Famoahana andiam-pianatra avy ao amin’ny ETP

Nosy i Madagasikara, ary raha vao hoe ‘nosy’ no heno dia fitokana-monina no mba ao an-tsaina. Tsy hoe rehefa nosy koa anefa dia tsy ho afaka amin’izay fatotry ny fitokana-monina izay. Ho amin’izany indrindra no ilàna ny fianarana teny vahiny samihafa, mba hahafahana mifandray amin’ny any ivelany. Tafiditra amin’izany ny ezaka ataon’ny ETP (English Teaching Program).

Toeram-pianarana teny Anglisy araka izany ny ETP, izay tany amin’ny 1962 no nananganan’ireo mpampianatra Amerikana azy ho fanampiana ireo olona hafa tsy miteny azy io ho afaka kosa mifanerasera amin’ny alàlany, ka 10 herinandro no faharetan’ny telovolana iray ao aminy, ianarana mandritra ny 60 ora isaky ny antsoina hoe ‘level’ na dingana iray. Manana efitrano miisa 13 izy ho entiny manatratra izany tanjona izany.

Isan-telovolana dia misy mpianatra eo amin’ny 1300 eo ho eo no voasarika hianatra teny Anglisy ao amin’ity ivon-toerana iray eto Antananarivo ity.

Androany ary, dia mpianatra niisa 113 no notolorana mari-pankasitrahana teny amin’ny masoivoho Amerikana Andranomena. 74 tamin’izy ireo no tafiditra amin’ny fanasokajiana azy ho sangany. Ny Mpanolotsaina momba ny asa koltoraly eo amin’ity masoivoho ity no nitarika ny fotoana.

Tonga nanome voninahitra sy namporisika ny vao avy notolorana mari-pankasitrahana mba hitozo hatrany ihany koa ny filohan’ny AmCham, Atoa Zouzar Bouka. Tamin’ny fandraisany fitenenana no nilazany fa raha ny marina dia tsy tapitra hatreo ny fianarana, fa eo vao tena manomboka. Ny AmCham dia American Chamber, manao fihaonana matetika amin’ireo mpandraharaha eto an-toerana ry zareo ary misy fotoana anasàny ihany koa ireo solotenan’ny masoivoho vahiny mandritra ny tafatafa ataony. Nanamarika moa ity mpitarika ity, fa matoa tsy mbola misy mpanao gazety nahazo fanasana hanatrika ireny tafatafan-dry zareo ireny, dia satria mahatsiaro ho mahazo aina kokoa ireo mpandray anjara rehefa miresaka tsy eo anatrehan’ny mpanao gazety (???)

Atoa Tovo Herifidy RAFELIARISOA no nandray fitenena nisolo tena ireo mpianatra marobe, nisaotra ny ETP sy ny masoivoho tamin’izao fampianarana sy fandraisana ary fikarakarana azy ireo izao. Hoy indrindra izy:

we all know the Malagasy proverb that says “If a tree has been turned into a boat, it’s because it was planted in a good soil” So on behalf of the graduates, I would like to thank all the teachers and staff members at the ETP without whom this would not have been possible.

You showed a lot of patience and dedication to help us learn English in the best conditions and for that we are grateful

Fantatsika rehetra ilay ohabolana Malagasy manao hoe: « Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara ». Noho izany, amin’ny anaran’ireo rehetra nahazo maripahaizana, tiako ny hisaotra anareo rehetra mpampianatra, ny mpandraharaha mpikambana ao amin’ny ETP izay raha tsy nisy azy anareo tsy ho nisy izao rehetra izao.

Nampiseho faharetana sy fahavononana betsaka ianareo hanampy anay hianatra ny teny Anglisy ao anatin’ny fepetra tonga lafatra ary mankasitraka azy rehetra ireny izahay.

Hifindra eny Tanjombato ny ETP, ao anatin’ilay foibe Amerikana vaovao ary hisy tolotra marobe ho an’ny daholobe izay maniry hianatra teny Anglisy ampiasàna ny teknolojia avo lenta. Misy ny fampianarana manaraka ny fomba mahazatra ary misy ny fampianarana misy fifamatorana, ny fampianarana ho an’ny mpanao bizna, ny natokana ho an’ny mpianatry ny lisea, ny natokana ho an’ny ankizy, ny kilasy natokana ho an’ny resaka sy fomba fanonona, ny kilasy fanomanana ny TOEFL, SAT, LSAT, GRE, TOIEC, TELP , ka arakaraky ny valin’ny sivana atao no kilasy ametrahana ny tsirairay hoy Ramatoa Vony RAZANADRAKOTO talen’ilay ivon-toerana.

Amin’ny hoavy dia hisy ny fampianarana amin’ny alalan’ny finday, na dia tsy hialana aza ny fomba natao hatrizay,  toy ny ifanatrehana na ny anaty efitrano. Tokana ny tanjona, ny hahaizan’ireo mpianatra ao aminy mampiasa ny teny Anglisy.

Karazan’olona maro no mianatra ao amin’ity ivon-toerana iray ity, ary anisan’ireo notolorana maripahaizana androany ny namana iray mpitoraka bilaogy Ariniaina. Isan’ny omen’ny ao amin’ny ETP sy ny Masoivoho ny toerany tokoa mantsy ny bilaogera tato anatin’ny volana vitsivitsy, raha mbola tsinontsinoavin’ny sehatra hafa kosa.

Publicités

Mianatra mi-blaogy fa tsy miblagy

Na vitsy aza ny mpianatra, mitohy ny fampianarana mamorona bilaogy sy manoratra ato amin’ny Foiben’ny asa fanaovan-gazety WWF / Antsakaviro.

Mahafinaritra ny fahalinan’ny maro amin’ity tontolo iray midadasika ity.

Natomboka tamin’ny famerenana malakilaky ny lesona teo aloha, ho an’ireo vaovao ny fotoana, ary heverina ho tohizana amin’ny tontolon’ny Twitter kosa avy eo

sombin-tsary avy amin’ny kaonty Twitpic an’ny namana iray mpiara-mampiofana azo jerena ato

Sary nentina hanaingoana fotsiny

Bilaogy: Ilain’ny mpanao gazety Malagasy ve?

Eto ampiandohana dia isaorana sahady ny fiaraha-miasa amin’ny US Embassy sy ny WWF  nanasa anay bilaogera tamin’ity androany itynahafahana nanao atrikasa niaraka tamin’ireo mpanao gazety Malagasy isan’ny sangany vitsivitsy. Teny Antsakaviro, tao amin’ny Media Center / WWF no natao ny fihaonana.

Betsaka no efa mahalala ny atao hoe bilaogy, saingy ny hetaheta te-hahalala sy hampiasa azy io dia tsy nisakana ny hanoroana sy hitarihan-dàlana ireo izay mbola liana ny amin’izany.

Rehefa avy nitafatafa fohy sy nifampizara fomba fijery momba ny tombon-dahin’ny fampiasana bilaogy, miohatra amin’ny asa fanaovana gazety efa nahazatra azy, tamin’ny alàlan’ny fametrahana fanontaniana mivantana taminay bilaogera, dia rafitra nanokatra ny bilaoginy manokana ireto namana mpanao gazety ireto.

Eto amintsika no mbola vitsy ny mpanao gazety mampiasa ny tontolon’ny bilaogy ho sehatra ikarepohana ilay ‘voankazo voarara’ tsy azo navoaka tany amin’ny tontolon’ny asa, fa raha any ampita, dia efa marobe tokoa ireo matihanina amin’ny asa fanaovana gazety no miafina anaty anaram-petaka, na solonanarana hafa, ary mamoaka ireny ‘voankazo voarara’ ireny ho hita sy ho fantatry ny vahoaka amin’ny endriny bolongana. Ary dia izay iantefany avy eo no mamakafaka sy mandray izay tiany hatelina.

Ianao ve tia mihinana voamadilo, izaho kosa tia mitsako makirana?  Ho antony tsy hahafahantsika mifandray va re izany e? Tsia avy hatrany no valiny. Mety ho be araka izany ny lafin-javatra tsy itoviana, fa kosa tsy sakana ireny ho an’ny bilaogera. Vao mainka aza toa kofehy mampifaningotra azy rehetra ho lasa tarika indray mihira. Miteny amin’ny anaran’ny Fahalalahan’ny Fanehoan-kevitra. Ny toy izany no irianay koa ho tonga amin’ireto namana mpanao gazety matihanina nanatrika ny atrikasa natao androany, izay nanomboka tamin’ny 2 ora mahery ary tsy nifarana raha tsy efa nahita an’Iarivo mirehitra jiro teny an-dalana namonjy fodiana.

Savaranonando ihany ny androany, fa ny manetsa be mbola ho avy, ka dia nifanome fotoana ho amin’ny tapa-bolana indray ny be sy ny maro.

Fenitra niraisana sy teny nifanomezana moa ny tsy hanomezana etoana ny anaran’ireo mpanao gazety samihafa tonga nanatrika ny atrikasa, ny toeram-piasany (mombamomba azy). Ekena izany, satria nahoana tokoa angamba hoy ianao? Inoana fa mbola tsaroan’ny maro ny fanenjehana nahazo ny bilaogera sasantsasany nandritra ireny olana nolalovan’ny firenena ireny, ary hatramin’izao aza, koa rariny loatra raha sarotiny amin’ny fiarovany ny tenany izy ireo.

Nambara tamin’ireto namana mpanao gazety ireto ihany koa anefa fa tsy miasa irery ny bilaogera Malagasy, fa misy dia misy tokoa ny fikambanana samihafa mijery sy manara-maso ny zava-mihatra amin’izy ireo ( isan’ireny ny Reporters Sans Frontiere) sy ny famoahana ataony, ary segondra no isaina dia mahalala izay zavatra manjo ny bilaogera Malagasy izao tontolo izao.

Ny bilaogy no nanombohana ny hetsika, fa mbola ho avy koa ny fampiasàna ireo sehatra maro  samihafa zo trandrahana eo anivon’ny aterineto.

Tanaty firahalahiana tanteraka no nahatanterahan’ny fotoana androany.

Alohan’ny hisarahana dia indreto antontan’isa vitsivitsy nalaina tany ho any, isa izay maneho ny lanja sy toerana tsy mitsaha-mitombo tànan’ny fampahalalam-baovaon’olon-tsotra eo amin’ny sehatry ny asa fanaovana gazety. (loharano : Locita)

  • 54% amin’ireo trano famoahana manerana izao tontolo izao no manana bilaogy
  • 47% no mitsidika ny Twitter  sy mampiasa azy ho toy ny loharanom-baovao na hanatanterahany ny fanamarinana ny vaovaony ary 35% no manao toraka izay saingy amin’ny alalan’ny Facebook;
  • 30% no manaraka ireo bilaogy efa fantany hatrizay ary  47% no mijery hafa vaovao mihitsy;
  • manakaiky ny  60% no mpanao gazety manatona mivantana maka ny vaovaony eny amin’ireo tomponandraikitry ny serasera samihafa eny, ary 59% any amin’ny mpitondra tenin’ireo orinasa samihafa;
  • 55% no milaza fa manana ny kaonty Twitter azy manokana ny toeram-piasany ary  54% no manana bilaogy iray tantanan’olon-tokana na iarahanà mpanao gazety vitsivitsy mitantana;
  • Lasa safidy omena tmbon-dahiny manokana ny endrika fanapariahana amin’ny alalaln’ny lahatsary ho an’ny  48% milaza fa mampiasa azy ity handrafetana ny votoaty avoakany;
  • 1/8 amin’ireo fikambanana no tsy manana karazana votoaty mifandrohy amin’ny fampahalalam-baovaom-bahoaka, raha 1/4 izany tamin’ny fanadihadiana teo aloha natao tamin’ny taona 2008;
  • Eo amin’ny lafiny hatsaràn’ny asa vita, 45% amin’ny mpanao gazety nanontaniana no miaiky fa mila mamokatra votoaty misimisy kokoa miohatra amin’ny firohotan’ny fampahalalam-baovaon’olon-tsotra. Na izany aza, 44% no milaza fa mnkamam ny asany, raha  34% izany tamin’ny taona  2010 ary  27% ny 2009.

Dia mandra-pihaona indray ry zalahy sy zavavy aaaa!

Lahatsoratra mifandraika: Global Voices Online Malagasy

Antananarivo Mibilaogy 25 Febroary 2011

Teny amin’ny Chil Out Ambondrona no nanomboka ny Antananarivo Mibilaogy tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy nahasakana ny rehetra tsy ho avy ny orana nirotsaka.

Iza avy no tonga?

madainitiatives.wordpress.com

gasymail.com

dotmg.net

milakory-fr.hautetfort.com

techmedia.mg

malagasymiray.net

madaonline.net

tattum.canalblog.com

gazetyavylavitra.wordpress.com

bombogass.blogspot.com

stephanie

ary ireo hafa tsy voatonona.

Inona no lahadinika?

Tsy nisy. Ary izay no tena mampiavaka ny Antananarivo Miblaogy. Rehefa tonga eo ny rehetra vao samy mizara ny niainany teo anivon’izany tontolon’ny fitorahana bolongana izany.

Nafana tokoa ny resaka ary nivelatra taminìny sehatra samihafa: fiainana ankapobeny, fhatsiarovana ny lasa, fizarana fahatsapana momba ny hoe aiza ho aiza ny tombontsoa mba nentin’ny fahatongavan’ny ‘haut débit’ ho an’ny mpampiasa aterineto eto Madagasikara, efa tena izay tokoa ve no azo amaritana ny fisosan’ny aterineto eto sa resaka sy fita-bitro no betsaka. Tonga hatrany amin’ny fifanohanana sy fifanampiana ary toro-hevitra amin’ny resaka fahaiza-manao.

Koa satria malalaka be ny fifanakalozan-dresaka dia voaresaka tao koa ny fahalalahan’ny aterineto sy ny vokatra mety ho aterany eo amin’ny sehatry ny firenena, izay matetika rehefa tsinjo ho manohintohina ny mpitondra dia sakanana. Nitranga izany ohatra tany Sina, Libia, Tonizia sns… Marina fa tsy mbola mitranga eto amin’ny tanintsika ny toy izany, saingy tsy misakana ny resaka tsy handeha akory.

Nivotra tao koa ny fampitahàna ireo mpanome tolotra aterineto samihafa eto Madagasikara (Moov, Orange, Blueline,…) Samy manan ny heviny ny tsirairay ny amin’io, ary ary ao kosa ireo tsy manan-tsafidy fa tratry ny  ‘tsy maintsy’ eo amin’ny fomba isafidianana ny mpanome tolotra. Toy ny an’ny dotmg.net izay tsy maintsy mampiasa ny 4G Bleuline noh ny tsy fisian’ny rafitra ‘filaire’ any amin’ny faritra misy azy.

Nivoitra teny anjorony teny koa ny fanafihana nataon’ny sasany ny sehatra fifanakalozan-dresaka izay isan’ny malaza, noforonina Malagasy ary tantanan’ny Malagasy: ny Karajia.org

Nahafinaritra ny rivotra niainana sy ny fifandraisana satria tao anaty tsiky sy hehy no nandaniana ny fotoana rehetra sy ny fifanakalozana.

Voatery tsy maintsy nilaozan moa ny tao amin’ny ChilOut rehefa tonga ny tamin’ny 9 ora alina latsaka kely satria hisy fandihizana hataoa eo amin’ilay toerana. Nanomboka nakatra ny fanamafisam-peo ary tsy nifandrenesana intsony ny tao anaty efitrano. Nihatokatoka nanaiky izay lazaina sisa nysasany na dia tsy azony akory aza izay lazaina aminy.  Mankasitraka eeee!

Nifindra ho any amin’ny La Lionne teny Ankadivato indray ny hetsika nanomboka tamin’ny 9 ora sy sasany tany ho any ary tsy nifandaony rehetra ratsy afaka ora iray mahery taorian’izay

Fisaorana feno ho an’ireo rehetra tonga nandray anjara ary mbola manentana hatrany izay rehetra mahay mitoraka bilaogy ho avy amin’ny fotoanatoy ireny,hizara sy handray, fa mahafinaritra er ny mahita ireo olona mipoitra avy any ambadiky ny tsy hita any, ho eo amin’ny tontolon’ny hita maso.

Antananarivo Miblaogy 7 – HdO Le Bus Antanimena

Sahala ny efa fanaon’ireo mpitoraka bilaogy (bloggers) hatrizay, dia tonga teo amin’ny andiany faha-7 ny Antananarivo Mibilaogy. Zavatra izan’ny nampiavaka an’ity omaly ity ny namoahana voalohany ny tenifototra (hashtag) ho famantarana ny hetsika: #antambl . Ny Antananarivo Mibilaogy izay fotoana iray hihaonana mivantana ho an’ireo rehetra mpikamentsona any anaty tontolon’ny serasera any. Mitovy amin’ireno antsoin’ny Amerikana hoe ‘After Work’ irony no fomba fanao amin’izany. Tsy mialonjafy ny hetsika, ka na iza ianao, na iza te-hanatrika ny karazana fihaonana toy itony, dia asaina an-tanan-droa.

Toerana nofinidy hifamotoanan’ny maro ny tetsy amin’ny  HdO – Le Bus Antanimena.

Tsara ny toeram-pandraisana, toy ireny tany amin’ny trano fandraisana vahiny manokana irny ny rehetra. Ary isaorana etoana ny fanomezana maimaim-poana ny  fahafahana niserasera tamin’ny aterineto tamin’ny alalan’ny WIFI, izay raha somary nihisatra kely teo am-piandohana, dia nisosa tokoa fotoana fohy taorian’izay.

Nalalaka ny serasera. Fitaovana samihafa no azo nampiasaina. Jereo anie e: tsy manala hoho akory io namana iray io fa fitaovan-tserasera finday no ao an-tànany ao

Isan’ny toetra iray niavahan’ity andiany iray ity ny hafanam-pon’ireo mpandray anjara tamin’ny fifanakalozan-kevitra tanaty loha-hevitra samihafa. Tsy misy ny lohahevitra voafaritra mialoha horesahana, fa eo vaomifanentana ny amin’izay mahaliana ny tsirairay. Endrika iray ananan’ny Antananarivo Mibilaogy koa izay. Voaresaka nandritra izany, na ny resaka manodidina ny teknolojia avo lenta, na ny fomba hahafahana mitrandraka ny bilaogy hitondra tombontsoa ho an’ny tompony, na ny mikasika ny fiainana amin’ny ankapobeny. Tonga hatramin’ny fampitahàna ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’ny zava-misy any ivelany eo amin’ny lafiny fampandrosoana (I Jean Marc niresaka mikasika ny fomba nataon’ny Sinoa teo amin’ny lafiny fanabeazana). Hita tao ny lafiny rehetra eo amin’ny valan-tserasera samihafa (mpikarakara na mpampahafantatra lanonana sy fivoahana mitety tànana, ny mpitoraka bilaogy noho ny fitiavana manoratra fotsiny amin’izao, sns…Ary ny tena nanamarika ahy manokana dia ny fifandresen-dahatra teo aminay telo mirahalahy (Thierry – HeryZo – Avylavitra) mikasika ny handikana ny teny hoe ‘tweet’ ho amin’ny teny Malagasy: izaho nandroso ny hoe ‘bitsika’ na tazonina ho tweet ihany mandra-paha…HeryZo nametraka ny hoe ‘te-ho-hita’…Tanaty tokiky  lavareny no nifanakalozana hevitra momba an’io saingy hatreto aloha dia tsy mbola nisy hevitra matotra tapaka. Arosoy etoana raha misy hitanao mpamaky fa azo andikàna azy io. Saiky tsy nifarana mihitsy aza izany raha tsy nanery mafy ny hanoanana.

Tanaty fifanakalozana feno fifanajana sy firahalahiana tanteraka, toy ny hoe mpianakavy tafahaona no nifampitafàna, ary taorian’ny nandaozana ny HdO Antanimena dia nirodorodo namonjy ny Look’s Andravoahangy ny rehetra mbahiara-misakafo.

Tsy naka sarotra ny rehetra fa teny amoron-dalana ihany dia efa vita ny fivoriana maimaika nanapahana ny andron’ny 25 Febroary hanaovana ny fihaonaa manaraka.

Raha maro sy nazoto tamin’ny fandraisana fitenenana ny tsirairay omaly dia inoana fa tsy ho ambaka an’izay ny amin’ny manaraka. Nipoitra tamin’io fotoana namaranana ny diniky io aza ny soso-kevitra naroson’i JeanMarc Rolland hoe azo atao ny manao LiveStreaming mba handraisan’ireo tsy afa-manatrika anjara fitenenana raha misy tiany holazaina. Ny indrokelin’ny mpandrafitra amin’izay dia sao hanova ny endrik’ilay Antambl (mihaona vatana) izay hevitra izay, ka hiandry fotsiny any ambadiky ny fàfana any ny maro. Hafa ihany mantsy ilay mifanatri-tava.

Isaorana etoana i Andrydago namorona ny tenifototra, ary tsy adino koa ny maneho fisaorana anareo rehetra tonga namaly ny antso. Isaorana toy izany koany HdO Bar   Le Bus Antanimena nampiantrano.

Mankasitraka indrindra.

Ary entina hifandaozan dia ndeha hiaraka hitsiky amin’ireto harona hafakely ireto

Eeeeeeeh! Harona ireo fa aza ratsy saina eo an!

Barcamp initiative 2010

Barcamp iniative 2010 tao amin’ny H2O Le Bus Antanimena, ny harivan’ny 27 Desambra 2010 teo

Izay efa mpamonjy Barcamp hatramin’izay dia hahatsiaro avy hatrany an’io sary famantarana io. Teny nifanomezana ny hifanoloran-tànana mba hamerenana indray azy ity eo anivon’ny fifandraisana sy fifanakalozana ivelan’ny virtoaly, ho an’izay rehetra afaka miala kely an’izay sehatra izay.

Tampotampoka ihany ny nanaovana azy satria tsy tiana handalo fotsiny tsy nisy Barcamp ny taona 2010. Na izany aza anefa dia tsy nandiso fanantenana ny nanatrehana azy. Tao anaty firahalahiana sy fifanajàna tanteraka.

Ery am-pita ary manatrika amin’ny sary ny tompon-kevitra, Harinjaka Ratozamanana Andriakoto.  Ilay manome lamosina kosa ny avy amin’ny TOPHOS, izay manana ny fahaiza-manaony raha resaka fakàna sary sy fikarakarana lanonana amin’ireny lanonam-be toy ny fampakaram-bady ireny: manomboka hatrany an-tranon’ny ampakarina ka mandrapaha-tongany any anivon’ny tokantrano vaony.

Tsara raha ny toeram-pandraisana (HdO – Le Bus).

Fa maninona tokoa moa no nofidiana manokana ny Le Bus Antanimena mba hanaovana ity Barcamp 2010 tampotampoka ity? Tsotra fotsiny: faritra milamina na dia amoron-dàlana aza no fahafantaran’ny besinimaro azy. Ankoatra izay dia tsara ampahafantarina ny rehetra ihany koa fa miaraka miasa amin’ny orinasa aOrange Madagascar ny Le Bus Antanimena, ary dia manolotra serasera maimaimpoana (connexion WIFI) ho an’ireo rehetra tonga ao aminy tsy ankanavaka. Asa na izaho sambany vao mba tao, fa dia babony aloha izahay raha nahita ilay toerana, ka nihevitra avy hatrany fa ny hetsika manaraka izay hokarakaraina (ANTANANARIVO MIBLAOGY 2010, tsy tsaroako intsony na andiany fahafiry isika izao….) dia ao amin’ny Le Bus no hiainga amin’ny 28 Janoary 2011 raha tsy mbola nisy namandrika mialoha ny toerana.

Ny avy amin’ny TOPHOS

Ny ao amin’ny Le Bus

Ny mpanomana ny hetsika

Tsy hoe mivadik’ondana akory ny fitaovana nakàna ny sary, fa fihetsiketsehana daholo itony eee!

Ampahany tamin’ireo mpanotrona

Dia miresadresaka mifanakalo hevitra sy mifampizara vaovao eny an-tsefantsefany eny tahaka izao rehefa Barcamp.

Ny fanolorana ny zava-bita sy mbola hatao mandeha ihany, ny hetaheta koa afaka alàna miadana eo akaiky eo ihany koa. Ka inona indray no tadiavina?

Ampahany tamin’ny fitaovana fampitàna mivantana ny fanazavàna rehetra mba hiseho mivantana eny amin’ny ‘écran géant’

Patrick sy ny mpanatrika, ny iray miteny, ny hafa kosa sady mihaino no miala hetaheta, tsy misy ny olana

Harinjaka manazava ny mikasika ny Barcamp, ny TEDx ary ny tetikasa 11/11/11 izay hiarahany amin’ny Masoivoho eto Madagasikara izay tsy iza fa i Ariniaina ao amin’ny bilaogy Dagotiako

Eto ambany kosa indray dia ry zareo avy ao amin’ny AMEA no manao ny famelabelarana ny zavatra efa nataony sy ny mbola kasainy hatao

Omeny antsika eto ambany ireo antontan’isa mikasika ny fampiasan’ny olona ny Facebook

sy ny fanazavany ny atao hoe WEB 2.0

ary ny 4C

I Andry avy amin’ny andrydago manentana ny rehetra ho avy amin’ny Antananarivo miblaogy amin’ny 28 Janoary 2011. Let’s have fun, guys!

Nanana ny ampaham-potoana natokana ho azy tao ihany koa n y fanazavana ny momba ny tetikasa TELOMIOVA, narahana fandefasana ny vohikala mivantana teny amin’ny solaitrabe ho hitan’ny mpanotrona.

Tamin’ny tenim-pirenena telo no nanatontosana ny famelabelarana rehetra, ka nisy ny nampiasa ny teny frantsay, ny anglisy, ary ny Malagasy.