Tsy ho fatatrao mihitsy aloha raha i RAKOTONIRAINY Jen Richard e! Tsy olo-malaza izy fa olona tsotra toa ahy sy ianao ihany, nefa indro atolotro anao eto ny tantaran’ity lehilahy mahantra iray ity, rehefa avy niandrasana fotoana maharitra ihany vao tapaka ny hevitra fa havoaka.
Mpiavy avy any Ambalavao i RAKOTONIRAINY Jean Richard. Hitady ravinahitra no nahatongavany teto Iarivo. Mianadahy izy ireo no zanaky ny raiamandreniny. Nanambady teto ny anabaviny ary efa nodimandry. Ny reniny koa sisa no velona any amin’ireo nahitany masoandro. Rehefa tonga teto Iarivo ny anao lahy dia nahita asa tokoa. Ireny manaraka kamiao miaraka amin’ny patirao be ireny.
Nandeha tsara ihany ny fiainana raha mbola ao ny tanjaka sy ny hery, ary indrindra indrindra fa ny fahasalamana. Hitan’ny olona sy fiantsoantso koa satria mbola nisy natoraka.
Nandeha anefa ny andro sy ny taona. Feno 40 taona mahery kely i Richard. Tsy manambady, tsy manna-janaka koa. Nitranga ny tsy nampoizina. Narary izy. Ary ny vavoniny no tena voa mafy. Asa na noho ny sakafo tsizarizary, na aretina efa ho avy fotsiny izao. Tany Talatavolonondry tany no nisy ny mpampiasa an’i Richard. Rehefa nandoa rà i Richard dia naterin’ity mpampiasa azy (avy eny Talatavolonondry) ho eny amin’ny HJRA Ampefiloha.
Na dia nandefasana taratasy aza ny vadin’ny anabaviny, hany havany teto Iarivo, dia nanempoka tsy nipoitra mihitsy, araka ny filazany hatrany.
Ny andro voalohany nanateran’ireto mpampiasa azy teny amin’ny hopitaly ihany koa no nahitan’i Richard farany ireto mpampiasa azy. Taorian’io dia tsy hita nielingelina intsony ireto farany, na dia ny hanontany ny fahasalamany fotsiny aza.. Lany tokoa va re ny mamy nandrasany tamin’ity olo-mahantra? Asa!
Tao amin’ny chambre N°4, 1ère étage tao amin’ny HJRA no nisy azy. Rehefa hitan’ireo mpiray efitrano taminy fa tsy nisy mpitsidika sy mpamangy mihitsy i Richard, dia izy ireo no namahana azy (mandra-paha…) sy nanampy koa tamin’ny resaka fanafody. Mba olona manana fahafaha-manao ihany mantsy ireto olona (avy any Tsiroanomandidy, araka ny filazan’i Richard azy). Tena antra olona tokoa, hoy ihany izy.
Vita ihany anefa ny fitsaboana ny havan’ireo Samaritana tsara fanahy, ka tsy maintsy handao an’i Richard mahantra sy ny aretiny tsy misy mpijery izy ireo. Namela izay azony navela ho an’ity olo-mahantra ihany anefa ireto fianakaviana talohan’ny tena handehanany. Ary natorony hevitra koa aza i Richard mba hanatona an-dry Masera tao amin’ity hôpitaly ity. Nandeha tany ,hono, izy nefa nilaza tamin’i Richard fa tsy afaka hanampy azy, hono, ireto Masera tao.
Làlana hafa indray no natoron’ny olona azy, dia ny hankanesany eny amin’ireo Frera mpanao asa soa ao Tsiazotafo. Niera tao amin’ny tompon’andraikitry ny hôpitaly ary i Richard mba ho afaka hivoaka hitady izay fanafody ilainy sy ny ho sakafony. Efa am-bolana i Richard no tsy nisolo akanjo. Mazava ho azy fa tsy maintsy hamofona.. Io andro nivoahan’i Richard hitady fanampiana io no nitondra azy teo ambavahadinay sy nahafantarako koa ny tantarany…
…Tonga teny Tsiazotafo tokoa izy iny andro iny, saingy tsy nisy azon’ireo olona tao natao satria,hono, tsy eto an-toerana fa any an-dafin’ny ranomasina ilay Frera direktera. Ora vitsy ihany anefa no nomen’ny hôpitaly an’i Richard hivoahana, fa tsy maintsy miverina miditra eny izy avy eo.
Very hevitra ilay mahantra, ary dia nanomboka nitsiry tao an-tsainy ny tsy hanana henatra intsony handona izay varavarana sendra azy. Rehefa avy nandona tsy nahazo rariny tany an-kafa àry izy, dia tonga teto am-bavahady.
Somary nànana fisainana hafahafa momba ity olona ihany aho tany ampiandohan’ny resakay (efa voa mantsy aho tany aloha), saingy rehefa nihaino lalina teo sy nangatahako ny taratasim-panafody ary ny taratasy momba ny aretiny izy, dia resy lahatra ihany fa olona tsy mamitaka ity manoloana ahy.
Rehefa ela niresahana teo izahay mirahalahy, dia nomenay fanampiana izy avy ary nadikako ny momba azy tao anatin’ilay taratasy teny amin’ny hôpitaly, ny laharan’ny efitrano misy azy, sns….Rehefa malalaka izahay, hoy aho, dia ho avy hijery anao eny amin’ny hôpitaly. Andro vitsy talohan’ny pentekôty tamin’izay (08-05-2008).
Andro maromaro aho no tsy teto an-toerana fa tany Ambohimanambola tany. Alina vao miditra ny trano isan’andro. Tsy afaka akory nanatanteraka ilay teny nomeko an’i Richard.
Hay ka niandry izay mba handalovako tokoa ilay olo-mahantra.
…Tonga teto am-bavahadiko i Richard omaly tamin’ny dimy ora hariva.
Hoy izy:
“Tonga aho, ry izy mivady, hanao veloma anareo sy hisaotra tamin’ny fanampiana efa nataonareo. Niandry aho fa angamba sahirana ianao, ramose, ka tsy nandalo. Fa noho izaho efa tsy ao amin’ny hôpitaly intsony dia nandalo aty aho hilaza fa nahita kamiao hitondra ahy hody any amin’i Neny any Ambalavao. Tsy miantoka afa-tsy fitaterana anefa ry zareo, tsy ampandoaviny saran-dalana aho, fa ny vatsy eny an-dalana sy ny izay mety ho ilaiko dia tsy maintsy izaho no nasainy mitady. Faly be aho, ry zareo fa hody. Tsy salama aho, nefa raha ho faty ihany dia aleoko ho akaikin’ny fianakaviako. Koa fiangaviana farany ataoko aminareo dia mba vonjeo lamba fitafy raha misy sy akanjo hisoloako fa tena masiso mampandositra olona aho”.
Nomena lobaka, pataloha, akanjo amboniny ary vola izy teto…..Raha nanatrika teo nahita azy sy naheno ny fisaontsaorana saiky tsy nitsahatra ianao dia ho vaky fo. Ny maso nanganohano nafeniko azy no nentiko koa nandositra ny tavany tamin’ny fotoana farany nisarahanay.
Menatra, tena menatra anefa aho satria tsy afaka namangy sy nitsidika azy teny amin’ny toeram-pitsaboana akory, nefa koa tsy afaka nanoatra satria resaka asa no tsy maintsy natrehiko taorian’ny pentekôty.
….Omaly alina tamin’ny valo ora no nainga hanao lava alina hitodi-doha ho an’ny amin’ny reniny any Ambalavao i RAKOTONIAINA Jean Richard. Faly tokoa ny lehilahy na dia nakentron’ny aretina mafy tokoa aza. Na ny miteny aza nila tsy no vitany intsony. Mikentrona sy manao ezaka mafy rehefa izy te-hiresaka.
…Talohan’ny tena nisarahanay telo mianadahy sy nifanaovana veloma, dia natolotra an’i Richard ny laharan’ny finday mba hiantsoany rehefa tonga soa aman-tsara any Ambalavao ny tenany.
“Rahampisto amin’ny roa eo, ramose, no lazai’ny mpamily fa tokony ho tonga any izahay. Raha vao tonga aho dia hitady telefona hiantso anareo”
Tongava soa any an-tanindrazanao ianao, Richard.
Miandry izay antsony sisa no ataonay aty Antananarivo.
Tsy natao hamendrofendro anao ity tantara ity, nefa koa mino aho fa mba nitondra fihetseham-po, na dia kely monja ihany aza, tao anatinao. Manentana anao aho, hanao izay azonao atao amin’ny olona mila izany, toy ity tranga iray faharoa omeko anao ity. Ampio i Kamba kely
Filed under: fiaraha-monina, tapatapany | Tagged: fanampiana, hôpitaly, Kamba, mahantra, marary | 5 Comments »