Rivotra Maloto Manempotra

Lahatsary ho fanombohana

Andro maromaro izay ny eto Antananarivo renivohitra no nahatsapa fa mavesabesatra sy mankarary maso ary maha-te-hatory izany ny rivotra iainana. Tsy mandeha lavitra isika dia efa mahita ny antony mahatonga izany.

Io tolakandro io dia setroka tsy nahitàna ny faravodilanitra no nandrakotra ny lanitra. Raha ny marina dia tsy ny faravodilanitra intsony no tsy tazana, fa metatra maromaro miala ny toerana misy anao dia efa mila tsy ho hita intsony.

Ny sary maromaro hitanao ato dia nalaina tamin’ny ora tsy dia mifanalavitra loatra, saingy ny andro no tsy mitovy. Ny voalohany dia ny Rova tazanina avy eny amin’ny Carlton, tamin’ny 23 Oktobra 2015, nanodidina ny tamin’ny 5 ora hariva latsaka tany ho any. Ny ambiny kosa dia sary nopihana teny Andravoahangy ny 25 Oktobra 2015 tamin’ny 5 ora sy 26 mn.

Ataovy àry ny fampitahàna ny atao hoe rivotra madio, sy ny hoe tontolo iainana maloto, raha eto amin’ny sary voalohany ianareo afaka mahita hatrany amin’ny kilaometatra iray mahery, ary amin’ireo sary manaraka kosa, metatra vitsivitsy aza manahirana.

Rova tazanina avy eny amin'ny Carlton

Tranga tsy teto amintsika ihany no nisy ny toy izao, fa hatrany Malezia sy Indonezia ary Filipina koa (any amin’ny faran’ity lahatsoratra ity misy rohy).

Avy aiza ny olana?

Tsy tongatonga ho azy ny setroka tahaka ireny, fa misy loharano nipoirana: ny tevy ala, ampian’ny doro tanety. Toy ity nampitain’i Mandresy Ralisetra, mpikambana aminà vondrona iray ao amin’ny Facebook ity, izay ahitàna ala mirehitra any amin’ny faritr’i Mangoro, sy ny manodidina ny làlam-pirenena faharoa (#RN2)

Doro ala sy tanety mitondra setroka manempotra

Doro ala sy tanety mitondra setroka manempotra

12180731_943426949063566_281725947_o

Atahorana ny hisian’ny aretina aterany (aretin’andoha, sery, aretin’ny taovam-pisefoana, …)

Tsy vitsy ny olona manontany na manome tsiny noho ny zava-mitranga.

An’iza ny andraikitra?
Raha ny tsirairay no anontaniana, dia ny fanjakana no voatondro voalohany ho tomponandraikitra tsy nahefa ny anjara tandrify azy.

Axel RavonjinirinaAxel Ravonjinirina Tokony manao etat d’urgence ny fanjakana @ zao, mobilisation ny force rehetra mimaitrisé an’io afo io!Isantaona zao ve otrzao ihany!Refa atao ramatahora sy atao sava hao ireo mpandoro tanety dia gadraina tsisy masa manao tsony saingy fanjakana tsisy antenaina fa matory andro tsisy ilana azy sady tsy mahabaiko n’inin!
Nomena Hosea Nomena Hosea Mapalaelo inona netaonle mpitondra? Ts maasalama mitsy zao reto a

Fomba fijery izay toa midika fandosirana andraikitra ihany koa avy amin’ny tsirairay anefa, raha ny voalazan’ity fanehoankevitra iray ity no jerena:

Rado Andrianina RabemanantsoaRado Andrianina Rabemanantsoa Ny fisainan’ireo mpandoro tanety mampalahelo, fa ny tsy fandraisan’Andraikitry ny fanjakana koa vao maika mahakivy tanteraka!

Asa aloha izay ho fepetra ho raisina manoloana izao zavatra mitranga izao. Fa raha ireo firenena tany Azia no asiantsika resaka, dia nandraisana fepetra mihitsy ny tsy hivoahana ny trano mandra-pisavan’ny zavon-tsetroka nandoto ny rivotra niainana tany aminy. Satria zava-dehibe voalohany indrindra ny fahasalamana.

Fanontanian’ireo olom-pirenena ny hoe :

Mianjaika NiniMianjaika Nini Fa mba misy vé izany minisitry ny tontolo iainana izany eto Mkara eto sa tsia?
Angamba kosa tsy ho avelantsika ho an’ny fanjakana irery ny andraikitra momba izany, fa samy tokony handray ny anjara tandrify azy ny rehetra. Olona any anaty fiarahamonina misy antsika any ihany no manao ireny asa maloto ireny – noho ny hasomparana, na noho ny tsy fahalalàna ihany koa. Azontsika atao ny mifanentana araka izany, mba hisian’ny fiovàn’ny toetsaina.
 Sylvia RanaivojaonaSylvia Ranaivojaona Mila olona mahatsapa tena ry namana Malagasy Te Hilamina eto an ! ar mahalala ny tokon ataony d mahay mandray andraikitra tandrify az !!!

Ka rehefa tsy mety anarina, dia ampiharina aminy ny lalàna misy, mba tsy ho ny olon-tsotra no hitondra sy hampihatra ny fitsaràna heveriny fa sahaza

Ho lava ity resaka ity, saingy efa hisasaka ihany ny alina, ka aleo amin’ny manaraka tohizana. Ndeha ny sary amin’izay no ampitenenina.

DSC_0594_2 DSC_0595 DSC_0596 DSC_0597 DSC_0598 DSC_0599 DSC_0600 DSC_0603 DSC_0604 DSC_0605 DSC_0606 DSC_0607 DSC_0608 DSC_0609 DSC_0610 DSC_0612

lahatsoratra mifandraika aminy:

Shina: ny haloton’ny rivotra ifohana any Pékin, sariitatra sy sivana

Sary Maneho Ny Dona Ratsy Ateraky Ny Zavon-tsetroka Ao Azia Atsimo Atsinanana

Tonga ao Azia atsimo-atsinanana noho ny doro ala mamaivay ao Indonezia indray ny zavon-tsetroka

TEDxAntananarivo 2012, LASA IZAO #TEDxTNR

Ny hoe  TED dia fanafohezana ny Technology, Entertainment sy Design natomboka tamin’ny 1984 tao Californie ary misokatra amin’ny taranja rehetra sy ny olon-drehetra manana hevitra mendrika ny hozaraina amin’ny mpiara-belona.

Andiany faha-4,  ary tafiditra ao anatin’ireo kaonferansa efa mahatratra eo amin’ny 3000 mahery nokarakarain’ny TEDx nanerana firenena 133 tamin’ny fiteny 47, ity hataontsika ao amin’ny Hotel Carlton Anosy androany 1 Septambra 2012, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ity. Teny faneva ny hoe BACK TO… (Looking back, Mooving forward). Izay iandrasana olona 500 eo ho eo.

Olona mpirotsaka an-tsitrapo daholo no tohanan’ny TED hikarakara ny hetsika ity izao maneran-tany. Ireo mpandray anjara kosa dia ahitàna mpikaroka, mpitarika orinasa, injeniera na mpanakanto sy ny maro tsy voatanisa. Azo resahana mandritra izany fotoana izany ny haikanto, ny siansa, ny haitao, ny asa famoronana, ny fampialamboly, ny fandraharahana amin’ny sehatra rehetra mihitsy sy izay mahakasika ny fiaraha-monina e!

Raha vao «BACK TO … » no mby ao an-tsaina, dia midika FIVERENANA izay, fiverenana amin’ny asa feno fahavitrahana sy ny fanaingàna indray ny fiharian’ny isam-batan’olona ohatra, ary hatramin’ny fianakaviamben’ny manan’aina koa aza. Hizara roa ny fotoana, ka ao anatin’izany no hanolorana ho anareo mpanatrika ny tsara indrindra eo amin’ny tontolon’ny teknolojia. Isaorana manokana eto ny MAKATY miara-miasa amin’ny fanatontosana izay lafiny izay (solontenan’ny APPLE eto Madagasikara), tsy ho adino ny hanolotra ho anareo ny Fialamboly (hisy ny artista hanafàna sy hampahafantatra ny tantarany) ary ny Asa fanomezan’endrika (Design). Satria ireo rehetra ireo no mitambatra manome ny fanafohezana TED.

Malagasy aby no mpandray anjara ao, Malagasy manana hoavy mamiratra, mendrika ny hotohanako, tohananao, eny e , tohanan’ny rehetra, koa ‘Ndao ary hoararaotintsika ity fotoana ity hampahafantarana an’izao tontolo izao fa i Madagasikara dia firenena, tsy fantatra fotsiny amin’ny alàlan’ny sarimiaina (cartoon) fa koa firenena iray tsy lany fika sy hevitra, mpanan-talenta sy famoronana.

Miandry anao izahay anio tolakandro eny amin’ny Carlton Anosy miaraka amin’ny #TEDxTNR 2012, #TEDxAntananarivo

TEDxAntananarivo : Nitsoaka an-daharana #Ambatovy

Lahatsoratro voalohany eto amin’ny bilaogy ity, raha ny resaka #TEDxTNR, na TEDxAntananarivo andiany faha-efatra kasaina hatao amin’nhy Sabotsy 1 Septambra no ho asian-teny. Hetsika diso fantatra loatra maneran-tany ary manana ny toerany manokana amin’ny fifampizaràna fahalalana sy fitondrana anjara biriky amin’ny resaka fampandrosoana, miainga avy amin’ny isam-batan’olona mihitsy.

Hetsiky ny tsy miankina ny TEDx, takaro amin’ny hoe ‘olon-tsotra’ ilay tsy miankina tiana hiampita, izany hoe tsy an’ny fanjakàna. Amin’izay lalan-jotra izay dia soavaly mianto-bilona ny hetsika iray manontol, ka fifanohanana sy fifanampiana no entina manatanteraka azy. Efa nisy ireo nanolo-tena an-tsitrapo nitondra ny fahaiza-manaony tamin’ny lafiny maro, ary misy koa ireo nilaza fahavononana hitondra anjara biriky amin’ny fandaniana ara-bola, toy ny fanofàna ny trano, ny fanapariaham-peo sns….Isan’ireny naneho fahavononana ireny ny orinasa #Ambatovy.

Fa nisy inona?

Be ny resaka mandeha etsy sy eroa mikasika izay antony nampihemotra ity orinasa ity, tafiditra amin’izany ny fangatahana ‘mimi’ ataon’ny sasany any ambadika any, araka ny hita voasoratra an-gazety. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa tao amin’ny radio #Antsiva aza moa dia voalaza fa volan’ny #JIRAMA no entina hanatanterahana ny fampanantenana hanaovana Tempolin’ny #Rugby eny #Andohatapenaka. Marina ve sa tsy marina? Izahay tsy mahalala, ianareo koa mety tsy ho afaka hanoro, fa ny zavatra hita aloha ary efa fantatra dia ny fisintahan’Ambatovy tsy hanohana ny hetsika.

Misy ihany anefa ny fomba azon-tsika tsirairay hanamaivanana ny fandaniana, ankoatra izay mbola ho hetsika hataon’ny malala-tànana, dia ny fividianana ny tapakila fidirana amin’io hetsika hatao ao amin’ny #Carlton amin’ny Sabotsy io. Azonao vidian mialoha amin’ireto toerana ireto izany: Urban Café ao Antsahabe, Chill’Out etsy Ambondrona  ary ny Outcool Ampasamadinika.

Fa inona tokoa moa ilay TEDx e? Avy amin’ny hoe Technology, Entertainment, Design no nafohezina nakàna azy. Foto-kevitra ijoroany ny hoe Hevitra Mila Zaràina. Tsy hoe izay te-hizara hevitra rehetra anefa fa izay hevitra mitondra soa sy fandrosoana ho an’ny mpiara-belona no ifampizaràna mandritra ny hetsika TEDx.

Ny irariana dia ny hoe mba hahitàn’ny mpikarakara malala-tànana hafa hanohana ny TEDxAntananarivo, ilay hetsika tanora Malagasy azo lazaina ho reharehan’i Madagasikara eran’izao tontolo izao. Angamba mety tsy mbola fantatrao izany tanora izany sy ny ekipa mifanohana aminy, nefa aleo lazaina aminao aq malaza eran’izao tontolo izao izany anarana hoe Harinjaka Ratozamanana izany, raha tsy heno loatra kosa eto amin’ny sehatra anatiny. Izy no tompon’ny licence TEDx eto Madagasikara, ary mazava loatra fa avy amin’ny alàlany sy ireo nanohana azy no nikarakarana ilay hetsika goavana be tamin’ny TEDx Antananarivo andiany fahatelo niresahana mimba ny Homamiadana manjo ny vehivavy aty Afrika, natao teny amin’ny CCI Ivato.

Tongava hanotrona ny TEDxAntananarivo fa tsy hanenenanao ny hihaino ireo mpandray fitenenana maro ho tonga ao, izay Malagasy toa ahy sy ianao ihany koa

Lahatsoratra hafa miresaka momba ny TEDxAntananarivo ireto:

Nahoana no niala Ambatovy?

TEDx Antananarivo : Ambatovy le 1er sponsor se étire au dernier moment!

 

Anosy: Ny hetsika manodidina ny fahatongavan’i GIC

Araka ny efa fantatry ny maro moa dia efa tonga eto Madagasikara ary eo am-pandraisana tsirairay ny solontenan’ireo firehana rehetra ny GIC, tarihan’i Jean Ping, amin’izao fotoana izao.

Mbola co-présidents ihany aloha hatreto no iantsoan’ny GIC an-dry Rakoto Andrianirina Fetison sy Rakotovahiny Emmanuel. Isan’ireo manatrika ireto GIC ireto koa ry Mangalaza Eugene sy Camille Vital.

Fa ety ivelany kosa dia misy ireo olona mihirahira sy mitangorongorona tsy hay hoe mpomba sa mpanohitra. Fa ny hita aloha dia tsy avelan’ireo mpitandro filaminana hisy izay fitangorongoronana izay.

Manaikaiky indrindra ny foibe teo aloha nisy ny RNM, sy eo akaikin’ilay fiandrasana fiara mpitatitra no nisy ireto olona mitangorongorona sy mihira ireto.

Ramatoabe iray, miandry ny zafikeliny teo amin’io fiantsonana, no isan’ireo nasain’ny mpitandro filaminana niala. Namaly tsotra anefa ity ramatoabe (efa nahazohazo taona ihany, manodidina ny 60 taona any), fa miandry ny zafikeliny izy, fa tsy misy idirany amin’izay ‘sakorokareo’ any. Izy rahateo tsy afaka ny mandeha haingana izany, raha misy filàna fandosirana. Nampahafantariny an’ireo mpitandro filaminana izany.

Nanomboka ny fandefasana ny baomba mandatsa-dranomaso, ka isan’izay nandefasana teo akaikin’ilay ranenibe. Dia mazava loatra fa nizaka ny vokany teo raneny, saingy nahatezitra ny rehetra nanatri-maso kosa ny fihetsik’ilay mpitandro filaminana nanao akanjo mainty ambony ambany nandefa azy io, indrindra fa mbola narahany vava hoe

ianao no te-hipetraka eo

Raikitra ny ankanenjika teny amoron’ny ranon’Anosy sy ny manodidina azy. Na ny marimarina kokoa dia ny fanosehana ireo mpanao hetsika mba hihatakataka lavidavitra kokoa ny faritra misy ny Carlton.

Tonga hatrany akaikin’ny Tranoben’ny FIARO sy taty ambanin’Antsahamanitra taty ny fangalam-piery.

Tamin’ny 2 ora tolakandro teo no niandoha io gidra io. Ary nisy kely foana teny antsefantsefany teny hatramin’ny 5 ora hariva nandaozana ny toerana.

Na teo aza anefa ny fisian’izany rehetra izany , tsy nahasakana ny tsenan’Alakamisy teo Mahamasina tsy hisy. Nitaintain-dava toa Saobakaka am-body riana kosa anefa izy ireo, ka mbetika no mifanontany ny hoe

raikitra angaha

satria raha vao raikitra ny ‘sakoroka’ ka mihitatra mankany amin’ny faritra misy azy ireo, dia efa tsy maintsy vonona sy kinga amin’ny fanoronana ny entam-barotra. Ny taxibe koa dia tsy nisy sahy nijanona ela teny amin’ny manodidina, fa zara aza afaka ny miala ary tafiditra ny miaktra, dia ‘roahy fa hariva’.

Eto am-pamaranana dia inty misy tsy aritra kely:

Tafahaona ka niresaka ireto tanora vitsivitsy tafahaona teny an-kianja teny. Tonga dia fanontaniana ny an’ilay tovolahy voalohany A  ‘ndeha hataontsika A , B , D ny solon’anaran-dry zareo:

A : K’inona no inona?

B: Izao e!

A: Izao ahoana e?

B: k’izao sisa koooo!

D: Izao sisa ahoana e?

A: izao e!! Miandry fanapahan-kevi-bazaha vao hihinan-kanina!!

A sy B: hay ve eeee!

A: Noheveriko fa inona ary no loza ho lazain’ialahy!

B: Fa amin’ialahy angaha tsy loza izany miandry tataka sy manao hata-piso ary milela-paladiha lava izany? F’ialahy ve ahoana e?

Teboka famaranana…

Fihaonana any Addis-Abeba ny 06 janoary 2010

Raha tadidin’ny maro dia nisy ilay fiohaonana saiky natao tamin’ny volana Desambra 2009 nefa tsy tanteraka tao amin’ny Carlton (fanapahana niarahan’ireo firehana telo Zafy, Ratsiraka, Ravalomanana, ny hoe hanatrika izany na tsy hatrehin’ny an’i Andry Rajoelina aza). Ny fikambanana iraisam-pirenena manelanelana amin’izao raharahan’i Madagasikara izao moa no tompon-kevitra. Nahemotra ho amin’ity volana Janoary 2010 ity izany, ka ny faha-6-n’ny volana no voatondro.

Ho tanteraka sa tsia ilay fihaonana? Asa! Miandry ny tohiny isika ka ho hita eo raha samy hiziriziry amin’ny heviny sy ny toerany.

Fanampim-baovao: Ho tanterahana ihany izany ilay fihaonana any Addis-Abeba, saingy tsy misy ny fampiantsoana an’ireo ankolafy avy eto Madagasikara, raha ny tsilian-tsofina, fa dia ry zareo eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no handinika ny tokony hatao

Mihenjana ny tady

18 desambra 2009: Nampiantso mpanao gazety tetsy amin’ny Carlton Anosy ny firehana telo avy any Maputo III ka nanao fanambarana miezinezina, fa hanangana ny governemantany ingahy MANGALAZA. Olona 6 avy isaky ny firehana telo no ho ao anatin’izay governemanta hatsangan’ingahy Mangalaza izay.

Nifanindran-dàlana tamin’io koa anefa dia namoaka ny didim-panjakana ny tetsy Ambohitsorohitra (tamin’ny 5 ora sy sasany hariva teo)  ka nofoanana ny fanendrena ny Praiminisitra natao tamin’ny 06 Oktobra (Mangalaza) rehefa tsy nahavita nanangana governemanta tao anatin’ny telo volana, ary dia notendrena handimby azy Ramatoa MANOROHANTA Cecile. Marihana fa avy amin’ny ankolafy RATSIRAKA ingahy Mangalaza.

Mihenjana araka izany ny tady. Ingahy ZAFY Albert dia nanitrikitrika mafy fa tsy maintsy hametraka ny Praiminisitra notendren’ireo firehana telo ho eny Mahazoarivo, ary hanatitra ny Minisitra rehetra hotendren-drangahy io eraky ny ministera.

Fa raha nametraka fanontaniana ny mpanao gazety iray nandritra ity resaka natao tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Carlton ity, dia nohorakorahan’ny mpomba an’ingahy ZAFY Albert, tsy nisy hafa amin’izay nitranga fahiny nataon’ireo mpomba azy fahiny, ary mbola tanaty resaka tamin’ny mpanao gazety toy izao ihany koa, fony mbola azo nolazaina fa nanana toerana kely ihany tao an-tsain’ny vahoaka ingahy iny. Raha tadidin’ny maro dia nitsangana nanohitra an’izay fomba ratsy izay mihitsy ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety tamin’izay fotoana izay.

Nasiatsiaka ihany koa ny filazan’ingahy ZAFY Albert fa tsy manaiky intsony an’i Andry RAJOELINA ho filohan’ny tetezamita ireo firehana telo raha miala amin’ny satan’ny Maputo. Hotendrena hoy Fetison RAKOTO ANDRIANIRINA ny olona 156 mambran’ny kongresy ka rehefa tsy hanome ny olony izay miisa 52  ny firehana RAJOELINA dia hanohy ihany hiasa ireo mpikambana ao amin’ny Kongresy satria efa mihoatra ny antsasa-manila.

Dia samy miandry ny ampitso indray izany isika rehetra. Irariana fotsiny ny hiatrehanan fetin’ny faran’ny taona anaty filaminana, na dia mafampana ihany aza ny rivotra politika eto Madagasikara.

Re teny anivon’ny vahoaka naneho hevitra nanerana ny tanàna androany, fa tsy tongatonga foana akory ny fijoroan’ny Commandant ROGER LUC, tanaty fanamiana miaramila teny Ivato teny, noho ity farany, araka ny feo mandeha ihany, mpomba tsy misy fepetra ny firehana RAVALOMANANA. Maro ihany koa ny olona miresaka eny an-dàlana eny no mbola miantso ireo firehana efatra mba handinika lalina sy hifanantona hamahàna izao olana politika izao.

Tandremo fa ny afo efa misy, ka esory lavitra ny solika sy ny vanja mba hisorohana ny fipoahana.

SOLOY IREO SARY

Isak’izay misy fisoloan’ny mpitondra dia manaraka ho azy koa matetika ny fanoloana ny sary any anatin’ireny biraom-panjakana ireny. Matetika dia ireo mpomba ny filoha vao miditra eo amin’ny sehatra, (raha vaovao izy io) no manao an’izay fanovana izay. Fotoana mampiedinedina tokoa izay fotoana izay, ary somary ireharehan’ny sasany mihitsy aza rehefa vita ilay fanoloana ny hoe:

efa nosoloinay ny sarin’i prezidà tao amin’ny birao

Fa ny zavatra tonga tampoka ato an-tsaiko izao dia ity: tokony mba handramana avondrona izy telo mirahalahy filohan’ny tetezamita, dia miaraka maka sary, ary iny sarin’izy telo lahy miaraka iny no asolo ireo sary rehetra manerana ny biraom-panjakana mandra-pahavitan’ny Tetezamita. Angamba amin’izay mba tena ho hita soritra tokoay ilay hoe fiaraha-mitantana, ary mba hino ny olona fa tena miara-miasa tokoa ry zareo. Fa tsy hoe mampiantso filankevitry ny minisitra ingahy Andry RAJOELINA dia tsy tonga ny hafa, Ary mivory ao amin’ny Carlton r’ingahy Fetison RAKOTO Andrianirina, dia tsy ao ry Andry R.

Toa lasa kilalaon-jaza mantsy ny fijery ny zava-mitranga ankehitriny.

Tsetsatsetsa tsy aritro iny fa am-bava homana, am-po mieritra.