Niditra tao Sainte Marie omaly ny cyclone IVAN. Nandrava zavatra maro, fa ny tena tiako hampitaina eto dia ny fahatapahan’ny fifandraisana nahatonga faty olona sivy tany an-toerana. Omaly dia nisy vehivavy niantso maika ny rainy taty Antananarivo nilaza fa nianjeran-javatra ny hotely nisy azy ary dia nirodana ka tototra ao miaraka amin’ny olona valo hafa izy. Ary dia io rainy io kosa nandefa antso vonjy tao amin’ny RNM (Radio National Malagasy). Naverina tao amin’ny Radio io antso io sao mba misy afaka mamonjy azy ireo any an-toerana. Rehefa avy nandefa ny antso tao amin’ny Radio ity raim-pianakaviana dia niverina niantso an-janany tamin’ny telefaonina indray, nefa indrisy fa tsy nisy nandray intsony izay antso rehetra nataony.
Na izahay nihaino ny radio aza dia nangitakitaka sy nientana anaty ihany niandry izay tohin’ity tantara ratsy ity mndra-paharainan’ny andro.
Tapaka daholo ny fifandraisana tany an-teorana taorian’ilay antso nataon’ilay ray mahantra. Eny fa na ny BLU tokony ho nampiasain’ny BNGRC (sampana misahana ny vonjy taitra mandritry ny tranga toy izao) aza dia tsy nandeha. Koa lasa antso tany an-tany efitra ilay filàna vonjy nataony.
Nivoaka tamin’ny gazety rehetra androany maraina fa tapitra maty avokoa ireo olona sivy tototra tao amin’ity hotely tra-doza ity. Indrisy, mampalahelo.
Maniry fiononana feno ho an’ny fianakavian’izy ireo, no sady maniry koa ny hahitana vaha olana momba ny antony nahafaty azy ireo vokatry ny tsy fahatomombanan’ny fifandraisana ka tsy nahafahana nandray andraikitra ara-potoana.
Tsy misy ny fampianarana eto amin’ny faritra Analamanga androany 18-02-2008 noho i IVAN mbola mitoetra ato anatin’ny faritra (ao Ankazobe ny foibeny tamin’ny telo maraina teo), na dia efa tara be tokoa aza vao nalefa ny filazana (maro tamin’ireo raiamandreny no nisavily teo anelanelan’ny hoe halefa sa tsia any ampianarana ny ankizy). Efa lasa nivoaka ny trano daholo mantsy ny ankabeazan’ireo mpiditra maraina vao namoaka fialazana ny fari-piadidiam-pampianarana fa hoe foanana ny fampianarana anio
Filed under: tapatapany | Tagged: cyclone, ivan, rivodoza, Sainte-Marie |
ary za ato tena MIANDRY MAFY NY VAOVAO any amin’ny tanana dé efa natoky mafy mihitsiny hoe i Avylavitra zao ny voalohany amoaka an’ilay izy !!
Sady mamitatra ny vaovao tao amin’ny RNM sy tao an gazety zany ny atao hoe efficace ary media citoyen be. Andraso rem ataoko traduction frantsay sns .
Manantena fa hiresaka an io tsika ram sabotsy fa za ato be
fanitaninafanontaniana be!Bises
ps: faly be zahay fa tsy naninona nareo menakavy
[…] tohizo ato […]
[…] a publié le premier article de la blogosphère sur le passage du cyclône IVAN et a exposé avec excellence et sensibilité les dernières nouvelles […]
[…] of the blogosphere to post on Cyclone Ivan passage et showed excellency in reporting the latest news […]
Ny ranomasoko sisa nanganohano nony nahita ny lohatenin-gazety vao maraina nilaza fa maty ireo olona sivy tany Sainte Marie. Tsy natory aho ny alina niandry izay tohin’iny nefa indrisy. Na dia nizara be aza ny lohako, noho ny trano misy anay efa somary tranainy ihany, noho ny amin’ny tena sy ny ankohonana koa, dia tsy tana ny saina amam-panahiko fa nitaintaina toa sanatria ilay ray niteraka niandry izay vaovao momba an-janany tany Saite Marie koa mandra-maraina (17-02-2008 hifoha 18-02-2008).
[…] Ivan – gazetyavylavitra.wordpress.com – 18.02.08 >>] Publié par tomavana rempli dans fanohanana Taggé: cyclone, madagascar, madagasikara, […]
Mirary fiononana hoan’ireo rehetra voadònam-pahoriana amin’izao fotoana izao.
Misaotra tamin’ny fijoroana vavolombelona sy fampahafantarana.
Mitovy hevitra amin’i Jogany, mankasitraka ny fandraisanareo any an-tanindrazana fitenenana.
merci pour la correction é
Bises nareo 4 mianaka any
[…] reports that because of lines of communications being cut off, 9 people died already on the island of […]
Dia tena mampalahelo tokoa re izany :-(.
Misaotra nampahalala gazetyavylavitra a
[…] no mitatitra fa nohon'ny fahatapahan'ireo lalam-pifandraisana sy ny serasera, dia olona 9 sahady no […]
Vaovao mampalahelo hafa nentin’i Ivan omaly hariva. Avy any Amparafaravola sy Ambatondrazaka izy ity. Olona 7 nitaingina lakana no natelin’ny rano ary mbola tsy hita hatramin’ny fotoana anoratana. Izany hoe hatreto raha ny henoko maokana dia olona 16 no maty. Ankoatra ireo dia tsy mbola tafavoaka any and-dranomasina izy fa midongy any Moronge any hatramin’ny aninkeheo maraina tamin’ny telo ora. Lalana, hazo, andrin-jirao tapaka, rano miakatra sy tra-boina maro, trano rava sy faty olona, izany rehetra izany no takaitra navelany hatreto. Mbola tsy azo ny vaovao rehetra momba azy, nefa dia inoana sahady fa tena havesatra noho ity izy midongy ity. Sady amin’izay mikisaka mora mikosoka izay lalovany fa tsy mihazakazaka ho lasa haingana.
misaotra re ry avylavitra, hafa ihany hoa ny lazain’ny olona tena eny antoerana ny zava misy.
izay koa no itiavanay ny blog-nareo any e ! ilay gazety ireny indraindray tsy ampy…ny hitanareo mihitsy no tena tianay vakiana.
mankasitraka e !
Manaoana daholo tompoko
Saika amela hafatra hoan ‘ny olona izay mandray vaovao avy SONIERANA IVONGO Tamatave azafADy.
Tantsambo ny asako, ny ray amandreniko any amin io toerana io tsy andrenesana vaovao mihitsy.
Miangavy hoan’ izay mahazo ity hafatra ity mba handefa vaovao avy any , mba alefaso amin’io mail io (prive.thevenin@orange-ftgroup.com) azafady,
MISAOTRA INDRINDRA TOMPOKO
Momba ny eny IKOPA aloha izao no ananako vaovao. Lakana sy Vedette no analana ny olona eny afovoan-drano. Misy anefa ny tsy mety miala fa malahelo ny fananana kely nohariany an-taona maro. Misy anefa ny trano sasany no tena efa any anaty rano tanteraka mihitsy ary tafo sisa manangasanga. Olona iray no maty indray omaly raha nahakasika bararata nilatsahan’ny Fil electrique tapaka. Telo lahy izy ireo no niaraka fa ny roa tsy maty. Teny Anosimahavelona amin’iny manodidina an’Anosizato no nisy an’izay. Mbola miandry amin’ny 7h 30 aty Dago aho vao afaka miantso SOANIERAN IVONGO sy SAINTE MARIE. Be ny manontany vaovao momba ireo aty amiko. Hiezaka aho hanome fahafaham-po araka izay mba fanampiana azoko entina sy araka izay tratrako.
Fefiloha telo izao no vaky eto Antananarivo. ka ao anatin’izany ny feny Ampasika sy Ankasina, ny fefilohan’i Sisaony akaikin’Ambohijafy-Fenoarivo, ary ny teny Anosimahavelona izay nahafatesan’ilay lehilahy voalaza etsy ambony
Araka ny tatitry ny BNGRC [Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes] dia 8388 izao ny traboina manerana an’Antananarivo ka ny be indrindra (7960) amin’izay dia eny Atsimondrano, BNGRC .