Asa Fampihorohoroana: Mikatona ny masoivoho Amerikana

Hafatra notsongaina avy ao amin’ny pejy Facebook an’ny Ambasady Amerikana eto Madagasikara ity nataoko dika petaka ato ity, siosion-dresaka no nahenoako hoe misy fandrahonana voaray avy amin’ny Al-Qaida:

Ny Departemantam-panjakana amerikanina dia nanome baiko ireo Masoivohony sy Sampandraharaha Konsolary vitsivitsy mba hikatona manomboka ny Alatsinainy 5 Aogositra hatramin’ny Asabotsy 10 Aogositra, andro tsy voafaritra nialoha tao amin’ny tetiandro fa tsy hiasana. Manohy hatrany manome fanampiana ho an’ireo teratany amerikanina mila vonjy maika kosa ny Sampandraharaha Amerikanina misahana ny ankamehana hoan’ny olom-pirenena Amerikanina. Araka ny efa nambara teo aloha rehefa notombanana ny vaovao voarainy dia noraisin’ny Departemantam-panjakana amerikanina izao dingana fisorohana izao mba ho fitsinjovana tanteraka ireo mpiasany sy ireo olona izay mety hitsidika ny toerana misy azy ireo. Ny lisitr’ireo Masoivoho voakasik’izao fikatonana vonjimaika izao moa sy ny lahatsoratra mahakasika ny fanairana momba ny fivezivezena faobe manerantany dia hita ao amin’ny www.travel.state.gov Ny fanambarana avy amin’ny mpitondra tenin’ny Departemantam-panjakana Jen Psaki kosa dia azo jerena ao amin’ny http://goog.gl/xszoca
*****************

Dia toy izay ilay hafatra. Tsy asiako fanamarihana fa dia anjarantsika tsirairay ny mitsako azy mangina ao