakaviana, vady aman-janak’ireo tao amin’ny toby, koa dia niangaviana mba hiala tao sy hamonjy ny toby Ratsimandrava. Nisy tamin’ireny ny vao tera-bao.

12:30 Nanamafy ny filazana ny Cl RAVALOMANANA Richard fa efa nasaina nila tao daholo ny fianakavian’ireo mpihoko. Toy izany koa ireo sivily tonga hanatrika ny HMF. Saingy ireto mpomba ny HMF moa na dia efa voahodidina sy efa tsy afa-manao na inona na inona aza dia mbola nihogahoga sy nanompa ny EMMO/REG avy ery ambony akaikin’ny fasana ihany.

Na dia tsy mitohy aza, dia nisy mitsitapitapy eny ihany ny poa-basy.

12:45. Lehilahy iray no tratra niakatra tamin’ny moto ho any amin’ny FIGN (araka ny teniny mihitsy io an), ary rehefa nosavaina ingahirainy dia nahitana saron-tava tany aminy. Tonga dia notazonin’ny Cl Ravalomanana ny karapanondrony ary nasainy namonjy ny toby Mahamasina izy sy ny moto nentiny. Tsy nanda mihitsy moa ity olona ity fa nilaza mazava hoe azy vao avy novidiany teny Andravoahangy ilay ‘cagoule’ ary handeha hamonjy ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana no anton-diany.

13:05.  Heno teny amin’ny toerana avo teny fa nisy tamin’ireo mpomba ny HMF no tsy te-halaina sary ka nitora-bato ny foiben’ny La Gazette de la Grande Ile, izay tsy aiza fa aty amin’ny sampana-dàlana miakatra ho any amin’ny Mausolé iny. Nanome baiko teo noho eo ny Cl Ravalomanana Richard ny mba hisian’ny andiana mpitandro filaminana hijery haingana any sy hisambotra izay tompon’antoka amin’izany.

16:XX Niresaka mivantana tamin’ny mpanangona vaovao ny Cl Ravalomanana Richard ary nitady manokana ny mpanao gazety avy amin’ny Radio Fahazavana sy ny Antsiva (fa toa izany no radio henoin’ireo mpihoko tao an-toerana nisy azy ireo tao). Hita teny foana ny mpanao gazety avy amin’ny Radio Fahazavana talohan’io fampiantsoana io, saingy nony natao ilay antso dia nanjavona ranamana. Ny anton’ny fampiantsoana moa dia ny mba hahazoan’ny Cl Ravalomanana miditra mivantana amin’ireo onjam-peo ireo hilaza ny faniriany hifampiresaka mivantana amin’ireo ao an-toby mba tsy hisian’ny rà mandriaka. Aleo hoy izy mifampiresaka. Lany fahana mantsy ny findainy araka ny filazany ka dia naleony nandeha tamin’izay làlana izay

Nisy ny fifampiraharahana tany ambadika tany ary niandry hatramin’ny ora farany ny Cl Ravalomanana vao nangataka ny hidirany mivantana amin’ny fampielezam-peo ka nilazany fa ala nenina farany io ataony io satria nadamoka ny fanelanelanana natao hatramin’ny tamin’ny 4 ora sy sasany tany ho any.

Talohan’io anefa dia efa nisy, araka ny filazany, ny fikazan’ny Lt Cl Raymond hitolo-batana saingy matahotra ny amin’ny ainy izy, no koa tsy navelan’ireo namany hivoaka fa hoe miara-maty ao.

4:30 hariva na mahery kely teo ho eo no nanomboka ny fiakarana sy fakàna tanteraka ny toby nisy ireo mpihoko. Rehefa azo anefa ny toby dia efa tsy tao intsony fa tafaporitsaka ny Lt Cl Raymond sy ny mpiara-dia sasany taminy. Nisy ny maty tavela tao anaty toby.

Araka ireo vavolombelona nanatri-maso dia nanao akanjo sivily ary namonjy fiara Prado Fotsy efa niandry azy teny amin’ny manodidina teny izy ireo ary nirifatra nanitsy tany Besarety tany. Tsy nisy laharana ny fiara. Nisy ny fanamiana sy fitaovam-piadiana nariana tany anaty kirihitra, ary nisy ny navela tao anatin’ny toby ihany rehefa nandositra izy ireo. Ny hafa tamin’ireto nandositra ireto anefa, araka ny filazan’ireo nahita hatrany, dia nitondra ny fitaovam-piadiany nanaraka azy. Ary nihazo ny renivohitra ny diany.

Tombana: Nanomboka tamin’ny 10 ora mahery tany ka hatramin’ny tamin’ny 5 ora hariva nialana teny an-toerana dia toy izao ny tarehimarika azo:

3 no maty ka FIS (Ramarson Mahafaly) iray, F.I.G.N iray, olon-tsotra iray (Raharinjatovo Justin 65 taona).
maherin’ny 7 ny naratra