MITAFY LAMBA TONTA

Firifiry tokoa moa izay, nany marina kokoa, efa impiry no nitenenan’ireo tompon’ny fahefana teto Madagasikara fa « Manomboka izao dia hatao itsy, hampiharina iroa, tsy andeferana ny tahàka an’izatsy… » Na resaka fifamoivoizana io, na fandriampahalemana, – ny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny mihitsy e –  Fa dia andro vitsy, raha misy, no nisy ny fanatanterahana, dia very an-javony tany daholo ireny tsianjery maimbo famerin’ny mpifehy ireny. Saino anie ireto nosoratan’ny  OLONDIA MIDELIRA ireto e:

 

Mila ovàna ny politika sy ny fanaovana politika eto Madagasikara! Fanovàna tena izy, ary mikaroka ny tena fandrosoana marina ny isam-batan’olona. Politika miantehitra amin’ireo harena nananatsika hatrizay, ary politika tsy miankin-doha. Miaro hatrany ny hasina sy ny hambo tena Malagasy. Politika misokatra ihany koa amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany ho mpanaja ny fitoviana sy ny fahafanan’ny tsirairay.

Ireo indray izao no hevitra abosesika ao an-dohan’ny Gasy ato ho ato. Tsy hevi-baovao akory ireo fa efa fandre hatrizay saingy tsy nisy nanatanteraka na dia toy ny silak’hoho aza. Koa aza lany andro manazava ny sain’ny olompirenena fa efa hainy sy fantany ny tsianjery maimbo fanao hatrizay. Varotra firiperia (hevitra tonta) no mahazatra anareo e!

Raha tena mpanao politika manana tanjaka ara-kevitra dia tsy ho lany andro mampiteraka ao an-tanànan’Ambatobevohoka sy miandry papelika tsy ho hita. Raha Gasy mahatsinjo lavitra ihany koa dia tsy hanaiky lembenana amin’ny fampisotroana ronono amin’ny pô plastika.

Publicités

Fampanginana ny #WakeUpMadagascar – Fanampenam-bava Ny Serasera

Ny rehetra no nahamarika fa hatramin’ny omaly efa alim-be (05 Desambra 2014) dia faran’izay nanahirana tokoa  ny niditra tamin’ny tontolon’ny serasera (ny #TELMA #Moov aloha no tsikaritro, fa tsy haiko ny tambajotra hafa). Ny alina tokoa mantsy no mba afaka manokana fotoana betsaka kokoa hanarahana izay mitranga sy hifaneraserana ny ankamaroan’ny vahoaka.

Rehefa nifoha io maraina io indray dia izao no zavatra tsikaritra: afaka miditra amin’ny tontolon’ny aterineto ianao, saingy nobahanana ny fidiranao amin’ny #Facebook (tsy tapaka tanteraka fa nohasarotina). Marihako mihitsy hoe ny fidirana amin’io sehatra iray io no nobahanana (niniana amiko fa tsy hoe antony ara-teknika) satria izay tambajotra hafa rehetra fampiasako isanandro (mavesatra lavitra noho ny FB aza) dia azo nidirana vetivety daholo.

Tahotra:

Efa andro maro ihany koa no niarahan’ny rehetra nahafantatra ny fisian’ny fanentanana nataon’ny #WakeUpMadagascar ho an’ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka, mba ho avy hanao tohivakana manodidina ny farihin’ #Anosy haneho ny tsy fahazakàna intsony ny fahatapahan-jiro sy rano #JIRAMA manjo matetika ny vahoaka. Sady ho fanairana ihany koa ny mpitondra momba ny hirifiry zakain’ny vahoaka.

Raha ny lamina tany aloha (izay tsy nisy fanovàna hatreto) dia anio Sabotsy 06 Desambra 2014 amin’ny 10 ora no hanaovana izay tohivakana izay. Kisendrasendra angamba hoy ianao no nifandrifian’ireo rehetra ireo. Tsia kosa anefa hoy aho!

Tsy kisendrasendra ny fibahanana ny fidirana Facebook (FB) nanomboka omaly Zoma, nitohy androany Sabotsy. Hetsika niainga avy tao anaty FB ny Wake Up Madagascar. Tsy vitsy ny olona no nahita ny hafatra (na dia tsy nilaza mivantana ny heviny teo amin’ilay pejy aza). Nifampizaràna rahateo tany anaty vondrona (groupes) isankarazany tany ny fisiana sy ny antom-pisian’ilay hetsika, izay efa nomarihana fa hatao am-pilaminana. Nasain’ny mpikarakara ny hetsika mihitsy aza ny EMMO mba ho tonga eny an-toerana ka hamerina ny olona izay midina anaty arabe, hiverina hiakatra eny ambony trottoir natao ho an’ny mpandeha an-tongotra. Tanjona amin’izany ny tsy hanelingelenana ny fifamoivoizana sy ny hahitàna izay miketrika korontana.  Tsy kisendrasendra, hoy aho, ilay fibahanana satria atahoran’ny mpitondra fanjakana fa sao mbola ho be no hahita ny hafatra ka ho avy hamaly ny antso; atahoran’ny fanjakana fa sao tena ho sahy hatramin’ny farany tokoa hiroso hanatanteraka ny hetsika ireo mpikarakara; atahoran’ny fanjakana fa sao ho vanja handrehitra ny afon’ny lonilonim-bahoaka efa nihotrika ela io.

Lonilony mihotrika:

Efa ela tokoa ny vahoaka no nilaza fa leo, efa ela no niaritra mangina, ary malaza loatra amin’ny fahendrena sy fahaizana miaritra ‘treffle’ amin’izay rehetra mitranga. Hatramin’izay anefa dia nifori-dava tsy niteny, ary samy nahita ireo rehetra nifandimby nitondra ity firenena ity, fa rehefa io vahoaka niaritra ‘trefle’ io no mitroatra, dia efa ratsy izay no fiafaran’ny tantara. Koa io loinilony nihotrika ela tany anaty fiarahamonina io no heveriko (izaho manoratra) ho antony iray nanosika ny Wake Up Madagascar hanaitra ny sain’ny maro. Io lonilony nihotrika ela io no mbola heveriko fa tian’ny mpifehy hampanginina mba tsy hihitatra lavitra fa sao hanapaka ny tongon-tsezany; io lonilony nihotrika ela io no mbola eritreretiko koa ho ao ambadiky ny fibahanana ny FB manjo ny maro nanomboka omaly ka mitohy androany.

Fomba hafa:

Entaniko ianareo rehetra izay afaka manao izany mba hikarokaroka sy hifanontany, hitady fomba hafa hifampizaràna vaovao sy fanentanana, satria misy tokoa izay fomba hafa izay, izay tsy hotononiko eto fa sao dia hosakanany eo koa sanatria. Tsy hoe manentana anao hanatrika ny hetsika androany akory no tanjoko amin’ny fanoroana anao hoe misy fomba hafa, fa fanoroako anao hoe « Zonao ny hahalala vaovao, zonao ny ho afaka hikaroka sy haharay izany vaovao izany », ka ny fanakànana anao toy izay mitranga ankehitriny tsy ho afaka hanatrika na miserasera amin’ny manodidina anao, dia fanimbazimbàna ny zo fototra omen’ny lalam-panorenana anao. Koa raiso fa « Anao ny fitenenana »

Fomba fanao:

Tsy i Madagasikara akory, na ny Wake Up Madagascar, no voalohany nampiasa ny fomba fanaovana tohivakan’olombelona mba ho fanehoana AM-PILAMINANA ny tsy fahafaliana, na ho fanairana. Firenena maro maneran-tany no efa nanao izany, vahoaka maro sesehena no efa nampihatra izany, ary isan’ny vahoaka iharan’ny tsy fetezan-javatra ihany koa na ny mpitandro filaminana aza, ka dia namela ireny hetsika ireny hizotra am-pilaminana. Tsy voatery hanao herisetra akory vao ho fantatra fa hoe NIHAINO NY VAHOAKANY NY MPIFEHY.

Avylavitra (http://mg.globalvoicesonline.org)

 

Trano May Etsy, Trano May Eroa

Raha misy lohateny iray fahita tamin’ny gazety tato ho ato dia isan’ireny ny fahamaizana miseho lany etsy sy eroa.

DSC_00051Io hariva io dia toeram-ponenana maro no may sy levon’ny afo tetsy Antsahakely Besarety.
Tokony ho 20mn taorian’izay indray dia tranombarotra iray lehibe tetsy Ambatomitsangana Andravoahangy, mpivarotra ireny kojakoja ilaina amin’ny asa fanorenana sy ny fanamboarana ny atitrano ireny, no nirehitra. Loko sy akora simika, ary nahitàna zavatra vita tamin’ny plastika avokoa no hita tao. Izany hoe mora mirehitra. Araka ny voalazan’ny nanatri-nmaso ihany koa, dia nisy fipoahana avy ao anatin’ity trano ity taoriana kelin’ny nahitan’izy ireo ny afo sy ny setroka.

Azo ambara ho tsy nisy azo raisina ny entana tao anatin’ity tranombarotra ity, satria izay kely voasaringotra navoaka taorian’ny nifehezan’ny mpamono afo ny teo-draharaha, dia izay sisa tsy levon’ny afo, ary tafiditra anaty sokajin’ny brokatera.

DSC_00211

Soa aza fa tsy nahazo ireo tahirin’entana ahitàna valonan-damba marobe sy ireny simili-cuir ireny, izay tao amin’ny rihana voalohany. Raha sanatria nahazo ny rihana voalohany ny afo, dia tsy ho hita noanoa ny faharavana mety ho natrehana, ary tsy ho azo nialàna ny fahamaizana hatrany amin’ny ACEP.

ny fotoana nitadiavana izay fomba hamahàna ny misy ireo tahirinà valonan

ny fotoana nitadiavana izay fomba hamahàna ny misy ireo tahirinà valonan

Eto dia deraina manokana ny fahafoizan-tenan’ireo mpamono afo, nitolona nanao izay hifehezana izany, ary nisy mihitsy aza iray tamin’izy ireo torana teo amperinasa noho ny setroka.

nifamonjen'ireo namany ilay zalahy ity fa sempotra nitambotsitra

nifamonjen’ireo namany ilay zalahy ity fa sempotra nitambotsitra

Voatery mandady moa izy ireo mitady izay fototra niavian’ny afo, no sady mitifitra rano ihany.

natevina be ny setroka ka voatery nandady nizaha izay niaingàn'ilay firehetana

natevina be ny setroka ka voatery nandady nizaha izay niaingàn’ilay firehetana

Tombony ho an’ity tranobe ity ka tsy nihitaran’ny afo ho amin’ireo rihana rehetra sy ny efitra marobe taminy, ny fisian’ny toerana fanovozan-drano tsy lavitra teo, sy ny tsy fitohanan’ny fifamoivoizana, ka nahafahan’ny mpanono afo niasa haingana sy tamin-kalalahana tanteraka. Nampian’ire mpitandro filaminana. ihany koa.

Ndeha ary ny sary no avelantsika hiteny amin’izay e!

DSC_00141

DSC_00301

DSC_00331

DSC_00041

Raharaha hafa indray moa ny resaka andiam-balàla matory ao Ivato izao alina izao. Entanina ny olona tsy hihinana azy ireny rahampitso fa efa asiana fanafody izao alina izao

Fifamoivoizana: Ireo Tranga Hita Androany 11 Sept 2014

Betsaka ny zavatra hita eny an’arabe eny isanandro, saingy santionany vitsy no entina ho anareo eto androany (sary nalain’i Maminirina RADIFERA R.) Ao ny tsy fahatsiarovan-tenan’ny mpamily ka mametraka fiara anaty fiolanana tetsy Ambohidahy, ary tsy misy iraharahàny ny hafa mihitsy na niandry efa ho 20mn aza ny file avy any Anosy tokony hiodina teo vao tonga ny mpamily hanaisotra ilay fiara, tao koa ny loza nitrangàn’ny fahamaizana fiara tetsy Tsiazotafo (Golf T III), noho ny tsy fetezana tamin’ny tariby mitondra herinaratra. Fiara vao novidiana androany maraina anefa ity nirehitra ity. Tsy asiana resaka lava ireto fa ny sary no aoka hiteny / hampitenenina…

DSC_0194 DSC_0195 DSC_0198

 

Ireny Mpamily Ireny….

Resaka fifamoivoizana ny lahatsoratra atolotra anao. Ampahany aminà tononkira iray momba ny mpamily itsy natao lohateny. Voateny ao anatin’izay hira izay ny toetran’ny mpamily eny ambonin’iny fiara entiny iny, ary voalaza manokana amin’izany na tsy mivantana aza ny an’ireo mpampitohy faritra / faritany. Marihana anefa fa tsy ny mpamily rehetra kosa no manana ilay toetra lazain’ny tononkira nakàna io lohateny io. Resaka fampirafesana no malaza ao, saingy ity tantara ho entina aminao ity kosa dia toetra iray hafa mihitsy.

Antaninandro – Ambohijatovo no miseho ny tantara
Mizotra midoladola eo aloha ingahy sy ny fiarany 0919..D, fitaratra matroka daholo ny rehetra ankoatry ny any aloha, ary nijanona kely teo anaty arabe mihitsy rehefa tandrifin’ny Guitare Manako. Manaraka ato aoriana ny scooter iray, sady tsy afaka misongona akory.
Nampaneno anjomara ny scooter, fa tsy noraharahian’ingahy 0919..D
Rehefa afaka tamin’ilay mpivarotra fromage ery amin’ny tohotohobaton’Ambondrona dia nobahanan’ingahy 0919..D indray sady novohainy ny varavaran’ny fiarany hibahana ilay kodiaran-droa tsy ho afaka hisisika amin’ny haviany, dia nitrerona an’ity scooter izy: « Inona no imenomenonan’lah? « .
Namaly tsotra ingahy scooter: « Ianao sady mi-telefaonina eo ampamiliana sy mandeha mora ary mibahan-dàlana eraky ny arabe hatrany ambany any indray ve rangahy ity no hiteny ahy toy izany?- Tsy maintsy mampaneno klaxon aho raha izay no tianao ho fantatra. »
Hany herin’ingahy 0919..D nanakatona ny varavarany no sady nanome làlana. Anjaran’ilay scooter indray avy eo no nitarika moramora ny cortège nanomboka teo Ambondrona hatrany Ambohijatovo. Tsy sahy nanatona akaiky intsony ingahy 0919..D fa nanisy elanelana efa ho 50 m. Nony tonga teny amin’ny sampanana Ambohijatovo, saika nadofotr’ingahy 0919..D tamin’ny taxibe 119 ny fiarany raha nisy kely foana. Antony? Taitaitra tao izy ka saika hanenjika indray sy hibahana ilay scooter, izay efa afaka soa amantsara.
Hatreo ihany no hitako ny tantara, fa iny koa aho no lasa rehefa nahazo làlana.
Ataovy ihany ny manao kely tsy mba mamindro e! Saika nidiran’andro teo ingahy 0919..D sy ny palitao ary ny kiravaty tsy zakan’ny tendany.

Enga anie tsy ho sanatria ho toetra fanaony isanandro ity nataony ity (mihevitra ny tenany ho tompon’ny làlana sy ny lalàna), fa ‘ndeha hataontsika hoe sendra nisy olana nanjo na nitambesatra taminy tamin’io andron’ny 14 Jolay 2014 io. Na koa hoe mety niarahaba ny havany tany lafrantsa tany tratry ny fetin’ny fahaleovantena izy.

Nihetsika ve ny CUA (Antananarivo Renivohitra)

Ity ilay lavaka nodradraiko teto foana! Asa na ahoana fa mba nisy polisy niambina izy ity tamin’io hariva nandalovako io, ary nisy nanisy vato ihany koa. Voamariko anefa fa toa misy dianà fitrosonana izany eo amin’ilay izy. Enga anie tsy ho ilay nolazaiko. Fa raha sanatria ka nisy an’izay, hjo anareo nahita, mba tolory tànana aho, omeo sary, ho entiko manatitra voninkazo etsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Antananarivo Mairie raha sanatria ka nisy ny famoizana aina naterany.
Ankoatra izay, hitantsika ao anatin’ny lahatsary ihany koa ny tsy fanarahan-dalànanareo mpamily fiara. Dia hikamenona foana hoe ny scooter no miditra any anaty arabe miteraka ny loza nefa ny ataon’ny mpamily no mahatonga azy ireny tafiditra lalina any afovoany any, sy tafahoatra aty amin’ny file inverse

Voadona ve vao hihilana?

Zavatra iainana andavanandro ary toa efa lasa ‘fenitra’ mihitsy angamba ny resaka tsy firaharahiana sy tsy fanarahana lalàna tato anatin’ny taona vitsivitsy. Omena tsiny matetika ny mpivarotra amoron-dàlana, na ny mpandeha an-tongotra. Tsy voatery ho izay foana kosa anefa no zava-misy raha ity tranga nalaina sary androany ity no hitsarantsika azy.

Maro amin’ny mpandalo sy ny manodidina akaiky an’io fiolahana ery ambonin’ny tobin-tsolika, mampifandray azy amin’ny làlana avy any Soarano, no efa lasa mpitazam-potsiny ny fametrahana fiara ataon’ny olona ao amin’ny hotely lehibe iray niorina vao haingana eo amin’io fiolahana io. Ataon’izy ireo ho toy ny ‘parking’ mihitsy mantsy ny terana malalaka kely eo amin’io fihaonan-dàlana io.

Teny ampiandohana dia tsy takatr’ireto mpiandry varavarana hoe ny fiara 4 x 4 an’ny olona ao aminy , mibahana ny fifamoivoizana, no lasibatry ny fandraketana an-tsary, fa rehefa tonga saina izy ireo , dia lasa nampandre haingana ny tompon’ny fiara, izay hitantsika miampita ny arabe hanitsy ny hadalàny. Hay ka azo napetraka nianika teo amin’ny ankavanan’ny varavaran’ny hotely ihany ilay izy. Koa no tsy natao hatramin’izay fa niandry ny ‘Voadona vao nihilana’ re eeeee!

Ankafizo ny sary… dia tandremo sao tratrako toy izao fa dia alefako eto koa an!