Demokrasia sa Demonkrasia?

Sasa-poana niandry ny fandaharana ‘Ny marina’ tao amin’ny Radio Antsiva aho halina. Efa ho tamin’ny folo ora alina latsaka vao mba niverina nisy feo nivoaka tao amin’ilay onjam-peo. Nihevitra aho fa tapaka ny herinaratra tany an-toerana tany.
Androany maraina anefa dia gaga sy zendana aho nahare tamin’ny mpiara-miasa amiko fa toa hoe nisy taratasy avy any amin’ny mpitondra ambony nidina nankao amin’ity foiben’onjam-peo ity mandràra azy ireo tsy hanao intsony izany fandaharana izany, miampy sasantsasany hafa koa izay tsy mbola nahazoako vaovao marim-pototra.
Taorian’ny Radio Don Bosco (fandaharana Karajia, sehatra nahafahan’ny maro nitondra ny vetsovetsom-pony sy naneho hevitra) sy ny namany hafa tsy ho tanisaina etoana izany, dia anjaran’ny Radio Antsiva FM 97.6 ‘fandaharana Ny Marina) indray no mitanty ny kanotaben’ny fitondrana. Raha tena marina tokoa io vaovao reko vao maraina io, dia mazava izany izao fa tsy mahazaka tsikera, ary tsy mbola mahay (toa ahy koa, hihihi) ny tena atao hoe fahalalahan’ny fanehoan-kevitra ny fitondram-panjakana.
Isan’ny tena mitaraina amin’io ary hitan’ny be sy ny maro rahateo amin’ny andavanandrom-piainana, dia ry zareo avy amin’ny antoko tsy eo amin’ny fitondrana izany. Tsy hita firy, na tsy misy mihitsy aza angamba, mba tafakatra plateau amin’ireny haino aman-jerim-panjakana ireny izay tsy zanak’i Dada na tsy miombon-kevitra amin’i Neny.
Raha raiamandreny no ilazana ny fanjakana manoloana ny vahoaka, dia aoka ho tadidy koa fa raiamandreny koa ny vahoaka manoloana ny fanjakana, satria azy (vahoaka) ny fahefana fa nampindramina ny mpitondra. Mpiandry omby volavita izany ny olom-boafidy sy ny mpitondra, ary ny vahoaka no Bailleurs de fonds mampiasa azy, ka tokony ho tompon’ny zo rehetra amin’ny lafiny rehetra momba ny fiainam-pireneny.

Ity ohatra misy fanadihadiana nivoaka tamin’ny gazety « Ao Raha »  nivoaka anio 17 jona 2008, nataony tamin’Andriamatoa Henri Lecacheur.

Hoy i Henri Lecacheur:

Sao manimba ny asa fanaovan-gazetinareo sy olana amin’ny mpampiasa anareo ny hanehoako hevitra satria efa tampenam-bava avokoa mantsy izao ny mpanohitra?…nisy televiziona tsy miankina iray nikasa hanasa azy haneho hevitra nefa dia nahazo baiko avy amin’ny fitondrana fa tsy azo atao izany….gidragidra sisa no ahafahana tonga amin’izany fifandimbiasam-pahefana izany satria tampenam-bava ny mpanohitra raha tsy izany dia gadraina. Ahoana sisa izany no ahafahana manoho hevitra raha tsy amin’ny gidragidra?…..

Hoy i Ao Raha :

Ankoatra izay dia maro tamin’ireo mpanohitra no niahiahy an’i Henri Lecacheur ho iraka manokan’ny fitondrana tamin’ireny teny amin’ny 13 mey ireny. Nilaza mantsy ny sasany tamin’izy ireo fa ‘nahoana no tsy nogadraina na nosamborina i Lecacheur?’

Hoy Lecacheur namaly sady tezitra:

Izaho voasambotra ve izany no fahafinaretan’ny mpanohitra sa ny tolona nataoko? Izy rehetra tsy misy sahy fa saro-tahotra daholo ka rehefa manao ny olona dia lazaina ho mpamadika. Maninona koa tsy lazaina fa tokony hotifirina?….Ilaina averina amin’ny vahoaka amin’izay izao ny fitondrana. »

Santionany amin’ny fanehoan-kevitra nataon’i Hneri Lecacheur ao anatin’ny gazety « Aro Raha » nivoaka androany 17 jona 2008 ireo.
Koa ny fanontaniana mitsangana izany izao dia ny hoe: ‘Mahazaka fanehoan-kevitra sy fahalalahana miteny tokoa ve ny fitondrana ankehitriny, sa rediredy fotsiny ny an’itony olona itony?  Izaho aloha tsy mahalala e, fa mbola handeha hanadihady sy hianatra momba izay koa.

Tsetsatsetsa tsy aritra ity, raha nanontanian’ny L’Express de Maurice i Edgard RAZAFINDRAVAHY filohan’ny Groupe Prey izay misy ny SITRAM, sy ny Radio etsy ambony ary fahitalavitra tsy miankina ihany koa
Fanontaniana:

L’on vous prête d’avoir des ambitions polotiques…

Valiny:

Non, c’est totaliement faux. Ces allégations sont mensongères, non-fondées et absolument gratuites. Je ne fais pas de la politique. Je suis et je demeure un homme d’affaire. Comment veut-on que je devienne un homme politique quand je ne suis pas né dans un tel milieu et que je n’ai jamais été à cette école? La politique ne m’interesse pas, je vous le répète. Bien sûr, je suis un homme de média, avide de vérité et dénué de complaisance. Est-ce que cela fait de moi un homme politique? Je crois que non. Pour être un patron de presse, vous n’êtes pas obligé d’être un politicien. La politique ne fait pas partie de mes préoccupations