Hetsika #12Mai2012

Saika hanao fanazavan-kevitra tamin’ireo mpomba azy teny #Ambohijatovo indray ireo parlemantera roalahy avy amin’ny ankolafy #Ravalomanana. Rehefa avy nanatona ireo mpitandro filaminana nangataka alàlana izy ireo dia tsy nahazo rariny. Rehefa izany dia nilazàna izy ireo hanao izany any amin’ny kianja #MAGRO Behoririka.

Teny an-dàlana anefa dia nizara 3 teo ireto olona nitanjozotra ireto (izay narahan’ny mpitandro filaminana mba tsy hisian’ny korontana, ary dia ireto mpitarika mihitsy aza moa raha ny heno no nangataka izay fiarovana izay). Ny ampahany voalohany nijanona tety akaikin’ny #TAHALA #RARIHASINA, ny faharoa teo amin’ny #13Mai ary ny sisa (fahatelo) dia nanohy ny dia ho any Behoririka.

Nisy ny fifamaliana teo amin’ireo mpitarika roalahy sy iretsy nidongy hijanona tao afovoan-tanàna, ary nivoaka tamin’izany aza ny fitenenana naherihery avy amin’ireo mpanara-dia fa hoe nahatsiaro ho nolalaovin’ireo mpanao politika ry zareo, nolaniana andro. Na dia niezaka ny handresy lahatra azy ireo aza ny mpitarika dia tsy nahita nangirana, fa dia niparitaka ny hetsika.

Ny tetsy amin’ny kianja 13Mai no ndeha hiverenana. Nifampitazana sy nifampiandry teny indray ny EMMO sy ny mpanao fihetsiketsehana. Nitohy hatramin’ny efa maizina moa izany fifampiandrasana izany ary niafara mihitsy tamin’ny fisamborana olona telolahy, taorian’ny nisian’ny fikasana handoro fiara tsy lavitra ny arabe mivily mankany amin’ny Lisea #Rabearivelo iny.

Isan’ny nanamarika ny andro androany hariva ihany koa ny nakan’ny mpitandro filaminana iray ny finday misy fakàna sary teny amin’ny mpanao gazety iray, sy nanitsahany an’izanyary ny nanipazany azy lavitra dia lavitra ilay toerana nitrangan’ny famotehana. Asa raha fantany hoe mpanao gazety ity olona nanaovany herisetra, na noheveriny ho olon-tsotra. Teto dia nahatsiaro ny zavatra nahazo ny namana iray mpaka sary an-gazety niharan’ny fisamborana sy ny daroka rehefa nentina tao amin’ny #Bain-douche tamin’ity herinandro ity ny vitsivitsy nanatrika teo. Fihetsika izay tsy voalohany no sady angamba tsy ho ny farany koa. Mahamenatra satria nony injay nentina tao amin’itsy birao voalaza ilay mpanao gazety, ka fantatry ny tao fa mpanao gazety, dia navoaka toa tsy nisy inona iny, nefa raha ny heno dia hoe efa nasaina nanao sonia an-tery ny fakàna ambavany azy,talohan’ny nahatongavan’ireo mahafantatra azy ho mpanao gazety.

Aleo hatsahatra ny bla bla bla, fa ndeha hijery sary isika e, ny androany hariva.

Sary 1 : Mifampitazana sy mifampiandry

ireo fiara mivezivezy miezaka mamno lolo ny olona mivorivory

dia voatery foana hanimba zavatra ve rehefa hoe maneho hevitra? Fisainana efa tokony hialàna

Voaendaka daholo natao sakana ny sisin-jaridaina teto amin’ity hazo ity sy ny manodidina azy

Ery amin’ny farany somary lavitra amin’ny sary ery dia misy fiara mipetraka. Tsy nisy nanampo fa hisy hanandrana handoro izy io rehefa harivariva manomboka ho maizina

ireo tery ampita niandry izay hiseho

Rehefa nesorina ny sakana teo aloha, dia mbola nisy indray ny famerenana nametraka vaovao rehefa maizimazina iny ny androany

Sezan’ilay fiara saika hisy handoro izy ity. Soa fa mora nesorina sy nosintonina hivoaka tao amin’ilay fiara fa saika loza

Ity kosa ilay fiara tompon-tseza. Nahagaga fa teo akaiky teo ihany ny tompon’izy io saingy tsy nahatsikaritra izay nanipy ny afo tao anatiny

Iray tamin’ireo telo lahy voasambotra, rehefa nifanenjehana sy notadiavina tany anaty trano fisotroana tsy lavitra teo

Hatreo aloha ny androany. Asa raha hanao ahoana ny ampitso. Milaza hanao fanateram-boninkazo ny sasany, hankalaza tsingerintaona voalohany ny hafa, ny hafa indray mbola hanohy ny androany , hono. Vokatry ny fahantràna daholo izany

BEHORIRIKA / mpivarotra amoron-dàlana…

Hagagàna ny an’ny mpampiasa iny làlana avy any Andravoahangy ho any Analakely sy Behoririka iny androany fa nitohana be  ny fifamoivoizana. Be ny fiara no nitady làlam-baovao niakatra tany Ambondrona. Niova làlana daholo araka izany ireo Taxibe rehetra mpandeha amin’iny zotra iny.

Nitohana vokatr’izany koa ny fifamoivoizana, nanomboka teo amin’ny fivarotan-tsolika Galana eo Behoririka, Antaninandro, Ambondrona, Ambohijatovo, Analakely. Raha nalàlaka kosa ny teny afovoan’Analakely mankany Soarano.

Tsy naharitra ny Gazety_adaladala fa nidina teny an-toerana hanangona ny vaovao ho anao mpamaky.

Nolazain’ireo mpivarotra manao hetsika eo an-toerana fa fikambanana maromaro ry zareo no mitambatra amin’io androany io: ny an’ireo teo amin’ny Building, ny an’ny Globe, ny an’ny Behoririka.

Raha ilay ranamana noraisim-peo dia manaiky raha toa ka havoaka ho an’ny Analakely ny ao amin’ny Pochard, ary izy ireo kosa ampidirina ao amin’ny tsena Pochard mba hahafahany miditra ho ao anatin’ny sehatry ny ara-dalàna, sy handoavany hetra ho an’ny kaominina.

resadresaka nifanaovana

Nisy solontena avy amin’ny C.U.A sy avy amin’ny mpivarotra manamarina ny maha-mpivarotra na tsia ireo olona efa samy nitsitokotoko naka toerana teny anatin’ireo fariparitra natao ho anjara toeran’ny tsirairay.

Ny fiaraben’ny CUA etsy an-tsisiny tsy mitsahatra ny mamerimberina fa ny solontenan’ny mpivarotra no nametraka sy nanamarina ny momba ireo olona rehetra efa mipetraka anaty fariparitra ireo. Averiny any amin’ny samy mpivarotra araka izany ny andraikitra raha sanatria ka misy ny fifanolanana aoriana ao.

Mitaraina mantsy  ireo mpivarotra amoro-dàlana efa ‘matihanina’ fa misy ireo izay vao tonga fotsiny nandritry ny tsenan’ny faran’ny taona no midongy hahazo toerana. Nanjary nisy ampahany tamin’izy ireo, hono, tsy nahazo toerana, ka nanangam-peo fa avelany hipetraka aloha ny entan’iretsy ‘vao tonga tafara’, ka rehefa tsy mahazo toerana ry zareo, dia raikitra ny fanipàzana ny entana any anaty ranomaimbo. Dia ho toy izany foana ve?

Raha mbola eritreritra ny an’ireo ao amin’ny tsena Pochard hoe hanao ‘sit-in’ eny anoloan’ny biraon’ny CUA amin’ny Alatsiiany, dia tonga dia vavany kosa  ny an’ireo tetsy Behoririka androany.

Miandry ny fiovàna fitaovana isika dia omena anareo eto ny  video.

‘Sit-in’ hataon’ny mpivarotra Pochard…

Taorian’ny fanapahan-kevitry ny mpitantana ny CUA (Antananarivo Renivohitra) dia niaka-peo izao ny mpivarotra ao amin’ny tsenan’i Pochard. Tsy ekan’izy ireo ny fanomezana toerana ireo tsy ara-dalàna teny amoron-dàlana ho ao Behoririka sy amin’ny araben’ny Petite Vitesse, ary eny amin’ny Tahala RARIHASINA.

Firy metatra monja miala amin’ny misy anay io toerana io, hoy ihany izy ireo. Ary tsy zakan’ny vavonin’izy ireo ny hoe ‘mpivarotra misolo mpivarotra’. Ny tiany holazaina dia ny hoe : izy ireo no teny amin’ny espanade fahiny, ary noroahana sy nalàna teny. Ankehitriny anefa dia averina hisy ny esplanade ka ireo tsy nanàra-dalàna no hahazo tombontsoa amin’izay.

Mandoa hetra hatrany amin’ny 600.000 Ar amin’ny CUA ireto mpivarotra ao amin’ny Pochard ireto, ary toa rariny loatra raha tezitra, satria tsy nisy fakàna ny hevitr’izy ireo tamin’ny fandalovan’ny PDS teny Soarano sy Behoririka, ary tsy nisy firesahana taminy koa ny fanapahan-kevitra hanolorana toerana ireto tsy ara-dalàna ireto. Nefa dia misy tokoa ny fikambanan’ireo mpivarotra ao amin’ny Pochard. Saingy ny fikambanan’ireo mpivarotra teny amoron-dàlana ihany (araka ny filàzan’izy ireo ) no nanana tombontsoa afaka niresaka sy natonin’ny mpitanatana ny tanàna.

Nanapa-kevitra ary izy ireo fa tsy handoa haban-tsena intsony (efa nanomboka ny faha-5 janoary io) ary hanao  ‘sit-in’ manoloana ny biraon’ny Kaominina amin’ny Alatsinainy hoavy izao raha tsy mivaha ity olana ity.

Ary ahoana tokoa moa raha ry zareo ao amin’ny Pochard izay tompon’ny Esplanade fahiny no avoaka hàka ny Esplanade Analakely sy Tahala Rarihasina (raha hampiasaina amin’ny varotra ihany io toerana io), ary ireo tsy tao anatin’ny ara-dalàna (fa hampidirina ho ara-dalàna) indray kosa no asaina miofana ao anatin’ny tsenan’i Pochard? Dia samy nahazo izay nilainy ny rehtra ary hilamina ny tanàna. ‘Zany mihitsy  eeeeeee! Hoy ny fitenin’ingahy PDS izay rehefa mihaona amin’ny mpivarotra amoron-dalàna izy.

Mahamasina…Tahala RARIHASINA…

Nangataka fihaonana amin’ny PDS eto Antananarivo Renivohitra ny mpivarotra eny Mahamasina ny amin’ny tokony hitadiavana vahaolana ho azy ireo koa, taorian’ny famahàna olana natao tamin’ireo mpivarotra amoron-dàlana tetsy Behoririka sy Analakely. Ireto farany moa dia notolorana ny eny amin’ny manodidina ny farihy Behoririka sy ny làlana Petite Vitesse ary ny eo amin’ny TAHALA RARHIHASINA (ex-Rene Depui).

Mbola mipetraka foana ny fanontaniana hoe: raha hakatona ny làlan’ny Petite Vitesse mba hatao tsena, ahoana ny amin’ireo mponina mipetraka manamorona iny làlana iny, ohatra amin’izany ireo manana fiara. Tsy maintsy hamoaka fiara amin’ny roa maraina ve mba tsy ho voageja ao ny fiara, ary amin’ny fito ora hariva indray vao hampiditra izany ao anaty garazin’ny tena? Satria dia maro tokoa ny olona mipetraka amin’iny toerana iny no manana ny vavahadin’ny garaziny mitodika aty amin’ny làlana Petite Vitesse (ary tsy misy ivoahana ankoatra izay). Mbola tsy fantatra mazava moa aloha hatreto hoe manomboka aiza, mifarana aiza ilay ampahan-dàlana hatao tsena. Fa ny amin’ny fifamoivoizana no mahalasa ny sain’ny maro: ho aiza indray izany ny làlan’ireo Taxibe mankany Isotry sy Ampefiloha, Anosy iny ?

Ny etsy amin’ny Tahala Rarihasina koa mbola tsy mazava loatra ny fetran’ilay toerana hatao tsena. Misy ivon-toerana momba ny tany sy teny ao, betsaka magazay koa ao. Ahoana ny amin’ireo? Sa ilay arabe mandalo eo anoloan’ny Transcovia taloha no tiana holazaina? Raha ny aty anoloana mantsy no hanaovana ilay tsena dia toa sadasada ihany ilay fanapahana noraisin’ny mpitantana ny tanàna.