Ambohijatovo #m1905, vakio hoe Madagasikara 19 May

Ho tohin’ny tantara lavabe nampifanolana ny #FreeFM amin’ny Fitondrana Tetezamita tarihan’Atoa #Rajoelina Andry Nirina, dia nanatanteraka famoriam-bahoaka teny Ambohijatovo i #LalatianaRAKOTONDRAZAFY sy #FidelRAZARAPIERA tamin’ny Sabotsy 19 May 2012 lasa teo (azonao arahana ao amin’ny Twitter amin’ny tenifototra #m1905 ny amin’izany). Nilaza ny hirotsaka hiaraka taminy ny avy amin’ny Ankolafy ZAFY Albert, sy ny sendikan’ny mpanao gazety (niala an-daharana tamin’ny fotoana farany ity sendika ity). Nilaza ny hiandry ireo mpitarika teny an-toerana koa moa ny jeneraly Ravalomanana, saingy mandra-pahatapitry ny fofona lacrymogene dia tsy hita tava teny mihitsy izy.

Teo akaikin’ny tsangambato #MDRM

Raha tamin’ny 9 ora maraina no efa tsinjo fa tsara petraka teny ireo fiara maro an’ny mpitandro filaminana, nanoloana ny vavahadin’ny kianja (-n’ny demaokrasia), tery ampita tsy lavitra teo kosa efa nisy olona vitsivitsy nanomboka nitangorona.

Mihamatevina hatrany ny isan’ny olona

Faritra maromaro nanodidina ny kianja no nametrahana ny mpitandro filaminana (Instat Anosy, Gare Soarano, Tonelina Ambanidia, Station Essence Jovenna Ambohijatovo, Ministeran’ny mponina…),ankoatra ireo mandeha mivezivezy amin’ny fiara mbola raitra sy matanjaka.

Ireo mpitandro filaminana napetraka teny akaikin’ny Station Jovenna Ambohijatovo

Nitombo miandalana ny olona. na dia tsy mbola hita aza ireo mpitarika ny hetsika hatramin’ny tamin’ny mitatao vovonana.

Ny tena nahazendana ahy dia ny nahita Malagasy iray nitondra vazaha efatra mianaka, handeha hilalao ao anaty kianja, hono, ary rehefa nanontaniako teo am-bavahady ilay ranamana Malagasy, dia izaho indray no tratry ny fanontaniana hoe :

Fa misy inona fa tsy arako?

Dia Gaga elah!

Tsy mahay afa-tsy teny Anglisy moa ireto mpivady nitondra an-janany (izy roavavy kely mba nahazo teny frantsay ihany), ka dia voatery ny tena nanazava taminy tamin’ny teny Anglisy ny zava-mitranga sy mety hitranga. Ary aleo nandefa azy ho any Tsimbazaza.

Hiverenantsika ny tena ventin-kanina.

Manomboka feno olona koa ny midina mankany #Analakely

Oayyyy eee! Mpiantsena daholo ve ireto?

Rehefa ela niandrasana teo ny olona maro izay efa nihamarobe tokoa, dia nanomboka tsindrian-daona. Nisy delegasiona voalohany nanatona ny lehiben’ny mpitandro filaminana mba hifampiraharaha. Valiny: tsia, tsy azo idirana ny tanàna fa any an-kafa, na magro manao hetsika

ireo saika hifampiraharaha tamin’ny EMMO

Nanomboka teo koa no efa nisy ny nanandrana nitarika ny olona hisahotaka, saingy tsy nandaitra fa voatosiky ny mpitandro filaminana, sy resy lahatr’ireo delegasiona voalohany, mba hihemotra hiandry ny mpitarika,  alohan’ny hanaovana dingana hafa.

Efa nanomboka feno ny teo anoloan’ny fiakarana ho any Antaninarenina, Ambatonakanga sy ny manodidina ny tsangambato MDRM, ary ny sisiny amin’ny fiandrasana taxibe 119. Toy izany koa ireo lalana miakatra miverina mankany Ambondrona sy ny tohotohobato Tavao, ary ireo havoana sy tranokely misy terasse manodidina lavitra eny

Na terrasse, na tamboho, nitazanana avokoa

Miantrana ny fiara, nefa mitombo koa ny olona

Mandram-piandry ny mpitarika sy izay hiseho ary dia mba afaka niala voly ihany ny mpanatrika taty amin’ny lohalaharana, satria dia nisy an’ilay ramatoa iray sahy nihantsy ireo mpitandro filaminana sy manipy vato tany amin’ny fiara, eny fa hatramin’ny mitsilany eo amin’ny arabe mihitsy aza, mba hanakana ny fiaran’ny EMMO tsy hiroso. Voatery mihitsy moa ireo mpitandro filaminana nibata sy nanipy azy ho eny amin’ny sisin’ny tsangambato.

Andao raha sahy…Oay, diso fa Tifiro raha sahy no nolazainy

Nodradradrain’ity ramatoa ity fa maty noho ny entona mandatsa-dranomaso nalefan’ny mpitandro filaminana ny zanany, koa raha sahy ireto mitana ny basy eny an-tanany, dia aoka koa hitifitra azy. Vitany mihitsy ny nitety tsirairay ireo fiara niantsona teo. « Hiady amin’adala tokoa ve moa » hoy ny sasany. Saingy adala noho ny inona tokoa moa izy? Ary raha isika no teo amin’izay toerana lazainy sy tantarainy izay. Marihana fa somary nandrairay kely ramatoa ka vao mainka koa nampiakatra ny hafanam-pony sy ny fahasahiany izany.

Mivoaha izay mafy e!

« Itsaho raha sahy fa ny zanako aza efa matin-tenisany tamin’ny lacrymogene »

Nolanjaina toy ny entana ary nahilika tery amin’ny sisiny, rehefa nitsilany nibahan-dàlana ny fiara tsy hiainga. Fahasahiana re izany!

Teo ampiandrasana hatrany ny mpitarika dia nisy tovolahy iray ihany koa, nijoro nanatrika ireo mpitandro filaminana, nifatotra scotch ny vavany, ary voafehy nihodidina toy izany ihany koa ny tànany roa, nipetaka tamin’ny vatany.

dia gaga elah!

Ary ny seho hafakely farany, alohan’ny tena nafàna, dia ilay rangahy iray mpampianatra nidradradradra ny alahelony nankeny amin’ireo mpitandro filaminana ihany koa. Hoy izy:

« Efa ho retraité aho »  « 30 ans de service, ary tsy mpikambana amin’izay SEMPAMA any, nefa kosa dia aoka lazaiko an’laisany miaramila sy zandary tsy misy ilana azy ireo, apetraho ny basy dia andao hifandahatra. Misy mpianatro ialahy isany no hitako eto, tao anatin’ny firy taona monja dia mandray in-telo avo heny amin’ny karama raisko, nefa aho ity efa fotoana vitsy sisa dia hitsahatra. Mba misaina, aza dia faly ataon’ny olona fitaovana, ary avenir manao ahoana moa no tadiavin’laisany ho an’ny taranak’laisany ‘reo? »

zaho efa hiato, nefa 1/3 amin’ny raisin’ialahy isany no mba karama rasiko

Tsy diso anjara tamin’izany seho rehetra izany ireo roalahy solontenan’ny SADC eto #Madagascar. Tsy vitan’ny nanatrika ny fampisehoana tetsy ambony izy ireo, fa sady naka sary no nandefa izany sy niresaka nivantana tamin’ny findainy avy. Raha mba niezaka nanokatra ny vavany mba hampiresaka azy moa ireo mpanao gazety sy mpaka sary teny an-toerana, dia tsy nety niteny mihitsy ry zareo fa ny hany naverimberiny dia ny hoe

No comment

ry zalahy SADC izany, sady mizahatany no manao « ady idy »

Toy ireny mpizahatany ireny moa no bikan-dry zalahy amin’izany fotoana izany.

Eto isika dia hiditra amin’ny fotoana nahatongavan’ny ‘sono mobile’. Teo akaikin’ny Agha Khan no nipetraka ny fiara, ary nangatahan’ny olona hakarina any aloha (Ambohijatovo), saingy tsy nihetsika teo kosa mandra-pahatongan’i Fidel Razarapiera.Ny hiakan’ny olona teny an-toerana moa dia niantso ny hoe:

aiza ianareo, sa ho alainay any?

Rehefa tonga teny an-toerana i Fidel (14h 20 teo ho eo) dia nirohotra nitsena azy sy nitondra azy ho eny amin’ny sono mobile ny olona. Rehefa nandray fitenenana nanoloana ny vahoaka ranamana, dia ny nampitony ny olona no nataony satria tsy ho afaka hiditra ao anaty kianja. Tsy nanaiky izany anefa ireo olona marobe fa ny hiditra ihany no tao an-doha. Izay marihana etoana fa nisy antokon’olona efa tsinjo nialoha ihany fa nivonona ny hanao zavatra hafa no tanjony.

Tsy nahatohitra ny antsoantson’ny olona, raha tsorina dia hoe tsy naharesy lahatra sy tsy nahafehy ny olna marobe nihaino azy ranamana, ka nisy tamin’ireo olona tety ambony, nanakaiky ny vavahady College de France Ambohijatovo, no nihetsika nanao dia maika niharo hazakazaka madinika hiakatra ho eny amin’ny faritra manodidina ny mpitandro filaminana.

Ento aho ry tongotro

Vao nahita ireo olona marobe nirohotra niakatra ireo EMMO teo amin’ny vavahady dia sady nampaneno mafy ny anjomaran’ny fiarany, no mba nisy niteny tamin’ny fanamafisam-peo avy ao anatin’ireto 4 x 4 vaovao (nefa dia marihako fa ny 1 metatra miala ny fiara ihany no afaka naheno izany, satria tsy hainy angamba ny mampiasa ilay fitaovana).

Nirefotra amin’izay ny entona mandatsa-dranomaso voalohany nanomboka teto, ary raikitra ny Ento aho ry tongotro

Booom, booom Atsaharo ny hira dia mba mitomania amin’izay

Vetivety dia tsy hita izay nisy an’i Fidel, fa ny sono mobile sy ny mpikirakira azy kosa no tratra tany Ambodifilao tany. Hatramin’ny fotoana anoratana dia mbola voatàna any amin’ny mpitandro filaminana i Rado, teknisiana ao amin’ny FreeFM (toa tokony ho androany 22/05 no niakatra teny amin’ny fampanoavana). Efa nambara ihany koa fa hokarohana sy hosamborina izy mianadahy nanentana ny olona hidina an-dalambe, satria nisy ny fanimban-javatra hoy ny mpitandro filaminana.

teo alohan’ny tsangambato #Ralaimongo

ny fakom-baoritra nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana

Soa fa misy ny miaramila hanala sakana

Ny zavatra iray isan’ny nahatsikaiky dia ny fitangoronan’ny mpaka sary sy ny mpanao gazety nanaoloana ny varavarana fidirana ao amin’ny Hotel Le Glacier. Samy nanontany tena ny rehetra nahita ireo lehibe mpitarika ny EMMO niditra tao fa hoe

ao ve ry Lalatiana sy Fidel, ka hosamborina? Sa inona no mitranga eto?

Tsara ny lany sefo isany a!

Tsy nahitana valiny io raha tsy fotoana ela taty aoriana. Tsy inona ilay izy fa hay niditra hisakafo tao ireo lehibe ireo. (Nefa ny an’ireo mpanatanteraka tery an-kianja dia mofo dipaina sy fromage La Vache Qui Rit, niampy EAU VIVE).

Eo am-piandrasana ny hetsika hitranga rahampitso, famoriam-bahoaka, mbola eo amin’io kianja io ihany, iantsoan’ny Profesora Rajaonarivelo Paul , dia ndeha isika hijery sary mikasika ny #m1905 tamin’ny Sabotsy ao amin’ny Fickr momba izany.

 

Publicités

Hetsika #12Mai2012

Saika hanao fanazavan-kevitra tamin’ireo mpomba azy teny #Ambohijatovo indray ireo parlemantera roalahy avy amin’ny ankolafy #Ravalomanana. Rehefa avy nanatona ireo mpitandro filaminana nangataka alàlana izy ireo dia tsy nahazo rariny. Rehefa izany dia nilazàna izy ireo hanao izany any amin’ny kianja #MAGRO Behoririka.

Teny an-dàlana anefa dia nizara 3 teo ireto olona nitanjozotra ireto (izay narahan’ny mpitandro filaminana mba tsy hisian’ny korontana, ary dia ireto mpitarika mihitsy aza moa raha ny heno no nangataka izay fiarovana izay). Ny ampahany voalohany nijanona tety akaikin’ny #TAHALA #RARIHASINA, ny faharoa teo amin’ny #13Mai ary ny sisa (fahatelo) dia nanohy ny dia ho any Behoririka.

Nisy ny fifamaliana teo amin’ireo mpitarika roalahy sy iretsy nidongy hijanona tao afovoan-tanàna, ary nivoaka tamin’izany aza ny fitenenana naherihery avy amin’ireo mpanara-dia fa hoe nahatsiaro ho nolalaovin’ireo mpanao politika ry zareo, nolaniana andro. Na dia niezaka ny handresy lahatra azy ireo aza ny mpitarika dia tsy nahita nangirana, fa dia niparitaka ny hetsika.

Ny tetsy amin’ny kianja 13Mai no ndeha hiverenana. Nifampitazana sy nifampiandry teny indray ny EMMO sy ny mpanao fihetsiketsehana. Nitohy hatramin’ny efa maizina moa izany fifampiandrasana izany ary niafara mihitsy tamin’ny fisamborana olona telolahy, taorian’ny nisian’ny fikasana handoro fiara tsy lavitra ny arabe mivily mankany amin’ny Lisea #Rabearivelo iny.

Isan’ny nanamarika ny andro androany hariva ihany koa ny nakan’ny mpitandro filaminana iray ny finday misy fakàna sary teny amin’ny mpanao gazety iray, sy nanitsahany an’izanyary ny nanipazany azy lavitra dia lavitra ilay toerana nitrangan’ny famotehana. Asa raha fantany hoe mpanao gazety ity olona nanaovany herisetra, na noheveriny ho olon-tsotra. Teto dia nahatsiaro ny zavatra nahazo ny namana iray mpaka sary an-gazety niharan’ny fisamborana sy ny daroka rehefa nentina tao amin’ny #Bain-douche tamin’ity herinandro ity ny vitsivitsy nanatrika teo. Fihetsika izay tsy voalohany no sady angamba tsy ho ny farany koa. Mahamenatra satria nony injay nentina tao amin’itsy birao voalaza ilay mpanao gazety, ka fantatry ny tao fa mpanao gazety, dia navoaka toa tsy nisy inona iny, nefa raha ny heno dia hoe efa nasaina nanao sonia an-tery ny fakàna ambavany azy,talohan’ny nahatongavan’ireo mahafantatra azy ho mpanao gazety.

Aleo hatsahatra ny bla bla bla, fa ndeha hijery sary isika e, ny androany hariva.

Sary 1 : Mifampitazana sy mifampiandry

ireo fiara mivezivezy miezaka mamno lolo ny olona mivorivory

dia voatery foana hanimba zavatra ve rehefa hoe maneho hevitra? Fisainana efa tokony hialàna

Voaendaka daholo natao sakana ny sisin-jaridaina teto amin’ity hazo ity sy ny manodidina azy

Ery amin’ny farany somary lavitra amin’ny sary ery dia misy fiara mipetraka. Tsy nisy nanampo fa hisy hanandrana handoro izy io rehefa harivariva manomboka ho maizina

ireo tery ampita niandry izay hiseho

Rehefa nesorina ny sakana teo aloha, dia mbola nisy indray ny famerenana nametraka vaovao rehefa maizimazina iny ny androany

Sezan’ilay fiara saika hisy handoro izy ity. Soa fa mora nesorina sy nosintonina hivoaka tao amin’ilay fiara fa saika loza

Ity kosa ilay fiara tompon-tseza. Nahagaga fa teo akaiky teo ihany ny tompon’izy io saingy tsy nahatsikaritra izay nanipy ny afo tao anatiny

Iray tamin’ireo telo lahy voasambotra, rehefa nifanenjehana sy notadiavina tany anaty trano fisotroana tsy lavitra teo

Hatreo aloha ny androany. Asa raha hanao ahoana ny ampitso. Milaza hanao fanateram-boninkazo ny sasany, hankalaza tsingerintaona voalohany ny hafa, ny hafa indray mbola hanohy ny androany , hono. Vokatry ny fahantràna daholo izany

Sakoroka androany 10 Novambra 2010

Dia raikitra indray ny sakoroka androany 10 Novambra 2010, taorian’ny nandraràn’ny prefektioran’ny polisy tsy hampiasan’ny Ankolafy Telo avy etsy amin’ny MAGRO ny kianja MALACAM Antanimena. Raha ny filazan’ny nanatri-maso ny fiandohany dia tany amin’ny 12 ora antoandro tany no nanomboka ny fangalam-piery.

Nisavoritaka tsy nisy hoatr’izany ny fifamoivoizana teto Antananarivo renivohitra, ka samy nitady làlana izay azony hanavotana ny ainy ny rehetra, na olona io na mpamily fiara. Nanery ireo mpamily fiara hianika an’Ambatonakanga sy Antaninarenina ny zava-misy.

Niova làlana nankany Amparibe sy Mahamasina ny taxibe

Fa izay tiana ho tsindriana fotsiny dia ity fanimbàna zavatr’olona sy famotehana ny fananan’ny hafa atao rehefa isak’izay misy fihetsiketsehana ity. Fiara roa (lazaina ho ana teratany karana avokoa) no nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana androany.

Fiara nodorana teo anoloan'ny Kolejy Saint François Xavier Annexe (Notre Dame teo aloha) - Antanimena ambany - Karana iray no tao anatiny

Ny iray tetsy Antanimena ambany, nanoloana ny Kolejy Notre Dame, raha teo amin’ny sampanana akaikin’ny foibe ara-tsaina Arabo Libiana teo aloha kosa ny faharoa

Teo amin'ny sampanana manoloana ny foibe ara-tsaina Arabo Libiana taloha - Fiara avy nàka zanaka karàna avy nianatra

Feo heno tety ihany koa moa ny hoe

Mila mandoro fiara isika, atao hitan-dry XXXXreo

Natosiky ny mpitandro filaminana tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso aloha ireo mpanimba zavatra,

nalefa ny baomba mandatsa-dranomaso mba hanosehana ny olona

Vonoina sao hitera-doza, eny fa na dia ho an'ny fahasalamana fotsiny aza

ary rehefa avy eo dia nisy mpiasan’ilay tobin-tsolika nitondra famonoana afo mba hamonoana ny afo sisa tsy maty famin’ilay fiara nodoran’ireo mpanimba zavatra.

Tsy nijanona tamin’ireo ny fandoroana fa hatramin’ireny trano hazo kely napetraka ho fanatanterahana asa teny anivon’ny zaridainan’Antanimena ireny koa aza dia lasibatry ny afo.

Ilay tranohazo teo an-jaridaina afovoany Antanimena

Ny aza sendra ny mifanena tsy nahy tamin-dry zareo aloha fa dia mety hanidina ny « pare-brise » e!  – 4L taxi sy Jeep Cherokee ana teratany vahiny no niharan’ny setrasetra sy ny fanimbàna teny Antanimena nandritra ity andron’ny 10 Novambra 2010 ity.

Raha ny filazan’ny sasany tamin’ireo namana tafaraka teny mantsy dia nisy izany lehilahy vaventy iray izany rehefa nivoaka avy tao amin’ny MAGRO, dia efa feno rà ny tànany. Tsy fantatra hoe naninona, ary ràn’inona, na ràn’iza. Rehefa tonga tety an-dalam-be, hono, io ranamana io dia tsy nanao afa-tsy ny nila vaniny tamin’ny fiara sendra azy, ary isan’ny namaky ny fitaratry ny fiara iray teny amin’ny manodidina ny toerana nifamorian’izy ireo. Teo Andravoahangy ambony tsy lavitra ny tetezana no nisy iray tratran’ny toy izany, ankoatry ny sasany teny amin’ny manodidina ny MAGRO sy Antanimena. Tsara ihany araka izany ho an’ny mpamily fiara ny mba mihaino vaovao fa tsy ho faly rotsorotsian’ny hira fotsiny eny an-dàlana eny, ka tafalatsaka anaty kizo vao taitra. Maro amin’ny mpamily mantsy (indrindra fa ny taxibe, toy ity 183 ity) no tsy tia mihaino resadresaka amin’ny fampielezam-peo, fa raha vao izay no mitranga dia kinga ery iny tànana iny mamadika onjam-peo mitady hira. Hay vidiana lafo ihany ny hirahira fa dia mampatory saina tokoa an!

Mba henoy amin'ny sisa ny fampielezam-peo fa aza dia sondriana amin'ny hira fotsiny e!

Zavatra tsinjo tetsy Behoririka akaikin’ny « Look’s » ny fahasahiana diso tafahoatra nananan’ny sasany tamin’reo mpanao fihetsiketsehana, satria dia voalazan’ny mpitandro filaminana iray nanao fanamiana sivily miara-mitankosona amin’ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanangom-baovao, fa nisy lehilahy iray nitondra fitaovam-piadiana tao anatin’ireto farany. Efa naparitaka moa ny mombamomaba an-dranamana, ny fitafiany manomboka any an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany, saingy tafaporitsaka ny anao lahy

segondra vitsy taorian'ny nadalovan'ireto mpandalo ireto dia nisy vato natota sy kesika natsipy avy tany ambony tetezana. Saiky loza

Feo re teny an-toerana ihany koa no nahalalàna fa hiandry ny andro maizina ireto mpanao hetsika ireto (na mety ho ny mpanararaotra) mba hamerenana eto Antananarivo ny zava-nitrana tamin’ny 26 Janoary 2009. Ary mety ho ny OPK no ho itarihana azy. Feo re teny antsefantsefam-bohitra teny daholo izany ampitaintsika eto izany.

Raha izany no nitranga androany, mba hanao ahoana re ny fihantsiana nataon’i Monja Roindefo ny amin’ny tsy maintsy hihaonany amin’ny vahoakan’Antananarivo amin’ny Sabotsy 23 Novambra 2010 e?

Dia izao tokoa ve ilay hoe tsy avela hisy fitsapan-kevi-bahoaka izany eto na ho inona na ho inona?

Sadasada manan-tsoratra ihany tokoa aloha ilay ho fitsapana hevitra e! Ary ny mahavalalanina ny maro dia ny filazana zava-bita etsy sy eroa, na fampanantenana zavatra hatao mandritra ireny fitsidihana ofisialy ataon’ny mpikambana ao amin’ny HAT isaky ny faritra ireny – ankoatry ny hoe fanazavàna ny votoatin’ilay volavolan-dalampanorenana. Ny zavatra toy izany mantsy no efa nanakianana ny teo aloha, ary tsy lanin’ny vavonin’ny vahoaka, nefa dia mbola TIM (ny Teo Ihany no Miverina) hoy ny maro.  » Am-bava homana, am-po mierotra  » hoy ny ohabolan’ny Ntaolo.

Rehefa tsy milatsa-dranomaso noho ny baomba, dia tsy mifankahita noho ny setroka doro fiara

Mainty noho ny setroka doro fiara ny lanitr’Antananarivo androany hariva, ary mbola nanakoako teny Behoririka sy Andravoahangy ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso hatramin’ny 7 ora sy sasany hariva  tany ho any.

Tsy tsara ho an'ny marary tratra ny nandalo teto

Sempotry ny setrok ireo trano teto amin'ny manodidina. Tsy lavitra tobin-tsolika SHELL koa ilay firehetana

Raha tsy niova ny zavatra hita talohan’ny ora nialàna teny an-toerana dia 3 lahy 2 vavy no voasambotra ka isan’izany ireto

ireo 2 lahy efa tafiditra tao anaty fiara

ilay iraikalahy fanintelony nenjehina hatrany anaty tranon'olona

Fanampim-baovao:
Fetison Andrianirina sy Lalatiana Ravololomanana ary Yves Aimé rehefa tonga tao amin’ny MAGRO ka nilaza tamin’ny mpomba azy fa hifampiraharaha amin’ny mpitandro filaminana
dia novalian’ny olona fa  tsy misy an’izany, toa izahay vahoaka foana no arosonareo, nefa avy eo tsy hita ianareo

Tohiny: tsy hita vetivety teo ireto mpitarika ary tsy voafehy intsony ny olony.

Rehefa naparitaka ireo olona avy ao Antanimena dia nizarazara ny làlany ka nisy ny rantsana nankany Analakely ary nikasa handoro ny Lapan’ny Tanana vaovao, izay 38 taona mahery taty aoriana vao nisy nahavita namerina indray. Raha tara kely foana ny mpitandro filaminana dia efa « vita matavy » ilay Lapa satria efa tonga teo an-toerana ny tavoahangy plastika nisy lasantsy.

TV Plus Madagascar: Nisy ny andian’olona, izay nahitana vehivavy, nitarika sy nandrindra ny asa fankorontanana natao teo Behoririka, hoy ny olona iray miasa eo akaikin’ny faritra nitrangan’izany, no sady nandre sy nahita maso ireto andian’olona ireto, saingy noho ny tahony dia tsy sahy naka sary fa nitadidy kosa  ny amin’ireo olona ireo (efa nampitain’ny TV Plus Madagascar tamin’ny vaovaony ny andron’ny 10 Novambra 2010 ny mombamomba ireo olona ireo, niaraka amin’ny fitantaran’ilay vavolombelona)

Fréquence Plus 67Ha (suite)

Mihevitra ireo mpomba ny HAT fa hoditr’akondro atsipy ho an’ny HAT ny zavatra natao teny amin’ny Fréquence Plus tamin’ny Sabotsy tolakandro iny. Misy hoy ny fanehoan-kevitra avy amin’ny olona maro ny tsy faly tamin’ny fanambaran’i Andry RAJOELINA fa tsy hilatsaka amin’ny fifidiana ho filoham-pirenena ny tenany. Be araka izany hoy hatrany ny fanambarana sy ny antso an-telefaonina no very fihinanana sy diso fanantenana ary matahotra ny ho tohin’ny ampitsony.

Amin’izao fotoana dia efa nalefa eny amin’ny CCO ny antontan-taratasy mikasika ny raharaha 07 Febroary 2009 izay voalaza fa mahavoarohirohy olona 19.

Ny etsy amin’ny MAGRO Behoririka anefa milaza indray fa hanamafy ny hetsika amin’ity herinadnro ity. Hafana indray izany ny toe-draharaha, satria Camille Vital koa nanao fanambarana fa tsy hitsitsy izay manelingelina ny filaminam-bahoaka. Efa taratr’izany sahady raha ny zavatra niseho omaly teny amin’ny kianjan’ny 13 Mai sy ny manodidina, izay nahitana fiaraben’ny mpitandro filaminana 3 na 4 teo.

Nafana ny fanentanana tao ankianja hoy ny nanatri-maso ary isan’ny tena ventin-kanina tao ny raharaha nisamborana an’ireo teny amin’ny Fréquence Plus, ka nitazonana am-ponja an’i Tonton Ambroise eny Antanimora amin’izao fotoana izao, mandra-piandry ny fitsarana azy amin’ny 27 Mai ho avy izao. Heloka itazonana azy ny faniratsirana filohana andrim-panjakana.

Fa miresaka fanamafisana hetsika izay ihany, dia mikononkonona ny hanao ny hetsika faha-8 azy ireo ihany koa izao ny Hetsiky ny mpitondra Fivavahana. Tsy mbola fantatra na ho Antsahamanitra, na ho Antsonjombe fa dia hoe ho hetsika lehibe amin’ny Alakamisy raha ny resaka mandeha.

Nanameloka ity fikasihan-tanana ny REPORTERS SANS FRONTIERE  izay milaza fa toy ny natao takalon’aina ny mpanao gazety. Nokianiny ny fomba nisamborana sy ny fanimbana ny fitaovana izay manohintohina ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalaham-pitenenana.

Ny fikambanan’ny mpanao gazety Malagasy koa dia nangata-panazavana amin’ireo manampahefana isan’ambaratonga sy nangataka ny hanafainganana ny fanadihadiana ny zava-niseho.

Fort Duschene: nandray volan-dRavalomanana sa tsia?

Nanome 24 ora ny mpanao fanadihadiana momba ilay vola 2.5 miliara ry Colonel Raymond sy ny tariny ao amin’ny toby voalaza etsy ambony, fa raha tsy izany ‘dia ho avy amin’ny angady sy ny harona’. Ny antony ve ? Mbola ilay resa-bola io ihany. Hoe iza no nandray, ary nankaiza avy eo?

Raha zohiana ilay izy dia zavatra roa no mety ho dikan’ilay fihetsika:

1* na manao alahelon-kanina ny sasany fa tsy nahazo na kely aza

2* na tena mikatsaka marina ny tena zava-nisy ka mba hanalana ny ahiahy amin’ny FIGN dia mangataka ny mangarahara.

Fa ny tena mahazendana amin’ilay fihetsika kkoa anefa dia ity: fa maninona no natao mifanandrify indrindra amin’ny andro natao hanombohan’ilay atrikasam-pirenena (4 sy 5 Marsa) hampanaovin’ny HAT?

Dia mbola zendana koa ianao izay mpanaraka tantara raha mahatsiahy fa niteny ingahy RAVALOMANANA MArc tamin’ny fotoan’andro fa ny ‘problemany nahatonga azy hipitika teo amin’ny fitondrana dia noho izy tsy nanome vola ny miaramila’

Fa vao mainka tena zendana ianao raha nandalo teny amin’ny MAGRO ka naheno ny fidirana mivantan’ingahy RAVALAOMANANA Marc nilaza fa tena nisy tokoa ny fanomezany vola izay nitentina Ar 2.600.000.000.

Ndeha ary horaisintsika hoe nisy ilay fanomezana vola, dia iza no notolorana azy, ary rehefa azon’ilay notolorana azy, dia nankaiza? Mampahatsiahy antsika ny tantara niseho teny amin’ny RAS indray izy ity.

Mandefa antso amin’ny fampielezampeo tsy miankina ny olona milaza fa ao Behoririka tsy lavitry ny MAgazay Luxor hono no misy ny olona isan’ny mpandray sy mpizara vola ho an’ireo etsy Ankorondrano. Tsy fantatsika ny marina momba izany, saingy mangatakak kosa ireo voakasikak mivantana, sy ireo mpanao fanadihadiana isika mba hilaza izay tena marina.

Mikorontana noho io resa-bola ‘lazaina fa avy amin-dRAVALOMANANA ‘io i Madagasikara, na ny fiangonana, na ny tafika, na ny zandary, sy ny sisa…

Ka aiza ny marina?

Raha tsy nisy kosa ny fanomezana vola, inona no tombontsoan’ingahy RAVALOMANANA Marc mamafy resaka toy izany, ary amin’izay resaka mivantana no nanaovana azy?

Fa ny tena mahazendana ahy farany dia ity: inoako fa tsy miafina amin’ireo milaza azy ho mpanelanelana sy fianakaviam-be iraisam-pirenena ny zavatra ambarako etsy aloha ireo, nefa mba nitondra fanamarihana ve ry zareo? Tsia. Fa nahoana? Inona no antony? Sa efa voakorontan’ny vola ihany koa toa iretsy vondrom-piarahamonina voatanisa ery ambony, raha nisy tokoa ny fanapariahana vola?

Andry Rajoelina niatrika mpanao gazety

Na inona na inona tapaky ny GIC amin’ny fandinihana ny olan’i Madagasikara, dia vonona hiroso amin’ny fifidianana ny HAT, Ary bileta tokana no hampiasaina, mba tsy hisian’ny fanambazam-bola ireo mpifidy amin’ny fividiana ny vaton’ireo mpifanandrina rehefa mivoaka ny biraom-pifidianana.

Amin’ny volana Mai no hanaovana azy, hoy izy , na inona hidona, na inona hihatra. Ireo raha fintinina amin’ny teny vitsy ny nambaran’Atoa Andry Rajoelina teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra androany hariva nandritry ny 15 min teo ho eo.

Tsy hisy intsony ny fampiasana ny ‘ordonnance’ mandritry ny fotoam-pifidianana tany aloha rehetra tany teo amin’ny tantaram-pirenena Malagasy, mba tsy hahafahan’ny olona iray ho afaka mifidy amin’ny biraom-pifidianana maromaro.

Tsy hihemotra sy tsy hatahotra izay sazy lazaina fa hampiharina amin’ny tenany izy Andry Rajoelina, araka ny nambarany fa tsy noho ny fankahalana na tsy fitiavana olona no entina hanasaziana an’i Madagasikara sy ny Malagasy raha araka ny nambarany  hatrany.

Fa ety anjorony kosa dia milaza ny hidina etsy amin’ny esplanade Analakely ny avy any amin’ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana – pasitera – (mitaky ny hampiharana ny fifanarahan’i Maputo), rehefa avy nanentana an’Antsahamanitra, amin’ny Sabotsy izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hanao Diabe ho eny amin’ny kianja monisipalin’i Mahamasina. Nanambara anefa R. Alexandre, Talen’ny kabinetran’ny Fiadidiana ny tananan’Antananarivo Renovohitra fa ny eny Antsonjombe no nomena malalaka hampiasain’ireo mpitondra fivavahana hanaovany ny hetsika amin’io Sabotsy io.

Hetsiky ny mpitondra fivavahana (tohiny)

Hita nanatrika ny fotoana teny Antsahamanitra androany ny mpanao politika toa an-dry Mamy Rakotoarivelo sy  Rabetsitonta.

Marobe ny olona tonga nanatrika ny fotoana, ary saiky ireo mpomba ny filoha teo aloha Ravalomanana no nameno ny kianjan’Antsahamanitra (tonga namaly ny antso natao azy ireo omaly).

Marobe toy izany koa ireo mpitondra fivavahana, izay tsy menatra intsony maneho imasom-bahoaka ny toerana raisiny ao anatin’izao disadisa misy eto amin’ny firenena izao. Nilaza ny tsy hijanona intsony amin’ny fanaovana fampitandremana izy ireo fa hirotsaka hanao asa mihitsy amin’io herinandro io. Tsy ekena hoy izy ireo ny fampiasana ny fitsarana amin’ny fomba mitanila.

Io hariva io dia nisy mpitandrina F.J.K.M nivahiny tao amin’ny TVM (tsy miombon-kevitra amin’ireo namany tetsy Antsahamanitra) niantso ny mpino F.J.K.M mba handinika tsara, ho tony sy tsy ho entin’ny fientanam-po fotsiny amin’izao antso rehetra atao izao, ka ho lasa fitaovana fotsiny ho entina hanohana foto-kevitra. Tsy natao hanohana olona, na antoko, na fikambanana, ary tsy tohanan’olona, na antoko politika, na fikambanana ihany koa araka ny teniny ny Fiangonana. Raha fintinina dia tsy tokony haneho fiandaniana fa tokony hitoetra mandrakariva ho eo afovoany sy ho mpampihavana ny fiangonana. Toa an’i Jesoa Kristy, hoy izy, izay tia an’ireo olona rehetra ireo na mpomba an’iza izy na mpomba an’iza.

Aviavy sy hentitra tokoa moa ireo mpitarika ny hetsiky ny mpitondra fivavahana tetsy Antsahamanitra androany hariva. Isan’ny tena mafana fo hita ao anatin’ity hetsika ity ny mpitandrina avy ao amin’ny F.J.K.M Ankadikely Ilafy

Tany am-pamaranana ny fotoana dia nentanina ny olona rehetra nanatrika teo mba hanoratra ny laharan’ny findainy amin’ny taratasy kely, adiresy mailaka raha misy, ary dia notatazana toy ny fanatitra (rakitra) izany avy eo. Ny antony dia ny hoe raha misy tokony hifanentanana sy hifampiantsoana maika (hifamoriana) noho ny mety ho fivoaran’ny raharaha, dia andefasana SMS maika be ny tsirairay, ka tokony ho vonona amin’ny fotoana rehetra (na any ampandriana aza) mba hamaly sy hiainga avy hatrany hamaly ny antso atao.

Hafa kely indray iny tetikady iny an! Fa tanan’iza no handefa ny SMS an’arivony ho an’ireo avy etsy amin’ny MAGRO amin’izay fotoana izay? Satria izy ireo no betsaka tonga namaly ilay antso?