Henri Lecacheur (tohiny)

Voasambotra i Henri Lecacheur. Fa izao manaraka izao no mahalasa kely ny saina.
Iray volana tany aloha tany dia efa nidina teo tsy nahazo alàlana izy, ary nitondra megaphone sy nahavory vahoaka, nefa tsy nisy fisamborana. Tato aoriana kelin’izay indray dia mbola nisy ny famerenana ary dia nentina nalaina am-bavany tany izy ary avy eo dia navoaka, toy ny tsy nisy na inona na inona. Koa mitsàngana àry ny fanontaniana hoe: fa maninona no ankehitriny vao tsy navela hiteny ilay rangahy iny na dia roa minitra monja aza. Eto koa dia samy manana ny mari-pandrefesany ny rehetra satria misy ny nilaza fa dimy minitra latsaka izy no niteny, ao ny miteny fa latsaka izay (toa ahy indrindra koa). Tonga hifona, hono, ingahy Henri Lecacheur fa diso tamin’ny nametrahany izao fitondrana izao, ary dia haka ny hevitry ny vahoaka ny amin’izay tokony hatao, ka nihevitra ny hidina isan’andro teo amin’ny kianja 13 mai.

Mampanahy be ny olona nanatrika teo ny fitrangan-javatra satria toa hiverina indray ny fomba fanao tany aloha be tany, dia ny fisamborana sy fitsimponana ireo izay sahy maneho hevitra, milaza ny tsy fahafaham-pony sy ny tsy fahafaliany amin’ny antoko izay eo amin’ny fitondrana.

“Tampenana indray ve izany ny vavan’ny vahoaka sy ny maro an’isa manomboka izao”

hoy ny alahelo nipoitra tetsy sy teroa taorian’iny fisamborana teo amin’ny kianjan’ny 13 mai iny.
Ny mpitondra kosa milaza fa

“aleo aloha hiasa sy hanomboka zavatra vao mistikera sy manome tsiny”

. Mandra-pahoviana sy hatraiza anefa izay fetra hitsarana azy izay?

Eny fa hatramin’ireo haino aman-jery sy gazety maro tonga teny an-toerana aza dia hita ho nihafihafy ihany koa, no sady efa hatry ny ela no nidradradradra fa tsy afaka miteny an-kalalahana intsony, fa na tsy maintsy manaraka ny baikon’ny tompon’ny gazety na ny fampielezam-peo sy sary, na miala mitady asa hafa.
Ny antoko tsy eo amin’ny fitondrana moa dia efa imbetsaka no tsy tafiditra amin’izany atao hoe “haino aman-jerim-panjakana” izany.

“Matahotra ny amin’ny asany koa ireo mpiasa , ka tsy omenay tsiny”

, hoy ireo filohan’antoko rehefa anontaniana mikasika ny tsy ahafahan’izy ireny miteny sy maneho hevitra ao amin’ny RNM (Radio Nationale Malagasy) na ny TVM (Television Nationale Malagasy).

Ny mpiasa rehetra erak’ireo orinasa mamofompofona fanjakana koa dia tsy misy sahy mihetsika intsony noho ny tahotra ny ho voaroaka sy ho very fihinànana; toy izay mahazo ny mpiasa ao amin’ny JIRAMA, araka ny filàzan’ireo mpiasa ao. Momba io fahalalaham-pitenenana io dia nilaza ny filohan’ny solontenanan’ny mpiasa ao amin’ity orinasam-panjakana ity fa mba saika haneho hevitra tamin’ny fandaharana iray be mpanaraka amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray, mpandeha isa-maraina (KIDAONA MARAINA), saingy tsy nety nandray azy ny tao. Tsotra ny antony naroso, hoy ihany ity filohan’ny solontenan’ny mpiasan’ny JIRAMA ity,

“satria ny JIRAMA dia orinasam-panjakana, ka rehefa manohitohina sy miady amin’ny tompon’ny orinasa (fanjakana) ianareo mpiasa dia tsy afaka ny handray anareo izahay, sao hanan-draharaha amin-draFanja eo”

. Efa maro tokoa mantsy no niaina izay zava-mangidy izay, ka dia faifay sy matahotahotra ireo rehetra tompona haino aman-jery mbola te-hijanona amin’izay sehatra izay. Nandalo teo ny KARAJIA (Don Bosco FM93.4), ny “NY MARINA (Ny ANTSIVA FM97.6) sy ireo tany amin’ny faritany tany…

Fa raha iresaka kely ity fahalalahana miteny sy maneho hevitra ity isika, dia ireto misy tsetsatsetsa tsy aritro kely: mangataka hanao fanehoan-kevitra anaty Tranompokonolona (Analakely) ny mpanohitra, tsy mahazo, ary tsy vao indray mandeha no tsy nahazo alalana haneho hevitra toy izany ry zareo ireto, na izany teto an-drenivohitra, na tany amin’ny faritany. Ny zavatra misy anefa dia mahazo sy afaka manao izay tiany foana ny TIM (antoko eo amin’ny fitondrana, na iza io, na aiza. Vao tsy ela akory aza fa tamin’ny vaovao (Don Bosco) tamin’iny herinandro lasa iny no naharenesako fa any anaty biraom-panjakana, natao haiasana mihitsy ny TIM no manao fivoriana. Sao dia hivandravandra loatra ny mizana tsindrian’ila ry zalahy a! Raha misy singa iray mipitika anie ao anaty mizana, na amin’ny havia no miampy, na amin’ny havanana no miala, dia efa mitsimbadika ny tantana e! Toa an-drangahy ity izay tsy hafa fa mpanolo-tsain’ingahy RAVALOMANANA Marc ihany taorian’ny hetsika 2002 alohan’ny nidirany ho amin’ny laharan’ny mpanohitra. Mba saino ihany e!

Tsy aritro manaraka koa ilay hoe nidina teo amin’ny 13 mai ny mpanohitra fahiny ary dia nahazo felaka tehamaina, totohondry, daka tamin’ny vahoaka. Nisy mihitsy ny vaky rà sy nivonto tava tamin’izany. Tamin’ireny dia mbola nomba ilay tenin’ny mpitondra ny vahoaka, dia ilay hoe “avelao aloha hiasa….”. Fa tamin’iny andro nisamborana an’ingahy Henri Lecacheur iny kosa dia ny vahoaka mihitsy no nikiaka ny hamelana azy hiteny sy hilaza izay tsy zakany. Saingy nanaolona ireto GSIS nisaron-tava sy nitondra Kalachnikov, inona moa no azony natao? Tsy nisy fa dia ny nisento sy nitazana an’ilay rangahy nentina an-keriny natsofoka tao anatin’ilay 4×4 manga antitra laharana 0341 TA? sisa e!

Isika eto tsy hanome tsiny an-dranona sy ranona, fa mba mijery fotsiny ny fiainana andavanadnron’ny valala be mandry (ilay tsy hay hoe rahoviana vao hifoha, hoy i Sareraka izay)

Mino anefa aho fa na ho ela na ho haingana dia samy mbola ho tonga saina, na izahay tezaina, na ianareo mitaiza anay. Satria tokoa mantsy, NY ANIO NO MANDRAFITRA NY HO AMPITSO.

Voasambotra i Henri Lecacheur (place 13 Mai 1972)

Vao avy niatrika fialan-tsasatra nandritry ny herinandro teo tay amin’ny faritra andrefana aho, no sendra nitsipalotra tamin’ny pejin’ny gazety « L’Express » omaly ny masoko. Voalaza tao fa hidina eny amin’ny « Place du 13 Mai 1972 » i Henri Lecacheur. Tsy naharitra ny tena, noho ilay kirin’antitra ka dia lasa nony tonga ny fotoana voatondro mba handeha hizaha izay zava-misy.

Rehefa ela nifampiandrasana sy nifanaovana fangalam-piery ny mpitandro filaminana (Gendarmes sy Polices, izay hita nisitritsitrika eran’ny pavillons sy arcades, eny fa hatreny amin’ny esplanade manoloana ny paositra Analakely mihitsy aza) dia roso ihany ny fanatonan’ingahy Henri L. ny vahoaka rehefa tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka tany ho any. (tamin’ny 9 ora no fotoana nifanomezana saingy noho iretsy fifampitazanana tetsy ambony iretsy dia izay vao nanomboka ny raharaha).

Efa niandry rahateo ny olona, ka nony tsinjo namindra niampita avy ery amin’ny Hotel de France i Henri Lecacheur (teny no nijanona sy niandry tao anatin’ny fiarany izy), dia niazakazaka amin’izay ny olona nanodidina sy niandry izay hambarany (samy liana rahateo ny rehetra)





Ny nampalahelo anefa dia tsy nisy 1 mn sy sasany no nitenenany, dia efa mpitandro filaminana misaron-tava no niditra an-tsehatra nisambotra azy. (GSIS hoy ny mpialaza vaovao iray ao amin’ny Fahitalavitra tsy miankina iray eto Antananarivo sendra tafaresaka tamiko teny an-toerana).

Ny hany teny fohy voalazan’ingahy io dia ny filazana atamin’ny vahoaka fa :

…ampy izay ny jadona…dia mangataka ny hevitrareo vahoaka aho, inono no hataontsika?…Vonona aho ny hanao sorona, eny fa hatramin’ny aiko raha ilaina,…miandry izay hevitrareo aho….

Teny fohy toy izay no voambarany dia efa enindahy misaron-tava izay tsy nisy nanamùpo velively no nisisika nandray azy tao anivon’ny vahoaka tao.


 

 

 

 

 

 

 

Hoy ny kiakiaky ny olona nanatrika ny zava-misy:

Avelao izy e! – Avelao izy hiteny raha tena misy marina ny Demokrasia sy ny Fahalalahana dradradradraina isan’andro eto amin’ny tany sy ny firenena… Izao ve no fahazakanareo ny fahalalahana miteny sy ny fanehoan-kevitra e!…

Namaly kosa ireto mpisambotra fa hoe :

Vetivety ihany no ilànay azy, ary tsy hatao na inona na inona izy fa averinay ihany k’ah!

Rehefa nahita ny fomba nisamborana azy kosa anefa ny maro dia tsy tana ny taim-bava fa nivoaka izao karazan-teny rehetra izao, ary betsaka ireo olon-tsotra no nilaza hoe:

Manoatra noho ny misambotra gangster sy mpamaky trano ny fanjakana… Sady efa mangalatra ny volan’ny CUA, no mbola matahotra fanehoan-kevitra ihany koa. Raha hendry izy dia ataovy ny ampamoaka nandritry ny fitantanana ny CUA nataon’ireo rehetra nandalo tao talohan’i Andry RAJOELINA…Lalina ihany ity resaka pôlitikan’ny BE SANDRY ataonareo mpitondra ity…

Fa isan’ny fanehoan-kevitra nivoaka tao koa ny hoe:

Nanao hadisoana ihany i Henri Lecacheur fa tokony ho nampiasa megaphone mba hahavory olona haingana kokoa, fa ny tsy nahavorian’ny olona maro tanaty fotoana fohy no nahafahan’ireny mpitandro filaminana ireny niditra mora sy nisambotra azy toy iny. Tsy tokony ho ny vavay fotsiny ny nampiasainy, amin’izay mantsy mba naheno na ny teny lavitra teny aza ka mety ho nanatona nanatevina laharana ireo mpihaino…

Vita izay rehetra izay dia niverina amin’ny fiainany andavanandro i Analakely sy ny manodidina azy. Izaho koa mba handeha hamonjy ny iray viliako. Noana be aho izany fa efa amin’ny 12 ora sy 20 mn izao. Apetrako ny « peniko virtoaly ».

…Tantara mitohy…

Elanelam-panahy

Zavatra isan’ny manahirana ankehitry ny miteny, na mitondra teny. Indrindra fa raha resaka raharaham-piaraha-monina no andraisanao anjara. Miteny tsy mety ataon’ny mpanohitra ianao dia sokajiana ho olon’ny mpitondra, milaza ny kivalavala ataon’ny mpitondra indray ianao dia lazaina fa hoe mpanohitra. Izany hoe bedy ianao raha vao mitoetra eo anelanelany. Fa na ho tezitra aza aloha ianao mamaky io na hibedy ahy, dia izay tiako ihany io. Metimety ny ataon’ny ankaviako, dia miara-miasa aminy aho, rehefa tsy lanin’ny vavoniko kosa dia kianiko. Dia toy izay koa ny ao ankavanako: manao ny tsara izy dia tohanako, mitady hivarina an-kady dia ahitsiko. Fa izay sarotra anarina kosa kapohako. Mijanona eo afovoany mandrakariva aho izany. Na ho bedy aza! Izay no tiako tsinona k’ah! Raha mety moa hoe izy roa mihitsy no hampiaraka amiko dia sakambiniko amin’ny tanako havia ny mpanohitra, ary entiko amin’ny tanako havanana ny mpomba, satria samy Malagasy daholo anie ireo e! Io tsy fahaizana mampandefitra hambom-po io no hitako ho kilema ratsy eo amin’ny ankabeazan’ny olona. Tonga dia misotro fotsiny ny « Halako hatramin’ny tsinay maintiny », dia izay. Ka na inona na inona hevitra, na zavatra tsara entin’ilay tsy nitovy firehana tamin’ny tena, dia « tsia » avy hatrany foana no asetry azy.Mba tiako ho hita ny fomba fisainan’ireny olona ireny raha apetraka ambony nosy kely iray anivon’ny ranobe feno voay: olona roa tsy mitovy fihevitra atao anaty lakana iray tsy misy afa-tsy fivoy roa,ny rano koa amin’io lalina tsy takatr’ilay hazo fitondran’ny mpaka fasika ireny. Ny lalana mody anefa tsy maintsy asiana olona. Dia ahoana? Hiara-hiakatra ao anaty lakana, hifanampy hivoy, sa hamela ny iray ho lanin’ny voay fa « raha maty aho, matesa rahavana », sa ahoana? . Enga anie ka mba hahita ny marimaritra iraisana, ka ny lakana hisosa (ny lakana eto dia anehoako ny firenena, na dia hiadana fisosa aza), ary ny olona tsy hisy ho faty (ny olona kosa indray dia ny mpanohitra, ny mpomba ny fitondrana, ny valalabemandry).Gaga angamba ianareo hoe inona no anton’ny lahatsoratra. Tsotra fotsiny: mahita ireto mpilaza vaovao mpomba ny fitondrana, mandranitra fotsiny ny saim-bahoaka ireto isan’andro aho ka leo, tena leo! Misy dia tsy manana hatao isan’andro afa-tsy ny mamorona lahatsoratra hamelezana na hanaratsiana an-dranona sy ranona. Fa mba rahoviana ilay fisainana hoe « esprit critique », sy « critique constructive » vao ho hainareo mpanao gazety ireny ampidirina sy hitaizana vahoaka e? (Tsy ny mpanao gazety rehetra kosa aloha no kianiko eto an! Aoka hahatsapa tena izay tokony hahatsapa tena). Sa dia izany tokoa no fomba filalao ity politika ity fa izaho no tsy mahay? Izaho mantsy tsy mpilalao io taranja iray io, koa aza gaga raha tsy haiko hatramin’ny fitsipi-dalao.