Asa Fampihorohoroana: Mikatona ny masoivoho Amerikana

Hafatra notsongaina avy ao amin’ny pejy Facebook an’ny Ambasady Amerikana eto Madagasikara ity nataoko dika petaka ato ity, siosion-dresaka no nahenoako hoe misy fandrahonana voaray avy amin’ny Al-Qaida:

Ny Departemantam-panjakana amerikanina dia nanome baiko ireo Masoivohony sy Sampandraharaha Konsolary vitsivitsy mba hikatona manomboka ny Alatsinainy 5 Aogositra hatramin’ny Asabotsy 10 Aogositra, andro tsy voafaritra nialoha tao amin’ny tetiandro fa tsy hiasana. Manohy hatrany manome fanampiana ho an’ireo teratany amerikanina mila vonjy maika kosa ny Sampandraharaha Amerikanina misahana ny ankamehana hoan’ny olom-pirenena Amerikanina. Araka ny efa nambara teo aloha rehefa notombanana ny vaovao voarainy dia noraisin’ny Departemantam-panjakana amerikanina izao dingana fisorohana izao mba ho fitsinjovana tanteraka ireo mpiasany sy ireo olona izay mety hitsidika ny toerana misy azy ireo. Ny lisitr’ireo Masoivoho voakasik’izao fikatonana vonjimaika izao moa sy ny lahatsoratra mahakasika ny fanairana momba ny fivezivezena faobe manerantany dia hita ao amin’ny www.travel.state.gov Ny fanambarana avy amin’ny mpitondra tenin’ny Departemantam-panjakana Jen Psaki kosa dia azo jerena ao amin’ny http://goog.gl/xszoca
*****************

Dia toy izay ilay hafatra. Tsy asiako fanamarihana fa dia anjarantsika tsirairay ny mitsako azy mangina ao

Andron’ny Tany 2013 (#earthday2013)

HPNX0212

Chargé d’affaire Eric Wong

 

Andron’ny Tany anio na «Earth Day» . Tsy haiko ny fomba nentin’ny hafa nankalaza izany tany an-toeran-kafa, nefa inoako fa tsy ho latsa-danja noho izay natao teny amin’ny Masoivoho Amerikana teny Andranomena androany maraina.

100_8997

Lanonana tsotra, tena tsotra, nefa manana ny toerany sy hevitra ampitaina ho an’ny tsirairay no nisy teny an-toerana. Tonga amin’ilay fiteny hoe ‘symbolique’, saingy tsy izay lafiny izay no hitondrantsika ny tatitra fa ny zava-boarakitra tao anatin’ilay hetsika. Fiarovana ireo zava-maniry atahorana ho lany tamingana.

100_8989

Lanonana nifandrimbonan’ny Masoivoho Amerikana (#usembassy) tamin’ireo mpiara-miombon’antoka taminy izy ity: toy ny Tany Meva, ny avy amin’ny SAF FJKM, Alliance Voary Gasy, Madagascar National Park, Conservation Internationale Madagascar…sns… Ary zanak’ireo karazan-javamaniry fantatry ny maro amin’ny hoe ‘palmier’ niisa 3 no novolena nandritra izany. Vitsy angamba hoy ianao. Eny vitsy tokoa, satria na ny sasany amin’izy ireo aza dia efa teo an-dalam-pahafonganana no hita, avy novonjena nanangonana voa sy namelomana zanany mba ho azo volena toy izao indray.

HPNX0229

100_8992

Ny iray tamin’izy ireo aza moa dia efa tany Hawaï tany no hita, ary kisendrasendra no nahitàna hoe mbola nisy iray tavela tao amin’ny valan-javaboahary tao Ranomafana. Ahitana ilay karazana Palmier, mamono tena afaka 10 taona eo ho eo amin’ireto voavoly androany ireto. Alohan’ny hahafatesany anefa dia manome voa izy, rehefa avy mahatratra ny haavo ilainy, sy misampana.

Ndeha ianao ho entina an-tsary hanatrika izany, mba ho toy ny teny an-toerana ihany koa. Ary ny angatahana amintsika mpamaky, raha misy mahalala ny anaran’izy ireo amin’ny teny Malagasy, dia mba apetraho anaty toerana natokana ho an’ny fanehoankevitra, satria tsorina fa dia tena sahirana tokoa izahay nitady izay anarana Malagasy izay, fony teny an-toerana teny, saingy tsy mbola afa-po. Misy ny hoe Satrana, Dimaka, saingy na ireo nitondra azy aza, izay vazaha roalahy, dia mbola misalasala tsy mahazo antoka ny amin’izay tena anarana Malagasy marina ho an’izy ireto, satria hoy izy, na ilay hoe Dimaka aza, dia miovaova araka ny toerana aleha ny fahafantaran’ny olona azy.

Ankoatra ity tatitra fohy ity dia mbola ho avy eto ihany koa ny dikanteny tamin’ny fandraisam-pitenenan’ny Chargé d’affaire avy ao amin’ny Masoivoho, nataony nandritra ny fanokafana ny lanonana.

100_8990

100_8993

100_8994

100_8995

100_8998

100_8999

100_9000

Famoahana andiam-pianatra avy ao amin’ny ETP

Nosy i Madagasikara, ary raha vao hoe ‘nosy’ no heno dia fitokana-monina no mba ao an-tsaina. Tsy hoe rehefa nosy koa anefa dia tsy ho afaka amin’izay fatotry ny fitokana-monina izay. Ho amin’izany indrindra no ilàna ny fianarana teny vahiny samihafa, mba hahafahana mifandray amin’ny any ivelany. Tafiditra amin’izany ny ezaka ataon’ny ETP (English Teaching Program).

Toeram-pianarana teny Anglisy araka izany ny ETP, izay tany amin’ny 1962 no nananganan’ireo mpampianatra Amerikana azy ho fanampiana ireo olona hafa tsy miteny azy io ho afaka kosa mifanerasera amin’ny alàlany, ka 10 herinandro no faharetan’ny telovolana iray ao aminy, ianarana mandritra ny 60 ora isaky ny antsoina hoe ‘level’ na dingana iray. Manana efitrano miisa 13 izy ho entiny manatratra izany tanjona izany.

Isan-telovolana dia misy mpianatra eo amin’ny 1300 eo ho eo no voasarika hianatra teny Anglisy ao amin’ity ivon-toerana iray eto Antananarivo ity.

Androany ary, dia mpianatra niisa 113 no notolorana mari-pankasitrahana teny amin’ny masoivoho Amerikana Andranomena. 74 tamin’izy ireo no tafiditra amin’ny fanasokajiana azy ho sangany. Ny Mpanolotsaina momba ny asa koltoraly eo amin’ity masoivoho ity no nitarika ny fotoana.

Tonga nanome voninahitra sy namporisika ny vao avy notolorana mari-pankasitrahana mba hitozo hatrany ihany koa ny filohan’ny AmCham, Atoa Zouzar Bouka. Tamin’ny fandraisany fitenenana no nilazany fa raha ny marina dia tsy tapitra hatreo ny fianarana, fa eo vao tena manomboka. Ny AmCham dia American Chamber, manao fihaonana matetika amin’ireo mpandraharaha eto an-toerana ry zareo ary misy fotoana anasàny ihany koa ireo solotenan’ny masoivoho vahiny mandritra ny tafatafa ataony. Nanamarika moa ity mpitarika ity, fa matoa tsy mbola misy mpanao gazety nahazo fanasana hanatrika ireny tafatafan-dry zareo ireny, dia satria mahatsiaro ho mahazo aina kokoa ireo mpandray anjara rehefa miresaka tsy eo anatrehan’ny mpanao gazety (???)

Atoa Tovo Herifidy RAFELIARISOA no nandray fitenena nisolo tena ireo mpianatra marobe, nisaotra ny ETP sy ny masoivoho tamin’izao fampianarana sy fandraisana ary fikarakarana azy ireo izao. Hoy indrindra izy:

we all know the Malagasy proverb that says “If a tree has been turned into a boat, it’s because it was planted in a good soil” So on behalf of the graduates, I would like to thank all the teachers and staff members at the ETP without whom this would not have been possible.

You showed a lot of patience and dedication to help us learn English in the best conditions and for that we are grateful

Fantatsika rehetra ilay ohabolana Malagasy manao hoe: « Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara ». Noho izany, amin’ny anaran’ireo rehetra nahazo maripahaizana, tiako ny hisaotra anareo rehetra mpampianatra, ny mpandraharaha mpikambana ao amin’ny ETP izay raha tsy nisy azy anareo tsy ho nisy izao rehetra izao.

Nampiseho faharetana sy fahavononana betsaka ianareo hanampy anay hianatra ny teny Anglisy ao anatin’ny fepetra tonga lafatra ary mankasitraka azy rehetra ireny izahay.

Hifindra eny Tanjombato ny ETP, ao anatin’ilay foibe Amerikana vaovao ary hisy tolotra marobe ho an’ny daholobe izay maniry hianatra teny Anglisy ampiasàna ny teknolojia avo lenta. Misy ny fampianarana manaraka ny fomba mahazatra ary misy ny fampianarana misy fifamatorana, ny fampianarana ho an’ny mpanao bizna, ny natokana ho an’ny mpianatry ny lisea, ny natokana ho an’ny ankizy, ny kilasy natokana ho an’ny resaka sy fomba fanonona, ny kilasy fanomanana ny TOEFL, SAT, LSAT, GRE, TOIEC, TELP , ka arakaraky ny valin’ny sivana atao no kilasy ametrahana ny tsirairay hoy Ramatoa Vony RAZANADRAKOTO talen’ilay ivon-toerana.

Amin’ny hoavy dia hisy ny fampianarana amin’ny alalan’ny finday, na dia tsy hialana aza ny fomba natao hatrizay,  toy ny ifanatrehana na ny anaty efitrano. Tokana ny tanjona, ny hahaizan’ireo mpianatra ao aminy mampiasa ny teny Anglisy.

Karazan’olona maro no mianatra ao amin’ity ivon-toerana iray ity, ary anisan’ireo notolorana maripahaizana androany ny namana iray mpitoraka bilaogy Ariniaina. Isan’ny omen’ny ao amin’ny ETP sy ny Masoivoho ny toerany tokoa mantsy ny bilaogera tato anatin’ny volana vitsivitsy, raha mbola tsinontsinoavin’ny sehatra hafa kosa.

Fahaleovantena Amerikana faha-236 (#USEmbassy)

Faha-236 amin’ny tsingerina nahazoan’ny Amerika ny fahaleovantenany no nankalazaina androany (nialoha ny fotoana, izay tokony ho ny 04 /07) teny amin’ny masoivoho Amerkana Andranomena. Fahaleovantena azony tamin’nya taona 1776.  Isan’ny foto-kevitra raketin’ny fanapahana tamin’izany fotoana ny mba hisian’ny fahalalahan’ny fivavahana, ny fahalalahana maneho hevitra sy ny asa fanaovana gazety, fa ny tena zavatra lehibe tao anatiny dia ny zo hifidy izay ho mpitondra ny firenena.

Fanjakana 50 izay zanatany Eoropeana niisa 13 tamin’izany fotoana no nitambatra ho lasa i Amerika fantatry ny maro ankehitriny.

Volana vitsy lasa izay dia nanao fianianana tany Mantasoa ireo mpirtsaka an-tsitrapo Amerikana hiasa eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny asa fanampiana ataon’i Etazonia eto Madagasikara ny fisian’izy ireny. Fanampiana izay nambaran’ny teo anivon’ny masoivoho sy ny USAID nandritra ny fandraisam-pitenenany sy ny tafatafa niarahany tamin’ny mpanely vaovao fa hoe tsy mitsahatra ny mitombo. Enga anie ka mba hiantefa tokoa any amin’ny vahoaka ny vokany.

Raha ho an’ny USAID manokana dia nambaran’ny tompon’andrakitra fa maherin’ny 144 lavitrsa ariary ny fitambaran’ireo tetikasa sahaniny eto amintsika. Ary raha ny Peace Corps indray dia miely patrana any ambanivohitra any, misahana sekoly na asa fampandrosoana hafa.

Nidoka tena moa ny Amerikana nandritra ity androany ity fa hoe izy no manome fanampiana mitokana betsaka indrindra an’i Madagasikara, eny fa na dia tsy ankatoaviny aza ny fitondrana misy amin’izao fotoana. Eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, fanjarian-tsakafo, fampidirana rano fisotro (miaraka amin’ny fikambanana tsy miankina) no isehoan’izany.

Ny tomponandraikitry ny tranomboky ao amin’ny masoivoho, manazava ireo teknolojia mety ho hita ao aminy

Eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy fanapariahana ny kolontsaina Amerikana kosa dia hisokatra tsy ho ela ny Foibe Amerikana vaovao eny amin’ny SMART Tajombato, hahitàna teknlojia avo hiaka farany, toy ny boky elektronika, ny solaitrabe mifandray amin’ny solosaina. Hisy ny sehatra ho an’ny fialamboly sy ny fampiroboroboana ny orinasa.

Nanokatra ny foibe YCC etsy Anosy ihany koa moa ry zareo hanabeazana tanora vanona, araka ny tenin’Atoa Eric Wong, mpiandraiki-draharaha. Ny YCC izay manana fandaharana iarahany rahateo amin’ny fahbitalavitra RTA , fandaharana Kozy Liberty no nahalalan’ny maro azy hatrany am-boalohany.

ampahany tamin’ireo mpanotrona

Fa ankoatra ireo voalaza ireo dia misy ihany koa ny fiaraha-miasany amin’ny Air Madagascar amin’izao fotoana ao anatin’ilay hetsika ‘Vivez une experience Naturelle’ natao hiarovana ny tontolo iainana sy ho fampahafantarana ihany koa ilay valanjavaboary. Notokanana tamin’ny fiandohan’ity volana Jolay ity rahateo ny tranobe iray antsoina hoe Namanabe hall tao amin’io toerana io, ary mbola hitohy amin’ny 14 Jolay izao izany fankalazana ny fisokafany izany.

Rehefa nody moa ny nasaina rehetra dia notolora zana-boasary iray avy mba ho fahatsiarovana sy ho marika fa mbola haharitra ny fiaraha-miasan’i Etazonia amin’ny Madagasikara raha ny voalazan’Atoa Eric Wong. Mba hiara-mahita ny fitombon’izy ireny sy hioty ny vokatra hoy ny filazany azy.

Nentiko nody izay tsy naka ny anjarany, sao mba mitombo ny isan-boasary ateriko any amin’ny masoivoho rahatrizay vokatra. tpt

Ery ambony amin’ny ilany havia eo amin’ny sary ny toerana nasiana ny mpanao gazety sy ny bilaogera

Ankoatr’ireo fihetsika sy zavatra hafa nampiavaka ny androany (sic) dia navahana ihany koa ny taratasy famaohana.

#USEmbassy sy ny sehatra fanabeazana

Raha vao mahita ny soratra hoe USEmbassy ianao dia ny Masoivoho Amerikana eny Andranomena no mby ao an-tsainao avy hatrany.

 

Tamin’ity androany ity dia niara-paly tamin’ny rehetra teny amin’ny Masoivoho, ireo tomponandraikitry ny sekoly isan’isany, ary ireo mpianatra voatsonga tanatin’ny maro ka nahavita nanaraka hatramin’ny farany ny fampianarana teny Anglisy natolotry ny Masoivoho Amerikana sy ny English Teaching Program ho azy ireo.

Natao androany teny an-toerana tokoa mantsy ny fizaràna sertifikà ho an’ireto kilonga Malagasy ireto. Tombony ho azy ireo ny nahafahany nanaraka izany fampianarana izany, tsy vitany hoe maimaim-poana mantsy, fa taminà ivon-toerana raitra ihany koa.

Indro entina etoana ny sombiny tamin’ny kabarin’ny solontenan’Atoa Eric Wong, Mpiandraiki-draharaha ao amin’ny Masoivoho Amerikana tamin’ity lanonana ity:

Premier Conseiller p.i., M. Chris Tremann

[…] ity lafiny iray amin’ny asdako ity no anisan’ny ahatsapako hoe mahazo valisoa ah. Amin’ny toa izao mantsy ah no afaka manolotra ho an’ny mpianatra Malagasy, tanora indray mihira izay manan-karena nofinofy ny amin’ny hoavy, sady manan-talenta, ny fitaovana ilainy hanatanterahany ny nofinofiny…Tsy vitan’ny hoe fahafahana mianatra teny vahiny vaovao mantsy io[….] fa tena varavarana misokatra hoan’ny làlana maro azonareo arahana any aoriana[…]

[…] nanjary fepetra tsy azo ialàna ho an »ny asa maro ny fahaizana miteny Anglisy […] Ny olona hany mahmby eto amin’izao tontolo iainantsika izao dia izay mahay mifanerasera amin’ny olona avy amin’ny kolotsaina sy any amin’ny kaontinanta hafa. Koa […] sahia manonofy ary raiso ilay fanalahidy atolotra anareo hanokafanareo varavarana maro tsy mbola hitanareo taloha.

[…]

Tsy mijanona eo amin’ny sehatry ny kolotsaina sy ny fanabeazana anefa ny fanoloran’i Etazonia anjara biriky amin’ny fandrafetana ny hoavin’i Madagasikara.[…] Eo ohatra ny fanampiana mitentina 70 tapitrisa dolara eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, fanampiana ny mponina ary ny vonjy taitra amin’ny loza voajanahary izay atolotray amin’ny alalan’ny USAID […] ny Peace corps miasa manerana ny nosy[…]

[…]

[…] Mino sy manantena izahay fa hahita làlana maro azo isafidianana, ary manainga hatrany ny lafin-kery rehetra hiara-hiasa hahazoana antoka fa misy ny ezaka atao hizorana  ho amin’ny famerenana amin’ny  laoniny tanteraka ny demaokrasia, ny fanjakàna tan-dalàna ary ny fanajana amin’ny fomba tsy miolankolaka ny zon’olombelona eto Madagasikara […]

Sombiny tamin’ny kahatney ihany ireo. Mbola mitohy hatrany moa ity asa fanampiana maimaim-poana ny taranaka Malagasy ataon’ny ETP sy ny Masoivoho Amerikana ity, ka raha lasa iny andiany iny, dia efa hisy sahady kosa ny andiany manaraka handimby ny teo aloha.

Sary vitsivitsy nandritra ny lanonan,a atolotra ho anao:

Azonao atao ny mitsidika sy mijery vaovao tsy tapaka avy amin’ny masoivoho ao amin’ny Facebook https://www.facebook.com/usembassy.madagascar

Namono olona indray ny 194…

Efa betsaka loatra raha ny teny natao momba ireto Taxibe ireto, indrindra fa ny 163 sy ny 194. Fa ity farany no tena tsy laitra.

Tsy zoviana amin’ireo mpampiasa azy sy sendra mandalo amin’iny mankany Andranomena, Ambodimita, Soavimasoandro iny ny firimorimon’ireo fiara amin’izany zotra 194 izany. Ary mba manandràma anie ianao mpandeha miteny azy ao anaty fiara ao e! Vava ratsy no setriny.

Dia hiandry loza foana ve (na ny mpamily, na ny tompona fiara, na ny lehiben’ireny Kaoperativa) ireny vao hihilana e?

Izao dia nahafaty olona  indray ity zotra ity, teny Ambohidroa. Amin’izay zazakely vao herintaona no namoy ny ainy, nosokirina tao ambany fiara, raha minitra vitsy talohan’izay kosa dia teny an-trotroan’ny renibeny no nisy azy. Ity farany moa dia naratra mafy ary nalefa any amin’ny tobim-pitsaboana. Ankoatry ireo naratra. Tsy mazava aloha hatreto ny anton’ny loza.

Noho ny tahotra ny fitsaram-bahoaka moa dia niova làlana mihitsy ity zotra ity mandram-pisavan’ny rahona. Rahona maintsy izay nitarika fitohanana ora 3 be izao tamin’ny fifamoivoizana tamin’iny ampahan-dàlana iny