FANALAN-JAZA

Dia nivoaka izany ny tatitra taorian’ny fihaonana nataon’ny vondrona katolika fa dia VOALOHANY aty Afrika i Madagascara amin’ny resaka fanalan-jaza. 75.000 isan-taona ny vehivavy manao izany, noho ny antony maro samihafa (aretina, tsy mbola te-hiteraka, tahotra ny vavan’ny olona, fanolanana, hamaroan’ny efa eo an-tanana.sns…)

40% amin’ireo dia avy amin’ny fianakaviana sahirana avokoa, ary ahitana ny sokajin-taona rehetra (manomboka amin’ny zazavavy mbola 12 taona) sy ny saranga rehetra ihany koa.

Ezaka mbola hatao araka izany ny hanabeazana ny olona mba hisakanana ny toy izany. Mety hitondra hatramin’ny fahafatesana mantsy izy io.

Voaresaka koa ny tokony hisian’ny Numéro Vert hahafahan’ireo vehivavy tra-pahasahiranana mila vonjy na toro-hevitra alohan’ny hanatanterahany na tsia io fanapahan-kevitra io. Ampahafantarina azy amin’izany ny maha-zava-dehibe ny aiana. Natsidika tao koa ny tokony ho fandraisana anjara mavitrika raisin’ny fampahalalam-baovao samihafa (média: radio, gazety, sns…)

Fa ny tena goavana raha ny fihevitro dia ny fahatsiarovan-tenantsika tsirairay. Ary na ity fanaovana dokam-barotra momba ny fimailo (kapaoty) ity aza dia tokony hasiana fetra fa toa mampibirioka ny tanora maro.

Ny mpitsabo koa tokony hanentana ny mpivady, na ireo efa maro anaka manantona azy mba hampiasa azy io ho fanabeazana aizana fa tsy horaisina foana toy ny zava-pady ny firesahana azy, indrindra fa any amin’ny toeram-pitsaboana no resahana.

Tra-boina ao Anosizato Andrefana

Nandalo teny amin’ny toby andraisana ireo tra-boina eny Anosizato Andrefana aho ny sabotsy (23-02-2008) maraina teo. Nanatona tao amin’ilay birao misahana sy manara-maso azy ireo izay tsy lavitra ilay toby fa eo anila eo ihany. Lehilahy roa no tao ary dia napetraka ny fanontaniana. Tsy nandà ny hamaly izy ireo saingy ilay fomba famaly kosa no nahavariana. Misy trano lay ampolony eo eny amin’ity toerana ity, ka telo no lehibe (UNICEF) ary ny sisa kosa dia kelikely miloko manga. Raha nanontany ny amin’ny isan’ny olona raisina an-tànana eo amin’ity toerana ity aho dia tsy mazava ny valinteny fa nolazaina fotsiny hoe « fianakaviana eo amin’ny 15 na mahery kely eo no anatin’ny trano lay miloko manga iray, nefa angatahanay ianao mba tsy hilaza izany fa manàla baràka antsika Malagasy,. Ataovy eo amin’ny fito isaky ny trano lay eo« . Nolazaiko mantsy fa tsy ho an’ny eto an-toerana ny sary sy ny vaovao fa ho an’ireo Malagasy any am-pita. Zendana aho satria ahoana moa no ahafahana manao fanampiana mifanentana amin’ny zava-misy raha toa ka afenina toy izany ny isa tena marina. Fokontany enina avy ao anatin’ity Commune rurale Anosizato Andrefana ity no sahanin’ny toby. Efa manomboka miseho ny aretina toy ny fahasemporana izay voatery nampidirana hopitaly zaza iray, eo koa ny kohaka sy ny tazo ary ny aretin’ny vanin-taolana.Ny tena loza dia ity: tsy hitako teny hoe aiza izy ireo no mivoaka sy midio. Olona sendra nanontaniako teo an-toby no nilaza fa dia eny amin’ny takontakona eny no manao fa tsy maharaka ny foto-drafitrasa momba izany. Eo koa ny fampiasàn’izy ireo ny rano avy amin’ny tanimbary eo akaiky eo amin’ny fiainana andavanandro. Na hidiovana sy hanasana lamba izany , na hanaovana sakafo.

Trano lay 50 hatramin’izao no fantatra fa nomen’ny BNGRC ho an’ny tra-boina miisa eo amin’ny 20.000 latsaka kely eto Antananarivo. Raha atao ny salan’isa amin’io dia manome hoe trano lay 1 ho an’olona 400. Izay mba afaka namonjy fianakaviana, na olom-pantatra moa dia arahaba soa, arahaba tsara. Fa ho an’ireo tsy afa-manoatra kosa dia ny fotaka, ny hatsiaka sy ny loto no iainana isanandro mandra-pahita izay tsaratsara kokoa noho ny anio.

accueil_sinistre_ivan08.jpg

Mandalo matetika ao amin’ity toby ity ny Croix Rouge mitondra izay toro-hevitra tokony hampitaina, sy mizaha ny fahasalaman’ireo mila izany. Isaorana azy ireo izany. Misy ihany koa ny mpisahana manokana ny fandriampahalemana ao (agents de sécurité) izay sady manampy ny olona ihany koa amin’ny fananganana ireo trano lay. Na ny làlana mitondra anao ho any amin’ity toby ity fotsiny aza dia efa fotaka mandrevo tsy misy toy izany. Bisikleta moa no nampiasaina ka dia mibolisatra lava eny eee!

Na dia eo aza anefa izany rehetra izany dia tsy misakana velively ny tsiky sy ny fanantenana tsy hisoritra eny amin’ny endrik’ireto Malagasy tra-pahavoazana ireto . Malagasy izay manantena ahy, miandrandra anao, miandry antsika rehetra. Na dia teny fankaherezana kely fotsiny aza mantsy dia efa fisaorana mitafotafo no andraisan’izy ireo izany. Tsaroako eto ilay ramatoa be nangataka izay mba azo atolotra hividiany kafe. Ranombavaka sy tso-drano no takalon’ilay Ar200 kely taty ampaosy nomeko azy. Dia avy daholo koa ny sasany sao mbola mba misy anjarany angamba.

Nifandrombahana avy eo ny nijery ny sary sy ny video avy nalaina. Fifanosehana re izao. Raha mba tany mantsy ianao, angamba mbola ho hafa noho izay ny fifalian’izy ireo.

Azonao atao ny mijery izany sary izany ao amin’ny www.flickr.com/photos/23374141@N04

Cyclone_IVAN :ireo SISAM-PATY

Sisam-paty no fialazan-tsika Malagasy ny olona na zavatra avy nisedra ny mafy toy ireny avy nosedraina tamin’i IVAN ireny. Na dia voalaza fa tsy nisy azany maty tany Sainte Marie dia aleo indramintsika ihany io fiteny io hatao lohateny.

Tonga omaly alina avy any Sainte Marie ilay vehivavy niantso ny rainy taty Antananarivo. Izy mivady izay tsy iza fa mpitantana ny hotely Antsara no niara-nody, ka ny raiamandreniny avy aty an-drenivohitra no nanefa ny saran-dalana tamin’ny Air Madagascar satria tsy nisy noraisina intsony izy ireo. Rava fananana tanteraka. Tamin-dranomaso no nilazan’i Laurent (vadin’i Judith ilay vehivavy niantso) fa voatery nilaozany any tsy misy mpiahy, tsy misy « hoavy » (avenir incertain) ireo mpiasany. Mora hoy izy ireo ny mitantara izay nitranga, fa ny niaina azy no tena faran’izay mafy. Ary tsy hay eritreretina mihitsy.

Raha vao nanomboka nisasaka ny alin’ny sabotsy dia nitsoka mafy ny rivotra, nihovitrovitra ny be ny bungalows. Afaka mba nivoaka ny trano ihany izy ireo talohan’ny nidabohan’ilay hazo nandrava ny trano nisy azy . Nihazakazaka tanaty rivotra sy orana nankany amin’ilay restaurant Antsara mba hialoka tao. Niantsoantso tamin’ny feo mafy nandritra izany fotoana izany mba hanaitra ny mpiasa rehetra. Marihana fa ankoatra azy mivady ireto dia fantatra izany izao fa zaza 2 taona, 4 taona, 6 taona, 12 taona ary 21 taona hafa miampy mpiasa iray antsoina hoe Doris no tavela farany tao.

Voalazan’ny rainy (RABENATOANDRO Simon) fa antso 150 no nataony mba hilàna vonjy tamin’izay rehetra afaka nantsoina (miaramila sy tompon’andraikitra sivily maro), saingy indrisy. 70 ora niainan’izy mivady tanaty ahiahy sy tebiteby, teo ampiandrasana izay nahazo an-janany no takalon’izany. Zanany fahatelo i Judith.

Raha iverenana ny tantaran’i Sainte Marie sy Judith ary Laurent dia olona folo izy ireo tany ampiandohana, saingy rehefa samy nikaroka izay haleha dia lasa any amin’ny toeran-kafa ny roa, ka valo sisa tavela tao an-toerana, dia izy mivady sy iretsy voalaza ery ambony. Tany anaty toilett (1m²) no nisitrika, niaro tena aloha. Ary tao no nandefasany ilay antso tokana nankany amin’ny rainy. Tapaka nanomboka teo ny fifandraisana. Tanaty korontan-javatra nandritry ny adiny 8 no niandrasana izay ho tohin’ny tantara. Nandeha nila vonjy tany an-tanandehibe i Laurent ny Alatsinainy taorian’io. Ny sisa kosa nijanona tao Sainte Marie niandry. Sisan-kanina tao amin’ny restaurant  sy papaye latsaka teny amin’ny tany no sakafo nivelomana nandritra izany rehetra izany. Ary tsy nisy intsony mandra-piverin’i Laurent avy nitady vonjy.

Rava daholo rehefa mety ho (cases en falafa) trano falafa, tapaka rehefa hazo.

i Laurent sy Judith no hany olona afaka niala tao Sainte Marie hatramin’izao, raha ny filazany, rehefa tsy maintsy nisaraka tamin’ireo olona enina niara-nizaka ny mafy taminy.

Tsy maintsy manomboka amin’ny tsy misy indray izany izao ny fiainan’izy mivady taorian’iny IVAN iny. Ary mbola mampiasa saina an’i Laurent ny ampitson’ireo mpiasany, izay hany fivelomany ny asa tao amin’ilay restaurant Antsara

Cyclone_YVAN Fialan-tsiny

Dia tena misy tsy vanombanon-toetra ny olona an! Momba ilay resaka Sainte Marie dia nataon’ny mpanao gazety izay nahitana ny rain’ilay niantso nila vonjy avy any Sainte Marie . Ary isaorana i Fanja Saholiarisoa (www.lexpressmada.com du 20-02-2008 page 7)  fa nampitainy ao ny hafatra avy amin’ilay raim-pianakaviana. Toy izao izany hafatra izany « Les personnes ensevelies sous les decombres de l’hotel Antsara à Sainte Marie s(en sont, par contre, sorties saines et sauves« . Toraka voninkazo ho an’i Fanja. Fa ny tena zava-doza tamin’iny lalao ratsy iny dia raha sanatria moa ka mba olona taizan’aretim-po ilay fianakaviana namaky ny LA UNE nilazana ilay vaovao ratsy hoe maty , dia mba ahoana?

 Tsy dia hanome tsiny be fahatany anefa aho, satria dimy minitra talohan’ny nanoratako ity dia mbola tsy mety mahazo an’ireo laharana narosoko anao teto, fa tsy misy réseau angamba ny ORANGE any. Raha akapoka izany ny fandehan’ity tantara ity dia io lafiny fifandraisana io no  tsy nahafahana nanamarina haingana ny vaovao (raha tsy vao omaly) Izay no tena fositra. Niezaka ihany moa izahay ny nanangona, ary mbola hanangona araka izay azo atao. Fa hatreto aloha izany dia izay ny momba iny resaka iny

Eto dia manolotra fialantsiny betsaka aho ho anareo mpamaky, na izaho izay niandry tamin’ny RNM nandritry ny alina, sy nahita ny lohatenim-baovao vao maraina aza dia mba VOAFITAKA ihany koa. Tohina ka avy hatrany dia nampita taminareo ny vaovao vao mafana. Miala tsiny koa amin’ireo fianakaviana mety ho taitra nahita ity lahatsoratra ity. Tsy namoaka ity mihitsy aho androany raha tsy efa hoe « ny rain’ilay tra-doza mihitsy » no nanamafy ny vaovao tsara. Izay inoako fa dia noho ny fahaizan’ny Malagasy mifanome tanana manoloana ny loza sy antambo toy ireny no naha-avotra azy ireo..

Eto ampamaranana dia tsetsatsetsa tsy aritra ity. Nisy vehivavy teraka tampoka nandritry ny évacuation natao azy, ary dia nomen’ny chef du corps des sapeurs pompiers toro-hevitra ireo raiamandreny mba hahatsiarovana ny andro omaly. Iza hoy ianao no natao anaran’ny zaza : IVAN IKOPA.

Teo koa ny resadresaka fohy nataoko tamin’ireo olona hitako teo anoloan’ny Parking JUMBO SMART. Efa ho tamin’ny roa maraina ny sasany tamin’izy ireo no teo araka ny filazany, ary amin’ny dimy hariva aho no miresaka aminy. « Tsy mbola nisy nijery izahay » hoy izy ireo « ary ny ampitsonay mbola tsy fantatra. Ny fitaovana fiasako sy ny akoho amam-boroko lasan’ny rano any daholo, tsy nahavimbina afa-tsy ny tety an-koditra izahay miampy ireto seau sy vilany kely ireto. Ary lamba firakotra sendra voaramby. Ny ankizy manomboka manavin’ny hatsiaka, ny lehibe efa kodron’ny harerahana. Ny hanina tsy nisy afa-tsy izay natolotr’ireo sendra niantra. Tsy haiko intsony hoe ahoana no mbola hahafahanay miaina aorian’izao. Tsy fantatra izay ny trano na efa nirodana na ahoana fa efa iray metatra amin’ny tafonay sisa tazanay farany tamin’ny fotoana nakan’ny vedette anay tany. Eto (anoloan’ny JUMBO SMART Tanjombato) izahay no mitangorona sy mifampikarakara ambara-pahatongan’ny fanampiana sy ny hoe ho aiza« . Izany no toreo henonao raha nandeha teny an-toerana omaly hariva tamin’ny dimy ora. Ny orana anefa amin’izany tsy mitsahatra ny milatsaka, na dia tsy mivatravatra aza fa mitohy sy mijanona.

Azonao jerena amin’ireto rohy ireto ny herin’ny rano eny an-toerana

http://www.youtube.com/watch?v=TzqwfOBo-CI

http://www.youtube.com/watch?v=_VLOafeZqgw

http://www.youtube.com/watch?v=QlDaWSx_ri4

http://www.youtube.com/watch?v=Mh1tH_h-OTY

Cyclone IVAN – Ireo takaitra

(jereo koa ny sarin’ny fandalovan’i IVAN teto Antananarivo  etsy amin’ny rohy SARIN’I AVYLAVITRA More Photos)
Ny zavatra tena mampihetsi-po ahy taty farany teo izao dia ireo olona teny Ambohimanarina. Trano gasy efa tena antitra be no nirodana omaly alina. Olona efa ho roapolo latsaka no voalaza fa nonina tao. Reny bevohoka iray no tany ambany indrindra. Nihotsaka io trano io tamin’io alina io tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Soa fa tena nahafinaritra ny fifanomezan-tanana teo amin’ny samy Malagasy, ka ny fokonolona ihany aza dia efa nahafaka ireo olona tototra sy tra-doza tao, talohan’ny nahatongavan’ny pompiers avy any Tsaralalana. Ny nanatitra ny naratra nankeny amin’ny hopitaly sisa no nataon’ireto farany (rafotsibe iray nianjeran’ny beton, tongotra lavarangana sy zazakely iray nipitika avy tao amin’ilay trano no hitako ho tena vizana) , ary ny nanala izay poti-javatra mety ahiana mbola hitondra loza. Afa-jaza ilay vehivavy bevohoka tao ambany rihana
Niserana vao maraina teny Analakely sy Petites vitesses aho, ary dia nahita fa na ny andrin-jiro JIRAMA teo afovoan’ny avenue aza dia nazeran’i Ivan, ny fefy manodidina ny zaridaina sy ny rano eo Behoririka dia niongotra amin’ny ampahany maro. Ny ranon’Ikopa koa efa hivoaka ny làlany noho ny tsy fahazakàny intsony ny débit avy any Tsiazompaniry izay lasa impito na imbalo avo heny amin’ny tokony ho izy.
Ireny olona rava trano sy tsy manan-kialofana ireny no mba tiako hotsinjovina manokana amin’izao fotoam-pahavaratra izao, ary anaovako antso avo amin’ny tsara sitra-po izay afaka manao izany. Raha mba afaka mantsy aho nitondra ankoatry ny fankaherezana sy ny safosafoko, dia ho nataoko izany. Hitako mantsy fa na manao aza ny fanjakana, dia na tsy maharaka ny fandehan’ny fitrangan-javatra intsony (debordé et dépassé, angamba no azo ilazàna azy) Tato anatin’ny andro vitsy izao dia trano maromaro no nirodana ho an’Antananarivo fotsiny (Ambatoroka, Ambohimanarina, Soavimasoandro, sns… tsy ho tadidiko daholo).
Raha misy afaka manampy toy izany izy ireny dia tolorana fisaorana sy fankasitrahana indrindra. Marina fa efa manana ny fiandry ihany ny BNGRC sy ny Ministera isan-tokony (na fitaovana, na fanafody, na trano lay…), fa amiko, raha mba mitsangana koa isika hitondra izay azo entina, dia efa fampitrakàna ny lohan’ireo natanondriky ny loza sy antambo sahady izany, ary ho ohatra koa ho an’ny hafa. Angamba mba hanao tache d’huile ka hihitatra toy ny sima misioka avy eo. Miala tsiny fa toy ny diso lasa fientanam-po loatra ny zavatra lazaiko.

CYCLONE « IVAN »

Niditra tao Sainte Marie omaly ny cyclone IVAN. Nandrava zavatra maro, fa ny tena tiako hampitaina eto dia ny fahatapahan’ny fifandraisana nahatonga faty olona sivy tany an-toerana. Omaly dia nisy vehivavy niantso maika ny rainy  taty Antananarivo nilaza fa nianjeran-javatra ny hotely nisy azy ary dia nirodana ka tototra ao miaraka amin’ny olona valo hafa izy. Ary dia io rainy io kosa nandefa antso vonjy tao amin’ny RNM (Radio National Malagasy). Naverina tao amin’ny Radio io antso io sao mba misy afaka mamonjy azy ireo  any an-toerana. Rehefa avy nandefa ny antso tao amin’ny Radio ity raim-pianakaviana dia niverina niantso an-janany tamin’ny telefaonina indray, nefa indrisy fa tsy nisy nandray intsony izay antso rehetra nataony.

Na izahay nihaino ny radio aza dia nangitakitaka sy nientana anaty ihany niandry izay tohin’ity tantara ratsy ity mndra-paharainan’ny andro.

Tapaka daholo ny fifandraisana tany an-teorana taorian’ilay antso nataon’ilay ray mahantra. Eny fa na ny BLU tokony ho nampiasain’ny BNGRC (sampana misahana ny vonjy taitra mandritry ny tranga toy izao) aza dia tsy nandeha. Koa lasa antso tany an-tany efitra ilay filàna vonjy nataony.

Nivoaka tamin’ny gazety rehetra androany maraina fa tapitra maty avokoa ireo olona sivy tototra tao amin’ity hotely tra-doza ity. Indrisy, mampalahelo.

Maniry fiononana feno ho an’ny fianakavian’izy ireo, no sady maniry koa ny hahitana vaha olana momba ny antony nahafaty azy ireo vokatry ny tsy fahatomombanan’ny fifandraisana ka tsy nahafahana nandray andraikitra ara-potoana.

Tsy misy ny fampianarana eto amin’ny faritra Analamanga androany 18-02-2008 noho i IVAN mbola mitoetra ato anatin’ny faritra (ao Ankazobe ny foibeny tamin’ny telo maraina teo), na dia efa tara be tokoa aza vao nalefa ny filazana (maro tamin’ireo raiamandreny no nisavily teo anelanelan’ny hoe halefa sa tsia any ampianarana ny ankizy). Efa lasa nivoaka ny trano daholo mantsy ny ankabeazan’ireo mpiditra maraina vao namoaka fialazana ny fari-piadidiam-pampianarana fa hoe foanana ny fampianarana anio

FASAN’NY KARANA

FASAN’NY KARANA

« Eny amin’ny fàsan’ny karana » no fiteny rehefa mandray fiarakaretsaka hamonjy ny toby fiantsonan’ny fiara mpitatitra mankany amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara ianao.
Misy fàsana fandorana fatin-na karàna mantsy eo ampita kelin’io toby io.Very anàrana ny toerana, tsy voatonona intsony ny hoe eny Ankadimbahoaka izay anaran’ny toerana. Izay eo ihany, fa izay mety ho fahaverézana hafa no tiako ho resàhana amintsika eto. Nasiana fikojakojàna io toerana io nanomboka ny 04-02-2008 teo. Rehefa fotoam-pahavàratra toy izao mantsy dia milomano anaty fotaka mandrevo ny mpitatitra sy ny mpandeha. Tsy lazàina intsony ny loto sy ny fofona tsy maintsy iarétana eo.
Raha sendra nandàlo teny aho dia nahita fa ny zàvatra nahamàika natao voalohany dia ny nampitovy tàntana ny toerana. Tsy nisy ny fieritrerétana hanàla ny tany izay efa toy ny zezika mihitsy teo amin’ilay toerana hitako ( izay tany amin’ny tàkona tsy tàzako tany no asa! satria tena maharikoriko ny hiditra lalina amin’io faritra io noho ny rano miandrona sy ny fotaka) fa dia nalàmaka fotsiny  tamin’ireny fitaovana goavana be ireny ilay izy.
Vola amina milliards anefa no ho laniana eo. Enga anie mba ho fijerin’ilay maika no nataoko, fa mba ho vita tsara tokoa araka izay andràsan’ny maro ilay izy. Ny zavatra nahalàsa ny saina fotsiny dia ity: ilain’ny tompon’ny io toerana io afaka roa taona
(satria tanin’olon-tsotra izy io). Dia ahoana ny volabe amina milliards lanian’ny fanjakana eo? Sa sanatria hangàina ny tompony rehefa hilàza ny fanjakàna afaka roa taona, toy izay efa nataony rahateo tamin’ny fakany ny tany teny Ampasampito, fa hoe ho fanasoavam-bahoaka dia alain’ny  fitondràna ny tany? Toa sarotra ihany mantsy ny hisàina hoe hampiàsa volabe amin-jàvatra iray efa nampahafantàrin’ny tompony mialoha fa ho ampiasàiny afaka roa taona.

Raha tsy sanatria angaha hoe misy zavatra hafa tian-kosaronana amin’ilay fihetsika.
Aza hitako anie izany!

RATSIMANDRAVA

 Hafatra nisy nandefa tamiko izy ity ary anio vao hitako. Tsy aritro fa zaraiko aminareo eto. 12-02-2008 isika izao, nefa ny teny rehetra voasoratra ato anatiny no mba tiako hodinihana sy hosaintsainin-tsika mamaky. Fa mba nankaiza tokoa moa ny fankasitrahana ireny olon’ny tantara ireny e? Sa dia hoe aleo ny lasa homba ny lasa ?

From: Rabesata

Sent: Saturday, February 09, 2008 11:14 AM

Subject: Mba RARINY vé ?

Natao tsy mba mahay mankasitra ve ? isika Malagasy . !  saha minia tsy mahalala ny adidy eo amin’ny firenena sy ny mpiray tanindrazana ?

Dia iray minitra monja no hatao amin’ny namohy ny ainy ho an’ny Firenena

IRAY MINITRA ISA-TAONA HO an-DRATSIMANDRAVA

          Feno 34 taona amin’ity taona ity ny namonoana ny Kolonely RATSIMANDRAVA.

Ny taona vitsy nanaraka dia nisy ny fahatsiarovana azy tamin’ny fomba nanetriketrika nokarakarain’ny Pastora isany RALIBERA sy FETY MICHEL ka nanaovana fotoam-pivavahana iraisam-pinoana. . Hatramin’ny nahafatesan’izy mirahalahy dia nangina. Toa hadino RATSIMANDRAVA, ilay « tsy hiamboho adidy ».

          Ny SEDODIA no namoha ny ahatsiarovana taty aoriandriana kananatitra voninkazo teny amin’ny tsangambatony teny Ambohijatovo niaraka  tamin’ireo niaraka tany amin’ny Sekoly Saint-Cir sy ireo niaraka taminy tao amin’ny governemanta RAMANANTSOA. Tsy nisy kabary. IZAY NO MAHA IRAY MINITRA  ISA-TAONA HO AN-DRATSIMANDRAVA AZY.

Koa amin’ity  taona ity dia asaina ny mponin’Antananarivo hiaraka hanatitra voninkazo eny amin’ny tsangabaton’ ilay « tsy hiamboho adidy » androany Alatsinainy 11 Febroary amin’ny 11 ora. Asaina manokana ny fianakaviany,  ny  mpiangona ao amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, ireo niaraka taminy tany  amin’ny Sekoly Saint-Cyr, ireo niaraka taminy tao amin’ny Governemanta RAMANANTSOA.                     

        Ny olona maritiora toy izao dia tsaroan’ny mpiray tanindrazana lalandava. Ny an’ny amerikana ny pasitora MARTIN LUTHER KING izay maty nisy nitifitra dia namoahan’ny Prezida Ronald REAGAN didy ho androm-pirenena tsy iasana anefa andraisan-karama ny alatsinainy isan-taona izay tsingerin-taona nahaterahany, noho ny ady fitovian-jon’ ny mainty sy fotsy hoditra. Ny kolonely RATSIMANDRAVA dia niady hoan’ny « FOKONOLONA no fototra eo amin’ny fitondram-panjakana sy ho amin’ny fiandrianam- pirenena ».

Ny  rariny sy hitsiny dia ny Prezidan’ny Repoblika sy ny Ben’ny tananan’ANTANANARIVO- RENIVOHITRA no tokony hanao izao fahatsiarovana izao.

Izay liana te-hahafantatra bebe kokoa, indrindra ny tanora, dia tokony hamaky « Ny fokonolona », « Nahoana no avondrona ho fokonolona isika » nosoratan’i Pastora Fety MICHEL, « Maty ve RATSIMANDRAVA » nosoratan’i E.D. Andriamalala.

Antananarivo, faha 11 Febroary 2008-02-08

Ny SEDODIA

Sy ny Fikambanana Manaovasoa.

Aoka isika rehetra mba hihetsika hanohitra izany sy hanoratra mitambatra ho an’ny tomponandraikitra Malagasy fa tsy rariny izany .

**********************

Dia izay ny amin’iny Mailaka voaraiko iny. Mino aho fa nahaliana antsika rehetra.

Elanelam-panahy

Zavatra isan’ny manahirana ankehitry ny miteny, na mitondra teny. Indrindra fa raha resaka raharaham-piaraha-monina no andraisanao anjara. Miteny tsy mety ataon’ny mpanohitra ianao dia sokajiana ho olon’ny mpitondra, milaza ny kivalavala ataon’ny mpitondra indray ianao dia lazaina fa hoe mpanohitra. Izany hoe bedy ianao raha vao mitoetra eo anelanelany. Fa na ho tezitra aza aloha ianao mamaky io na hibedy ahy, dia izay tiako ihany io. Metimety ny ataon’ny ankaviako, dia miara-miasa aminy aho, rehefa tsy lanin’ny vavoniko kosa dia kianiko. Dia toy izay koa ny ao ankavanako: manao ny tsara izy dia tohanako, mitady hivarina an-kady dia ahitsiko. Fa izay sarotra anarina kosa kapohako. Mijanona eo afovoany mandrakariva aho izany. Na ho bedy aza! Izay no tiako tsinona k’ah! Raha mety moa hoe izy roa mihitsy no hampiaraka amiko dia sakambiniko amin’ny tanako havia ny mpanohitra, ary entiko amin’ny tanako havanana ny mpomba, satria samy Malagasy daholo anie ireo e! Io tsy fahaizana mampandefitra hambom-po io no hitako ho kilema ratsy eo amin’ny ankabeazan’ny olona. Tonga dia misotro fotsiny ny « Halako hatramin’ny tsinay maintiny », dia izay. Ka na inona na inona hevitra, na zavatra tsara entin’ilay tsy nitovy firehana tamin’ny tena, dia « tsia » avy hatrany foana no asetry azy.Mba tiako ho hita ny fomba fisainan’ireny olona ireny raha apetraka ambony nosy kely iray anivon’ny ranobe feno voay: olona roa tsy mitovy fihevitra atao anaty lakana iray tsy misy afa-tsy fivoy roa,ny rano koa amin’io lalina tsy takatr’ilay hazo fitondran’ny mpaka fasika ireny. Ny lalana mody anefa tsy maintsy asiana olona. Dia ahoana? Hiara-hiakatra ao anaty lakana, hifanampy hivoy, sa hamela ny iray ho lanin’ny voay fa « raha maty aho, matesa rahavana », sa ahoana? . Enga anie ka mba hahita ny marimaritra iraisana, ka ny lakana hisosa (ny lakana eto dia anehoako ny firenena, na dia hiadana fisosa aza), ary ny olona tsy hisy ho faty (ny olona kosa indray dia ny mpanohitra, ny mpomba ny fitondrana, ny valalabemandry).Gaga angamba ianareo hoe inona no anton’ny lahatsoratra. Tsotra fotsiny: mahita ireto mpilaza vaovao mpomba ny fitondrana, mandranitra fotsiny ny saim-bahoaka ireto isan’andro aho ka leo, tena leo! Misy dia tsy manana hatao isan’andro afa-tsy ny mamorona lahatsoratra hamelezana na hanaratsiana an-dranona sy ranona. Fa mba rahoviana ilay fisainana hoe « esprit critique », sy « critique constructive » vao ho hainareo mpanao gazety ireny ampidirina sy hitaizana vahoaka e? (Tsy ny mpanao gazety rehetra kosa aloha no kianiko eto an! Aoka hahatsapa tena izay tokony hahatsapa tena). Sa dia izany tokoa no fomba filalao ity politika ity fa izaho no tsy mahay? Izaho mantsy tsy mpilalao io taranja iray io, koa aza gaga raha tsy haiko hatramin’ny fitsipi-dalao.

Ankatso_Ilay Edena Vaovao

Lahatsoratra nivoaka tamin’ity herinandro ity no entiko aminao eto. Maneho ny fahasahian’ny mpianatra, mampibaribary koa ny gaboraraky ny mpitantana (tsy hiteny aho hoe ny taloha ve sa ny ankehitriny), ary ny tsy fandraisana andraikitry ny sasany. Soa aloha fa mba nisy ny fidinana teny an-toerana tamin’ity indray maka ity ka nahafahan’ny mpanao gazety (toy ity amin’ny L’Hebdo de Madagascar ity) sy ny mpitantana ankehitriny (Benjamin Andriamparany Radavidson, ministre de l’Eduçation nationale et de la recherche scientifique sy  Will!am Rakotoarivony, Dg du Croua, Ankatso, 7 janvier 2008) namotsipotsitra ny tantara ratsy miseho eny an-toerana. Amin’ny teny frantsay ny lahatsoratra, nefa inoako fa tsy ho sarotra amin’ny rehetra izany.

L’hebdo N° 0155 . Du vendredi 1er au jeudi 07 février 2008. Page 04
L’assainissement dans les campus universitaires est devenu un objet de litige. Les étudiants « réguliers » manifestent depuis mercredi. Entre temps, les squatters persistent à y rester. Pourquoi d ‘ailleurs quitter cet éden où on ne payent ni factures de la Jirama, ni loyer, et peuvent s’adonner à leurs activités sans contrainte? Etat des lieux.
Dépenser sans se gêner « . << C’est l’expression usitée au campus universitaire d’Ankatso. L’utilisation abusive de l’eau et du courant éléctrique est monnaie courante. Des petits commerces s’installent partout.  » Quatre grandes épiceries d’Ankatso n’échappent pas au regard du passant », a affirmé Tiana, un étudiant en gestion résidant à la cité.  » L’une d’elles est un
véritable magasin d’alimentation générale. Toutes les marchandises, même les boissons aIcooliques et hygiéniques y sont vendues. » Elles ne sont pourtant que le reflet des petits business qui se déroulent dans les logements. Profitant du courant électrique gratuit, des salons de coiffure travaillant à base d’une publicité de bouche à oreille, sont ouverts dans les chambres d’étudiantes.  » Vous pourrez aussi y voir des poissonneries, des fabrications d’yaourts et de jus, tous des commerces utilisant des réfrigérateurs et des mixers » ,affirme un autre étudiant d’ Ankatso II. Mais l’activité la plus répandue est la micro-édition: des étudiants ayant pu économiser un million ariary, achètent un ordinateur avec son imprimante, et affichent devant leur porte l’écriteau « saisie et impression. » Faut-il alors s’étonner si les factures impayées de la Jirama conservées au Centre régional des œuvres universitaires d’Antananarivo (Croua) se sont élevées à 4,1 milliards ariary l’année dernière ?
Le comble est que cette utilisation abusive d’ électricité n’est aucunement cachée. Même Bernhard Rohman, directeur général de la Jirama, admet que  » des étudiants ou ex-étudiants pratiquent des activités à but lucratif qui consomment de l’électricité dans les cités « . Il compte sur le gouvernement pour l’aider à trouver une solution,  » ne pouvant couper le courant dans les universités tout comme dans les hâpitaux ». Conséquence logique de ces factures impayées,  » près de 1 400 étudiants en  » situation irrégulière » ont été répertoriés dans les campus « Des étudiants louent leur chambre pour des passes. »

~ En couverture


Parce que l’eau courante est gratuite au campus, des lavandières viennent pour faire leurs lessives en plein couloir d’Ankatso , d’Antananarivo », confirme Célestin, chef du département de l’intendance des cités universitaires.

. C’est d’autant plus désolant que  » des médecins, des
membres du personnel de l’Assemblée nationale, des fonctionnaires de ministères, des agents de police, des inspecteurs d’Etat, des enseignants, des coiffeuses, des réparateurs de mobiles, des commerçants y ont élu domicile « , se plaignent quelques étudiants réguliers. Selon Tiana,  » si des assistants parlementaires et des anciens meneurs de grève notoires peuvent occuper les logements universitaires, c’est grâce à des interventions de politiciens ». Le ministre Benjamin Andriamparany Radavidson a toutes les raisons de dépolitiser l’enseignement, surtout que la population universitaire est très vulnérable aux pressions diverses, surtout politiques. Le logement est aussi à la source d’un grand business.  » La sous-location y est pratiquée à raison d’Ar 15 000 le mois », précise Rasolomanana, chef du service de la section A d’Ankatso II.  » Une chambre à Ankatso I se vend aussi à Ar 1 200 000 contre Ar 700 000 à Ankatso II « ,précise Tahina Nahitantsoa, étudiant en gestion. Cela s’effectue de gré à gré entre étudiants. Be Honoré Rajaonarivelo, président des étudiants du Sud-est, réfute cette assertion en arguant que » c’est plutôt une façon de rembourser le coût de la réhabilitation de la chambre que l’étudiant a supporté, puisque l’université ne prend plus en charge les réparations ».

Fanomezantsoa, étudiant non résidant, témoigne que, pour sa part, « Il a loué une chambre à Ankatso I pour une passe ». Les faux étudiants sont aussi concernés par la location et vente de logements. Ils utilisent toutefois d’autres moyens pour pouvoir y rester. » Soit ils s’inscrivent à une quelconque filière, soit ils occupent une chambre enregistrée au nom d’un proche ou d’une connaissance, avec qui ils sont en contact permanent, en prévision de tout contrôle », explique Tiana.

A souligner  » qu’un ancien étudiant en médecine était arrivé à y habiter pendant une vingtaine d’années, pour que son fils, actuellement à l’université, en devienne le locataire légal! » C’est Nirina, une résidante d’Ankatso II, qui évoque ce cas.

Pour mettre fin à toute cette « magouille » universitaire, Célestin et Rasolomanana proposent « la fermeture des cités U- pendant les vacances et l’installation d’une clôture entourant l’enceinte universitaire pour permettre au concierge d’assurer un bon contrôle « .

Signé : Aina Rabako et VirginieRatovonjanahary

Koa hahagaga ary ve raha maty antoka ny Jirama, raha mihasimba ny foto-pisainan’ireo mivoaka avy any Ankatso satria eny no aianarana ny « magouilles » isan-karazany, raha potika ny ampitso izay noeritreretina ho mamiratra?

Anjarantsika mamaky ny mamaly ny fanontaniana