OLON-DIA MIDELIRA

11 Andro izay no lasa taorian’ny nandaniana ilay lalànan’ny FAMORETANA (#codecom), ka tsy ahafahan’ny mpanao gazety sy ny olom-pirenena maneho hevitra an-kalalahana intsony -na dia hitondra porofo aza ve ? – Ary andro maromaro koa no lasa taorian’ny nipoahan’ny raharaha #Soamahamanina.

Faritra ao #Imamo ao i Soamahamanina, ary raha vao miresaka Imamo isika dia tsy afaka misaraka amin’izany ny resaka #Tapia.  Tsy ilay famafàna faladihan-kiraro mety ho tonga voalohany ao an-tsainao mpamaky anefa io, fa ilay voankazo kely misy voa telo fihinanao rehefa tonga ny fahavokarany.

Tsy ny maha-voankazo azy ihany no ilàna, na ahafantarana ny Tapia, fa indrindra koa ny fifandraisany amin’ny fahaveloman’ny bibin-dandy. Efa fahagolan-tany ireo hazo  ( alan-tapia ) ireo, ary isan’ny zavatra sarotra ho an’ny olona ny mamelona iray amin’izany. Harena araka izany ny fanànana azy. Tsy vitan’ny harena fotsiny , fa vakoka mihitsy ho an’ny firenena sy ilay faritra misy azy.

Tato ho ato dia niteraka resabe, niafara tamin’ny fifanenjanana sy fifampitolomana tamin’ny #EMMO – karamain’ireo Shinoa mpitrandraka volamena – ity resaka Soamahamanina ity.
Efa tafiditra ho ao anatin’ny fiarovan’ny mponina ny tsy handravàna io alan-tapia ao amin’ny faritra misy azy ireo io ny mpitarika fivavahana isan-tsokajiny, ny solombavambahoaka avy any #Arivonimamo, ankoatry ny hafa tsy ho voatanisa. Midika izany fa manana ny lanjany sy ny toerany tokoa ilay alan-tapia.

Mipetraka ary ny fanontaniana: Tsy nahalàla ny fisian’ilay ala va re ireto olona nomen’ny vahoaka fahefàna hitantanana ny taniny sy ny hareny? Sa nanao bemarenina tsy niraharaha satria hoe efa notolorana fanomezam-pahefana hitantana ny sehatra rehetra ? Adinon’izy ireo ve fa mpindrana izy fa tsy tompony samirery ? Tsy tsaroany koa ve fa mandalo ihany ny fepotoana iasàny eo? Sa noho ny fahafantarany izay fepotoana voafetra izay no nitsirian’ny saina ratsy hanararaotra ny paiso an-kady?

Santionany amin’ireo fanontaniana mety hapetrakao olom-pirenena tsotra amin’ireo solombavanao ireo (na soloòbava hiteny na hihinana). Saingy manahy aho, mety hivaly fanontaniana ho ahy indray mantsy izy ireo. Dia ilay fanontaniana manao hoe ‘MISY MIHAINOOOOOO ?

Zavatra tsikaritra nandritra ity Repoblika Fahaefatra iainantsika ity ny fandraisana fanapahankevitra tsy ieràna, ny fandraisana fanapahankevitra an-katakonana (atao amin’ny alina), ary ny famahàna olana amin’ny alàlan’ny ramatahora. Tsy zava-miafina amin’ny vahoaka rehetra izany zavatra voasoratra izany.

Misy mitokona ve eny Ankatso? Alefaso ny EMMO sy ny Jeneraly mpitarika azy hamoritra sy hanakombona ny vavan’izay Beloha ao.

Misy mihetsiketsika hoe eny Tsimbazaza ? Ataovy amin’ny fomba mahazatra fa tsy hangina aiza ireo rehefa voapetaka kely eo!

Misy miseho azy ho mahery any Soamahamanina? Draiiiisy, mbola mihinana ato anaty felan-tanantsika ny EMMO sy ny mpitàna basy rehetra (azafady fa tsy haiko ny mampiasa ny teny hoe ‘mpitandro filaminana’)
Fihetsehana am-pilaminana no nataon’ny mponina, taorian’izay niseho tany Antsohihy. Nefa na am-pilaminana aza, ary naseho tamin’ny alàlan’ny fametrahana sorabaventy isam-baravarana sy teny an-davarangana, dia tsy tahotra tsy henatra ny zandary nihanika lavarangan’olona hanala ireny sorabaventy ireny, sy nandefa baomba mandatsa-dranomaso hanaparitahana ny mponina naneho ny hasosorany tamin’izay zava-nitranga. Nisy ny olona nosamborina ka nahatonga ny mponina hanapaka ny làlana.

Nitsangana ny Eveka Jean Claude hanohitra hiaraka tamin’ny vahoaka. Niantso ny laika izy hiray hina sy tsy hisara-bazana ihany koa, hiaro ny taniny.

22/06: Mgr Ludovic RABENATOANDRO, nihaona tamin’ny tantsaha teny amin’n BUCAS Antanimena nitny hoe « Adidinay amin’ny maha RAD anay ny manao antso hanaitra ny rehetra momba ny fakàna an-keriny ny tanin’ny tantsaha. Izy ireo no mamelona antsika… esorina amin’ny tantsaha ny taniny…Mandeha antso aminareo mpitondra aho..Manaova ny marina..-Ny vahoaka izao no manao ny tolona fa tsy ny solombavany intsony…Firenena iaraha-manana ity.

23/06, Notanisain’ny Magadate daholo ireo karazana fikambanana am-polony miaro ny tany izay nilaza fa hiara-dia amin’ny mponin’i Soamahamanina ary hanome azy ireo ny tohana rehetra ilainy. Mbola atsangana any Soamahamanina ny OMC élargi mba hiaro ny Shinoa sy ny fanànany niteny hoe : izahay mpikambana amin’ny OMS Elargi eto Miarinarivo dia manao filazana manaraka izao, ny famoriambahoaka rehetra dia tsy maintsy ahazoana alàlana amin’ny fanjakana sy ny tompon’ny toerana (commune)…, tsy ekenay ny fihetsehana tsy nahazoana alàlana … mampitandrina ho an’izay alaim-panahy mikasa hanohintohina ny filaminana..

Misy fetra anefa, hoy ireo anti-panahy, ny zavatra rehetra. Mandra-pahoviana no hihinana eo ambony felan-tanananareo ny mpitàna basy sy ny be galona? Mandra-pahoviana? Ary efa nosaininareo ve fa rehefa mitombo ny kibony, dia mitombo manaraka azy koa ny fikarohana hanina ataony (hatendàny)? Ary rehefa tsy haharaka ny filàny ianareo, efa mba tonga tao an-tsainareo ve ny hoe ‘mety hitodika any aminareo ilay vava basiny’ ?
Aza dia mihevitra ny vahoaka ho dondrona isanandro vaky izao e!

Tantaranà fitohizam-pitondrana no entina hanamarinana ny fanomezana alàlana ny fitrandrahana volamena ataon’ireo Shinoa ao Soamahamanina. Fa inona moa no manakana anareo nampindramina fahefana ireo tsy handà izany rehefa hita fa mety hanohintohina ny fiarahamonina sy ny vakoky ny tany iraisantsika? Sa niraraka ny volabe ka sarotra ny hamerina ny volan’ireo Shinoa, sy hiteny aminy hoe aoka ihany, ka mandehana ianareo mody?  Asakasak’izay nihinana be tao anatin’ity raharaha ity, fa ho tsaroan’ny tantara izy ireo sy ny taranany.

Nilaza ireo solontenan’ny mponina ao an-toerana fa tokantrano telo aman’efatra no nasain’ny fanjakana nijoro, ho entiny milaza fa mankasitraka ny fitrandrahana volamena atao ao amin’ilay toerana ny mponina. Tsy nisalasala moa ilay ramatoa nisolo tena ireo tsy mankasitraka nilaza fa ‘lasalasa tampoka mihitsy ny fiainan’ireo tokantrano telo am’efatra ireo

Nivory ny governemanta tamin’ny alin’ny 19 Jolay 2016 ary nandray fanapahankevitra hampiato ilay fitrandrahana, rehefa hitany fa niha-nahamay ny fanoheran’ny vahoaka. Efa tapak’ireo mpanao gazety talohan’izay kosa anefa fa hidina hijery ny zavamisy any an-toerana izy ireo. Dia tonga tokoa ary ny andron’ny 20 Jolay 2016, ary dia EMMO nirongo fiadiana fitondra miady no nanakana ny làlan’ireo mpanao gazety tsy ho afaka hiditra an’ilay faritra. Ary tsy nisalasala ingahy kolonely nilaza fa ‘rehefa tsy nahazo alàlana ianareo, dia tsy afaka miditra any‘  Alalana izay alaina 24 ora mialoha amin’ireo Shinoa, ary rehefa ireo Shinoa no miteny aminy fa mahazo miditra ny mpanao gazety, dia homeny alàlana hiditra. Tsy vitsy tamintsika nanaraka ny onjampeo ‘miara-manonja’ tamin’ity androany ity no nandre izany vaovao izany.  Fa misy inona afenina ao? Ary Iza ireto mpanao gazety nahazo alàlana mialoha ka tafiditra tao amin’ilay faritra (hanatsaratsara ny filazana hatao manomboka rahampitso)? Ianareo ihany dia mety efa ho afaka hamaly an’izay.

Boda ny loha ry mpamaky ka hitsahatra kely aloha…fa tantara mitohy izy ity

Tsetsatsetsa tsy aritra kely, alohan’ny hifandaozana, no hilazana amintsika mpamaky fa dia efa fehezin’ny Shinoa koa izao ny sehatry ny famokarana arina fandrehitra (charbon de bois) ao an-tokantranonao. Aza atao mahagaga raha niakatra ny vidiny.

Efa fanjakan’i Baroa izao no misy. Ary satria voatonontsika ny anaran’i Baroa, dia indro misy fisaintsaina kely avy amin’ny OLONDIA MIDELIRA

Ny loharano nakàna ny antontan-kevitra : #‎OLONDIA_MIDELIRA‬:

Mitsangàna ry Baroa

Mihevitra isika fa ny “baroa”-ntsika dia azo iainana sy ampiharina amin’ny isam-bohitra. Tsy maintsy manaiky ny herintsika ny isan-tanàna? Tsy maintsy handohalika amintsika ny mpiray donak’afo rehetra?

Ny hery aman-tanjaka no naha-baroa ny baroa teo amin’ny tantarany, ary izany no nireherehany teo amin’ny fanjakany.
Saingy ny baroa dia tsy mila dinika, tsy mila hevitra ifampierana, tsy mila mandefitra. Koa iza no “adala” mifampidinika sy mandady rariny amin’ny hevitra toy izany? Iza no manaiky lembenana amin’ny setrasetran’ny tsy tia ny “rariny”? Na hifandrangotra isaky izay mahatsiaro aza isika mianakavy dia ady hatrany no haterak’izany.

Ny sasany hihevitra ny tenany ho saka tsy mety voky, ny hafa tsy mahandry ny andro hanidinana toy ny akoho ; ary tsy vitsy no manao toton’ondry bory fotsiny, sady tsy mety hamonjy ny vala no mideronina eny an-tsaha fa mataho-baratra.

Lalaovin’ny “tia rombo” ny “Fanahy” ka hainy an-tsipirihiny tao anatin’izay fihetsika nataony rehetra izay, fa « adalam-bola sy matim-boninahitra » isika.

Lahatsoratra hafa ho anao:

Marosada: Namidin’ny fanjakana amin’i Sinoa koa ny tany

Tsy ny any Soamahamanina ihany : lasan’ny Sinoa koa ny tany any Amboasary Gara sy Anjiro…

Soamahamanina : Suspension des activités de l’entreprise Jiuxing Mines S.A.R.L

Une Réponse

  1. Malemy motraka loatra ireo mpitondra antsika.
    Raha misy alalana nefa manambara mazava fa tsy azo idirana ny alan-tapia dia ny EMMO koa no tokony hahasahy voalohany hanohitra ny fihetsiky ny Shinoa mitady handrava alan-tapia fa tsy maintsy mihemotra ny Shinoa na miseho ho mafy sahala amin’inona aza.

Laisser un commentaire