29 MARS SY FITIAVAN-TANINDRAZANA

Ho avy indray ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana natao tamin’ny 29 Mars 1947. 61 taona lasa izany. Tsy zaza miana-mandeha intsony raha taonan’olona izay no andrefesana azy, fa tena efa anaty fahanterana sy fahamatorana. Nefa tena izay tokoa ve no misy? Matotra sy feno fahendrena ary tena tia ny tanindrazany marina ve ny Malagasy miara-miaina aminao ankehitriny? Raha izaho no mamamly dia TSIA avy hatrany no valin’teny omeko anao.
Hazavaiko ny hevitro:
* tsy zoviana amintsika ilay fomba fiantso toa maneso sy nandokoana ny vokatry ny tany hoe ‘VITA GASY’. Rehefa milahatra amin’ny vokatra nafarana avy any ivelany ny an’ny tena, dia amavoina amin’io fiteny io.
* Maro fa tsy vitsy ny Malagasy no menatra koa mampiasa ny teniny eny imasom-bahoaka rehefa mba tafita izay. Tratr’io aretina io avokoa hatramin’ny olona ambony sy mpitondra fanjakana. Nefa mba efa nahita ve ianao Amerikanina, na Anglisy, na Frantsay, na hafa koa aza e, hoe nikabary teo amin’ny taniny ka ny tenin’ny hafa firenena noho izy no nindraminy hampitana ny hafatra tiany havoitra? Tsy mbola nahita aho afa-tsy ny tany mbola voazanaka (ara-bakiteny na ara-toe-tsaina). Nefa ny antsika raha tonga ny tonon-taona, na misy fotoam-pitokanana azitsy zy zaroa, dia tsy ny teny Malagasy madio rano no anaovana azy fa tsy maintsy ilay sadasada manantsoratra ireny foana, raha tsy teny vahiny tsotra izao aza. Indray andro dia nisy vahiny iray tafaresaka tamiko teo ampilaharana vola tamin’ny banky iray. Hoy izy

« mampalahelo ianareo, lazaina fa tokana ny teny Malagasy, lazaina fa harena ny fanananareo azy, fa mba iza aminareo no tena manome lanja azy io, ankoatry ny mpikaroka ao amin’ny Akademia Malagasy sy ny Poety? Izay mifanerasera amiko dia miezaka ny hanakatra ny lanitra sy hiteny ny fiteniko, nefa anie aho no vahiny eto aminareo e! Amin’izay anefa ilay teny avoaka, tsy ambony tsy ambany. Izaho no tokony hiezaka hifehy ny teny Malagasy mba hahafahako mitrandraka bebe kokoa ny fomba amam-panao misy, mba hidirako bebe kokoa amin’ny fiaraha-monina iainako, nefa ianareo no manome vahana anay tsy hifehy ny anareo, koa aza gaga raha na ny fomba fifehezana sy ny fitondran’ny vahiny anareo hatrany anaty orinasa aza dia toy ny fitondra olona tsy misy vidiny. »

Henjana be tamiko ny nandre izany rehetra izany, nefa rehefa nandinika tsara tokoa aho, dia tena marina daholo ireo nolazainy. Misy aza ,hoy aho an’eritreritra, Malagasy tsy mahita rirany akory rehefa hanoratra amin’ny teny Malagasy (ny miteny vita ihany). Nefa jereo ry mopera Pedro sy ny fifehezany ny teny Malagasy, na dia hita ihany aza fa vahiny ilay miteny sy manonona azy.
* Teto anivon’ny orainasa iasako indray dia toy izao no nitranga, teo ampikarakarana taratasy momba ahy aho no tonga koa ity ramatoa iray (fony andron’ilay « iraika lahy taloha », nefa mbola mitohy hatrizao), haka vola hividianana billets d’avion ho an’ny mpikambana ao amin’ny governemanta no anton-diany. Tonga dia nofeperany ilay tomponandraikitra mba hividy ny tapakila any amin’ny Air France fa tsy tia mandeha Air Madagascar, hono, ireo mpitondra ny Malagasy tamin’izany, (sy angamba koa ankehitriny, rehefa nahita itony Corsair, Air Mauritius, sns …itony)
* Teny amin’ny fiantsonan’ny fiaramanidina indray raha handeha hamita iraka tany amin’ny faritany ny tenako, dia izao no nitranga. Avy ity zana-bazaha iray mba hamandrika tapakila fa hiondrana ho any ampitan-dranomasina. Tonga dia notsindriany avy hatrany fa billet Air France no ilainy fa tsy hafa ankoatra izay.

Ny tiako hahatongavana amin’ireo rehetra irao dia tokana , AZA ATAO VALALAN’AMBOA NY ANY TENA, KA NY TOMPONY AZA TSY TIA.
* Ndeha ary isika hamadika ilay fiteny hoe « VITA GASY‘ ho toy ny « LABEL« , na mari-pamantarana mampirehareha ny tompony.
* Ndeha koa isika hividy ny vokatry ny Malagasy mba tsy ho faty am-pitoerana ny orinasan-tsika noho ireo vokatra vahiny mitobaka eran’ny tsena (marina fa mora vidy ireny, fa mba jereo anie ny daty e, zavatra efa akaiky be daholo, izany hoe efa tsy ahitan-dry zareo lalana sy atahorany tsy ho azo avadika vola intsony no aondrany haingana aty amin’ny Malagasy, jereo koa ny soratra eny amin’ny fonon’ireny entana irenyfa misy amin’ny teny tsy hainao mihitsy, satria toy ny kankana (arabo), ka mampihinana anao zavatra tsy fantatrao akory.
* Ndeha ianao mpitondra fanjakana io mba hiaraka ho sarotiny aminay mpanjifa ka hitaky fa rehefa soratra tsy hay vakiana toy izany dia tsy mahazo miditra ny faritry ny taninao, ary ny daty efa antomotra be dia tokony ho ambony ny haba alaina aminy (fantatro fa ho olana io amin’ity resaka SADC SADC ity, nefa ny hahafaty sa ny hahavelona ny Malagasy no tanjona? Sahia mandray fepetra henjana, fa resaka baolina kitra aza nahasarotiny anareo, maika fa resaka fahasalamana sy fiadanan’ny Malagasy ETO AMIN’NY TANY NAVELAN’NY RAZANY ho azy.
* Entanina koa ianao Lehibe io (na ao an-trano, na amin’ny orinasa, na amin’ny fitantanana isan’ambaratonga, hatrany amin’ny fiadidiana ny firenena iray manontolo mihitsy) mba hampiasa ny teny Malagasy amin’ny serasera sy fifandraisana amin’ny birao rehetra. Mba firy amin’ny Malagasy moa no tena mahafehy ny teny Frantsay sy Anglisy io? Ekeko fa marina ny hoe ilaina fehezina koa ny an’ny hafa.
* Manainga anao tomponandraikitra mivantana koa mba hampanaja ny lalana amin’ny fampiasana ny sora-bola eo amin’ny sehatry ny fandraharahana eto Madagasikara, ka rehefa ny ARIARY no voalaza fa vola miasa eto, dia tsy tokony ho ekena mihitsy ny sora-bola EURO, na vola vahiny hafa amin’ny fandraharahana manerana ny tanin’ny Repoblika Malagasy (toy izay hita amin’ny filazana an-gazety maro momba ny resaka hofan-trano sy fifampivarotana sns…) Tsy hoe vola matanjaka izy ireny, dia hanaraka izay koa ny fomba fanehoana vidin’entana sy fandoavana ny lany eto Madagasikara.
* Ho an’ny Malagasy rehetra kosa, ho fanohananao ny fanarenana ny fananana Malagasy (raisiko ohatra ilay tapakila tery ambony), dia aoka ho ny vokatra sy ny tolotra omen’izy ireny no ampiasaintsika araka izay tratry ny hery. Ohatra, hivoaka ny Nosy ianao, ampiasao ny Air Madagascar fa io no anao, ary ilaina velomina sy kolokoloina hijoro hatrany satria an’ny tena. Hanasa lamba ianao dia ampiasao ny vokatry ny SAVONNERIE TOPICALE fa tsy ny vokatra Maorisianina toy ny Citron Plus no mampifandrombaka.

Koa raha ianao no mandinika, aiza ho aiza ny fitiavanao ny tanindrazanao, mahaleotena tokoa ve izy, mianoka ny fahalalaha ve ny mponina ao aminy?

Tadidio mandrakariva fa tsy misy afa-bela amin’ny tantara ka hilaza fa adidin’ny teo taloha izany, satria samy tompon’andraikitra amin’ny tontolo nolalovany daholo ny tsirairay. IZAHO, IANAO, ISIKA NO MANORATRA NY TANTARA, ARY ISIKA MIHITSY NO VANIM-POTOANA, ISIKA NO HOTSARAINA RAHAMPITSO.
Mieritrereta.

Nandatsa-bato

Niniana natao ilay lohateny hoe « Nandatsa-bato » satria tsy fifidianana no natrehiko teto Antananarivo raha ny sary entiko ho anao no jerena akaiky.

Tsy nisy afa-tsy vato TIM sy valopy no nameno ny latabatr’ireo birao noteteziko (EPP Behoririka, EPP Andravoahangy I sy II, EPP Antanimena, EPP Ankadifotsy ISCAM)

sunp0019.jpg

Raha ny taha-pahavitrihana moa dia ambany tokoa. Ary inoako fa tsy mbola nisy toy iny. Lany andro nanoko resaka sy nialoka noho ny hafanàna fotsiny sisa ireo mpikambana tamin’ireny biraom-pifidianana ireny. Zarany aza nisy anay nandehandeha teny naka sary sy nampiresaka azy.

Ireto sary rehetra ireto dia nalaina teo anelanela’ny 11h sy 12h. Raha misy olona 1700 mahery no voasoratra (saiky isak’ireo birao notsidihako io an!), dia nanodidina ny 70 teo raha be indrindra no tonga nifidy tamin’io ora io (12h). Topazo maso anie ity fandraisana ny isan’ny olona tao amin’ny EPP Andravoahangy II ity e! Isao ny isan’ny tsanganana sy ny andàlana, dia ataovy ny kajy tsotsotra avy eo.

sunp0021.jpg

Ny olona nandràsana tsy tonga, ny hanoanana nanomboka namely. Midinika sy mifandamina ny amin’izay handeha hisakafo mialoha sisa no azo natao. Kanjo tonga tampoka ny olom-boafidy iray eto amin’ny firenena, izay mitàna andraikitra ambony ihany koa eo anivon’ny andrim-panjakana iray. Nombàm-bady ny lehilahy ary efa somary nahenoana fofona alikaola ihany koa. Koa raha izy aza moa nahenoana izany, dia ahoana no hinoana fa tsy mba haka tàhaka izany koa ny olona tsotra? Araho ny tohiny. 

sunp0023.jpg

sunp0027.jpg

Rehefa avy nifidy ingahy olom-boafidy sy ny vadiny, narahin’ity garde de corps, dia namonjy fiara mba hody. Asa anefa na efa nalemin’ny alikaola ny hozatra ka tsy nahazàka tsara intsony ilay tongotra tokony handingana ilay rojo vy nanelanelana ny varavaran’ny fiara sy ny tenany. Niezaka ihany ingahirainy ny handingana, kanjo, loza fa natsipin’ny rojo nitsinkasina tamin’ny tany teo imasom-bahoaka teo.

sunp0031.jpg

Koa raha toy ireny daholo tokoa moa ny ohatra omena ny vahoaka, tsy dia hahagaga antsika loatra raha mihena ny fitokisana sy fitiavan’ny daholobe ny mpitondra azy ankehitriny.

Karazana felaka teha-maina fanindroany nahazo ny fitondrana ny valin’iny latsa-bato iny satria raha ny vokatra tsy tena mbola ofisialy manerana an’i Madagasikara navoakan’ny Ministeran’ny Atitany androany maraina, dia 30,71% ny taha-pahavitrihan’ny olona nandeha nifidy. Tsy tokony hitondra fisainana lalina ho an’ny mpitondra ve izany?

Asa lahy!

8_Mars

Na dia tsy mbola anatin’ny 8 mars tanteraka aza isika dia entina ihany ity lahatsoratra ity ho an’ny rehetra. Manana ny toerany lehibe eo amin’y fiaraha-monina ny vehivavy. Ankoatry ny maha ravaky ny saha sy endriky ny tanàna azy dia aoka ho tadidy mandrakariva fa izy no kofehy na fantsona iray miantoka ny fitohizan’ny taranaka. Andry lehibe iankinan’ny firenena sy ny fisiany araka izany ny vehivavy. Niezaka nitaky fitovian-jo izy ireny. Dia nomena izay tandrify azy tokoa.
 Na izany aza anefa dia lazaiko fa tsy mbola, ary tsy ho tanteraka (lafatra) na oviana izay resaka fitovian-jo tadiaviny izay.
Voajanahary mantsy ny maha samy hafa ny lahy sy ny vavy. Aza tonga dia tsinianao avy hatrany fotsiny amin’izao izay lazaiko, fa raha misy adihevitra dia tokony haroso. Fony aho nianatra dia hoy ity anabavy iray mantsy ahy. Efa teny amin’ny ambaratonga ambony tamin’izany fotoana: « Na inona na inona fitakiana fitovoan-jo ataonay, dia ekenay fa resinareo lehilahy foana izahay amin’ny lafin-javatra maro. Resa-be tiana hateza ny hoe tena hitovy tanteraka fa efa napetrak’Andriamanitra ho ny lahy no lohan’ny vavy« . Akatoko eo ny amin’iny sao dia hisy hilaza fa mpanamaivana ny andriambavilanitra aho.
Fa ny zavatra tiako hapetraka dia izao. Anisan’izay tena miezaka mampihena io elanelana io ny tenako. Ary dia sarotiny mihitsy raha vao ny vehivavy no atao tsinontsinona. Isan’ny fanaovana tsinontsinona ny vehivavy Malagasy sasany ny tsy famelàna azy handray anjara amin’ny adihevitra atao eo anivon’ny fiaraha-monina Malagasy sasany. Anjaran’ny lehilahy mantsy hono izany. Eo koa ny tsy fanajàna ny safidin’izy ireny amin’ny alàlan’ny fanolorana azy ho vadin’olona fa tsy ho tompon-tsafidy amin’ny fitiavany. Ary izay miseho any amin’y faritra somary atsimo atsinanana iny no tena mahavàka ny saina indrindra. Raha misy vehivavy miteraka kambana, dia tsy maintsy vonoina ny iray na ariana ho lasan’olona hafa. Izay mantsy hono no fomban-drazany ka dia tsy afaka miteny sy tsy manam-pidiny ilay kitapo nifonosana. Nilaza mihitsy aza ireo raiamandreny be (Ampanjaka) tao amin’io tanàna io fa na hiady aminy aza ny fanjakana dia tsy hilefitra hitaiza zaza kambana izany ry zareo. Tsy fanaon’ny razany izany ary tsy ho ataony na oviana na oviana,hono. Be ny vehivavy no mizaka ny mafy: na io noho ny adim-piainana tsotra izao fotsiny, na noho ny setrasetra mihatra aminy (fanolanana sns…). Vao tsy ela fa ny 06-03-2008 teo no nahenoako tovovavy iray nanoratra tany amin’ny mpanolotra fandaharana iray « Ny fitiavana sy ny tontolony » tao amin’ny  radio Don Bosco, nitantarany ny manjo azy. Toy izao izany manjo azy izany: sembana ity anabavy nanoratra (sima).
Ny zavatra mampalahelo dia ny reniny izay tokony ho nàmany sy hanampy ary hiaro azy no mitsangana ho fahavalony, noho io fahasembànany io. Tsy avela hianatra fa hataon’ity farany inona, hono, izany, Tsy avela hitady asa koa fa atao toy ny mpanampy
ao an-trano. Iainany isan’andro ny latsalatsa sy ny teny tsy voahevitra rehetra. Mankahàla azy tanteraka noho io antony io ny reniny,  ary dia manaraka izany koa ny iray tampo aminy rehetra, izay mahazo vàhana sy fitiavana manokana amin’ity reny mpianga-janaka. Mba mitsetra azy ihany ilay rainy saingy tsy mahavita inona noho iretsy ankilany maro mifanandrina aminy. Avoaka daholo ny vava tsy ambina rehetra toy ny hoe « tsy hahita asa na vady na oviana na oviana raha ny toa azy sima io« . Niantso vonjy tamin’ny alalan’ny taratasiny io anabavy io ny mba hanampian’izay afaka manao izany ho azy, eny fa na dia hanao mpiasa an-trano aza, mba hialany amin’ny ziogan-dreniny. Efa navoakan-dreniny hatramin’ny teny maharary hoe : « tsy manan-janaka anao aho« . Mafy anie izany rey olona e. Tsy te-ho eo amin’ny toerany aho.
Tsaroako eto koa ireo vehivavy lavo sy potraka noho ny fitiavany. Noho ny fitiavany hoy aho, satria nitia izy saingy nilaozan’ilay, na ireo notolorany ny fony. Mibaby kitra irery avy eo,nefa dia tsy maintsy manohy miaina. Isaorana manokana ireo reny be herim-po tsy mitsoaka adidy ka na dia lasa aza ilay nantenainy, izy kosa mijoro hatrany mba ho andry sy ho tokin’ilay menaky ny ainy izay tsy nahalala na inona na inona akory. Tolomina ny zaza, nefa koa ny vola tsy maintsy tadiavina ary dia mitomban-dahy tokoa ny sasany amin’ireny reny ireny. Misy manao asan-dehilahy mihitsy toy ity sary entiko aminao ity
. Ny zaza babena, ny asa tefy vy sy fanaovana tsikalakalam-pàtana tsy maintsy atao raha mbola te-hanokatra ny vavan’ilay tsy manan-tsiny tsy mahita atao afa-tsy ny matory maka hafanana ao an-damosin-dreniny. Mivoaka maraina be sao lasan’ny sasany ny mpanjifan’ny tena. Tsy miala eo indray raha tsy antony tsy azo anoharana. Teny Ambodirano-Ampefiloha no nakako ny sary. 

sunp0015.jpg 

sunp0017.jpg

 Tsy lavitra teo koa anefa, saingy niniako tsy nalaina sary kosa, dia nisy vehivavy iray hafa mamo tampona tsy naharay tena, mitsinkasina anaty loto sy dikadikain’ny akoho sy alika (ara-bakiteny io). Ireo vehivavy sendra nandalo dia samy tezitra sy nanome tsiny avokoa hoe « manala-baraka vehivavy, tsy misaina »
 Isan-taona dia omena azy ireo ho andro tsy iasany ny 8 mars. Raha ny orinasa iasako manokana izao dia sady mbola omena vola Ar15.000 tsirairay izy ireny. Saingy moa ve izay andro sy vola no tena hampiaka-danja ny vehivavy, sa asa maharitra sy
tontolo feno  fitsinjovana tsy mitsahatra omena azy isan’andro hanatanterahany ny adidiny? Angamba ny tena fitiavana azy dia ny fanampiana azy amin’ny fiainana isan’andro, ary amin’ny lafiny rehetra mihitsy tsy asiana faritra na fetra (na fitsaboana io, na fampitoviana karama ho an’ny asa mitovy ataon’ny lehilahy na vehivavy, sns…).
Ekena fa misy ny asa vatana tsy ho efany velively mihitsy kosa aloha e! Ary tsy mampitombina ny resaka fitovian-jo io lafiny iray io. Fa dia noho ilay fitiavana azy sy ny fandeferana dia mba mody mangiana ery ny lehilahy! Araka ilay fiteny hoe « Ny lehilahy raha mandingana in-telo, mahazo hevitra, ny vehivavy kosa raha miondrika in-efatra, mahazo saina« . Izany hoe mifameno eo foana ilay malefadefaka sy ilay maozamaozatra.
Izy ireo kosa (ny vehivavy), ho tambin’izany, dia tokony ho mendrika izay fijerena sy fitsinjovana azy manokana izay. Fa tsy sanatria hidingin-drambo ka hanao akohovavy maneno, na ao an-tokantrano na any amin’ny sehatra hafa anatin’ny fiaraha-monina. Satria misy tokoa mantsy ny vehivavy, rehefa mba tafasondrotra izay, ka tonga amin’ilay hoe « manana ny maha-izy azy » no lasa toy ny soavaly tapaka lamboridy (miala tsiny amin’ny ohatra masiaka). Ajanoko eo ny fitanisana izay mety ho lafy ratsy fa ndeha hitodika kosa amin’izay tombon-dahiny ananan’ny vehivavy isika.

Ekena fa « amboan’olona,kofehy manara-panjaitra, vady andefimandry, taranak’i Eva, haingo mipetraka ho ravaky ny tanana, ary voarabe ho endriky ny saha, mandeha ravaky ny lalana, akohovavy maneno » , ireo rehetra ireo dia mirakitra ny fomba fiheverana sy fiantso ny vehivavy, na amin’ny ratsy na amin’ny tsara, na amin’ny fomba fiheverana maro. Raha ny resaka fanabeazana no horesahana dia tsy toy ny any amin’ireo firenena silamo sy ny hafa izay manavaka manokana ny vehivavy intsony ny eto Madagascar.Efa rava tanteraka io fanavakavahana io, na dia mbola misy aza ilay pi-maso an’ila voalazako ery ambony any amin’ny faritra sasany izay mihevitra fa ny lehilahy no handimby anaran-dray ka tsy maintsy omena tombon-dahiny manokana eo amin’ny fianarana. Fa ny vehivavy kosa dia olo-manaraka, andraikitr’olona ka tsy tokony handaniana mondron-kely sy vary iraiventy.
Manomboka izao dia ndeha hiara-hientana isika mba hampihàrana ny zo mitovy ho an’ny fahafahana mahazo fanabeazana mitovy, fahafahana manatratra tanjona mitovy ary azo tratrarina amin’izany fanabeazana izany. Maro amintsika no nampianarin’ny mpampianatra  vehivavy. 65% mahery amin’ny mpampianatra Malagasy no vehivavy, raha ny tatitry ny Ministera misahana izany no raisina. Midika izany fa na eo anivon’ny firenena, na eo anivon’ny fiaraha-monina ary indrindra moa fa miainga ao an-tokantrano dia singa iray tsy azontsika tsinontsinoavina ny vehivavy, fa manana ny lanjany tsy azon’ny saina refesina. Talenta manokana nomen-janahary azy ireny ny fahaizana manabe. Tena tsinjon’ny mpianatra ho hafa kokoa ny manoloana mpampianatra vehivavy  noho ny manoloana mpampianatra lehilahy na dia sanmy mpanabe izao aza. Raha eo amin’ny lafiny fanabeazana izany dia mazava fa tsy
vitan’ny hoe mira lenta intsony ny lahy sy ny vavy, fa tena efa nihoaran’ny vehivavy lavitra ny lehilahy.
Mankasitraka anareo Andriambavilanitra!

Cyclone « JOKWE? » indray

Vaovao voaray tamin’ny 13h Madagascar: Misy cyclone ao amin’ny Ocean Indien. Jokwe no nahenoako ny anarany .

Ity no andro ratsy faha-12 taty amin’ny faritra.

Mikisaka miakandrefana izy io ary mamonjy an’i Diego raha ny fizotrany. Mbola any amin’ny 190km miala an’i Diego ao amin’ny Avaratra atsinanana no misy azy ity, nefa hitondra orana betsaka sy rivotra mahatratra 80km isan’ora. 250km ny savaivony ary miadana ny fifindrany. Voakasiky ny filazana loza manambana daholo ny faritr’i DIANA, SAVA ary SOFIA.

Ampitampitao malaky azafady

Tsy prturbation araka izay voalazan’ny sary intsony fa sary talohan’ny nahazoany anarana io an!

jokeway.gif

Ny vinavina ho làlana hizorany

jokeway_12.png

ireo làlana nizoran’ny andro ratsy hatrizay

lalana.png

Gidragidra tao Mahamasina

Toy izao no fandehany: Tokony hisy match nifandonan’ny AJESAIA sy ny MOZAMBICAIN teo Mahamasina androany. Nampidirina foana ny olona tao ami’ny stade. Ny adversaire efa tonga teto Tana ary Tany akaikin’ny Sabotsy Namehana tany no nanao fanazaran-tena. Ny billet anefa raisina sy rovitina ao ampidirana ny stade. Raha tamin’ny 15h ny baolina no tokony hanomboka dia efa tamin’ny 16h vao nilazana fa foana ny match fa tsy tonga ny arbitre. Tezitra ny olona ka nanomboka nimenomenona. Nidina teny ankianja namotika ny harato sy izay sendra azy.Naneho ny tsy hafaliany ny lehilahy lehibe irey ary dia niafara tamin’ny herisetra nataon’ny polisy taminy izany. Hitsakitsaka no nahazo azy. Nirongatra amin’izay ny olona nanimba zavatra sy nitaky fanazavana, satria ny vola voaloa tsy ho tafaverina intsony.. Nalaina tamin’ny ambulance tao ilay rangahy io ary heno avy eo fa maty tany amin’ny hopitaly. Ny tora-bato kosa nitohy hatrany ka ireo tany ivelany no mitoraka ny aty anatiny. Izaho amin’io narovan’ny police nentina niditra tao amin’ny stade fa na ny mpanao gazety, na ny olon-tsotra maka sary dia samy tsy zakan’ny olona ka lasibatry ny tora-bato ihany koa. Tafasaraka tamin’ny zanako roa vavy aho ary soa fa nitondra phone izy ireo. Talohan’ny nanatonako ny stade dia navelako teny akaikin’ny moron’Anosy izy ireo. Nantsoiko haningana ka nasaiko nadositra nankany  Analakely . Niantso ny tany an-trano indray aho haka azy ireo avy eo. Lany anefa ny credit-ko ka tsy tafita ny hafatra. Izy roa kely amin’io efa an-dalana hamonjy an’Analakely. Soa fa niantso ahy tampoka ny anabaviko ka io no nasaiko nilaza maika tany an-trano sy nanazavako ny zavatra rehetra.
Vao maika nitombo ny hatezeran’ny olona ary tonga hatrany Analakely cinema Ritz ny gidragidra. Rehefa mety ho lalana nivoaka an’i Mahamasina dia nisy izany gidragidra izany avokoa. Tao anaty Stade dia fiara roa no naongan’ny olona ka nodorany. Tsy fantatro aloha na an’iza na an’iza ireo. Roa no olona nalefa tany amin’ny hopitaly, ka ny iray no heno (marihako tsara fa heno) fa hoe maty. Rehefa mahazo vaovao misimisy kokoa aho dia ampitaiko aminao ihany. Izay hijery ny video kosa dia afaka mijery izany any amin’ny  france24 fa nalefako any. Ialako tsiny indrindra.
Fa  ny fanontaniana mipetraka dia ity: aiza ho aiza ny andraikitr’ireo arbitre raha nilaza ny ho avy nefa tsy tonga,? Aiza ny andraikitry ny CAF ? ary ny an’ny Federation Malgache ?  Angaha tsy fantatra mialoha be hoe tsy ho avy ny arbitre? Ahoana ny amin’ny aina nafoy sy ny naratra ? sns…
TSy navela hisoka-bava tamin’izay manadihady moa ny police, fa kosa tsy afaka manakana ny mpanao gazet tsy haka sary. Soa fa mba tafiditra ho isan’ny mpanao gazety ny tena tamin’iny fa raha tsy izany dia asa fotsiny.
Ireto santionan-tsary misy hojerena fa mbola betsaka moa ny aty fa ny fotoana no tsy ampy handefasana azy.
sunp0031.jpg
sunp0053.jpg
sunp0021.jpg 
Vaovao farany:
3 ny arbitres nandrasana. Tsy tonga anefa ny comorien iray. Saiky hosoloina Malagasy mba handehanan’ny lalao. Tsy nanaiky ny Costa do Sol. Niandry ny Commissaire au match ny federasiona malagasin’ny baolina kitra tamin’ny folo. Tsy tonga anefa ileio, ary rehefa nozahana dia tany amin’ny Costa do sol no hita izy. Zavatra izay tsy tokony ho nataony velively ny manatona ekipa alohan’ny match toy izao. Tsy nanome baiko koa anefa izy hoe hisy ihany na tsia ny fihaonana. Noho izany dia naman’ny misy ny fihaonana hatramin’ny ora farany.
Taorian’ny gidragidra dia tapaka fa haverina ny Talata 04 mars amin’ny 14h 30 ny fihaonana ary ny federation no hitady ny kianja sy hanao izay hahatomombana azy. Hisy ny fanafarana mpitsara avy atsy Maorisy mba hameno ny banga ho fanampin’ireo comoriens roalahy efa eto Antananarivo.
5 naratra ka 3 mpitandro ny filaminana
12 voasambotra
2 fiara may
maro kosa ireo fiara simba sy vaky fitaratra. Anisan’ny nitondra faisana tamin’izany ny tobin’ny polisy etsy Mahamasina