Loza raha may ny ala kely … farihin’i Mandroseza

Tsy nisy andro iray tsy nandrenesana anjomara fanairan’ireny fiarabe mpamono afo ireny teto Antananarivo. Na andro na alina dia tsy maintsy mandre azy ireny foana ny mponina. Toa zary lasa fahazarana mihitsy indray aza angamba, mba tsy hilazana hoe lasa tsy mahataitra.

Fiaraben'ny mpamono afo

Toa mampahatahotra ny hiteny hoe efa misy tia milalao afo sy faly mahita zavatra may koa ve ny Malagasy (pyromane)? Teo aloha teo mantsy dia tsy nisy tsy taitra nandre fa may ny ampahany tamin’ny valan-javaboahary voajanaharin’Ankarafantsika, nanaraka azy avy eo ny valan-javaboaharin’Isalo. Tsy hoe adino akory ny « hain-trano faobe » mitranga eto an-drenivohitra, toy ny teny Antohomadinika, raha tsy hiresaka afa-tsy io isika.

Tamin’ireny tranga ireny dia saiky tonga nidodododo sy nihazakazaka nijery ny zava-nitranga sy hoe « hitondra anjara biriky » ny olona isan’ambaratongany. Fa raha ity nitranga androany ity kosa no lazaina, dia tena nampalahelo: May ny ala kely (mbola tamin’ny ampahany ihany aloha) manodidina ny farihin’i Mandroseza. Ampahany hoy aho, nefa tsy azo tsinontsinoavina ny haben’ilay faritra may. satria lehibe ihany.

Kely fa zava-doza raha avela hihanaka

Hoy ny manodidina

Tokony ho tany amin’ny 8 ora sy sasany maraina tany  no tonga teo niaraka tamina fiara 404 misy labasy ny olona vitsivitsy. Anton-dian’izy ireo ny handoro  antontan-taratasy am-patorana teo anatin’io faritra io. izay efa fanaon-dry zareo isaky ny andro sabotsy.

ireo antontan-taratasy nodorana nefa tsy may

Nilaza moa ireo mpiasa sendra ny tena teo amin’ilay toerana nisy ny fahamaizana fa tsy amperin’asa izy ireo no nisy niantso tamin’ny finday fa hoe

mirehitra ny ao anatin’ilay faritry ny ala kelin’ny JIRAMA.

Dia ho aiza izany ireo tarondro be teto?

Ary dia tonga nanohina ny antso tsy nisalasala. Na dia faran’ny herinandro tokony hialan-dry zareo sasatra sy hirevireveny aza (tsy afenina fa efa nahazohazo avy any amin’ny faritra nisy azy tokoa ny sasany tamin’izy ireo no tonga namaly ny antso).

Ankoatra ahy izay naharay antso avy amin’ny anabaviko monina eny amin’ny faritra akaikin’ny afo, dia nisy efatra teo ho eo angamba ireo mpiasa nijery ny fihanaky ny afo. Tsy fantatro na ny mponina  na ireo mpiasa no niantso voalohany ny mpamono afo. Tsy haiko na tamin’ny firy ireto mpiasa ireto no tonga teo an-toerana fa raha ny tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro nahatongavako teny dia tena mbola teo amperiny tamin’ny famonoana ny afo tokoa ny avy ao amin’ny mpamono afon’ny kaominina.

Raha ny teny heno avy amin’ireo mpiasa nanontaniana moa dia hoe tsy avy amin’ireo fako sy antontan-taratasy nodorana no niavian’ny afo fa avy amin’ny faritra ambany, akaikin’ny rano. Toerana izay lazain-dry zareo fa fieren’ny jiolahy sy ny mpanjono an-tsokosoko ary ireo mpifoka rongony. Fieren’ireo mpangalatra ihany koa hoy ny mponina eo akaiky eo.

Toa sarintsarim-piarovana ho an’ilay faritra ihany raha ilay tamboho natsangana manamorona ny arabe mankany Ankadindratombo iny. Raha tena miditra ao anatiny mantsy ianao dia hahita fa feno lala-masaka ao, izay efa ela nivezivezena tokoa. Mifampitohy sy mifandray avokoa izy ireny ary mivoaka mankany amin’ny lalam-by ery akaikin’ny lagara fiantsonan’ny fiarandalam-by ho any, na avy any Toamasina.

Saiky hangalatra fitia fa tsy nety ny androany e! Ramatoa nialoha lalana ka rehefa nifanena taminay (mpaka kitay) dia nitsiky sisa azo natao. Rangahy indray nitsirika ery ankavian'ny tamboho akaikin'ny lalamby ka tsy sahy nanaraka intsony. Amin'ny manaraka indray eeee!

Raha mihaino ny feon’ireo mponina eo akaiky eo indray, izay nilaza fa nahita ny fiandohan’ny afo sy nampandre ny tompon’andraikitra, dia avy amin’ilay fako nodorana ka nasavoritaky ny tadio no niavian’ny firehetàna. Tokony ho mba nisy ny fanaraha-maso ny afo natsangana araka ny fanamarihan’ireto mponina ireto, satria nambaran-dry zareo ihany koa fa indraindray maharitra iray andro mahery ny firehetana amin’ireo fako sy antontan-taratasy dorana eo ireo. Toy ny afon’ampombo misoko mangina.

Iverenana ilay sarintsarina fiarovana ilay faritra: sarintsariny amiko satria raha ny zavatra hafa tsikaritra tao dia vitan’ny olona ny mikapa hazo ao anatin’io faritra io, raha tsy ny tompony no nàka.

Dia hazo be no teto. Iza no nikàpa, tsy nisy nahita ve?

ny maka tanimena ao,

Ary sao mba ny mponin'ny citè ihany kosa no naka tanimena tety hananganana trano e? Asa lahy!

ny manao azy ho ‘trano fandriam-bahiny vonjy maika’, ny mametraka tsy amin-tahotra ny lakana fanjonoany eo amoron-drano eo,

tsy afenina intsony ny lakana fa avela ery amoron'ny lalam-by

tsy afenina intsony ny lakana fa avela ery amoron'ny lalam-by

ao ny mamadika azy ho trano fivoahana sy toerana fanariana fako na fanariana fatin’olona mihitsy aza ka indraindray dia efa mihintsa-nofo vao misy mahita (indrindra fa rehefa fahavaratra) hoy ny mponina eny. Na dia raisintsika hoe voafefy aza ilay mivoaka any amin’ny lagara, dia tsy olana ho an’izay te-hiditra ao ny miakatra ny tamboho avy aty amin’ny arabe ka miditra mankao. Nitaraina mihitsy aza ireto mponina eo akaikin’ilay faritra fa misy jiolahy tonga mifoka rongony ao anatin’io toerana io, ary amin’ny alina dia tafakatra hatrany ambony tafontranon-dry zareo. Nisy fotoana aza, amin’ny 11 ora alina, dia efa voasokatr’ireto jiolahy ireto mihitsy ny varavaran-kely tany ambony rihana.

Momba ilay hoe maka tanimena ao ny sasany dia tena zava-doza no hitranga atsy ho atsy satria feno lava-davaka be tokoa ao anatiny ao – lalina – ary ny iray amin’ireny dia ao ambany tamboho izay inoako fa efa tonga any ambanin’ny sisin-dàlana aloha kelin’ny tetezana mankany Ankadindratombo. Izany hoe dia efa miomàna izany fa atsy ho atsy mety hianjera ilay tamboho,ary hisy amin’ny ampahan-dalana , na farafaharatsiny sy sisin-dalana (trottoir) hanaraka azy.

Ny arabe mankany Ankadindratombo no ao ambadik’io tamboho io nakàna tanimena io

Nolazain’ny mpiasa iray ihany koa fa raha ny nanomanana ity faritra ity tany amboalohany dia ny ho fametrahana fitaovan’ny direksiona DLA ao amin’ny JIRAMA. Porofon’izany ny nahitàna andrin-jiro vitsivitsy mitsidrahaka ao anatiny ao. Ahitana vavahady roa ilay toerana, ilay ety ambony nidiran’ilay fiara nitondra antontan-taratasy hodorana, dia tariby monja no mba hidiny, raha mihidy cadenas tsy nahitàna fanalahidy hamohàna azy kosa ilay faharoa ery ambanimbany.

Saiky hatao fametrahana kojakoja no nanomanana ny toerana tany ampiandohana

Tokony ho tamin’ny 5 ora hariva latsaka kely tany ho any dia niala teo an-toerana ireo mpamono afo. Teny an-dalana hody koa anefa ny tena no nahatsikaritra avy eny amin’ny toerana avo fa mbola misy afo niha-nahazo vàhana indray avy ery amin’ny morony ambany akaikin’ny farihy. Niverenana nantsoina indray ireo mpamono afo (efa tany Besarety ry zareo tamin’ny antsoko voalohany). Indroa niantso aho ka nielanelana teo amin’ny 5 mn teo izany. Fotoana vitsy taorian’ny niantsoana azy ireo ( 15 mn) dia tafaverina ireo fiarabe roa nantsoina. Ny afo amin’io efa mahavitra  2 na 3  metatra indraindray, rehefa sendra mitsoka be ny rivotra. Marihana fa avy nandalo ririnina isika ary be ny ravina maina nihintsna nameno ilay faritra. Nanamora ny fitaran’ny afo izany, nampian’ireo fako sy ‘sachet’ maro arian’ny sasany ao anatin’ilay faritra.

Olana iray teny an-toerana koa ny tsy fisian’ny atao hoe ‘bouche d’incendie’. Voatery noho izany ireo fiarabe nandeha tany Ambanidia tamin’ny voalohany, ary avy eo vao teny amin’ny tohodranon’ny JIRAMA tamin’ny fanindroany no naka rano.

Tsy nisy olon’ny fokontany nanatrika ny fahatongavan’ireo mpamono afo tamin’ny voalohany, ary tamin’ny famonoana afo faharoa aza dia nantsoina tany mihitsy ny lehiben’ny fokontany sy ny mpiara-miasa aminy vao mba nidina nijery ny zava-nitranga: Tsy takona nafenina anefa ny fisian’ny setroka sy ny anjomaran’ny fiarabe mpamono afo.

Tamin’ny 5 ora sy sasany hariva aho vao afaka tanteraka teny amin’ny faritra nisy ity fahamaizana ity, ary ny zavatra tena nanamarika ahy indrindra dia ny tsy nahitako tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny orinasa JIRAMA – na iray aza – tonga nanotrona sy nijery na nanadihady ny zava-misy. Teny anelanelany teny dia nisy ihany ny antso an-telefaonina nifanaovan’ny mpiasa iray tamin’ny ‘hoe lehibeny’ izay nangataka ny hifampiresaka amin’ny solontenan’ny mponina mipetraka eo akaikin’ilay faritra may, nefa tsy fantatro hoe inona no antony fa dia isak’izay mandray ny finday ireto mponina teo amin’ny faritra dia tsy misy namaly resaka any ambadika any, fa nangina na tapaka ny fifandraisana. Tsy nisy araka izany fifampiresahana teo amin’ilay ‘lehibe any anaty finday’ sy ny olona ‘saiky tra-boina’ teny an-toerana. Mahagaga an!  mahatalanjona!  Tsy zava-maivana velively anefa ny tohiny raha sanatrian’izany ilay firehetana faharoa ka tsy tsikaritra ara-potoana satria mety ho niredareda nandritry ny alina tao sy nandoro ireo ‘citè’ teo akaiky. Ireto farany rahateo efa nisy nipitihan’ny afo, ka raha ny filazan’ilay vavolombelona mitantara eto ambany dia nisy tamin’ny zanany mihitsy no may teo amin’ny tratrany. Soa fa tsy dia zava-doza loatra,. Fa na izany aza…

Talohan’ny nialan’ireo mpamono afo tamin’ny andiam-pamonoana voalohany dia nanafatra ireo mpiasa izy ireo (teo imasoko no nanaovany an’izay) mba hanara-maso ilay afo sy ny faritra manodidina. Ary tamin’ny fiverenany faharoa dia tezitra mafy izy ireo fa hoe tsy nandray ny andraikiny ireo mpiasa nafarana. Ireto farany izay nanamarika raha nanontaniako fa

avy any Atsimon’Ambohipo no naharay ny antso ka nidodododo namonjy an’i Mandroseza ny iray, ary ny iray hafa kosa avy any Avaratr’i Mahazoarivo.

Fomba ahoana hoy izy ireo no hanarahanay maso ny afo avy any ambadiky ny akata be any, ary izahay rahateo olona tsy amperin’asa fa mba tonga fotsiny nanohana ny antso sy manampy amin’izay tokony ho vita. Ny tokantranonay koa ve tsy kaontiana?

Isan’ny kiana nataon’ireto mpamono afo tamin’ireo mpiasa ny hoe

efa mba nilazana ianareo fa mba jereo ilay afo, nefa moa nareo aza mamo amperin’asa. Tsy eritreretinareo ny gas oil laninay sns…

Mino aho fa tsy nahafantatra itsy nolazaina tetsy ambony ireo mpamono afo hoe mpiasa tsy amperin’asa anie ary tany ampiatrehana ny fiainany manokana tany ireto manatrika azy eo amin’ity toerana ity.

Nisy olona sendra naheno izay ‘taim-bava’ avy amin’ny mpamono afo izay no tsy faly ka nimonomonona niteny hoe

Tsy ny asan’ialahy no atao tsara fa ialahy tsy namono tsara ny afo tokony hovonoin’ialahy no nahatonga an’io niverina. Ary ny hetra alohanay no miantoka ny gas oil fa tsy avy any ampaosin’ialahy. Ka vonoy ny afo dia mandehana mody

Soa fa tsy henon’iretsy avy any Tsaralalana ny teniny fa asa angamba izay ho tohiny. Mety tsy ny afo indray no voatondraka.

Mbola teo amperin’asa tanteraka ireo mpamono afo tamin’ny 5 ora sy sasany nialana teny an-toerana sy tsy nahitako tompon’andraikitry ny orinasa mba tonga teny an-toerana. Mampalahelo! Tena olom-pirenena tompon’andraikitra tokoa k’ah….! Hoy sisa  ilay iraikalahy nisotro kafe tetsy ampita hoe

izao no izy rehefa tany tsy misy fanjakana.

Fanjakana iza anefa ilay andrasana? Foibe sa fanjakan’ny JIRAMA ? Tsy fantatro ! F’angaha tokoa moa misy idiran’ny fanjakana ny fitiavana milalao afo? Ny andraikitry ny orinasa amin’ny tokony hiarovany ny fananany angamba no tokony hasiana resaka

Antenaina  fa mba efa maty tanteraka izay ny afo any an-toerana ary mba handry fahalemana ny olona.

Fa isan’ny tsy hita teny koa ny mpanao gazety matihanina!

Ato  ny video misy ny fijoroana vavolombelona nataona mponina iray monina tena eo akaikin’ity faritra nirehitra ity. Ao anatin’izay fijoroana vavolombelona izay no ilazany fa ny afo nandorana ny fakon’ny JIRAMA ihany no nandoro koa ny kirihitra manodidina ary nanampy tosika sisa ny rivotra. Afo izay raha nisy kely foana dia namoizan’ireto olona ireto ny fananana hàriny an-taona maro.

Publicités

An’iza ny lamba mihaha…

Fiteny matetika ny hoe « tsy misy miafina izay tsy ho hita ». Dia mba tena tsy rariny kosa raha eo an-damosin’ny sasany no atao fitadiavana tombontsoa mihoam-pampana ho an’ny tena, raha marina ity tantara nivoaka tao amin’ny tranonkala mydago ity (izay nomarihan’ny mpanoratra ao fa trakta voarainy , ary itondran’ny eto amin’ny Gazety_Adaladala fanamarihana ihany koa fa tsy azy. Ny hany natao teto dia ny nampita fotsiny izay tazana tao amin’io tranonkala io).

Anarana mpitondra ambony maro amin’izao fotoana sy manamboninahitra jeneraly maro hatramin’nyfitondrana teo aloha no voatonontonona ao. Tsy afa-bela amin’izany koa anefa ny mpanao politika.

Raha marina tokoa ireo voalazan’io tranonkala io dia mba mangata-panazavana aminareo mpitondra izahay vahoaka, lazao ny marina ary ataovy ampahi-bemaso sy resaka ifanakalozana. Toy ilay tany Filipina e!

Tsy aritro ny tsy hilaza ity zavatra hitako matetika manoloana ny Look’s Ramasy Andravoahangy ity: matetika no misy mpitandro filaminana misakafo eo, ary na dia efa voalaza izao aza fa ‘parking privé » ilay eo ampita, dia tsy miraharaha sy mampiseho ny maha-mitam-basy sy tompon’ny hery azy ry zalahy. Sasa-poana ireo mpiambina miteny azy ireo, ary na mba misy olon-tsotra sahy miteny azy ireo aza dia toa fandrahoana no azo. Natrehiko maso ny zavatra lazaiko etoana. Vao tamin’ny Talata 21 Spetambra 2010 teo izao no nahitako tranga iray nampivanàka (soa fa tsy taty amiko ny fitaovana fandraketana an-tsary ny zava-misy fa raha tsy izany dia ho afa-baraka tanteraka ry zalahy – raha tsy voatifitra koa aho).

Inona no nitranga?:

Tsy miafina amin’ny maro angamba ny halehiben’io arabe manoloana ny Look’s Ramasy io. Alaivo an-tsaina ny sakany (largeur). Ny fitohanan’ny fifamoivoizana isan’andro, tsy vitan’izay manorisory, fa mitondra fatiantoka ho an’ny isan-tokantrano manana fiara, no sady miteraka fatiantoka ho an’ny firenena ihany koa rehefa mitambatambatra. Nefa dia teo no nanao ‘manoeuvre’ hiverina hitodi-doha ity fiaraben’ny mpitandro filaminana iray (camion, ireny ilay fitondra rehefa manao fampandrian-tany mandritra ny gidragidra ireny). Tsy taitra mihitsy ry zareo (ilay mpamily sy ilay iraikalahy manome toro-marika avy ety ivelany) fa dia naka ny fotoanany tokoa, na iza faly na iza tsy faly. Azy tokoa va re ny tany sy ny lalàna? Asa re…! Nefa mandra-pahoviana? Mandra-pahoviana no hitomoeran’izany toe-tsaina mpanao didiko fe lehibe izany eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy? Mandra-pahoviana koa no hiaretan’ny olona ny tsindry toy izany? Mandra-pahoviana no hiaritra fiforetana noho ny hery tsy mitovy? Mandra-pahoviana no hiandry màna avy any an-danitra vao handray fepetra ny tsirairay, miainga amin’ny toerana misy azy tsirairay avy?

Taxibe 119 – Ambohijatovo

Misy ny tetikasan’ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo ho fanatsarana ny zotra taxibe 119 mba hofitaratry ny zotra hafa. Miandry izay ho tohiny sy fihatraran’ity raharaha iray somary nampisavoritaka ny avy any Ambohitrimanjaka ity ny rehetra.

Fa raha izay fahita isa-maraina etsy Ambohijatovo aloha dia asa raha tetika mahomby ilay tsy fisian’ny polisy mandamina fifamoivoizana tato ho ato na ahoana (efa ela koa moa no nitovy foana na misy na tsy misy polisy eny an-dalambe eny). Isa-maraina tokoa mantsy dia tsy maintsy mibahana ny fifamoivoizana amin’ilay sampanana miakatra mankany Antaninarenina iny ireto zotra taxibe 119 ireto. Ary tsy izy ireo ihany kosa aloha fa manampy trotraka ny ataony koa ireo zotra 147 sy ny hafa avy amin’ny kaoperativa Tselatra.

Ambohijatovo isa-maraina

Rehefa tonga eo amin’ny sampanana hiakatra ho any Antaninanarenina iny ianao isa-maraina dia manontany tena hoe : « sao dia ny mpanampy ny mpamily – receveur – aza no eo amin’ny familina eo ka tsy mahalala ny tokony hataon? » . Farafahakeliny amin’izay tokony hatao mantsy ny mamela ny làlana mba hizoran’ny hafa rehefa hita fa tsy ho afaka hisosa akory ny fiaranao. Fa dia miroso soa amant-tsara mibahana ny hafa ry zalahy ary miandry ny sitra-pony eo ny rehetra. Ny fanalàna olona eny afovoan-dàlana moa manginy fotsiny.

Na ny kaoperativa hafa koa aza manao ny ataony eto Ambohijavtovo

Ny zavatra tokony ho ao an-tsain’ireto mpamily ireto ihany koa dia ny hoe : rehefa voabahana – mitohana – ny fifamoivoizana eo amin’io faritra io dia miantraika hatrany Antsahabe, Ambondrona ary Ambohidahy sy Anosy ny vokany. Saingy ny azy aloha no voalohan-daharana, ary ny azy no tsy azo ampandeferina, ka dia « izay voa manodidina ».

Faliarison sy ny haikantony

Izay rehetra nandalo teny Antaninarenina androany maraina dia mety ho nahatsikaritra lehilahy iray izay tena mbola ao anatin’ny hatanorany tokoa teo amin’ny sisiny havia raha hidina ny tohotohobato ho any Analakely. Sariaka sy miresaka tsara tokoa ranamana.

miasa am-pitsikiana

Namelatra ny fitaovany teo ingahy Faliarison, manao say hosodoko matihanina, no sady manohy manao dika avy amin’ireo saripika nomen’ny olona azy mba havoaka amin’ny alalan’ny pensily hazo sy ny taratasy marika ‘Canson’.

Faliarison eo amperin'asa tanteraka

Raha ny tafa fohy nifanaovana taminy dia nilaza izy fa efa talentany fony izy mbola kely tany an-dakilasy ny fanaovana sary – tsara tokoa aloha raha ny zavatra hitan’ny maso teo – ary dia notohizany foana hatramin’izao.

Santionan'ny asa vitan'i Faliarison

Tany amboalohany dia irony hosodoko atao ambony lamba ireony (aquarelle). Tena nataony ho antom-pivelomana ny fanaovana sary hosodoko eo ambony lamba tamin’izany, saingy noho ny krizy nolalovan’ny firenena dia vitsy, na zara raha misy,ny afaka manjifa ny asa toy izany. Noho izay antony izay dia nisafidy ny hiova kely amin’ny efa nahazatra azy i Faliarison, ka nanao ny sary vitaina amin’ny pensily hazo indray. 32 taona izy ankehitriny ary efa manambady aman-janaka.

Hoy izy:

Mahavelona tsara raha ity ataoko ity, fa ny fitiavana sy ny fanajana ny zavatra atao no fototra lehibe tsy maintsy iaingana

Raha mitondra saripika avy any an-trano ianao ka hampanao asa azy dia  25.000 Ariary ny iray tsy misy tranony (cadre), raha 35.000 Ariary kosa ny misy tranony.

Saripika avadika ho vita amin'ny pensily hazo

izy no Faliarison Nary

Nametraka laharana finday aty amin’ny Gazety i Faliarison raha toa ka misy liana amin’ny asa tanany.

Nisedra olana noho ny krizy niainana toy ny olona rehetra ny mpanao asa tanana Malagasy, ka miandry tolo-tanana avy aminao mpiray tanindrazana aminy aloha vao ny avy amin’ny hafa firenena. Tohano ny VITA MALAGASY – JIFAO NY VITA MALAGASY (izaho aloha efa mba nampanao sary vita pensily hazo tamin’ny iray tamin’izy ireny na dia tsy tamin’ Faliarison aza)

« Hono ho’aho Andriamatoa Filoha! » tamin’ny fomba Filipiana

Misy fandaharana iray mandeha izay ao amin’ny RNM rehefa faran’ny herinandro. I Andry Rajoelina no miteny sy mamaly fanontaniana ao amin’izay fotoana izay. Fa efa nisy toa io koa tany aloha. Tenin’ny filoham-pirenena no lohatenin’ilay fandaharana nahenoana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsaroako tampoka ireo fandaharana roa nifanolo ireo raha nijery vaovao avy any Filipina tao amin’ny Global Voices Online Malagasy aho. Manana ny kaontiny manokana ary amin’ny fomba ofisialy ao amin’ny Facebook ny Filoha Filipiana izay azon’ny olom-pirenena rehetra ifandraisana aminy (Namaly taratasy nalefa tamin’ny alalan’ny facebook ny Filoha).

Tsy nihafihafy ireo olona nitondra ny fanakianany sy ny ahiahiny tamin’ny fandefasana ‘tweet’ ho azy. Ary tamin’ny maha-olon-dehibe azy koa no namaliany ireny olona nanoratra ho azy ireny.

Dia velom-panontaniana eto am-pitoerana etop aho hoe, « Raha misyu ny kaonty ofisialin’ny mpitondra Malagasy, azo fantarina ve?, Ary raha fantatra ka andefasan’ny olom-pirenena fanamarihana – mety ho mamaivay mihitsy angamba- dia mba hahazoana valiny amin’ny fomba mihaja sy tony koa ve? »

Fa mbola fanintaniana hfa koa anefa ny hoe « Raha misy izay kaonty ofisialin’ny mpitondra izay, mba hanoratra am-panajana ve izay hamela hafatra ao? »

Fa maninona moa no apetrako ny fanontaniana toy izany, hoy angamba ny sasany aminareo mpamaky. Tsotra ny antony, satria amin’ireo olona marobe mifanerasera sy mifanoratra amiko aty anaty aterineto, dia tena mirehitra miredareda tokoa ny fanohanana ny andaniny na ny ankilany amin’izao disadisa misy eto amin’ny firenena iza, ary tsy mifampitsitsy teny tokao ireo izay mifanoratra amin’izany. Teo aloha teo dia efa nahiako hiafara amin’ny ompa atao amin’ny fomba mivantana mihitsy ny fifanakalozan-dresaka, hay moa ka mba nihalefy ihany izay hafanana izay nony tato aoriana kely ary dia miverina nyu fifanajana sy ny fomba fiteny manao sangisangy zary tenany, ary ny vazivazy.

« Eny ho’aho Ra-Malagasy, Malagasy be fivoarana… » (santionan-tononkalon’i Randzazanamihoatra))

Fahalalahana miteny (liberté…)

Isan’ny manara-maso ny fahalalahana miteny any amin’ireo firenena hafa ny tena (amin’ny alalan’ny Global Voices Advocacy sy ny Global Voices Online – amin’ny teny anglisy). Ary dia mampitaha an’izay hita any amin’ny misy eto Madagasikara (Madagascar).

Tsy dia azo lazaina ho tena mbola voageja tanteraka aloha raha isika eto, nefa koa tsy azo lazaina ho malalaka tanteraka koa.

Eo amin’ity fahalalaham-pitenanana (na famoahan-kevitra an-gazety, radio, fahitalavitra,  aterineto) ity no tena mafotaka maneran-tany tato ho ato ao amin’ny Global Voices. Isan’ny zavatra nampahatahotra tokoa izy io teo aloha teo raha ny teto Madagascar manokana. Toy ilay resaka CNEAGR naroson’ity takelaka an-tserasera ity tany aloha. (Mety mbola hosokafan-tsika ihany io lahatsoratra io any aoriana).

Noho ny mbola tsy fahafantarana loatra ny hoe malalaka ve sa tsia ny eto Madagasikara, dia ilàna fitandremana fatratra ankehitriny ny manoratra sy milaza ny zavatra hita aty anaty aterineto aty. Samy manana ny solomaso ijerena azy mantsy na ny mpamaky tsotra na ny mpitondra. Ary raha sendra tsy mahafaly ny eo amin’ny fitondrana izay voalazanao, dia tsara aminao ny mivonona avy hatrany handray farafaharatsiny fanakianana mivaivay avy amin’ireo tsy mitovy hevitra aminao, na ny ratsy indrindra dia ny fandrahonana mivantana (mifanatri-tava, na an-telefaonina toy izay nahazo ny mpanoratra eto)

Tsy misy rahateo ny ‘assurance’ sy fiarovana ho an’ny asa fanaovana fampitam-baovao toy itony eto amintsika raha ny fahafantarako azy (disoy aho raha diso). Ka mionona fotsiny amin’ilay hoe « izay voa manodidina » rehefa sendra ny taolana.

Raha te-hahita lahatsoratra maro mifandraika amin’ny resaka fahalalaham-pitenenana ianao mpamaky dia azonao atao ny mitsidika ny tranonkalan’ny Global Voices Online Malagasy. Voaresaka ao na ny avy any Sina, Ejipta, Barhain, Etazonia, Malezia sns..

Hita ao ihany koa ny loha hevitra maro samihafa toy ny resaka Fizarazarana ara-poko sy ny Fanavakavaham-bolon-koditra, ny herisetra atao amin’ny vehivavy, ny ara-toekarena

Iza no afaka miteny amiko fa misy fahalalahana miteny (liberté d’expression) eto Madagasikara? Iza no milaza kosa fa tsy misy fahalalahana maneho hevitra mihitsy eto? Iza no eo anelanelany?  Miandry izay afaka maneho hevitra momba izany aho mba hitondra izany eto amin’ny gazety_adaladala. Ary dia efa alefa mialoha sahady ny fisaorana.

Maputo

Re tamin’ny radio RFI nandritry ny alina fa mikorontana sy misy faty olona koa izao any Maputo any – 4 no maty ka zaza 12 taona avy nianatra ka handeha hody ny iray. Toa resaka fidanganan’ny vidim-piainana raha tena jerena no fototry ny gidra, tsy mahafaly ireo vahoaka an-jatony maro ireo. Volana maromaro izao no miakatra foana ny vidin’entana, na solika, na mofo, ny rano sns… Tsy afa-miaina intsony ny olona. Voatonontonona ho vahaolana amin’izany indray ingahy ‘Ts’isy anao’ [Chissano]. Asa raha iza no naka tahaka tamin’ireo vahoaka roa tonta (Malagasy / Mozambikana) amin’ity famerenana ny efa naloa ity.

142 no efa voasambotra, nefa dia efa nilaza ireo olona ireo fa tsy mampihemotra azy izany.

Dia an’iza koa ny manaraka?