Fahaleovantenan’i #Madagasikara (#madagascar #indépendance)

Ety am-piandohana dia ialako tsiny raha mety hisavoritaka kely ity fanehoan-kevitra ity noho izy natao maimaika be. Ratsy be mantsy ny fifandraisana eto amin’ny aterineto amin’izao fotoana anoratako izao ka nahatonga ahy niantso an-telefaona ny #moov mihitsy ( Bande Passante 7.801 Kbps (0.975 Ko/sec) )

Fahaleovantena no anton-dresaka eto.

Nankalaza ny 26 Jona faha-4 taorian’ny krizy 2009 isika, andro vitsy lasa izay. Tato anatin’izao Tetezamita izao, tetezamita niriana hifarana haingana, ary efa nisy aza tany aloha ny famoahana datin’androm-pifidianana nataon’ireo mitàna ny fahefana. Toy ny vanim-potoana fety samihafa dia safononoka ao anaty lanonana ny olona rehefa manakaiky io andro io isan-taona. Nefa tsy mbola teraka Ambatobevohoka hatramin’izao, satria ny vahiny no nibaiko. Tsy nanana Fahaleovantena sy fiandrianam-pirenena isika izany!

Nandritra ny volana Mey koa anefa dia nafampàna ny hetsika politika isankarazany, satria teo no natao ny fitakiana rehetra avy tamin’izao karazana sendika sy fikambanana samihafa izao. SEMPAMA, SECES, sns… Nahazo aina teo ny fanoherana, fa nidonaka ary mbola midona-tsetroka kosa ny mpitondra amin’ny fiatrehana izany fitakiana rehetra izany. Fomba efa nahazatra hatramin’izay izany fanararaotana vanim-potoana hanoherana izany, ary fotoana efa voakajy hatrany hatrany. Tsy sahy mandray andraikitra araka izay tandrify azy ny mitàna ny fahefàna. Tsy mbola manana Fahaleovantena izany isika fa mbola ny vahiny ihany no mibaiko.

Milaza ho tsy mankasitraka izao fitondràna izao ny sasany nefa tsy miala ao ihany, dia milaza fa tsy tomponandrakitra amin’izay tsy fandehanan’ny firenena, nefa ny sonianao mbola miasa ao ihany. Milaza ho tsy hivory raha tsy raharaha tena manohintohina ny fiainam-pirenena. Mbola endrik’olona tsy manana Fahaleovantena ihany koa izay, satria mbola tavan’olona sy tombontsoan’antoko no mibaiko.

Fahaleovantena no ankalazaina ka anentananao ny olona tsy hanangan-tsaina noho ny tombontsoanao manokana na ny tombontsoan’antoko? nefa ianao mbola mitazona ny toeranao ao anatin’ilay ministera ohatra, dia fanitsakitsahana tanteraka an’ilay vahoaka lazainao fa tompoinao izany r’ingahy a, ary midika koa izany fa itsahanao ny hasin’ny firenena. Adidy anie no atao ao fa tsy zo nomena anao akory e ! Dia faly mitsentsitra fotsiny ny volam-bahoaka ao sady milaza ho tia ny firenena ihany. Izany hoe mbola eo ambanin’ny tombontsoa politikan’ny mpanao politika sy ankolafy tsirairay ny firenena. Milaza ho tsy tia vary mohaka ry lerony, nefa mahalany masiso iray vilany. Mba menatra ry zalahy a! Olon-dehibe ianareo fa tsy ankizy intsony, sa izany no vokatry ny fitaizana nandritra ny fanjanahantany fahiny, izay mbola ezahan’ny maro aminareo mpanao politika tazonina amin’izao fotoana izao? Tena mbola tsy misaina ny hananana Fahaleovantena.

Rehefa mieritreritra Firenena ianao dia mahita sary an-tsaina ny sainany, tafika ao aminy, ny lalàna mifehy azy, ny sisintany,  fa tsy tsangan’olona velively no jerena ka hoe rehefa tsy mitovy hevitra ara-politika, na mifanolana dia ny fanajàna ny fankalazana ny fetim-pirenena no hatao tsinontsinona. Fetin’ny tafika ihany koa io.

Nisy fotoana rehefa mety amin’ny mpanao politika ny manonona ny momba ny tafika, dia antsoiny handray fitondràna, nefa nony injay mba tonga ny andro natao ho azy, hankalazany ny fety toy io andro 26 Jona io, dia lasa fako aman’ahitra no fahitàn’ny mpanao politika sasany an’izany tafika izany. Koa raha tsy ilay fetin’ny Fahaleovantena no notroninao, dia tokony ho nanome voninahitra ny tafika kosa ianao. Satria aoriana, raha ianao no ho eo, dia tsarovy fa ny taifka ho tafika foana, fa ianao mandalo miserana. Mifanaraka amin’ny toerana ara-politika raisin-dry zareo no tiany koa hametrahana ny tafika araka ny eritreretiny. Raiso ny tranga CAPSAT sy BANI, iza amin’ireo no naninona, ary iza no nanao ny mety? Antsika rehetra no mamaly an’izay. Araka ny lazain’i Honoré de Balzac hoe :

« Il y a deux histoires : l’histoire officielle, menteuse, puis l’histoire secrète où sont les véritables causes des événements ». Raha adika malalaka dia hoe Misy tantara roa samihafa, dia izay ambara amin’ny fomba ofisialy, miharo lainga, sy izay tena marina iniana tsy avoaka.

Hoy rafa joss any amin’ny Serasera Yahoogroupes any :

“Mba nisy fihetsehana tamin’ny andron’ny VVS (nopotehena), MDRM (nisy nazera velona avy teny ambony avion mihintsy aza ny Malagasy) . Mba nandeha nifidy koa fa fangalaram-bato ny valiny. Ankehitriny aza dia tsy misy voafidimbahoaka na iray aza ny ao anaty Andriampanjakana rehetra, ny ben’ny faritra/tanana ; ary raha sahisahy mihetsika dia tongavan’ny miaramila be baoty sy ny basiny (marihiko kely fa ny miaramila ao dia nampianarina hiaro ny « fitondrana » fa tsy ny vahoaka sy ny firenena akory : vokatrin’ny politika antisubvertive avy amin’ny frantsay izany).”

Ho fikatsahana Fahaleovantena daholo no anton’izany.

Nosimbain’ny mpitondra ny foto-pisainana Malagasy tia fihavanana, novolena ao anatn’ny rehetra ny fifampiandaniana sy fifanenjehana. Hoy indrindra i Rary, mbola ao amin’ny vondrona voalazako etsy ambony :

«Ity fisian’ny tsy rariny eo amin’ny mpitondra (fitsaràna), dia manova, manaratsy ny toetsain’ny vahoaka, azo atao hoe ny sain’ny firenena iray manontolo mihintsy no simba. Ampian’ny fanapotehina ny fiveloman’ny gasy (orinasa nikatona, fandriampahalemana tsy misy…) dia mitombo avo heny ny fahoriana, ankasitrahana ny tsy rariny, miseho ny fialonana, ny halatra, ny risoriso., ireo toetra manapotika ny fanahy, ka tsy ny fitombon’ny fiangonana izay mitombo araka ny fahantrana mitombo eo amin’ny malagasy, no ahitana olana, fa toa lasa manaiky ny zava-misy ny kristiana, miandrandra ny fiainana any ankoatra maharitra !!! fa ny fiainana eto an-tany dia fandalovana !!!

Ny SADC no mampiantso dia faly sy mibitaka fa naharay fanasana na ny mpitondra sy ny ankolafy hafa: hay tokoa moa, azafady fa saika adinoko, ny SADC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena no efa mitantana an’i #Madagasikara sy mametraka ny lalàna eto. Efa fotoana elaela ihany izao. Efa nifirana mantsy ny Lalampanorenana sy ny fiandrianam-pirenena Malagasy. Dia ireo fianakaviambe iraisam-pirenena efa toy ny sokina nananika vatolampy. Efa tapitra teo an-tampony ny làlana azony naleha, ary efa tokony hamarana ny fitsangantsanganany, kanefa dia mbola isika ihany no misisika miantso azy hikaroka làlana hidinany eny sy hitady làlana ho antsika. Tsy mbola hanana Fahaleovantena isika satria mbola ny vahiny no hibaiko.

An’iza i Madagasikara? An’i RATSIRAKA Didier Ignace, RAVALOMANANA Marc, ZAFY ALBERT sa Andry RAJOELINA ? Ahy sy ianao, antsika rehetra. Mpindrana daholo ireo, mba tsy hitenenako hoe ‘mpisandoka’ fahefana raha sanatria ka mihevitra fa hoe azy ny kadasitra manontolon’ity firenena ity. Iretsy lehibe, toa misarisarin-jaza fomba sy fisaina, sa ity tanora sadasada manan-tsoratra? Amiko ireo rehetra ireo dia samy tsy misy tia ny firenena, samy miseho azy ho bàbany avokoa. Mila olom-baovao ny firenena. Tsy ilainy intsony ireo nantsoina amin’ny maha-raiamandreny azy mba ho mpanelanelana, hay nivadika ho mpikatsaka fitondràna mbola mitetika mafy izay fomba rehetra azo atao hiverenana eo amin’ny fitantanana, na ireto roa nahatonga ny olana iainantsika ankehitriny.

Fiaraha-mitantana hono, Oadray! Fomba fiteny ny hoe ‘Raha te-hahazo anjara sakafo, aza miady amin’ny mpandao-bary’, sy ny hoe ‘Raha te-hahalehibe zaza, mihavàna amin’ny mpamosavy’. Saingy kosa raha ny hevitro dia hafa ny hoe ‘mihavana’ sy ny hoe ‘manambady’. Ny zavatra misy mantsy amin’izao dia (fiaraha-mitantana) fifanambadian’ny mpifamosavy no hitako ery ambony ery amin’ny fitantanana an’i Madagasikara.

Izao ka hatramin’izay ho fahafahana na tsy fahafahan-dRakotogasy sy Rabegasy hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena Malagasy avy no ny vahiny no handinika sy hanapaka azy. Any anaty gazety no ahitanao hoe firenena vahiny 4 manaiky fa 3 mandà. Dia hilaza ve ianao fa manana Fahaleovantena? Ntsssss, aza mampihomehy eee!

Fehezina amin’izay ve? Mety tsy ho voafehiko sady satry foana hanohy hanoratra, fa ity misy tsetsatsetsa tsy aritro. Betsaka sy maro ny Malagasy nianatra, betsaka araka izany ny be diplaoma, be baoritra hoy ny fiteny, fa hatreto dia antontan-taratasy mamendrofendro sy mandranitra vahoaka no betsaka nivoaka, taim-bava sy fifampihantsiana no betsaka nafafy, fa izay tena mba vaha-olana nentin’ireny tampom-pahaizana ireny, tsy mbola nisy tena niantraika tamin’ny vahoaka. Mandehana anie mitaraina e (mangataka mihitsy ho an’ny sasany, efa mahazatra loatra koa moa io, satria izay no toa fampianarana an-kolaka nasesika ao an-tsain’ny maro), fa raha hanoanana no teneninao, dia mofo no omena anao avy hatrany, tsy arahana fepetra hisorohana izy mety ho hanoanana amin’ny ho avy. Tranga ankapobeny io lazaiko io fa sao misy haningantsingana hilaza tranga manokana indray an. Moa va tsy izany no hevitr’ireo filazana ombieny ombieny momba ny resaka fanampiana avy any ivelany eee, fankatoavana eeee, sy ny maro tsy tanisaina! Dia milaza isika fa nahazo Fahaleovantena (#independance) (an-taratasy angamba dia ekeko, fa raha ara-tsaina sy ara-pitaovana ary ny ho enti-manana dia ‘lavitry ny afo ny kitay). Anaram-petaka sy anaran-tsy very ihany ny hoe Fahaleovantena, fa nofy antoadro no tena marina iainana eto, rediredin’adala ihany ilay hoe mahaleo tena sy tsy mandohalika, fa ny tena marina dia mandady amin’ny kibo mihitsy sy efa tafiditr yny vovoka hatrany anaty vava sy vavorony ny tsirairay, mitalaho havia sy havanana ny mpitondra mba hisy mpijery sy mpanolotolotra. Tsy ny harena anefa no tsy misy, fa ny saina no mifotetaka. Raha milaza fa kere ve ohatra ny any atsimo, dia telethon fanangonana vola sy sakafo ve no tokony hahavaha olana? Ekena fa hahavita izay ho vitany izany, saingy ny fijerena ny lavitr’ezaka, toy ny fanomezana azy ny masomboly, ny tany hovoleny, ny mba hitazonana azy hitoetra amin’ny toerana nomena azy ka hamokatra ny hohahiny sy ho azony hamidy koa raha ilaina, izany no hitako fa tanjona hahatonga azy hanana Fahaleovantena, ara-tsakafo, ara-tsaina, ara….tsy fantatro koa.

Ho an’ny maso mijery, ary maro no miombona amin’izay fomba fijery izay, dia ny rafitra teo aloha ihany no miverina amin’izao fotoana, ary toa miha-ratsy lavitra aza, satria manjaka ny kiantranoantrano, ny finamànana ary ny resa-pianakaviana. Miseho lany ny aferafera isankarazany sy ny fanampenam-bava an’izay sahy milaza ny fantany (amin’ny fomba samihafa) . Indrindra anie fa rehefa resaka aferafera mahatafiditra ny mpitondra sy ny fianakaviany. Dia manana ny Fahaleovantena ve ny mpanadihady?

Izao dia hoe tratra indray ny volamena am-polony kilao saika halefa an-tsokosoko hampandalovina tany Kenya. Voalaza fa misy rahalahin’olo-malaza eto amin’ny firenena tafiditra ao anatin’io afera io, misy mpitantana rantsa-mangaika amin’izao fitondràna izao, misy an’itsy sy iroa samy manana ny toerana ambony ao anatin’izao Tetezamita izao. Enga anie tsy hihena an-toerana ny lanjan’ny entana tratra, fa ny teo aloha aza tsy fantatra izay tena niafarany marina sy ny nalehany. Ary enga anie hatao fanta-bahoaka ny momba ny fanadihadiana mikasika an’ilay karana sy ny mpiray tsikombakomba aminy rehetra ao anatin’ity raharaham-bolamena ity. Hanana ny Fahaleovantenany tokoa ve ny fitsarana? Fahaleovantena mantsy eto no resaka.

Koa satria miainga avy any amin’ny mpitondra ny ohatra, dia aza gaga raha rafitra sampona sy tsy mandeha ilàlana no sady manao bingo milatro no hitantsika ankehitriny, misalovana hatrany ny an’ny sasany. Raha misalovana fotsiny moa ka haninona, fa tena maka mihitsy ny anjara-masoandron’ny sasany e. Dia mbola hilaza ve ianao vahoaka Malagasy mamaky ahy io fa hoe manana Fahaleovantena amin’izay zavatra ataonao, sy hitan’ny masonao?

Miainga avy amin’izay hitan’ny masonao ataon’ny mpitondra no manova, manaratsy sy mamotika tsikelikely ihany koa ny sain’ny vahoaka entina . Aza gaga àry amin’izao fotoana raha toa ka tsy an’ny fiara ny arabe, ary tsy an’ny mpandeha an-tongotra ny sisin-dàlana, satria vanim-potoanan’ny TSY MISY BEDY izao iainantsika izao. Ny lehibe tsy sahy miteny ny kely fa matahotra ny hahazo ompa ratsy, ny kely tsy manaja ny lehibe satria sendra ny lehibe tsy aman-tsaina. Izay ilay izy.

Ekeko fa misy ‘ihany’ ny fahalalahana maneho hevitra, amin’izay endrika ijereko azy, saingy mbola mampahatahotra ihany, aleo dia tsorina.

Dia aza faly mifanàsa vangy ety anaty sehatry ny aterineto sy tambajotra samihafa ety fotsiny koa moa fa mba mirotsaha an-tsehatra mitondra izay mba azonao atao e. Izany no hitondra ho amin’ny fanavaozana, sy ny Fahaleovantena, fa tsy hanao sàka “Miao, Miao Miao” lava eo, na hanao toy ny alika “Oao , Oao” isaky ny tezitra sy tsy faly. Satria samy manana adidy. Mba ialao koa ilay foto-pisainana tia manimba manao hoe “Tsy an’i Dada na i Neny”. Sahia manao dingana oooooooh

Fa aleo aloha hatsahatra eo ny siakan-tatatra fa aleo nareo mba ampideraina sary fankalazana ny fetin’ny tafika e. Fetin’ny tafika hoy aho an,  sao dia misy hilaza eo hoe fetin’ny Fahaleovantena.

(noho ny antony avy amin’ny #moov dia tsy tafakatra amin’ity anio ity daholo ny sary, fa sombiny ihany ireo manaraka eto ho haingon’ity vavan’ny maty an-drano ity)

sarintanin’i Madagasika eo am-piandrasana ny tena Fahaleovantenany

Ilay fiaramanidina kely lazaina fa an’ny tafika, angamba handeha haka ilay Fahaleovantena verintsika

Helicopters, mbola an’ny tafika ihany. Jejojejo miseho vahoaka

Teo ambonin’i Mahamasina

Publicités

Antananarivo #m2506 / 26 Jona (J-1)

Nivoaka kely nijerijery ny zava-misy tmain’ity harivarivan’ny 25 Jona 2012 ity ka izao no tsikaritra:

1* feno olona eny rehetra eny. Midika tokoa va re izany fa fety ny andro. Angamba, saingy ho ahy izay mpandeha amin’ireny arabe irny saika isan’andro vaky (Analakely, Behoririka, Ambondrona, Soarano, sy ny manodidina) dia niampy kely noho ny isan’andro no fahitako azy. Izany hoe niova, saingy tsy dia be loatra

2* Tery kokoa noho ny andavanandro araka izany ny àlna, na ho an’ny mpandeha an-tongotra, na ho an’ny mpamily toa anay. Satria dia zara raha misy faritra mitovy refy amin’ny fiara avelan’ireo mpivarotra mba hizorana.

3* Mbola voaporofo indray androany ny fanamparam-.pahefana ataon’ireo manana ny basy sy ny ‘lalàna’ any aminy.

Dia mbola hisy indray aloha ny tsy ho faly hamaky ny lahatsoratra fanakianana o ity fa dia ‘Akory atao eeee!’ izy no hita teny, ary dia tantarin’ny maso nahita.

Ndeha ny sary amin’izay no hampitenenintsika, ary arahana fanazavana kely manaraka azy tsirairay eny

Ny arabe midina etsy amin’ny farity Behoririka ity hitanao an-tsary ity. Jereo tsara ny faritra izoran’ny fiara.

Ilay arabe teo ihany saingy rhefa lasa izay fiara nandalo teo amin’ny faritra

Tsy hiala lavitra isika fa eo ambony kely eo fotsiny. Azonao jerena eto amin’ny sary ny elanelana misy ny sisin-dàlana amin’ny andaniny roa sy io mpivarotra mitorevaka anaty arabe io, ary iry mitsangana ery aoriana

Fiolahan-dàlana eo ambony eo ihany ity (Behoririka). Hiverenantsika ity faritra ity rehefa somary maizina ny andro

Mbola ilay fiolahana etsy ambony ihany, fa ny tiana haseho dia ny fahasahian’ity ramatoa mivarotra eo anatin’ny arabe, ary iretsy ampita izay mahatonga ny mpandeha an-tongotra hidina koa any anaty arabe

Ireo mpivarotra etsy ampitan’ilay ramatoa eo amin’ny sary etsy ambony, ary tena ao anaty fiolahana tanteraka

10 metatra miala ilay fiolahana tetsy aloha, raha hitodi-toha ho any amin’ny tsena Pochard

Mbola azo lazaina ho misy asany ve itony karazana mpitandro filaminana itony sa ‘espece en voie de disparition’ ? Ny karama anefa natao midangana, ny asa tanterahana tsy mandeha amin’izay andrasana, …Ntsss tsy alehany!

Ireo arendrina miandry mpividy eny an-.tsenan’Analakely

Hitodi-doha hiverina any Behoririka amin’izay indray isika

Mazava loatra fa tahaka ny amin’ny andro mazava, dia mbola mitoetra hatrany koa ny fitohanan’ny fifamoivoizana

Fa teto no tena nisehoan’ny tsy nampoizina. Nisy ity fiara nitondra mpitandro filaminana ity nisosososo avy any amin’izay niaviany tany. Tsy misy laharana izy io. Olona teo amin’ny 4 na 5 teo no tsikaritra tao anatiny. Nododosany daholo ny rehetra teo alohany. Ary raha voadonany aza ilay olona teo akaikin’ny fiolahana voalaza ery ambony, dia azo antoka fa tsy maintsy namoy ny ainy. Rehefa hitany fa nitohana tsy afaka nandeha intsony izy teo amin’ilay fiolahana dia ilay taxibe laharana 4885 TAJ teo alohany no nanalany ny fony.

Tsy tahotra tsy henatra fa raha vantany vao azony natao ny nilahatra tamin’ity taxibe dia ny fandrahonana sy ny vazavaza, ary ny fitakiana taratasy no nataon’ilay iray teo akaikin’ny mpamily. Azy tokoa moa ny fahefana, ary toa nanaiky nilefitra mora foana koa ity mpamily nanoloana ireto TOMPON’NY FAHEFANA ka dia nanome izay notakiany. Vao azony ny taratasy dia iny indray ity fiara fa niezaka ny handodona ireo teo alohany, nefa anie ka tsy afaka ny ho lasa lavitra akory e. Tsy maintsy nanaraka ny dian’ireo teo alohany mandra-pahatonga tery Antanimena ambany. Efa vesaran’ny fanomanana ny rahampitso va re sa inona no mampiasa saina e? Efa lasa ny taratasy vao tonga saina ny mpamily ilay taxibe fa na dia ny anaran’ireto naka ny taratasy, na ny laharan’ilay fiara aza tsy misy fantatra akory.

Eto dia fanontaniana no apetraka AN’IZA NY ANDRAIKITRA amin’ny fisian’ny fitohanana sy ny gaboraraka? Amiko dia tafiditra amin’izany daholo na ingahy Edgard RAZAFINDRAVAHY mitantana an’Antananrivo Renivohitra, ny ny POLISY mandray karama be nefa tsy alehany mameno ny tanàna, na ny mpitondra fanjakana tarihan’ingahy Andry Rajoelina toa faly MIJERY FOTSINY satria matahotra ny ho very seza raha sanatria hanakorantana ireto mpandika lalàna mameno tanàna ireto.

Mirary fety milamina sy anaty fiadanana ho an’ny rehetra amin’izao fahatongavan’ny fahatsiarvana ny 26 Jona izao. Niniako tsy tenina ny hoe #fahaleovantea (#Independance) satra toa mbola be loatra ny marika ahitako fa tsy tena mbola mahaleo tena ny taniko, dia i #Madagasikara  (#Madagascar)

++++++++++++++

Bilaogy miresaka fahaleovantena tsara mba topazanao maso koa ny ato izay ny namana Mamisoa no mitantana azy

Raharaha #DAHALO #REMENABILA sy #TOKANONO

Dia gaga elah! Lasa fiteny tsy zoviana amin’ny rehetra intsony izy io tato ho ato taorian’ireny hetsika nataonà onjam-peo iray teto Antananarivo ireny.

Fa ny tsy aritro mahatonga ahy hanoratra androany dia tsy inona fa ny raharaha fanafihana nataon’andian’olona an-jatony maro tany atsimon’ny Nosy tany. Tany akaikin’Amboasary Atsimo.

Voalohany aloha dia na dia efa andro vitsy aza no nitrangany tamin’izany fotoana, tsy nisy mihitsy ny fanambaràna avy amin’ny tomponandraikitry ny mpitandro filaminana sy ny fitondram-panjakana raha tsy efa hitany fa efa manomboka be resaka ny vahoaka. Indrindra moa fa isika ety anivon’ny sehatra fifandraisana sosialy ety, izay haingana sy malaky tokoa ny fifanakalozana vaovao. Alakamisy 14 Jona isika androany, ary ny bitsika voalohany nalefako momba azy ity dia ny Alatsinainy 11 Jona raha tara indrindra

Tamin’izany fotoana dia nambarako tanaty bitsika (tweets) samihafa fa nisy ny mpitandro filaminana maty, nisy ny olona nalaina an-keriny, nisy ny basy naterin’ny dahalo tany amin’ny tomponandraiki-panjakana taorian’ny fifampitfirana,. ary nisy ny razana nogiazan’ireo dahalo sy tsy mbola naveriny hatramin’ny fotoana anoratako ity lahatsoratra ity. Mba niandriandry fanampim-baovao tamin’ny #RNM sy #TVM koa ny tena fa dia he he he, na nisy aza dia efa taty aoriana be sady mbola vaovao nampihomehy koa avy eo.

Tsy takatry ny saiko ny antony nikononkononan’ireo tomponandraikitra ireo azy io tany fotsiny, fa izay tena mbola tsy takatry ny saiko dia ny fiheveran’izy ireo ny vahoaka Malagasy ho toy ny kentrina sy adala daholo. Azafady, fa tsy ny rehetra kosa angamba no azonareo rebirebena sy raisina ho toy ny kentrina.

Nahoana moa aho no masiaka fiteny androany? Tsotra no antony: nandre tao amin’ny onjam-peo iray ny fanazavana nentin’ny MINISITRA, Jeneraly RAKOTOARIMASY Lucien aho nilazany fa hoe ‘tsy hay na basy avy aiza ireny basy naterin’ireo dahalo ireny, ary tsy voaporofo koa hoe an’ireo mpitandro filaminana voalaza fa matin-dry zareo’. O r’ingahy Minisitra a, ataovy adala ny hafa, fa izaho kosa tsy manaiky ny handraisanao ahy ho toy ny adala, azafady kely. Fomba ahoana moa no ahafahanao miteny toy izany? Fony izahay mba nandalo an’izany fitaizana tao anaty tafika izany, dia mahalala tsara fa misy laharany ny basy tsirairay, ary fantatra hoe iza no nitondra inona nivoaka ny magasin d’arme, rehefa andro toy inona. Koa dia nahoana no mifandrebireby e? Mba atsaharo rangahy ity fiheverana ny vahoaka ho toy ny valalabetsimifoha ity a!

Izao koa ka hoe ‘tsy hanao fanafihana mivantana satria tsy fahavalo fa Malagasy toy ny tena ka hifampiresaka aloha mba tsy hisian’ny famoizana aina sy rà latsaka’..  Tsy fanaovana ny ain’ireo mpitandro filaminana sy olon-tsotra avy amin’ny fokonolona  latsaka nandritra ny fifampitifirana ho toy ny fatin’alika ve izany? Fa angaha moa ireo dahalo nitsitsy azy ireny, no ianao no hiseho ho mpamindra fo sy mpitsimbina ny ainy?

Efa voalaza fa an-jatony maro ireo hifanatrehana, nefa dia isa tsy mifanandrify amin’izany no tohana nalefa any an-toerana.

Lazaina fa hoe rehefa fotoana tsy milamina eto amin’ny firenena vao mitranga ny toy izao, nefa marihako fa na nisy aza ny dahalo fahiny, tany aloha tany, na andron-dRATSIRAKA na RAVALOMANANA dia tsy toy izao no fitrangany. Tsy milaza koa izany fa hoe aleo ny asan-dahalo tamin’izany fotoana ihany. Fa rehefa nisy kosa amin’izay ny resaka fanondranana omby ho any Kaomoro sy ny firenena hafa taty aoriana, dia mirongatra ny halatra omby sy  ny vono tsy misy indrafo. Iza no ao ambadika ao? Sao mba misy aminareo mpitondra kosa manome vahana azy ireo e? Ny tiako lazaina amin’ny hoe mpitondra, dia miainga mihitsy avy any ifotony ka hatrany an-tampony. Raha tsy misy mantsy izany tohana izany, tsy ho sahy hiantsy mpitandro filaminana sy hampilaza mialoha ny fanafihana hotanterahany ny olon-dratsy.Aiza ka hoe asaina miomana ny mponina any #Ranomafana_Taolagnaro fa ho avy hanafika ry zareo ny faha-20 Jona, mba azonareo an-tsaina ve ny fijalian’ireo olona marobe voatery mitsoa-ponenana ato anatn’ny fireneny ihany, latsa-dranomaso sy lotiky ny hatezerana nefa tsy afaka manoatra fa atody miady amam-bato? Mba tsapanareo ve izany?

Be ny velom-panontaniana ankehitriny hoe, tena dahalo tokoa va re? Ary misy mihitsy aza ny sahy milaza fa andia-miaramila mihoko amin’ny fitondrana izany fa tsy dahalo tsotra fotsiny.

Miandry ny marina avy amin’ireo iraka mpikaro-baovao nalefanareo ny vahoaka, ary miandry izay vokatry ny dian’ingahy Omer Beriziky sy ny Minisitry ny Fitsarana lasa any Ambovombe any. Mba tsy ho variana fotsiny amin’ny fanokanana trano anie, fa hijery sy hitondra vokatra amin’ity raharaha ity.

Sanatria va re hitsanga-menatra manoloana ireto lazaina ho ‘Dahalo’ ireto ny foloalindahy Malagasy? Raha izay no mitranga, aza miseho vahoaka akory mandritra ny andron’ny 26 Jona fa tsy misy ilànay anareo sy ny fitaovana raitra mety hasehonareo eo amin’izany fotoana. Ny tahaka izao no hitsaràna anareo sy ny fitaovana eny am-pelatananareo

Ity izao vaovao farany voaray ny 14 Jona: Lehilahy iray no hita faty tao #Behara #AmboasaryAtsimo ary napetraka teny an’arabe ny fatiny avy eo. Tapaka tanteraka ny lohany. Voalaza anefa fa efa niainga avy aty Antananarivo ny tohana ara-tafika ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Mampieritreriotra an

Firehetana tao amin’ny BFV/SG Antaninarenina

Fomba efa nahazatra ny ao amin’ity banky BFV/SG eto Antaninarenina ity ny manangona ireo poti-taratasiny ho anaty fonosana plastika, ary manatoby izany aty amin’ny tokotany ambany ambadiky ny tranoben’ny banky. Toy izany foana nandritra ny taona maro

Eto no toerana fanangonan-dry zareo ny potika antontan-taratasy tsy ampiasainy intsony

Asa anefa izay nitranga tamin’ity maraina ity, tokony ho tamin’ny 10 ora mahery teo, fa nidona-tsetroka tsy nisy toy izany ny manodidina. Hay ka avy ato amin’ireto poti-taratasy notehirizina no nisy firehetana tsy fanta-piaviana.

Nanao afon’ampombo nisoko mangina tato ny afo, ary niakatra moramora ny setroka

Nandeha ny eritreritra hoe afon-tsigara natsipin’ny olona nandalo tery ambonin’ilay tetezan-kely miampita mankao amin’ny toerana fametrahana fiara va re no antony, sa ….? Tsy misy valiny iny.

Voafehy ihany ny firehetana

Ny tsikaritra aloha dia ny ezaka natao hamonoana ny afo, sy ny fiatoana nandritra ny minitra maromaro tamin’ny asany  ho an’ireo mpiasa vitsivitsy tonga nitazana tery ambony. Soa fa efa manana ny vonona ho fiatrehana ny afo tahaka izao ilay toerana.

Ireo mpiasa liana hahafantatra ny zava-niseho

Izany ny amin’iny afo tao amin’ny BFV/SG iny, fa misy afo politika mikotrika koa eto amin’ny firenena izao. Tandremo sao varimbariana rehefa mandeha eny an-dalana eny ka ho tratry ny tampoka, fa androany no nolazain’ireo mpitarika hetsika fa hanohizany ny fidinany an-dalambe sy ny ho fanombohana ny fitokonana faobe.

Oaity andy syyy!

Izay niseho androany teto #Madagascar #m0206 kianja #13Mai

Filohan’ny Antoko Avotra Ho An’ny Firenena nitarika ny hetsika androany teny an-kianja

Vahoaka nilamina raha ny teny am-piandohana no tazana teo amin’ny akaikin’ny fefin’ny Hotel de Ville. Somary mbola vitsy ny olona tamin’izay fotoana izay. Tsy nijanona teo nefa ireto olona vitsy ireto fa nentin’ireo mpitarika avy ao amin’ny Antko Avotra ho an’ny Firenena ho eny amin’ny Tsangambato RALAIMONGO.

Rehefa tonga teny amin’ny tsangambato Ralaimongo dia nanomboka ny fandraisam-pitenenana nanoloana ireo olona nanaraka azy. Nitombo miandalana ny isan’ireo mpanotrona.

Tsy nitsahatra ny nihodinkodina sy nivezivezy ty koa anefa ny fiaran’ny EMMO, ary nandritra ireny fihodinana ireny no efa nijereny ny làlana sy ny paika rehetra hirotsahana an-tsehatra

Tampoka teo tokoa ary dia nisangodina somary nanisy elanelana ny fiara roa voalohany ny EMMO, ary nirotsaka tampoka hisambotra ireo nilanja ny megaphone sy haka ny sora-baventy nahantona tamin’ny sisin’ny zaridaina teo akaiky teo. Nahay niala anefa iretompiteny sy mpitarika ary ny mpilanja fitaovana, ka natsipiny tnay anaty fefy ilay megaphone. Tsy nisy ny fisamboarana olna tamin’io fotoana io, fanirodorodo nihanika ny fefin’ny zaridaina, toy ireny NINJA amin’ny horonantsary ireny ny GSIS naka ilay megaphone sy nanala ny sora-baventy. Nilamina indray taorian’io.

Minitra vitsy taorian’izay dia niverina indray ireo mpitarika ary nilaza tamin’ireo vahoaka fa tsy hihemotra intsony ary na ho faty eo amin’io kianja io aza dia tsy hiala. Hoy indrindra mantsy ny teny tamin’izay hoe: Raha tonga hisamboatra ahy ry zareo dia aza sakanana fa omeo làlana, Aleo maty ho fanavotana ny firenena, toy izay maty ho amin-javatra hafa.

Tafiditra tao anatin’ny fitakiana avokoa moa na ny resaka fanofakafana ireo haino aman-jery nakatona, na ny tranga Free FM, na ny fifidianana.

Nanome 36 ora ho an’ny mpitondra sy ny tafika ireto mpitarika mba handraisany ny andrikitra manandrify izao hetsika izao, fa raha tsy izany hoy izy ireo dia ny vahoaka no handray ny andraikiny, ka ampian-tafika, tsy ampiana tafika. Nanao antso ihany koa izy ireo ny amin’ny hisian’ny fitokonana faobe manomboka ny Alatsinainy izao raha toa tsy misy izay fandraisana andraikitra izay. Ho hatraiza ny tohiny? Eo mahita izy…

Ho hatevenina arakaraka ny vaovao ity lahatsoratra ity, fa ndeha aloha ianao ho entiko hijery ireo sary nalaina teny an-toerana hatramin’ny 2 ora tolakandro teo. Ato no misy azy

Fa ho an’ireo maika dia ireo ny sombiny.

Ambohijatovo #m2305 Pr RAJAONARIVELO Paul

Dia niatrika sy nanatanteraka ny teny nataony ary ny Pr #RAJAONARIVELO Paul tamin’ity anio ity araka ny antso nalefany tao amin’ny FreeFM 104.2 .

Profesora sy ny tomponandraikitra amin’ny tifandroana ny filaminana

Tsy dia nahazo olona maro nanao ahoana ny androany raha oharina amin’ireo teo alohany. Dia an-tongotra avy any afovoan’Alalakaley tany no niakarany ho eny Ambohijatovo. Hihaona amin’ny lehiben’ny EMMO no voalohan-daharana. Nefa rehefa tonga teny dia tsotra no valiny azony.

Tsy eo ny tompon-tanàna, ary mihidy ny faritra. Tsy misy lakile

Rehefa izany dia niatrika indray ireo mpaka sary sy mpanao gazety ingahy Profesora mba hanao fanambarana. Tamin’izany no nitanisany andinin-dalàna vitsivitsy mikasika ny resaka fanehoan-kevitra an-dalambe, na anaty faritra mihitdy. Nolazainy fa nisy tamin’ireny no tsy mba vakian’ny tompon’andraikitra rehefa miresaka lalàna momba ny famoriana vahoaka, fa dia izay metimety aminy ihany no ampahafantarina sy dradraina amin’ny haino aman-jery.

Rehefa vita ny fanambarana ho an’ny mpanao gazety teo amin’io faritra io dia lasa izy sy ireo olona vitsivitsy mpanaraka azy nidina ho eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo (vaovao) mba hangataka ny lakile hanaovany fanazavan-kevitra.

Niroso ho any amin’ny Lapan’ny Tanàna

Vao teo am-bavahady dia efa tsy nisy namoha ny tao amin’ny Lapan’ny tanàna. Ny naka sary sy lahatsary (video) an’ireo mpirohotra aza no nataon’ireo tao, rehefa avy niofanakalo resaka fohy tamin’ireto vahiny tonga hitsidika.

Haody ny aty eee! Ao ve ny tompon’ny tanàna azafady? — Tsy ao izy tompoko, ary tsy afaka ny handray anareo ihany koa izahay

Rehefa tsy nahazo ny fanalahidy teo indray ny Profesora dia nandray fitenenana tamin’ny alalan’ny fanamafisam-peo ary nitondra ireo olona nanaraka azy niala teo. Toa hoe hiverina eny Ambohijatovo. Teo anoloan’ny vavahadin’ny Lapa no nilazany fa hotsaroan’ny tantara ireo tsy nanome ny fanalahidy mba hampiasana ny kianja ho fanehoana hevitra, ary fitaovana iray ho amin’izany fitsarana izany ny fifidianana.

Hotsarain’ny tantara ianareo, hoy izy mantsy ny mpiasan’ny kaominina

Tsy tafakatra hatreny akaikin’ny kianajan’Ambohijatovo intsony aloha ny Profesora sy ny mpanaraka azy hatramin’ny fotoana nialan’ny tena teny an-toerana, fa nifanehatra tamin’andian’olona nanakana ny firoson-dry zareo teo anoloan’ny BNI

Hatreo aloha no azo notantaraina raha ny mikasika ity andro ity. Ho hita eo ihany izay ho fivoaran’ny raharaha.

Ambohijatovo #m1905, vakio hoe Madagasikara 19 May

Ho tohin’ny tantara lavabe nampifanolana ny #FreeFM amin’ny Fitondrana Tetezamita tarihan’Atoa #Rajoelina Andry Nirina, dia nanatanteraka famoriam-bahoaka teny Ambohijatovo i #LalatianaRAKOTONDRAZAFY sy #FidelRAZARAPIERA tamin’ny Sabotsy 19 May 2012 lasa teo (azonao arahana ao amin’ny Twitter amin’ny tenifototra #m1905 ny amin’izany). Nilaza ny hirotsaka hiaraka taminy ny avy amin’ny Ankolafy ZAFY Albert, sy ny sendikan’ny mpanao gazety (niala an-daharana tamin’ny fotoana farany ity sendika ity). Nilaza ny hiandry ireo mpitarika teny an-toerana koa moa ny jeneraly Ravalomanana, saingy mandra-pahatapitry ny fofona lacrymogene dia tsy hita tava teny mihitsy izy.

Teo akaikin’ny tsangambato #MDRM

Raha tamin’ny 9 ora maraina no efa tsinjo fa tsara petraka teny ireo fiara maro an’ny mpitandro filaminana, nanoloana ny vavahadin’ny kianja (-n’ny demaokrasia), tery ampita tsy lavitra teo kosa efa nisy olona vitsivitsy nanomboka nitangorona.

Mihamatevina hatrany ny isan’ny olona

Faritra maromaro nanodidina ny kianja no nametrahana ny mpitandro filaminana (Instat Anosy, Gare Soarano, Tonelina Ambanidia, Station Essence Jovenna Ambohijatovo, Ministeran’ny mponina…),ankoatra ireo mandeha mivezivezy amin’ny fiara mbola raitra sy matanjaka.

Ireo mpitandro filaminana napetraka teny akaikin’ny Station Jovenna Ambohijatovo

Nitombo miandalana ny olona. na dia tsy mbola hita aza ireo mpitarika ny hetsika hatramin’ny tamin’ny mitatao vovonana.

Ny tena nahazendana ahy dia ny nahita Malagasy iray nitondra vazaha efatra mianaka, handeha hilalao ao anaty kianja, hono, ary rehefa nanontaniako teo am-bavahady ilay ranamana Malagasy, dia izaho indray no tratry ny fanontaniana hoe :

Fa misy inona fa tsy arako?

Dia Gaga elah!

Tsy mahay afa-tsy teny Anglisy moa ireto mpivady nitondra an-janany (izy roavavy kely mba nahazo teny frantsay ihany), ka dia voatery ny tena nanazava taminy tamin’ny teny Anglisy ny zava-mitranga sy mety hitranga. Ary aleo nandefa azy ho any Tsimbazaza.

Hiverenantsika ny tena ventin-kanina.

Manomboka feno olona koa ny midina mankany #Analakely

Oayyyy eee! Mpiantsena daholo ve ireto?

Rehefa ela niandrasana teo ny olona maro izay efa nihamarobe tokoa, dia nanomboka tsindrian-daona. Nisy delegasiona voalohany nanatona ny lehiben’ny mpitandro filaminana mba hifampiraharaha. Valiny: tsia, tsy azo idirana ny tanàna fa any an-kafa, na magro manao hetsika

ireo saika hifampiraharaha tamin’ny EMMO

Nanomboka teo koa no efa nisy ny nanandrana nitarika ny olona hisahotaka, saingy tsy nandaitra fa voatosiky ny mpitandro filaminana, sy resy lahatr’ireo delegasiona voalohany, mba hihemotra hiandry ny mpitarika,  alohan’ny hanaovana dingana hafa.

Efa nanomboka feno ny teo anoloan’ny fiakarana ho any Antaninarenina, Ambatonakanga sy ny manodidina ny tsangambato MDRM, ary ny sisiny amin’ny fiandrasana taxibe 119. Toy izany koa ireo lalana miakatra miverina mankany Ambondrona sy ny tohotohobato Tavao, ary ireo havoana sy tranokely misy terasse manodidina lavitra eny

Na terrasse, na tamboho, nitazanana avokoa

Miantrana ny fiara, nefa mitombo koa ny olona

Mandram-piandry ny mpitarika sy izay hiseho ary dia mba afaka niala voly ihany ny mpanatrika taty amin’ny lohalaharana, satria dia nisy an’ilay ramatoa iray sahy nihantsy ireo mpitandro filaminana sy manipy vato tany amin’ny fiara, eny fa hatramin’ny mitsilany eo amin’ny arabe mihitsy aza, mba hanakana ny fiaran’ny EMMO tsy hiroso. Voatery mihitsy moa ireo mpitandro filaminana nibata sy nanipy azy ho eny amin’ny sisin’ny tsangambato.

Andao raha sahy…Oay, diso fa Tifiro raha sahy no nolazainy

Nodradradrain’ity ramatoa ity fa maty noho ny entona mandatsa-dranomaso nalefan’ny mpitandro filaminana ny zanany, koa raha sahy ireto mitana ny basy eny an-tanany, dia aoka koa hitifitra azy. Vitany mihitsy ny nitety tsirairay ireo fiara niantsona teo. « Hiady amin’adala tokoa ve moa » hoy ny sasany. Saingy adala noho ny inona tokoa moa izy? Ary raha isika no teo amin’izay toerana lazainy sy tantarainy izay. Marihana fa somary nandrairay kely ramatoa ka vao mainka koa nampiakatra ny hafanam-pony sy ny fahasahiany izany.

Mivoaha izay mafy e!

« Itsaho raha sahy fa ny zanako aza efa matin-tenisany tamin’ny lacrymogene »

Nolanjaina toy ny entana ary nahilika tery amin’ny sisiny, rehefa nitsilany nibahan-dàlana ny fiara tsy hiainga. Fahasahiana re izany!

Teo ampiandrasana hatrany ny mpitarika dia nisy tovolahy iray ihany koa, nijoro nanatrika ireo mpitandro filaminana, nifatotra scotch ny vavany, ary voafehy nihodidina toy izany ihany koa ny tànany roa, nipetaka tamin’ny vatany.

dia gaga elah!

Ary ny seho hafakely farany, alohan’ny tena nafàna, dia ilay rangahy iray mpampianatra nidradradradra ny alahelony nankeny amin’ireo mpitandro filaminana ihany koa. Hoy izy:

« Efa ho retraité aho »  « 30 ans de service, ary tsy mpikambana amin’izay SEMPAMA any, nefa kosa dia aoka lazaiko an’laisany miaramila sy zandary tsy misy ilana azy ireo, apetraho ny basy dia andao hifandahatra. Misy mpianatro ialahy isany no hitako eto, tao anatin’ny firy taona monja dia mandray in-telo avo heny amin’ny karama raisko, nefa aho ity efa fotoana vitsy sisa dia hitsahatra. Mba misaina, aza dia faly ataon’ny olona fitaovana, ary avenir manao ahoana moa no tadiavin’laisany ho an’ny taranak’laisany ‘reo? »

zaho efa hiato, nefa 1/3 amin’ny raisin’ialahy isany no mba karama rasiko

Tsy diso anjara tamin’izany seho rehetra izany ireo roalahy solontenan’ny SADC eto #Madagascar. Tsy vitan’ny nanatrika ny fampisehoana tetsy ambony izy ireo, fa sady naka sary no nandefa izany sy niresaka nivantana tamin’ny findainy avy. Raha mba niezaka nanokatra ny vavany mba hampiresaka azy moa ireo mpanao gazety sy mpaka sary teny an-toerana, dia tsy nety niteny mihitsy ry zareo fa ny hany naverimberiny dia ny hoe

No comment

ry zalahy SADC izany, sady mizahatany no manao « ady idy »

Toy ireny mpizahatany ireny moa no bikan-dry zalahy amin’izany fotoana izany.

Eto isika dia hiditra amin’ny fotoana nahatongavan’ny ‘sono mobile’. Teo akaikin’ny Agha Khan no nipetraka ny fiara, ary nangatahan’ny olona hakarina any aloha (Ambohijatovo), saingy tsy nihetsika teo kosa mandra-pahatongan’i Fidel Razarapiera.Ny hiakan’ny olona teny an-toerana moa dia niantso ny hoe:

aiza ianareo, sa ho alainay any?

Rehefa tonga teny an-toerana i Fidel (14h 20 teo ho eo) dia nirohotra nitsena azy sy nitondra azy ho eny amin’ny sono mobile ny olona. Rehefa nandray fitenenana nanoloana ny vahoaka ranamana, dia ny nampitony ny olona no nataony satria tsy ho afaka hiditra ao anaty kianja. Tsy nanaiky izany anefa ireo olona marobe fa ny hiditra ihany no tao an-doha. Izay marihana etoana fa nisy antokon’olona efa tsinjo nialoha ihany fa nivonona ny hanao zavatra hafa no tanjony.

Tsy nahatohitra ny antsoantson’ny olona, raha tsorina dia hoe tsy naharesy lahatra sy tsy nahafehy ny olna marobe nihaino azy ranamana, ka nisy tamin’ireo olona tety ambony, nanakaiky ny vavahady College de France Ambohijatovo, no nihetsika nanao dia maika niharo hazakazaka madinika hiakatra ho eny amin’ny faritra manodidina ny mpitandro filaminana.

Ento aho ry tongotro

Vao nahita ireo olona marobe nirohotra niakatra ireo EMMO teo amin’ny vavahady dia sady nampaneno mafy ny anjomaran’ny fiarany, no mba nisy niteny tamin’ny fanamafisam-peo avy ao anatin’ireto 4 x 4 vaovao (nefa dia marihako fa ny 1 metatra miala ny fiara ihany no afaka naheno izany, satria tsy hainy angamba ny mampiasa ilay fitaovana).

Nirefotra amin’izay ny entona mandatsa-dranomaso voalohany nanomboka teto, ary raikitra ny Ento aho ry tongotro

Booom, booom Atsaharo ny hira dia mba mitomania amin’izay

Vetivety dia tsy hita izay nisy an’i Fidel, fa ny sono mobile sy ny mpikirakira azy kosa no tratra tany Ambodifilao tany. Hatramin’ny fotoana anoratana dia mbola voatàna any amin’ny mpitandro filaminana i Rado, teknisiana ao amin’ny FreeFM (toa tokony ho androany 22/05 no niakatra teny amin’ny fampanoavana). Efa nambara ihany koa fa hokarohana sy hosamborina izy mianadahy nanentana ny olona hidina an-dalambe, satria nisy ny fanimban-javatra hoy ny mpitandro filaminana.

teo alohan’ny tsangambato #Ralaimongo

ny fakom-baoritra nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana

Soa fa misy ny miaramila hanala sakana

Ny zavatra iray isan’ny nahatsikaiky dia ny fitangoronan’ny mpaka sary sy ny mpanao gazety nanaoloana ny varavarana fidirana ao amin’ny Hotel Le Glacier. Samy nanontany tena ny rehetra nahita ireo lehibe mpitarika ny EMMO niditra tao fa hoe

ao ve ry Lalatiana sy Fidel, ka hosamborina? Sa inona no mitranga eto?

Tsara ny lany sefo isany a!

Tsy nahitana valiny io raha tsy fotoana ela taty aoriana. Tsy inona ilay izy fa hay niditra hisakafo tao ireo lehibe ireo. (Nefa ny an’ireo mpanatanteraka tery an-kianja dia mofo dipaina sy fromage La Vache Qui Rit, niampy EAU VIVE).

Eo am-piandrasana ny hetsika hitranga rahampitso, famoriam-bahoaka, mbola eo amin’io kianja io ihany, iantsoan’ny Profesora Rajaonarivelo Paul , dia ndeha isika hijery sary mikasika ny #m1905 tamin’ny Sabotsy ao amin’ny Fickr momba izany.