Hevitra manodidina ny 29 Martsa

Fanontaniana no nentin’i Ony Rambelo nanokatra ny fanehoankeviny momba ny fety sy fankalazana ny andro 29 Martsa ataon’ny taranaka ankehitriny. Toy ny fanehankevitra rehetra ihany no amoahantska azy eto, fa anjaran’ny tsirairay mamaky no maka na tia izay fmba fijery tandrify azy.

Hoy indrindra izy:

Hotakotaka no niainan’ny malagasy rehetra niaina ny 29 martsa taona 47.Tondro-molotra mahafaty no nitranga tamin’izany. Mpikomy no anarana niantsoana ireo niana-kendry nitaky ny fahaleovantenan’I Madagasikara mba hiverenany hiaina izany indray. Tsy ny hoe hamono tena amin’ny tsy antony akory no nanesika ny ankabeazan’ireo mpikomy ireo, fa misy antony tena naharesy lahatra azy tany anatiny tany…ary tsy tongatonga ho azy fa nisy hatrany ireo nanohitra ny fanjakana mpanjanaka  teto hatrany ampiandohany mihitsy. Matoa famonoan’olona marobe tsy hita isa no nitranga tamin’iny fikomiana iny dia tao raha, tao ny fomba fijery samy hafa tsy nitovizana ka nahatonga ny faharesena sy ny tsy fahombiazana.

Raha ny tokony ho izy dia tsy misy antony tokony hahatsiarovana ity datin’ny FIKOMIANA ity. Resy anie ny Malagasy tamin’io andro mainty teo amin’ny tantarany io e! Ny mpanjana-tany no nifaly sy nitoto rebika tamin’izany faharesena izany, ary nahomby ny fampiasany ireo malagasy nahazo tombony manokana tamin’ny fanjakana tamin’izany ka sahy “nanontsana” ireo mpiray rà aminy. Faty olona mikararàna ny tao anaty lamasinina, ny tany amoron-dramomasina rehetra tany, ny fandoroana trano , ny fametavetana, ny teny ratsy maharary marobe natao nandrabirabiana sy nanafokàna ireo nipelipelika tsy nanaiky ny fanjanahana.. Dia izany ve no hotsaroantsika ankehitriny? Ho tsaroana dia hitondra inona? Mandraka ity ny anio dia mbola tsy niala tsiny tamin’ny malagasy noho ny famonon’olona nigagan’izao tontolo izao iny ny fanjakana Frantsay .Verivery maina izany ny rà latsaka teto? Fanahy iniana nodisoina ny tantarantsika Malagasy teto ka nahatonga antsika ho very hasina sy tsy manana ny maha izy azy antsika satria tsy fantatry ny taranaka ankehitriny ny tena zavamisy marina sy ny tena antom-pisian’ny fikomiana tamin’izany taona 47 izany. Ireo be tati-bolana sy nitorotoroka tamin’ny fanjakana ny fisian’io fikomiana io no nandresy sy nahomby, ka izy ireo ve tokony hifaly sy hifetifety rehefa tonga ny vanim-potoana toa izao? Tsaroana etoana fa fifaliana sy hoby ary dihy no nameno ny tanàna tamin’ny fahadimampolo taonan’io fikomiana io, ary dia fanilo miampita hono e! Firenena resy ve dia hobiana sy handihizana e!

Ankehitriny dia tonga indray ny fijery samihafa eo amin’ny tontolo politika malagasy ary tsy misy maritoerana (répère) tena azo ijoroana sy hanamarinana ny tantarany intsony ny firenena malagasy..Entin’ny fanatontoloana sy ny fitsokan’ny rivotry ny fahefan’ny matanjaka ara-toekarena ny fikorian’ny hevitra eto. Fahatsiarovana ny vanipotoana toy izao ary tokony ho fisaonana sy fandinihan-tena. Ary tokony hangina izay minia mandiso ny tantara ka tsy mijery afa-tsy ny tombotsoany manokana..Ho tsarain’ny tantara e!, aoka ny tantara no hitsara e! Fa tantara inona anefa no resahana amin’io e? Ny vahoaka Malagasy tokoa ve no nanao ny tantarany sy niaina ny tantarany hatramin’izay? Sa notefena fotsiny izy hanaraka sy hiaina ny tantara efa  tsy maintsy hizorany? Ohatra an’ireny tantara ataon’ny ankizivavy kely amin’ny vato ireny e!

Ony RAMBELO

Publicités

Haute Responsabilité à l’administration du BCMM

CANDIDATURE : Haute Responsabilité à l’Administration du BCMM
(Bureau du Cadastre Minier de Madagascar)

Elisa Brice RANDRIANASOLO
39 ans, marié, 2 enfants

Docteur en Géologie: SIG /Géomatique/Imagerie géophysique

Qualifié au concours de Maitre de conférences, France (2010)

2000: Ingéniorat en géologie, ESPA Vontovorona, MADAGASCAR.

2000 – 2003:
* Responsable de communication et de cellule de cartographie, Bureau du Cadastre Minier de Madagascar (BCMM), Antananarivo, MADAGASCAR.
* Enseignant vacataire, département géologie, ESPA Vontovorona, MADAGASCAR.

2003-2009:

* Etudes en 3ème cycle (M2R- Thèse, géologie du Sud de Madagascar / financé par la MAE France / banque mondiale) , UJF Grenoble- FRANCE.

* Formations transversales chez ESRI, FRANCE.

2008-2010: Attaché temporaire d’enseignement et de recherche (ATER), Université de Savoie­  – Université Paris 8, FRANCE.
Janv. 2011 -Mars 2011: Formation en création d’entreprise et en management (avec le CEFMD – prescrit par Pole-emploi – financé par la Région Rhône-Alpes), FRANCE.

Depuis Avril 2011: Auto-entrepreneur, Consultant 1 Isère, FRANCE.

http://brandrianasolo.free.fr/
rohy misy ny Sarimihetsika sy ny hafatra am-bava : http://youtu.be/zCInHTRJIlM

candidature_Brice_Andrianasolo

Kely nefa mahavita izay vitany

Ao anatin’izao antso re etsy sy eroa momba ny fiarovana ny tontolo iainana izao dia tsy aritro ny tsy handefa ity traikefa iainanay mianakavy kely nandritry ny fotoana efa elaela ity.

Mamboly vary izahay, ary rehefa tonga ny fotoana fampakaram-bary, sy mandritry ny taona ihany koa, dia tsy mijanona ho anay samy irery ny vokatra. Tany aloha dia very any anaty rano mikoriana mankany anaty dalle ny loham-barinay, saingy isaky ny misy vary atapy andro ao amin’ny terrasse dia hitako hatrany fa feno voronkely tonga maka ny anjarany ao.
Teo no nitsiry ny hevitra fa ireo vary sivanina alohan’ny hahatongavany any am-bilaninay, raha very fotsiny nofafàna ho any anaty dabam-pako fahiny, dia ho angonina kosa indray nanomboka tamin’izay fotoana izay.

Misakafo in-telo isanandro isika olombelona, ary dia nanamboarana toerana koa ireto voronkely mpandalo ato an-tanàna mba hisakafo in-telo isanandro. Natao mifanao ambony sy ambany ny fitoeran’ny poti-bary sy ny rano hosotroiny. Tany amboalohany dia mbola vitsy no nahita ilay toerana, noho izy tsy tany amin’ny toerana nahazatra azy ireo, fa rehefa nandeha ny andro sy ny fotoana, dia nitarika namana sy nihamaro ny « mpiantsena » tonga ato an-tanàna (izay no lasa fiantsonay azy satria dia manao rodobe ry zareo). Efa lasa misy ora mahazatra azy ireo fivoahany mandeha miantsena, satria misy ora tahaka izay koa ny fametrahana ny vary ao anatin’ny fitoerany.

Kely nefa mahavita izay vitany io fihetsika io, koa asa raha mba afaka ny hanara-dia hanao toy izany koa ianao mamaky ny lahatsoratra raha toa ka manana zaridaina malalaka, ary isan’ireo mpanofa vary alohan’ny hahandro. Aza ariana fa tsinjovy ny voro-manidina eeeee!

Hafatra: raha hanao toy io anay io ianao, aza atao manakaiky voninkazo manana taho marefo, satria tia milingilingy sy be adiady ry zareo ka mety ho tapaka ny taho noho ny fandosirany sy fifanenjehany

Jereo anie ity lahatsary ity e

Voadona ve vao hihilana?

Zavatra iainana andavanandro ary toa efa lasa ‘fenitra’ mihitsy angamba ny resaka tsy firaharahiana sy tsy fanarahana lalàna tato anatin’ny taona vitsivitsy. Omena tsiny matetika ny mpivarotra amoron-dàlana, na ny mpandeha an-tongotra. Tsy voatery ho izay foana kosa anefa no zava-misy raha ity tranga nalaina sary androany ity no hitsarantsika azy.

Maro amin’ny mpandalo sy ny manodidina akaiky an’io fiolahana ery ambonin’ny tobin-tsolika, mampifandray azy amin’ny làlana avy any Soarano, no efa lasa mpitazam-potsiny ny fametrahana fiara ataon’ny olona ao amin’ny hotely lehibe iray niorina vao haingana eo amin’io fiolahana io. Ataon’izy ireo ho toy ny ‘parking’ mihitsy mantsy ny terana malalaka kely eo amin’io fihaonan-dàlana io.

Teny ampiandohana dia tsy takatr’ireto mpiandry varavarana hoe ny fiara 4 x 4 an’ny olona ao aminy , mibahana ny fifamoivoizana, no lasibatry ny fandraketana an-tsary, fa rehefa tonga saina izy ireo , dia lasa nampandre haingana ny tompon’ny fiara, izay hitantsika miampita ny arabe hanitsy ny hadalàny. Hay ka azo napetraka nianika teo amin’ny ankavanan’ny varavaran’ny hotely ihany ilay izy. Koa no tsy natao hatramin’izay fa niandry ny ‘Voadona vao nihilana’ re eeeee!

Ankafizo ny sary… dia tandremo sao tratrako toy izao fa dia alefako eto koa an!