VARY TSINDRY

Ela, tena ela isika tsy nifanoratsoratra teto. Arahaba ary fa nahatratra ny taona 2021 e! Ho heniky ny soa sy ny fahombiazana anie isika tsirairay, hahatanteraka ny fikasana tsara rehetra. Fa izay misaina ratsy ho an’ny namany kosa, ho ataon’ny Nahary zezika handonaka ny tany!

Ny tena resaka
Nankalazaina fa hanafatra vary ny fanjakana mba ho fitsinjovana ny vahoaka manoloana ny vesatry ny fiainana andavanandro nateraky ny fandalovan’ny valanaretina coronavirus sy ny fihibohana.
Ho atao amin’ny vidiny mirary izany, hoy ihany ny mpitondra.
Ary dia tonga tokoa ilay vary. Ho amidy izy io, ka Ar 500 raha amin’ny kapoaka, ary Ar 1.500 raha amin’ny kilao.
Tsy ho afaka ny hanaram-po hividy izay zaka anefa ianao satria tena mila mifampiTSINJO tokoa araka ny anaran’ilay vatsy (vary tsinjo). Tsy hanao be fandraoka sao tsy hanana anjara ny sasany.
Araka izany dia noferany ho 5 kilao isaky ny karinem-pokontany / isankerinandro no anjara azo vidiana.

Ny tanjona
Raha nanafatra ity vatsy ity ny mpitondra, dia isan’ny tanjony ny hampihena ny vidin’ny vary eny an-tsena, indrindra fa ny vidin’ny iray kapoaka (izay nanaovan’ny minisitera iray hetsika mihitsy ny hampitoviana ny fatra). Nanaovana tolobidy ve ny fanamboarana ilay kapoaka(mpanjakàna) sa….? Tsy haiko !

Ho tratra ve?

Mipetraka anefa ny fanontaniana: « Hahenika ny tsena rehetra ve? Haharitra sa handalo fotsiny? Tena vahaolana tokoa ve? »
Ny zavatra hita aloha dia ihomehezan’ireo mpanangona vary, mpanafina sy mpivarotra hatrizay fotsiny ity hetsika ataon’ny fanjakana ity.

Ataovy ny kajinao
Raiso anie ny penina e, dia ataovy ny kajy.
Firy kapoaka isanandro no arotsaky ny ankohonana iray misy olona 4?
Ndeha ho atao fotsiny hoe 1 kp maraina, 2 kp antoandro, 1 kp hariva. Ireo dia efa manome 1 kg (raha ilay fatra nahazatra, tsy mangalatra toy ny ankehitriny).
Andro efatra fotsiny izany dia tapitra ilay 5 kg, fetra napetraky ny fanjakana. Ary ny andro 3 sisa ahoana? Tsy hihinana ve? Ny an’ny lehibe mety ho vita ihany, fa ny ankizy no hanahirana. Ny lehibe izany mahazo mitsipatsipaka eny an’arabe eny (toy ilay maçon nitondra bisikilety iny) rehefa refona.
Tsy vita ny hijery ny ankizy hipitrapitra fotsiny, hiandry ny herinandro manaraka, satria tsy ampy ny volan’i dada sy neny.
Tsy maintsy handeha eny amin’ireo mpivarotra hatrizay ihany. Hividy amin’izay vidiny apetrany eo. Tsy manam-pidiny.
Izay no mahatonga ahy hiteny hoe « ihomehezan…..fotsiny ity hetsika…ity ».

Aza mahazo ny goavy manta
Ny aza hitako dia ny vahoaka indray no mety hahazo latsa eo ampividianana: « Angaha lany sahady ilay VARY TSINDRY? » Azafady, vary tsinjo mantsy e!!!
Ka hoy aho hoe vary tsinjo tokoa, natao hitsinjovana vahoaka ve? Sa VARY TSINDRY natao hanindriana aloka ny hafa (mpisehatra amin’ny asa vary eto an-toerana), na hanindriana ny olona tsy hihetsika ka ampiasaina ho toy ny hazo lena?
Raha mahita valiny ianao dia mba sitrako indrindra, fa izaho aloha dia fanina mikaroka izay ho azo avaly.

Mahereza daholo! Samia tsara, fa mbola ho avy ihany io orana io mba hanondraka ny tanimbarintsika e! Hatreto aloha, hano ny an’ny hafa fa zara aza misy harapaka!

Avylavitra