Potika ny Teniko…Potika ny Taniko

Tononkalo nanaitra tany anaty tambajotra sosialy ity zaraina aminareo mpamaky ity. Mampieritreritra !
Nalaina tao amin’ny pejy Facebook-n’i Tantely Rahely

Potika ny Teniko…Potika ny Taniko
Fa ny an’ny hafa izao no Tiako sady andrianiko
Fa n’inona lazaiko
Sy Hevitra ampitaiko
Dia mila teny hafa vao hita hoe mazava
Ny tiako holazaina …ary atsy ho atsy angamba
Ho menatra ny tanako
Raha mbola Teny Gasy no anoratako ho an-janako
Izay mba vetsovetsom-poko

Toa tiako hiova loko
Ny Teniko , ny taniko hatramin’ny fombafombako
Ka ny mahasarotiny ahy ary mainka koa tandrovako
Tsy izay AHY miharava isanandro vaky izao
Fa ny an’ireo lazaiko ho fandrosoana vaovao .
Io fa tonga teto ireo akanga tsara soratra
Dia roboka aho nitehaka sy velon-korakoraka
Fa olona maharaka sy liana fandrosoana
K’izay any Gasiko any tsaratsara raha soloina…!

Dia rafitra aho nandrafitra :
Izay ho anaran-janako : Tsy misy teny gasy
Izay vita eto an-taniko : Lazaina ho vita gasy
Lazaiko ho mankarary: Raha vao sakafo gasy
Ny fombafomban-drazako : Lazaiko ho fomba gasy
Novaiko ny fitafiko : fa sao fitafy gasy

Dia niova ny fijeriko
Ary lasa toa tsianjeriko
F’izay ataoko rehetra raha mbola Gasigasy
Dia omeko famaritana ho endrika fa Ratsy
Miova izay jereko
Ary hatramin’ny fireneko
No tiako hosoloina ny firenen’ny hafa
Inona ary no antony ? Tsy fantatro fa asa .

K’Aza atao mahagaga raha toa ka tsy voavaliko
Izao baraingo izao
Inona ary izao no maha-malagasy anao ?

TSY AVAHANA

Publicités

Manjakamiadana: 20 Taona lasa izay

Fanontaniana. Ranomaso latsaka. Fo torotoro. Saina nivalaketraka. Izany rehetra izany no niatrehan’ny rehetra ny alin’ny 06 Novambra 1995, alina nahamay hotohoto ny Rova Manjakamiadana. Isan’ireny olona nahatsiaro ny ngidin’ny famoizana io Lovan’ny tantara io i Ramisarimanana RANAIVO izay ny alin’iny ihany dia efa nahavita nanoratra ny tononkalo, nanehoany ny alahelo miharo hatezerana tao anatiny. Atolotra anao ato anaty lahatsoratra.

 

20 taona lasa izay. Mbola itadiavana vola an-davitrisa maro fanampiny foana ho fanarenana azy

20 taona lasa izay. Mbola itadiavana vola an-davitrisa maro fanampiny foana ho fanarenana azy

 

I Z A ?

(Dian-drangotra nandritra ny afo)

Torovana ny fo, voatraika koa ny saina,

Fa aloka no sisa, hany mba ho tantaraina.

Dia… aiza indray aho zao no mba hirehareha!?

Eny e! ekeko fa mbola be dia be,

Ka nefa kosa anie, jereo anie ery e!!!!

Izy no avo indrindra, ‘lay lova tsy mifindra

Kanefa dia nahetry natao ambany indrindra.

Eny e! diso aho satria, fantatro fa Malagasy ray, Malagasy reny

No zary nahavita ireny rehetra ireny,

Fa mba iza moa izany!? Moa va tsy izaho ihany!?

Ny saiko angamba no efa diso tsy te-hahafantatra ny lasa

Fa hoe hibanjina ny ampitso, ka noheveriko ho angano

Dia nodorako ‘lay trano.

Sa… izaho ve no voakarama vola fa hoe milaza loza

‘lay antitra tsy mety sola, ka dia voatery nodorona!?

Na ndrao kosa ary misy ambadika tokoa

Na ‘reo mpanao politika no tsy mety afa-po!?

Tsia… tsy mino izany raha izaho, sa… ahoana hoy ianao?

Na izaho koa aza anie… io seza io mba nahamaika e!

Ka na izany aza anefa, dia any ve no hiantraika!?

Sao hanendrikendrika aho fa aleo zakaiko samy irery ‘ty hazo fijaliana ho ahy

Zay mafonja sy mahery.

Eh!!!! Indrisy…indrisy…, indro ankehitriny, indro fa tanteraka ilay tsy manan-tsiny

no trotraka sy reraka,

kila, potika, rava, nandavenona ‘lay haingo, dia apetrako ho baraingo :

IZA, IZA, IZA???

Tsia…! Ngidy sy tsy teliko eto an-tany raha izaho tokoa mantsy no dia nahavita izany.

Ny ràn’ilay rahalahiko angamba no niova volotany, na nihofaka ny hodiny

Ka tsy Malagasy intsony fa nivadika avokoa na ny sainy na ny fony,

Eny e! mivadibadika ny lelako, misavoro ny atidohako

Fa raha fantatro tsy avelako, na izaho aza hifoterako.

Sambasamba aho izao no mba sahy nihantsy tena,

Ahy irery anefa izany, fa ho anao, mitonia ry firenena

Fa tsy hahafantarana ny marina, sady… tsy aleo aloha manarina!

Fa ho anao Manjakamiadana, matoria, makà aina tsara aloha

Fa ianao dia mbola hitsangana, mbola hijoro toy ny teo aloha.

Ramisarimanana RANAIVO

06 Novambra 1995

 

lahatsoratra mifandraika amin’ny tantara:

MANJAKAMIADANA: 14 taona lasa

6 novambra faha-19 (Nahamay ny Rova Manjakamiadana)

 

ARENDRINA SINOA

DSC_0025

Ireo arendrina nahantona ho haingon’ny Araben’ny Fahaleovantena – Analakely

Arendrina sinoa,.. no andeha hovidiany,
Fa iny hono mantsy no maminy sy tiany,
Fa ireny hono… no lamaody sady manja
Hanandratany ny tenany ho olo manan-danja !

Fa naleon'ny fikambanana Association Tetezana Mada kosa nanjifa ny vita Mlagasy ho an'ireoankizy tohanany miaraka amin'ny Tetezanaonlus Itaia

Fa naleon’ny fikambanana Association Tetezana Mada kosa nanjifa ny vita Malagasy ho an’ireo ankizy tohanany miaraka amin’ny Tetezanaonlus Italia

Mba inona ny anao, izay baoritra manify
Raha miohatra ny azy dia kôtiany ho tsy misy
Tsy manintona ny maso, tsy mahasarika mpijery..
Fa efa dilan’ny ela, efa naman’ireo very !

Dia faly i « Kely maso », fa mandeha ny tsenabeny
Mody hatsangany ny saina mba haneho ny fahendreny
Dia ampiany doka kely hoe : « HO AVY IZAO NY FETY ,
IRENY NY ARENDRINA, KA JEREO IZAY METY » !

Ireo voazanaka ara-tsaina,dia nanisa ny isan-jaza,
Hividy ity arendrin’ny andro iray malaza…

Andro iray malaza…nahatapaka ny fonja ???
Sa….andro iray malaza ho an’ny kojakoja ????

Hono hoe : andro iray malaza ho an’ny firenena ,
Satria andro iray malaza ho an’ny fahaleovantena ?

Madagasikara dia arendrina sinoa,
Vitany manjelatra ka tretrika tokoa,
Mahajambena maso ny tara-pahazavany
Kanefa tsy ho ela..dia tsy hita no hiafarany..
KA SAINO MORA IHANY

Tsanta MIKANTO 19 06 15

« Adala » miresaka !

28 Nov 2014 – RAMBELO (ilay olondia) MIKÔZY: (ho tohin’ilay « con » angamba?)

« Adala » miresaka !

Betsaka ny oham-pitenenana teo amintsika Gasy raha momba sy/na resaka adala (resak’adala) no atao. Izany no porofo fa ny tany dia tsy nilaozan’adala, kanefa tsapa koa fa tsy azo nahilika sy navela tamin’izao ireny adala ireny fa notafian-damba, narahina am-bokony amin’ny sitra-pony na dia zary ho enta-mavesatry ny fiaraha-monina aza izany.

Raha sendra izay adala matanjaka dia mihafy amin’ny daroka ataony, ny doro-trano sy ny fanimban-javatra mahazatra azy, ny teny ratsy sy ompa mivoaka ny vavany. Dia hiafiana satria adala! Ka hovonoina kosa àry ve? Tsy maintsy hanananan-tsiny amin’Andriamanitra Andriananahary raha miadaladala hanao an’izany. Fa ianao ve efa nanana, na manana havana adala sy ondrakondrafana? Neson’ny mpiara-belona ve ianao? Mahatsiaro menatra? Dia inona no vaha-olana mba nataonao?

Ny adala ihany no avelanao hiteny ny hevitra tianao ho resahana? Ny adala no avelanao hanapaka amin’ny hevitra hifehezana anao? Ny adala no ataonao ho tompon’ny fanapahan-kevitra? Feheziny sy tsy avelany hihary harena na hikaroka ny tombony ho anao ianao fa ny azy ireo ihany no mahalala ny fetra tokony hataonao. Malahelo ny havantsika ianao, nihevitra fa lalin-tsaina tokoa izy ireo tamin’ireny fotoana nanombohan’ny fihetsehan’ny “hadalany”. Sao diso hevitra (sanatria) e!

 

Fanamarihana: nadika tsy nasiam-panovana araka izay nanoratan’ny tompony azy ny lahatsoratra. ISaorana hatrany izy sy ny asa sorany

Aoka lehiretsy a !

Fa raha misy olona arahan’ny eto amin’ity bilaogy ity sy ankafiziny ny fomba fanoratra teny Malagasy, dia isan’ireny hoy aho i Ony Rambelo.
Ankafizo anie ilay fomba entiny maneho hevitra e

 

Aoka lehiretsy a !

Aza mba manao tsimbadi-boanampotsy, lehiretsy, ka ho azon’olona tambatambazam-bola amin-karena ka hivadika amin’ny marina. Fa ny daka no misy ambadika, ny loka no misy an-koatra, ny akanjo no misy paosy, ny trano no tsara raha misy efitra, ny tambi-toko no atao anankina, ny salaka no atao sisik’ila, ary ny hofak’ondry no soa mitsimbadika ; fa ratsy koa raha ratsy lehiretsy ny mivadika amin’ny marina.

Aza mba manao kitapo miara-peno, lehiretsy, fa ratsy anie ny manao toy ny akondro mifanafin-dravina e. Tsy soa anie ny parasy mitovy volo e ! Tsy tsara anie ny manao talapetraky ny mpiaotra e ! Tsy mendrika anie ny mpanao tsikombakomba e ! Mahasimba anie ny manao tetika iraisana e, indrindra fa ny mandimby entana ny mpangalatra.

Koa tsory lehiretsy fa fitiavan-tena sy kevo-dahasa tsy nisasarana ianareo a ! Lazao mazava fa noho ny haingitraingitra no nakàna ny fananan’olona tsy nila sota sy vaniny. Lazao mazava fa tsy zaka ny entana, tsy mandry ny saina, ary indrindra tsy velona ny vady aman-janaka ka nandrombinanareo ny an’ny hafa.

Aza mihevitra ny hanjehy ny andro ho lava lehiretsy, fa saino ny am-parany. Aoka izay fa ny zava-tsy hay, lehiretsy, tsy azo ibitabitahana a ! Aza mandrangitra ny efa valaka sy ny trotraka fa ny tody, hono, tsy misy fa ny atao no miverina. Ary farany : Na dia tsy manan-tahotra intsony aza ianareo, lehiretsy, dia mba itafio ihany ny henatra a !

Ony RAMBELO – FB 11 Nov 2014 – 05h 17

Raha Andrian-dray Aho Raha Andrian-dreny….

RAMBELO (Ilay Olondia) MIKÔZY:

Ikelimadity

Raha andrian-dray aho raha andrian-dreny dia iriko raha ho tahaka ny voahangy roa tsara venty ny fanjakana: Raha amidy lafo be, avela endriky ny trano. Fihaingoa-mahafa-kenatra e ! Iderakedrako maneran’ny tany fa manana aho, tsy mandalo ny eritreritra ny hanakalo azy amin’ny an’ny hafa. Hazo tokana an’ony, tsy firy no mandimby satria ny tomponay no ao. Ny havanay no mandrafitra azy…Raha ny takatra no mandoka tena dia nanan-drariny hatramin’ny mpamosavy. Nanjary voaota fady hatramin’ny aro havandra ka ripaka mbamin’ny anatsinahy dimbin’antsy.

Izay ela fandeha dia mahabe ahiahy, ela loatra ka mampieritreritra. Aza ratsy fila hanina, fa hevero ny atao… Satriko tokoa maratra noho ny fiarovako fanjakana, satriko mijaly raha hitondra « fitiavana » ho an’ny taranaka, satriko hangirifiry raha hampitraka ny loha, saingy aleoko maty toy izay hitondra fahoriana tsy ahitam-panafana. Tsy manan-kantenaina toy ny andevo tsy manan-tsikidy itokisana, tsy sahy mijery olona toy ny mpivaro-tena tratran’anadahy, tsy sahy mibetroka toy ny polisy tratra nanao heloka.

08 Okt 2014 – 07:00