Leo an’izao fomba fitondra izao

Hoy i Pety RAKOTONIAINA indray andro izay :

« Manova olona ny seza »

Hasorenena no nandrenesako fa voasambotra ny CT RAZANAKOTO Marcelin. Tsy izay antony tsy fantatro any no tiako ho tsipihana, fa izay tsaroako fotsiny dia izy nangataka ny fialan’Atoa Andry Rajoelina.

Izao izany, raha misy mangataka ny fialan’ny mpitondra dia efa miomàna fa ho voakitikitika ianao. Nefa iza moa no tsy nanao toy izany tamin’ireto olona ireto: RAKOTOARIVELO Mamy, ZAFY Albert sns…

Toa resaka fisandohana ho CT sy intervention, hono ilay izy, nefa ny decret de nomination mbola tsy abrogé, no sady tsy mbola nahazo taratasy filazana fa hoe tsy CT intsony io olona io. Nefa mbola tolorana ny tombontsoa amin’ny solika ihany. Mahagaga an.

Ny zavatra mahagaga ahy koa dia izao, maninona ireo olona marobe miantso anaty radio mangataka ny fialan-dRakoto, Rabe, PM, Minisitra sns, no tsy tadiavina koa ny laharany dia samborina tsirairay.

Raha izao an, tsy dia hahagaga ahy raha sanatria misy ireo mpanao sarisary anaty gazety (caricaturistes) ho samborina koa atsy ho atsy fa hoe nanao sary ratsy endrika an’i Manandafy RAKOTONIRINA, na Andry RAJOELINA, na Mamy RAKOROARIVELO, sns …  izay toy ny rano fisotra any rehetra any. Eto amintsika no asa. FA MANKAIZA ISIKA ITY E ?

Mikiaka aho androany fa endrika JADONA izao miverina izao.

Nangataka fiovàna ny olona, ary dia nanantena an’izany. Isan’ireny ny tena,  tamin’ny fotoan’andro nahatsiarovana hoe toa misy endrika didiko fe lehibe teto amin’ny firenena, saingy raha toy izao no zava-misy dia indramiko ilay fomba fitenin’ny tanora tovovavy hoe « Aleo tsy misy toy izay polisy », rehefa te-haneho hevitra momba ny tsy fitiavany zavatra iray izy ireny.

Raha izao zava-misy amin’izao fotoana izao indray no itarafako ny ampitso, dia sarotra amiko  ny hino fa hisy fifidianana malalaka sy mangarahara tokoa eto amin’ity Tanidrazako ity.

Niala an’Ankatso ianao ry Tanindrazako ka tohitra an’Ambohidempona.

Aza manantena ny hahazo ny vatom-pifidianako aloha eeeee, Ianareo rehetra mouvance 4 ireo. LEO , LEO, LEO

Toa mety tokoa ilay sangisangin’ny olona hoe aleo ry zalahy ireo atsofoka anaty trano iray, dia asaina manao 1 sy 1, dia izay tonga amin’ny famaranana ka mivoaka mpandresy no avela hijanona eo, Ny sasany aza moa miteny mihitsy hoe atsofohy ho ao dia apoaka miaraka ao, Aza hitako anie izany! Ary enga anie tsy hisy. Fa tsy sanatria isika vahoaka efa nataon’ireo sorona hatrizay no hamerina ny fomba ratsy fanaony teo aloha.

Ary mba TONGAVA SAINA KOA ILAY VAHOAKA E, Voninkazo anie no aterina ho anao, dia fao-dranomaso ho an’ny fianakaviana e, fa avy eo ry zalahy ireo hiray latabatra ihany. Dia izay ianao vao ho vaky fo sy hipotsa-maso ve sanatria?  Hitako izany teny Ambohitsorohitra tamin’ny #7fevrier 2012 teo rehefa nandinika ireo mpanao politika rehetra tonga teny aho.

Publicités

ESCOPOL dotè 2 nlle coordination: Fanambaràna tsy fankasitrahana ny fanitsakitsahana ny tondrozotra ataon’i #Omer Beriziky sy ny Ankolafy 3

Votoatin’ny fanambaran’ny ESCOPOL ilazan-dry zareo ny tsy fankasitrahany ny zava-miseho amin’izao fotoana izao eny amin’ny Villa La #Franchise, trano fonenan’i #Zafy Albert. Miaraka aminy ao i #Mamy Rakotoarivelo, #Monja Roindefo

1* Fandikàna ny andininy faha-6 ao amin’ny Tondrozotra izay milaza mazava fa tsy misy quota eo amin’ny fanolorana minisitra, ny fanerena ny praiminisitra sy ny filohan’ny tetezamita ataon’ny vondrona Zafy sy Ravalomanana ary Monima handray tsy misy fepetra ireo kandidà minisitra natolotr’izy ireo

2* fandikàna ny andininy faha 3 amin’io tondrozotra io ihany koa ny fanaovan’ireo vondrona Zafy sy Ravalomanana ary Monima ‘droit de veto’ hiala raha tsy tanteraka ny fitakian’izy ireo;

Koa manoloana izany, ny ESCOPOL dotè de nouvelle coordination dia miantso ny praiminisitra sy ny filohan’ny tetezamita hampihatra tsy misy fepetra sy tsy misy hatak’andro izay voalazan’ny tondrozotra,

Tsy azo ekena ny fanaovana takalon’aina ny vahoaka Malagasy, koa mitaona ny praiminitra sy ny filohan’ny tetezamita izahay  handray andraikitra avy hatrany ka hanendry ireo olona izay vonona sy efa natolotr’ireo vondrona politika maro

Ireo coordonateurs ESCOPOL nivory androany faha-17 Novambra 2011:

Le Noble Pierre, Hasimana, Brigitte RASAMOELINA, Ephraim Randrianasolo, Pascal R. ,Doudou Michel Andriamparany, Pierre Randrianantenaina,  Harinaivo Rasamoelina, Ratefinanahary Emile.

IVATO 19 Febroary 2011

Vao maraina dia efa nisy ny nitanjozotra nankeny Ivato, nentanin’ny fanantenana hahita ny filoha teo aloha ho tonga eto Madagasikara. Rakotra vahoaka be tokoa ny teny amin’ny manodidina rehefa niha nanakaiky ny ora voatondro.

Nanamarika ity famoriam-bahoaka androany ity ny tsy nahitàna hoe iza no lohan’ny hetsika. Raha tsy efa tamin’ny 03 ora latsaka tsy nipoitra teny ry Emmanuel Rakotovahiny, Zafy Albert, Manandafy, ‘Satrobory’, Ramisandrazana, sy ny namany. Toy ny hoe efa nahafantatra mialoha fa tsy hisy hotsenaina, fa mba miala sarona fotsiny sisa. Ny fampielezam-peo sasany rahateo efa tamin’ny 10 ora maraina no efa nilaza fa tsy isan’ny olona tafiditra tao anaty fiaramanidina avy any Juhanesbourg ingahy Ravalomanana sy ny fianakaviany, araka ny loharanom-baovao marim-pototra voarainy (saingy tsy nambaran’iretsy mpitarika ny hetsika tamin’ireo vahoaka marobe mihitsy izany).

Tototra olona an’aliny maro tokoa ireo làlana rehetra mitondra mankany amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, satria manomboka hatrany amin’ny HORIZON IVATO ka hatrany amin’ny Sampanana ambony mivoaka avy any an-tseranana raha hihazo ny faritr’i Fitrohafana iny, tsy nisy azo nodiavina. Sahirana tokoa ireo fiara nivoaka avy ao an-tseranana, na ireo izay ho any hitsena vahiny.

Henjana ny fisavana teo am-pidirana: karapanondro, entana, fiara, moto, samy tsy nisy afa-bela. Afaka nifamezivezy malalaka ihany kosa anefa ireo efa fantatra fa ‘Navette’, na fiaran’ny ADEMA, na koa an’ireo Hotely lehibe eto an-drenivohitra.

Zavatra vitsivitsy nahavaka saina no ho tsipihako manokana ato anatin’ity lahatsoratra ity

1* nasaina nankeny an-toerana ny vahoaka, saingy tsy tazana teny ny mpitarika, hatramin’ny naha maizina ny andro (Mamy Rakotoarivelo). Ry Zafy Albert sy Manandafy ary Emmanuel Rakotovahiny aza dia tsy sahy niatrika vahoaka mba nilaza tamin’izy ireo fa tsy ho avy ilay nandrasana ka tokony hiparitaka hody ampilaminana ny rehetra.

Fanavaozam-baovao 20/02 (RnM): Vaovao av amin’ny RnM no nahenoana fa nanao lahateny hampody ny olona i Mamy Rakotoarivelo ny Sabotsy 19/02/2011 nanodidina ny tamin’ny 5 ora hariva tany ho any

2* nafampàna ny fankahalàna mpanao gazety androany teny Ivato. Maromaro no tafara-dia tamiko tany anaty vahoaka tany, nidina ho amin’iny sampanana mankany y amin’ny Croc Farm iny. Nandeha ny rahom-bava sy ny sotasota. Tonga hatramin’ny fangaronana paosy, ary saika niafara hatramin’ny fikasihan-tànana. Niharan’izany ny namana iray avy ao amin’ny MaTV raha tsy nanaovako hevitra am-pitaka mba hisintonana azy hiala teo anivon’ireo olona efa nifanasa vangy sy nihodidina azy. Soa fa mba voarainy ny tanan’ilay vehivavy nangarona ny paosiny, ka tafaverina soa aman-tsara ny portefeuille-ny.

3* asa loatra izay tena antony fa tamin’ireto vahoaka nankahala mpanao gazety androany ireto dia tafiditra tao anaty lisitry ny lasibatr’izy ireo ny TV Plus sy MaTV androany. Somary nahagaga ahy ihany ity farany satria tsy an’iza fa an’ny fianakavian’i Mamy Rakotoarivelo. Inona no antony? Sa noho ity fahitalavitra ity  nolazaina fa namoaka ny hoe tsy tao anaty lisitry ny mpandeha amin’ilay fiaramanidina (vaovao reny tamin’ny RFI) ry Ravalomanana mianakavy sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky? Notondroina fa mpamafy lainga daholo mantsy ireo mpaka sary sy mpanao gazety izay sendra azy ireo, ka sarotsarotra ihany ny nitadiavana làlana hilefana raha sanatria ka nisy ny kalao kalao.

4* tsy nety nifampiresaka tamin’ireo vahoaka tonga teny ireto mpitarika fa nisokosoko mangina niala ny toerana rehefa avy niseho tamin’ny mpanao gazety sy niandry ny fahatongavan’i Maitre Hanitra, mpisolo vava an’ingahy Ravalomanana. Zareo mitaingina ny 4 x 4, fa ireto vahoaka miandry vasoka tsy mahalala na inona na inona kosa handeha tongotra rehefa maizina ny andro. Ingahy Zafy Albert koa tsy nivoaka ny fiara nisy azy mihitsy.

5* tsy nety niresaka avy hatrany tamin’ny mpanao gazety Malagasy i Maitre Hanitra fa rehefa avy nivoaka ny fiara nisy azy dia namantana avy hatrany tao anatin’ny fiara nisy an’ingahy Zafy Albert. Avy eo dia tsy nety niresaka tamin’ireo mpanao gazety Malagasy marobe fa nampitady ilay vehivavy teratany vahiny mpanao gazety niaraka taminy efa hatrany anatin’ilay fiara nitondra azy niditra ny seranana rahateo. Nisy mpanao gazety Malagasy roa ihany anefa tafasisika afaka nahazo resaka nandritra izany.

6* Isan’izay sorena aho nahita ilay fihetsika nanavaka ny mpanao gazety sy mpaka sary Malagasy ary tsy nahatsindry fa niteny hoe:

Fa ho an’iza moa ny hafatra voalohany tokony hampitaina? Tsy ho an’ny Malagasy va re?

Deraina etoana ny firaisan-kinan’ireo mpaka sary sy mpanao gazety nandre io fanavahana io ka niara-nientana nihataka tsy handre akory izay nolazainy sy tsy nihontsona intsony tamin’izay ho tohiny tao.  Miala tsiny anefa ny tena fa nitady lava-boalavo ihany ka tafasisika hatrany anaty fiaran’ingahy Zafy Albert ihany ny tànana sy ny fitaovana, saingy toy ny mibitsibitsika ny fomba firesaka tao ka mila manongilan-tsofina tsara vao mandre izay nifampiresahan-dry zareo tao anaty fiara. Aleo dia tsorina fa be no tsy re tsara e! Rehefa vita izay noresahana tao anaty fiara vao nivoaka i Maitre Hanitra niresaka tamin’ireo ambina mpanao gazety sisa nanodidina azy teo.

7* nisy vazaha lahy iray nanaiky noraisim-peo teo rehefa avy nandeha tamin’ilay zotram-piaramanidina. Nahita ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ilehio ary nandre ny zavatra rehetra nolazain’ity farany tamin’ny mpanao gazety tany Juhanesbourg rehefa tsy afaka nandray ny sidina ho aty Madagasikara.

8* Nidehadehaka ery i Pasitera Edouard niteny tamin’ireo rehetra nanoloana azy fa tsy maintsy tonga amin’ity andro ity ary tsy hamitaka an’ireto vahoaka marobe tonga teo Ivato ireo i Marc Ravalomanana. Ny rehetra manotany azy anefa amin’io efa tapitra mahalala fa tsy tafakatra tao anaty fiaramanidina ny olona andrasan’ny maro. Mba vaovao taiza re no loharano narahany e?. Vita moa izay teny fohy nataony izay dia nasain’ny mpitandro filaminana niala ny toerana izy.

Manomboka eto dia hampakatra tsikelikely ny sary sy foe ho anao ny Gazety_Adaladala koa manaova ‘Refresh’ matetitetika fa arakaraky ny hiakaran’ny lahatsary ao amin’ny Youtube no ipetrahan’ny rohy etoana koa.

Ireo olna eny amin’ny làlana midina mankany amin’ny seranam-piaramanidina:

Eo mabny kelin’ny vavahady fidirana mankany amin’ny seranana:


Resaka niarahana tamin’ingahy Emmanuel Rakotovahiny:

Resaka nifanaovan’ilay mpanao gazety vahiny niaraka tamin’i Maitre Hanitra tamin’ireo olona naneho ny tsy hafaliany:

Mbola resaka tamin’ingahy Emmanuel Rakotovahiny indray:

Pasitera Edouard mbola tsy mety mino fa ho tsara petraka ny rehetra, na dia efa dila ela aza ny ora nomena. Ireo mpitarika tonga talohany anefa efa nitady lalam-poza hijaikojaikoana hody:

Ilay resaka nataon’i Maitre Hanitra tao anaty fiaran’ingahy ZAFY Albert, ary nanilihana ny mpanao gazety Malagasy ka niteraka fahasorenana ho an’ireto farany:

Resaka nifanaovana tamin’ingahy Peter Sullivan, seraseran-dRavalomanana:

Resaka nataon’i Maitre Hanitra rehefa noheveriny fa tonga ny fotoana tokony hanomezana haja ny mpanao gazety  Malagasy sisa nanaiky handray feo azy:

Azonao tsidihana ihany koa ny kaonty Flickr raha sary tsotra fotsiny no hojerena.

Savorovoro androany 18 oktobra 2010

Nialoha, nandritra ary taorian’ny fotoam-pitsarana natao teny Anosy androany dia niazo an’Ambohijatovo sy Analakely ary Behoririka ireo andian’olona notarihan’i Fetison Andrianirina, izay tsy nanatrika ny fotoam-pitsarana azy androany. 48 izy ireo no tokony hiatrika fitsarana tamin’ity anio ity. Ho avy indray koa i Chissano ato ho ato. Fifanandrifian-javatra ve? Fiara iray no nitondra niaraka an’i Fetison Andrianirina, Lalatiana Ravololomanana, Zafy Albert tamin’ity androany ity. Saingy noho ny fotoana fohy nomen’ireo mpitandro filaminana hahafahana mampiasa ny kianja Ambohijatovo dia tsy afaka nandray fitenenana Atoa Zafy Albert na dia efa voaomana hanana anjara aza.

 

Ambohijatovo niaraka tamin'i Fetison Andrianirina

 

 

Fa misy inona mahaliana ary ato?

 

 

Fetison Andrianirina mikabary

 

 

Fialàna ny kianjan'Ambohijatovo sy fandalovana an'Analakely

 

 

"Tsy manaiky ho resy" no dika malalak'ilay soratra amin'ny akanjon'ilay ranamana iray io

 

 

sady mandeha no manoratra mampita hafatra

 

 

Mandalo Gara ho any Behoririka

 

 

Fidinana teny Behoririka avy any Soarano

 

 

raha 10mn no nomen'ireto mpitandro filaminana ireto hijanonana tao Ambohijatovo, dia niantso ny olony hiverina eo kosa indray i Fetison Andrianirina rahampitso maraina

 

 

Nisy ny fihoaram-pefy tamin’ity hetsika androany ity, toy ny fikapokapohana fiaran’olona sy taxibe teny amin’izay nolalovana (tsy ny rehetra aloha no nanao an’izay fa vondron’olona vitsy), teo koa ny afnaovana sakana nanodidina an’i Behoririka sy Ankadifotsy. Ireny rehetra ireny dia nitarika ny mpitandro filaminana handrava ny hetsika tao amin’ny Magro Behoririka tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso.

Efa nandefasana fiantsoana ihany koa Andriamatoa Fetison Andrianirina sy Ramatoa Lalatiana Ravololomanana mba hanatona hitondra fanazavana momba ireo fihoaram-pefy ireo rahampitso maraina eny amin’ny zandary Betongolo.

Vice-Amiral Hypolyte RAMAROSON

Nanongan-tena i Marc Ravalomanana‘ hoy ny  Vice-Amiral Hypolyte izay vao avy notendrena ho Praiminisitra lefitra hisahana ny raharaham-bahiny. ‘Auto-putchiste‘ moa no fomba nitenenany azy.

Hangataka ny namana vahiny, hono, izy  (Amerikana, Frantsay, sy ny Eropeana) ny amin’ny hiverenan’ireto farany hijerena amin’ny maso tsy miangatra ny raharaha tena nisy marina teto Madagasikara. Nolazainy fa ‘tsy manana ny antom-pisiany‘ koa ny fifanarahana rehetra tany Maputo noho i Pr Zafy Albert. Ary tsy matahotra na iza na iza izy.

Manoloana ity filazana farany ity dia maro no lasa fisainana raha mahatsiaro ny tenion’ingahy RAKOTOAMBOA Jean Louis tao aminn’y RADIO FAHAZAVANA nilaza fa ‘hidina eny amin’ny fokontany hitady izay mpomba an’ingahy Andry RAJOELINA ‘ ary tsy avelany raha tsy mandadilady sy milalaka ny faladihany. Dia ahoana ny amin’izay????

Hampiana tsikelikely eto ihany ny vaovao amin’ny fotoana maha-mety azy.

Anosy/Mahamasina Pr.Zafy sy ny tariny

Na dia nihevitra aza ny maro fa mbola hiverina ny korontana toy ny omaly, dia tsy nisy na inona na inona afa-tsy olona visivitsy nihirahira sy nipetrapetraka nanandrify ny fiantsonan’ny taxibe teo Mahamasina no hita androany hariva.

Hatramin’ny tamin’ny 5 ora hariva nialana teny an-toerana dia mbola teny koa ireo mpitandro filaminana.

Sady nandrindra ny fiatoan’ireo taxibe izy ireo, no niandry izay mety hiseho ihany koa.

Niandry an’i Manandafy sy ny Pr Zafy moa ny ankamaroan’ny olona, saingy nangaina fa tsy nisy hita teny ny mpitarika.

Teo ampialofana noho ny erika nifafy, dia nisy ny nahatsiaro ny tany amin’ny 1991 tany, ka nilaza fa tafaraka indray ireto i  Zafy sy Manandafy, ka hafàna tokoa ny tanàna. Toy izao mantsy hoy izy ireo no nitarihany ny olona tamin’izany fotoana sy nahatonga ireny raharahan’ny 10 Aogositra ireny. Asa re!!!

Raha jerena tokoa mantsy izay nolazain’i ¨Pr Zafy tamin’ny mpanao gazety avy amin’ny  Express de Madagascar nivoaka androany, dia efa vonona tanteraka hiatrika korontana ry zareo. Nolazainy fa ‘olona efa niomana sy vonona hifanehatra amin’ny mpitandro filaminana ary tsy matahotra grenady ireo olona tarihany eny, ary izany no isan’ny antony mahavitsy azy aloha amin’izao fotoana izao . Azonao vakiana ato izay resadresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazetin’ny l’Express de Madagascar izay

Ny AGOA araka an’i Ismael Razafiniarivo…

Fomba fijerin’ny mpanao gazety iray ao amin’ny Fampielezam-peo tsy miankina iray eto Antananarivo no entiko aminao.

Ny AGOA sy ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ireo firenena vahiny no tena fototry ny resaka etoana.  Tsy hanome ny hevitro mihitsy aho fa dia izay voalazany no avoaka mba hitondrantsika rehetra koa ny fanamarihana avy amintsika.

Mazotoa mamaky, ary dia miandry ny avy any aminao, satria ‘anao ny fitenenana‘.

Isika moa Anick R. dia efa niteny, hatry ny tamin’ny dimy volana lasa, « gouverner, c’est prévoir« . Efa tany izany dia efa notenenina e . Manamafy ny resaka nambaranao teo. Izany hoe, araka ny teny, na tapaka io na tsy tapaka, tokony efa hatrany dia efa nomanina ny plan, hoe inona no plan d’action ahafahana hiatrika ny zava-misy tahaka izao. Ka eto angamba Anick R.,  tonga aho  dia miteny: manomboka izao lehiretsy a, aoka mihitsy izay ity filoham-panjakana  manapatapaka zavatra manorisory ity. Raha zavatra hamatotra ny tena tahaka an’izao. Nosoniavina ity AGOA ity, hay izy ity rehefa taty aoriana, lasa fitaovana anankiray hanaovana « pression politique »  avy amin’ilay tany matanjaka mifanaraka amin’ny tena. Aleo misy zavatra nifampieràna, hoe ahoana no mety hiafaran’io? Ahoana no hijanonan’io? Ahoana no mety ahazoan’ny rehetra ao anatiny? Inona no tombon-tsoa azon’ilay firenena? Inona no tombon-tsoa azon’ilay mponina olon-tsotra, vahoaka madinika avy amin’ny fifanarahana izay atao?

Tsy misy nifampieràna fa tonga dia mambran’ny SADC isika, hay ity SADC ity aty aoriana: « handefa miaramila izahay e », « hanaovanay ‘sanction’ ianareo e », « hanaovanay ohatran’izao ianareo ».

Ohatran’izany koa ity AGOA ity. Ho tapahanay ny AGOA e! Maty anie ny mpiasanareo e! Ho voaroaka anie ny mpiasa e! Mankatsy, mankaroa!… Ka ny zavatra misy aloha izany hatreto. Nisy ny Banque Mondiale iny an,  efa tamin’ny Desambra 2008 no nahantona. Ny UE koa nanantona ny azy. Tato aoriana dia ity AGOA ity no tena natao fitaovana. Dia efa mihantona  izy io izany. Dia inona moa ? Aty aloha kelin’ny Noely, ny be kintana, firenena matanjaka indrindra eto amin’izao tontolo izao, 1ère puissance mondiale, Andriamatoa Barack Obama, izay manana souche africaine, neritreretin’ny kaontinanta afrikana manontolo fa dia fierté ny fiakarany eo amin’izany toerana izany, ary ankoatra izay, nahazo « prix nobel de la paix », dia noeritreretina fa hijery manokana ny firenena samihafa, dia iny ny cadeau de noel avy amin’izany filoham-panjakàna amerikana izany. Dikan’io ange tsotra e, Madagasikara izany dia mitovy amin’i Guinée Conakry. Izany ve no tena izy? Fanontaniana mipetraka. Ary ny zavatra tsy azo adinoina Anick R., ingahy Niels Marquardt, izay tsy nitsahatra nampiasa ity AGOA ity ho fitaovana nanaovana pression teto Madagasikara, mbola eto ingahy Niels Marquardt. Ary dia mazava be izany izao, manomboka amin’ity ankehitriny ity, efa mipetraka ankapobeny ilay sanction financière ity na ny resaka financement.

Mazava izany ny politikan’ny firenena matanjaka e, ny fanjakàna izay tohanany ny azy no problemany fa tsy ilay vahoaka mahantra ao amin’izany firenena izany. Resaka fotsiny ity ilay hoe: « lutte contre la pauvreté » e, tena izany dia hypocrisie internationale, fihatsarambelatsihy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisany ity  resaka droits de l’homme ity, izay champion amin’ny fiarovana an’izany  ny Amerikana. Ary maro amin’ny organismes international no miady amin’ny firenen-dehibe amin’ity fanaovana embargo ity, satria ny fanaovana embargo dia midika ho  misy ampahan’olona maro « victimes », lasibatra noho izany embargo izany. Noho ny inona. Noho ny caprice politique, ny hoe « tsy mety aminay ity fa ity no mety aminay« , dia ny firenena manontolo no atao takalon’aina ao anatin’izany. Tsaroantsika fa fiasco tanteraka anie ny fihaonambe tao Copenhagen tao Danemark e. Izany moa tsy dia tena notabatabaina teto Madagasikara. Fiasco tanteraka. Ary na ny firenena goavana maneran-tany aza dia samy nitatitra fa fiasco ny dinika Copenhagen. Satria nahoana? Nodian’ireto firenena matanjaka ireto fanina ny fanomezana vola entina miady amin’ity resaka réchauffement climatique ity ary dia ialany bala fotsiny ny tokony hanampiana, indrindra indrindra ny firenena madinika. Aoka tsy hohadinointsika fa tena nirongatra be mihitsy ny mouvement altermondialiste tamin’ity fivoriana tany Copenhague ity. Ary efa fantatsika tamin’iny 2008 iny, nisy crise financière izay nahazo ny firenem-baventy, amin’arivona milliards dollard ngeh, amin’arivona milliards euros ange no natototry ny governemanta matanjaky ny isanisany e, hanavotana ny banky hoe, samy nanao politique interventionniste daholo ireo rehetra rehetra ireo, bonne gouvernance izany sa inona? Ary ery ampitan’izay, rehefa mba notakiana hoe, mba ampio ny firenena mahantra amin’ity àla ripaka ity, mba ampio fa tena atahorana ity réchauffement climatique sy … dia mialaala bala. Tsy nisy zavatra tapaka. Samy nanonontonona hoe ‘izahay hanome an’izao, izahay hanome an’izao’,  fa goutte d’eau, fiasco ilay Copenhague.

Ka io dia miankina amintsika eto Madagasikara, inona marina no tena véritable combat atrehantsika? Tena ny trois mouvances ve no problème? Tena Andry Rajoelina ve no problème? Ratsiraka ve? Ravalomanana ve? Zafy Albert ve no problème eto amin’ny firenena? Sao dia mba tsara jerena tanteraka mihitsy hoe fa inona marina no tena véritable combat atrehantsika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao? Maninona isika no nifandroritana ohatran’ity? Maninona isika no zerazerana an’ity sanctions samihafa ohatran’ity? Anaovan’ny grande puissances emprise? Ny valin-teny apetraka androany, tokony ho faritana, « que faire? », inona no atao? inona ilay véritable combat ataontsika? Mba nisy réplique ve izao eritreretin’ny fanjakàna eo anatrehan’izany fanapahan-kevitra izany? Inona no fanapahan-kevitra asetry an’izany trangan-javatra izany? Sao dia mba tonga ny fotoana hanehoana fa Madagasikara ity resahana ity? Sao dia mba tonga ny fotoana hanohanana olona  manana mokon-doha, manana courage hiatrehana ireto tandroka mandreraka be manerantany ireto? Sao dia mba tonga ny fotoana hanaovantsika malagasy preuve de solidarité hiatrehana ity fanitsakitsahana ity.

Inona moa izao  libéralisme izao? Tsotra: néo-impérialisme, néo-colonialisme, fanjanahana amin’ny fomba an-kolaka, ary izany no ady atrehana. Jereo ange ny hympocrisie an’ny internationale e: ery ampita izy miteny « lutte contre la pauvreté« , ery andaniny anefa tohanany ny président dictateur, mangalatra sy mampahory vahoaka. Ery ampita izy miteny ho contre ny coup d’état, ery an-daniny ilay président dictateur mangala-bato tohanany. Ery ampita izy miteny: « lutte contre la misère« . Ery ampita izy tsy mampaninona azy ny manao embargo, tsy mampaninona azy ny manao fanakatonana projet mahakasika ny resaka asa, aim-bahoaka, fahantrana. Dia inona moa izany no dikan’ireo projets tavela sisa tohanan’ny amerikana eto amintsika amin’zao fotoana izao ireo? Miohatra amin’ny toe-javatra goavam-be andratràna ny vahoaka malagasy ity? Ery ampita, an an an,  Demokrasia ihany ny antsika! Demokrasia ihany no aty » Fa mba tena hidiro lalina ity demokrasia ity e! Ahoana ity demokrasia amerikana ity? Inona no nitranga tao Irak tao? Ahoana ity Guantanamo ity? Izany ange azo resahana daholo e! Ka fotoana izao, Anick R., Michel R., tena hanaovana prise de conscience lalina, inona no mesure raisin’ny fanjakàna izao, amin’ireo Niels Marquardt e, be dia be ireto?. Inona? Inona? Io moa etsy Andranomena dia mbola hijoalajoala ilay Masoivoho amerikana eto amin’ny tany eto.  Inona no mesure noraisina?

Ka fotoana izao, miteny mafy isika, miteny mafy, ho an’ireto ilay hery mandrangondrangotra ny firenena ireto, ary miteny mafy ho an’ny décideur politique, sao dia variana amin’ny adin’akoholahy e, sao dia variana amin’ny adin’ny sezan’ Ambohitsorohitra sy Iavoloha sy ny sisa, dia izao no zava-misy.

Izay ihany angamba Anick R. fa dia mirary soa ho antsika rehetra.

(Loharanom-baovao FM 97.6)

Dia izay ny amin’iny fa misokatra ny fifanakalozan-kevitra. ‘Anao ny fitenenana’