Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny fifohana sigara sy fihinànana paraky

Araka ny tatitra taorian’ny fanadihadiana nataon’ny ministera, dia :

1* 1/5 -n’ny tanora Malagasy eo anelanelan’ny 13 – 15 taona no efa mifoka sigara na mandrapaka paraky (avy amin’ny mpanoratra: Misy mihitsy aza no efa lasa lalina amin’ny resaka Rongony). Ary ny vehivavy no betsaka indrindra amin’ny mpifoka sigara eto Madagasikara.

2* 18 % amin’ireo tanora nanontaniana no mahafantatra tsara ny voka-dratsin’ny fifohana mivantana na ankolaka ny setroka avy amin’ny sigara.

3* Mamono be lavitra noho ny Tazomoka sy ny tiberkilaozy mitambatra ny sigara

Na eo aza anefa izany tatitra rehetra izany, dia tsinjo fa betsaka amin’ireo mpifoka, na dia mahalala aza, no tsy vonona mihitsy hisaraka amin’ity  ‘zava-mahaliana’  azy ireo ity.  Toa izay mananatra azy indray aza no toy ny tsy maharaka fandrosoana sy adaladala fisaina.

Mbola ezaka lavitra araka izany raha ny resaka ady amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky. Asa na ny andro natokana ho amin’izany no tokony hampitomboina, na ahoana, fa raha izay andro tokana sy fametrahana hafatra eny amin’ny fonosan-tsigara amidy any am-pivarotana rehetra any aloha, dia ho nofinofy ihany ilay ady e! Tsy misy firy amin’ireny mpifoka ireny no hahavidy iray fonosana ka hahavaky ilay hafatra. Ny maro amin’izy ireo dia ny mividy tahony telo na efatra. Noho izany, ny fonon-tsigara dia mijanona ho an’ny mpivarotra, na izay mpividy siramamy amin’ny ariary zato, sy ny mpividy karibonetra izay mety tsy ho mpifoka sigara akory, na ho an’ireo mpanam-bola afaka tonga dia mividy amiaraka fonosana maro ( Na marary aza izy avy eo dia efa vonona ny vola hitsaboana tena – raha hahasakana ny fahafatesana tsy ho avy moa maninona- ). Diso làlana izany ilay hafatra sy fampitandremana eto.

Mariky ny fahantràna daholo izany rehetra izany. Fahantrana ara-bola, fahantrana ara-tsaina…

Vetso.serasera.org

Maro ny takelaka azo tsidihana ao amin’ny vohikalan’ny SERASERA.ORG, fa notsongaiko manokana ny VETSO.SERASERA.ORG.  Sehatra iray ifanenan’ny kanto Malagasy sy ny mpankafy azy izy io.  Tsy natao ho an’ny matihanina irery anefa ny fandraisana anjara ao, fa na ianao mamaky ity hafatra ity aza dia afaka mametraka izay vetsovetsom-po na aingam-panahy sendra nandalo taminao ka noraiketinao an-tsoratra. Iza no mahalala, mety ho izay soratra kely napetrakao izay no hitondra anao ho amin’ny sehatra avo atsy aoriana.

Manerana ny vazan-tany rehetra no nipoiran’ny kanto voarakitra ao amin’ny VETSO.SERASERA.ORG, ary maroloko sy tsy mialonjafy ihany koa.

Isan’ireo nametraka ny kanto avy aminy i Raozigasy, ary tena nitondra fofona namerovero tonga hatraty anaty fo sy fanahiko koa, ka dia zaraiko aminao.

Manentana anao aho mba handalo kely amin’izany takelaka izany, na dia ho minitra vitsy monja aza fa tsy hanenenanao ny mahalala fa hay marobe ny Malagasy no mànana talenta, ary marobe ny Malagasy no mbola mitàna tsara ny fomba fanoratra sy ny tsipelina nolovainy.

Indro ary atolotra anao izay vokatry ny tany entin’i Raozigasy:

=========>  ZARAO ETO

Zarao eto ny alahelo nokotrehim-po voadona
Zarao eto ny hadisoana rehefa iny ianao nifona
Zarao eto ny hatezerana, sy ireo otri-balifaty
Dia hihamaivana ianao, raha mivoaka ireo tsy tanty

Zarao eto ny hafaliana, mampitsiky izany tava
Zarao eto ilay fitia, mampisioka izany vava
Zarao eto izany vetso sy embonembona fitia
Dia ho faly ny tontolo, ka an-tsiky no miria

Zarao eto ny hetaheta, ao anatinao mangina
Zarao eto izany nofy, sy hasambarana ho zina
Zarao eto ireo kinasa, novetsoina hotanteraka
Dia hisinda avokoa ireo asa saina izay mandreraka

Zarao eto ireo fijery, sy fahitanao ny tontolo,
Zarao eto na dia hevitra, heverinao fa hoe bontolo
Zarao eto ny fisaina, fibanjinanao ny ho avy
Dia hivadika traik’efa, lesona ho an’ny mpianakavy

Zarao eto ireo kanto, nataonao tsiambararoa
Zarao eto ireo talenta, ho soratra sy masoivoho
Zarao eto ireo fahaizana, izay harenanao miafina
Mba ho kanto malagasy, irin’ny sasany ho tahafina

http://vetso.serasera.org/news/raozigasy )

Isaorana manokana i Raozigasy tamin’ny namelany ny hametrahana ny asa sorany teto.

Ho avy ny Mpampandry tany?

Samy naheno daholo ny rehetra omaly fa nilaza ny hiverenany eto Madagascar ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. An’isan’lzay voalazany koa ny hoe hitondra miaramila mpampandry tany avy any ivelany ho aty amin’ny ‘tanindrazany’ (SADC ve? – tsy fantatro!).

Inona no azo tsoahina avy amin’ny tantara ?:

1* nisy ny krizy teto tamin’ny 2002 ireny (Mars Ravalomanana – Didier Ratsiraka). Nanangona Zanadambo Ravalomanana hifanandrina mivantana tamin’ny tafika Malagasy ( Izany hoe nisy ny affrontement, na fifanandrinana mivantana). Nisy ny maty sy ny naratra, betsaka ny fahapotehan-javatra. Fa adala ve izany ilay Ratsiraka Didier tamin’izany fotoana no tsy mba naka miaramila avy any ivelany hampandry ny ‘tanindrazany’ – toa naleony aza nilefitra sy niala teto ary nanao sesitany ny tenany mihitsy – angamba noho ny tombotsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka ao aminy – taorian’ireny hetsi-bahoaka (mouvements populaires) sy fifanandrinana (affrontements) ireny?

2* izao 2009 izao indray, misy ny olana Andry Rajoelina – Marc Ravalomanana) Niantso Ravalomanana ny amin’ny tokony hametrahan’ny Miaramila Malagasy ny fitaovam-piadiany. Koa tsy efa miteny ve izany fa hoe mipirima daholo isika Malagasy fa raha nahay nitondra vazaha ny hafa, dia izaho koa mba hitondra ny quota heveriko fa anjarako?

3* Fanontaniana ho an’ny rehetra: hopotehina marina ve no tanjona amin’ity firenena ity e? Toa fikolokoloana afom-pifandonana mantsy no misy hatramin’izay ka hatramin’izao raha ny fomba firesaka sy kabary heno etsy sy eroa no jerena. Tamin’ny 2002 raha nisy ny fifanandrinana, mba nanao concession toy izay misy amin’izao fotoana ve ny avy amin-dRavalomanana? Ankehitriny raha ekena indray ny hifanatona sy hiray latabatra amin’ireo mpomba azy, dia toa atao resa-jaza ny raharaha, ka rehefa te-ho avy dia tonga, ary rehefa te-hanepoka dia milentika. Fa entina aiza marina ity firenena ity e? Ary mbola tena azo lazaina ho tia tanindrazana ve izany olona mitondra tafika ivelany hampandry tany tsy misy fifandonana izany? Amiko mantsy ny ilaina hampandriana dia ny zavatra mikorontana ambony ambany, ka mila averina ho tony. Ekeko fa misy ny famoriana olona etsy sy eroa (raha ho azo raisina ho fifanandrinana mivantana koa izany), fa antony iray ve izany hitondranao tafika hoe ‘hampandry tany’? Sao mba eritreritra diso tanteraka ny fisainana toy izany zalahy a! Tena efa fanaovana tsinontsinona ny Malagasy iray manontolo izany amiko an! Raha tsy Zanadambo no ilazàna indray izany entiny ho aty Madagasikara izany, dia inona indray no mety hilazàna azy? Zanakombivaviberonono ve sanatria? Vazivazy iray an-dàlana fa mba eritrereto ihany ny Malagasy tsy mandady harona sy ny taranany, raha ny anareo efa tsara lamina sy tsy misy atahorana hatrany amin’ny zafin-kitrokely sy ny zafin’ny tsy fantatro any e!

Aiza re ilay Malagasy sy ny fikatsaham-pihavanana fahiny e? Izao ka dia lasa ny seza sy ny vola no tompon’ny laka.

Efa tokony hofafàna any anaty boky koa ilay ohabolan-drazantsika hoe ‘Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana‘ sy ilay iray hoe  ‘aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka

Tokony hovàna hoe

 »Ny vola no maha-rangahy,

ny an’ialahy mbola tiako ho ahy,

ka aoka tsy handiso ahy,

raha manao ny toy izao aho

Anao ny fitenenana (kabarin-Ra8 26/05/2009)

Ajouter un drapeau à ce mail
[serasera] Hafatry ny Filoha Marc ravalomanana hoan’ny Vahoaka malagasy
Mercredi 27 Mai 2009 1h00mn 58s
De:
« Oliva »
Ajouter l’expéditeur dans les contacts
À:
Undisclosed-Recipient:;@orange.fr


Miarahaba!

Sarotra dia sarotra ny tolona eo anatrehan’izao andro sarotra diavin’ny firenena izao,satria eto France no mipetraka sy miaina ny tena ka tsy afaka hilaza toy ny any Dago hoe: » Les Français DEHORS ».

Mandram-pitafa indray

Oliva

—– Original Message —–
From: patricia Lehmann

Hafatry ny Filoha Marc ravalomanana
hoan’ny vahoaka malagasy
26 MEY 2009

Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana, izay maro an’isa, ary mitolona tsy mitsahatra, tsy manaiky lembenana, miarahaba anareo aho.

ankehitriny i madagasikara dia entin’antokon-jiolahy manana tetika maizina miafina, tarihan’i Andry Rajoelina ary tohanan’ny frantsay.

Ny tanjon’izy ireo dia ny hanjanaka indray an’i Madagasikara, ary ny hanandevo ny Vahoaka malagasy. Ny tetika fitaka vaovao hitan’ny frantsay ialana amin’io savorovoro naterany io, dia ny fampiharana ny fifanarahana vaovao nataony tamin’i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy manohana azy. Ny zavatra kendren’izy ireo dia ny hisian’ny adim-poko eto Madagasikara.

Ny mpitondra an’i madagasikara ankehitriny dia saribakolin’ny frantsay. Miara-miasa akaiky amin’ny frantsay izy ireo, ka ampiasainy ny fomba rehetra – tafiditra ao anatin’izany ny fanenjehana, ny famonoana, ny fanagadrana, ary ny fampihorohorona ny vahoaka malagasy, izay hita fa tena mahery fo ; tsy manaiky lembenana, fa mijoro amin’ny fitakiana ny ara-dalàna sy famerenana ny lalampanorenana.

Hahafahan’izy ireo mifikitra eo amin’ny fitondrana izay tarihiny io, dia mampiasa hery izy. Mihevitra izy ireo fa izany fahefana izany no manome zo azy handika lalàna. Tsy izany velively anefa ny safidin’ny Vahoaka malagasy.

Tsy tian’ny frantsay handroso mihintsy i madagasikara. Izy ihany no tiany hahazo tombontsoa. Avelany hanapotika ny fotodrafitrasa ireo olona baikony sy karamainy ireo mba tsy hampandrosoana an’I madagasikara sy hampivaotra ny farim-piainan’ny Vahoaka malagasy.

Ireo andian-jiolahy tarihan’I rajoelina dia tsy manam-pikasana hafa, afa tsy ny hanapotika ny fandrosoan’ny toe-karena Malagasy. Amin’izay dia mahantra sy mijaly ny Vahoaka Malagasy.

Hahatongavany amin’izany dia notafihany ireo fananam-panjakana sy fananan’olon-tsotra. Ao koa ny fangalany vola tao amin’ny Banky Foibe sy ireo fikambanana, toy ny “Assurances”, izay fananan’ny firenena Malagasy.

Amin’izao fotoana izao dia miezaka i Andry Rajoelina, ampian’ny frantsay, handresy lahatra ny firenena miteny frantsay rehetra. Ny tanjon’izy ireo dia hahazony ny fankatoavana sy ny fanohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, amin’ny fandikan-dalàna sy ny fampiasana herisetra rehetra izay ataony.

Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana, mijoro, mitaky ny ara-dalàna,

Hanao izay tratry ny heriko aho aho, ary hampiasa fahaizako sy ny fahefako, handrodanana haingana io fanjakan’ny baro tarihin’I Andry Rajoelina io, ary hamerina ny ara-dalàna sy ny hisian’ny fanarahana ny Lalampanorenana eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.

Hahatongavana amin’izany dia nitety firenena maro aho. Nanaiky daholo ireo firenena ireo, izay hanampy antsika. Ho hambarako aminareo atsy ho atsy ny mikasika izany.

Koa ambarao amin’ny Malagasy rehetra mpiray tanindrazana izao resaka lazaiko aminareo izao. Ary mahereza fa mahatsiaro anareo mandrakariva am-bavaka aho.

Aza matahotra fa homba antsika mandrakariva Andriamanitra!

__._,_.___
Toute la discussion (1) Répondre (en mode Web) | Nouvelle discussion
Messages | Liens | Base de données | Sondages | Agenda
Mandraisa anjara amin’ny fanohanana ny serasera
http://lisitra.serasera.org/content/view/24/54/

Ary ITY Ny avy amin’ny ankilany

—– Original Message —–
Sent: Monday, May 25, 2009 3:21 PM
Subject: RE: Fomba fijery momba ny famahana ny krizy politika eto amintsika

Salama e!

MANDAINGA i Ra-8 ary efa MPANDAINGA rahateo.
Mpamahan-dalitra gaigy lahy izy ary mbola maro no voafahana.

Eto Dago aho no miteny. Teto aho tamin’ny 16 mars sy 17 mars 2009.
Tamin’ny andron’ny 16 mars tontolo andro dia teo ivelan’ny Lapan’Iavoloha ny mpomba an-dra8.
Nameno vovotany an’ireo daba-pako natao barrage. Pelle mecanique mihitsy no mamenoana tany an’ireo
daba-pako ireo. Raha hanisaka daba pako ‘zany ianao d manala ny tany ao anatiny aloha.
Ny irika rehetra mankao amin’ny lapa dia bloquE daholo. Voasivana tanteraka ny fidirana.
Tao anatiny , asa na nisy securitE presidentielle na tsia. Na mety niesona koa ry zalahy.

Tao amin’ny RFI moa dia nisy fanontaniana hoe : Taiza ho’aiza ireo olona nanery anao hametra-pialana?
Tamin »ny telephone ve sa teo akaikinao? Valiny : nandritra ny alina mitabataba be any an-tokotany any?

Tsy ireo mpomba azy ve no nanao hiran’ny mpiandry faty mivalana be teo e!
Nanjary nanofy ratsy izy.

Vao maraina dia efa nandeha ny feo fa hanao fanambarana lehibe ingahy ra8.
Decor correct satria teo amin’ny pupitre officiel izy no nilaza hoe :
‘…fanapahan- kevitra sarotra anefa voatery noraisiko…
manolotra ny fahefana feno amin’ny Directoire militaire aho…’

Erreur de strategie satria ireo tafika koa dia tsy vonona hitazona ela ny fahefana feno.
Deux temps trois mouvements , passe.

Manao rectification  ‘zao ireo very interet . Coup d’etat bla..bla..bla. ..
Tamin’ny nanao kanety ankadasitra no nisy hoe : hakamerim-botsotra.

Ny vahoaka ange ‘zao mangina e.
Eo amin’ny Magro no misy sasantsasany mitabataba satria tsara SONO.

Fa havereno eo ange i Dada dia hisy tabataba tsy misy micro sy sono indray eto.

Hatreo aloha

Ragalisy kely, tsy tia lainga

$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$

Fanamarihana avy amiko: Tena marina tokoa ilay voalazan’i Galiste momba ny dabam-pako, ny hirahira natao nanodidina ny lapa satria teny aho hatramin’ny 21h ny alin’iny, ary tsy mora velively tokoa ny niditra tao. Asa anareo izay isan’ny teny raha nahatadidy fa hatramin’ny fomba fiakanjonao aza dia nojerena sy nohadihadiana avokoa (dia hisy hiteny indray izao hoe mandainga ny gazetyavylavitra). Izao mantsy no fomba nifamantarana teny an-toerana : avadika amin’ny lafiratsiny ny akanjo, fa raha tsy izany dia isan’ny olona mampiahiahy ianao. Entina eo akaikin’ilay afo pneu manakaiky ny dabam-pako aloha jerena tsara sy savaina. Mba tratran’izay ve i Galiste , fa izahay mantsy dimy mianadahy ny tratran’izany teny tamin’iny alina iny.?

‘Sit-In’ nataon’ny mpanao gazety teo Ambohijatovo (ministera) sy teny Anosy (Lapan’ny Fitsarana)

Indreto tatetiko an-tsary ho anao ny hetsika nataon’ny mpanao gazety androany, taorian’ny nisamborana an’i Evariste Ramanantsoavina (Radio Mada).

Fanamarihana kely avy amiko fotsiny ny hoe: fa maninona moa no tsy nihetsika toy izao ny mpanao gazety fony nitranga ny fahafatesan’i ANDO (RTA)?

Tsinjo teny antsefantsefan-dresaka teny ihany koa (na dia somary atao resaka amin’ny feo iva aza) fa tsy itoviana ny risika (motivation) nahatonga ny be sy ny maro ho eny. Re avy amin’ny fanehoan-kevitra ‘amin’ny feo iva’ io mantsy fa mbola misy fofona fironana ihany ao anatin’ny sasany amin’izy ireny.

Ny nahatsikaiky koa dia, raha tokony ho eny Faravohitra no hanohizana ny dia, ary nafindra ho any Anosy indray avy eo, dia hay tao Anosy efa vonona be ny olona hiandry an’ingahy Praiministra Monja Roindefo, hanokatra amin’ny fomba ofisialy ny Taom-pitsarana vaovao.

100_0684

Efa tafiditra tany anaty efitrano fitsarana minitra maro moa ingahy Praiminisitra vao tonga kosa ireto mpanao gazety haneho hevitra.

100_0698

Na dia nafana sy nivaivay aza ny fipetrahana teo ambony tara (goudron) niandry an’ingahy io mandra-pivoakany tao, dia niaritra teo ny rehetra.

Saiky tsy hitan’ingahy Monja Roindefo anefa ireto mpanao gazety talohany hidirany tany anaty fiara raha tsy nomena ‘top’ izy. Ny antony ve ? Satria talohan’ny nivoahany dia nasain’ny miaramila niala teo amin’ny tara mahamay ireto mpanao gazety ka ry zareo indray no naka ny toerana mba hanao ‘porizenitra’ holalovan’ny Praiministra. Takona tao aorian’ny miaramila araka izany ireo mpaneho hevitra , ka efa tamin’ny segondra farany vao niverina nitodika tany amin’ny ny mason’ingahy Praiminisitra ary niakatra daholo amin’izay ireo taratasy maro fanehoan-kevitra sy fitakiana avy amin’ny mpanao gazety.

Lava be koa izany resako izany fa ireto ny sary ary e:

100_0688

100_0702

100_0703

100_0704

hafatra nampitaina dia nampitaiko koa e

De: »mbudu duala »
À:serasera@yahoogroupes.fr
Cc: »sera »

ZAVA-MIAFINA LEHIBE MOMBA AN’I MADAGASIKARA

* * * * * * *

Vakio tsara ity, mivavaha, aparitao hatraiza hatraiza, ataovy tonga any amin’ireo Kristiana olon-tsotra, ireo mpitondra Fiangonana sy mpitarika fivavahana, ireo Toby Fifohazana, raha mety, ataovy peta-drindrina, fa maika ny hafatra, maika ny Tompo, vonjeo ny Firenenao !

Fanambarana avy amin’ilay lehilahin’Andriamanitra, mpanompo sady olom-pahasoavana.

Zava-miafina voalohany

Momba ny harenaben’i Madagasikara sy ny fahantran’ny vahoaka Malagasy

* Andriamanitra nametraka harena maro sarobidy eto Madagasikara : harena ambonin’ny tany, harena ambanin’ny tany, zavaboaary tsisy mpanana, tany midadasika, ireo rehetra ireo mba ho an’ny Malagasy, saingy tsy manana ny toe-panahy mendrika ireo harena soa napetraky ny Tompo ao amin’ny taniny ireo ny Malagasy, any ka tsy afaka manjaka amin’ireo harena voajanahary ireo, fa voatery miantso firenena afa hitrandraka ny harenany.
* Tsy hiala amin’ny fahantrany i Madagasikara raha tsy miverina amin’Andriamanitra avokoa ny Malagasy, izay no takian’ny Tompon’ny harena : “Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason’ny Tompo mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa” Deo 6:18.
* Tsy ampy handresena ny fahantrana eto Madagasikara ny tetikasa, ny programme, ny vokatry ny asa saina, fa iray ihany no lalana sy vaha-olana : “Madagasikara ho an’i Kristy ary Kristy ho an’i Madagasikara” : “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy ho anareo izany rehetra izany” Matio 6:33.

Zava-miafina faharoa

Momba ny fisian’ny korontana miverimberina eto Madagasikara.

* Midadasika loatra i Madagasikara, maro no mbola tany maizina, tsy tratry ny Filazantsara ary tsy resy hatramin’izao ny herin’ireo fanahy ratsy avy amin’ny fanompoan-tsampy, ny fanaon-drazana isan-karazany, ny fanaovana ody gasy sy famosaviana, sy ny sisa, fa miparitaka hatraiza hatraiza : “Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” Efes 6:12.
* Misy fotoana, miha mahery be sy miha maro ireo fanahy ratsy ireo sady miampy ny fanahy ratsy avy any ivelany, avy any Afrika, Inde, Asia sy avy amin’ireo nosy manodidina, entin’ny olona mivezivezy. Rehefa mitambatra ny heriny dia miteraka korontana mahery vaika eto amin’ny Firenena.
* Maro karazana ireo fanahy ratsy ireo ary sarotra ny mandresy azy, araka ny tenin’ny Tompo manao hoe : “iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin’ionona na amin’inona afa-tsy amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina ihany” Marka 9:29. Manjaka araka izany ny herin’ny maizina, tsy mahalala ny marina sy ny rariny intsony ny olona, tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy, ny mety sy ny tsy mety, very ny “personnalité morale”. Izay rehetra tratran’izany herin’ny maizina izany, na iza na iza, dia tsy tompon’ny tenany intsony, romodromotra, manaonao foana satria ao anaty fisavoritahan- tsaina tanteraka.

Diniho ny fandehan’ny tantara dia ho hitanao ny fahamarinan’izany.

Mampioro-koditra ny asan’ny fanahy ratsy eto amin’ny firenena, hita sy tsapa amin’ny fihanaky ny zava-mahadomelina sy toaka, fitenenan-dratsy eny an-dalambe, asan-dahalo, asan-jiolahy, famonoana olona amin’ny fomba feno habibiana, fametavetana vehivavy sy ankizy, herisetra tsy voafehy, famonoan-tena, sy ny sisa, hita isan’andro ao amin’ny gazety. Fa ny vokany maharitra dia ny fahantrana tsy ahitana fanafany hatramin’izao fa toa vao mainka aza miha lalina hatrany.

Inona ary no fanafodiny ?

« RAHA NY OLOKO izay nantsoina tamin’ny Anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako dia hihaino any an-danitra Aho ka hanasitrana ny taniny » IITantara 7:14

1. Isika Malagasy tsirairay, izay tia Tanindrazana, aoka hanavao toetra isa-maraina, hiala amin’ny ratsy fanao, mba ho ekem-bavaka manomboka izao.
Mba ho isan’izany ve ianao ?
2. Na mpiandry ianao na tsy mpiandry, na relijiozy na tsia, ataovy isan’andro ny fandroahana ny devoly, ny demony sy satana fahavalo : “Ka dia maneke an’Andriamanitra hianareo ary manohera ny devoly dia handositra anareo izy” Jak 4:6.
Mba hanao izany ve ianao ?
3. Ny Kristiana tsirairay, aoka samy hitory amin’ny manodidina azy, mba hisian’ny fivoarana eo amin’ny fiaraha-monina. Tsy mandeha irery ny vavaka ary tsy ampy ny finoana raha tsy arahina asa : “Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa dia maty mihitsy” Jak 2:17.
Hitory ve ianao sa hatory ?
4. Ny Fiangonana rehetra, na inona na inona anarana entiny, aoka hikatsaka fifohazam-panahy, hiala haingana amin’ny fanompoam-pivavahan a fahazarana ary hanao ho laharam-pahamehana sy asa mitohy ny fitoriana ny Filazantsara ivelan’ny rindrina efatry ny trano Fiangonana, “handeha hatrany amin’ny faran’ny tany” (ny morontsiraka no faran’i Madagasikara) .
Mba hanampy ny Fiangonanao ve ianao !

Aoka NY REHETRA samy hibanjina tanjona tokana ho tratrarina farany izay haingana indrindra:
“Madagasikara ho an’i Kristy ary Kristy ho an’i Madagasikara”

Matokia, mivavaha ka aza mitsahatra, miadia ny ady tsara, miasa ny asa tsara
« fa moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’Andriamanitra va » (Gen 18:14) ary « ny zavatra rehetra dia hain’ny mino »(Marka 9:23)

LOZA IRAY! LOZA ROA!

Hatairana tokoa no nandrenesako androany ny fahamarinan’ny siosio henoko talohan’ny nandehanako tany Mahajanga tamin’ny volana Aogositra 2008. Honohono izay nilaza ny namindràna an-tsokosoko razana enina (6), ka isan’izany ny an’ny Mpanjaka, nalaina tao Manjakamiadana ny 03 Aogositra 2008 ary nafindra an-tsokosoko ho eny Ambohimanga.

Taraiky be ny vaovao tamin’ny TvM androany alina vao nandeha, ny antony ve? Mbola nanomana sy niandry io vaovao lehibe io ry zareo. Niakatra tao ny Tale iray ao amin’ny fiadidiana ny firaketana ny tantara sy ny rakitry ny ela, narahan’ny Minisitra Gilbert RAHARIZATOVO, nilaza ny fisian’io marina tokoa tamin’izany fotoana. Tsy izany ihany anefa no LOZA voalaza, fa ny fanovàna endrika tanteraka ny eny Ambohimanga, izay nampalahelo ny mponina eny sy ireo taranak’Andriana, eny fa na hatramin’ny UNESCO aza, noho ny Rovan’Ambohimanga efa tafiditra ho Harena Iraisam-pirenena.

Niova Ambohimanga satria nofonosina lalotra simenitra ilay tambohon’ny Ntaolo nataon’Andrianampoinimerina tamin’ny tapotsin’atody, norariana pavé autobloquant ny faritra (zavatra izay tsy nisy tamin’izany fotoan’Andrianampoinimerina izany), ny Vato nanandràtana an’Andrianampoinimerina dia notakonana vato hafa, novàna toerana sy efitra ny fanaka sasany tao anaty Rova. Ka aiza intsony ny haha vavolombelon’ny tantara ny toerana toy izany?

Raha iverenana kosa ny eo Manjakamiadana, dia ny endrika ivelany sisa no voalaza fa tazonina, fa ny ao anatiny, raha ny tatitra voaray (Tvm), dia ovàna ihany koa. Hasiana suite (azo ipetrahana, ho an’iza?) sy ascenceur ary WC fosse sceptique.

Noraisin’ny Minisitra sy ilay Tale ho fanimbazimbana ny Tantaram-pirenena sy fanaovana Zinona ny Malagasy iray manontolo izany rehetra izany. Fanitsahana an-tampon-doha hoy izy ireo.

Miandry izay fanakianana avy aminareo rehetra sy ny fahitanareo ny momba ity resaka ity indray aho, ary miandry koa ny filazàna an-gazety hivoaka rahampitso mba hahazoako vaovao mazava kokoa momba azy ity, izay mba nahatohina ahy koa fa tsy afeniko. Aiza ve ka amin’ny alina sy an-tsokosoko, ary 3CV no namindràna ireo razana (izay tena mahasarotiny dia mahasarotiny ny Malagasy tokoa), sady izay indray razana mirakitra tantaram-pirenena iray manontolo!

Fa ny nahagaga ahy dia izy ity tsy nisy sahy niteny hatrizay. Sa izao vao mahatsiaro ho afa-patorana?

Rehefa mahita tsy mety re rey olona ô, lazao foana, na izaho aza no tratranao nanao azy dia ambarao fa aza asiana tahotra sy kinamanamana.

Mitohy ny fanadihadian’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga.