Filankevitra / Ra- Fi-phie

Tapaka ny tsinay teo ampamakiana an’ity tononkalo ity. Inoako fa tsy hampaninona ny tompony ny hamoahana azy etoana satria efa miparitaka rahateo amin’ny aterineto izy ity. Mifono hevi-dalina na dia anaty hanihany aza no fomba nanoratana azy.

FILANKEVITRA

Malala a!
Aza mody mihitsy anio ,
fa mazotoa ianao mivory.
Omeo toky, ampifalio;
ary aza avelanao hatory
‘reo minisitra mazoto.
Mainka mihitsy, amporisiho
mba hahavita hitotototo
sy hitantara isam-paritra,
na angano na abobo,
na ‘zay mety hahafinaritra,
hahafaly ny vahoaka.
Vahoaka jamba… !
Tsy hainy angamba!

Hamitahany vahoaka:
Omeo hanina sy toaka
‘zay mitady ny handinika
hahatafita ny madinika.

Omeo daina koa hofohany,
dia sasao ny atidohany,
tsy hiheverany fitserana,
n’aiza n’aiza mety ho toerana
itobian’ireo mpanohitra.
Eny! Hatrany ambanivohitra.

Mody lazao azy ireo
fa henohenoko anikeo,
ny izao sy izao mitady hitokona
sy hitarika ny mpokona
hanimba ty fihinanana,
hampahantra koa ny mpanana.

Lazao ‘reo hamoaka didy
Fa tsy ho afaka hifidy
‘zay tsy tia ny fitondrana.
Mody ‘zay no hoe “lalàna”.

‘Reo mitady hitangorona,
Asaivo, koa, vonoiny vorona
Tsisy ho sahy hisehoseho
Na mpivarotra fripy na reo lamba tonta ‘reo.

N’iza n’iza !

Reo mitady harisarisa
fa maranitra ny sainy,
anaovy fampandriana adrisa,
mody omena izay ilainy:
Ampiakaro ny grady,
ny karamany, etsetra;
Andaharo irony lainga
hain’ny filoha rehetra.


Dia fa mazotoa ianao,
‘ndeha vorio ny samy ngeza
‘Ndeha malaky, zao d’izao,
Hiarovantsika seza.

Aza saininao akory
ny ndeha hody aty hatory;
ary ajanony mihitsy ho ahy
ndrao lasa fakampanahy
raha any ‘lay fanalahidy
ka tsy ho vitanao ny adidy.

Aoka ianao tsy hiasa saina
ny amin-javatra fanao,
f’efa hatramin’ny maraina
no efa ao an’efitra ao
’lay miaramila tena malina.
Azo itokisana iny
Fa hahambina ahy rahalina.

Eo anilany aho no handry,
hilalao ‘lay basy be-ny;
hialoka ao ambany sandry,
hiafina eo am-poto-peny;

Ny molotro aza, hotakonany:
Hasaiko arovany amin’ny molony
‘Zaho mihitsy no hosaronany
amin’ny tena manontolony.

‘rony lambako amin’izany
mba tsy haloto raha voakasony:
efa hesoriko amin’ny tany
hotandremany eo imasony.

Matokisa ianao malala
fa izay mikasa hamely;
tsy ho tafiditra ny vala,
tsy hahita velively,
fa ho reraka, ho valaka;
Manko hasaiko hotampenany
ny lavaka malalaka.

Eny mandra-pahavizany,
Rehefa ‘zaho tsy azon-tory:
Tiako ‘zaho raha handihizany.

Mazotoa ianao malala!

Ny R. FIDIMANANTSOA
23/06/2010

WUHAN UNIVERSITY 6th LUOJIA AUTUMN INTERNATIONAL CULTURAL FESTIVAL

 

« WUHAN UNIVERSITY 6TH LUOJIA AUTUMN INTERNATIONAL CULTURAL FESTIVAL »

Teny faneva: « Diversity & Harmony; Interaction and Integration »

Fotoana nanaovana azy: ny 20 sy 21 Novambra 2010

Toerana nanaovana azy: Wuhan University, Wuhan; Hubei Province, Chine

Io « festival culturel » io dia efa fandraisan’ny Mpianatra Malagasy any Wuhan anjara nanomboka tamin’ny taona 2005 niforonan’ny fankalazana, ka ny 20 sy 21 Novambra teo ny andiany faha-enina. Mihoatry ny 70 ny firenena nandray anjara, ka anisan’izany i Madagasikara izay nosoloan’i AEMW (Assocition des Etudiants Malgache a Wuhan) tena. Ny tanjon’ny fikambanana dia ny fampahafantarana ny firenena, ny fampiroboroboana ny fikambanana ary ny fanamafisana ny firaisankinan’ny mpianatra Malagasy any an-tany lavitra any.

Maro be ny zavatra natao tamin’izany:

Ataovy matsiro sy tsara endrika toy ireto ny amin'ny faran'ny taona sy ny fandraisana taona vaovao ee! Dia mirary taona 2011 sambatra sahady ho anareo Malagasy any Chine ee!

  • – ny haihanina malagasy (nahandro gasy): composé, katilesy, mofo-baolina, makasaoka, vary sy kabaro sns.

  • – ny fomba fitafy nentin-dRazana
  • – ny fampirantiana haitao vita malagasy(arts malagasy) sy ny harena(ressource) mampiavaka an’i Madagasikara.

Tsy ambaka ny hafa ny vita Malagasy. Jereo anie ireto Maki miezaka mambabo mpitsidika e!

  • – ny dihy toy ny afindrafindrao, kilalaka, mangaliba, salegy, kininike, sy ny sisa; izay nahaliana ny mpijery ka nampianarin’ny Malagasy azy ireo

Soa fa mbola mahatsiaro ny fomban-drazany ny taranaka na lasa any ampita aza

Nisokatra ho an’ny olon-drehetra toy ny mpianatra, mpampianatra, mpandraharaha ara-toekarena, mpitondra fanjakana sy ny olon-tsotra rehetra araka io teny faneva eo ambony io hoe « Diversity & Harmony; Interaction and Integration ».

Fahombiazana tanteraka ny hetsika natao. Izany fahombiazana izany dia vokatry ny fiaraha-miasa akaikin’i ANDRIANJAFY Francois Herve filoha  amperianasan’ny AEMW sy RAVELOMANANA Fidelys filoha lefitry ny AEMC(Association des Etudiants Malgaches en Chine) no sady filoha am-boninahitry ny AEMW, ary ny fandraisana anjara mavitriky ry: Fifaliana, Frederick, Stephanie, Soja, Nounou, Tahina, Mathilde, Setra, Nancy, Noro, Fanja, Gerald, Natacha ary Eldie.

Marihina fa any Wuhan no be Mpianatra Malagasy be indrindra ao Chine, izay miisa ho 28.

(Mpiara-miasa nampita ny vaovao : Fidelys Ravelomanana)

Barcamp initiative 2010

Barcamp iniative 2010 tao amin’ny H2O Le Bus Antanimena, ny harivan’ny 27 Desambra 2010 teo

Izay efa mpamonjy Barcamp hatramin’izay dia hahatsiaro avy hatrany an’io sary famantarana io. Teny nifanomezana ny hifanoloran-tànana mba hamerenana indray azy ity eo anivon’ny fifandraisana sy fifanakalozana ivelan’ny virtoaly, ho an’izay rehetra afaka miala kely an’izay sehatra izay.

Tampotampoka ihany ny nanaovana azy satria tsy tiana handalo fotsiny tsy nisy Barcamp ny taona 2010. Na izany aza anefa dia tsy nandiso fanantenana ny nanatrehana azy. Tao anaty firahalahiana sy fifanajàna tanteraka.

Ery am-pita ary manatrika amin’ny sary ny tompon-kevitra, Harinjaka Ratozamanana Andriakoto.  Ilay manome lamosina kosa ny avy amin’ny TOPHOS, izay manana ny fahaiza-manaony raha resaka fakàna sary sy fikarakarana lanonana amin’ireny lanonam-be toy ny fampakaram-bady ireny: manomboka hatrany an-tranon’ny ampakarina ka mandrapaha-tongany any anivon’ny tokantrano vaony.

Tsara raha ny toeram-pandraisana (HdO – Le Bus).

Fa maninona tokoa moa no nofidiana manokana ny Le Bus Antanimena mba hanaovana ity Barcamp 2010 tampotampoka ity? Tsotra fotsiny: faritra milamina na dia amoron-dàlana aza no fahafantaran’ny besinimaro azy. Ankoatra izay dia tsara ampahafantarina ny rehetra ihany koa fa miaraka miasa amin’ny orinasa aOrange Madagascar ny Le Bus Antanimena, ary dia manolotra serasera maimaimpoana (connexion WIFI) ho an’ireo rehetra tonga ao aminy tsy ankanavaka. Asa na izaho sambany vao mba tao, fa dia babony aloha izahay raha nahita ilay toerana, ka nihevitra avy hatrany fa ny hetsika manaraka izay hokarakaraina (ANTANANARIVO MIBLAOGY 2010, tsy tsaroako intsony na andiany fahafiry isika izao….) dia ao amin’ny Le Bus no hiainga amin’ny 28 Janoary 2011 raha tsy mbola nisy namandrika mialoha ny toerana.

Ny avy amin’ny TOPHOS

Ny ao amin’ny Le Bus

Ny mpanomana ny hetsika

Tsy hoe mivadik’ondana akory ny fitaovana nakàna ny sary, fa fihetsiketsehana daholo itony eee!

Ampahany tamin’ireo mpanotrona

Dia miresadresaka mifanakalo hevitra sy mifampizara vaovao eny an-tsefantsefany eny tahaka izao rehefa Barcamp.

Ny fanolorana ny zava-bita sy mbola hatao mandeha ihany, ny hetaheta koa afaka alàna miadana eo akaiky eo ihany koa. Ka inona indray no tadiavina?

Ampahany tamin’ny fitaovana fampitàna mivantana ny fanazavàna rehetra mba hiseho mivantana eny amin’ny ‘écran géant’

Patrick sy ny mpanatrika, ny iray miteny, ny hafa kosa sady mihaino no miala hetaheta, tsy misy ny olana

Harinjaka manazava ny mikasika ny Barcamp, ny TEDx ary ny tetikasa 11/11/11 izay hiarahany amin’ny Masoivoho eto Madagasikara izay tsy iza fa i Ariniaina ao amin’ny bilaogy Dagotiako

Eto ambany kosa indray dia ry zareo avy ao amin’ny AMEA no manao ny famelabelarana ny zavatra efa nataony sy ny mbola kasainy hatao

Omeny antsika eto ambany ireo antontan’isa mikasika ny fampiasan’ny olona ny Facebook

sy ny fanazavany ny atao hoe WEB 2.0

ary ny 4C

I Andry avy amin’ny andrydago manentana ny rehetra ho avy amin’ny Antananarivo miblaogy amin’ny 28 Janoary 2011. Let’s have fun, guys!

Nanana ny ampaham-potoana natokana ho azy tao ihany koa n y fanazavana ny momba ny tetikasa TELOMIOVA, narahana fandefasana ny vohikala mivantana teny amin’ny solaitrabe ho hitan’ny mpanotrona.

Tamin’ny tenim-pirenena telo no nanatontosana ny famelabelarana rehetra, ka nisy ny nampiasa ny teny frantsay, ny anglisy, ary ny Malagasy.

Protégé : Video mandrirotra ny FPVM Antaninanandrano

Cet article est protégé par un mot de passe. Pour le lire, veuillez saisir votre mot de passe ci-dessous :

Et Madagascar entre dans la danse…ou plutot l’ère de la CENSURE

Tous les liens vont vers Global Voices

Et bien, comme beaucoup le savent déjà, la Chine occupe la première place quand on parle de ‘internet censuré‘. Et voilà que ce ‘modèle chinois’ pointe son nez à Madagascar. Pire encore, la décision vient d’en haut. Psssst! en Conseil des ministres.

Est-ce le début des ‘teritery‘ et des ‘kisambosambotra‘? Je ne sais pas, mais c’est à craindre, surtout pour les ‘bloggers manta vava toa anay‘,

Partout dans le monde, comme c’est le cas en Iran, Chine, Moyen Orient, Népal,  on procède à l’arrestation des bloggers quand ils ne ‘véhiculent’ pas ce que le pouvoir en place veut. On les attaque devant les tribunaux, on les torture, sans oublier les menaces de mort. Je me souviens ici de l’intimidation que l’on m’a fait pendant ces crises de 2009. Et comment, devant l’une de mes filles, en pleine voie publique.

De quoi ai-je peur? Voyez vous-même… Pourquoi l’Etat Malagasy a adopté la mise en place d’une passerelle internationale unique, qui sera gérée par une société privée ( appartenant à qui? Wait and see! ) – que tous les opérateurs en téléphonie mobile ont condamné unanimement? Dans quel but? Le but de censurer toutes informations en provenance de la Grande Ile, ou dans le but de se faire de l’argent en mettant en place ladite ‘société privée’?

Si le peuple Malagasy inspire au changement, c’est qu’il ne veut plus voire de telle chose se reproduire, alors, comment osent-ils espérer la clémence du peuple en instaurant ce monopole déguisé sur toutes les communications  internationales (entrantes / sortantes) ?

Que pensent-t-ils de la liberté d’échanger des informations, la liberté d’expression et la vie privée des gens, le droit à l’information?  C’est un peu comme dans un film James Bonds, on l’on voit l’adversaire scruter les secrets de l’autre pour pouvoir l’atteindre au moment opportun.

Et la souveraineté nationale dans toute ça, puisqu’il s’agit de gestion privée de toutes les com. Et quand on dit toutes les com, on pense toutes les com (des simples citoyens, hauts fonctionnaires de l’Etat, ….)

Vous pouvez lire beaucoup d’autres articles relatifs à ce sujet sur le site de Global Voices (Malagasy Français Anglais et surtout Advocacy )

Tohano ireo feo maro ao amin’ny Global Voices – Manomeza fanampiana izao!

An’ny Global Voices Online ny lohateny nampiasaina ary niniana natao ny tsy nanova azy amin’ny maha-mpiara-miasa ny GVO sy ny Gazety_Adaladala.

Feno 6 taonba ankehitriny ny GVO. Sehatra lehibe midadasika mampiasa ny teknpolojia vaovao sy ny fampitam-baovaon’olon-tsotra ho fanelezana ny feon’ireo atao anjorom-bala sy tsy mba misy mpihaino. Mitolona ho amin’ny fahalalahan’ny fahazoam-baovao ho an’ny rehetra, ny fahalalahana maneho hevitra, ny fiarovana ny zon’olombelona ka isan’izany ny fiarovana ny zon’ireo voasambotra noho ny famoahany ny heviny,  ary miezaka mandrakariva ny tsy hitanila.

Efa maro ny mpiara-miasa aminy toy ny

Hoy tokoa ny lohateny hoe

Tohano ireo feo maro ao amin’ny Global Voices – Manomeza fanampiana izao!

Asa raha firy ny Malagasy afaka manao izany avy eto an-toerena, satria dia mampiasa ny compte Paypal izy ity. Betsaka anefa ireo vato nasondrotry ny tany any am-pita any no mety ho afka manao araka izay voatsirambin’ny tanany, ka entanina indrindra.

Mba tsy handiso hevitra ny hafa (satria dia misy tokoa ny mandray an-tendrony eto amin’ity fiainana ity, indrindra nikasika ity resaka GVO Malagasy ity), dia tsara ny itondrako fanamarihana etoana fa tsy misy mandeha any amin’ny kaontim-bolan’ny mpanodina ny Gazety_Adaladala izay fanomezana ataonareo amin’izany fa  mirotsaka mivantana any amin’ny GVO Foibe izay tsy eto Madagasikara ny foibeny.

Fa maninona tokoa moa no entanina ny resaka fanampiana toy izao? Satria resaka tsy mora ary iolam-piniavana ny asa fikaraoham-baovaoa sy fanelezana izany, raha ho an’olon-tsotra tsy miankina amin’ireo fantsom-baovao mahazatra hatrizay. Be anefa amin’ireo mpanoratra, mandika teny, mpamoaka lahatsoratra manerantany (na tsy ny rehetra aza) no manao izany aza izany maimaim-poana. Misy kosa ireo izay tsy maintsy mila fanohanana satria tsy mbola toy ny any amin’ny tany sy firenena hafa ny fahafahan’izy ireny mampiasa malalaka ny teknolojian’ny aterineto (voafetra eo amin’ny resaka sandany sy ny fandrakofana)

Azonao atao ny mitsidika bebe kokoa ny tranonkala GVO na amin’ny teny Malagasy , na amin’ny teny Anglisy raha te-hahafantatra bebe kokoa mikasika ny fiaimpiainana sy ny fiasan’io Vondrom-piarahamonina goavana be eo anivon’ny aterineto io ianao.

Dia efa alefa sahady koa ny firariantsoa ho an’ny mpamaky rehetra mba hanao Fetin’ny faran’ny taona ao anaty fitoniana sy fahatretrehana , ary hahatratra ny taona 2011 – Ho tanana’ny soa sy ny tsara rehetra ho an’ny isam-batan’olona. Ekena fa henjana ny vidim-piainana, nefa na tsy hirehitra aza ny tany mety dia tsy misy fanantenana very raha mbola afa-mitepo ny fo, tsy very ny saina ary afa-mihetsika ny tongotra sy tànana satria ireo no fitaovana voalohany enti-manatratra ny tanjona.

Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny VIH/SIDA

onelifecouch 500x694 Top 35 des affiches et campagnes de pub choc contre le SIDA

Sary tamina fanentanana hiady amin’ny SIDA entina hanaingoana ny resaka hataontsika

Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny VIH/SIDA tokoa kay moa ny androany. Ary tsy hay ny tsy hiresaka azy ity. Resa-betaveta anefa raha ny toe-tsaina Malagasy no itondràna azy, saingy amin’ny maha-zava-doza mety hanimba ny taranaka fara sy dimby azy, dia hiala kely amin’ny resaka fadifady ny eto amin’ny Gazety_Adaladala.

Matetika tokoa ny zavatra andraràna dia toa vao mainka misarika ny sain’ireo raràna hijabaka. Misy foana ny fanentanana natao, sy atao ary angamba mbola hatao, na io ho an’ny eny an-tanàn-dehibe, na io ho an’ny any ambanivohitra. Na izany aza anefa dia misedra olana ny famatsiana an’ireny fanentanana ireny, indrindra moa fa ny hoenti-manana ny famatsiana ny fimalo, ho an’ny tany Afrikana maro. Isan’ireny ny faritra ambanivohitr’i Kenya, Narok. Ny tatitry ny ONU/SIUDA dia nilaza fa raha 21,6 tapitrisa ny filana amin’ny fimailo, dia tsy nisy afa-tsy 15,3 tapitrisa no azo namatsiana io firenena io manontolo tamin’ny taona 2008.

Mpanentana ny mitovy aminy i Jactone Lelei, ary mampianatra momba ny tokony hampiasàna ny fimailo. Be hoy izy ny tinady ka nahatonga azy sy ireo namana mpiara-miasa aminy hanao tahiry hatrany an-tokantranony mihitsy aza. Tsy adinony araka izany ny sady mampianatra no mizara azy ireny rehefa mandeha any anatin’ireo vondrom-piarahamonina samihafa manazava ny resaka VIH/SIDA. Rehefa misy mila dia miantso azy ireo fotsiny na dia any an-tranony aza , ary dia omeny fahafaham-po. Ny antony araka ny filazany dia satria ny tsy fahafahan’ireo mitady azy ireny mahita azy amin’ny fotoana ilany azy no ataony fialana tsiny ho tsy nampiasàna azy

''Tsara ny fimailo…Andraso aloha aho handeha hitady fimailo…very ny fahataitairany dia iny izy no lasa''

Efa tena tafakatra ambony tokoa ny fahafantaran’ny sasany ny antony ampiasàna ity fimailo ity raha ny resak’ity lehilahy iray ity  no jerena. Hoy mantsy i Lemeo Ntalel, miaramila iray 21 taona, avy ao amin’ny faritr’i Narok:

“Tsara ny fimailo ary mampiasa azy ireny aho rehefa miaraka amin’ny vehivavy – nampianarin-dry zareo anay ny fomba ampiasàna azy, saingy aty amin’ny faritra ambanivohitra dia olana satria voatery mandeha lavitra tokoa izahay vao mahita fimailo. Nefa amin’ny fotoana tianao hampiasàna azy raha sendra tsy misy azo raisina  any amnao, dia voatery manao amin’izao fotsiny tsy misy na inona na inona miaraka amin’ilay vehivavy; sarotra be ny hiteny amin’ilay vehivavy hoe  ‘andraso aloha aho handeha hitady fimailo’, satria ho very  ny fahataitairany dia iny izy no lasa.”

Ntalel izao dia voatery mandeha mamonjy ny toeram’-pitsaboan’ny faritra ambanivohitr’i Narok any amin’ny 26 km mba haka fimailo. (Ka te… mafy dia mafy  tsinona  koooo).

Isan’ny sàkana tsy anantonan’ny kofboay haka ireny fimailo ireny koa ny fitahirizana azy ireny any amin’ny tranon’ny deban’ilay tetikasa fanentanana. Eo ny henatra. Tsy manampy araka izany ny fametrahana azy any amin’y toerana tahaka ireny. Izay mahavantana n y besinimaro ary hahamenatra azy no tokony ho safidy.

Nitombo be anefa amin’izao fotoana ny fahavononan’ny olona hampiasa azy ireny raha oharina amin’ny tany aloha ka tokony hanao ezaka goavana ny mpitondra fanjakana mba hanao izay haha-vonona mandrakariva azy ireny ho an’izay mila azy satria zon’izy ireny ny hahazo an’izany

Ho an’ny eto Madagasikara moa dia toa rehefa manodidina io andro io no tena malaza ny resaka ady amin’ny VIH/SIDA fa rehefa avy eo dia mangatsiatsiaka any ambadika any. Nahazoana famatsiam-bola goavana tokoa izy io tany aloha tany. Na dia tsy re tsaika aza anefa dia fantatra kosa fa mbola isan’ny sampana iray manohy ny fanabeazana mikasika io ady io ny PSI – Madagascar izay manana ny foibeny etsy amin’ny Immeuble FIARO Ampefiloha.

Aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, VIH/SIDA, sns… Tany aloha tany ho an’ny Malagasy sasany dia namaivaniny  sy toa natao sangisangy ihany ny momba azy ity. Ary na dia tsy mbola maro aza ny Malagasy tratra, dia efa misy kosa ny mitondra ny otrikaretina. Aoka araka izany tsy ho raisina ho fandemen-tsaina na sangisangy fotsiny ny amin’izy ity. Tsy hijery isika hoe iza no nitondra azy teto Madagasikara, na niniana natao ve ny nisiany, resa-bola goavana ve no ao ambadika, sns… fa ny fiarovana no ndeha ho atrehana. Ny 5 mn nakàna fy, na ny 20 mn niondankodanana sy niakàrana lanitra fahafito tokoa mantsy dia mety hiafara araka izay ambaran’ny sary eto ambany. Tsy asiana resaka

10 secondes 450 Top 35 des affiches et campagnes de pub choc contre le SIDA

Tsy izay rehetra mahafatifaty tokoa dia ho ary salama sy tomady, ary tsy izay rehetra tsara tarehy no tsy maintsy ho tsara fitondrantena sy tsy azo kianina

sida femme 450 Top 35 des affiches et campagnes de pub choc contre le SIDA

Manja ny SIDA, koa miarova tena ianao amin’ity lohataona ity

Hoy ilay hira iray izay hoe « Maromaro ny fakàm-panahy izay hita eny an-dalana ho’aho… », an’i Samoela io. Marina tsy misy azo kianina izany. Ny fitandremana no tsy maintsy atao aman-taonina. Aiza avy tokoa moa ary avy amin’iza ny fakàm-panahy no mety hitranga? Tsy lavitra fa eo akaikinao eo: ny namanao, ny fifampitaritarihana mankany amin’ny làlana diso, ny revy sy ditra (ohatra amin’ireny ny zaza tsy ampy taona mifampitarika mamonjy ‘boite’, manandrana zava-mahadomelina). matetika rehefa malemy saina tsy maharesy ny lango malefaky ny namana ny ankizy iray dia jobo ao, ary dia miafara amin’ny nenina be vava avy eo. Inona no mety hitranga? Misy ireo tsy mahalala na inona na inona akory ny amin’izay zavatra atolotra azy mandritra ireny lanonana samihafa ireny ka dia mihinana sy misotro an-jambany fotsiny no atao.

mauvais coups 3 450 Top 35 des affiches et campagnes de pub choc contre le SIDA

Ho voan’ny SIDA ilay tsy mahatsapa tena. Ilay ratsy vintana koa, saingy ny azy tsy nahazoana fafiny

Rehefa renoky ny tory noho ny zava-mahadomelina natao an-kiafinafina tao anatin’izay nohaniny talohan’ny nilfohazana vao mitanondrika miezaka mamantatra ny minitra vitsy na ora iray, eny mety ho andro mihitsy aza, nilomanosana, na nilomanosan’ny sasany tao anatiny tao. Mitratrevatreva firesaka isika androany ary sary maherisetra  no aseho satria tsy raharahan-jaza ity ry zareo. Tara loatra anefa, ary ny fiainana iray manontolo sy ny hoavy no efa nosimbàna noho ny tsy fitandremana kely monja. Rehefa tsy ho voan’ny VIH/SIDA, dia mety hitondra vohoka tsy niriana (izay ny tena rain-jaza avy eo mety tsy hiseho vatana ihany koa ), na fara-faharatsiny rehefa tsy voan’iretsy voalohany, dia efa very aloha ny maha-virijiny. Izay mahagaga, fa toa lasa zavatra mahamenatra ny fitazonana azy ho an’ireo taranaka aty aoriana. Ho an’ny maty eritreritra anefa izany. Aza raisina ho adala ny sasany raha mitaky certificat medical alohan’ny hidirana amin’ny resaka matomatotra kokoa amin’ny fiarahan’olon-droa. Mety tsy hino izay lazaiko izay ianao, nefa dia mbola misy tokoa ny manao izany. Toy ny tsy inoan’ny olona fa hoe mbola misy ny vehoivavy mahatahiry ny maha-virijiny azy hatrany amin’ny faha-40 taonany.

Fa rehefa tsy mitandrina dia ny rangolahy no miandry ery amin’ny fivoahana ny lalana ambanin’ny tany ery. Araho ny sary, dia fantaro mangingina  ny tiany hambara. Fa araka ilay tenin’ny baiboly io hoe « Ny zavatra rehetra azo atao, fa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa » . Ka na hitsingaona, na hitsangana, na hiondrika sy hitsilany ianao, iray ihany no marina: hametraka dindo amin’ny ampitso izay nataonao tao amin’ny an-katakonana tao. Miankina aminao ny hahatsara na haharatsy azy, satria tsy misy ifanerena ny safidy. Sa tsy izany?

AIDS Top 35 des affiches et campagnes de pub choc contre le SIDA

Misy hevitra tian’ilay sary ery ampiaingana havoitra, saingy tamin’ny teny anglisy moa ilay izy, ka omena antsika ety ampiafaràna mba hamehezana ny resaka. Hoy ilay soratra rehefa adika tsotra hoe: Isak’izay manao amin’olona iray ianao, dia tsarovy fa miara-manao amin’ny lasany rehetra koa. Ka fahafiry amin’ireo efa niarahany ianao?. Izay no hevitr’ireo tanana marobe mamihina ireo. Vantanina ny resaka fa tsy mody hatao hoe miara-mandry indray e! Ary aza tezitra fa aleo tsy hatao « tabou,  tabou’ lava izao ny resaka toy itony.