An’iza marina i Madagasikara, 51 taona aty aoriana?

Miarahaba ny rehetra nahatratra ny Asaramanitra.

1642 no niforona ny Société de l’Orient izay naka alalana tamin’ny Cardinal de Richelieu haka an’i Madagasikara (indrisy!) sy ireo nosy kely manodidina azy ka hanorim-ponenana eto. i Fort-Dauphin loha no noforonin-dry zareo, ary Ile de Chine no niantsoany an’i Madagasikara.

Talohan’ny niverenan’ny fahaleovantena dia 60 taona mahery no naha zanatany frantsay an’i Madagasikara.

Tamin’ny faha-Ranavalona II ka tonga hatramin’ny fotoan’andronRanavalona III no nanafika an’i Madagasikara ny frantsay. 1883 no ady voalohany ary 1885 no natao sonia ny fampitsaharana ny ady.

Nasaina nandoa onitra ny fanjakana Malagasy ary nomena ny frantsay ny faritra avaratry ny nosy rehetra, fantatra tamin’ny hoe Baie de Diego Suarez. (voa dobla toy ny dakam-boriky!)

1894 ny fanafihana faharoa. Tafiditra an’Antananarivo ry mpanjanaka tsy vanona ny taona 1895. Lasa protectorat i Madagaskara, ary avy eo zanatany tanteraka rehefa nivoaka ny Loi d’annexion tamin’ny 1896.

Nesorina tsy ho mpanjaka Ranavalona III ary nalefa tany Algerie ho sesitanyrehefa avy nandalo tao La Reunion.

Nijoro nanomboka teto ireo antoko sy fikambanana miafina samihafa.

Be ny aina nafoy sy ny rà latsaka mandrapahalany ny Loi Cadre, na koa ny Loi Gaston Defferre tamin’ny 1956, mba ho ampiharina teto Madagasikara ny taona 1957.

Io Loi Cadre io no nametraka ny fisian’ny resaka Governorat ka ny Haut commissaire frantsay no filohan’io tany amin’ireo tany nozanahany toa an’i Madagasikara ary ny voazanaka no mifidy izay ho filoha lefitra.

1958: mody novàna ho Etat libre dans la communauté francaise no sata misy an’i Madagasikara. Dia foana nanomboka teo koa ilay Loi d’Annexion

Androany no mitsingerina ny nanambaràna ampahibemaso ny fiverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara.

Tamin’io andro io no natao sonia teny amin’ny Lapa Andafiavaratra ny antontan-taratasy mikasika izany ka ny Filoha Phillibert Tsiranana no nisolo tena ny fanjakana Malagasy tamin’izany. Jean Foyer, sekreteram-panjakana misahana ny tany mpikambana ao amin’ny firaisambe frantsay kosa no avy tamin’ny andaniny mpanjanaka. Olom-panjakana sy olona manan-kaja maro no nanatrika ny fotoana.

Vita ny teny an-dapa, dia nankeny Mahamasina indray ny antoandron’io 26 Jona 1960 io hanao ny fanambaràna ampahibe-maso ny fiverenan’ny fahaleovantena teo ambony VatoMasina, ka ny tamin’ny teny Frantsay dia ny minisitra frantsay no namaky azy, ary ny tamin’ny teny Malagasy dia ny filoha Tsiranana no namaky azy. Notronin’ireo mpianatra avy ao amin’ny Sekoly Normaly Avaradrova sy Mahamasina, nasaina manokana hiredona ny hiram-pirenena izay noforonin’i Pasitera Rahajason sy Raharisoa Norbert (namorona ny feony) « Ry Tanindrazanay Malala o! ». Izy namorona ny feony mihitsy no nibaiko  ireo mpihira.

Hira isan’ny nifaninana tamin’io fiventintsika ankehitriny io ny hoe « Zanahary o! Tahio ny Tanindrazanay (nahazo ny laharana faharoa) noforonin’i Gilles Ramiarisaona, ka dia noventesina ihany koa, ary dia i Sefo Randria izay namorona koa ny hira hoe « Ho Tiavinay Mandrakizay » (nahazo ny laharana fahatelo) no nibaiko ireo mpihira avy eny ambony tafon’ny tribune.

Ramarosaona Emile kosa no nandika ny hafatra avy amin’ny Gl De Gaule tamin’io fotoana io.

Aoka tsy ho adino ihany koa fa tamin’io 26 Jona 1960 io no nanolorana voalohany ny faneva ho an’ny tafika Malagasy. Mankalaza ny faha 51 taona niorenany koa izany ny tafika Malagasy, ka ny Kolonely Ramanantsoa no nandray izany avy amin’ny Filoha Tsiranana, taorian’ny fiventesana ny hiram-pirenena sy ny tsangan-tsaina. Tamin’io izany no matso voalohany nataon’ny tafika sy ny zandary Malagasy.

Teny Betongolo ny marainan’io no natrehan’i Kapiteny Ramarolahy, Commandant d’Arme, ny tsangan-tsaina voalohany, tamin’ny 8 ora maraina.

Fitaovana sy fanamiana Sinoa no hita betsaka ho an’ny tafika Mlagasy

Sombin-tsary avy amin’ny fankalazàna 2011:

Ilay zava-nipoaka re teny Antaninarenina sy ny manodidina omaly

Araka ny fanazavan’ny mponina teny an-toerana, sy notaterin’ny TV Plus rahateo io hariva io dia grenade offensive no nipoaka teny Mahamasina omaly halina. Teny akaikin’ny Bazar du quartie ka io no re hatrany amin’ny manodidina sy noheverin’ny maro ho fifampitifirana. Tsy nisy ny naratra na aina nafoy.

Nanao ny tatitra tao amin’ity fahitalavitra ity moa ny Col Ravalomanana Richard.

Nandeha be ny tsaho androany fa hoe rehefa nandeha nnao fanelanelanana teny amin’ny BANI Ivato ny Col Ravalomanana dia tsy navelan’ireo tao anaty toby nivoaka intsony. Izany hoe natao takalon’aina. Nanda ny fahamarinan’izay anefa izy ary nilaza aza fa tsy isan’izay nano izany fanelanelanana izany

Fa teny Ambohijatvo koa io hariva io dia voalazo koa fa nisy zavatra nipoaka. Ireny fusée éclairante ireny indray no voalaza ho anton’izany ka nampisahotaka ny olona. Rakotra mpitandrofilaminana teny an-toerana tamin’ny fotoana nandalovana teny. Saingy tsy nisy na inona na inona nitranga intsony mandra-piala teo amin’io toerana io.

Naresaka be koa tamin’ny faritra sasany teto an-drenivohitra ny hoe lasa nanafika tany Ivato ny FIS ary miaro ny faritra eny Ivato sy ny toby ny RFI sy GSIS ka hoe nisy fifandonna tokony ho tany amin’ny manodidina ny mitatao vovonana tany. Tsy nisy anefa afaka nanamarina ny fahamarinan’izany. Inona no anton’ny fipariahan’ilay vaovao? Iza no nandefa ny feo momba izany fifandonana izany hipaka hatraty afovoan-tanàna? Tsy nisy niresaka momba izany ny fampielezam-peo sy ny fahitalavitra hatramin’io hariva io.

Androany maraina dia nisy baomba vita tanana nitetehana handoroana ny trano nametrahana azy tetsy Antanimena ampitan’ny UNICEF. Bombe incendiaire ilay izy fa tsy natao hipoaka sy handrodana. Detonateur sy essence amina tavoahangy plastika no hitan’ny mpiambina napetraka teo am-baravarankely. Toa ny immeuble Tsanta no saika hatao lasibatra

Sakoroka androany 10 Novambra 2010

Dia raikitra indray ny sakoroka androany 10 Novambra 2010, taorian’ny nandraràn’ny prefektioran’ny polisy tsy hampiasan’ny Ankolafy Telo avy etsy amin’ny MAGRO ny kianja MALACAM Antanimena. Raha ny filazan’ny nanatri-maso ny fiandohany dia tany amin’ny 12 ora antoandro tany no nanomboka ny fangalam-piery.

Nisavoritaka tsy nisy hoatr’izany ny fifamoivoizana teto Antananarivo renivohitra, ka samy nitady làlana izay azony hanavotana ny ainy ny rehetra, na olona io na mpamily fiara. Nanery ireo mpamily fiara hianika an’Ambatonakanga sy Antaninarenina ny zava-misy.

Niova làlana nankany Amparibe sy Mahamasina ny taxibe

Fa izay tiana ho tsindriana fotsiny dia ity fanimbàna zavatr’olona sy famotehana ny fananan’ny hafa atao rehefa isak’izay misy fihetsiketsehana ity. Fiara roa (lazaina ho ana teratany karana avokoa) no nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana androany.

Fiara nodorana teo anoloan'ny Kolejy Saint François Xavier Annexe (Notre Dame teo aloha) - Antanimena ambany - Karana iray no tao anatiny

Ny iray tetsy Antanimena ambany, nanoloana ny Kolejy Notre Dame, raha teo amin’ny sampanana akaikin’ny foibe ara-tsaina Arabo Libiana teo aloha kosa ny faharoa

Teo amin'ny sampanana manoloana ny foibe ara-tsaina Arabo Libiana taloha - Fiara avy nàka zanaka karàna avy nianatra

Feo heno tety ihany koa moa ny hoe

Mila mandoro fiara isika, atao hitan-dry XXXXreo

Natosiky ny mpitandro filaminana tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso aloha ireo mpanimba zavatra,

nalefa ny baomba mandatsa-dranomaso mba hanosehana ny olona

Vonoina sao hitera-doza, eny fa na dia ho an'ny fahasalamana fotsiny aza

ary rehefa avy eo dia nisy mpiasan’ilay tobin-tsolika nitondra famonoana afo mba hamonoana ny afo sisa tsy maty famin’ilay fiara nodoran’ireo mpanimba zavatra.

Tsy nijanona tamin’ireo ny fandoroana fa hatramin’ireny trano hazo kely napetraka ho fanatanterahana asa teny anivon’ny zaridainan’Antanimena ireny koa aza dia lasibatry ny afo.

Ilay tranohazo teo an-jaridaina afovoany Antanimena

Ny aza sendra ny mifanena tsy nahy tamin-dry zareo aloha fa dia mety hanidina ny « pare-brise » e!  – 4L taxi sy Jeep Cherokee ana teratany vahiny no niharan’ny setrasetra sy ny fanimbàna teny Antanimena nandritra ity andron’ny 10 Novambra 2010 ity.

Raha ny filazan’ny sasany tamin’ireo namana tafaraka teny mantsy dia nisy izany lehilahy vaventy iray izany rehefa nivoaka avy tao amin’ny MAGRO, dia efa feno rà ny tànany. Tsy fantatra hoe naninona, ary ràn’inona, na ràn’iza. Rehefa tonga tety an-dalam-be, hono, io ranamana io dia tsy nanao afa-tsy ny nila vaniny tamin’ny fiara sendra azy, ary isan’ny namaky ny fitaratry ny fiara iray teny amin’ny manodidina ny toerana nifamorian’izy ireo. Teo Andravoahangy ambony tsy lavitra ny tetezana no nisy iray tratran’ny toy izany, ankoatry ny sasany teny amin’ny manodidina ny MAGRO sy Antanimena. Tsara ihany araka izany ho an’ny mpamily fiara ny mba mihaino vaovao fa tsy ho faly rotsorotsian’ny hira fotsiny eny an-dàlana eny, ka tafalatsaka anaty kizo vao taitra. Maro amin’ny mpamily mantsy (indrindra fa ny taxibe, toy ity 183 ity) no tsy tia mihaino resadresaka amin’ny fampielezam-peo, fa raha vao izay no mitranga dia kinga ery iny tànana iny mamadika onjam-peo mitady hira. Hay vidiana lafo ihany ny hirahira fa dia mampatory saina tokoa an!

Mba henoy amin'ny sisa ny fampielezam-peo fa aza dia sondriana amin'ny hira fotsiny e!

Zavatra tsinjo tetsy Behoririka akaikin’ny « Look’s » ny fahasahiana diso tafahoatra nananan’ny sasany tamin’reo mpanao fihetsiketsehana, satria dia voalazan’ny mpitandro filaminana iray nanao fanamiana sivily miara-mitankosona amin’ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanangom-baovao, fa nisy lehilahy iray nitondra fitaovam-piadiana tao anatin’ireto farany. Efa naparitaka moa ny mombamomaba an-dranamana, ny fitafiany manomboka any an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany, saingy tafaporitsaka ny anao lahy

segondra vitsy taorian'ny nadalovan'ireto mpandalo ireto dia nisy vato natota sy kesika natsipy avy tany ambony tetezana. Saiky loza

Feo re teny an-toerana ihany koa no nahalalàna fa hiandry ny andro maizina ireto mpanao hetsika ireto (na mety ho ny mpanararaotra) mba hamerenana eto Antananarivo ny zava-nitrana tamin’ny 26 Janoary 2009. Ary mety ho ny OPK no ho itarihana azy. Feo re teny antsefantsefam-bohitra teny daholo izany ampitaintsika eto izany.

Raha izany no nitranga androany, mba hanao ahoana re ny fihantsiana nataon’i Monja Roindefo ny amin’ny tsy maintsy hihaonany amin’ny vahoakan’Antananarivo amin’ny Sabotsy 23 Novambra 2010 e?

Dia izao tokoa ve ilay hoe tsy avela hisy fitsapan-kevi-bahoaka izany eto na ho inona na ho inona?

Sadasada manan-tsoratra ihany tokoa aloha ilay ho fitsapana hevitra e! Ary ny mahavalalanina ny maro dia ny filazana zava-bita etsy sy eroa, na fampanantenana zavatra hatao mandritra ireny fitsidihana ofisialy ataon’ny mpikambana ao amin’ny HAT isaky ny faritra ireny – ankoatry ny hoe fanazavàna ny votoatin’ilay volavolan-dalampanorenana. Ny zavatra toy izany mantsy no efa nanakianana ny teo aloha, ary tsy lanin’ny vavonin’ny vahoaka, nefa dia mbola TIM (ny Teo Ihany no Miverina) hoy ny maro.  » Am-bava homana, am-po mierotra  » hoy ny ohabolan’ny Ntaolo.

Rehefa tsy milatsa-dranomaso noho ny baomba, dia tsy mifankahita noho ny setroka doro fiara

Mainty noho ny setroka doro fiara ny lanitr’Antananarivo androany hariva, ary mbola nanakoako teny Behoririka sy Andravoahangy ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso hatramin’ny 7 ora sy sasany hariva  tany ho any.

Tsy tsara ho an'ny marary tratra ny nandalo teto

Sempotry ny setrok ireo trano teto amin'ny manodidina. Tsy lavitra tobin-tsolika SHELL koa ilay firehetana

Raha tsy niova ny zavatra hita talohan’ny ora nialàna teny an-toerana dia 3 lahy 2 vavy no voasambotra ka isan’izany ireto

ireo 2 lahy efa tafiditra tao anaty fiara

ilay iraikalahy fanintelony nenjehina hatrany anaty tranon'olona

Fanampim-baovao:
Fetison Andrianirina sy Lalatiana Ravololomanana ary Yves Aimé rehefa tonga tao amin’ny MAGRO ka nilaza tamin’ny mpomba azy fa hifampiraharaha amin’ny mpitandro filaminana
dia novalian’ny olona fa  tsy misy an’izany, toa izahay vahoaka foana no arosonareo, nefa avy eo tsy hita ianareo

Tohiny: tsy hita vetivety teo ireto mpitarika ary tsy voafehy intsony ny olony.

Rehefa naparitaka ireo olona avy ao Antanimena dia nizarazara ny làlany ka nisy ny rantsana nankany Analakely ary nikasa handoro ny Lapan’ny Tanana vaovao, izay 38 taona mahery taty aoriana vao nisy nahavita namerina indray. Raha tara kely foana ny mpitandro filaminana dia efa « vita matavy » ilay Lapa satria efa tonga teo an-toerana ny tavoahangy plastika nisy lasantsy.

TV Plus Madagascar: Nisy ny andian’olona, izay nahitana vehivavy, nitarika sy nandrindra ny asa fankorontanana natao teo Behoririka, hoy ny olona iray miasa eo akaikin’ny faritra nitrangan’izany, no sady nandre sy nahita maso ireto andian’olona ireto, saingy noho ny tahony dia tsy sahy naka sary fa nitadidy kosa  ny amin’ireo olona ireo (efa nampitain’ny TV Plus Madagascar tamin’ny vaovaony ny andron’ny 10 Novambra 2010 ny mombamomba ireo olona ireo, niaraka amin’ny fitantaran’ilay vavolombelona)

Fanatsaràna an’Antananarivo

Sehatra maitso:

Nikarakara ny zaridaina sy ny sehatra maitso eran’ny tanànan’Antananarivo ny C.U.A.   Araka ny filazan’ireo tompon’andraikitra amin’izay dia noho ny maha-ivon’ny Madagasikara azy fa tsy noho ny fahatongavan’ny faha-50 taonan’ny Fiverenan’ny Fahaleovantena fotsiny.
Isan’ireny ny ao Ampasika. Tsy tokony hisy intsony ny fanentanana ny olona hoe ‘hajao sy arovy ary kolokoloy ny zaridainantsika‘ fa tokony handeha ho azy izany. Fananana iaraha-manana rahateo ireny.
Fanambin’ny C.U.A ny hanome ny sahaza ho azy ny vahoaka, hoy izy ireo, ka izany no antony nanaovana ny hetsika.
Mampalahelo anefa ny mahita ny zavatra nandaniana aina sy fotoana simbain’ny ‘vahoaka’ ihany toy ireny. Tokony hifanabe sy hifampitondra izany ny ‘isika samy isika‘ fa tsy voatery hasiana mpiambina akory ireny zava-bita ireny. Tokony hosarotiny amin’ireny ny tsirairay.
Taorian’ny Ampasika, Mahamasina,Antanimbarinandriana, Senat, Avenue izay natao tao anatin’ny roa volana monja, Masay sy Andohalo no nasiana mpiambina manokana noho izy ireny misy foto-drafitrasa hafa ankoatry ny zaridaina.

Ny andraikitry  ny tsirairay:
Fokontany: nasiana fanentanana fanatsarana teny, ary dia niezaka nanatsara sy nanadio ny FKT, nametraka voninkaza sns

Pompier: manampy amin’ny fanondrahana sy fanadiovana ny tanana.

sampan’asa hafa: mpiara-miombon’antoka « tia an’Antananarivo », ka isan’ireny ny GASTRO PIZZA nikarakara ny Andrefan’Ambohijanahary hatrany Soanierana

mponina manodidina: misy izy ireny no manome tànana sy miaro ary manondraka ireny zaridaina kely napetraka ho haingon’ny tanàna ireny

Misy ‘sites’ maromaro eto Antananarivo raha io resaka ‘sehatra maitso’ io. Isaky ny ‘site’ tsirairay dia misy tomponandraikitra ka ahitana olona fito na valo eo izay mikarakara ny zaridaina. Mpiasan’ny C.U.A sampana sehatra maitso ireo. Ankoatra ireo dia mbola misy zana-tsampana hafa maromaro ao anatiny ao, arakaraka ny fahaizana manokana sy andraikitra takian’ilay asa atao. Mba ho Antananarivo mirindra sy maha-te honina tokoa Antananarivo dia apetraka arakaraky ny toerana ny voninkazo. Misy voninkazo mety amin’ny toerana iray, misy tsy mety eo amin’io toerana io noho ny toe-tany misy eo. Apetraka koa arakaraky ny hoe ‘toerana fitsangatsangana sa tsia,be  mpandalo sa tsia, sns…’

Fepetra noraisina manokana momba ny tsenan’i Mahamasina ny hoe averina hofefena ny zaridaina, entanina koa ny mpivarotra isak’Alakamisy tsy hanao maloto sy hanipy ranon-dolana any anaty zaridaina. Hisy araka izany ny fanaraha-maso mba ho fifanabeazana tsy hiafara amin’ny fanasaziana. Faharoa dia angamba hasiana ora fivohàna sy fikatonana toy ny eny Ambohijatovo ihany koa mba tsy ho baranahiny sy ho simbasimba foana ny eo amin’io sehatra maitso Mahamasina io.

Fanentanana manokana: Vahoaka miasa sy miady amin’ny fiainana ny vahoaka eto Antananarivo. Noho izany tsy fisian’ny fotoana fakana aina noho ny fitadiavana izany, dia mitady fotoana sy toerana  mba hahafahana miala voly kely ny olona. Tsy voatery handeha lavitra ho eny amin’ny By-Pass foana. Fa rehefa tonga ny fety dia mba afaka misitraka ireny aty afovoan-tanana aty ihany. Ny mahagaga anefa dia isaky ny tonga ny fety dia simba ny tanàna sy ny zaridaina rehetra. Miverina manamboatra indray. Toa tsy tsapan-tsika fa soa ho an’ny vahoaka tsirairay, fahafinaretana ho an’ny tsirairay, lova ho an’ny taranaka aoriana no nanaovana ireny rehetra ireny.

Raha Mahamasina monja no resahana dia azon’ny mpiandry marary, mpivarotra, mpiandry taxibe, mpianatra hialana sasatra na hiandrasana fotoana eo rehefa tonga ny fotoana voatondro ho fivohan’ny zaridaina. Aoka ho tandremana ny fahadiovana, hosorohana ny fanimbana. Fanajana ireo niasa nanatsara izany ary fanajanao ny tenanao ihany koa satria misy volanao nirotsaka tao, na mivantana io na ankolaka.

Anosy/Mahamasina Pr.Zafy sy ny tariny

Na dia nihevitra aza ny maro fa mbola hiverina ny korontana toy ny omaly, dia tsy nisy na inona na inona afa-tsy olona visivitsy nihirahira sy nipetrapetraka nanandrify ny fiantsonan’ny taxibe teo Mahamasina no hita androany hariva.

Hatramin’ny tamin’ny 5 ora hariva nialana teny an-toerana dia mbola teny koa ireo mpitandro filaminana.

Sady nandrindra ny fiatoan’ireo taxibe izy ireo, no niandry izay mety hiseho ihany koa.

Niandry an’i Manandafy sy ny Pr Zafy moa ny ankamaroan’ny olona, saingy nangaina fa tsy nisy hita teny ny mpitarika.

Teo ampialofana noho ny erika nifafy, dia nisy ny nahatsiaro ny tany amin’ny 1991 tany, ka nilaza fa tafaraka indray ireto i  Zafy sy Manandafy, ka hafàna tokoa ny tanàna. Toy izao mantsy hoy izy ireo no nitarihany ny olona tamin’izany fotoana sy nahatonga ireny raharahan’ny 10 Aogositra ireny. Asa re!!!

Raha jerena tokoa mantsy izay nolazain’i ¨Pr Zafy tamin’ny mpanao gazety avy amin’ny  Express de Madagascar nivoaka androany, dia efa vonona tanteraka hiatrika korontana ry zareo. Nolazainy fa ‘olona efa niomana sy vonona hifanehatra amin’ny mpitandro filaminana ary tsy matahotra grenady ireo olona tarihany eny, ary izany no isan’ny antony mahavitsy azy aloha amin’izao fotoana izao . Azonao vakiana ato izay resadresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazetin’ny l’Express de Madagascar izay

PDS / solontenan’ny mpivarotra…

Nihaona tamin’ny PDS Antananarivo Renivohitra androany ny solontenan’ireo mpivarotra etsy Analakely, Soarano, Petite Vitesse, Behoririka (ireo efa ela nanaovana ity asa ity, sy nandoa hetra hatramin’izay ka nanao ny asa fivarotana ho anton’asany), ka teo amin’ny telopolo latsaka teo no niaka-dapa, ary ny sisa kosa nipetraka tety ivelan’ny birao.

Taorian’ny fihaonana dia nanao sonia ny fifanarahana ny roa tonta (PDS/Solontena) fa VONJIMAIKA IHANY NY FAMETRAHANA IREO MPIVAROTRA AMORON-DALANA ho etsy amin’ny araben’ny Petite Vitesse sy manamorona ny ranon’i Behoririka.

Tsy mazava ao anatin’ilay taratasy nifanaovana kosa anefa ny hoe VONJIMAKA MANDRA-PAHOVIANA.

Mandra-piandry ny fandaminana maharitra izany dia miaina ny fitohanana aloha Antananarivo Renivohitra, satria dia efa mitatra hatrany ambanin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra sy ny faritra rehetra manana sampanana mifandray amin’Analakely sy Petite Vitesse ary Behoririka izany tranga izany

Mahamasina…Tahala RARIHASINA…

Nangataka fihaonana amin’ny PDS eto Antananarivo Renivohitra ny mpivarotra eny Mahamasina ny amin’ny tokony hitadiavana vahaolana ho azy ireo koa, taorian’ny famahàna olana natao tamin’ireo mpivarotra amoron-dàlana tetsy Behoririka sy Analakely. Ireto farany moa dia notolorana ny eny amin’ny manodidina ny farihy Behoririka sy ny làlana Petite Vitesse ary ny eo amin’ny TAHALA RARHIHASINA (ex-Rene Depui).

Mbola mipetraka foana ny fanontaniana hoe: raha hakatona ny làlan’ny Petite Vitesse mba hatao tsena, ahoana ny amin’ireo mponina mipetraka manamorona iny làlana iny, ohatra amin’izany ireo manana fiara. Tsy maintsy hamoaka fiara amin’ny roa maraina ve mba tsy ho voageja ao ny fiara, ary amin’ny fito ora hariva indray vao hampiditra izany ao anaty garazin’ny tena? Satria dia maro tokoa ny olona mipetraka amin’iny toerana iny no manana ny vavahadin’ny garaziny mitodika aty amin’ny làlana Petite Vitesse (ary tsy misy ivoahana ankoatra izay). Mbola tsy fantatra mazava moa aloha hatreto hoe manomboka aiza, mifarana aiza ilay ampahan-dàlana hatao tsena. Fa ny amin’ny fifamoivoizana no mahalasa ny sain’ny maro: ho aiza indray izany ny làlan’ireo Taxibe mankany Isotry sy Ampefiloha, Anosy iny ?

Ny etsy amin’ny Tahala Rarihasina koa mbola tsy mazava loatra ny fetran’ilay toerana hatao tsena. Misy ivon-toerana momba ny tany sy teny ao, betsaka magazay koa ao. Ahoana ny amin’ireo? Sa ilay arabe mandalo eo anoloan’ny Transcovia taloha no tiana holazaina? Raha ny aty anoloana mantsy no hanaovana ilay tsena dia toa sadasada ihany ilay fanapahana noraisin’ny mpitantana ny tanàna.

FPVM: Fotoam-pivavahana lehibe niraisan’ireo mpanara-dia azy teo Mahamasina

100_0345
Taorian’ny 07 Aprily 2009 namoahan’ny HAT ny didy manafoana ny didy ny nanakatonana ny FPVM nivoaka tamin’ny 2005, dia androany no fotoana lehibe niantsoan’i Pasteur Jean Joseph Randrianantoandro,
100_0414
filoha mpanorina ny FPVM, ireo mpino marobe mpanara-dia izany fikambanam-pivavahana izany. Teny Mahamasina no fotoana, ary tamin’ny 10 ora maraina no voatondro hanombohana.

100_0352Tonga nanatrika ny fotoana ny filohan’ny HAT Andry RAJOELINA sy ny Praiminisitra Monja ROINDEFO, ny Ben’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra sy ireo manam-pahefana maro hafa koa.
100_0410

Nivoha maraina be ny vavahady mba hahafahan’ireo mpino marobe miditra malalaka sy milamina tao an-kianja. Nanoatra noho ireny mpijery ady baolina goavana sy iraisam-pirenena ireny no fijery ireo olona marobe tonga nanatrika ity fotoana voalohany nikambanan’izy ireo ity. Saika feno hipoka i Mahamasina. Toerana vitsy sisa tsy nahitana olona nipetraka.
100_0418

100_0435

100_0475
Mandra-piandry ny tena fanombohana sy teo ampiandrasana ireo mpitarika, manampahefana sy ny mpanotrona nasaina, dia ireo sampana velona ao amin’ity fijambanam-pivavahana ity no nanafana ny fotoana tamin’ny alalaan’ny hira evajelika. Isan’ireny ny tarika ‘Ny zanak’ondry’, Christophe RATREMA sy ny hafa tsy voatanisa.
100_0407

100_0463

Voahaja tsara tokoa ny fotoana voatondro hanombohana, sy ny fotoana nahatongavan’ireo olom-panjakana nasaina. Tsy nisy araka izany ny fahadisoam-potoana ela loatra nahazatra sy nampahalaza ny fiteny maneso hoe ‘fotoan-gasy’. Nisy ny fampahatsiahivana ireo dingana sy lalan-tsarotra rehetra nolalovan’ireo mpanara-dia ny FPVM nandritra ity fotoana lehibe ity. Hatramin’ny fotoana nialàny tao amin’ny FJKM Andravoahangy Fivavahana, nandalo tamin’ny fanenjehan’ny FJKM sy ny fanakatonana ny FPVM Taninanandrano ka nanirahana miaramila 8 kamiao mirongo fitaovam-piadiana vao mangiran-dratsy, ary nipàka hatraty amin’ny taona 2009 izay nanokafana indray ny fiangonana FPVM. Voatsiahy tamin’izany ny tsy nahafahana nanao noely voalohany indrindra niainan’ireo olona marobe ireo sy ny fiafenana rehefa mivavaka ary ny tsy nahafahana nanonona akory ny anarana hoe FPVM, noho ny fandraràna nataon’ny fitondrana teo aloha. Izany fandraràna izany dia nitarika ny fiforonan’ireo vondrom-bavaka marobe teo anivony, izay nivavaka tamina toerana maro miafina sy voatery nifindrafindra matetika, mandra-piandry izay fitoniana kely tamin’ny toe-draharaha tany aloha tany.

Teny faneva noraisin’ny FPVM tamin’ity taona ity ny hoe ‘..Ary ny masoko sy ny foko ho ao mandrakariva..(IITantara 7:16b)
100_0465

Tamin’ny 12 ora sy sasany teo ho eo no nifarana ny fotoana.

Fanampim-baovao anio 24 jona 2010 : rohy nangatahan’ny FPVM Iavoloha (eto) mba hapetraka ary anasàna anao mba hitsidika izany koa.

Fintin’ny androany

Nifamotoana teny amin’ny kianjan’ny 13 mai ny mpomba an’i Andry Rajoelina androany, raha teny Mahamasina kosa ireo mpomba an-dRavalomanana Marc. Nilamina tanteraka ny testy Analakely, saingy asa izay nahazo ireto mpomba ny TIM sy ny fitondrana , fa nilaozany i Mahamasina ary niakatra ho eny Ambatomena ry zareo. Hanao sit-in eo anoloan’ny consulat sa Ambasady frantsay, hono. Asa na fantany na tsia fa toy ny manafika firenena iray any an-taniny izy amin’izany. Sa tsy fantatr’ireo mpitarika izany zavatra izany?

Miala tsiny fa ny sary momba izay rehetra izay dia nofafan’ny mpitandro filaminana tao anaty fakan-tsary tety an-tanako, satria tsy te-halaina sary,hono, izy ireo, eny fa na dia ny lamosiny fotsiny aza no azoko sary raha naka sary ireo mpomba ny TIM avy ao aorian’ny rindrina nataon’ireo miaramila tonga nanasaraka ny mpifanandrina aho. Fiangaviana mafy vao naveriny ilay fakan-tsary, saingy dia io tsy maintsy nofafana teo imasony io ny sary rehetra tao.  Ny antony dia satria tsy taty amiko ny karatro. Tsy olana iny fa mbola misy ihany ny azo nalaina taorina’izay ka atolotra anao

sunp0348

Nisy saiky hanita-kevitra anefa ireto avy any Mahamasina ireto,ka saika hidina ambanimbany kokoa taty akaikin’ny Restaurant Toko telo. Naheno izany ny teo amin’ny kianjan’ny 13 mai dia namarana hainga sy talohan’ny fotoana ny famoriam-bahoaka nataony. Ary dia lasa ireo minisitry ny tetezamita.

sunp0340

Ireo vahoaka kosa nandeha nitsena iretsy avy any Mahamasina teo anoloan’ny Conforama sy taty akaiki’ny Air Madagascar Ambatomena.

sunp0343

sunp0344

sunp0347

Commentaire Bosco
Mijoro, vonona hanohana hatramin’ny farany ny ara-dalàna ary hanohitra ny fanonganam-panjakana sy ny fandrobana miseho amin’ny endriny samihafa ireo olona marobe tonga teo anoloan’ny kianjaben’i Mahamasina androany.
Tsy mankasitraka ny fitsabahan’ny firenen-kafa hatramin’ny firenena mikambana amin’ny raharaham-pirenena ry zareo, araka ny fandraisam-pitenenana samihafa natao. Mikasika ny zava-misy eo anivon’ny tafika malagasy amin’izao fotoana izao dia nambaran’ireo olona manohana ny Filoham-pirenena Ravalomanana Marc fa tokony hijoro hatrany hiaro ny vahoaka sy ny fananany izy ireo. Ny fikomiana ataon’ny miaramila ao amin’ny CAPSAT dia tondroin’ireo olona ireo ho fanohanana ny  fanonganam-panjakana. Nanomboka tamin’ny sivy maraina moa no tonga eny Mahamasina ireo olona maro namaly ny antso natao taminy. Tamin’ny folo ora maraina kosa no nanomboka ny fandraisam-pitenenana sy ny fifanentanana samihafa. Voaresaka matetika nandritra ny lahateny nifandimbiasana tao ny filazana fa mitongilana amin’ny ankolafin-kery manohitra ny fitondrana ny FFKM, indrindra ny filohany, Mgr Odon Razanakolona. Nambaran’ireo mpitarika ny hetsika ho fankatoavan’ity filoham-piangonana ity ny fandrobàna sy ny herisetra ataon’ny andian’olona manakorontana sy mandroba tranombarotra ny fanakanana ny EMMO/NAT tsy handray ny andraikiny amin’ny fanenjehana azy ireo. Ankoatra izay, mikasika ilay hoe fitsabahan’ny vahiny amin’ny raharaham-pirenena, dia nambaran’ireo mpandaha-teny teny Mahamasina fa ny frantsay no tena miditra be loatra amin’ny raharahan’i Madagasikara hatramin’izay ka hatramin’izao ka tsy ekena. Tamin’ny 12 ora antoandro teo moa dia nitanjozotra nihazo ny ambasadin’ny Frantsa eny Ambatomena ireo olona maro tonga teo anoloan’ny kianjaben’ny Mahamasina. Fa isan’ny taratra teny Mahamasina ihany koa ny fikasihan-tànana mpanao gazety manao ny asany ara-dàlana.
Izay ny teny Mahamasina, fa teny amin’ny kianjan’ny 13 mai koa dia misy ny hetsika nataon’ireo mpomba an’Atoa Andry Rajoelina. Rehefa vita ny fotoam-pivavahana toy ny mahazatra teo amin’ny kianjan’ny 13mai dia nanomboka niditra podium ireo mpanao pôlitika ary nihatrana teo amin’ny toerana mahazatra azy ireo mpiambina eny amin’ny toeram-pikabariana. Rehefa nanokatra ny fanentanana toy ny mahazatra Atoa Sareraka dia nilaza mazava fa tsy tokony ho taitaitra isika raha misy fiarakodian’ny zandarimariam-pirenena anankiroa miditra sy misodisody eto amin’ny kianjan’ny 13mai androany. Tsy inona akory ireny, hoy ihany ity mpanentana eo amin’ny kianjan’ny 13mai ity, fa zandary hiambina antsika amin’ny fanakorontanana. Talohan’izay moa dia efa nisy kamiaon’ny miaramila nandalo ihany koa teny amin’ny faritra manodidina an’Analakely. Nahafaly ny olona teny analakely izay fanambaran’ny mpanentana Sareraka izay ary nisy aza no niteny fa eo amin’ny fitaratra alohan’ny fiarakodia na ny pare-brise dia misy soratra hoe FIGN izay azo alavaina hoe: Force d’Intervention de la Gendarmerie Nationale. Fahefatr’adiny taorian’izay anefa dia niely ny tsaho tao Analakely fa nisy mpitandro ny filaminana miala any efa miazakazaka be mihitsy ary handrava ny ao amin’ny 13mai. Nifandrombahana ny bus teo ambadiky ny Intsitut. Tsy fantatra hoe inona no hitranga. Eo amin’ny 13mai sy ny manodidina azy teo Analakely, tony dia tony ny fahitana azy. Fa ny tany Ambodifilao sy ny tany amin’iny ambadiky ny firaisana I iny dia nisahotaka ny olona, nanangon’entana ny mpivarotra. Vetivety toa hoatran’ny tsy misy inona, vetivety eo indray anefa dia miaraka mirona mankatsy sy mankaroa tsy fantatra intsony izay atao sy izay aleha. Nilamina ihany anefa nony farany tamin’ny faritra Avaratry ny 13mai iny. Fa nisy ihany kosa anefa ny sahotaka tamin’ny ilany Atsimo tamin’ny 13mai satria nifandona ny samy sivily mpomba an’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina androany antoandro teny Ambatomena, manakaiky indrindra ny masoivoho frantsay.
Rehefa avy nivory teny Mahamasina ny mpomba an’Atoa Marc Ravalomanana dia nikasa hanao sit-in teo anoloan’ny masoivoho frantsay teo Ambatomena satria moa dia nilaza ny tsy hanaiky ny fampiantranoan’ny masoivoho frantsay an’Atoa Andry Rajoelina ireo mpomba ny filoha. Nambaran’izy ireo moa fa mpampihorohoro Atoa Andry Rajoelina ka tsy mendrika ny ho arovana. Tamin’ny 12 latsaka fahefany teo no tonga teny Ambatomena ireo mpanaradia ny filoha ireo. Ny vahoaka teo amin’ny kianjan’ny 13mai kosa 15mn alohan’izay no nahare io vaovao io ka avy hatrany dia niakatra teny Andohan’Analakely manoloana ny Select Hotel nanao ny sakana. Nanampy azy ireo ny miaramilan’ny CAPSAT. Atao moa izany sakana izany sao midina eny amin’ny kianjan’ny 13mai ireto mpanara-dia an’Atoa Marc Ravalomanana ireto. Raha vantany vao tazan’ny vahoaka teo amin’ny kianjan’ny 13mai midina iny Antaninarenina iny avy aty amin’ny BOA  aty ambany ireo vahoaka avy any Mahamasina dia efa samy naka kobay. Ny sasany nanongotra ireo vy natao fefy teo amin’ny zaridaina teo Analakely, ny sasany nivimbina vato. Niroso nankeo Ambatomena teo amin’ny fiantsoanan’ny fiara mpitatitra 115 ny vahoaka teo amin’ny 13mai tamin’ny 1 latsaka 10 teo ho eo. Nanakana azy ireo ny miaramilan’ny CAPSAT hisakana ny fifandonan’ny roa tonta. Nisy tamin’ny vahoakan’ny 13mai anefa no tafaporitsaka niankandrefana nihazo ny làlana miakatra any Ambatomena amin’iny misy ny Music Box sy Air Mad iny. Velona teo ny fifampihantsiana teo amin’ny mpomba ny roa tonta. Ny mpomba ny fitondràna eo amin’ny arabe ambany kelin’ny masoivoho frantsay, ny mpomba ny mpanohitra tety amin’ny hotely Mavo eo ambanin’ny Music Box. Tamin’ny 1 ora latsaka dimy teo, raikitra ny tora-bato sy ny vely kobay. Na dia teo anelanelan’ny mpifanandrina aza ireo miaramilan’ny CAPSAT dia tsy nahasakana ny fifandonana satria vitsy an’isa izy ireo. Ireto miaramila ireto rahateo dia tsy nampiasa hery, tsy nanapoaka basy. Naharitra teo amin’ny dimy minitra ny fifanjevona. Vaky nandositra ny ampahan’ny mpomba ny fitondràna, nijanona ihany anefa ny fifandonana taorian’izay satria nisy ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany samy nampitony ny vahoakany avy. Nanampy tamin’ny fandaminana ihany koa moa ny miaramilan’ny CAPSAT. Tamin’ny 1 ora 15 teo, tonga ny pôlisy iray kamiao hanatevin-daharana ny CAPSAT saingy efa nilamindamina ny teny Ambatomena sy Tsaralalàna tamin’izay fotoana izay. Tamin’ny 1 h 20 mn teo moa vao niala teo Ambatomena sy Tsaralalàna ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany. Tsy tapitra teo anefa ny raharaha fa niverina teo amin’ny kianjan’ny 13mai indray ny mpomba an’Atoa Andry Rajoelina tamin’ny 1 h 25mn teo. Rehefa nivorivory sy nikaon-doha teo dia nilaza fa handeha ho any an-tranon’ny PDS Atoa Guy Rivo izay lazain’izy ireo ho lohandohany amin’ny mpanarama ireo antsoina hoe Gros Bras mpanakorontana. Marihana moa fa efa nifarana tanteraka ny famoriam-bahoaka teo amin’ny kianjan’ny 13mai tamin’izay fotoana nivorivorian’ny mpomba an’Atoa Andry Rajoelina ireo izay.

Rehefa izany dia lasa namonjy an’Ampasampito ireo olona vorovory teo amin’ny 13 mai taorian’ny famoriaùm-bahoaka ireo ary dia toy izao ny tatitra an-tsary. Tsy an-kiteniteny

sunp0350

sunp0351

sunp0359

Harahinao ary ambany ary kosa ireo karazana fanambaràna maro samihafa, avy amin’ny ankolafin-kery samihafa.

sunp0361

sunp0365sunp0367

sunp0368

sunp0392

Ireto ireo karazana fanambaràna

RAVALOMANANA:

…Tokony hitsahatra amin’izay izao krizy andalovan’ny firenentsika izao. Be loatra ireo olona efa nitondra faisana, maro ny aina nafoy,ary maro ny lasa lavo(???). Ny laza malagasy mihitsy no voatohintohina. Tsy azo ekena fitavozan’ny toe-draharaha. Tsy vahaolana velively ny fandrobàna sy ny asa fanakorontanana,tsy tia herisetra isika malagasy. Tokony hifampihaino, hifampidinika, ary hifanaja isika ahafahana mamaha ny olana haingana. Ankehitriny, fantatra eran’izao tontolo izao i Madagasikara: ny ezaka nataony amin’ny fanamafisana ny demokrasia, sy noho izy nifidy ny lalan’ny fampandrosoana haingana sy maharitra. Satria isika mandala ny demokrasia, dia zava-dehibe ny fanajana ny lalam-panorenana. Masina ny lalam-panorenana ka tokony hajaina. Ary mbola averiko eto indray fa efa nanao fianianana aho fa hanaja ny lalam-panorenana toy ny anak’andriamaso. Hitodika aminareo izay tsy mitovy hevitra amiko aho, aoka isika hanaja ny lalam-panorenana. Io no lalàna ambony indrindra eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Nho izany dia mbola averiko ihany ho antsika: aoka hitsahatra ny asa fanakorontanana, rehefa ny lalam-panorenana sy ny andrim-panjakana, ny repobilka no voatohintohina dia demokrasia sy fananganana firenena tena vanona no voatohintohina. Mbola marefo ny demokrasia eto Madagasikara ka tokony ho arovana. Tiako hanana ny maha-izy azy ka handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny ankolafin-kery rehetra eto Madagasikara. Nefa tsy maintsy ao anatin’ny fanajana ny lalàna izany. Amin’ny maha Filohan’ny Repoblika ahy, dia tsy maintsy mijery ny tombotsoan’ny malagasy rehetra aho. Ry vahoaka Malagasy, holazaiko aminareo ny tena ato am-poko, am-panetren-tena lehibe no anaovako izany. Tiako ho fantatrareo, raha nisy tsy nety nataoko, izay no maha-olombelona ahy. Nefa soa lavo hahay hamindra. Raha misy heverinareo fa hadisoana nataoko, dia raisiko ho andraikitra izany. Ho anareo izay mahatsiaro fahatezerana, azoko tsara ny fahatezeranareo. Miara-ory aminareo aho ary tsapako ny fangirifirianareo. Tiako ny hilaza aminareo fa vonona ny hiaino anareo aho. Ary manome toky aho fa handray fepetra, hitady vahaolana amin’izay zavatra hitarainanareo. Zava-dehibe ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra nasionaly ho ataontsika manomboka ny alakamisy ho avy izao ary haharitra telo andro. Manantena isika rehetra fa hitondra vahaolana haingana amin’izao disadisa misy eto amin’ny firenentsika izao izany fihaonana nasionaly izany. Mijoro aho ankehitriny amin’ny maha-Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ahy. Averiko indray fa mandala hatrany ny firaisam-pirenena aho, ny firaisan-kinam-pirenena ary ny demokrasia. Hiasa miaraka isika satria ny tanjona dia ny fampandrosoana ity tanindrazana malalantsika ity sy ny fanatsaràna ny fiainana isan-tokatrano. Masina ny tanindrazana. Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra.

$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$

Fanambarana avy amin’ny Foloalindahy (tafika):

Eo alohan’izao olana lalina ara-politika mahazo ny firenena izao, izahay folo alin-dahy, miaramila, zandary, ary polisim-pirenena dia manao izao fanambarana izao:
Mba hiarovana ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny firaisam-pirenena, mba hitandrovana ny maha-iray tsy mivaky ny folo alin-dahy dia, voalohany : Manamafy ny fanajana tanteraka ny soatoavina demokratika repoblikana eo amin’ny fanatanterahana ny asa ao anatin’ny fanoavana tanteraka ny lalàna velona sy ny fitsipi-pifehezana manan-kery. Manameloka tanteraka ny fanapotehina ny fiarian-karena, ny fiaraha-monina ary ny firaisan-kina ny folo alin-dahy noho ny olana ara-politika misy eto amin’ny tanindrazana.
Fahatelo: Atsahatra tanteraka ireo fiantsiana sy hetsika politika ary fanaovana amboletra izay miteraka korontana. Koa noho izany, manome toky izahay fa tsy hiandany atsy na aroa ary manainga am-panajana ireo tompon’andraikitra politika, ny hery politika rehetra, ny fiaraha-monim-pirenena ary ny solotenan’ny hery velona samihafa eto amin’ny firenena hihaona tsy misy hatak’andro ary hifanaraka ka hitondra vahaolana ao anatin’ny 72ora hivoahan’ny firenena amin’izao krizy izao. Raha toa ka tsy misy ny vahaolana ao anatin’io fe-potoana io dia handray ny andraikitra izahay folo alin-dahy amin’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena, ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny firaisam-pirenena.

$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$

Fanambaran’ny Collectif  des Officiers de Diégo

Eo anatrehan’ny toe-draharaha misy eto amin’ny tany sy ny firenena, ary amin’ny maha-tompon’andraikitra feno ny tafika malagasy sy ho fiaraha-mientana amin’ireo namanay dia manao izao fanambarana izao izahay eto amin’ny Collectif des Jeunes Officiers de la Garnison d’Antsiranana.
Voalohany: izahay miaramila dia miaro ny vahoaka sy ny fananany ary tsy miandany amin’ny firehana pôlitika.
Faharoa: Manameloka ary tsy handefitra mihisy amin’ny fandrobana.
Fahatelo: Manohitra sy manameloka ny fampiasana ny miaramila ho hery famoretana ny vahoaka.
Noho izany, tsy ekena intsony ny fampiasana miaramila amin’ny tsy rariny. Ho an’ny tanindrazana.
Antsiranana, faha 9 mars 2009.

$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$

Fanambaràna avy amin’ny Masoivoho Amerikana miasa sy monina eto Madagasikara:

En tout cas, bon si je consens bien un peu les affrontements collectifs qu’il y a eu aujourd’hui, entre les pro-TGV et les pro-TIM concernés en ces questions. Et justement j’étais très très choqué de voir les gens réagir devant une ambassade de pays ami, aujourd’hui. C’est comme si les gens pensent qu’on est partisan dans cette affaire….Mais pas partisan, nous voulons aider Madagascar à trouver une sortie de la crise et nous pensons que le principe de protéger un des gens qui est essentiel à la réussite de la négociation est un principe important que nous partageons. Je crois que tout le monde en est conscient que Madagascar traverse vraiment un moment très difficile et nous, communauté internationale, moi, ambassadeur des USA, nous avons tous oeuvrés depuis des semaines et des semaines pour arriver… On est à la veille des assises malgaches qui vont commencer cette semaine. Je crois que vraiment ce sont les négociations de la dernière chance. Donc nous félicitons le travail du FFKM et les Nations Unies. Nous avons constaté avec beaucoup d’appréciation l’appel qui a été lancé hier par le FFKM, nous pensons que cette trève est la meilleure façon pour tous les malgaches de contribuer à l’apaisement qui est nécessaire pour la réussite de ces assises. Vraiment vous vous trouvez actuellement dans une situation très très très difficile et je crains ce qui pourrait se passer que les assises ne réussissent pas. Je trouve, bon les américains sont toujours optimistes, j’étais très très impressionné aujourd’hui par le discours qu’a fait le Président de la République de Madagascar cet après-midi avec un ton apaisant. Je crois que ça peut contribuer beaucoup à la réussite des assises. On a aussi eu des contacts aujourd’hui avec le gouvernement, avec le Premier Ministre, le Ministre des affaires étrangères, ainsi qu’avec le côté de l’ex-maire Andry Rajoelina.

Dia izay aloha ny androany fa dia samy miandry indray izay havoaky ny ampitso sika reketra.

Gidragidra tao Mahamasina

Toy izao no fandehany: Tokony hisy match nifandonan’ny AJESAIA sy ny MOZAMBICAIN teo Mahamasina androany. Nampidirina foana ny olona tao ami’ny stade. Ny adversaire efa tonga teto Tana ary Tany akaikin’ny Sabotsy Namehana tany no nanao fanazaran-tena. Ny billet anefa raisina sy rovitina ao ampidirana ny stade. Raha tamin’ny 15h ny baolina no tokony hanomboka dia efa tamin’ny 16h vao nilazana fa foana ny match fa tsy tonga ny arbitre. Tezitra ny olona ka nanomboka nimenomenona. Nidina teny ankianja namotika ny harato sy izay sendra azy.Naneho ny tsy hafaliany ny lehilahy lehibe irey ary dia niafara tamin’ny herisetra nataon’ny polisy taminy izany. Hitsakitsaka no nahazo azy. Nirongatra amin’izay ny olona nanimba zavatra sy nitaky fanazavana, satria ny vola voaloa tsy ho tafaverina intsony.. Nalaina tamin’ny ambulance tao ilay rangahy io ary heno avy eo fa maty tany amin’ny hopitaly. Ny tora-bato kosa nitohy hatrany ka ireo tany ivelany no mitoraka ny aty anatiny. Izaho amin’io narovan’ny police nentina niditra tao amin’ny stade fa na ny mpanao gazety, na ny olon-tsotra maka sary dia samy tsy zakan’ny olona ka lasibatry ny tora-bato ihany koa. Tafasaraka tamin’ny zanako roa vavy aho ary soa fa nitondra phone izy ireo. Talohan’ny nanatonako ny stade dia navelako teny akaikin’ny moron’Anosy izy ireo. Nantsoiko haningana ka nasaiko nadositra nankany  Analakely . Niantso ny tany an-trano indray aho haka azy ireo avy eo. Lany anefa ny credit-ko ka tsy tafita ny hafatra. Izy roa kely amin’io efa an-dalana hamonjy an’Analakely. Soa fa niantso ahy tampoka ny anabaviko ka io no nasaiko nilaza maika tany an-trano sy nanazavako ny zavatra rehetra.
Vao maika nitombo ny hatezeran’ny olona ary tonga hatrany Analakely cinema Ritz ny gidragidra. Rehefa mety ho lalana nivoaka an’i Mahamasina dia nisy izany gidragidra izany avokoa. Tao anaty Stade dia fiara roa no naongan’ny olona ka nodorany. Tsy fantatro aloha na an’iza na an’iza ireo. Roa no olona nalefa tany amin’ny hopitaly, ka ny iray no heno (marihako tsara fa heno) fa hoe maty. Rehefa mahazo vaovao misimisy kokoa aho dia ampitaiko aminao ihany. Izay hijery ny video kosa dia afaka mijery izany any amin’ny  france24 fa nalefako any. Ialako tsiny indrindra.
Fa  ny fanontaniana mipetraka dia ity: aiza ho aiza ny andraikitr’ireo arbitre raha nilaza ny ho avy nefa tsy tonga,? Aiza ny andraikitry ny CAF ? ary ny an’ny Federation Malgache ?  Angaha tsy fantatra mialoha be hoe tsy ho avy ny arbitre? Ahoana ny amin’ny aina nafoy sy ny naratra ? sns…
TSy navela hisoka-bava tamin’izay manadihady moa ny police, fa kosa tsy afaka manakana ny mpanao gazet tsy haka sary. Soa fa mba tafiditra ho isan’ny mpanao gazety ny tena tamin’iny fa raha tsy izany dia asa fotsiny.
Ireto santionan-tsary misy hojerena fa mbola betsaka moa ny aty fa ny fotoana no tsy ampy handefasana azy.
sunp0031.jpg
sunp0053.jpg
sunp0021.jpg 
Vaovao farany:
3 ny arbitres nandrasana. Tsy tonga anefa ny comorien iray. Saiky hosoloina Malagasy mba handehanan’ny lalao. Tsy nanaiky ny Costa do Sol. Niandry ny Commissaire au match ny federasiona malagasin’ny baolina kitra tamin’ny folo. Tsy tonga anefa ileio, ary rehefa nozahana dia tany amin’ny Costa do sol no hita izy. Zavatra izay tsy tokony ho nataony velively ny manatona ekipa alohan’ny match toy izao. Tsy nanome baiko koa anefa izy hoe hisy ihany na tsia ny fihaonana. Noho izany dia naman’ny misy ny fihaonana hatramin’ny ora farany.
Taorian’ny gidragidra dia tapaka fa haverina ny Talata 04 mars amin’ny 14h 30 ny fihaonana ary ny federation no hitady ny kianja sy hanao izay hahatomombana azy. Hisy ny fanafarana mpitsara avy atsy Maorisy mba hameno ny banga ho fanampin’ireo comoriens roalahy efa eto Antananarivo.
5 naratra ka 3 mpitandro ny filaminana
12 voasambotra
2 fiara may
maro kosa ireo fiara simba sy vaky fitaratra. Anisan’ny nitondra faisana tamin’izany ny tobin’ny polisy etsy Mahamasina