Fanangonan-tsonia ho fanavotana aina

Hoy ny dradradradra sy tolokon-jaza manao hoe

Fasride sy Sajjad Mohammadi e Ashtiani no anaranay,zanak’i Sakineh Mohammadi Ashtiani. Hatrany amin’ny fahazazanay dia hirifiry no nentinay satria fantatray fa nofonjana i Neny mandram-piandry ny zava-doza hihatra aminy (ny fitoraham-bato azy). Teny izay mampivarahontsana anay ary tsy tianay akory na ny hanonona azy aza

…mety ho faty izy ary mila ny fanampian’ny rehetra.

Ireo no teny avy amin’ny zanaky ny vehivavy Iraniana iray voaheloka amponja efa hatramin’ny taona 2006 noho ny fiampangana azy ho nijangajanga. Heloka izay mahafaty any Iran, ary amin’ny alalan’ny fitoraham-bato (lapidation)

Be no efa nanao hetsika ho fanoherana izany sy ho famotsorana azy. Tanàna 100 eran’izao tontolo izao sy fikambanana tsy miankina maro no efa nifanome tanana. Isan’ireny ny Prix Nobel de la Paix, ny Filoham-pirenena tao aloha sy olo-malaza hafa koa.

Azonao atao ny mamaky ny tantara ao amin’ireto rohy ireto

amin’ny teny Malagasy ao amin’ny Global Voices Online Malagasy

amin’ny teny Frantsay, tranonkalan’ny TV5Monde
tranonkalan’ny Amnesty International

Misy fanangonan-tsonia anaty aterineto atao amin’izao fotoana mba ho fiarovana ny ain’i Sakineh (tsindrio eto na koa iray amin’ireto 123).

Koa asa lahy raha mba azonao atao ny mampiely ity hafatra ity mba hahabetsaka ny sonia voahangona. Mahatratra eo amin’ny 1800 hatramin’ny 2000 isan’andro eo ny sonia voaray ary efa 207.340 no voahangona hatramin’ny fotoana nanoratana ity ho anao eto amin’ny Gazety_Adaladala.

Hoy ny tenin’ireo zanany hoe

« dia tsy hanana fo mangoraka ve izao tontolo izao ka hamela ny zava-doza toy izao hitranga? »

Fitanisana vitsy mifandraika amin’ity tantara ity:

Tenin’i Marina Nemat mpanoratra ny «Prisonnière à Téhéran ». hamoaka ny bokiny faharo « After Tehran », amin’ny volana Septambra.

Unissons nos voix
De 1982 à 1984, j’étais adolescente et prisonnière politique à la prison d’Evin, à Téhéran. J’ai été torturée et violée, et j’ai vu nombre de mes amies souffrir et mourir. La vie de nombreuses jeunes innocentes a été détruite. En dépit de cette violence, le monde a fait comme si rien de cela ne s’était produit. Les prisonnières d’Evin se sont alors senties abandonnées et oubliées…
…En Iran, les prisons politiques, y compris celle d’Evin, sont toujours actives. Des personnes y sont torturées et exécutées tous les jours. Lorsque de telles atrocités se produisent, ceux qui gardent le silence et qui refusent de s’y opposer deviennent des complices. Nous ne pouvons pas nous permettre d’attendre que les gouvernements passent à l’action. Je crois à la force de chacun d’entre nous. Nous pouvons tous contribuer à créer un monde meilleur. Chaque petit geste que nous posons peut entraîner un mouvement aussi puissant qu’un tsunami.
Sakineh Mohammadi Ashtiani a été condamnée à mourir en Iran. Bien d’autres personnes croupissent comme elle dans leur cellule aux allures de cimetière, possiblement dans l’attente d’une mort atroce. Elles ne sont pas seules ni oubliées. Même si nous ne connaissons pas le nom de chacune d’elles, nous les accompagnons dans leur calvaire. Je ne crois pas à la violence, mais plutôt à la puissance de nos voix réunies. Ensemble, nous nous ferons entendre.

Publicités

10 Aogositra 1991/07 Febroary 2009

Tsy dia naresaka loatra sy tsy dia tsaroan’ny maro tamin’ny Malagasy ny tantaran’ny 10 Aogositra 1991. Eny fa na izaho izay manoratra aza dia isan’izay tsy dia nahatsiaro loatra azy io. Asa na noho ny hazakazaka amin’ny fiainana, na izy saro-javona noho ny raharaha politika misy ankehitriny.

Fa miresaka ny ankehitriny ihany isika, maro no efa mahafantatra, saingy ho an’izay mbola tsy mahafantatra kosa dia anio no fotoam-pitsarana ny raharaha 07 Febroary 2009.

Fa maninona moa no niaraka notsiahiviko ireo raharaha roa ireo? Tsotra ny antony: satria na iry voalohany, na ity farany dia samy namoizana aina avokoa. Nisy rà nandriaka. Rà nandriaka noho ny fitiavan-tena sy ny fitadiavan-tseza (ara-politika). Tsy hidirantsika izay hoe iza no tia tena, na iza no nitady/namikitra seza. Ny tena tiana hotsindriana dia ny hoe isak’izay misy resaka sy tombontsoa politika tian’ny sasany hahatongavana dia ny vahoaka hatrany no atao sorona.

Efa fanta-poko fanta-pirenena fa zava-pady sy tsy tokony hatao ny miaka-dapa haka fanjakana izany, nefa dia mbola natao nandritra ireo vanim-potoana roa notsiahiviko ireo.

Tamin’ny 1991 dia lany rora ampitsanganana i Zokibe RAZANAMASY nanakana ny sasany tsy hitarika vahoaka ho any Mavoloha, noho ny fahalalany fa efa nivonona ara-pitaovam-piadiana hiatrehana ny zava-misy Ingahy RATSIRAKA sy ny ekipany. Fa dia rano nararaka tao an-damosin’ny gana teny amorom-pasika ireny, ka na nisy aza ny tsy voahazon’ny volo, tsy nisy ny azo noraofina izay latsaka an-tany. Be ny maty, be ny tsy hita, be ny nitondra takaitra tsy satry. Tao ny rava fananana sy fianakaviana noho ny hambom-po politikan’ny sasany sy ny fitiavan-tenany.

Ny taona 2009 (tsy midika akory izany fa hoe adinontsika ny 2002 – fa noho ny fisian’ny fitoviana sy ny andro androany fotoana hitsaràna ny 2009 no anasongadinana manokana ireo roa ireo), dia mbola toy izay ihany koa no azo ilazàna ny zava-nitranga raha nitondra ny vahoaka hiakatra an’Ambohitsorohitra ny avy etsy amin’ny kianjan’ny 13 Mey, sy ireo mpanara-dia an’ingahy RAJOELINA.

Isan’ny iraisan’ireo vanim-potoana roa ireo araka izany ny fitondràna ny olona ho fitaovana hanatanterahana ny tian’ny mpanao politika hatao, sy ny filalaovan’izy ireny ilay lazain’ny teny frantsay hoe ‘sensibilité-ny’. Dia nifanandrina teo ny mitady seza sy ny mpifikitra amin’hy seza, ary dia toro teo ny vahoaka. Moa va tsy araka ilay ohabolana Malagasy hoe « Ny mpivady no miady, ka ny ankizy no voatorotoro! »

Fotoana angamba izao tokony hanànan’ny vahoaka saina mahay mandinika, mba tsy ho zary fitaovana ho enti-manatratra tanjona lava izao isika rehetra. Mbola ankasitrahanao ve ny ho Vavolombelona ho an’ny Tanindrazana noho ny resaka toy ireny? Sa irinao ny ho velona hifanantitra amin’ny taranakao? Tsarovy fa izay maty tamin’ireny dia toy ny kintana manan-drambo ihany, nandalo…tsaroana fotoana vitsy…ananganana tsangambato…adino avy eo. Fa ny hirifiry entiny ho an’ny taranakao, tsapanao ve? Ny anao efa vita ihany fa ny azy kosa hitohy

GMAIL: mitandrema zalahy!

Manana mpnome tolotra aterineto maromaro isika eto Madagasikara amin’izao fotoana. Tombony tokoa ary isan’ny fanoitra tokony hitondra ho amin’ny fivoarana izany. Na ho an’ny isam-batan’olona, na ho an’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny mihitsy.

Toy ny zavatra rehetra dia misy ny lafiny tsara ary misy ny lafiny ratsy amin’ny fampiasana ireny zavatra sy tolotra entin’ny fivoarana ara-teknolojia ireny. Maro amintsika no mahita rehefa manoratra ny hoe GOOGLE ery amin’ny faritra natokana hmetrahana ny adiresy, fa tonga dia voavily ho any amin’ny http://www.google.mg izay te-hiditra amin’io sehatra fifaneraserana sy fikarohan-javatra io.

Tsikaritra tato ho ato fa somary manahirana ny miditra GMAIL, ary indraindray aza dia misy sasany amintsika no angatahana mba hamerina mampiditra ny tenimiafiny. TANDREMO ZALAHY fa AO RAHA.

Rehefa ianao no angatahana hamerina mampiditra ny tenimiafinao, dia mba mailo fa efa manomboka izay ny halatra sy ny fitsikilovana ary ny fanarahamaso manokana ny zava-panaonao. Tsy ny GMAIL irery no tompon’andraikitra amin’ny zavatra toy izany, fa (mety) misy fandraisan’anjaran’ny FAI (mpanome tolotra aterineto) koa ao anatin’ilay resaka fangalarana ny tenimiafinao.

Tsy eto Madagasikara no voalohany (misy) hisy an’izany. Fa efa be ireo tany izay maetra ny fahalalahana miteny; efa maro ireo mpitondra matahotra ny hivoahan’ny tsy mety sy ny goragora any amin’ny tany samihafa any no manery ny FAI ao aminy hanao io asa maloto io. Toy izay mitranga any amin’ny tany Arabo maro, sy any Sina.

Ho anao mmponin’ny aterineto Malagasy (Madagaskara no resahako eto) ka efa sendra ny olana toy izany dia mba angatahana indrindra hifampizara izany etoana. Fanimbazimbana ny zo maha-olona sy ny fiainana manokan’ny tena ary ny fahalalahana miteny mantsy izany.

Raha sendra efa niharan’izany ianao, dia tsidoho haingana ny kaonty Gmail-nao ka tsikilovy daholo ireo mailaka rehetra ao sao misy navily antsokosoko (tsy tamin’ny nahim-ponao) hankany amina kaonty mailaka hafa. Jereo dahony ny fandrindrana kaonty (settings), Ovay ny tenimiafina raha tsy te-hiala Gmail. Ary ho an’ireo tofoka moa dia mazava ho azy fa ny miala tsy mampiasa no fanafody, mba tsy hahazo aretim-po sy rarin-tsaina.

Tsindrio eto raha hijery lahatsoratra hafa mifandraika amin’izany, amin’ny teny Malagasy na teny Anglisy ianao.

Ato koa mbola azonao tsidihana ho an’izay mahay teny Anglisy ka liana manokana amin’ny reaka fahalalahàna miteny.

Fiara KARENJY

Tena tsy namitaka ahy ny fijeriko fa hay tena KARENJY tokoa ilay fiara tsinjoko namakivaky indray andro izay ny araben’Antananarivo.

Fiara ‘Vita Gasy’ ny KARENJY. Saingy noho ny fanamaivanana loatra ny vita avy eto an-toerana dia tsy nahita ny anjara-masoandrony teo amin’ny sehatry ny varotra anatiny ny orinasa nanamboatra azy. Toa henatra ho an’ny olona ambony mantsy ny fividianana zavatra ‘Vita Gasy’ tamin’izany fotoana izany.

Fa oviana tokoa moa no nanomboka ny fanamboarana azy ireny ary oviana no nitsahatra?

Tany amin’ny taona 1985 tany , no nanomboka ny fanamboarana KARENJY. Ny IMI, na Institut  Malgache d’Innovation no tompon’antoka taminy. Fiaraha-miasa tamin’ny vahiny no nentina nanana ny KARENJY Malagasy satria ny milina manodina azy dia avy amin’ny RENAULT (tanjaka Renault 18). Nisy sokajy roa no fantatro tamin’ izy ity tamin’izany fotoana izany ka:

ny iray dia nantsoina hoe MAZANA – natao hisedra ny lalan-dratsy eto Madagasikara sy sahaza ny tany Afrikana – Avy aoriana no misy ilay milina mpanetsika azy. Miara-mitondra ny kodiarana efatry ny sokajy MAZANA (4 roues motrices) – mandeha amin’ny solika mavezatra (gas oil) ary manana tanjaka soavaly 6 (6CV) – karazana hafainganana 5 mankany aloha ary iray mihemotra (5 vitesses avant et 1 en arriere) –

ny faharoa koa dia ny IRAKA izay kely momnja ny mahasamihafa azy amin’ny MAZANA satria kodiarana roa ihany ny azy no miara-mitondra (2 roues motrices) – mitovy herin-tsoavaly sy hafainganana mandroso sy mihemotra. (vitesse avant/arriere) izy roa ireo. Ity kosa mampiasa ny lasantsy fa tsy oty ny MAZANA


Maivana sy mora entina ny fiara KARENJY, saingy indrisy fa noho ny olana nateraky ny fihisatry ny tsena, dia nitsaha-niketrika ny fanamboarana azy folo taona monja taorian’ny nahaterahany (1995). Soa fa tsy maty anefa ilay zaza, fa farofy sy nitsabo tena tao anjorom-bala tao.

Efa naranty nandritra ny Salon de Paris tamin’ny taona 1985 ny KARENJY ho an’izay mahatsiaro. Raha tsy diso fitadidy aho dia sarin’ombalahy no sary namantarana azy. Angamba mbola ho izay hatrany no ho famantarana izay fiara hivoaka eo.

Niakatra ny avo indrindra teo amin’ny tantaran y ny KARENJY fony tonga nitsidika an’i Madagasikara ny Papa Katolika  JEAN PAUL II

Ankehitriny àry dia misy ny vondron’orinasa Malagasy miezaka ny hanarina sy hamokatra ny KARENJY avy amin’izay tapa-porohana sisa tsy may navelan’ny andro sy taona.

Isaorana betsaka amin’izany ny Le Relai, ny Miezaka ary Soatao izay handray an-tànana ny fanohizana ny tsy efan’ny teo aloha. Mirary faharetana sy fahombiazana ho azy, no sady manentana sahady ny Malagasy mba hanohana ny fahasahiana toy izao. Amin’ny fomba ahoana moa? Mba vidio ny vita Gasy e! Rehefa tsy nahazo 4 L ihany, dia mba mahazo KARENJY (mitovy laharana amin’ny R18 fa tsy 4L) fara-faharatsiny. Irariana fotsiny mba ho taka-bidy ho an’ny Malagasy ny KARENJY, na mba ho azony aloa tsikelikely. Sady handeha amin’izay fotoana ny orinasa Malagasy, hitombo ny asa – ary rehefa tonga koa ny solika vokarina eto an-toerana – oadrayyyyy, tsy ho tafaray ve ny tia sy ny manina.

Angamba mbola ho nofinofy hoy ianao! Tsy maninona fa ny ny hadalana sy ny nofinofy no nahatonga ny sasany teny amin’ny volana.

Ndeha hitsotsotra aho aloha hanonofy, sao mba mety hahazo KARENJY iray ao aoriana kely ao. Efa nanomboka namoaka fiara avy tamin’izay sisam-pitaovana tao mantsy ry zareo, ary mbola hanohy hanambatra sy  hanafatra, hono, rehefa lany ny eo an-tanana. Iza no hanaraka ahy? ‘Ndao e! Lasa izao, izao dieny izao. Efa an-jatony no kendreny havoaka ato ho ato. Hividy aho raha azoko aloa miandàlana. Marina e! Na dia ho fanomezako voninahitra ny anarana Vita Gasy fotsiny aza.

Mba ialao amin’izay ity toe-tsaina manaratsy ny ‘Vita Gasy’  ity e! Aiza rangahy koa faly manindrahindra ny an’ny hafa foana no atao raharaha hatramin’izay fa tsy miketrika izay mba hahasoa ny an’ny tena. Izay mba miezaka indray dia tsatsoina amin’ny hoe ‘matin-kambo’ fa tsy hankaiza io e. sns…

Mba vidio ilay HAMMER VITA GASY (mitovitovy endrika amin’ny Hammer tokoa aloha ny KARENJY an!) MArina fa omby mahia ihany raha milahatra amin’ilay amerikana mitovy endrika aminy, saingy miandry lelaka avy aminao izy, ho porofom-pitiavana.