Fandikana Teny Ho Malagasy Azo Atao Amin’ny Google Trad

Hafaliana tokoa ny nahita fa efa azo atao izao ny mandika ny tenim-pirenena hafa ho lasa teny Malagasy.
Deraina etoana ireo andiany, na tarika tao ambadik’izany asa goavana izany. Manolotra fisaorana manokana ho azy ireo ny tena, amin’ny maha-mpitantana ity bilaogy #Gazetyavylavitra ity, sy ny #GlobalVoicesOnline amin’ny fiteny Malagasy (GVOM).

Ezaka isan’ny nimasoanay tao amin’ny GVOM tokoa mantsy ny hametraka io bilaogy itambarambe io ho sehatra iray hitahirizana ny tenintsika Malagasy ho hitan’ireo taranaka fara handimby any aoriana – raha sanatria ka ho atelin’ny fanontolana – ka sady mianatra ny teniny ny taranaka, no manovo fahalalàna avy amin’ireo vaovao manerana ny lafivalon’izao tontolo izao.

Rehefa nahita ny fahatongavan’ny teny Malagasy ao anatin’ny Google Trad anefa ny tena, dia faly, tena faly, satria efa midika izany fa tsy ho very ny teny Malagasy – na mety ho simban’ny vary amin’akotry ampiasain’ny andian-taranaka ankehitriny ihany aza – fa ho voatahiry, ary hahatonga ny firenena hafa hametraka fanontaniana momba ny fisiany, ny toerana itenenana azy, sy ny maro tsy voatanisa.

Tsara sy mendrika dera ilay finiavana. Na izany aza anefa, hita hatrany fa tsy mbola misy mahasolo ny atidohan’ny zanak’olombelona raha mbola fanaovan-javatra. Toy ny fandikàna ireo tenim-pirenena hafa mantsy, dia mbola ilaina hatrany ny atidoha handamina sy handrindra ny fipetraky ny voanteny tsirairay, na hanitsy sy hanova tanteraka izay dikanteny azo avy aminy.

Sitraka indrindra raha mba mifandray aminay ireo izay nahavita nanao azy io, fa mba te-hahafantatra bebe kokoa ny momba azy izahay, no sady te-hizara izany  koa ho an’ny mpiray tanindrazana.

Mbola hafa ihany ny hoe ‘olona tena olona’ no mandika an!

Fandikan’ny Google Trad ho amin’ny teny Malagasy:

Anglisy => Georgia’s national currency, the lari, has been weakened by « internal and external factors » according to the country’s central bank, leaving it languishing as the butt of online jokes.

Malagasy=> Georgia vola-pirenena, ny Lari, dia malemy ny « lafin-javatra anatiny sy ivelany » araka ny firenena banky foibe, ka namela azy ho toy ny vody hitsaboana an-tserasera vazivazy.

14 Desambra 2014 · Antananarivo ·

#WakeUpMadagascar #Anosy 06122014

Nanentana antsika ho tonga haneho ny tsy fahazakàna ny zava-misy iainana isanandro efa mila hahasempotra ny Wake UpMadagascar. Tsy nampitsanga-menatra azy ireo ny isan’ny olona namaly ny antso na tsy voahodidina tanteraka aza ny farihy.

DSC_0054

Mety hoe kely angamba hoy ny nahita, saingy inoana kosa fa tafita ny hafatra. Tsara fidy rahateo ilay toerana teo anoloan’ny fiatoan’ny taxibe Anosy, akaikin’ny tranon’ny fampielezampeom-pirenena #rnm.
DSC_0075

Araka ny lahatsoratra nalefa ho anao mpamaky, talohan’ito, dia isan’ireo vahiny efa nandrasana teny an-toerana ny polisy (tsy dia tiako intsony ny mampiasa ilay fiteny hoe mpitandro filaminana #EMMO, raha mbola ny eto an-tanàna no resahana), nalefan’ireo mpifehy (ho solon’ny hoe mpitondra koa io).

DSC_0066

DSC_0077

Fa maninona tokoa moa no ataoko hoe « mpifehy » ?

Mpifehy satria dia tena miezaka tokoa mifehy sy mitazona ny vahoaka ho eo ambanin’izay fifehezany izay. Anisan’izany ny resaka fifehezana ny serasera izay tsy nanjary mihitsy nanomboka omaly, nitohy hatramin’ny aninkeheo maraina, ary niverina tsara indray rehefa vita soa aman-tsara ny hetsika teny Anosy.

Vita soa ny androany ho an’ny WUM.  Ary isaorana ireo tonga nijoro tamim-pahasahiana. Sahy haneho ny heviny, sahy hanaitra amin’ny zavatra tsapany fa mila amboarina mba hanarenana ny fireneny. Tsy nanan-tahotra mba handefa hafatra ho an’ireo « mpifehy » hilaza amin’izy ireo fa misy ny olana tokony hovahàna.

DSC_0030

Ary ianao , mba ahoana?

Olom-pirenena manana hevitra ve ianao? Olom-pirenena mahatsapa fa misy mangidy tsy telina zakainao, na tsy isan’andro aza, fa matetika? Ataovy izay mba azonao atao hanarenana an’i Madagasikara. Tsy hiandry lava ny sasany hanao izany amin’ny toeranao ka hifanipitsipy andraikitra. Ny hoavinao, ny hoavin’ny taranakao no jereo.

DSC_0031

Androany dia ny resaka fahatapahan-jiro sy rano (#delestazy #jirama) no tena hita nisoratra betsaka tamin’ireo takela-taratasy nolanjain’ireo mpandray anjara, saingy tsy voafetra ho amin’izany ihany ny hetsika #WUM tahaka izao raha ny fahafantarako ity hetsiky ny olom-pirenena miainga avy ao amin’ny Facebook ity. Azonao atao tsara ny maneho endrik’olana hafa ankaotra izay.

DSC_0063

Aoka izay ny bla bla lavabe fa aleo mba hijery sary ary isika e! Mankafiza

DSC_0065

 DSC_0032

DSC_0037

DSC_0038

DSC_0041

DSC_0059

Fampanginana ny #WakeUpMadagascar – Fanampenam-bava Ny Serasera

Ny rehetra no nahamarika fa hatramin’ny omaly efa alim-be (05 Desambra 2014) dia faran’izay nanahirana tokoa  ny niditra tamin’ny tontolon’ny serasera (ny #TELMA #Moov aloha no tsikaritro, fa tsy haiko ny tambajotra hafa). Ny alina tokoa mantsy no mba afaka manokana fotoana betsaka kokoa hanarahana izay mitranga sy hifaneraserana ny ankamaroan’ny vahoaka.

Rehefa nifoha io maraina io indray dia izao no zavatra tsikaritra: afaka miditra amin’ny tontolon’ny aterineto ianao, saingy nobahanana ny fidiranao amin’ny #Facebook (tsy tapaka tanteraka fa nohasarotina). Marihako mihitsy hoe ny fidirana amin’io sehatra iray io no nobahanana (niniana amiko fa tsy hoe antony ara-teknika) satria izay tambajotra hafa rehetra fampiasako isanandro (mavesatra lavitra noho ny FB aza) dia azo nidirana vetivety daholo.

Tahotra:

Efa andro maro ihany koa no niarahan’ny rehetra nahafantatra ny fisian’ny fanentanana nataon’ny #WakeUpMadagascar ho an’ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka, mba ho avy hanao tohivakana manodidina ny farihin’ #Anosy haneho ny tsy fahazakàna intsony ny fahatapahan-jiro sy rano #JIRAMA manjo matetika ny vahoaka. Sady ho fanairana ihany koa ny mpitondra momba ny hirifiry zakain’ny vahoaka.

Raha ny lamina tany aloha (izay tsy nisy fanovàna hatreto) dia anio Sabotsy 06 Desambra 2014 amin’ny 10 ora no hanaovana izay tohivakana izay. Kisendrasendra angamba hoy ianao no nifandrifian’ireo rehetra ireo. Tsia kosa anefa hoy aho!

Tsy kisendrasendra ny fibahanana ny fidirana Facebook (FB) nanomboka omaly Zoma, nitohy androany Sabotsy. Hetsika niainga avy tao anaty FB ny Wake Up Madagascar. Tsy vitsy ny olona no nahita ny hafatra (na dia tsy nilaza mivantana ny heviny teo amin’ilay pejy aza). Nifampizaràna rahateo tany anaty vondrona (groupes) isankarazany tany ny fisiana sy ny antom-pisian’ilay hetsika, izay efa nomarihana fa hatao am-pilaminana. Nasain’ny mpikarakara ny hetsika mihitsy aza ny EMMO mba ho tonga eny an-toerana ka hamerina ny olona izay midina anaty arabe, hiverina hiakatra eny ambony trottoir natao ho an’ny mpandeha an-tongotra. Tanjona amin’izany ny tsy hanelingelenana ny fifamoivoizana sy ny hahitàna izay miketrika korontana.  Tsy kisendrasendra, hoy aho, ilay fibahanana satria atahoran’ny mpitondra fanjakana fa sao mbola ho be no hahita ny hafatra ka ho avy hamaly ny antso; atahoran’ny fanjakana fa sao tena ho sahy hatramin’ny farany tokoa hiroso hanatanteraka ny hetsika ireo mpikarakara; atahoran’ny fanjakana fa sao ho vanja handrehitra ny afon’ny lonilonim-bahoaka efa nihotrika ela io.

Lonilony mihotrika:

Efa ela tokoa ny vahoaka no nilaza fa leo, efa ela no niaritra mangina, ary malaza loatra amin’ny fahendrena sy fahaizana miaritra ‘treffle’ amin’izay rehetra mitranga. Hatramin’izay anefa dia nifori-dava tsy niteny, ary samy nahita ireo rehetra nifandimby nitondra ity firenena ity, fa rehefa io vahoaka niaritra ‘trefle’ io no mitroatra, dia efa ratsy izay no fiafaran’ny tantara. Koa io loinilony nihotrika ela tany anaty fiarahamonina io no heveriko (izaho manoratra) ho antony iray nanosika ny Wake Up Madagascar hanaitra ny sain’ny maro. Io lonilony nihotrika ela io no mbola heveriko fa tian’ny mpifehy hampanginina mba tsy hihitatra lavitra fa sao hanapaka ny tongon-tsezany; io lonilony nihotrika ela io no mbola eritreretiko koa ho ao ambadiky ny fibahanana ny FB manjo ny maro nanomboka omaly ka mitohy androany.

Fomba hafa:

Entaniko ianareo rehetra izay afaka manao izany mba hikarokaroka sy hifanontany, hitady fomba hafa hifampizaràna vaovao sy fanentanana, satria misy tokoa izay fomba hafa izay, izay tsy hotononiko eto fa sao dia hosakanany eo koa sanatria. Tsy hoe manentana anao hanatrika ny hetsika androany akory no tanjoko amin’ny fanoroana anao hoe misy fomba hafa, fa fanoroako anao hoe « Zonao ny hahalala vaovao, zonao ny ho afaka hikaroka sy haharay izany vaovao izany », ka ny fanakànana anao toy izay mitranga ankehitriny tsy ho afaka hanatrika na miserasera amin’ny manodidina anao, dia fanimbazimbàna ny zo fototra omen’ny lalam-panorenana anao. Koa raiso fa « Anao ny fitenenana »

Fomba fanao:

Tsy i Madagasikara akory, na ny Wake Up Madagascar, no voalohany nampiasa ny fomba fanaovana tohivakan’olombelona mba ho fanehoana AM-PILAMINANA ny tsy fahafaliana, na ho fanairana. Firenena maro maneran-tany no efa nanao izany, vahoaka maro sesehena no efa nampihatra izany, ary isan’ny vahoaka iharan’ny tsy fetezan-javatra ihany koa na ny mpitandro filaminana aza, ka dia namela ireny hetsika ireny hizotra am-pilaminana. Tsy voatery hanao herisetra akory vao ho fantatra fa hoe NIHAINO NY VAHOAKANY NY MPIFEHY.

Avylavitra (http://mg.globalvoicesonline.org)