Fampanginana ny #WakeUpMadagascar – Fanampenam-bava Ny Serasera

Ny rehetra no nahamarika fa hatramin’ny omaly efa alim-be (05 Desambra 2014) dia faran’izay nanahirana tokoa  ny niditra tamin’ny tontolon’ny serasera (ny #TELMA #Moov aloha no tsikaritro, fa tsy haiko ny tambajotra hafa). Ny alina tokoa mantsy no mba afaka manokana fotoana betsaka kokoa hanarahana izay mitranga sy hifaneraserana ny ankamaroan’ny vahoaka.

Rehefa nifoha io maraina io indray dia izao no zavatra tsikaritra: afaka miditra amin’ny tontolon’ny aterineto ianao, saingy nobahanana ny fidiranao amin’ny #Facebook (tsy tapaka tanteraka fa nohasarotina). Marihako mihitsy hoe ny fidirana amin’io sehatra iray io no nobahanana (niniana amiko fa tsy hoe antony ara-teknika) satria izay tambajotra hafa rehetra fampiasako isanandro (mavesatra lavitra noho ny FB aza) dia azo nidirana vetivety daholo.

Tahotra:

Efa andro maro ihany koa no niarahan’ny rehetra nahafantatra ny fisian’ny fanentanana nataon’ny #WakeUpMadagascar ho an’ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka, mba ho avy hanao tohivakana manodidina ny farihin’ #Anosy haneho ny tsy fahazakàna intsony ny fahatapahan-jiro sy rano #JIRAMA manjo matetika ny vahoaka. Sady ho fanairana ihany koa ny mpitondra momba ny hirifiry zakain’ny vahoaka.

Raha ny lamina tany aloha (izay tsy nisy fanovàna hatreto) dia anio Sabotsy 06 Desambra 2014 amin’ny 10 ora no hanaovana izay tohivakana izay. Kisendrasendra angamba hoy ianao no nifandrifian’ireo rehetra ireo. Tsia kosa anefa hoy aho!

Tsy kisendrasendra ny fibahanana ny fidirana Facebook (FB) nanomboka omaly Zoma, nitohy androany Sabotsy. Hetsika niainga avy tao anaty FB ny Wake Up Madagascar. Tsy vitsy ny olona no nahita ny hafatra (na dia tsy nilaza mivantana ny heviny teo amin’ilay pejy aza). Nifampizaràna rahateo tany anaty vondrona (groupes) isankarazany tany ny fisiana sy ny antom-pisian’ilay hetsika, izay efa nomarihana fa hatao am-pilaminana. Nasain’ny mpikarakara ny hetsika mihitsy aza ny EMMO mba ho tonga eny an-toerana ka hamerina ny olona izay midina anaty arabe, hiverina hiakatra eny ambony trottoir natao ho an’ny mpandeha an-tongotra. Tanjona amin’izany ny tsy hanelingelenana ny fifamoivoizana sy ny hahitàna izay miketrika korontana.  Tsy kisendrasendra, hoy aho, ilay fibahanana satria atahoran’ny mpitondra fanjakana fa sao mbola ho be no hahita ny hafatra ka ho avy hamaly ny antso; atahoran’ny fanjakana fa sao tena ho sahy hatramin’ny farany tokoa hiroso hanatanteraka ny hetsika ireo mpikarakara; atahoran’ny fanjakana fa sao ho vanja handrehitra ny afon’ny lonilonim-bahoaka efa nihotrika ela io.

Lonilony mihotrika:

Efa ela tokoa ny vahoaka no nilaza fa leo, efa ela no niaritra mangina, ary malaza loatra amin’ny fahendrena sy fahaizana miaritra ‘treffle’ amin’izay rehetra mitranga. Hatramin’izay anefa dia nifori-dava tsy niteny, ary samy nahita ireo rehetra nifandimby nitondra ity firenena ity, fa rehefa io vahoaka niaritra ‘trefle’ io no mitroatra, dia efa ratsy izay no fiafaran’ny tantara. Koa io loinilony nihotrika ela tany anaty fiarahamonina io no heveriko (izaho manoratra) ho antony iray nanosika ny Wake Up Madagascar hanaitra ny sain’ny maro. Io lonilony nihotrika ela io no mbola heveriko fa tian’ny mpifehy hampanginina mba tsy hihitatra lavitra fa sao hanapaka ny tongon-tsezany; io lonilony nihotrika ela io no mbola eritreretiko koa ho ao ambadiky ny fibahanana ny FB manjo ny maro nanomboka omaly ka mitohy androany.

Fomba hafa:

Entaniko ianareo rehetra izay afaka manao izany mba hikarokaroka sy hifanontany, hitady fomba hafa hifampizaràna vaovao sy fanentanana, satria misy tokoa izay fomba hafa izay, izay tsy hotononiko eto fa sao dia hosakanany eo koa sanatria. Tsy hoe manentana anao hanatrika ny hetsika androany akory no tanjoko amin’ny fanoroana anao hoe misy fomba hafa, fa fanoroako anao hoe « Zonao ny hahalala vaovao, zonao ny ho afaka hikaroka sy haharay izany vaovao izany », ka ny fanakànana anao toy izay mitranga ankehitriny tsy ho afaka hanatrika na miserasera amin’ny manodidina anao, dia fanimbazimbàna ny zo fototra omen’ny lalam-panorenana anao. Koa raiso fa « Anao ny fitenenana »

Fomba fanao:

Tsy i Madagasikara akory, na ny Wake Up Madagascar, no voalohany nampiasa ny fomba fanaovana tohivakan’olombelona mba ho fanehoana AM-PILAMINANA ny tsy fahafaliana, na ho fanairana. Firenena maro maneran-tany no efa nanao izany, vahoaka maro sesehena no efa nampihatra izany, ary isan’ny vahoaka iharan’ny tsy fetezan-javatra ihany koa na ny mpitandro filaminana aza, ka dia namela ireny hetsika ireny hizotra am-pilaminana. Tsy voatery hanao herisetra akory vao ho fantatra fa hoe NIHAINO NY VAHOAKANY NY MPIFEHY.

Avylavitra (http://mg.globalvoicesonline.org)

 

Publicités

Ny tsianjery maimbon’ny #MOOV sy #TELMA

Feno boloky vraky be ao amin’ny #Moov #TELMA ao an, sady tena hain-dry zareo tsara ny mampamerin-desona azy ireo:
-redemarrer-o aloha ny modem
-vider-o ny cache
-sao marobe ny ordi miasa
-tratry ny limitation 40Go ianao
-tsy mampiasa azy à bon escient
-ping-éo ity sy iroa
-sao mila tokony hosoloina ny prise ery amin’ny modem
-apetraho iny telefaona iny fa hanao verification ligne izahay
-handefa technic(h)iens izahay hijery ny installation
-novaina ny distribution sy Transport
-ny ordi-nao no misy problème fa ny aty aminay mety tsara st misy olana
-mandefasa maila amin’ny service client, indro omena anao n y mailaka handefasanao azy
-firy ny numero de contact hahafahanay miantso anao
.
.
.
santionany ireo fa dia efa an-taonany izao tsy hitako izay fiovàny e.
Rehefa teneninao izy hoe entre 23h sy 05h dy matin, misosa be ny connexion dia izy indray no mizesta hoe: hay ve , hitanao izany… Sahala amin’ny hoe tsy maintsy miari-tory ianao vao afaka manao ny zavatra tokony hataonao
Milay ho’aho ny 8Mega e! , efa mba ahazoana 1Ko à 15Ko /s , na ADSL filaire io, na ilay clé 3G vao nomena ahy nampiasaina nanomboka omaly aza an!

Avy nifanjinja tamin’ny #Moov teo mikasika ity connexion merdique ity, fa angaha izy manaiky ho diso izany e! Tsy manaraka ny norme internationale hono ny zavatra nataony hatramin’izay ka izao vao nampihariny, ka sady tsy mampiasa ny connexion à bon escient aho no tratry ny limitation 40Go. Koa satria ilay ingahy niresaka tamiko maika hody no sady tsy te-hihaino ny menomenoko dia notapahany tsy nasiany sira ny resaka nifanaovako taminy. Tsy adinony kosa anefa ny nilaza tamiko fa mihaino ahy mivantana nandritra ny resakay ny tele sy lehibeny. Hanova zavatra ve anefa izany? Ny fantatro aloha dia sady tsy mahalala fomba manapaka fotsiny ny antsoko, no mpangalatra maka tsy tapaka ny volako any amin’ny banky kanefa tsy manome ahy ny fahafaham-po tandrify an’izay vola sintoniny izay ity orinasa ity.
#Moov maimbo….

Tao amin’ny Facebook: Crédo du Client insatisfait…

Eo ampiandrasana ny tohin’ny tantara « Ssd-Dago sy Moov », dia nisy ity lahatsoratra ity nivoaka tao amin’ny pejy iray fametrahana fitarainana ao amin’ny Facebook. Tazonintsika amin’ny fomba namoahan’ny mpanoratra azy ny lahatsoratra

par LES INSATISFAITS DES PROVIDERS INTERNET, jeudi 26 mai 2011, 07:06

Vendredi matin, à huit heures, nous connaitrons l’issue du désormais fameux différend qui oppose SSD Dago à Moov Madagascar.

24 heures avant que se tienne ce rendez-vous, nous jugeons utile de rappeler les raisons qui nous ont poussés à la création de cette page.

                Nous tenons pour évidentes pour elles-mêmes les vérités suivantes :

  • En signant le contrat d’abonnement avec notre FAI (quel qu’il soit), nous nous engageons à payer en contrepartie du service rendu, un certain montant. Nous sommes tenus de régler nos échéances mais nous exigeons en contrepartie que le fournisseur respecte les promesses qu’il s’est engagé à tenir. Toutes les fois que nous constaterons un manquement à ce fait, nous userons de tous les moyens en notre pouvoir pour lui rappeler les principes fondamentaux qui lient les signataires d’un contrat.
  • Le client –professionnel comme particulier- a le droit d’exprimer sa colère. La constitution, comme la déclaration des droits de l’homme lui reconnait cette prérogative suprême. Nous sommes attachés au principe de la « liberté d’expression ». Cette page restera donc une tribune pour tout un chacun afin qu’il puisse rapporter les problèmes divers qu’il rencontre avec son FAI. Toutefois, les faits rapportés doivent être vérifiés et s’appuyer de preuves concrètes.
  • Nous croyons que l’internet est un espace ouvert et libre. Aussi, nous condamnons avec la plus grande fermeté toutes les actions qui veulent étouffer et réprimer cette liberté. Nous condamnons le bridage des débits, le monitoring sauvage, la tarification excessive appliquée par certains FAI qui empêchent la démocratisation de l’internet. Nous exprimons notre dégoût le plus profond pour les pratiques moyenâgeuses, dignes de l’inquisition, qui ont fait qu’un client mécontent ait du se déplacer au tribunal pour se justifier d’avoir été en colère.
  • Nous rassurons chacune des personnes qui ont rejoint ce groupe. Nous ne vous abandonnerons pas. NOUS N’ABANDONNERONS JAMAIS. Si l’affaire SSDDago a trouvé une issue rapide, c’est grâce à vous, à votre soutien, à votre refus de voir disparaitre les valeurs auxquelles nous sommes attachés, car le courage, la liberté et l’ambition ne sont pas des vices de petits compagnons.

 

  • Enfin, et ce message est pour vous : hotliners, gestionnaires de compte clients, employés du service clientèle et dirigeants de FAI. Nous saurons, si votre mémoire vacille, vous rappeler les promesses que vous nous avez tenus, au moment de la signature du contrat… Il vous appartient de faire en sorte qu’elles soient respectées.

Les Insatisfaits

Raha fintinina maimaika izay voalaza dia miteny ny amin’ny tsy fanajàna n y mpanjifa ataon’ny mpanao tolotra aterineto iray, izay mitondra ny olona maneho ny alahelo sy tsy hafaliany noho ny haratsiana (tolotra sy toetra) nataon’ity FAIity azy (ary tsy izy irery). Voalaza ao ihany koa ny tokony hahatsiarovan’ny FAI fa misy ny fifanarahana (na dia mitongilana betsaka amin’ny antsoina hoe ‘vol autorisé mankany aminy aza), izay tokony harahany sy hajainy.

Marihana fa pejy misokatra ho an’ny daholo be io pejy io ary azon’ny rehetra ametrahana ny hetahetany sy ny fitarainana tiany hampitaina.

Connexion Moov

Mba ho fampahafantarana ny rehetra fotsiny fa tsy i SSD-Dago irery akory no tsy faly sy voadona noho ny zava-nitranga tamin’ny tsy fahalavorarian’ny connexion Moov, fa ireto manaraka ireto koa, izay tsy taiza no nakàna azy fa tao amin’ny Forum Moov mihitsy, noho ny zava-nidona tamin’ny Alahady 01 May 2011. MArihako fa ny 08 May izy ity vao nosintoniko
CONNEXION
Par: faaona njay e
Date: 01 mai 2011 – 10:46
O AVY NDRAY LE CONNEXION

Re: CONNEXION

Par: cliente_moov
Date: 01 mai 2011 – 11:15
Ny aty aminay ko meda bé ..
Re: CONNEXION
Par: faona njay
Date: 01 mai 2011 – 11:40
fa aiza no misy anreo zao??
Re: CONNEXION
Par: faona njay
Date: 01 mai 2011 – 16:20
rovina ndray zao vao iverina ty CONNEXION TY
Re: CONNEXION
Par: datoube
Date: 01 mai 2011 – 16:36
tena degany ty connex ty ka, tsy mahita 1ko/s akory ve nama
Re: CONNEXION
Par: IO NDRAY
Date: 01 mai 2011 – 16:36
IO NDRAY LE MOOV FA MANOMBOKA MANOME LAGY
Re: CONNEXION
Par: leo b
Date: 01 mai 2011 – 16:37
efa ela nga izy io no nanao ôtranio, zay mnako zao vo miconect d eeeeeeeeeeeeeeee !!
Re: CONNEXION
Par: cliente_moov
Date: 01 mai 2011 – 16:52
>leo be: efa hatraminy maraina lol
Re: CONNEXION
Par: esy ee ry 1 Mb e !!!
Date: 01 mai 2011 – 17:55
ndrô d atsafainy namana fotsiny sisa oe zan v ny conexion anà 1 M
Re: CONNEXION
Par: faaona njay e
Date: 01 mai 2011 – 18:03
le androany vita iany fa le demain zao no gidra2 ….tsy mavita asa grrrhhhh
Re: CONNEXION
Par: Elysium
Date: 01 mai 2011 – 18:37
zo fona ve ny atao hoe 1 mega eee hoy ee , fa inona fona io fika mapme io e
Re: CONNEXION
Par: Elysium
Date: 01 mai 2011 – 18:44
SADY TSY AKI KOZIKOZY IO FA TONGA D MAMELY TAMPOKA FONA E
angry smileyangry smiley
Re: CONNEXION
Par: avylavitra
Date: 08 mai 2011 – 07:55
 Ianareo aza vao ny 01 Mai no tratra, fa mba manaova recherche sur Facebook dia karohy ny hoe LES INSATISFAITS DE ….sy ny blogs rehetra mi-traiter an’io sujet momba ny coupure sy lenteur io dia ho feno ny valin’ny fanontanianareo. Asa ity raha hivoaka na hofafan’ny M…Ooov koa. Toa tsy dia zakany mantsy tato ho ato ny kianina.

MOOV DE M… à vous de choisir

Et oui, après le tollé général causé par les coupures injustifiées, les manques de transparences, etc… de la part de ce FAI, je vous livre ici des liens puisés un peu partout sur l’ « affaire Moov vs SSD-Dago »

SSD-Dago n’est autre qu’un blogger parmi tant d’autres. Membre à part entière de la communauté Blogosphere Malgache. Bloggers ou non, on a tous souffert de ces manques de sérieux et d’honnêteté de ce FAI, mais c’est SSD-Dago qui a eu l’idée d’écrire une lettre ouverte à l’OMERT, et a dit ce que nous tous, y compris moi, pensons et endurons presque tous les jours. Moi aussi, j’ai vociféré contre MOOV, mais par téléphone surtout, et peut-etre c’est la raison pour laquelle je ne suis pas assigné, comme c’est le cas de notre ami SSD-Dago

Tous se souviennent surement de mes messages sur Facebook, Twitter etc…, et je n’ai pas oublié d’écrire quelque chose pour le groupe Facebook de Moov sur ce problème. Grande fut ma surprise! Il y à peu près une semaine, tous ces remarques et doléances ont été effacées par le modérateur (-trice) de ce groupe.

textes relatifs:

un des articles de SSD-Dago

MalagasyMir@y (12),   CyberPunkMe,   The Cyber Observer,   Maniac Geek,    wOofer.net,   Madagascar-Tribune.com1, Madagascar-Tribune.com2, scteam.wordpress.com,   Express de Madagascar,   Citoyenne Malgache,   Rovahiga,   Pakysse, LaGazette de la Grande Ile Ariel,

Lettre ouverte pour Moov, par les INSATISFAITS DES PROVIDERS

LETTRE OUVERTE A DTS-MOOV MADAGASCAR

Cher F.A.I –

Comme nous savons que vous venez régulièrement jeter un œil (curieux), par ici, je ne prendrais pas la peine de vous envoyer cette missive par la poste. Après tout, vous avez promis la révolution n’est-ce-pas? Restons donc dans cette optique…

On parle beaucoup aujourd’hui de Ssd-Dago… Un peu partout sur les forums, les blogs, facebook et twitter… Mais , on n’a pas oublié que si tout à commencé c’était bien « à cause » ou « grâce » à vous… La perturbation que vous avez qualifiée de « minime » m’a affecté, comme un bon nombre de personnes… Mais contrairement à Ssd-Dago, je n’ai pas écrit de missive enflammée… Pourquoi cela? Peut-être étais-je trop occupé à gérer les imprévus occasionnés par votre « perturbation minime »: rebrancher le fax du bureau pour pouvoir envoyer des lettres à l’étranger, graver les fichiers à transmettre aux clients comme au fournisseurs, essayer d’expliquer à nos partenaires commerciaux que pour un délai « indéterminé » nous étions revenus à l’âge de pierre et qu’il valait mieux nous contacter directement par téléphone ou se déplacer sur place pour nous demander quelque chose…Je ne sais pas ce que « minime » signifie pour vous, mais pour ma part,  pour les cybercafés qui ont perdu une somme non négligeable pendant cette période,et pour les particuliers qui ont souscrit à vos services,  ce fut -et parce que nous n’avons pas peur des adjectifs- la « merde »…

Quand Ssd-Dago s’énerve et utilise des noms d’oiseau pour qualifier l’état de vos services et la manière dont vous avez géré cette crise, je le comprends… Vous n’avez pas eu à compter sur des clés usb et des dvd pour faire circuler vos informations (avec tout le risque que cela comporte), vous n’avez pas perdu des clients étrangers pour lesquels vous travaillez à distance, vous n’avez pas connu la frustration de ne pas pouvoir discuter avec les êtres chers à l’autre bout du monde, et ce pendant deux longues semaines… Vous vous êtes justes fendus d’un message laconique sur votre site officiel (deux lignes d’abord, avant un semblant de communiqué) et ce plusieurs jours après la survenue de la coupure et bien sur, vous avez facturé les usagers pour un service que vous n’avez pas rendu…

Aujourd’hui vous trainez Ssd-Dago en justice pour « injures et diffamation »… « Injures » alors… Effectivement , quand on vous dit « merde », ce n’est pas parce que l’on vous aime… Mais le service que vous proposez n’est pas disponible, il n’y a aucune communication de votre part, vous ne vous excusez que très tardivement en minimisant les dégâts et vous vous attendez à… ce que l’on chante vos louanges? Pour votre information, c’est bien à Madagascar que vous êtes et non au pays de Candy…Quant à la « diffamation »… Il y a plus de 150 personnes qui sont fans de cette page, l’information circule déjà sur presque tous les réseaux sociaux, et croyez moi, il y en a pas mal(dont moi-même) qui se feront un plaisir de témoigner devant une cour, sur les désagréments plus que « minimes » qu’ils ont subi pendant la période où cet article a été écrit…

Alors pour une fois, je vous prie… d’agir en personne sensée et de vous poser quelques questions:

– Est-ce que cette affaire vous fait de la publicité? Était-ce en bien ou en mal? Serait-ce toujours bénéfique pour vous de poursuivre votre entêtement? Hier, vous passiez pour des « incompétents »… Aujourd’hui, vous représentez la censure et l’étroitesse d’esprit… Qui sait ce que vous serez demain…

– Croyez-vous sincèrement qu’une cour va statuer en votre faveur? Si l’on enlève le mot « merde » de l’article incriminé, le reste peut aisément être prouvé… L’article ne serait plus insultant et une version lissée vous serait encore plus préjudiciable…

Il n’y a pas de texte régissant les publications sur internet à M/scar… Et pour ce qu’il en est de vous, il suffit de faire un tour sur votre forum pour se rendre compte que vous n’êtes pas capable de censurer les insultes(oooops)… Dans ce cas, l’on pourrait dire que vous pratiquez une forme de discrimination (négative ou positive c’est à vous de le définir) étant donné que vous tolérez les écarts sur votre forum et que vous ne les tolérez pas ailleurs… Le verdict n’est d’ailleurs pas encore rendu que vous êtes déjà la cible de la colère de toute la blogosphère, imaginez la suite…

Je vous plaindrais presque, si je ne savais pas que vous vous attaquez à un de vos clients…  que par dessus le marché vous l’accusez d’être de mauvaise foi… Il n’est pas seul détrompez-vous, nous sommes nombreux à payer les factures régulièrement, à appeler le service technique (presque tous les jours) pour nous entendre dire que vous vous occupez du problème, à gérer par tous les moyens possibles (sauf ceux que vous offrez) des problèmes que vous qualifiez de « minimes »…

Au contraire, je vous mets au défi… Trouvez une cour qui acceptera de statuer en votre faveur alors que votre dossier est vide, trouvez des personnes pour compatir à votre « malheur » alors que vous pratiquez la censure et le harcèlement, trouvez le moyen de contenir la colère qui enfle et s’étend partout sur la blogosphère… Ce n’est pas facile n’est-ce pas? Reconnaissez-le, vous êtes dans la M….OOV!!!

Christian Andriamparany

Un Facebooker écrit:

A-t-on seulement le choix ?

par XXXXh, samedi 7 mai 2011, 19:06

Face au tollé soulevé par l’affaire qui oppose Moov Madagascar et un blogueur connu à Mada, difficile de rester par trop indifférent… Mais a-t-on seulement le choix ? Il n’y a que 3 opérateurs Internet principaux à Mada, et celui dont il est question occupe une grande part du marché. Que penser de toutes ces offres ?

http://gasymail.com/15841/moov-internet-revolution/

http://gasymail.com/15839/moov-3g/

Je veux dire: y a-t-il des alternatives meilleures ? Blueline achète à Moov et Orange (donc dépend d’une certaine manière d’eux), Orange est encore trop cher, Life encore incertain. Bref, nous restons encore prisonniers de ces FAI en attendant de trouver mieux..

Le titre  de ce billet est » MOOV DE M… à vous de choisir » entre Mandanderoka, Mandreraka, Mahasoso(tra), et …et… , et je viens de vous donner quelques liens, à vous de choisir.

DTS MOOV manenjika Blaogera

Ity lahatsoratra faran’izay fohy ity dia fanehoana firaisankina amin’ny namana iray mpitoraka bilaogy (blaogera) rohizan’ny DTS MOOV amin’ny raharaham-pitsarana.

Fototr’olana:

Raha nahatsiaro isika rehetra mpampiasa ny tolotr’io orinasa iray io dia RATSY BE ny tolotra tany amin’ny herinandro faharoa tamin’ny volana Martsa tany. Naharitra fotoana ela tokoa izany. Isan’izay nikamenona sy tsy nitsahatra niantso ny mpisahana ny mpanjifa tao amin’io orinasa io ny teto amin’ity bilaogy vakianao ity. Tamin’izany dia nangatahana tamiko daholo ny hoe iza avy ny sites tsidihanao ka tsy misokatra. Rehefa nomena azy ny hoe Globalvoicesonline.org, advocacy.globalvoicesonline.org, mg.globalvoicesonline.org, gazetyavylavitra.wordpress.com, ary hatramin’ny ny Yahoo aza, dia nihevitra ny tena fa hisy fandraisana fepetra manoloana an’izay ka hiverina amin’ny zavatra fanao andavan’andro ny tena. 48 Ora no fotoana nomena. Dia hoy ry zareo:

Piho ny modem (nefa zavatra efa rano fisotroko isanandro io rehefa misy  tsy mazavazava ny fifandraisana), ny tanjona  dia mba hahafahana manome IP vaovao anao.

Nefa indrisy, ny teo ihany no teo.

Tsy herinandro fotsiny  io zavatra io no niseho fa mahery lavitra an’izany aza. Rehefa miantso ny 22 572 76 ianao dia izao no valinteny:

Efa eo ampijerena ny olana izahay

Zavatra nahagaga sy nahazendana ny maro ny tsy fisian’ilay fialantsiny sy fanazavana ny antony raha tsy efa andro maro taty aorian’ny nisian’ilay trangan-javatra nampimenomenona ny mpanjifa. Tsy vitan’ny nampimenomenona fotsiny fa niteraka fatiantoka iray lavaka ho an’ny sasany.

Isan’ireo izay nahateny tamin’ny MOOV aho tamin’ireny fotoan’andro ireny nanao  hoe:

Rehefa tonga ny datin’andro fisintonanareo ny vola any amin’ny kaonty (banky) dia mipingapinga ery ianareo manao izany, ary tsy tara mihitsy. Fa raha ny fahafaham-po amin’ny tolotra, dia tsy misy. Fa sady tsy hajaina ny mpanjifa no tsy misy fanonerana ataonareo rehefa misy ny desagrement tahaka izao

Santionany amin’ny resaka nifanaovako fotsiny io notateriko io. Ary santionany koa amin’ny tsy hafalian’ireo mpanjifa maro any ambadika any tsy manana fahafahana hiteny toy ny antsika sy ianao mamaky io.

Saingy santionany iray hafa tsy zakan’ny DTS/MOOV ny teny nataon’ny namana iray blaogera mikasika izay olana izay, ka dia eny amin’ny fitsarana no niafarany. Izy no nilaza teny am-bovonana ny zavatra nosaintsainin’ny maro any ampony mangiana any. Nanao sorona ny tenany ho fanatsarana ny fomba fitondra antsika mpanjifa. Tokony ho fantatry ny DTS/MOOV fa ao anatin’ireny hatezeran’ny mpanjifa ireny dia misy fitiavana ihany koa: fitiavana hanatsara zavatra, na dia tamin’ny fomba mahzery vaika nentin’ny fo aza no nanaovana azy, fitia tsy te-hanan-dratsy hoy ny Malagasy. Sa tsy Malagasy tokoa moa no mitantana ny DST/MOOV? Azafady raha diso fiantefa ary ny hafatro e!

Androany no niakatra voalohany teo anatrehan’ny fitsarana ny raharaha ary nahemotra ho amin’ny 27 May ny fandinihana azy.

Tahaka izay tsy fahazakan’ny DTS/MOOV azy izay, no tokony koa hahatsapany ny fahasorenana sy  ny tsy fahazakan’ny mpanjifa ny zava-nihatra tamin’izy ireo nandritra ireny fotoana ireny. Ekena fa noho ny fo rano mafana dia mety ho nisy teny tsy ambina tao anatin’ny lahatsoratra navoakany. Nafàna noho ny faharetan’ny tsy fetezana, nafana noho ny tsy fahitana olona manome valinteny mahafa-po amin’ny fangatahana fanazavana natao, nafana noho ny …, noho ny …Saingy mihevitra ve ny DTS/MOOV fa hanatsara endrika azy ny fitondrana ny raharaha eny amin ny fitsarana? Tsia angamba raha ny hevitro, satria vao mainka aza ho karazana Publicité négative ho azy izany. Mihetsika daholo manaraka akaiky ity tranga ity ankehitriny ny blaogera mafana fo rehetra eto amin’ny tanàna. Efa eo ambanin’ny Loupe-n’ireo fikambanana fiarovana ihany koa ny fizotry ny raharaha. Tsy eto amin’ny sehatry ny firenena fotsiny intsony no ilalaovana ankehitriny, fa mety hitatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka ho fantatr’izao tontolo izao ny tantara. Koa hampaninona ny MOOV tokoa moa izany? Tsy mampaninona azy ka! Vao mainka aza ho dokambarotra mba hampiasàn’ny any ampita ny tolotra MOOV koa aza angamba. Enga anie!

Tsy vitsy ny naneho hevitra mikasika an’io tolotra FARAN’IZAY RATSY TAMIN’NY VOLANA MARTSA sy ny taoriany io. Koa ho anao izay niharan’izay, SAHIA MIJORO, MITENENA, ARY LAZAO NY HASOSORANAO, fandrao tara loatra ka rehefa tafapetraka ho lalàna ny hoe azo atao ny manao tsinontsinona ny mpanjifa, vao ho taitra ianao.

Isaky  ny amin’ny 10 ora alina sy amin’ny enina maraina, indraindray dia manao ilay hoe « test de bande passante » aho. Vohikala roa samihafa no ampiasaiko amin’izany, ka ny iray dia ilay speednet atolotry ny MOOV, fa ny iray kosa dia ilay nampiasain’ilay namana notoriany. Fa tsy mbola nahita hoe tafakatra ambonin’ny 0.7XX mihitsy. Dia aiza izany ilay 1M lazaina anaty fifanarahana?

Firaisankina

Manantena koa izahay fa raha misy fiantsoana an’ireo rehetra nizaka ny mafy tamin’ireny fotoana ireny (toy izay mbola nitranga indray tamin’ny 1 May 2011 teo), dia mba ho isan’ny hanatevin-daharana isika rehetra, na fikambanana ianao , na olon-tsotra.

Ary mba aiza tokoa ny Fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa amin’ny tahaka izao? Sa voafetra ho amin’ny resaka fitaterana sy sakafo ihany? Sao mba tokony ho isan’izay tairina amin’ity resaka ity ry zalahy ireny?

ISIKA REHETRA HO AO AN-DAMOSIN’ILAY NAMANA NOTORIANA

Saika hadinoko, mba nisy fangatahana fanazavana izay nalefako tao amin’ny vohikalan’ny MOOV momba ny tolotra Fahitalavitra anaty aterineto (télé en ligne). Efa elaela ihany, saingy asa raha misy embouteillage any anaty fil any ka tsy voarainy, na nisy nangalatra teny an-dalana ny hafatro, na koa tsy noraharahiana satria bandy be kamenona. Tsy olana fa tsy dia voalohan-daharana koa ilay izy fa fitia te-hahalala fotsiny. Azonareo MOOV tsy asiana tohiny intsony iny fa aza atao mampiasa saina. Tsy hitory anareo noho izay resaka tsy famaliana ny hafatro aho akory, na ny tsy firaharahiana ny mpanjifa. Hatreto aloha!

Behoririka: Fanendahana niafara tamina fakàna takalon’aina

Fanamarihana napetraka ny 25 Martsa 2011: Ity lahatsoratra ity dia nosoratana, minitra vitsy, na ndeha atao hoe ora iray monja taorian’ilay tranga.  Ahitana taratra ny fahasamihafan’ny fanangonam-baovao eo anivon’ny antsoina hoe Citizen Media sy ny Mainstream ihany koa izy ity. Nahoana ? Satria raha nijery ireo lohatenin-gazety nivoaka ny ampitson’iny aho dia zendana nahita fa toa Fanafihana ilay sinoa no tena nankalazaina. Midika ve izany fa tena voafatotra tanteraka amin’ny resaka lafiny ‘marketing’ ny Mainstream media’ ka izay hahasarika ny mpividy sy handafosana bebe kokoa no tanjona?

Fa ny faharoa dia ny teo amin’ny lafiny fitandroana ny fandriam-pahalemana: tsy omena tsiny ny mpitandro filaminana raha mirona amin’ny fanazavana ny fandraisany andraikitra tamin’iny raharaha iny ka nitodika bebe kokoa tamin’ilay resaka Sinoa, satria toa maivana ihany rha ny resaka fanendahana no oharina amin’ny fakàna takalon’aina.

Tsy dia nataoko nahagaga ahy loatra raha tao ireo jiolahy no nisafidy hiditra satria nisy mpiasa tranainy tao ny sasany tamin’izy reo araka ny tatitra, ary mahalala tsara fa raha tampina n y lalana ho any Ankadifotsy, sy ny hiakatra aty amin’ny tetezana, dia mbola misy azo andosirana avy ao amin’io tanana io (araka ny resaka sy famariparitana nomena ireo mpitandro filaminana tonga teny an-toerana, nataon’ireo mponina eo). Raha miditra eo mantsy ry zalahy, ka mihoatra ilay tamboho avy ao anatiny, dia mbola afaka indray kosa mamonjy elakelan-trano hafa avy ao ambnadika ary ho afaka mitsoaka mihazo any ambony any avy eo.

Nilazana ny amin’ny tokony hametrahana mpitandro filaminana hiambina izay fivoahana izay ireo nanao ny tetikady teo an-toerana. Saingy ny olan-dry zareo dia ny fisian’ny antoko iray efa nampakarina any an-tafon-trano ka tsy fantatra mazava izay toerana misy azy ireo, ka sao dia izy samy izy indray no hifampitifitra ao anaty haizina ao. Nandritra izany rehetra izany no nisian’ny tatitra (mbola avy amin’ireo samy mpitandro filaminana ihany fa taorian’ny tifitra natao, dia ‘toa nisy nidoboka  any anaty saosety any’. Tsy nisy nanao fanamarinana an’iny na maty na velona. Araka ny filazan’ireo tompon-tanana anefa dia afaka andosirana tsara any ambadika any rehefa afaka amin’io saosety io. Rehefa natao ny fitsirihana ny tao anatin’ny tokotanin’ny Daktigrafz dia razana 2 no hita, 1 voalaza fa azo sambo-belona, iray hitan’ny olona tafaporitsaka. 4 izay. Ary ilay faha 5, Nankaiza? Taiza no toerana nahafahany nandositra? Satria tsy nahita na inona na inona intsony ireo mpitandro filaminana nilaza fa nanao sava hao ny tanana.

Vava-kisoa misy sira ity raharaha iray ity araka izany, koa asakasakareo hihinana azy.

Tsy hahataona ahy hanova ny lahatsoratra nosoratako velively anefa izay resaka voalaza an-gazety, satria izay no tatitra sy angom-baovao nataoko teny an-toerana.(mifarana eto ny fanamarihana)

Ity ambany ity ny lahatsoratra nosoratana ny andron’ny trangan-javatra:

Eto am-piandohana dia isaorana i zokibe Jentilisa nanaitra tamin’ity vaovao ity, ka nahafahana nanangona azy haingana araka izay azo natao.

Fa inona no tena nitranga?

Raha ny siosio re avy amin’ireo olona marobe teo no henoina, dia betsaka sy samy manana ny filazany. Fa izay taterina aminao eto kosa dia ny resaka nangonina avy amin’ny olona nahita ny zava-nitranga avy eny an-davarangany ka hatramin’ny fidiran’ny mpitandro filaminana an-tsehatra.

Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva tany ho any dia nisy ramatoa iray naka vola teo amin’itony milina mpitsinjara vola itony (BFV/SG – Behoririka). Io no nendahan’ny bandy dimy lahy. Niantso vonjy ramatoa io ka raikitra ny fifanenjehana. Nisy polisy avy amin’ny Firaisana Fahatelo niditra an-tsehatra.

Eto ambanin'ity lavarangana ity ny milina mpitsinjara vola, ary eo ampitan'io ny làlana miakatra mankany Ambatomitsangana ambony

Nifidy ny hiakatra tamin’ilay làlana eo ampitan’ny banky miakatra mankany Ambatomitsangana ambony iny ireo jiolahy niisa 5, ka rehefa nahita fa tsy nisy azo nizorana tany dia niverina indray saika hiakatra hihazo ny arabe miakatra mankany amin’ny tetezana. Teo no niova tampoka sy nihazakazaka ny raharaha, satria tsy nanohy ny diany ireto jiolahy ireto fa niditra avy hatrany tamin’ny vavahady eo amin’ny DAKTIGRAFZ izay mifanila rahateo amin’ilay trano fivarotan-tsinoa ao ambany rihana rehefa hitan-dry zalahy fa tampina ny lalan-kalehany. Efa niatrana hifanatrika taminy tsinona ireo polisy avy amin’ny Firaisana fahatelo sy ny avy etsy amin’ny tobin-tsolika Galana.

eto no vavahady miditra ao amin'ny tanàana nofinidin'izy ireo hailofana sy nitazonana ny takalon'aina

Nitifitra ny polisy avy amin’ny Firaisana fahatelo ka lavo ny jiolahy iray rehefa voan’ny bala teo amin’ ny kibony. Ny iray kosa azon’ireo polisy sambo-belona ka nentiny any amin’ny birao.

ny faritra voan'ny bala

ity ilay voatifitry ny polisy Fir III teo amin'ny kibony

 

Nisy ny fiantsoana mpanampy, ka isan’ny tonga teny an-toerana ny GIR, sy ny FIS ary ireo antokona mpitandro filaminana hafa toy ny Zandary. Teo anelanelan’izay anefa, hoy hatrany ilay mpitantara, no tafaporitsaka nandositra ny iray tamin’ireto jiolahy. Efa nihena izany ny isa hatreto ka 3 sisa no ifampitadiavana ao anatin’ny trano.

Rehefa tonga ny mpitandro filaminana nantsoina hanampy, dia nisy ny niakatra hatrany an-tafon-trano, ary nisy ny niandry baiko avy aty ambany.

Nandritra ny fidiran’ireto jiolahy ireto tao amin’ity tanàna ity dia nisy ny fakàn’izy ireo ho takalon’aina ny sinoa iray tratrany tao, sy ‘vendeuse’ iray. Nofatorany tamin’ny rojo vy ilay sinoa ary noratrainy ihany koa. Tsy nanaiky ny halaina sary moa ity sinoa ity. Ny lohany no tena hita ho nisy naratra sy voatery nofehezina lamba.

ny rojo vy namatorana ilay sinoa

Tsikaritr’ireo avy eny ambony tafo ny iray tamin’ireo jiolahy mbola tavela tao an-trano, ka notifiriny avy hatrany. Gorobaka tanteraka ny lohany ary rimbona mihitsy ny ila loha havia eo ambonin’ny sofiny iny. Ankoatra izay dia gorobaky ny bala ihany koa ny eo amin’ny tendany.

Nilomano tanteraka tao anatin'ny ràny ity zalahy ity

Sady voa ny lohany no trobaka ny tendany

Raha tamin’ny 6 ora sy sasany tany ho any no niandoha izany rehetra izany, dia tany amin’ny 10 ora alina latsaka 5 minitra kosa vao vita ny fanadihadiana rehetra nataon’ireo mpitandro filaminana sy ny pitsopitsony rehetra nahafahana nanàla ireo razana teo amin’io toerana io.

Fotoana nanadiovana ny tanàna

Ireo kiriana

Nandritra ny hetsika nataon’ireo mpitandro filaminana dia nakatona tsy ho azon’ny fiara nolalovana ny ampahan-dàlana nanomboka teo amin’ny Tobin-tsolika Galana ka hatreny amin’ny tobin-tsolika Shell Behoririka. Voatery navily làlana avokoa araka izany ny fiara rehetra saika hihazo io ampahany io.

Fa ny zava-mahazendana amin’ny tranga toy itony dia ny kirin’ny olona te-hahalala zavatra. Ndeha hataontsika hoe liam-baovao, saingy koa azo lazaina tsotra izao ho tsy mahatsiaro tena. Tsy mahatsiaro tena satria fidirana an-tsehatra ilàna fampiasana fitaovam-piadiana no natao, nefa toa tsy misy manahy na kely akory aza ny amin’ny ainy ireo olona marobe tonga nitangorona teo. Miandry hatrany ny fampitahorana ataon’ny mpitandro filaminana vao mikorapaka miala metatra vitsy. Mandritra ny minitra vitsy. Avy eo dia miverina indray eo amin’ny metatra vitsy manakaiky ny toerana itrangan’ny firotsahana an-tsehatra.

ireo olona tsy nataho-maty nitangorona nizaha ny zava-nisy

Ireo jiolahy mbola nokarohana tao an-trano rahateo tsy fantatra na inona avy no fitaovana any aminy na karazany manao ahoana. Ka raha sanatria nisy ny fifamaliana tifitra, dia mety ho zava-doza hafa no hita.  Tsy nahitako fitaovam-piadiana mahevy vaika aloha teny amin’ireo  roalahy maty, fa fitaovana tsotra toy ny fandraka no tavela. Tsy fantatro kosa na kazaran-javatra inona ilay toy ny boaty napetraka teo ambonin’ny patalohan’ilay voatifitra voalohany.

Mba isan’ireny kiriana sy liam-baovao ireny anefa ireo mpanao gazety tonga teny ka dia nitampifimpify nanao izay hahazoana manangona misimisy ny vaovao hozaraina.

Tsara tehirizina

Raha ny fahitàna ity tranga teo Behoririka ity dia averina etoana fa tsara ihany ho an’ny tokantrano tsirairay ny mitahiry irao laharana ahazoana miantso vonjy haingana rehefa misy ny toy izao. Satria dia isan’ny nahafahana nanao ny asa famonjena an’io tokantrano io ny nisian’izany laharana finday izany. Ireto averina ato ambany ireto izy ireny:

FIS                  033 40 434 40

Polisy             17  –  22 241 76

Gendarme     034 05 700 68

GIR                034 05 517 22

SAG               034 07 517 10

Misy dia misy ny sary azo avy eny an-toerana, saingy noho ny ‘connexion MOOV’ ampiasain’ny tena, tsy mandeha araka izay nifanarahana, dia ialana tsiny fa tsy afaka nampakarina. Apetraka eto ihany rehefa omen’ny MOOV alàlana hampiasa malalaka ny aterineto isika.

Fanavaozana: Amin’ny sasakalina izao, izay vao afaka nampakatra ny sary ho anareo rehetra.