29 MARS SY FITIAVAN-TANINDRAZANA

Ho avy indray ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana natao tamin’ny 29 Mars 1947. 61 taona lasa izany. Tsy zaza miana-mandeha intsony raha taonan’olona izay no andrefesana azy, fa tena efa anaty fahanterana sy fahamatorana. Nefa tena izay tokoa ve no misy? Matotra sy feno fahendrena ary tena tia ny tanindrazany marina ve ny Malagasy miara-miaina aminao ankehitriny? Raha izaho no mamamly dia TSIA avy hatrany no valin’teny omeko anao.
Hazavaiko ny hevitro:
* tsy zoviana amintsika ilay fomba fiantso toa maneso sy nandokoana ny vokatry ny tany hoe ‘VITA GASY’. Rehefa milahatra amin’ny vokatra nafarana avy any ivelany ny an’ny tena, dia amavoina amin’io fiteny io.
* Maro fa tsy vitsy ny Malagasy no menatra koa mampiasa ny teniny eny imasom-bahoaka rehefa mba tafita izay. Tratr’io aretina io avokoa hatramin’ny olona ambony sy mpitondra fanjakana. Nefa mba efa nahita ve ianao Amerikanina, na Anglisy, na Frantsay, na hafa koa aza e, hoe nikabary teo amin’ny taniny ka ny tenin’ny hafa firenena noho izy no nindraminy hampitana ny hafatra tiany havoitra? Tsy mbola nahita aho afa-tsy ny tany mbola voazanaka (ara-bakiteny na ara-toe-tsaina). Nefa ny antsika raha tonga ny tonon-taona, na misy fotoam-pitokanana azitsy zy zaroa, dia tsy ny teny Malagasy madio rano no anaovana azy fa tsy maintsy ilay sadasada manantsoratra ireny foana, raha tsy teny vahiny tsotra izao aza. Indray andro dia nisy vahiny iray tafaresaka tamiko teo ampilaharana vola tamin’ny banky iray. Hoy izy

« mampalahelo ianareo, lazaina fa tokana ny teny Malagasy, lazaina fa harena ny fanananareo azy, fa mba iza aminareo no tena manome lanja azy io, ankoatry ny mpikaroka ao amin’ny Akademia Malagasy sy ny Poety? Izay mifanerasera amiko dia miezaka ny hanakatra ny lanitra sy hiteny ny fiteniko, nefa anie aho no vahiny eto aminareo e! Amin’izay anefa ilay teny avoaka, tsy ambony tsy ambany. Izaho no tokony hiezaka hifehy ny teny Malagasy mba hahafahako mitrandraka bebe kokoa ny fomba amam-panao misy, mba hidirako bebe kokoa amin’ny fiaraha-monina iainako, nefa ianareo no manome vahana anay tsy hifehy ny anareo, koa aza gaga raha na ny fomba fifehezana sy ny fitondran’ny vahiny anareo hatrany anaty orinasa aza dia toy ny fitondra olona tsy misy vidiny. »

Henjana be tamiko ny nandre izany rehetra izany, nefa rehefa nandinika tsara tokoa aho, dia tena marina daholo ireo nolazainy. Misy aza ,hoy aho an’eritreritra, Malagasy tsy mahita rirany akory rehefa hanoratra amin’ny teny Malagasy (ny miteny vita ihany). Nefa jereo ry mopera Pedro sy ny fifehezany ny teny Malagasy, na dia hita ihany aza fa vahiny ilay miteny sy manonona azy.
* Teto anivon’ny orainasa iasako indray dia toy izao no nitranga, teo ampikarakarana taratasy momba ahy aho no tonga koa ity ramatoa iray (fony andron’ilay « iraika lahy taloha », nefa mbola mitohy hatrizao), haka vola hividianana billets d’avion ho an’ny mpikambana ao amin’ny governemanta no anton-diany. Tonga dia nofeperany ilay tomponandraikitra mba hividy ny tapakila any amin’ny Air France fa tsy tia mandeha Air Madagascar, hono, ireo mpitondra ny Malagasy tamin’izany, (sy angamba koa ankehitriny, rehefa nahita itony Corsair, Air Mauritius, sns …itony)
* Teny amin’ny fiantsonan’ny fiaramanidina indray raha handeha hamita iraka tany amin’ny faritany ny tenako, dia izao no nitranga. Avy ity zana-bazaha iray mba hamandrika tapakila fa hiondrana ho any ampitan-dranomasina. Tonga dia notsindriany avy hatrany fa billet Air France no ilainy fa tsy hafa ankoatra izay.

Ny tiako hahatongavana amin’ireo rehetra irao dia tokana , AZA ATAO VALALAN’AMBOA NY ANY TENA, KA NY TOMPONY AZA TSY TIA.
* Ndeha ary isika hamadika ilay fiteny hoe « VITA GASY‘ ho toy ny « LABEL« , na mari-pamantarana mampirehareha ny tompony.
* Ndeha koa isika hividy ny vokatry ny Malagasy mba tsy ho faty am-pitoerana ny orinasan-tsika noho ireo vokatra vahiny mitobaka eran’ny tsena (marina fa mora vidy ireny, fa mba jereo anie ny daty e, zavatra efa akaiky be daholo, izany hoe efa tsy ahitan-dry zareo lalana sy atahorany tsy ho azo avadika vola intsony no aondrany haingana aty amin’ny Malagasy, jereo koa ny soratra eny amin’ny fonon’ireny entana irenyfa misy amin’ny teny tsy hainao mihitsy, satria toy ny kankana (arabo), ka mampihinana anao zavatra tsy fantatrao akory.
* Ndeha ianao mpitondra fanjakana io mba hiaraka ho sarotiny aminay mpanjifa ka hitaky fa rehefa soratra tsy hay vakiana toy izany dia tsy mahazo miditra ny faritry ny taninao, ary ny daty efa antomotra be dia tokony ho ambony ny haba alaina aminy (fantatro fa ho olana io amin’ity resaka SADC SADC ity, nefa ny hahafaty sa ny hahavelona ny Malagasy no tanjona? Sahia mandray fepetra henjana, fa resaka baolina kitra aza nahasarotiny anareo, maika fa resaka fahasalamana sy fiadanan’ny Malagasy ETO AMIN’NY TANY NAVELAN’NY RAZANY ho azy.
* Entanina koa ianao Lehibe io (na ao an-trano, na amin’ny orinasa, na amin’ny fitantanana isan’ambaratonga, hatrany amin’ny fiadidiana ny firenena iray manontolo mihitsy) mba hampiasa ny teny Malagasy amin’ny serasera sy fifandraisana amin’ny birao rehetra. Mba firy amin’ny Malagasy moa no tena mahafehy ny teny Frantsay sy Anglisy io? Ekeko fa marina ny hoe ilaina fehezina koa ny an’ny hafa.
* Manainga anao tomponandraikitra mivantana koa mba hampanaja ny lalana amin’ny fampiasana ny sora-bola eo amin’ny sehatry ny fandraharahana eto Madagasikara, ka rehefa ny ARIARY no voalaza fa vola miasa eto, dia tsy tokony ho ekena mihitsy ny sora-bola EURO, na vola vahiny hafa amin’ny fandraharahana manerana ny tanin’ny Repoblika Malagasy (toy izay hita amin’ny filazana an-gazety maro momba ny resaka hofan-trano sy fifampivarotana sns…) Tsy hoe vola matanjaka izy ireny, dia hanaraka izay koa ny fomba fanehoana vidin’entana sy fandoavana ny lany eto Madagasikara.
* Ho an’ny Malagasy rehetra kosa, ho fanohananao ny fanarenana ny fananana Malagasy (raisiko ohatra ilay tapakila tery ambony), dia aoka ho ny vokatra sy ny tolotra omen’izy ireny no ampiasaintsika araka izay tratry ny hery. Ohatra, hivoaka ny Nosy ianao, ampiasao ny Air Madagascar fa io no anao, ary ilaina velomina sy kolokoloina hijoro hatrany satria an’ny tena. Hanasa lamba ianao dia ampiasao ny vokatry ny SAVONNERIE TOPICALE fa tsy ny vokatra Maorisianina toy ny Citron Plus no mampifandrombaka.

Koa raha ianao no mandinika, aiza ho aiza ny fitiavanao ny tanindrazanao, mahaleotena tokoa ve izy, mianoka ny fahalalaha ve ny mponina ao aminy?

Tadidio mandrakariva fa tsy misy afa-bela amin’ny tantara ka hilaza fa adidin’ny teo taloha izany, satria samy tompon’andraikitra amin’ny tontolo nolalovany daholo ny tsirairay. IZAHO, IANAO, ISIKA NO MANORATRA NY TANTARA, ARY ISIKA MIHITSY NO VANIM-POTOANA, ISIKA NO HOTSARAINA RAHAMPITSO.
Mieritrereta.

2 Réponses

  1. Moa ka tsy izany va ? Marina any izany.

    Hi hi – tsy hoe mpanaraka ilay iraika lahy taloha akory aho fa mampiseho fotsiny hoe mitovy hevitra tanteraka amin’i AvyLavitra amin’ny hampiasana ny Vita Gasy ary mankasitraka amin’ny fanentanana.

  2. tena mankasitraka 200% n’ny zava-boalaza rehetra eto, ary raha tsy mahadiso, dia mba hindramiko ity lahatsoratrao ity ho any @ blaogiko fa tena mahafinaritra ahy loatra!

    Mankasitraka e!

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :