Zon’olombelona Ny Misakafo

(Lahatsoratra nosoratako manokana ho fandraisana anjara amin’ny BLOG ACTION DAY #BAD13 #HumanRights #Oct16 miresaka Zon’Olombelona izy ity, no sady fandraisako anjara ihany koa amin’izao Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Sakafo izao – amin’ny teny Malagasy satria Malagasy no resahana, ary Malagasy no tiana ho tonga saina hanova, hiova).

Anaty vanim-potoana fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana izay ho filoham-pireneny izao ny eto Madagasikara. Maro ny kandidà, maro araka izany koa ny hevitra sy kobaka am-bava miely: ao ny hanova ny hijery manokana ny fanabeazana ka hanova ny tetiandrom-pampianarana mba hifanaraka amin’izay tena zava-misy iainana eto, ao ny hanao fahagagana hanova ny fiainan’ny tsirairay ao anatin’ny 100 andro.

Ndeha hanaovantsika tsipalotra kely monja ny resa-pifidianana (izay tsy dia nahaliana ahy loatra ny hanoratra mikasika azy hatreto), alohan’ny tena hidirana amin’ny tena tiana hampitaina.

Vola an-tapitrisa, lavitrisa maro no afafy etsy sy eroa, eny fa na dia fantatra izao aza fa tsy ho lany akory ilay mpirotsaka. Asa angaha na inona loatra no tiana hoporofoina amin’izany. Dia samy milaza ho tia tanindrazana sy tia ny Malagasy avokoa izy rehetra mandritra izany fotoana izany. Tena tia tokoa ve?

Tsy ireo mpirotsaka ireo ihany anefa no tokony haneho izay fitiavan-tanindrazana izay, fa ny olom-pirenena tsirairay mihitsy.

Amin’ny fomba ahoana anefa?

Betsaka tao anatin’izay fotoana ela niainana tao anaty krizy izay no nikororosy ny fiainany, ny fiainan’ny ankohonana manontolo mihitsy. Isan’ny zavatra niantraika mafy tamin’ny maro ny fahaverezan’ny asa fivelomana. Rehefa tsy misy intsony, na tsy maharaka ny vola raisina, dia miafara amin’ny famerana ny sakafo hanina raha mbola tiana ny hanana tafo hialofana, saingy rehefa tena tratry ny hazakazaka arahan-tosika, ka sady efa tsy mihinana no mbola dodosan’ny tompon-trano amin’ny resaka hofan-trano tsy voaloa, dia eny amoron-dàlana no iafaràna. Na maty mitsingoana eny an-dàlana noho ny fahatapahan’ny lalàn-drà. Tsy vitsy no lasa adala, na misafidy ny hamono tena mihitsy.

Nitombo ny 4’Mi

Na dia tsy antontan’isa aza no haroso, dia angamba samy nahita sy nahatsapa ny rehetra fa nitombo tsy nisy toy izany ny mpatory an-dalàmbe, diso fantatry ny maro amin’ny hoe 4’Mi. Fitsimponana sy fifantenana izay fako heveriny fa mety mbola hahitany rirany sisa no iveloman’izy ireny. Karohana ao daholo izay karazany mbola azo tsimponina sy hatokotoko hamidy (-raha hisy hividy koa!), fa indrindra indrindra, ny sakafo nariantsika tokantrano afaka misakafo ara-dalàna. Misy amin’ireny sakafo ireny no efa lò, na mifangaro tsotra izao amin’ny maloto (aleo vantanina : tain’alika). Saingy noho ny aina tsy maintsy tazonina mandritra iny andro nanaovana fikarohana sy niandrandràna ilay màna avy amintsika iny, dia ikimpian’ireto 4’Mi ireto izany, ka fantenany ihany, ary entiny ahontsana sy tantavanina eny amin’izay toerana ahitàny rano maimaim-poana, mba hanavahana izay azo harapaka. ‘Dain’, hoy ny fitenintsika rehefa mahita an’izany, misy ny tonga dia manodina ny lohany satria tsy te-hijery. Fa androany kosa aho, miantso anao ka hoy aho hoe: Jereo, saino ary takaro ny tontolo androny. Ampio izy

Ampio izy

Fomba azontsika tsirairay atao hanampiana ireny olona ireny ny fanasokajiantsika ny fako ariana: mba atokàno anaty haronkely plastika ny ambin-tsakafonao tsy hifangaro amin-javatra hafa mety ho poizina hanaisotra ny ain’izy ireny. Mampalahelo ery anie izany mahita an-dry zareo miady an’iny fako kely naterinao iny , rehefa injay tonga ilay ora fanariana azy e. Manoatra noho ny miaro volamena tsy ho lasan’ny mpanendaka. Fihetsika faran’izay kely sy tsotra izay fanasokajiana ny fako izay, ary iriko indrindra raha mba vitanao, vitantsika tsirairay, ka na tsy ho hanim-pitoloha aza, ho an’ireo 4’Mi mifandrombaka hahazo azy, dia efa mba tohan’aina kosa hiatrehany ny anio-ny sy hiandrasany ny ampitsony, dia ilay ampitsony mbola manjavozavo sy ankamantatra.

Asa raha nahatsapa ianareo mpamaky fa na ny mpianakavy aza izao efa sadaikatra ihany raha sendra tratry ny tsy maintsy handalo any an-tokatranon’ny hafa any, ao anaty ora fisakafoanana. Rehefa tsy ianao mantsy no mitsara tena , dia ny mpampiantrano kosa no manao fihetsika ankolaka mandroaka anao mba tsy hizaràna ny iray lovia. Very  ilay foto-pisainana fahiny manao hoe ‘Ny sakafo masaka tsy misy tompony’. Lasa sarotra an-kanina ny maro…Sao lava loatra fa aleo ajanoko eo

Fifidianana

Hiverenako kely ity resaka ity, satria dia ankoatra ny fahaverezan-jo tsy hanana ny sakafo sahaza azy, dia mbola very zo tsy manana toeram-ponenana ara-dalàna, tsy misoratra anaty lisitra ary tsy ho afaka haneho ny safidiny koa ny maro amin’ireny olona mpatory an-dàlana ireny. Tsy manana fiahiana ara-pahasalamana, tsy afaka mampiana-janaka. Betsaka tena betsaka ny zony no very sy voahosihosy.  Dia ahoana izany ry kandidà isany a?

Mba tiako ho fantatra ny tetika hanovàna ny fiainako ao anatin’ny 100 andro, tsy ny ahy mantsy e, fa ny an’ireo mpatory an-dàlana.

Une Réponse

  1. Ho ampiako ianao handinika an’io,
    ireo efa avy nitondra aloha dia efa hitanao ny nataony ary aza adino fa teo ianao.
    force one II tamin’i davidson, camille 4 taona PM, pierrot teo koa, robinson,etc… halalino tsara hoe inona ny nataony ho an’i Madagasikara????? tsy fisetrasetrana tamin’ny 4X4 ve?fitsidihana faritra arahina fety sy tsinjaka isan-karazany? ahoana no tsy nahitany ny fiainanao tany? dia inona anefa ny setrin’izany?
    raha izaho aloha dia ireo efa teo tsy averiko eo intsony e!
    io fampanantenana io efa fanao na teo amin’ny fitondrana aza fa mba mila hovaina le fomba fijery. Ravalomanana izany diniho ny nanaovany an’i Freres teo Ambohijanahary nefa ireo no mpamatsy ny mpivarotra rehetra teto Madagasikara hatrany amin’ny faritra raha te hanao trosa. Aoka ho tony ny Gasy ary handinika mifidy

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :