Governemanta vaovao (30 Aprily 2008)

Indro omena antsika eto ny firafitry ny GOVERNEMANTA VAOVAO NAVOAKA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY ANIO HARIVA 30 APRILY 2008 TANY AMIN4NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA Foana araka izany ny voalazan’ny 2007/926 tamin’ny 20-10-2007 nanendry irao mpikambana teo aloha

Praiministra : Charles RABEMANANJARA Minisitry ny raharaham-bahiny :Marcel RANJEVA

Minisitry ny Fiarovam-pirenena: Cecile Marie Ange MANOROHANTA
Minisitra Mpitahiry ny tombokasem-panjakana sady minisitry ny fitsarana: Bakolalao RAMANANDRAIBE RANAIVOARIVONY
Minisitry ny asa vaventy sy famantarana ny teotr’andro : Rolland RANDRIAMAMPIONONA
Minisitry ny fanabeazam-pirenena: Stangeline RALAMBOMANANA ANDRIANARISANDY
Minisitry ny vola sy teti-bolam-panjakana : Hajanirina RAZAFINJATOVO
Minisitry ny fanavaozana ny fananan-tany, fananan-tany ary fanajariana ny tany: Marius RATOLOJANAHARY
Minisitry ny fambolena sy fiompiana ary ny jono : Armand Panja RAMANOELINA
Minisitry ny angovo sy harena an-kibon’ny tany : Elysé RAZAKA
Minisitry ny toe-karena sy ny varotra ary ny indostria : Ivohasina RAZAFIMAHEFA
Minisitry ny tontolo iainana, rano sy ala ary fizahan-tany : Harison Edmond RANDRIARIMANANA
Minisitry ny fahasalamana sy fandrindrana ny fiainam-pianakavioana : Jean Louis ROBINSON
Minisitry ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalana sosialy : Abdou SALAME
Minisitry ny fifandraisana sy ny paositra ary ny serasera : Bruno Ramaroson ANDRIANTAVISON
Minisitry ny fitaterana : Pierrot BOTOZAZA

ireto kosa ny minisitra lefitra

Minisitra lefitra misahana ny
* fampianarana ambony sy ny teknika ary ny fiofanana arak’asa : ZAFILAHY Ying Vah
* sosialy sy ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza : MArie Perline RAHANTANIRINA

Ary ity ny sekreteram-panjakana

Sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Praiminisitra miadidy ny filaminana anatiny : Désiré RASOLOFOMANANA

FILAHARAN’NY FIHAMBONIANA SY AROFENITRA

1- Minisitry ny atitany miaraka amin’ny maha-Praiminisitra sy lehiben’ny Governemanta azy
2- Minisitra araka ny laharana nanendrena azy
3- Minisitra lefitra
4-
Sekreteram-panjakana

Ireo dia manan-kery avy hatrany nanomboka androany hariva vantany vao nolazaina tamin’ny fampitam-baovao isan-karazany mandra-piandry ny famoahana azy amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblikan’i Madagasikara

Olona tsy hita nanjavonana

Lahatsoratra avy any Egypta no nanaitra ny aingam-panahy hitosaka eto androany. Nanampy trotraka koa moa ny fandrenesana isan’andro isan’andro ao amin’ny RNM (Radiom-pirenena Malagasy) ny antso fiaraha-mitady olona tsy hita hoe lasa aiza na lasa aiza.

Ekena aloha  fa misy ireo maty an-dalana noho ny hanoanana, noho ny aretina, noho ny lozam-pifamoivoizana nefa tsy nahitàna taratasy milazalaza ny momba azy teny amin’ilay olona. Nefa koa betsaka ny fakàna an-keriny sy ny famonoana any anelanelany any. Misy amin’izy ireny no ariana any anaty rano ka amatorana vatobe mba tsy hpoitra (nefa mbola naloan’ny rano ihany toy ilay Karana lahy teny Andranobevava), misy ny alevina an-tsokosoko any (toy ilay teny Ambohimanambola, momba ireo mpifankatia nanao anton’asa ny fanentanana lanonana, nonina teny Tanjombato, ary novonoin »‘ny namany ihany), ary misy koa moa ny tranga izay tsy haintsika hazavaina mihitsy.

Angamba efa tokony ho lavitra be ny fahatsiarovana izany andron’ny Gestapo sy ny fanjavonana noho ny antony pôlitika, na ny tsy fifanarahan-tsaina izany e! Ny hevitra ampiadiana dia atao toy ny ‘katsaka anaty lapoaly, ka izay tsy mahatanty mipitsika’. Sa ahoana hoy ianareo? Mitory fahambanian-tsaina mantsy izany amiko, ary midika tsy fahazakàna fahalalaham-pitenenana ihany koa.

Enga anie mba tsy hisy eto Madagasikara izay miseho any Egypta any. Hiaraka hivavaka isika hoe:

‘Zanahary ô tahio ny tanindrazanay, ….handry fahizay…..ireo mpitondra anay tariho lalandava koa, ho feno fahendrena, kinga sy mahay….’. Amen

Miovaova

be ny zavatra miova amin’izao fotoana.
Toetr’andro
**********
Nilaza ny sampana mpandinika ny toetr’andro eto Madagasikara tamin’ny tatitra farany navoakany fa miovaova ny toetr’andro eto, fa tsy toy ny taloha intsony. Mihafoy ny fhavaratra ary mihamafy ny rivo-doza. Rehefa ho avy koa anefa ny orana dia hivatravatra fiavy. Izany rehetra izany dia tsy inona fa noho ny ataon’ny olombelona ihany. Tavy, doro tanety, fanimbàna tsy amim-piheverana ny àla, nefa ny fanoloana izay nongotana sy nadaboka tsy maharaka akory, mba tsy hitenenako hoe zàra raha misy. Tsy mahagaga araka izany raha ny toerana tsy noeritreretina hisy havandra no nahitana havandra (toy ny tany Andohan’Ilakaka), ary koa raha lehibe tsy araka izay fantatra ny haben’ireny havandra ireny (300 ka hatramin’ny 500gr ny vongany iray, ary tany Vohipeno aza dia 50 kg be izao ny iray). Be ny voly nadrasana ho masaka tsara no nampanenina ireo tompony, fa tao anatin’ny indray mipi-maso dia nafoy ho toy ny tsy nisy. Nahatratra hatrany amin’ny 20 cm ny haavon’ny havandra tamin’ny faritra maro nilatsahany. Ngoly ny vodi-mangahazo sy ny ovy ka dia be no simba, ny ravina fihinana moa dia tsy lazaina intsony.

Isan’ny antony koa ny tsy fiheverana efa fanaon’ny sasany toy ity nitranga tao Antanimena amin’ny andro antoandro be nanahary ity: nandoro ireo entany vita amin’ny plastika  tsy nalain’ny tompony sy tsy nisy nividy ny tao amin’ny douane. Amin’ny andro mazava be izao, nefa feno olona mivezivezy sy mivarotra eo amin’ny manodidina eo. Tazana hatrany amin’ny kilometatra maro ny setroka mainty be niakatra avy tao. Ary efa niantsoan’ny olona mpamono afo avy ao Tsaralalana mihitsy aza fa noheverina ho trano may. Kay olona tsy ampy fiheverana no fototry ny olana. Mbola ialako tsiny foana ny teny mahitsihitsy fanaoko e!

Toe-tsaina
*********
Miovaova koa ny toe-tsaina fa raha ny Malagasy mpandàla aina sy tia anaka taloha no sainina, dia tsy izay no hita sy atrehina ankehitriny. Be ny fatin-jzazakely ariana etsy sy eroa, vokatry ny fanalàn-jaza. Voalaza mihitsy aza tamin’ny tatitra avy amin’ny FNUAP tamin’ny herinadnro fa i Madagasikara no voalohany indrindra manana tanora kely taona indrindra sy betsaka indrindra aty Afrika amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo aloha loatra. Tsy ireharehana izany sanatria fa tena zavatra mahamenatra. Ny raiamandreny ve no efa tsy mahatontosa an-tsakany sy andavany intsony ny adidy , sa ny taranaka no diso manara-drenirano amin’ny resaka fanontoloana? Asa lahy! Ho aiza isika ity e? Gaga ianao mandeha eny an-dalana eny fa tsy lahy tsy vavy, ireny ny mpianatra Malagasy fa mba mipololotra amin’ny resaka sigara koa. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe: fa angaha moa izy ireny efa mikarama sa vola avy aiza no nividianana azy? Ary raha tsy mikarama sy tsy novidiana indray dia iza no nanome? Betsaka koa ny tovovavy ankehitriny no misy miantso amin’ny finday, dia any dia lasa izao.. Hainao angamba ny tiako hambara. Sao avy any àry ny vola e? Tsy haiko fa dia miovaova tokoa ny toe-tsaina fa izaho angamba no efa Ntaolo be tsy maharaka ilay toetr’andro miovaova ery ambony.

Mbola io resaka teo-tsaina io ihany dia izao no hitako; rehefa nisolo mpitantana ny tanàna iray, dia rava izay nataon’ny teo aloha. Ohatra amin’izany ny hatsaran-tarehin’Analakely teo aloha teo. Lasa nofinofy sisa. Ka iza ary no nanimba e? Ny niditra ve sa ny nivoaka? Na iza anefa na iza, dia izao fotsiny ihany; raha samy hiovaova teo-tsaina toy izany ihany, dia aleo zalahy mba miova ho tsara fa tena mamohehatra ilay itondran »ny sasany ny hoe fiovaovana a! Ho ahy, ho anao, ho antsika rehetra foana anie izay zavatra mipetraka sy vita eo e! Ary volanao no niasa teo nanamboarana azy ireny, sao odianao tsy fantatra ary izany! Io hetra hetra mampimenomenona ny maro io anie no mihodina any e! Koa tsy mandrora mitsilany ihany ve ireo miovaova toe-tsaina mankany amin’ny ratsy toy izany e!

Fanapahan-kevitra
****************
Inoako fa hisy hahatsiaro ny lahatsoratro momba ny foza orana ny maro aminareo. Tamin’izany fotoana dia nentiko teto ny fomba fijerin’ny tantsaha eny Betsimitatatra momba azy io. Sy ny hoe « azo hanina….tsy azo hanina….sns…’ Nisy mihitsy aza hoy ireo tantsaha ny fanenjehana anay raha maka ireny izahay. Ankehitriny anefa dia nivoaka tamin’ny Fampitam-peom-pirenena (RNM) fa azo atao dia azo atao ny mihinana azy io ary tsy misy atahorana. Haingam-pitombo be io foza orana io, nefa nosakanana ny fampiasana azy sy ny fakàna azy. 300 ka hatramin’ny 1200 atody isan-taona no avoakan’ny iray aminy. Isan’ny ady amin’ny fampihenana azy anefa ny fakàna azy any anaty rano, nefa dia efa firy volana aty aoriana vao avela indray halain’ny olona ilay izy.
Tena miovaova marina izao rehetra izao, efa tokony ho ririnina ny vaninandro eto Madagasikara amin’izao fotoana, nefa dia aleo lazaina fa tena mandoro ny hafanana. Lazain’ireo mpandinika azy io aza fa amin’ny taona 2050 dia hiampy 2.6°C ny hafanana ho an’i Madagasikara manokana.
Am-bava homana, am-po mierotra, ary tady atsipy an-tandrok’omby izy ity ry zalahy, teny alefa ho am-pon’ny mahalala. Diniho ihany izay aleha sy atao.

 

 

5925/5-9-25

Dradraina be amin’izao fotoana ny resaka fampiasana fimailo. Borosiana mafy loatra aza ary ahiao hampibirioka ny tanora Malagasy indray. Omena vahana sy tena asiana lanja betsaka eny anivon’ny haino aman-jery maro samihafa. Tsy maninona izany, nefa kosa raha izay fandaharana henoko tamina fampielezam-peo iray teto Antananarivo izay an! Tena nakasitraka tanteraka aho. Avy amin’io no nakako iry lohateny ery ambony hoe 5925/5-9-25

Nifototra tamin’ny fanabeazana momba ny resaka fahasalamana ara-pananahana (santé de la reproduction) ny ankabeazan’ny resak’ilay mpandray anjara. Fa izay tena tiako hotsindriana manokana eto dia io resaka 5925/5-9-25 io.

Entaniko manokana ary ianareo ankizilahy sy ankizivavy, saino tsara izay ho vinakinao aoriana kely eo fa hahasoa sy hiantoka ny hoavinao manontolo mihitsy.

Be loatra ny resaka fanalan-jaza, fanariana zanaka, sns manodidina an’izay resaka izay. Eny fa hatramin’ny fivarotan-janaka tsotra izao aza. Vao tamin’ny Alatsinainy 08 avril 2008 teo izao no nahitanay fatin-jaza natao tao anaty fonosana lamba tsy lena (sachet plastique) nevalan’olon-tsy vanona teo amin’ny mandidina ny tanananay. Dia ontsa ianao mieritreritra hoe: maninona raha nateraka ilay zaza dia tsy nozanahana fa naterina teny amin’ny mpitaiza zaza tsy misy mpiahy, na nitadiavana olona manaiky hitaiza azy, na koa navela tany amin’ny hopitaly hiandry izay olona tsy niteraka ka vonona ny hanagana azy. Fa dia naleon’ilay kibo nitondra azy nijery ilya silaky ny ainy ho faty sy ho toy ny fatin’alika nariana teny an’elakela-tranon’olona. Azafady raha masiaka be ny teniko fa toa tsy mafy amin’ny vehivavy sasany angamba ilay mitondra vohoka sy miteraka.

Rehefa nantsoinay ny fokontany sy ny BMH ary ny mpitandro filaminana mba hizaha ny zava-misy, dia nilaza ilay mpitsabo fa efa tany amin’ny sabotsy io mety napetraka teo fa tsy voamarikay nanodidina raha tsy efa namofona. Somary kihon-tamboho izay moa no nametrahany azy ary ny jirom-pokonolona rahateo tsy mirehitra raha tsy efa amin’ny valo sy sasany alina ety aminay Ambatomitsangana Andravoahangy (asa izay eritreritry ny tompon’andraikitra amin’izany). Hany ka manjaka na vaky trano na izao raharaha ratsy rehetra izao.

Ity ary ny fanazavana ilay 5925/5-9-25:  SAINO TSARA NY ATAONAO, SAO NY FAHAFINARETANAO 5 MINITRA  NO HITONDRANAO VOHOKA MANDRITRY NY 9 VOLANA,  IZAY TSY TOKONY HO NATAO AKORY ALOHAN’NY FAHA 25 TAONANAO.  Toy izay no azo amehezana ilay fanazavana nataon’ilay vahiny nasain’ilay onjam-peo. Resaka fahasalamana tanteraka moa no nanazavany azy io tao.

Koa ho anao tanora lahy sy vavy io, ANAO SY SAFIDY, fa IZAHO TSY MANDIDY,

Hatrany Mampikony ka hatrany Mananjary

Samy namoaka lahatsoratra momba ny tanànan’i Mampikony avokoa ny gazety roa nandalo teto amiko androany (Ao raha sy Gazetiko). Nolazainy tao ny momba ny olana sedrain’ity tanàna iray ao amin’ny faritr »i SOFIA ity noho ny fitoerany ao anaty lemaka tena ambany dia ambany tokoa. Voaresaky ny tompon’andraiki-panjakana aza fa hoe tokony hafindra amin’ny toerana avo ny tanàna iray manontolo. Fa izay tiako hotsindriana dia ilay resaka tsy fisian’ny toeram-pivoahana sy fanaovana maloto. Any anaty alaala sy lobolobo rehetra any ny rehetra no manao maloto sy manàry ny tsy zakany. Tsy azo ialàna araka izany ny mety hisian’ny valan’aretina isaky ny fotoam-pahavaratra toy izao, satria dia hitsinkafona daholo ny nafenina? Isan’ny fototry ny olana ho an’i Mampikony koa ilay fitehirizana ny fomban-drazana hoe tsy miray trano fivoahana sy fidiovana ny olom-pady toy ny mpianadahy sy ny mpianaka. Izay ilay mahatonga ahy milaza fa hoe indraindray tokony mba hosainin’ireo raiamandreny mpandàla ny fomban-drazana ihany ny tokony sy tsy tokony ho tazonina intsony amin’ireny fomba fahiny ireny. Rehefa mba hita fa nilaozan’ny toetr’andro sy ny zava-misy ilay izy dia tokony hànana fahasahiana hanao dingana mba hanova azy fa tsy hifikirana eo foana na dia hitondra loza ho an’ny taranaka sy ny fiaraha-monina manontolo aza.Tsy i Mampikony irery anefa no misedra io olana io fa i Mananjary koa dia misy faritra iray manana fomba toy ity tantaraiko anao ity: tsy misy izany toeram-pivoahana izany ao amin’ilay tanàna, fa izay teren-javatra dia lasa mamonjy toram-pasika, dia mandavaka ary dia manao toy ny saka eo. Rehefa via dia manototra. Ny nampihomehy sy nahatsikaiky dia ity: rehefa tokony ho vao maraina alohan’ny amin’ny fito ora iny dia feno olona mitingitingina ny tora-pasika iray manontolo. Mitandahatra izy ireo amin’izany. Nisy vazaha nitondra fiara nijanona naka sary ny zava-niseho, nefa dia tsy nahataitra sy tsy naharototra velively ireo mpanokotoko nanerana ny tora-pasika izany. Eo ny sasany efa eo am-panotofana, ary eo ny tena mbola an-dalan’ny fandatsahana ilay zavatra. Beurk!

Angamba fotoanany izao tokony hihenjànana amin’ny tokony hanànan’ny tsirairay lava-piringa, ary tena tokony ho lalàna apetraka mihitsy. Mialoha izay anefa dia asiana foana ny fanentànana toy izay efa natao, ary arahina asa sy fanampiana amin’ny fanatanterahana azy raha ilaina.

Raha mbola mitohy mantsy ny toy izao dia mbola ho ela vao hofongana ny valan’aretina toy ny fivalanana ohatra sy ny hafa koa miankina amin’ny fisian’ny loto.

Kay! Poritra aho fa hilaozako aloha ianareo k’ah. Amin’ny manaraka manao misimisy.