Mbola #PowerBalance ihany

Nampalahelo ilay ramatoa iray tetsy akaikin’ny Le Six Antaninarenina omaly. Efa samy nahazo taona ihany izy mirahavavy niara-nizotra ireo.

Hoy ilay iray voalohany(1): Dia tsy hitako aky izay vokatr’ilay izy ka! Tena ny volako fotsiny no lany nividianana an’iny
Ilay faharoa(2) : Nefa anie misy olona milaza fa mahita tory ery tamin’izy iny e
(1): Firy akia izay namako nifampiresaka tamiko izay, tsy efa ho 7 angamba? fa raha nisy iray nilaza hoe nahita soa tamin’ilay izy
(2): nefa anie ny dokam-barotra r’inao toa mipoapoaka ery e. Ndaha akia miverina any dia asaivo soloiny hafa fa sao ilay azon-dry no tsy mety a
(1) koa raha tsy inona izy koa hanaiky an’izany, Taiza akia no nisy mpivarotra gasy mbola nanaiky an’izany
.
.

Tena marina loatra, tsy mbola betsaka ny mpivarotra (mpamitaka) hanaiky ny hamerina na hanolo zavatra toy izany, izay efa fantany tsara fa zavatra tsy manjary no namidiny taminao. Ny fanjakana aza moa minia tsy mijery (mahazo tsirony angamba) ka inona no iraharahiany anao izay vahoaka madinika ILAINA TSENTSEFINA ISANANDRO io

Mba fantatrao hoe inona ilay noresahan’ireto nenibe anankiroa nijaikojaiko ireto? ny  #POWERBALANCE amidin’ny JK sa GK na GICA group

Entano ny havanareo rehefa tsy azo resena lahatra mba hitaky facture mazava tsara tokoa, sao mba hisy ho sahy ihany hitondra ity resaka ity eny amin’ny fitsarana sy ny ambaratonga mahefa aoriana ao

Toavina Ralambomahay & #TEDxTNR

Toavina Ralambomahay, mpan dray anjara amin’ny #TEDxTNR 2012

Isan’ireo olona nofinidin’ny #TEDxTNR ho isan’ny mpizara traikefa amin’ity andiany faha-4 ity ny Consultant, Talen’ny famoahana ny ‘revue juridique MCI‘ sady mpanoratra momba ny resaka ara-politika, Toavina Ralambomahay, izay mbola tena mbola tao anatin’ny hatanoràny tokoa dia efa hitan’ireo trano famoaham-boky tany ivelany ny talentany. Teo amin’ny faha-29 taonany mantsy izy dia efa niara-niasa tamin’ilay ngezalahy ao Paris, ny L’Harmattan tamin’ny famoahana ny boky ‘Madagascar dans une crise interminable‘, taona 2011.
Ankoatra ireo dia efa nanoratra ireo boky manaraka ireto ihany koa izy

·Tableau de science politique, Editions Jeunes Malgaches, Tana, 2009.

Eo am-pikarohana mpanonta boky izy ankehitriny mba hamoahana ny Recueil de bêtisier d’hommes politiques sy hijerena izay fomba hamatsiana an’i Madagasikara amin’ireny boky ireny avy any Paris.

Nazavainy tamin’ny mpanatrika androany ny nanosika azy hanoratra azy io sy ny antony hoe tany ivelany no namoahany azy. Izay nataony tao anaty vanim-potoana saropady tokoa, mba hanaporofoana amin’ny rehetra fa tsy ny vahiny ihany no afaka manoratra ny tantaran’i Madagasikara, ary ireo izay mpisehatra kianiny ao anatin’io anefa dia mbola amperin’asa daholo.

Any anatin’ny sanganasany any dia ezahany ny mamantantra ny fototry ny olana; nahoana no mitarazoka? Inona no andraikitry ny hery vahiny sy ny mpisehatra Malagasy ao anatn’izany? Ary mazava ho azy fa eo koa ny fanolorany vahaolana mba tsy ho fanakianana be fahatany fotsiny.

Firotsahana an-tsehatra ny asa fanoratana. Ho azy dia fandraisan’andraikitra amin’ny maha-olom-pirenena mba ho entina mametraka amin’ny tena toerany ny atao hoe politika.

hoy izy nandritra ity TED Antananarivo ity hoe

lire est un effort intellectuel

Hatreto ny asa sorany dia fakàn’ireo mpampahalàla vaovao iraisam-pirenena aingam-panahy (BBC afrique, Africa Magazine, Africa One, l’Express Maurice, l’Eco Austral), tsy afa-bela amin’izany koa ny eto an-tanindrazana (TV plus,  sns…)

TEDxAntananarivo 2012, LASA IZAO #TEDxTNR

Ny hoe  TED dia fanafohezana ny Technology, Entertainment sy Design natomboka tamin’ny 1984 tao Californie ary misokatra amin’ny taranja rehetra sy ny olon-drehetra manana hevitra mendrika ny hozaraina amin’ny mpiara-belona.

Andiany faha-4,  ary tafiditra ao anatin’ireo kaonferansa efa mahatratra eo amin’ny 3000 mahery nokarakarain’ny TEDx nanerana firenena 133 tamin’ny fiteny 47, ity hataontsika ao amin’ny Hotel Carlton Anosy androany 1 Septambra 2012, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ity. Teny faneva ny hoe BACK TO… (Looking back, Mooving forward). Izay iandrasana olona 500 eo ho eo.

Olona mpirotsaka an-tsitrapo daholo no tohanan’ny TED hikarakara ny hetsika ity izao maneran-tany. Ireo mpandray anjara kosa dia ahitàna mpikaroka, mpitarika orinasa, injeniera na mpanakanto sy ny maro tsy voatanisa. Azo resahana mandritra izany fotoana izany ny haikanto, ny siansa, ny haitao, ny asa famoronana, ny fampialamboly, ny fandraharahana amin’ny sehatra rehetra mihitsy sy izay mahakasika ny fiaraha-monina e!

Raha vao «BACK TO … » no mby ao an-tsaina, dia midika FIVERENANA izay, fiverenana amin’ny asa feno fahavitrahana sy ny fanaingàna indray ny fiharian’ny isam-batan’olona ohatra, ary hatramin’ny fianakaviamben’ny manan’aina koa aza. Hizara roa ny fotoana, ka ao anatin’izany no hanolorana ho anareo mpanatrika ny tsara indrindra eo amin’ny tontolon’ny teknolojia. Isaorana manokana eto ny MAKATY miara-miasa amin’ny fanatontosana izay lafiny izay (solontenan’ny APPLE eto Madagasikara), tsy ho adino ny hanolotra ho anareo ny Fialamboly (hisy ny artista hanafàna sy hampahafantatra ny tantarany) ary ny Asa fanomezan’endrika (Design). Satria ireo rehetra ireo no mitambatra manome ny fanafohezana TED.

Malagasy aby no mpandray anjara ao, Malagasy manana hoavy mamiratra, mendrika ny hotohanako, tohananao, eny e , tohanan’ny rehetra, koa ‘Ndao ary hoararaotintsika ity fotoana ity hampahafantarana an’izao tontolo izao fa i Madagasikara dia firenena, tsy fantatra fotsiny amin’ny alàlan’ny sarimiaina (cartoon) fa koa firenena iray tsy lany fika sy hevitra, mpanan-talenta sy famoronana.

Miandry anao izahay anio tolakandro eny amin’ny Carlton Anosy miaraka amin’ny #TEDxTNR 2012, #TEDxAntananarivo