Asandrato ny feonao ! #raiseyourvoice

#RaiseYourVoice Asandrato ny feonao ! Izay no lohahevitra voizin’ny andron’ny bilaogy androany (#blogactionday  #‎Oct16‬ ‪#‎BAD2015‬ )

Asandrato ny feonao! Asandratra ho an’iza anefa? Ho an’ny mpitondra ihany ve? Ho an’ny mpiray firenena? Ho an’ny eto anatiny irery? Sa ho an’izao tontolo izao?

Isan’ireo tsy mba nanaiky, ary tsy manaiky sy tsy hanaiky ny hangina aho isak’izay misy zavatra fantatro fa tsy rariny ary tokony hanandratako ny feoko! Tsy manoloana ny herisetra ara-nofo atao amin’ny hafa ihany anefa, fa izay rehetra mety ho endrik’izany herisetra izany (ara-tsaina, ara-panahy koa). Ary tsy anavahako toerana ihany koa!

Zavatra iray isan’ny nahataitra ahy ny fanakànana ahy tsy ho afaka intsony manaitra (mandefa notification) ho an’ny pejy Facebook-n’ny Fiadidiana ny Repoblika. Tany aloha anefa dia tsy nisy izay olana izay. Fanaoko mantsy izany isaky ny misy zavatra tiako hampahafantarina azy ireo sy hisarihana manokana ny sainy momba ny fiarahamonina sy ny fiainana andavanandron’ny Malagasy. Asa inona loatra no antony? Izay izaho ve dia tokony ho atahorana? “Vitsika itsahako aza tsy maty”, hoy ny namako rehefa mivazivazy iny. Koa dia gaga ny tena.

Sakafo iainan’ny Malagasy izao ny fahatapahan’ny herinaratra maharitra ora maro, ary tena maharitra ora maro tokoa. Tsy misy tsy mitaraina. Mitaraina saingy tsy sahy miteny imasom-bahoaka, mitaraina saingy tsy sahy mihetsika. Satria nahoana? – Matahotra ny hohenjehana sy hifanehatra amin’ny EMMO (fitaovam-panjakana entina hamoretana sy hanampenana ny vavan’izay tsy faly)

Eto anefa aho dia hanandratra ny feoko indray mandeha indray, ho anao Atoa Hery Rajaonarimampianina. Tsy mba vavan’olona hafa, na teny nampitaina mantsy no nanome toky anay vahoaka izay tompon’io fahefana omena tantaninareo io, dia izahay vahoaka izay mandoa ny karamanareo, izahay vahoaka izay ampijalianareo — eny, Andriamatoa, tsy vavan’olona hafa fa ny anao no nanome toky anay sy nilokaloka ary nanizingizina fa fotoana fohy monja no ilainao hanafoanana ny fahatapahan’ny herinaratra (#Delestage). Nanome fepotoana mihitsy aza ianao tamin’izay fotoana izay: 3 volana, 6 volana…Fa toa izahay vahoaka indray ity, raha ny marina, no v(oa)olana am-bolana maro, na an-taonany mihitsy.
Izaho akory tsy milaza hoe tsy nisy ny fahatapahana tany alohan’ny nitondranao. Tsy marina izany, Tena nisy tokoa. Saingy amiko(-nay), ny tenin’olondehibe – ary tsy olonolom-poana ianao—dia tokony homena voninahitra amin’ny alàlan’ny fanatanterahana azy ho asa (fa tsy kabary mitefotefoka sy mihevotrevotra fotsiny). Nampiharinao taminay ny matoritoria fa hanaterana hena, fa hay harona foana tsy misy na inona na inona no teny an-tànanao, dia iny no tianao horaisinay…Tsia, Andriamatoa, tsy ekenay ny tahaka izany. TANTERAHO NY FANOMEZANA TOKY NATAONAO…satria averiko indray, ny vavanao no nilaza io lokaloka io (araka ny hita amin’ny lahatsary etsy ambany) ary tsy olona mamo ianao raha niteny izany fa vory saina tsara mihitsy, araka izany, mahalala ny zavatra lazainy sy hataony.

Matoa anefa aho tsy misalasala manoratra sy mifandray aminareo mpitondra isan-tsokajiny ireo tamin’ny alàlan’itony tambajotra sosialy itony dia tsotra ny antony: satria te-hahita fiovàna mankany amin’ny tsaratsara kokoa, manandratra ny feo mba ho renareo satria isika rehetra manambatra ny herintsika no hahavita zavatra. Zonay ny miteny, tsy hanakiana fotsiny koa anefa, fa mba manolotra hevitra hanaovana zavatra miabo ho an’ny fiarahamonina sy ny firenena. Zonay ny mihetsika mba hitondra fiovàna fa tsy hangina lava hizàka fotsiny izay zavatra miseho (indrindra fa ny tsy mety). Gaga anefa aho fa izay rehetra miteny, ary anisany izaho manoratra, dia tratry ny fanilihana sy ny sivana, mba tsy hilazako hoe fandrahonana mivantana na ankolaka. Sivana iray mahazo ahy izao ny tsy fahafahako intsony mandefa ‘notification’ amin’ny pejy Facebook-nareo Présidence de la République de Madagascar . Tsy olako izany, fa farafaharatsiny mba nahalalako hoe hatraiza no fetran’ny fahaiza-miainan’izay mitantana (ilay pejy sy ny hafa koa aza angamba).

Aleo faranako eo fa sao hiraraka eto daholo ny alahelo tsy zaka rehetra. Fa alohan’ny tena hiatoako dia averiko indray fa maharary ny vahoaka ity fahatapahan’ny herinaratra nolazainao fa hovahanao anaty 3 na 6 volana ity. Efa mianatra mantsy izao ny zanak’ireo ‘mpampiasa anao’ ireo, ka tsinjovy ihany sao tezitra eo ireo vao hosahirana tsy handray karama eo isika rehetra. Miaraka sahirana mantsy avy eo—Azafady! Hay moa tsy ao anaty rakibolanareo ny teny hoe ‘sahirana’ sy ny hoe ‘fahasahiranana’ , fa efa natolotry ny vahokaa niaraka amin’ny fahefana nomeny anareo ny ‘fahafenoana’ sy ‘ fahasambarana’. Azafady fa diso aho tamin’iny.

Ity tsy kiana fa tena zava-nisy: ilay fampanantenana POAKATY NATAONAO

————————————–

Fandraisako anjara misoratra any amin’ny http://www.blogactionday.org

Zon’olombelona Ny Misakafo

(Lahatsoratra nosoratako manokana ho fandraisana anjara amin’ny BLOG ACTION DAY #BAD13 #HumanRights #Oct16 miresaka Zon’Olombelona izy ity, no sady fandraisako anjara ihany koa amin’izao Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Sakafo izao – amin’ny teny Malagasy satria Malagasy no resahana, ary Malagasy no tiana ho tonga saina hanova, hiova).

Anaty vanim-potoana fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana izay ho filoham-pireneny izao ny eto Madagasikara. Maro ny kandidà, maro araka izany koa ny hevitra sy kobaka am-bava miely: ao ny hanova ny hijery manokana ny fanabeazana ka hanova ny tetiandrom-pampianarana mba hifanaraka amin’izay tena zava-misy iainana eto, ao ny hanao fahagagana hanova ny fiainan’ny tsirairay ao anatin’ny 100 andro.

Ndeha hanaovantsika tsipalotra kely monja ny resa-pifidianana (izay tsy dia nahaliana ahy loatra ny hanoratra mikasika azy hatreto), alohan’ny tena hidirana amin’ny tena tiana hampitaina.

Vola an-tapitrisa, lavitrisa maro no afafy etsy sy eroa, eny fa na dia fantatra izao aza fa tsy ho lany akory ilay mpirotsaka. Asa angaha na inona loatra no tiana hoporofoina amin’izany. Dia samy milaza ho tia tanindrazana sy tia ny Malagasy avokoa izy rehetra mandritra izany fotoana izany. Tena tia tokoa ve?

Tsy ireo mpirotsaka ireo ihany anefa no tokony haneho izay fitiavan-tanindrazana izay, fa ny olom-pirenena tsirairay mihitsy.

Amin’ny fomba ahoana anefa?

Betsaka tao anatin’izay fotoana ela niainana tao anaty krizy izay no nikororosy ny fiainany, ny fiainan’ny ankohonana manontolo mihitsy. Isan’ny zavatra niantraika mafy tamin’ny maro ny fahaverezan’ny asa fivelomana. Rehefa tsy misy intsony, na tsy maharaka ny vola raisina, dia miafara amin’ny famerana ny sakafo hanina raha mbola tiana ny hanana tafo hialofana, saingy rehefa tena tratry ny hazakazaka arahan-tosika, ka sady efa tsy mihinana no mbola dodosan’ny tompon-trano amin’ny resaka hofan-trano tsy voaloa, dia eny amoron-dàlana no iafaràna. Na maty mitsingoana eny an-dàlana noho ny fahatapahan’ny lalàn-drà. Tsy vitsy no lasa adala, na misafidy ny hamono tena mihitsy.

Nitombo ny 4’Mi

Na dia tsy antontan’isa aza no haroso, dia angamba samy nahita sy nahatsapa ny rehetra fa nitombo tsy nisy toy izany ny mpatory an-dalàmbe, diso fantatry ny maro amin’ny hoe 4’Mi. Fitsimponana sy fifantenana izay fako heveriny fa mety mbola hahitany rirany sisa no iveloman’izy ireny. Karohana ao daholo izay karazany mbola azo tsimponina sy hatokotoko hamidy (-raha hisy hividy koa!), fa indrindra indrindra, ny sakafo nariantsika tokantrano afaka misakafo ara-dalàna. Misy amin’ireny sakafo ireny no efa lò, na mifangaro tsotra izao amin’ny maloto (aleo vantanina : tain’alika). Saingy noho ny aina tsy maintsy tazonina mandritra iny andro nanaovana fikarohana sy niandrandràna ilay màna avy amintsika iny, dia ikimpian’ireto 4’Mi ireto izany, ka fantenany ihany, ary entiny ahontsana sy tantavanina eny amin’izay toerana ahitàny rano maimaim-poana, mba hanavahana izay azo harapaka. ‘Dain’, hoy ny fitenintsika rehefa mahita an’izany, misy ny tonga dia manodina ny lohany satria tsy te-hijery. Fa androany kosa aho, miantso anao ka hoy aho hoe: Jereo, saino ary takaro ny tontolo androny. Ampio izy

Ampio izy

Fomba azontsika tsirairay atao hanampiana ireny olona ireny ny fanasokajiantsika ny fako ariana: mba atokàno anaty haronkely plastika ny ambin-tsakafonao tsy hifangaro amin-javatra hafa mety ho poizina hanaisotra ny ain’izy ireny. Mampalahelo ery anie izany mahita an-dry zareo miady an’iny fako kely naterinao iny , rehefa injay tonga ilay ora fanariana azy e. Manoatra noho ny miaro volamena tsy ho lasan’ny mpanendaka. Fihetsika faran’izay kely sy tsotra izay fanasokajiana ny fako izay, ary iriko indrindra raha mba vitanao, vitantsika tsirairay, ka na tsy ho hanim-pitoloha aza, ho an’ireo 4’Mi mifandrombaka hahazo azy, dia efa mba tohan’aina kosa hiatrehany ny anio-ny sy hiandrasany ny ampitsony, dia ilay ampitsony mbola manjavozavo sy ankamantatra.

Asa raha nahatsapa ianareo mpamaky fa na ny mpianakavy aza izao efa sadaikatra ihany raha sendra tratry ny tsy maintsy handalo any an-tokatranon’ny hafa any, ao anaty ora fisakafoanana. Rehefa tsy ianao mantsy no mitsara tena , dia ny mpampiantrano kosa no manao fihetsika ankolaka mandroaka anao mba tsy hizaràna ny iray lovia. Very  ilay foto-pisainana fahiny manao hoe ‘Ny sakafo masaka tsy misy tompony’. Lasa sarotra an-kanina ny maro…Sao lava loatra fa aleo ajanoko eo

Fifidianana

Hiverenako kely ity resaka ity, satria dia ankoatra ny fahaverezan-jo tsy hanana ny sakafo sahaza azy, dia mbola very zo tsy manana toeram-ponenana ara-dalàna, tsy misoratra anaty lisitra ary tsy ho afaka haneho ny safidiny koa ny maro amin’ireny olona mpatory an-dàlana ireny. Tsy manana fiahiana ara-pahasalamana, tsy afaka mampiana-janaka. Betsaka tena betsaka ny zony no very sy voahosihosy.  Dia ahoana izany ry kandidà isany a?

Mba tiako ho fantatra ny tetika hanovàna ny fiainako ao anatin’ny 100 andro, tsy ny ahy mantsy e, fa ny an’ireo mpatory an-dàlana.

Ny ‘Herin’ny ISIKA’ na ny #powerofwe

Fanao isan-taona ny BLOG ACTION DAY, efa maro ny lohahevitra nentina nanamarika izany isan-taona, fa ny HERIN’NY ISIKA kosa na #POWEROFWE no nofinidy ho entina mankalaza ity taona 2012 ity.
Toa tsara petraka tokoa ilay lohahevitra ho anay eto amin’ny bilaogy Gazety_Adaladala satria isan’ny hery lehibe nentinay nanatanteraka fifanohanana sy famonjena ny sahirana ny ISIKA hatreto. ISIKA  (‘WE’ amin’ny teny Anglisy), satria na nisy tokoa aza ny hetaheta sy fanirianay hanao izay tratra ho fanampiana ny olona niantefan’izany famonjena noeritreretina izany, dia tsy ho efanay samirery noho ny hasarotry ny asa sy ny dingana tsy maintsy ho lalovan’ilay raharaha nirotsahana.

Raharaha inona tokoa?

Angamba hoy ny sasany hoe ianareo no te-hila raharaha toa an-Rainizafilemena any! – Ho valin’izay kosa anefa dia hoy izahay hoe Tsy misy ny mahavita tena, ary ny Soratra Masina aza mandrisika ny manana hanolotra ho an’ny osa.

Noho ny finoanay io teny hoe ISIKA io, dia niroso izahay, nandray an-tànana zaza iray nila vonjy amin’ny fitsaboana tsy maintsy hatao aminy, nefa tsy efan’ireo nahitany masoandro, noho ny maha-fianakaviana tantsaha sy tsy manana fidiram-bola hisahanana ny lany amin’izany. Ny tranga mahazo an’i RALIVAO Fitahintsoa Joséphine no tiana hambara. Mety ho efa renao ihany angamba.

Noho ny fitokianay ilay ISIKA dia tsy natahotra izahay, ary dia vita ny dingana voalohany, Scanner + Echo + Radio + Chimio sns…

Noho ISIKA mpinamana tsy mifanary, na ny eto an-tanindrazana, na ny any ampita (Frantsa, Canada, Italie, USA, sns… tsy ho voatanisa) dia mbola ambony ny fanantenanay fa ho tontosa hatramin’ny farany ny fitsaboana efa natomboka.

Noho ny HERIN’NY ISIKA nifikiranay dia mizotra tsara ny fandraisana andraikitra natao, ary mbola noho ISIKA dia matoky ny ampitso mamiratra ireo sahirana sendra mifanojo amin’ny lalan-tSIKA.

Meteza ary ISIKA mba ho ny AMPITSO, ary ny HERIN’NY ISIKA no ‘ndeha ho entina manatratra ny tanjona. Tsy hisaratsaraka, na hanava-tena, fa hanambatra ny hery sy hiray hina kosa (#powerofwe, #BAD12,#Power of we, #Oct152012)

Tanisa kely ho entina mamarana ny lahatsoratra

« Rire souvent et beaucoup, mériter le respect des gens intelligents et leur affection , gagner l’estime des critiques honnêtes et endurer les trahisons de ceux qui ne sont pas de vrais amis, apprécier la beauté, trouver ce qu’il y a de mieux chez les autres, laisser derrière soi un monde un peu meilleur, savoir qu’une vie seulement a respiré plus facilement grâce à vous, voilà ce qu’est la réussite » – Anthony Robbins